Wikipedia
mgwiki
https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana
MediaWiki 1.39.0-wmf.22
first-letter
Rakitra
Manokana
Dinika
Mpikambana
Dinika amin'ny mpikambana
Wikipedia
Dinika amin'ny Wikipedia
Sary
Dinika amin'ny sary
MediaWiki
Dinika amin'ny MediaWiki
Endrika
Dinika amin'ny endrika
Fanoroana
Dinika amin'ny fanoroana
Sokajy
Dinika amin'ny sokajy
TimedText
TimedText talk
Module
Discussion module
Gadget
Discussion gadget
Définition de gadget
Discussion définition de gadget
Bodo (mpihira)
0
1162
1046634
1010201
2022-07-31T09:27:48Z
102.68.226.14
/* 2005 : Mety ve */
wikitext
text/x-wiki
[[File:BODO Diva's.jpg|thumb|Fankalazana ny faha-25 taona niakarany antsehatra - Palais des Sports MAHAMASINA 2015]]'''Bodoharisoa Razafindrazaka :''' fantatra amin'ny anarana hoe '''Bodo '''dia [[Mpanakanto Malagasy]] teraka tamin'ny 21 Jolay 1966. Fantatra ihany koa amin 'ny hoe "La Diva De La Chanson Malgache".
== Dingana nataony ==
1986 : nanomboka nihira izy ka nandray anjara tamin'ny fifaninana iray tamin’ny onjam-peo tsy miankina "TOP 16 sur la 2", ka laharana fahatelo izy tamin'izany. Ny taona 1987 izy vao nahazo ny laharana voalohany tamin'ilay hira noforoniny mitondra ny lohateny hoe "Miandry Anao" ka nahazoany ny loka fivahinianana any ampitan-dranomasina. Tany no namoronany an'ilay hirany malaza hoe "Hody".
1989 : Niaka-tsehatra voalohany, niarahana tamin'i Solo sy Hery (tarika Njila)
1991: Namoaka ny raki-kira "Neny" izy , izay mirakitra ny hira noforoniny sy i Naivo toa an'i "Fony Aho" "Misy Farany" "Dada" "Neny" "Mpanarato" "Mba Hento Aho" "Fisarahana", ary niara-niseho sehatra tamin'i [[Poopy]] sy Landy ary ny tarika [[Johary]]. Ankoatra izay dia nianatra nilalao Tantara andapihazo ihany koa Izy.
1992 : Niara-nihira Tamin'i [[Bessa]] sy Lola izy ka nampalaza azy ireo tamin'izany ilay hira hoe "Mba Te Hiantefa", "Hafa Ihany i Mama","'Ndao hihira" sns. Fantatra teo amin'ny sehatry ny "rock" malagasy ihany koa izy ary niara-niasa tamin'ny mpamoron-kira amin'ny teny anglisy ''Sonny Clark ''izay namorona ny hirany nalaza tamin'izany toa an'i "Mum is in and Dad is Out", "Go Dancing Tonight" na koa "Political skirmish" sy "Heart breaker".
1993 : Namoaka ny raki-kirany voalohany i Bodo , mitondra ny lohateny hoe "Sombinaiko", ka nalaza tamin'izany "Bianco", "Ry Foko", "The regret is never before" sy ny maro samy hafa.
1994 : Voafidy hisolo-tena an'i [[Madagasikara]] nandritry ny [[jeux de la francophonie]] izay natao tany Frantsa, izay nahazoany ny medaly volafotsy tamin'ny alalan'ilay hira noforoniny hoe "Diversités" sy " Solitaire". Io taona io ihany koa no namoahany an'ilay raki-kira faharoa "Solitaire-Diversités" izay mirakitra ireo hira nampalaza azy toy ny "Mba Rahoviana" , "Foiko Ho anao" na koa "Ny Fahitana anao" ary nahazo ny loka tamin'ny Gasitsara.
1995 : Nofidian'i [[Dama]] ao amin'ny [[Mahaleo (tarika)]] i Bodo hiarahihira aminy ilay hira hoe "Mimoza". Voafidy ho Ambasadaoron'ny [[Unicef]] ihany koa izy, nandimby toerana an'i [[Henri Ratsimbazafy]].
1996 : Namoaka ny Double Album "Za'Tomany" sy "Fotsiny" i Bodo ary nanao ny TOUR de Mada 96.
1997 : Namoaka ny rakikira evangelika "Tsangambato" izy ary niseho sehatra voalohany tao amin'ny Palais de sport niaraka tamin'i [[Poopy]].
1998 : Nilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka i Bodo.
1999 : Nivoaka ny rakikira "Mamiko" , mirakitra an'i "Safidy" "Modia" ary "Ataoko Akory".
2000 : Niavaka teo amin'ny sehatry ny cabaret i Bodo tamin'ny fahaizany miangaly ny hiran'i [[Whitney Houston]], [[Mariah Carey]] na koa i Celine Dion. Niaka-tsehatra tao amin'ny palais des sports niaraka tamin'i [[Njakatiana]].
2001 : Nivoaka ny raki-kira "Ndao Handihy", mirakitra an'i "Tsy izany" sy "Hiverina aho".
2003 : .Voafidy ho isan'ny mpitsara ny casting PAZZAPA izay nokarakarain'ny [[RTA]] iz[[RTA|y,]] ary namoaka ny rakikirany "Aina Miray" izay nisy an'i "Ankino", hira nalaza indrindra ny taona 2003 sy 2004.
2005 : Nivoaka ny rakikira "Mety Ve", ary nosafidian'ny [[RTA]] ho reny mpiahy ny Pazzapa Izy.
Nandray anjara tamin'ny [[Che Bel Canto]] andiany faha-roa tao amin'ny Palais des Sports Mahamasina niaraka tamin'i [[Kix, Tovo J'Hay, Luc, Mahery, Jeannot]]
2006 : Niditra teo amin'ny sehatry ny [[Sarimihetsika]] Malagasy ary nilalao tamin'ilay horonantsary hoe "Poizina " izy.
2007 : ny volana febroary , nanakaiky ny andro fankalazana ny fetin'ny mpifankatia dia niaraka nanao fampisehoana i Bodo sy i Poopy, folo taona taty aoriana tao @ palais des sports, andro vitsivitsy alohan'ny fampisehoana dia efa guichet fermé, ary maro ny nitaraina fa tsy tafiditra ka dia niverina niakan-tsehatra indray izy roa ny volana septembre ary namoaka an'ilay raki-kira vaovao '''"Tia Foana"'''. Namoaka raki-kira "Izaho Sy I Neny" , izay rakikira manokana ho an'i Reny Ihany koa i Bodo .
2009 : niteraka ny zanany "Olontsoa" izy.
2010 : Namoaka ny Raki-kira "Kilalao" sy DVD "Kilalaonao" izy.
2012 : Namoaka ny Raki-kira "Ny Fitiavana avy Aminao", ary dia nisantatra ny coulisse on tv tao amin'ny [[TV plus Madagascar]].
2013 : Nivoaka ny Raki-kira "Accoustique " namerenany ireo hira nampalaza azy amin'ny endriny akostika.
2015 : Nivoaka ny Raki-kira vaovao "Tsy Miova Aho" nanamarihany ny 25 taona nihirany.
2015 : Niara-niasa tamin'i Michel RANDRIA izy (mpitendry gitara fanta-daza any ivelany) ary namoaka ny raki-kira akostika "Ain't Misbihavin" teo @ sehatra iraisam-pirenena.
2016 : Fampisehoana nanamarika ny fiainanay notontosaina tao @ CC ESCA, izay natrehin'i Dadany no navoakany ho fahatsiarovana t@ alàlan'ny DVD "Satria tiako..Dada"
== Raki-Kira ==
=== 1993 : Sombinaiko ===
# Bianco
# Vetson-takariva
# Sombinaiko
# Hody
# Heart Breaker
# Mpanarato
# The Regrets Is Never Before
# Ry Foko
# Political skirmish
# Dancing Tonight
=== 1994 : Solitaire - Diversités ===
# Solitaire
# Foiko ho anao
# Boniment
# Mba rahoviana
# Ne lâche pas ma main
# Ny fahitana anao
# Diversités
# Appel
# Falifaly
# Pleurs cachés
# Miandry anao
# Leo ny manao ny marina
=== 1996 : 'Za Tomany ===
# Avelao hanantena
# Aok'izay
# Manirery
# Mitafa Irery
# Ambarambarao
# Mitraka
# Ny tsia
# Manimanina
# Satry
# Paradisa
# Ianao
# Tsy Satry
=== 1996 : Fotsiny ===
# Fotsiny
# Tso-drano
# Rafehendrena
# Nandao
# Aza manahy
# Ny anao sy ny azy
# Malagasy
# Ho antsika
# Lazao
# Lany fanahy
# Ataoko ahoana
# Ifonako
=== 1997 : Tsangambato ===
# Lalan-tsarotra
# Moa ve tsy ho lazaiko
# Isaoranay
# Sambatra
# Tsy mba lapa
# Aro
# Ianareo roa
# Mandalo ihany
# Raha re
=== 1999 : Mamiko ===
# Mamiko
# Tsy vandivandy
# Satria
# Modia
# Safidy
# Ataoko akory
# Embona
# Fenofeno
# Ianao
# Valim-babena
# Mamiko (accoustic)
=== 2001 : 'Ndao Handihy ===
# Ndao handihy
# Anjelinao
# Hiran'i Neny
# Hafatra
# Tia Tiana sy
# Avelao Hifaly
# Valim-Pitia
# Ampy izay
# Tsy izany
# Tia anao
# Veloma
# Hiverina
# Vali-babena (remix)
=== 2003 : Aina Miray ===
# Aina Miray
# Ankino
# Gasy mody
# Tsy angina
# Fenonao
# Zanakao
# Aho tsy maninona
# Hiran'i Neny
# Sûr'Eau
# Tsaroany
=== 2003 : Best Of ===
CD 1
# Ento aho
# Tsy izany
# Ataoko akory
# Mba rahoviana
# Paradisa
# Ny Tsia
# Modia
# Rafahendrena
# Ndao handihy
# Heart breaker
CD 2
# Miandry anao
# Satria
# Ampy izay
# Ny fahitana anao
# Ry foko
# Safidy
# Fotsiny
# Sombinaiko
# Avelao hifaly
# Foiko ho anao
# Bianco
# Ifonako
=== 2005 : Mety ve ===
# Mety ve
# Hafatra ho anao
# Ilaiko amina
# Mankany aminao
# Ampamoizo
# Babo
# Ny fitiavanao
# Tafahoatra
# Raha omenao
# Vavaka
# Rehefa eo ianao
# 'Zaho sy ianao avec (Kix/Tovo J'Hay/Luc/Jeannot/Mahery)
=== 2006 : Accoustique ===
# Embona
# Ianao
# Tsy Satriko
# Lazao
# Tia Anao
# Foiko Ho Anaoversion anglais)
# Avelao Hanantena
# Rehefa Eo Ianao
# Sombiniaiko
# Avelao Hifaly
# Mitafa Irery
# Mamiko
=== 2007 : Tia foana (album duo avec [[poopy]]) ===
# Medley Slow (''Fony Aho/Afenina/Hody/Tsy Natolony/Sombinaiko/Tolory Tanana)''
# Raha Toa
# Lazao Ahy Fa ...''(Poopy)''
# Hankany Aminao ''(Bodo)''
# Medley Dance ''(Tsy Izany/Izay manao ny marina/Taloha/Misy farany)''
# Tia Foana
# Afenina/Tsy Maninona Aho
=== 2007: Izaho sy i Neny ===
# Neny
# Neny tiakao
# Hiran'I Neny
# Ambarambarao
# Tso-drano
# Sombinaiko
# I Hafa ihany i Mama
=== 2010 : Kilalao ===
Kilalao CD
# Fiainana
# Kilalao
# Efa ahy
# Ny atao no Miverina
# Fo tia
# Iaino
# Singa sarobidy
# Angamba
# Tsingerin-taona
# . Asa aloha
# Bonus
Kilalao VCD
# Fiainana
# Kilalao
=== 2011: Kilalaonao ... DVD LIVE ===
DVD 1:
# Générique
# Mba Rahoviana
# Leo Ny Manao Ny Marina
# Political Skrimish
# Aina Miray
# Bianco
# Tsy Hangina
# Babonao
# Rehefa Eo Ianao
# Mihira Aho Satia
# Sombiniaiko
# Dada / Mba Ento Aho
# Paradisa An-tany
# Ny Ntsia
# Heart Breaker
# Ankino
# Vavaka
# Fony Aho
DVD 2:
# Medley Slow
# Mpanarato
# Rahafahendrena
# Mety Ve
# 'Ndao Handihy
# Ataoko Akory
# Modia
# Aok'izay
# Misy Farany
=== 2011 : Mizara ===
# Tojo avec Solo
# Talenta avec Max Exception
# Somainao zaho avec Francisiko
# Satria avec Hery
# Mahery ny fitia avec Rija Ramanantoanina
# Tia foana avec Poopy
# Fisarahana avec Naivo
# Mba te hiantefa avec Mahery
# Fitiava-namana avec Luk
# Tena fitia avec Balita Marvin
# Satria avec Malala
# Tso-drano avec Mitia
=== 2012 : Fitiavana tena avy Aminao ===
# Fitiavana tena avy Aminao
# Leo-ndranomaso
# Ianao
# Valim-bavaka
# Eo am-pelatananao
# Ho tanjona
# Resy lahatra
# Fitahiana
# Ilay fitsaharana
# Omeo ahy
=== 2013 : Acoustique ===
# Fenofeno
# Nandao
# Tsy Hangina
# Manirery
# Modia
# The Regrets Is Never Before
# Ataoko Akory
# Malagasy
# Mpanarato
# Heart breaker
=== 2015 : Tsy Miova Aho ===
# Tsy Very Maina
# Aim-panahy
# Fihavanana
# Tsy miova aho
# Tanora (feat Agrad & Skaiz)
# Fitia mikony
# Ny antsika no mety
# Mangahiahy
# Taloha
# Aza Tsaraina
=== 2015 : AIN'T MISBEHAVEN' (Album International en Duo purement acoustique avec MICHEL RANDRIA (guitare) ===
# Ain't misbehavin'
# Honeysuckle rose
# La belle vie
# Witchcraft
# Black Trombone
# Miala tsiny
# Anjavidy
# Miandry anao
# Fotsiny
# Tanisa
# Ain't misbehavin' (Malagasy version)
=== 2016 : Satria tiako... Dada ===
# Falifaly
# Dada
# Medley Fenonao - Mpanarato - Paradisa
# Tsaroany
# Fenonay
# Medley Bianco - Mety ve
# Medley Mangahiahy - Avelao hifaly
# Aimpanahy
# Singa sarobidy - Mosoara
== VIDEOCLIP ==
* 1990
# ''Miandry anao''
# ''Ry Foko''
# ''Neny''
* 1992
# ''Mpanarato''
* 1993
# ''Vetson-takariva''
* 1994
# ''Foiko ho anao''
# ''Leo ny manao ny marina''
# ''Mba rahoviana''
* 1995
# ''Aok'izay''
* 1996
# ''Manirery''
# ''Ambarambarao''
# ''Nandao''
# ''Ho Antsika (feat Do Rajohnson)''
# ''Mitafa Irery,''
* 1998
# ''Ataoko akory''
* 1999
# ''Mamiko''
# ''Modia''
# ''Safidy''
* 2001
# ''Hiverina aho''
# ''Ndao handihy''
* 2002
# ''Avelao Hifaly''
# ''Tsy Izany''
# ''Hiran'i Neny''
* 2003
# ''Aina Miray''
# ''Ankino''
# ''Fenonao''
* 2004
# ''Tsy hangina''
# ''Tsaroany''
# ''Izaho Sy Ianao (feat Kix,Tovo J'hay,Kiady,Mahery,Luc)''
* 2005
# ''Ampamoizo''
# ''Mety ve''
# ''Vavaka''
* 2006
# ''Rehefa eo ianao''
# ''Babonao''
# ''Ny fitiavanao''
* 2007
# ''medley feat Poopy''
# ''tia foana feat Poopy''
# ''Neny''
# ''Neny Tiako''
* 2008
# ''Fly Away,''
* 2010
# ''Kilalaonao''
# ''Fiainana''
* 2011
# ''Angamba''
* 2013
# ''Tsy very maina''
# ''Aim-panahy''
* 2014
# ''Mangahiahy''
# ''Tanora(feat Agrad & Skaiz)''
* 2017,
# ''Mifampitantana (feat Poopy)''
* 2018
# ''Toerana Kely (feat Njakatiana)''
=== Album video ===
==== 2006 Bodo La Diva ====
# Intro
# Mamiko
# Ataoko akory
# Safidy
# Ndao handihy
# Avelao hifaly
# Hiran'i Neny
# Hiverina
# Tsy hangina
# Aina miray
# Ankino
# Tsy izany
# Fenonao
# Babo
# Tsaroany
==== 2014 Retour aux sources ====
# Angamba
# Dancing' round and round
# Fiainana
# Kilalao
# Together again
== Rohy ivelany ==
* http://tononkira.serasera.org/?rub=mpihira&id=2
[[Sokajy:mpihira malagasy]]
* https://commons.wikimedia.org/wiki/File:BODO_Diva%27s.jpg
m0q19g0124slwmai0cnpxmy26pk6l6p
Paulinho
0
198938
1046624
762556
2022-07-30T14:34:09Z
FMSky
25585
wikitext
text/x-wiki
{{infobox olona
|sary=20180610 FIFA Friendly Match Austria vs. Brazil Paulinho 850 1696.jpg
|anarana=Paulinho
|teraka=25 Jolay 1988
|maty=
|firenena=Brazila
|mpiaraka=
|asa=
* [[mpilalao baolina kitra]]
|taona niasàna=
}}
'''Paulinho''' dia mpilalao baolina kitra mizaka ny zom-pirenen'i [[Brazila]] teraka ny 25 Jolay 1988 tao [[São Paulo]]
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]
[[sokajy:Biôgrafia]]
{{vangovango}}
[[sokajy:mpilalao baolina kitra]]
ejd88myw8yhut73ks35wajlljlrjuwe
Sylvester Stallone
0
215483
1046623
1044766
2022-07-30T12:11:28Z
107.77.209.6
/* Rohy ivelany */Rocky vi ali vs baker
wikitext
text/x-wiki
{{infobox olona
|sary=
|anarana=Sylvester Stallone
|teraka=6 Jolay 1946
|maty=
|firenena=Etazonia
|mpiaraka=
|asa=
* [[mpilalao amin'ny horonantsary]]
* [[talen-koronantsary]]
* [[mpanoratra senariô]]
* [[mpamoaka horonantsary]]
* [[mpanoratra]]
|taona niasàna=
}}
[[File:Sylvester Stallone by Gage Skidmore 2.jpg|thumb|Stallone (2012)]]
'''Sylvester Stallone''' dia mpilalao amin'ny horonantsary, talen-koronantsary, mpanoratra senariô, mpamoaka horonantsary, mpanoratra mizaka ny zom-pirenen'i [[Etazonia]] teraka ny 6 Jolay 1946 tao [[New York]]
==Ny fiainany manokana==
Ny zanany dia Sage Stallone. Ny rahalahiny sy/na ny rahavaviny dia Frank Stallone.
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]
===Rohy ivelany===
* Ao amin'i Freebase: [https://www.archive.is/YTcFq Rocky vs ali, rocky vs baker] {{Wayback|url=https://www.freebase.com/m/0gn30 |date=20151030031352 }}
[[sokajy:Biôgrafia]]
{{vangovango}}
[[sokajy:mpilalao amin'ny horonantsary]]
[[sokajy:talen-koronantsary]]
[[sokajy:mpanoratra senariô]]
[[sokajy:mpamoaka horonantsary]]
[[sokajy:mpanoratra]]
[[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1946]]
gga8tbdoga6f11ot43wh8jva8mhga25
Jesoa
0
225184
1046638
1040544
2022-07-31T11:22:20Z
Thelezifor
15140
/* I Jesoa araka ny silamo */
wikitext
text/x-wiki
{{infobox olona
|sary= Cefalù Pantocrator retouched.jpg
|anarana=Jesoa
|teraka=Anelanelan'ny taona 7 sy 3 talohan'i J.K. tao Betlehema
|maty=Taona 30 tao Jerosalema
|firenena=Empira Romana
}}
I '''Jesoa''' na '''Jesosy''' na '''Jeso''' dia [[Jiosy]] tany [[Palestina]] izay inoan' ny [[Kristianina|Kristiana]] ho [[Zanak'Andriamanitra (kristianisma)|zanak' Andriamanitra]] sy [[mesia]] nirahina ho ety ambonin' ny tany hanavotra ny olombelona tamin' ny alalan' ny fahafatesany sy ny [[Fitsanganan'i Jesosy ho velona|fitsanganany ho velona]] indray. Izy no foto-pisian' ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]]. Ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] dia manao an' i Jesoa ho olona fotsiny fa tsy Andriamanitra na zanak' Andriamanitra akory aza. Ny fivavahana [[silamo]] dia mihevitra azy ho [[mpaminany]] sahala amin' ny mpaminany [[Mohameda|Mohamady]].
== Ny anaran' i Jesoa ==
Ny anarana hoe ''Jesoa'' dia hita ao amin' ny [[Baiboly katôlika amin'ny teny malagasy|Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy]] fa ny ''Jesosy'' kosa ao amin' ny [[Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy|Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy]]. Ny hoe ''Jesosy'' dia [[fanagasiana]] ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]] hoe ''Jesus,'' izay avy amin' ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''Iesus,'' izay avy amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''Ἰησοῦς'' / ''Iêsoûs,'' izay avy amin' ny teny hebreo hoe ''Yeshua'' na ''Yehoshua.''
Ny anarana hebreo lava hoe ''Yehoshua'' no ampiasaina amin' ny endrika fohy hoe ''Yeshua.'' Izany teny izany dia ahitana ny hoe ''Yeho'' na ''Yeh'' izay fanovan' ny hoe ''Yaho'' na ''Yah'' (sahala amin' izay hita ao amin' ny hoe ''Halelu Yah'') izay fanafohezana ilay anaran' Andriamanitra hoe ''[[Yahweh]]'' na ''Jehovah''. Ny hoe ''Yehoshua'' izany dia azo adika hoe "Mpamonjy i Yahweh" na "Yahweh dia famonjena". Mitovy fototra sy dika ny hoe ''Jesoa'' sy ''[[Josoa]]'' izay samy avy amin' ny teny hoe ''Yehoshua'' na ''Yeshua''.
== I Jesoa araka ny fivavahana kristiana ==
[[Sary:Sandro_Botticelli_080.jpg|vignette|152x152px|''Fanambaràna ny hahaterahan' i Jesoa,'' nataon' i Sandro Botticelli, taona 1489 na 1490.]]Ny Kristiana dia mino fa [[Zanak'Andriamanitra (kristianisma)|zanak' Andriamanitra]] i Jesoa nefa ny fiangonana tsirairay dia samy manana ny fomba fampianarany . Ny taranja [[Teôlôjia|teôlôjika]] ianarana sy andinihana ny amin' izany dia ny [[kristôlôjia]] (izay momba ny toetr' i Jesoa ampifandraisina amin' Andriamanitra sy amin' ny olona). Ny fahasamihafan' ny finoana an' i Jesoa dia isan' ny niteraka ny fanaovana [[kônsily]] (fivorian' ny [[eveka]] atao mba hanapahan-kevitra momba ny finoana sy ny fandaminana ny Fiangonana) sy nahatonga ny fandraiketana ireo [[fanekem-pinoana]] voalohany. Izany ihany koa no anisan' ny sivana nisafidianana ny boky [[Kanonan'ny Baiboly|kanônika]] ao amin' ny [[Baiboly]].
[[Sary:Obereschach_Pfarrkirche_Fresko_Fugel_Christi_Himmelfahrt_crop.jpg|vignette|271x271px|''Fiakaran' i Jesoa ho any an-danitra'', nataon' i Gebhard Fugel, 1893 na1894.]]
=== Ny mino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa ===
Ho an' ny fiangonana kristiana mino ny [[Trinite]] dia Andriamanitra tonga nofo i Jesoa Kristy. Tsy zanak' Andriamanitra fotsiny ihany izy fa [[Andriamanitra Zanaka]]. [[Persona (teolojia)|Personan]]' Andriamanitra i Jesoa sahala amin' ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] sy ny [[Fanahy Masina]] izay samy persona avokoa. Manana toetra roa izy: sady olona no Andriamanitra. Naterak' Andriamanitra Ray fa tsy natao i Jesoa Kristy. Ny [[Fiangonana katolika]] sy [[Fiangonana ortodoksa]] ary ny [[Fiangonana protestanta]] dia mino ny [[Trinite]].
=== Ny tsy mino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa ===
Misy anefa ny fiangonana izay mihevitra fa ny teny hoe ''zanak' Andriamanitra'' dia sarinteny fotsiny na teny azo ampiharina amin' ny olona rehetra izay mino an' Andriamanitra sy manao ny sitrapony. Noho izany, hoy izy ireo, ny finoana ny [[Trinite]] dia [[finoana andriamanitra maro]] ka anisan' ny fahotana izany. Zavaboarin' Andriamanitra tahaka ny zavaboary rehetra i Jesoa. Misy amin' ireo fiangonana ireo ny manao an' i Jesoa Kristy ho olona fotsiny fa [[Adoptianisma|natsangan' Andriamanitra]] ho zanany. Ao koa ireo mihevitra fa [[anjely]] izy. Ny [[Vavolombelon'i Jehovah|Vavolombelon' i Jehovah]] dia tsy mino ny maha Andriamanitra an' i Jesoa fa manao azy ho ny anjely [[Mikaela (arikanjely)|Mikaela]].
== I Jesoa araka ny fivavahana abrahamika hafa ==
=== I Jesoa araka ny jodaisma ===
Ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] dia manao an' i Jesoa ([[Fiteny hebreo|hebreo]]: יֵשׁוּ / ''Yēšū'') ho olona fotsiny fa tsy [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] na [[Zanak'Andriamanitra|zanak' Andriamanitra]] akory aza.
Ivom-poto-kevitra amin' ny [[jodaisma]] dia ny [[Mônôteisma|mahatokana]] sy ny maha hafa tanteraka an' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] ([[Bokin'ny Deoteronomia|Deoterônômia]] 6.4)<ref><small>"Mihainoa, ry Israely: Iaveh Andriamanitsika, dia izy ihany no Iaveh." (Deo. 6.4)</small></ref>, ary ny fivavahana amin' ny olombelona dia heverina ho endrika [[fanompoan-tsampy]]. Noho izany dia mitsipaka ny fiheverana an' i Jesoa (na ny mesia jiosy hoavy) ho Andriamanitra<ref><small>Jacobs, Joseph; Kohler, Kaufmann; Gottheil, Richard; Krauss, Samuel. "[http://www.jewishencyclopedia.com/articles/8616-jesus-of-nazareth Jesus of Nazareth]". ''Jewish Encyclopedia''. [https://web.archive.org/web/20160226102548/http://jewishencyclopedia.com/articles/8616-jesus-of-nazareth Tahiry] tamin' ny 26 Febroary 2016. Jereo ''Avodah Zarah'' 17a:1 sy ''Sanhedrin'' 43a:20, Gittin 57a:3-4, ary ''Sotah'' 47a:6.</small></ref>, na ho mpanelanelana amin' Andriamanitra, na ampahany ao amina [[Trinite]]<ref><small>Kessler, Ed. "[http://www.bbc.co.uk/thepassion/articles/jesus_the_jew.shtml Jesus the Jew]". [https://web.archive.org/web/20121207081354/http://www.bbc.co.uk/thepassion/articles/jesus_the_jew.shtml BBC.Tahiry] tamin' ny 7 Desambra 2012.</small></ref>. Ny jodaisma dia milaza fa tsy mesia i Jesoa, satria sady tsy nahataneraka ny faminaniana momba ny [[Mesia]] ao voalaza ao amin' ny [[Tanakh]] izy no tsy nahitana ireo toetra mampiavaka manokana ny Mesia. Milaza ny [[Jiosy]] fa tsy nahatanteraka ireo faminaniana ny amin' ny hanamboarana ny [[Tempoly Fahatelo]] ([[Bokin'i Ezekiela|Ezekiela]] 37.26-28)<ref><small>"<sup>26</sup> Sady hanao fanekem-pihavanana amin' izy ireo aho, ka ho fanekena aminy mandrakizay izany; ary izaho hanorina azy, hampitombo azy, ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay. <sup>27</sup> Ny fonenako, ho eo ambonin' izy ireo; izaho ho Andriamaniny; ary izy ho vahoakako. <sup>28</sup> Dia ho fantatry ny firenena fa Iaveh aho manamasina an' Israely, rahefa ho eo aminy mandrakizay ny fitoerako masina." (Ezek. 37.26-28) ''Ny Baiboly Masina.''</small></ref>, momba ny famerenana indray ny [[Jiosy]] ho any Israely (Isaia 43.5-6)<ref><small>"<sup>5</sup> Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao; <sup>6</sup> Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin' ny faran' ny tany," (Isaia 43.5-6) ''Ny Baiboly''</small></ref>, momba ny famerenana ny fandriam-pahalemana (ny fiadanana) ety ambonin' ny tany (Isaia 2.4)<ref><small>"Ary hitsara ny adin' ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony" (Isaia 2.4) ''Ny Baiboly''.</small>
<small>"Ho mpanelanelana amin' ny vahoaka izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin' omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona" (Izaia 2.4) ''Ny Baiboly Masina''</small></ref> ary ny fampiraisana ny olombelona rehatra eo ambany fahefan' ny Andriamanitr' i Israely ([[Bokin'i Zakaria|Zakaria]] 14.9)<ref><small>"Ary Iaveh ho tonga mpanjaka amin' ny tany rehetra; ary amin' izany andro izany, dia ho tokana ihany Iaveh, ary ny anarany ho tokana ihany." (Zakaria 14.9) ''Ny Baiboly Masina''</small></ref>. Ankoatr' izany araka ny lovantsofina jiosy, dia tsy misy mpaminany itsony aorian' i [[Malakia]]<ref><small>Simmons, Shraga (March 6, 2004). "[http://www.aish.com/jewishissues/jewishsociety/Why_Jews_Dont_Believe_In_Jesus.asp Why Jews Do not Believe in Jesus]". ''Aish.com''. [https://web.archive.org/web/20060316040138/http://www.aish.com/jewishissues/jewishsociety/Why_Jews_Dont_Believe_In_Jesus.asp Tahiry] tamin' ny 16 Marsa 2006.</small></ref>, izay nanolotra ny faminaniany taorian' ny taonjato faha-5 tal. J.K<ref><small>"[http://www.jewishencyclopedia.com/articles/10321-malachi-book-of Malachi, Book of]". ''Jewish Encyclopedia''. [https://web.archive.org/web/20130518045350/http://www.jewishencyclopedia.com/articles/10321-malachi-book-of Tahiry] tamin' ny 18 Mey 2013.</small></ref>.
Efa hatry ny ela no nisian' ny fitsikeran' ny fivavahana jiosy an' i Jesoa. Ny [[Talmoda]], izay nosoratana sy nangonina tamin' ny taonjato faha-3 hatramin' ny faha-5 taor. J.K.<ref><small>"[http://www.jewishencyclopedia.com/articles/14213-talmud Talmud]". ''Jewish Encyclopedia''. [https://web.archive.org/web/20110906061120/http://www.jewishencyclopedia.com/view.jsp?artid=32&letter=T Tahiry] tamin' ny 6 Septambra 2011.</small></ref>, dia misy tantara izay heverina hatramin' ny [[Andro Antenantenany]] ho fitantarana manala baraka an' i Jesoa<ref><small>"[https://www.jewishvirtuallibrary.org/jsource/judaica/ejud_0002_0011_0_10113.html Jesus]". ''Jewishvirtuallibrary''.org. [https://web.archive.org/web/20161109044442/http://www.jewishvirtuallibrary.org/jsource/judaica/ejud_0002_0011_0_10113.html Tahiry] tamin' ny 9 Novambra 2016.</small></ref>. Ao amin' ireo tantara ireo dia mpanda ny finoana sady manafintohina i ''Yeshu HaNozri'' ("Jesoa avy ny Nazareta") izay nohelohin' ny antenimiera ambony jiosy noho izy nampiely ny [[fanompoan-tsampy]] sy ny fanaovana hatsarana (majika)<ref><small>Kessler, Edward; Wenborn, Neil (2005). ''[https://books.google.com/books?id=QkI_JNv3rIwC&pg=PA416 A Dictionary of Jewish-Christian Relations]''. Cambridge University Press. p. 416. <nowiki>ISBN 978-1-139-44750-8</nowiki>. [https://web.archive.org/web/20150907090106/https://books.google.com/books?id=QkI_JNv3rIwC&pg=PA416 Tahiry] tamin' ny 7 Septambra 2015.</small></ref>. Ny teny hoe ''Yeshu'' dia fanafohezan-teny izay manana izao hevitra izao: "hofafana anie ny anarany sy ny fahatsiarovana azy"<ref><small>David M. Neuhaus, [https://www.haaretz.com/israel-news/.premium-how-israeli-jews-fear-of-christianity-turned-into-hatred-1.9516266 'How Israeli Jews' Fear of Christianity Turned Into Hatred],' [[:en:Haaretz|Haaretz]] 6 February.</small></ref>. Mihevitra ny ankamaroan' ny manam-pahaizana ankehitriny fa tsy ahafahana mamantatra an' ilay Jesoa ara-tantara ireo tahirin-kevitra ireo<ref><small>Theissen, Gerd; Merz, Annette (1998). ''[https://books.google.com/books?id=3ZU97DQMH6UC The Historical Jesus : a Comprehensive Guide].'' Fortress Press. <nowiki>ISBN 978-1-4514-0863-8</nowiki>. , pp. 74–75. [https://web.archive.org/web/20200805091805/https://books.google.com/books?id=3ZU97DQMH6UC Tahiry] tamin' ny 5 Aogositra 2020.</small></ref>. Ny ''Mishneh Torah'', izay asasoratra momba ny lalàna jiosy tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-12 nosoratan' i Moses ben Maimon (izay fantatra amin' ny anarana hoe [[Mosesy Maimonida|Maimônida]]), dia manambara fa "vato fanafintohinana izay nahatonga "ny ankamaroan' ny olona eran' izao tontolo izao ho voafitaka sady hanompo andriamaitra hafa fa tsy ny Tompo" i Jesoa<ref><small>Jeffrey, Grant R. (2009). ''[https://books.google.com/books?id=xCW8fjiE-DYC&pg=PA108 Heaven: The Mystery of Angels]''. Random House Digital. p. 108. <nowiki>ISBN 978-0-307-50940-6</nowiki>. [https://web.archive.org/web/20150914213327/https://books.google.com/books?id=xCW8fjiE-DYC&pg=PA108 Tahiry] tamin' ny 14 Septambra 2015.</small></ref>.
Ny literatiora hebreo tamin' ny Andro Antenantenany dia ahitana ny ''Sefer Toledot Yeshu'' ([[Fiteny hebreo|hebreo]]: ספר תולדות ישו) izay mitantara an' i Jesoa ho zanak' i Josefa na zanak' i Pandera. Miresaka an' i Jesoa ho mpisandoka ilay fitantarana<ref><small>Adam Sutcliffe (November 10, 2005). ''[https://books.google.com/books?id=vjilDDXfmqEC&pg=PA141 Judaism and Enlightenment]''. Cambridge University Press. pp. 141–. <nowiki>ISBN 978-0-521-67232-0</nowiki>. [https://web.archive.org/web/20191208000728/https://books.google.com/books?id=vjilDDXfmqEC&pg=PA141 Tahiry] tamin' ny 8 Desambra 2019.</small></ref> <ref><small>[[:fr:Tiberius_Iulius_Abdes_Pantera|Pandera]] na Pantera ([[Fiteny grika|grika]]: Πανθήρα / ''Panthêra''), atao amin' ny anarana lava hoe ''Tiberius Julius Abdes Pantera'', dia miaramila rômana.</small></ref>.
=== I Jesoa araka ny silamo ===
Ny fivavahana [[silamo]] dia mihevitra an' i Jesoa ho [[mpaminany]] sahala amin' ny mpaminany [[Mohameda|Mohamady]].
Mitantara ny [[Kor'any]] ao amin' ny andalana maro ny amin' ny [[fiteraham-birijiny]] an' i Jesoa izay noforonina araka ny didian' Andriamanitra hoe: "Misia"<ref><small>Sorata III, ''Ny fianakavian' i 'Imran'', andininy faha-42: "Tompo, hoy i Maria, ahoana no hananako zanaka lahy? Tsy nisy lehilahy nadia iray aza nanakaiky ahy. Araka izany, hoy ilay anjely, no amoronan' Andriamanitra izay tiany hoforonina. Niteny Izy hoe: Misia, dia misy izany."</small> </ref> sady notorontoronin' ny fofonain' Andriamanitra<ref><small>Sorata XXI, Ireo Mpaminany, and. 91: "Natsokanay amin' ilay nitahiry ny maha virjiny azy ny fanahitsika; nataonay famantarana ho an' izao rehetra izao izy miaraka amin' ny zanany lahy".</small> </ref>.
Ao amin' ny Kor'any, "ny Mesia Jesoa, zanak' i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]], dia tsy inona fa irak' Andriamanitra, ny Teniny izay nirahiny ho any amin' i Maria, ary fofonaina avy aminy" (Sorata 4.171). Amin' ny maha mpanambara mialoha an'i [[Mohamady]] azy dia nitory ny [[Mônôteisma|finoana andriamanitra tokana]] madio izy, nanatanteraka [[fahagagana]], nanasitrana, [[Fitsanganan-ko velona|nanangan-ko velona]] ny maty ary "mahalala ny zava-miafin' ny fo". I Ibn Arabi dia manome azy ny anaram-boninahitra hoe "tombokasen' ny fahamasinana", "ny vavolombelona lehibe amin' ny alalan' ny fo", fa i Mohamady kosa no "tombokasen' ny mpaminany", "ny vavolombelona lehibe amin' ny alalan' ny lela"<ref name=":0"><small>Marie-Thérèse Urvoy, "Jésus" ''ao amin' ny'' M. Ali Amir-Moezzi (dir.) ''Dictionnaire du Coran'', éd. Robert Laffont, 2007, <abbr>p.</abbr> 440</small></ref>.
Ny fanehoana an' i Îsâ<ref><small>''ʿĪsā ibn Maryam'' (عيسى ابن مريم "Jesoa zanak' i Maria") no anarana iantsoan' ny Miozolmana an'i Jesoa amin' ny teny arabo.</small></ref> ao amin' ny Kor'any dia manome azy koa anjara asa araka [[eskatôlôjia]]<ref><small>Marie-Thérèse Urvoy, "Jésus" ao amin' ny M. Ali Amir-Moezzi (dir.) ''Dictionnaire du Coran'', éd. Robert Laffont, 2007, <abbr>p.</abbr> 439, 441.</small></ref>: ny fiverenany eto an-tany, amin' ny maha Miozolmana azy, no famantarana ny fahataperan' izao tontolo izao sy ny andron' ny [[fitsarana farany]], fa hadita maro no maneho azy ho ny mpiara-dia lehibe amin' i Mahdi, Mpamonjin' ny andro farany.
Ahitana filazana mandà efatra momba an' i Îsâ ny ao amin' ny Kor'any, mba tsy hisian' ny ''shirk'' (fampikambanana ny tsy tokony hikambana)<ref name=":0" />: sady tsy Andriamanitra, no tsy zanany, no tsy iray amin' ny andriamanitra kamban-telo (triada)<ref><small>"[http://www.maison-islam.com/articles/?p=471 Le Coran dit-il que la Trinité chrétienne est “Père, Mère, Fils” ?"] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.maison-islam.com%2Farticles%2F%3Fp%3D471 tahiry]], ''La Maison de l'islam'', 5 décembre 2008.</small></ref> (ny [[Trinite]] dia heverin' ny Miozolmana ho famantaran' ny [[Pôliteisma|fivavahana amin' andriamanitra maro]]), sady tsy nohomboana tamin' ny hazo fijaliana izy<ref><small>Sorata IV, and 157: " [...] ary noho ny tenin' izy ireo manao hoe: "Novonoinay tokoa i Kristy Jesoa, zanak' i Maria, ilay Irak' i Allah" ... Nefa sady tsy namono no tsy nanombo azy amin' ny hazo fijaliana izy ireo; sandoka izany! Ary ireo niady hevitra ny aminy dia tao amin' ny tsy fahazoana antoka: tsy manana fahalalana azo antoka na iray akory izy ireo, tsy misy afa-tsy anjoanjo no arahiny ary tsy nahafaty azy mihitsy izy ireo."</small></ref> satria tsy mendrika ny mpaminanany lehibe tahaka azy izany<ref name=":0" />.
=== I Jesoa araka ny finoana bahay ===
Manao an' i Jesoa ho fisehoan' Andriamanitra ny fampinaran' ny [[finoana bahay]]. Ny hoe "fisehoan' Andriamanitra dia fiheverana bahay momba ireo mpaminany<ref><small>Stockman, Robert (1992). "[http://bahai-library.com/stockman_jesus_bahai_writings Jesus Christ in the Baháʼí Writings]". ''[[:en:Bahaʼi_Studies_Review|Bahaʼi Studies Review]]''. 2 (1). [https://web.archive.org/web/20190607061448/http://bahai-library.com/stockman_jesus_bahai_writings Tahiry] tamin' ny 7 Jona 2019.</small></ref>, izay mpanelanelana eo amin' Andriamanitra sy ny olombelona, izay manompo amin' ny fampitana hafatra sy ahafaha-mitaratra ireo toetra manokan' Andriamanitra. Izany fiheverana izany dia manindry ny fananan' i Jesoa toetr' olombelona sy toetr' Andriamanitra miaraka<ref><small>Cole, Juan (1982). "[http://bahai-library.com/cole_concept_manifestation The Concept of Manifestation in the Bahaʼi Writings]". ''Études Baháʼí Studies''. 9: 1–38. [https://web.archive.org/web/20190517105145/http://bahai-library.com/cole_concept_manifestation Tahiry] tamin' ny 17 Mey 2019.</small></ref>, izay mitovitovy amin' ny fiheverana kristiana ny amin' ny [[Fahatongavana ho nofo (kristianisma)|fahatongavana ho nofo]]<ref><small>Stockman, Robert (1992). "[http://bahai-library.com/stockman_jesus_bahai_writings Jesus Christ in the Baháʼí Writings]". ''Bahaʼi Studies Review''. 2 (1). Tahiry tamin' ny 7 Jona 2019</small></ref>. Manaiky an' i Jesoa ho [[Zanak'Andriamanitra|Zanak' Andriamanitra]] ny mpino bahay<ref><small>Smith, Peter (2000). "[[iarchive:conciseencyclope0000smit/page/214|peace]]". ''A concise encyclopedia of the Bahá'í Faith''. Oneworld Publications. [[iarchive:conciseencyclope0000smit/page/214|p. 214]]. <nowiki>ISBN 978-1-85168-184-6</nowiki>.</small></ref>. Amin' ny mpino bahay dia fahatongavan' ireo toetra manokan' Andriamanitra ho nofo tanteraka i Jesoa, nefa tsipahin' io fivavahana io ny fiheverana ny "maha izy azy tsy hay lazaina" an' Andriamanitra ho ao amin' ny tenan' olombelona iray noho ny finoan' izy ireo momba ny "fisian' Andriamanitra manerana ny toerana rehetra sy ny [[fihoa-draha]]<nowiki/>n' ny maha izy azy an' Andriamanitra"<ref><small>Stockman, Robert (1992). "[http://bahai-library.com/stockman_jesus_bahai_writings Jesus Christ in the Baháʼí Writings]". ''Bahaʼi Studies Review''. 2 (1). [https://web.archive.org/web/20190607061448/http://bahai-library.com/stockman_jesus_bahai_writings Tahiry] tamin' ny 7 Jona 2019</small></ref>.
I Bahá'u'lláh mpanorina ny fivavahana bahay dia nanoratra fa samy manana ireo toetra manokana mampiavaka an' Andriamanitra ny fisehoan' Andriamanitra tsirairay, noho izany dia azo lazaina ho "fiverenana" ara-panahin' ny fisehoan' Andriamanitra taloha rehetra izy ireo, ary ny fisehona vaovao tsirairain' Andriamanitra dia manambara ny fiantombohan' ny fivavahana vaovao izay misolo ireo fivavahana teo alohany, izany no atao hoe "[[fanambaràna miandalana]]"<ref><small>Cole, Juan (1982). "[http://bahai-library.com/cole_concept_manifestation The Concept of Manifestation in the Bahaʼi Writings]". ''Études Baháʼí Studies''. 9: 1–38. [https://web.archive.org/web/20190517105145/http://bahai-library.com/cole_concept_manifestation Tahiry] tamin' ny 17 May 17, 2019.</small></ref>. Mino ny Bahay fa ny tetik' Andriamanitra dia miseho tsikelikely amin' ny alalan' izany fanambaràna miandalana izany arakaraka ny fihamatoran' ny taranak' olombelona, aty misy amin' ireo fisehoan' Andriamanitra ireo no tonga amin' ny fahatanterahana manokan' ny asa fanirahan'ny teo aloha. Ny Bahay ohatra diai mino fa i Bahá'u'lláh dia ny fiverenan' i Kristy izay efa nampanantenaina<ref><small>Smith, Peter (2008). ''[https://books.google.com/books?id=z7zdDFTzNr0C&pg=PA128 An Introduction to the Baha'i Faith]''. Cambridge University Press. p. 128. <nowiki>ISBN 978-0-521-86251-6</nowiki>. [https://web.archive.org/web/20150910165315/https://books.google.com/books?id=z7zdDFTzNr0C&pg=PA128 Tahiry] tamin' ny 10 Septambra 2015.</small></ref>. Manamafy ny toetra maro ananan' i Jesoa araka ny anoritsoritan' ny [[Evanjely]] azy, fa tsy izy rehetra, ny fampianarana bahay. Mino ny fahateraham-birijiny an' i Jesoa sy ny [[Fanomboana an'i Jesoa|fanomboana]] azy amin' ny [[hazo fijaliana]] ny Bahay<ref><small>Lepard, Brian D. (2008). ''[https://books.google.com/books?id=v2ob2Tw2k3MC&pg=PA118 In the Glory of the Father: The Baháʼí Faith and Christianity]''. Baháʼí Publishing Trust. p. 118. <nowiki>ISBN 978-1-931847-34-6</nowiki>. [https://web.archive.org/web/20150910050221/https://books.google.com/books?id=v2ob2Tw2k3MC&pg=PA118 Tahiry] tamin' ny 10 Septambra 2015.</small></ref>, nefa manao ny [[Fitsanganan'i Jesoa ho velona|fitsanganan-ko velon' i Jesoa]] sy ny [[Fahagagana nataon'i Jesoa|fahagaganana]] nataony ho manana heviny am-panoharana ihany<ref><small>Cole, Juan R. I. (1997). "Behold the Man: Baha'u'llah on the Life of Jesus". Journal of the American Academy of Religion. 65 (1): 51, 56, 60.</small></ref>.
== Jereo koa ==
* [[Jesoa ara-tantara]]
*[[Jesoa ao amin' ny kristianisma]]
*[[Jesoa araka ny silamo]]
*[[Jesoa araka ny jodaisma]]
*[[Jesoa araka ny bahaisma]]
== Loharano sy fanamarihana ==
<references />
e2onemkzykyo9mekjcmqayojbgc2nyq
Theodor Peckolt
0
226457
1046627
1013630
2022-07-30T18:23:56Z
René Mettke
23518
http://www.dichistoriasaude.coc.fiocruz.br/iah/pt/verbetes/peckteo.htm
wikitext
text/x-wiki
{{infobox olona
|sary=
|anarana=Theodor Peckolt
|teraka=13 Jolay 1822
|maty=21 Septambra 1912
|firenena=Brazila
|mpiaraka=
|asa=
* [[mpahaisiansan-javaboahary]]
|taona niasàna=
}}
'''Theodor Peckolt''' dia mpahaisiansan-javaboahary mizaka ny zom-pirenen'i [[Brazila]] teraka ny 1 Janoary 1822 ary maty ny 1 Janoary 1912
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]
===Rohy ivelany===
* Ao amin'i Freebase: [https://www.freebase.com] {{Wayback|url=https://www.freebase.com/ |date=20160501004947 }}
[[sokajy:Biôgrafia]]
{{vangovango}}
[[sokajy:mpahaisiansan-javaboahary]]
[[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1822]]
[[sokajy:Maty tamin'ny taona 1912]]
cktxx3wfdevg6eikqc3o8f18b7m8hwu
1046628
1046627
2022-07-30T18:24:34Z
René Mettke
23518
http://www.dichistoriasaude.coc.fiocruz.br/iah/pt/verbetes/peckteo.htm
wikitext
text/x-wiki
{{infobox olona
|sary=
|anarana=Theodor Peckolt
|teraka=13 Jolay 1822
|maty=21 Septambra 1912
|firenena=Brazila
|mpiaraka=
|asa=
* [[mpahaisiansan-javaboahary]]
|taona niasàna=
}}
'''Theodor Peckolt''' dia mpahaisiansan-javaboahary mizaka ny zom-pirenen'i [[Brazila]] teraka ny 13 Jolay 1822 ary maty ny 21 Septambra 1912.
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]
===Rohy ivelany===
* Ao amin'i Freebase: [https://www.freebase.com] {{Wayback|url=https://www.freebase.com/ |date=20160501004947 }}
[[sokajy:Biôgrafia]]
{{vangovango}}
[[sokajy:mpahaisiansan-javaboahary]]
[[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1822]]
[[sokajy:Maty tamin'ny taona 1912]]
68npx8bikvcg7xe1wpoj32263sodhgp
Bokin' i Ezra
0
240512
1046633
1041708
2022-07-31T09:04:21Z
Thelezifor
15140
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:105.The Rebuilding of the Temple Is Begun.jpg|vignette|''Fanamboarana indray ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]],'' nataon'i Gustave Doré, 1866.]]
Ny '''Bokin'i Ezra''' na '''Bokin' i Esdrasa''' dia boky ao amin' ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) sy ao amin' ny [[Testamenta Taloha]] ao amin' ny [[Baiboly]] kristiana. Mitantara ny fiverenan’ ireo babo an-tanidrazana voalohany avy any [[Babilôna]], ny nahavitana ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly vaovao ao Jerosalema]], ny iraka notanterahin’ i [[Ezra]] tao Jerosalema ary ny ezaka nataony hanadiovana ireo [[Jiosy]] (na Jody) nanambady vehivavy tsy [[Jiosy]] ny Bokin’ i Ezra. Mampiseho ny fomba nampihamatanjaka ireo rafitry ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] niforona nandritra ny [[Fahababoana tany Babilôna|Fahababoana]], dia ny [[sinagoga]], ny famakiana ireo Bokin' ny Lalàna sy ny Bokin’ ny Mpaminany, ny mpanoradalàna, ny [[Sanedrina|Sinedriona]], sns koa io boky io.
== Ny fanoratana ny boky ==
=== Ny mpanoratra ===
Araka ny [[lovantsofina]] dia i [[Ezra]] (na Esdrasa) no nanoratra ity boky mitondra ny anarany ity. Jiosy [[Fahababoana tany Babilôna|babo tany Babilôna]] izay niverina an-taniny tao Jerosalema tamin’ny 428 tal. J.K. i [[Ezra]]. Nitana anjara lehibe teo amin’ny fanavaozana ny fivavahana jiosy taorian’ny Fahababoana izy.
Ireo manam-pahaizana dia mihevitra fa nosoratan' olona iray ihany ny [[Bokin'ny Tantara|Bokin’ny Tantara]] roa sy ny Bokin’ i Ezra ary ny [[Bokin' i Nehemia]]. Mihevitra koa izy ireo fa nanovo tamina loharano maro io mpanoratra io, izay atao hoe "ilay Mpitantara" (na "Krônista") indraindray, ka tokony ho isan’ izany ny [[Raki-pitadidian' i Ezra|raki-pitadidian’i Ezra]] sy ny tahirin-tsoratra tao amin’ ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]].
=== Fotoana nanoratana ===
Mety tany amin’ ny taona 399 tal. J.K. no nahavitan’ ny boky tamin' ny voalohany, nefa nitohy ny fanitsiana izany taorian’ io nandritra ny taonjato maro alohan’ ny nidirany ho isan’ ny [[Soratra Masina]] ao amin’ ny fivavahana kristiana<ref><small>Blenkinsopp, Joseph, ''Judaism, the first phase'' (Eerdmans, 2009) p. 87</small></ref>. Fara-fahatarany tamin’ ny 300 tal. J.K no nahavitan' ny Bokin’ i Ezra.
== Nitambatra amina boky hafa ==
=== Tantara-Ezra-Nehemia ===
Tamin’ ny voalohany dia nitambatra ho boky tokana ny Bokin’ i Ezra sy ny [[Bokin' i Nehemia|Bokin’ i Nehemia]] ary ireo [[Bokin' ny Tantara|Bokin’ ny Tantara]] ka mety olona iray no nanoratra azy rehetra ireo. Mifarana amin’ ny fitantarana ny fiafaran’ ny [[Fahababoana tany Babilôna|Fahababoana tany Babilona]] ny [[Bokin' ny Tantara|Bokin’ ny Tantara]], izay mamintina ny ampahany be amin’ ny tantaran’ ny [[Jiosy]]. Ny Bokin’ i Ezra sy ny [[Bokin' i Nehemia]] kosa dia miresaka momba ireo zato taona manaraka.
=== Ezra-Nehemia ===
Ny Bokin’ i Ezra dia nitambatra tamin’ ny Bokin’ i Nehemia ka mirakitra ny tantaran’ i [[Israelita|Israely]] hatramin’ ny andron’ i [[Adama (Baiboly)|Adama]]. Izany no atao hoe [[Boky Ezra-Nehemia|Ezra-Nehemia]]. Tsy nanasaraka ny boky roa ny dikan-teny grikan’ ny [[Baiboly]] jiosy atao hoe [[Septoaginta]] (na [[Septanta]]). Ny [[Volgata]] ([[Fiteny latina|latina]]: ''Vulgata''), izay Baiboly amin' ny dikan-teny latina, dia nanasaraka azy ireo ka nanome anarana ny voalohany hoe ''Esdrasa I'' sy ny faharoa hoe ''Esdrasa II''.
== Fizaràn’ ny boky ==
Mizara roa ny Bokin’ i Ezra:
=== Fizaràna voalohany (1 – 6) ===
Ny fizaràna voalohany dia mitantara ny fiverenan’ ny [[Jiosy]] (na Jody) avy any an-tsesitany sy ny fanamboarana ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] faharoa. Fotoana eo anelanelan’ ny nitondran’ i [[Kirosy Lehibe|Kirosy]] (na Sirosy) mpanjaka sy ny nanokanana ny Tempoly faharoa izany.
==== Didimpanjakana navoak’ i Kirosy (1) ====
Nandefa ny fanaky ny Tempoly tany amin’ i Sesbatsara, andrian’ i Joda, i Kirosy, izay nahazo [[Tsindrimandry (fivavahana)|tsindrimandry]] avy amin’ Andriamanira, sady namela ny Israelita hody any Jerosalema miaraka aminy hanamboatra ny Tempoly. Miresaka ny amin’ ny didimpanjakana nataon’ i Kirosy izay nanome alalana ny [[Jiosy]] hody any Jerosalema taorian’ ny taona 538 tal. J.K. ny boky.
==== Fodiana tany Jerosalema (2) ====
Babo miisa 42 360, miaraka amin’ ny mpanompony sy lehilahy amam-behivavy mpihira, no nody avy any [[Babilona]] ho any Jerosalema sy Joda teo ambany fitarihan’ i [[Zorobabela]] (na Zerobabela) sy i Josoa (na Jôsoe) ilay mpisoron-dehibe. Misy ny lisitr’ ireo nody io toko io.
==== I Josoa sy i Zorobabela nanamboatra ny alitara (3) ====
Nanamboatra ny altara (na ôtely) ary nankalaza ny andron-danonan’ ny [[Tabernakely]] i Jôsoa, ilay mpisoro-dehibe, sy i Zorobabela. Tamin’ ny taona faharoa, dia voapetraka ny fanorenan’ ny Tempoly ary nizotra tamin-kafaliana ny fanokanana. Manoritsoritra ny fanamboarana ny Tempoly, izay tsy voatantara antsipirianay afa-tsy ao amin’ ny [[Bokin' i Hagay]] (na Akjea) sy [[Bokin'i Zakaria|Zakaria]], ity toko ity.
==== Taratasin’ireo Samaritana tamin’ i Artakserksesy (4) ====
Te hanampy amin’ ny fanamboarana ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] ny fahavalon’ i [[Fokon'i Jodà|Joda]] sy i [[Fokon'i Benjamina|Benjamina]], nefa tsy navela hanao izany. Noho izany dia nanao izay hanembantsembanana ireo mpanamboatra ny Tempoly izy ireo. Nampahalala an-taratasy an’ i [[Artakserksesy]] ny solom-panjaka tao [[Samaria]] fa andalam-pahavitana i Jerosalema, dia nandidy ny mpanjaka fa ajanona ny fanamboarana. Tsy nitohy ny asa raha tsy tamin’ny taona faharoa naha mpanjaka an’ i Dariosy (na Dariosa).
==== Taratasy nalefan’ i Tatenay tany amin’ i Dariosa (5) ====
Noho ny famporisihana nataon’ ny mpaminany [[Hagay]] (na Akjea) sy [[Zakaria]], dia nanomboka indray ny fanamboarana ny Tempoly i Zorobabela sy i Jôsoa. Nanoratra sy nampandre an’ i Dariosa i Tatenay, governoran’i Joda sy Samaria, fa andalam-pahavitana ny Tempoly sady nanoro hevitra azy hitady ireo tahirin-tsoratra mba hahitana ny didy nataon’i Kirosy.
==== Didy nataon’i Kirosy sy didy nataon’i Dariosa (6) ====
Hita ilay didimpanjakana notadiavina, ka nandidy an’i Atenay i Dariosa mba tsy hanakorontana ny [[Jiosy]] amin’ny fanamboarana ny Tempoly. Nanampy azy ireo amin’ny zavatra ilaina amin’ny fanatira koa ny mpanjaka. Vita ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] tamin’ny fahenin-taona nitondran’i Dariosa, ary niangona ny Israelita mba hankalaza izany fahavitany izany.
=== Fizaràna faharoa (7 – 10) ===
Miresaka ny amin’ny famitana iraka nataon’i [[Ezra]] (na Esdrasa), izay tsy inona fa fandaminana ny vahoaka jiosy miaraka amin’i [[Nehemia]] ity fizarana ity. Marihina fa miady hevitra ireo manam-pahaizana ny amin’ny mpanjaka Artakserksesy izay resahina eto ka mahatonga ny fotoam-podian’i Ezra avy any Babilona ho amin’ny taona 398 na 397 tal. J.K.
==== Taratasin’i Artakserksesy nalefa tamin’i Ezra (7) ====
Nirahin’Andriamanitra handefa an’i [[Ezra]] ny mpanjaka [[Artakserksesy]] mba hanontany an’i Joda sy i Jerosalema ny amin’ny lalàn’ny Andriamaniny sy hanendry mpahay lalàna sy mpitsara mba hitsara ny vahoaka monina eny ampitan’ny ony [[Eofrata]], dia ireo izay mahafantatra ny lalàn’Andriamanitra. Nanome volamena maro an’i Ezra i Artakserksesy sady nanome toromarika ireo manam-pahefana persiana mba hanampy azy.
==== Volamena sy volafotsy ary fanaka ho an’ny Tempoly (8) ====
Namory ireo mpiray tanidrazana aminy hody an-taniny i Ezra sady nanangona volamena sy volafotsy ary fanaka sarobidy maro ho entina any amin’ny Tempoly any Jerosalema. Hitany tamin’izay fa tsy nisy [[Levita]] tao ka nandefa iraka mba hamory azy ireo izy. Nody noho izany tany Jerosalema ireo babo, ka ao izy no nizara ny volamena sy volafotsy ary nanao [[fanatitra]] amin’Andriamanitra. Omen’ny boky ny lisitr’ireo niara-dia amin’i Ezra.
==== Ireo lehilahy Jiosy nanambady Jentilisa (9) ====
Nisy nitantara tamin’i [[Ezra]] fa misy amin’ireo Jiosy efa ao Jerosalema izay efa naka vady vehivavy [[Jentilisa|tsy Jiosy]]. Nalahelo noho izany fahotana izany i Ezra ka nivavaka sady nifona tamin’Andriamanitra.
==== Fampodiana ireo vehivavy tsy jiosy sy ny zanany (10) ====
Niezaka nandresy lahatra ny vahoaka i Ezra mba hanary ireo vady [[jentilisa]] ireo ka na dia nisy aza ny sakantsakana nataon’ny Israelita sasany, dia niangona ny rehetra sady tapa-kevitra fa handroaka ny vady aman-janany izay tsy iray firazanana aminy.
== Boky hafa mitondra ny anaran'i Ezra ==
Marihina fa misy [[Apokrifan'ny Baiboly|boky apokrifa]] na pseodepigrafa mitondra ny anaran'i [[Ezra]] (na Esdrasa) nefa fantatra fa tsy nosoratany. Miovaova ny anaran'ireo boky ireo sy ny laharana ahafantarana azy, dia ireo aseho anatin'ny fafana eto ambany miaraka amin'ny Bokin'i Ezara sy ny [[Bokin'i Nehemia]].
{| class="wikitable"
| colspan="2" |<small>'''Ny iantsoana azy ato amin’ny Wikipedia malagasy'''</small>
|<small>'''Anarana omen’ny mpikaroka'''</small>
|<small>'''Volgata'''</small>
|<small>'''Slavonika'''</small>
|<small>'''Etiopiana'''</small>
|<small>'''Anglisy'''</small>
|-
|<small>[[Bokin'i Ezra|Bokin’i Esdrasa]]</small>
|<small>-</small>
|<small>[[Bokin'i Ezra|1Esdrasa]]</small>
|''<small>[[Bokin'i Ezra|1Esdras]]</small>''
|''<small>[[Bokin'i Ezra|1Ezdra]]</small>''
| rowspan="2" |''<small>[[Boky Ezra-Nehemia|1Izra]]</small>''
|''<small>[[Bokin'i Ezra|Ezra]]</small>''
|-
|<small>[[Bokin'i Nehemia|Bokin’i Nehemia]]</small>
|<small>-</small>
|<small>[[Bokin'i Nehemia|2Esdrasa]]</small>
|''<small>[[Bokin'i Nehemia|2Esdras]]</small>''
|''<small>[[Bokin'i Nehemia|Nehemia]]</small>''
|''<small>[[Bokin'i Nehemia|Nehemiah]]</small>''
|-
|<small>[[Boky fahatelon'i Esdrasa|Esdrasa grika]]</small>
|<small>[[Boky fahatelon'i Esdrasa|3Esdrasa]]</small>
|<small>[[Boky fahatelon'i Esdrasa|3Esdrasa]]</small>
|''<small>[[Boky fahatelon'i Esdrasa|3Esdras]]</small>''
|''<small>[[Boky fahatelon'i Esdrasa|2Ezdra]]</small>''
|''<small>[[Boky fahatelon'i Esdrasa|2Izra]]</small>''
|''<small>[[Boky fahatelon'i Esdrasa|1Esdras]]</small>''
|-
| rowspan="3" |<small>[[Boky fahefatr'i Esdrasa|4Esdrasa]]</small>
|<small>[[Boky fahadimin'i Esdrasa|5Esdrasa]]</small>
|<small>[[Boky fahadimin'i Esdrasa|5Esdrasa]]</small>
| rowspan="3" |''<small>[[Boky fahefatr'i Esdrasa|4Esdras]]</small>''
<small>(Esdrasa latina)</small>
| rowspan="3" |<small>[[Boky fahefatr'i Esdrasa|3Ezdra]]</small>
|<small>-</small>
| rowspan="3" |''<small>[[Boky fahefatr'i Esdrasa|2Esdras]]</small>''
|-
|<small>[[Apokalipsan'i Esdrasa|Apokalipsan’i Esdrasa]]</small>
|<small>[[Apokalipsan'i Esdrasa|4Esdrasa]]</small>
|<small>''[[Apokalipsan'i Esdrasa|Izra Sutuel]]''</small>
<small>''(ዕዝራ ሱቱኤል)''</small>
|-
|<small>[[Boky fahenin'i Esdrasa|6Esdrasa]]</small>
|<small>[[Boky fahenin'i Esdrasa|6Esdrasa]]</small>
|<small>-</small>
|}
== Jereo koa: ==
'''Boky ara-tantara protokanonika:'''
* [[Bokin'i Josoa]] (na Jôsoe)
* [[Bokin'ny Mpitsara|Bokin'ny mpitsara]]
* [[Bokin'i Rota]]
* [[Boky voalohan'i Samoela]]
* [[Boky faharoan'i Samoela]]
* [[Boky voalohan'ny Mpanjaka]]
* [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]]
* [[Boky voalohan'ny Tantara]]
* [[Boky faharoan'ny Tantara]]
* [[Bokin'i Ezra]] (na Esdrasa)
* [[Bokin'i Nehemia]]
'''Boky ara-tantara deoterokanonika:'''
* [[Bokin'i Tobia]]
* [[Bokin'i Jodita]]
* [[Boky voalohan'ny Makabeo]]
* [[Boky faharoan'ny Makabeo|Boky faharian'ny Makabeo]]
== Loharano: ==
bdyd0wlo2j7cu72nd35pb34yroa1sfx
Estera (ao amin'ny Baiboly)
0
259692
1046630
966807
2022-07-31T07:10:20Z
Thelezifor
15140
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Esther haram.jpg|vignette|Estera]]
I [[Estera (ao amin'ny Baiboly)|Estera]], araka ny [[Bokin' i Estera]] ao amin' ny [[Baiboly]], dia vehivavy [[Jiosy]] (avy any [[Jodea]] na Jodia) izay lasa vadin' ny mpanjakan' i [[Persia]], atao hoe [[Ahasoerosy]] (na [[Kserksesy I]]), sady nanavotra ny Jiosy izay saika ringana araka ny fikasan-dratsin' i Hamana piraiministra. Niseho tao Persia, ao Sosa (na ''Soza'' na ihany koa ''Sosana'') ny tantara tamin' ny nanjakan' i Ahasoerosy.
== Ny anaran' i Estera ==
Hadasa no anaran' i Estera talohan'ny naha lasa vadin' ny mpanjaka azy. Ny anarana hoe ''Estera'' ao amin' ny Baiboly jiosy amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] ([[Tanakh]]) dia ''אסתר / Esther'', ao amin' ny Baiboly jiosy amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]] ([[Septoaginta|Septoajinta]]) izy dia ''Εσθήρ / Esthêr'', ary ao amin' ny [[Baiboly katôlika]] amin' ny [[Fiteny latina|teny latina]] ([[Volgata]]) izy dia ''Esther''.
== Tantara araka ny Bokin' i Estera ==
Zazavavy kamboty ray sy reny notezain' i Môrdekay (na Mardôkea) zana-drahalahin-drainy i Estera. Lasa vadin' i Ahasoerosy (na Asoerosy) izy rehefa avy nisaotra an' i Vasty vadiny taloha ity mpanjaka ity.
[[Sary:VashtiRefusestheKingsSummons.Long.png|vignette|''Nanda ny baikon' ny mpanjaka i Vasty,'' nataon' i Edwin Long.]]
Nosafidin' ny mpanjaka tamin' ireo zazavavy tsara tarehy indrindra niseho teo anatrehany i Estera rehefa avy nandroaka an' i Vasty vadiny izay tsy nety niseho teo anatrehan' ny mpanjaka tamin' ny andro nanaovan' ny mpanjaka lanonana fiaraha-misakafo.
Nanao paikady niaraka tamin' i Môrdekay i Estera mba tsy hampahomby ny tsikombakomba hamonoana ny mpanjaka. Tsy nanaiky haneho fanajana an' i Hamana i Môrdekay, ka namelona ny fankahalan' io praiminisitra io azy izany. Nanao tetika ny praiminisitra Hamana mba handringanana ny [[Jiosy]] sy ka nanao izay haneken' ny mpanjaka Ahasoerosy an' izany. Tapa-kevitra hanao izay hahafaty an' i Môrdekay sy ny vahoaka jiosy i Hamana, ka nandresy lahatra ny mpanjaka mba hamoaka didy manome alalana azy hanatanterahany izany fandripahana izany. Nanomana hazo hanantonana an' i Môrdekay i Hamana nefa nanao paikady hamonjena ny Jiosy mpiray tanindrazana aminy i Môrdekay sy i Estera tamin' izany fotoana izany.[[Sary:Esther Denouncing Haman.jpg|vignette|289x289px|''Miampanga an'i Hamana i Estera'', nataon'i Ernest Normand]]Naniraka an' i Estera i Môrdekay mba handresy lahatra ny mpanjaka hanafoana ilay didy fanomezana alalana, na dia mety hahafaty azy aza ny fisehoany teo anatrehan' i Ahasoerosy izay tsy nanasa azy.
Nitaraina tamin' ny mpanjaka ny amin' ny tetika handringanana ny mpiray tanindrazana aminy i Estera ka fantatry ny mpanjaka fa i Hamana no nitetika an' izany. Nahantona tamin' ny tady ny vozon' i Hamana, ary nanafoana ilay didy navoakany ny mpanjaka, sady nanome alalana ny Jiosy mba handringana ny fahavalony eran' ny fari-panjakàny.
== Ny anaran' ireo olona voaresaka ao ==
*''Môrdekay'': [[Fiteny hebreo|hebreo]]: מָרְדְּכַי / ''Mordĕkay'' na מָרְדֳּכַי / ''Mordŏkay''; [[Fiteny grika|grika]]: ''Μαρδοχαῖος'' / ''Mardokhaîos''
*''Ahasoerosy'': hebreo: אֲחַשְׁוֵרוֹשׁ / ''ʼAẖashwērōsh''; grika: ''Ασουηρος / Asouēros''; latina: ''Assuerus.''
*''Vasty'': hebreo: וַשְׁתִּי /''Vashti''; grika: ''Αστιν'' / ''Astin.''
*''Hamana'': hebreo: המן / ''Hâmân.''
== Jereo koa: ==
* [[Bokin' i Estera]]
s35vjzteqxu0nuly8anjjqwv80muocg
Asahikawa
0
261803
1046631
964352
2022-07-31T07:52:58Z
Mashkawat.ahsan
28693
sary #WPWP
wikitext
text/x-wiki
{{coord|43.770630|142.364890}}
{{infobox tanàna
|anarana = Asahikawa
|velarantany =
|faritany = [[Hokkaido]]
|isam-ponina = 356612
|firenena = {{Japana}}
|ben'ny tanàna =
|sary =
}}
[[File:Asahikawa city Heiwa street shopping park.jpg|thumb|200px|right|Asahikawa]]
'''Asahikawa''' dia tanàna ao amin'ny prefektioran'i [[Hokkaido]] ao [[Japana]].
== Jeografia ==
Ny isam-ponina dia 356612 mponina tamin'ny taona 2017.<ref name='geocities'>[http://download.geonames.org/export/ Japana] ao amin'i geonames.org, novangiana ny 2/ 1/2019 </ref>
=== Toe-tany ===
{{...}}
== Jereo koa ==
* [[Japana]]
** [[Hokkaido]]
== Tsiahy ==
<references/>
{{vangovango|Japana}}
[[sokajy:Tanàna ao Japana]]
[[sokajy:Tanàna ao amin'ny prefektioran'i Hokkaido]]
f9nukxivfww5enj2ioomdtdit5lwdux
Mpamari-toetra
0
262105
1046637
976988
2022-07-31T11:18:28Z
Thelezifor
15140
Tsipelina
wikitext
text/x-wiki
Ny '''mpamari-toetra''' dia teny ([[sokajin-teny]]) ampiraisina amin' ny [[anarana]] na atao [[entimilaza]] mba hanambaràna ny toetran' ny zavatra tondroina amin' ilay anarana (olona, biby, zavatra sns) na ny toetran' ny zavatra tondroina amin' ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]]. Zana-tsokajin' ny [[Mpamaritra (fitsipiteny)|mpamaritra]] ny mpamari-toetra. Ao amin' ny [[fehezanteny]] iray dia afaka misahana ny [[Anjara asa (fitsipiteny)|anjara asa]]<nowiki/>n' ny entimilaza ny mpamari-toetra ka mety mila [[Andry (fitsipiteny)|andry]] mpanakambana izany na tsia arakaraka ny [[fiteny]].
Afaka ialohavana na arakarahin-teny (na andian-teny) mameno azy ny mpamari-toetra ka ahazoana ny atao hoe "tarika mpamari-toetra", ary ireo teny mameno azy ireo no atao hoe "famenon' ny mpamari-toetra".
== Jereo koa: ==
*[[Sokajin-teny]]
*[[Mpamaritra (fitsipiteny)|Mpamaritra]]
*[[Mpisolo (fitsipiteny)|Mpisolo]]
*[[Mpamaritra isa]]
* [[Mpamaritra manondro]]
* [[Mpamaritra manontany]]
* [[Mpamaritra tompon-javatra]]
* [[Mpamaritra mampifandray]]
12k4sujs2pkylmzh55qsldshaivri2j
Fiteny hebreo vaovao
0
264899
1046636
1042816
2022-07-31T11:13:41Z
Thelezifor
15140
/* Fifohazan' ny fiteny hebreo indray */
wikitext
text/x-wiki
Ny '''fiteny hebreo vaovao''' (hebreo: עברית חדשה /''ʿivrít ħadašá[h]'') dia karazan' ny [[fiteny hebreo]] izay ampiasaina na am-bava na an-tsoratra nanomboka tamin' ny fiafaran' ny taonjato faha-19. Miavaka izy noho izy lasa fiteny velona, notenenin' ireo Siônista aloha, avy eo nampiasain' ny ankamaroan' ny [[Israely|Israeliana]], taorian' ny taonjato maro nahafaty ny fiteny hebreo sy naha fiteny amin' ny fanompoam-pivavahana fotsiny azy. Nahazo aina toy ny nateraka indray ny fiteny hebreo tamin' ny taonjato faha-20 vokatry ny asan' i Eliezer Ben Yehudah tamin' ny andron' ny atao hoe ''Haskala (השכלה''). Tombanana ho manodidina ny 6 tapitrisa ny isan’ ny mpiteny hebreo.
== Fifohazan' ny fiteny hebreo indray ==
Ny fiteny hebreo dia lasa fiteny maty teo anelanelan’ ny taona 200 sy 400 tany ho any, ka nihena taorian’ ny fikomian’ i [[Simeon Bar Kôkba|Bar Kokhba]] tamin’ ny taona 132–136, izay nandrava ny mponin’ i [[Jodea]]. Taorian' ny sesitany, ny fiteny hebreo dia nanjary voafetra tamin' ny fampiasana litorjika.
Ny fiteny hebreo dia nampiasaina tamin' ny fotoana samihafa sy noho ny tanjona maromaro nanerana ny Diaspôra jiosy, ary nandritra ny Yishuv Taloha (היישוב הישן / ''haYishuv haYashan'': vahoaka jiosy tany amin' ny faritany atsimo amin' i Siria tamin' ny vanim-potoana ôtômàna) dia nanjary fiteny fampiasa tao amin' ny Jiosin' i [[Palestina]] izany. Avy eo i Eliezer Ben-Yehuda dia nitarika ny famohazana ny fiteny hebreo ho fitenin-dreny tamin’ ny faramparan’ ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan’ ny taonjato faha-20. Ny fiteny hebreo môderina dia nampiasa [[hasinteny]] sy [[tsirinteny]] hebreo ara-Baiboly, tsipelina sy fitsipi-pitenenana [[Mishnah|misnaika]], ary fanononana sefarada. Maro ny fomba fiteny sy kalka natao tamin' ny [[fiteny idisy]]. Ny faneken' ny Jiosy mpifindra monina voalohany nankany Palestina ôtômana azy dia vokatry ny fanohanan' ny fikambanan' i Edmond James de Rothschild tamin' ny taona 1880 sy ny sata ôfisialy azony tao amin' ny lalàm-panorenan' ny Mandata Britanika ho an' i Palestine tamin' ny taona 1922. Nampiasa teny 8.000 avy ao amin’ ny Baiboly sy teny 20.000 avy amin’ ny famoaboasana nataon' ny raby Ben-Yehuda. Teny vaovao maro no nindramina avy amin’ ny fiteny arabo, noho ny fototeny semitika iombonan’ ilay fiteny amin’ ny fiteny hebreo, saingy novana mba hifanaraka amin’ ny fônôlôjia sy ny fitsipi-pitenenana hebreo, ohatra ny teny hoe ''gerev'' (milaza tokana) / ''garbayim'' (milaza maro) ankehitriny dia ilazana ny “bakiraro”, izay filaza fohy ny teny arabo hoe ''ğuwārib'' ("bakiraro"). Fanampin' izany, ny Jiosy mpifindra monina voalohany dia nindrana tamin' ny fiteny arabo teo an-toerana, ary ny mpifindra monina avy any amin' ny tany arabo tatỳ aoriana dia nampiditra teny indrana avy amin' ny teny arabo (toy ny hoe ''na'ana'', ''zaatar'', ''mishmish'', ''kusbara'', ''ḥilba'', ''lubiya'', ''hummus'', ''gezer'', ''rayḥan'', sns. .), ary koa ny ankamaroan’ ny fitenenana hebreo môderina. Na dia eo aza ny filazana an’ i Ben-Yehuda ho mpanavao ny fiteny hebreo, ny pôeta Haim Nahman Bialik no tena namokatra voambolana hebreo vaovao.
Ny iray amin' ireo tranga hita tamin' ny fifohazan' ny fiteny hebreo dia ny fiovan-kevitry ny [[anarana]] taloha sasany ho amin' ny heviny vaovao samihafa, toy ny ''bardelas'' (ברדלס), izay midika hoe "[[hiena]]" amin' ny teny hebreo misnaîka, fa amin' ny teny hebreo vaovao dia midika hoe "[[geparda]];" na ''shezīph'' (שְׁזִיף) izay ampiasaina amin' izao fotoana izao hilazana ny "[[paisom-bazaha]]" (frantsay: ''prune''), fa nidika hoe "[[mokonazy]]" taloha. Ny teny hoe ''kishū’īm'' (“[[kôkômbra]]” taloha” dia anondroana karazana [[voatavo fahavaratra]] (''Cucurbita pepo var. cylindrica''), zavamaniry iray avy amin' ny Tontolo Vaovao. Ohatra iray hafa ny teny hoe ''kǝvīš'' (כביש), izay midika hoe “lalana” ankehitriny, nefa tena [[mpamari-toetra]] [[Fiteny arameana|arameana]] midika hoe “voahitsakitsaka" na "mirehitra”, fa tsy [[anarana]] mahazatra. Tany am-boalohany dia nampiasaina mba hilazana ny “lalana misy balizy.” Ilay voninkazo antsoina ankehitriny hoe ''kalanit'' (''Anemone coronaria'') dia nantsoina tamin’ ny teny hebreo hoe ''shoshanat ha-melekh'' (“voninkazon' ny mpanjaka").
== Jereo koa ==
* [[Fiteny hebreon'ny Baiboly]]
* [[Fiteny hebreon'ny Misnà]]
* [[Fiteny hebreon'ny Andro Antenantenany]]
3q1os7j8tws9mv5ac203fwi8oofdn81
Fiteny hebreon'ny Andro Antenantenany
0
264900
1046635
975098
2022-07-31T11:02:42Z
Thelezifor
15140
Tsipelina
wikitext
text/x-wiki
Ny '''fiteny hebreon' ny Andro Antenantenany''' dia endriky ny [[fiteny hebreo]] teo anelanelan' ny taonjato faha-10 hatramin' ny taonjato faha-20. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-10 dia tany ivelan' i [[Palestina]] any am-pielezana no nitohizan' ny fampiasana ny fiteny hebreo ka hatramin' ny nahaterahan' io fiteny io indray tao Israely tamin' ny taonjato faha-20.
Amin' ny fiainana andavanandro dia niteny ny fitenin' ny firenena nonenany avy ny [[Jiosy]], ka tsy nampiasa ny fiteny hebreo afa-tsy tamin' ny sehatry ny fivavahana. Tamin' izany fiteny hebreo izany no nanatanterahan' ny Jiosy am-pielezana ny [[Jodaisma|fivavahany]] sy amakiany ny [[Torah]] ary andinihany ny heviteny isan-karazany amin' io boky masina io. Tamin' ny fiteny hebreo koa no nifandraisan' ny Olonkendry jiosy maro tamin' ny firenena samihafa. Hita araka ny zava-bokarina ara-pivavahana sy ara-kolontsaina ary amin' ny tontolon' ny asa ireo ny fivoaran' ny fiteny hebreo nandritra ny fotoana lava.
== Jereo koa ==
* [[Fiteny hebreon'ny Baiboly]]
* [[Fiteny hebreon'ny Misnà]]
* [[Fiteny hebreo vaovao]]
7ylyfaptqyte3qj1z5f7vdftio0m6ri
Artakserksesy
0
264927
1046632
978816
2022-07-31T07:57:51Z
Thelezifor
15140
wikitext
text/x-wiki
'''Artakerksesy''' dia anarana nampitondraina ireo mpajaka lehibe persiana tao amin' ny fianakavia-mpajaka [[akemenida]]. Atao hoe Ἀρταξέρξης / ''Artaksérksês'' io anarana io amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]], izay avy amin' ny anarana amin' ny [[Fiteny persana taloha|teny persiana]] tranainy hoe ''Artaxšacā'' (amin' ny [[Fiteny persana|teny persana]]: اردشیر یکم / ''Ardeshir''). Ho an' ny Egiptiana dia manondro ireo [[farao]] tamin' ny dinastia faha-27 sy faha-31 izany. Ireto avy ireo Artakserksesy ireo:
* [[Artakserksesy I]]
* [[Artakserksesy II]]
* [[Artakserksesy III]]
* [[Artakserksesy IV]] (na [[Arsesy]])
* [[Artakserksesy V]] (na [[Besosy (akemenida)|Besôsy]])
== Artakserksesy ara-tantara ==
=== Artakserksesy I ===
I [[Artakserksesy I]] dia nanjaka tamin' ny taona 465 hatramin' ny 424 tal; J.K. I Manetôna dia mihevitra fa nanjaka 41 taona izy. I [[Kserksesy I]] no nodimbiasiny ary i [[Kserksesy II]] no nandimby azy.
=== Artakserksesy II ===
I [[Artakserksesy II]] dia najaka tamin' ny taona 404 hatramin' ny taona 358 tal. J.K. Izy no nanjaka maharitra indrindra tamin' ireo [[Akemenida]]. Lasa mpanjakan' i [[Ejipta tamin' ny Andro Taloha|Egipta]] izy tamin' ny taona 404 hatramin' ny 402 tal. J.K. talohan' ny fikomian' ny Egiptiana. I [[Dariosy II|Dariôsy II]] no teo alohany ary i [[Artakserksesy III]] no nandimby azy.
=== Artakserksesy III ===
I [[Artakserksesy III]] dia nanjaka teo anelanelan'ny taona 358 sy 338 tal. <abbr>J.K. I Artakserksesy II no nodimbiasiny ary i [[Arsesy]] (na [[Artakserksesy IV]]) no nandimby azy.</abbr>
=== Artakserksesy IV ===
I [[Artakserksesy IV]], izay antsoina hoe [[Arsesy]] koa, dia nanjaka tamin' ny taona 338 sy 336 tal<abbr>. J.K. I Artakserksesy III no teo alohany ary i [[Dariosy III|Dariôsy III]] no nandimby azy.</abbr>
=== Artakserksesy V ===
I [[Artakserksesy V]], izay atao hoe [[Besosy (akemenida)|Besôsy]], dia [[satrapa]]<nowiki/>n' i [[Baktriàna|Baktriana]] tamin' ny nanjakan' i [[Dariosy III|Dariôsy III]]. Nanandratra ny tenany ho mpanjaka izy ka nitondra io anarana Artakserksesy io rehefa avy namono an' i Dariôsy III tamin' ny taona 330 tal. J.K. nefa nosamborin' i [[Aleksandra Lehibe]] sy nampamonoiny tamin' ny taona 329 tal. J.K.
== Artakserksesy ao amin' ny Baiboly ==
Ny [[Bokin' i Ezra]] (na Bokin' i Esdrasa) sy ny [[Bokin' i Nehemia]] ao amin' ny [[Baiboly]] dia miresaka ny amin' ny olona atao hoe "Artakserksesy, mpanjakan' i Persia" nefa tsy fantatra marina hoe iza amin' ireo Artakserksesy ireo io lazaina io. Ny mpahay tantara sasany dia milaza fa i [[Artakserksesy I]] izany, nefa ny hafa koa dia milaza fa i [[Artakserksesy II]] no izy.
Ao amin' ny Bokin' i Ezra dia nanome alalana an' i [[Ezra]] hody any Jerosalema avy any [[Fahababoana tany Babilona|Babilona nahababoana]] i Artakserksesy ka naniraka azy ho governora hisahana ny raharaha ara-piarahamonina sy ara-pivavahana ao amin' ny [[Jiosy|vahoaka jiosy]]. Nandao an' i [[Babilôna]] i Ezra tamin' ny fahafito taonan' ny nanjakan' i Artakserksesy sady nitarika Jiosy nahitana [[Mpisorona jiosy|mpisorona]] sy [[Levita]] nankany [[Jerosalema]]. Araka ny Bokin' i Nehemia dia nahazo alalana tamin' ny mpanjaka Artakserksesy koa i [[Nehemia]] hody any Jerosalema.
l27isdz4fgd4eti72dvr7ahg0e4v5uh