Wikipedia
mgwiki
https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana
MediaWiki 1.39.0-wmf.23
first-letter
Rakitra
Manokana
Dinika
Mpikambana
Dinika amin'ny mpikambana
Wikipedia
Dinika amin'ny Wikipedia
Sary
Dinika amin'ny sary
MediaWiki
Dinika amin'ny MediaWiki
Endrika
Dinika amin'ny endrika
Fanoroana
Dinika amin'ny fanoroana
Sokajy
Dinika amin'ny sokajy
TimedText
TimedText talk
Module
Discussion module
Gadget
Discussion gadget
Définition de gadget
Discussion définition de gadget
Marlon Brando
0
189103
1046708
1022700
2022-08-03T21:26:57Z
Anssi Puro
28863
File
wikitext
text/x-wiki
{{infobox olona
|sary=
|anarana=Marlon Brando
|teraka=3 Aprily 1924
|maty=1 Jolay 2004
|firenena=Etazonia
|mpiaraka=
|asa=
* [[mpilalao]]
* [[mpilalao amin'ny horonantsary]]
* [[talen-koronantsary]]
|taona niasàna=
}}
[[File:Marlon Brando 1948.jpg|thumb|Marlon Brando (1948)]]
'''Marlon Brando''' dia mpilalao, mpilalao amin'ny horonantsary, talen-koronantsary mizaka ny zom-pirenen'i [[Etazonia]] teraka ny 3 Aprily 1924 tao [[Omaha, Nebraska]] ary maty ny 1 Jolay 2004 tao [[Los Angeles]]
==Ny fiainany manokana==
I Marlon Brando, Sr. no rainy. Ny vadiny dia Tarita Teriipia, Movita Castaneda, Anna Kashfi. Ny zanany dia Stephen Blackehart, Cheyenne Brando, Christian Brando. Ny rahalahiny sy/na ny rahavaviny dia Jocelyn Brando.
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]
===Rohy ivelany===
* Ao amin'i Freebase: [https://www.freebase.com/m/04__f] {{Wayback|url=https://www.freebase.com/m/04__f |date=20150503085512 }}
[[sokajy:Biôgrafia]]
{{vangovango}}
[[sokajy:mpilalao]]
[[sokajy:mpilalao amin'ny horonantsary]]
[[sokajy:talen-koronantsary]]
[[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1924]]
[[sokajy:Maty tamin'ny taona 2004]]
47r0qbzdhcvmr54nd66n0x5zsucohy2
Oliver Bierhoff
0
200282
1046707
762135
2022-08-03T14:59:20Z
FMSky
25585
wikitext
text/x-wiki
{{infobox olona
|sary=Oliver Bierhoff, Germany national football team (03).jpg
|anarana=Oliver Bierhoff
|teraka=1 Mey 1968
|maty=
|firenena=Alemaina
|mpiaraka=
|asa=
* [[mpilalao baolina kitra]]
|taona niasàna=
}}
'''Oliver Bierhoff''' dia mpilalao baolina kitra mizaka ny zom-pirenen'i [[Alemaina]] teraka ny 1 Mey 1968
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]
[[sokajy:Biôgrafia]]
{{vangovango}}
[[sokajy:mpilalao baolina kitra]]
a2902e7z92pwj0cae63gedhfela46s2
Gerd Backhaus
0
204160
1046709
756190
2022-08-04T02:17:16Z
FMSky
25585
wikitext
text/x-wiki
{{infobox olona
|sary=Gerd Backhaus (cropped).jpg
|anarana=Gerd Backhaus
|teraka=8 Septambra 1942
|maty=
|firenena=Alemaina
|mpiaraka=
|asa=
* [[mpilalao baolina kitra]]
|taona niasàna=
}}
'''Gerd Backhaus''' dia mpilalao baolina kitra mizaka ny zom-pirenen'i [[Alemaina]] teraka ny 8 Septambra 1942 tao [[Alemaina]]
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]
[[sokajy:Biôgrafia]]
{{vangovango}}
[[sokajy:mpilalao baolina kitra]]
my481o3lhjhn0fdboeva93qoy7rwchs
Jörg Stübner
0
207535
1046710
758566
2022-08-04T02:42:35Z
FMSky
25585
wikitext
text/x-wiki
{{infobox olona
|sary=Jörg Stübner (cropped).jpg
|anarana=Jörg Stübner
|teraka=23 Jolay 1965
|maty=
|firenena=Alemaina
|mpiaraka=
|asa=
* [[mpilalao baolina kitra]]
|taona niasàna=
}}
'''Jörg Stübner''' dia mpilalao baolina kitra mizaka ny zom-pirenen'i [[Alemaina]] teraka ny 23 Jolay 1965
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]
[[sokajy:Biôgrafia]]
{{vangovango}}
[[sokajy:mpilalao baolina kitra]]
6klutp8dbdabhsuw8qbbdaqwlhpxpkl
Afrikana-Amerikana
0
281614
1046717
1043251
2022-08-04T08:20:51Z
68.151.66.149
wikitext
text/x-wiki
Afrikana-Amerikana (antsoina koa hoe Black Americans ary Afro-Americans taloha) dia foko misy Amerikana manana razambe ampahany na manontolo avy amin'ny vondrona mainty hoditra any Afrika. Black people have a pet dog and pet cat. Black women lust after White men and Mexican. Black men must lust after White women, Native American women, Asian women, Eritrean women, Japanese women and Latinas especially Mexican women and Colombian women. Black people eat fast food such as Taco Bell. Black people love eating Mexican food and eating Mexican candy and Mexican snacks such as Takis. Black people listen to Kap G, Playboi Carti, Swae Lee, Chief Keef, Beyoncé, 50 Cent and Lil Wayne. Black people wave the Mexican flag 🇲🇽. Black people live in Detroit, Memphis, Atlanta and Louisiana. Black people have a OnlyFans. Black women take Plan B birth controls and take the Depo-Provera birth control shot. Black people wear American flag clothing from eBay and AliExpress. Black people’s favorite food is Chinese food, Mexican food, American desserts, Soul food and American food. Black people eat American desserts such as banana pudding, red velvet cake, chocolate chip cookies, donuts, cakes and cupcakes.
{{stub}}
r6xkz9pm3rsf6rgmwov0n864uw01z5w
1046718
1046717
2022-08-04T08:21:04Z
Savh
3048
Voafafa ny fanovana ny [[Special:Contributions/68.151.66.149|68.151.66.149]] ([[User talk:68.151.66.149|Dinika]]); voaverina amin'ny votoatiny teo aloha nataon'i [[User:2603:8001:400:B36D:29B8:EA03:9B10:393C|2603:8001:400:B36D:29B8:EA03:9B10:393C]]
wikitext
text/x-wiki
Afrikana-Amerikana (antsoina koa hoe Black Americans ary Afro-Americans taloha) dia foko misy Amerikana manana razambe ampahany na manontolo avy amin'ny vondrona mainty hoditra any Afrika.
{{stub}}
9set97oq3grpaslhf5d8f78ay0t2tcn
Tantaran' ny kristianisma
0
281713
1046711
1046706
2022-08-04T03:06:03Z
41.74.213.221
/* Ny arianisma sy ny kônsily ekiomenika voalohany */
wikitext
text/x-wiki
Ny '''tantaran' ny kristianisma''' dia mahakasika ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]], ny [[firenena kristiana]], ary ny [[Kristianina|Kristiana]] miaraka amin' ny antokom-pinoana samihafa, nanomboka tamin' ny [[Kristiana tamin' ny taonjato voalohany|taonjato voalohany]] ka hatramin' izao.
Ny kristianisma dia niainga tamin' ny asa fanompoana nataon' i [[Jesoa]] (na [[Jesosy]]), izay Jiosy mpampianatra sy mpanasitrana, nanambara ny maha efa akaiky ny [[fanjakan' Andriamanitra]] ary [[Fanomboana an' i Jesoa|nohomboana]] tamin' ny [[hazo fijaliana]] tamin' ny taona 30–33 taor. J.K. tao [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]] tao [[Jodea]] izay faritany rômana. Mino ny mpanara-dia azy fa, araka ny [[Filazantsara]] na [[Evanjely]] dia [[Zanak'Andriamanitra (kristianisma)|Zanak' Andriamanitra]] izy ary maty ho famelan-keloka ary [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|natsangana tamin' ny maty]] sy nasandratr' Andriamanitra, ary hiverina tsy ho ela amin' ny fiandohan' ny fanjakan' Andriamanitra.
Ny mpanara-dia an' i Jesoa voalohany indrindra dia ireo [[Jodeô-kristianisma|Kristiana jiosy]] [[Apôkaliptisisma|apôkaliptika]]. Ny fampidirana ny [[Jentily]] na [[Jentilisa]] ao amin' ny Fiangonana kristiana voalohany izay an-dalam-pandrosoana dia niteraka fisarahana teo amin' ny [[jodaisma]] sy ny kristianisma jiosy nandritra ireo taonjato roa voalohany tamin' ny [[vanim-potoana kristiana]]. Tamin' ny taona 313, ny emperora [[Kônstantino I]] dia namoaka ny [[Didy tao Milano]] izay naha ara-dalàna ny fivavahana kristiana. Tamin' ny taona 380, niaraka tamin’ny [[Didy tao Tesalônika]] navoaka teo ambany fitarihan' i [[Teôdôsiosy I|Teôdôsiôsy I]], ny [[Empira Rômana]] dia nandray tamin' ny fomba ôfisialy ny [[Trinite|kristianisma trinitariana]] ho [[fivavaham-panjakana]], ary ny kristianisma dia nametraka ny tenany ho fivavahana rômanina nanjaka tao amin' ny Fiangonan' ny Empira Rômana. Ny adihevitra [[Kristôlôjia|kristôlôjika]] momba ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra an' i Jesoa dia nandreraka ny ny Fiangonana kristiana nandritra ny taonjato roa, ary ny [[kônsily ekiomenika]] fito dia natao mba hamahàna ireo adihevitra ireo. Nomelohina ny [[Arianisma (teôlôjia)|arianisma]] nandritra amin' ny [[Kônsily voalohany tao Nikea]] (taona 325), izay nanohana ny fampianarana momba ny Trinite izay nohazavaina tao amin' ny [[Fanekem-pinoana nikeana]].
Tany am-piandohan' ny [[Andro Antenatenany]], ny [[Fitoriana ny Filazantsara|asa fitoriana]] dia nampiely ny kristianisma tany Andrefana teo amin' ireo [[Jermanika|vahoaka jermanika]]. Nandritra ny [[Andro Antenatenany Ambony]] (manodidina ny taona 1000 hatramin' ny 1250) dia nisaraka ny [[Kristianisma Tatsinanana|kristianisma tatsinanana]] sy [[Kristianisma Tandrefana|kristianisma tandrefana]], ka nitarika ho amin' ny Fisarahan' ny [[Fiangonana Tatsinanana sy Tandrefana]] tamin' ny taona 1054. Nitombo ny fanakianana ny rafi-piangonana katôlika rômana sy ny fitondran-tena tao aminy ka nitarika ny hetsika prôtestanta tamin' ny taonjato faha-16 sy ny fivakisan' ny kristianisma tandrefana. Nanomboka tamin' ny vanim-potoan' ny Renaissance, miaraka amin' ny [[fanjanahan-tany]] izay nentanin' ny Fiangonana, dia niely eran' izao tontolo izao ny kristianisma. Amin' izao fotoana izao dia misy Kristiana maherin' ny 2 000 tapitrisa eran-tany, ary ny kristianisma no lasa fivavahana lehibe indrindra eran-tany. Tao anatin' ny taonjato farany, rehefa nihena ny fitaoman' ny kristianisma tany Andrefana, dia nitombo haingana izany tany Atsinanana sy tany amin' ny faritra Atsimo amin' ny Tany; any [[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]], any [[Kôrea Atsimo]] ary any amin' ny ankamaroan' ny firenena aty [[Afrika atsimon' i Sahara]].
== Fiandohana ==
=== Fiaviana jiosy-helenista ===
Ny zava-nisy ara-pivavahana sy ara-tsôsialy ary ara-pôlitika tany Jodea nofehezin' ny Rômana tamin' ny taonjato voalohany sy tany amin' ireo faritany mifanolo-bodirindrina aminy dia tena samy hafa ary tsy mitsaha-mitombo ny korontana ara-tsôsialy sy ara-pôlitika, [1][22][23] miaraka amin' ny hetsika jodaika maro izay samy mahakasika ny ivavahana sy ny pôlitika. [24] I Jôsefa mpahay tantara rômanina sy jiosy fahiny, dia nanoritsoritra ny mamin' ny sekta efatra nisongadina indrindra tao anatin’ ny jodaisma nandritra ny vanimpotoan’ ny Tempoly Faharoa: ny [[Fariseo]] (na Fariziina), ny [[Sadoseo]], (na Sadoseana) ny [[Eseniana]], ary ny “[[Filôzôfia Fahefatra]]” tsy fantatra anarana,[25] izay eken’ ny mpahay tantara môderna ho tsy iza fa ny [[Zelôta]] sy ny [[Sikary]] [26]. Tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K. sy tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. dia nanana mpitondra fivavahana karismatika maro nandray anjara tamin' izay ho lasa mishnah ny jodaisma rabinika, anisan' izany ny olon-kendry jiosy Yohanan ben Zakkai sy Hanina ben Dosa. Ny mesianisma jiosy, sy ny foto-kevitry ny Mesia jiosy, dia avy amin' ny [[literatiora apôkaliptika]] novokarina teo anelanelan' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K., [27] mampanantena mpitarika "voahosotra" ho avy ([[mesia]] na mpanjaka) avy amin' i [[Davida (mpanjaka)|Davida]] mba hanangana ny [[Fanjakan’ Andriamanitra]] israelita, ho solon’ ireo mpitondra hafa firenena tamin’ izany fotoana izany.[1]
=== Asa fanompoan' i Jesoa ===
Ny loharanom-baovao lehibe indrindra momba ny fiainan’ i [[Jesoa]] sy ny fampianarany dia ny [[Filazantsara]] (na Evanjely) kanônika efatra, ary amin’ ny ampahany kely dia ny [[Asan’ ny Apôstôly]] sy ny [[epistilin’ i Paoly]]. Araka ny voalazan’ ny Filazantsara dia [[Zanak' Andriamanitra]] i Jesoa izay [[Fanomboana an' i Jesoa|nohomboana tamin' ny hazo fijaliana]] manodidina ny taona 30–33 taor. J.K. tany [[Jerosalema]].[1] Nino ny mpanara-dia azy fa [[Fitsanganan' i Jesoa amin' ny maty|natsangana tamin’ ny maty]] izy ary nasandratr’ Andriamanitra, nitory ny Fanjakan’ Andriamanitra ho avy.[1]
== Kristianisma voalohany (manodidina ny taona 31/33–324) ==
Ny kristianisma voalohany amin' ny ankapobeny dia raisin’ ny mpahay tantaran’ ny fiangonana manomboka amin’ ny fanompoan’ i Jesoa (manodidina ny taona 27–30) ary nifarana tamin’ ny [[Kônsily voalohany tao Nikea]] (taona 325). Matetika izy io dia mizara ho vanim-potoana roa: ny vanim-potoana apôstôlika (taona 30–100 any ho any, fony mbola velona ny [[Apôstôly roa ambin' ny folo|Apôstôly]] voalohany) sy ny vanim-potoana ante-nikeana (taona 100–325 tany ho any).[28]
=== Andro Apôstôlika ===
Ny vanim-potoana apôstôlika dia nomena ny anaran' ny Apôstôly sy ny asa fitoriana nataon' izy ireo. Izy io dia manana dikany manokana amin' ny lova kristiana amin' ny maha-andron' ny Apôstôlin' i Jesoa mivantana azy ireo. Loharanom-baovao voalohany ho an' ny vanim-potoanan' ny Apôstôly ny [[Asan' ny Apôstôly]], saingy niadian-kevitra ny fahamarinany ara-tantara ary ny fari-potoana voarakony dia ampahany, izay mifantoka indrindra amin' ny Asan' ny Apôstôly toko faha-15[29] hatrany amin' ny asa fanompoan' i Paoly, ary nifarana tamin' ny 62 taor. J.K. tamin' ny fitorian' i Paoly tany [[Rôma Taloha|Rôma]] izay nigadrany tao an-tranomaizina.
Ny mpanara-dia an' i Jesoa voalohany indrindra dia sekta nisy ny [[Kristiana jiosy]] apôkaliptika tao anatin' ny [[jodaisma]]<nowiki/>n' ny [[Vanim-potoan' ny Tempoly Faharoa|Tempoly Faharoa]].[1][30][31][32][33] Ireo antokon’ olona kristiana tany am-boalohany ireo dia tena [[Jiosy]], toy ny [[Ebiônita]], [30] sy ny fiangonana kristiana voalohany tany [[Jerosalema]], izay notarihan’ i [[Jakoba Ilay Marina]], rahalahin’ i Jesoa.[34] Araka ny Asan’ ny Apôstôly toko fa-9, [35] dia nilaza ny tenany ho “mpianatry ny Tompo” sy [mpanara-dia] “ny Lalana” izy ireo, ary araka ny Asan’ ny Apôstôly toko faha-11, [36] dia ny vondron’ ny mpianatra nanorim-ponenana tany [[Antiôkia]] no nantsoina voalohany amin' ny anarana hoe “Kristiana”. Ny sasany tamin' ireo vondrom-piarahamonina kristiana voalohany ireo dia nahasarika olona "[[Matahotra an' Andriamanitra|natahotra an' Andriamanitra]]", izany hoe ireo Grika-Rômana niray fo tamin' ny jodaisma nefa tsy nety niova finoana ho amin' izany fivavahana izany fa nitazona ny maha [[Jentilisa]] na Jentily (tsy Jiosy) azy, izay efa nitsidika [[sinagôga]] jiosy.[37][38] Niteraka olana ny fampidirana ny Jentilisa, satria tsy afaka nitandrina tsara ny [[Halakà]] izy ireo. I Saoly avy any Tarsosy, izay fantatra amin’ ny anarana hoe [[Paoly Apôstôly]], dia nanenjika ny Kristiana jiosy tany am-boalohany, nefa niova fo taty aoriana sy nanomboka ny asa nanirahana azy tany amin’ ny Jentilisa[37]. Ny tena zava-dehibe amin’ ny [[taratasin' i Paoly]] dia ny fampidirana ny Jentilisa ao amin’ ny [[Fanekem-pihavanana vaovao]]<nowiki/>n’ Andriamanitra, izay mandefa hafatra fa ny finoana an’ i Kristy dia ampy hahazoana ny [[famonjena]][37][39][40]. Noho io fampidirana ny Jentilisa io, dia niova ny toetran' ny kristianisma voalohany ary nitombo tsikelikely ivelan' ny [[jodaisma]] nandritra ny taonjato roa voalohany amin' ny vanim-potoana kristiana.[37] Nanao tonon-tsiahy lovantsofina i Eosebio sy Epifanio avy any Salamisy, izay [[Rain' ny Fiangonana]], tamin’ ny taonjato fahefatra fa talohan’ ny nandravana an’ i [[Jerosalema]] tamin’ ny taona 70, nampitandremana tamin’ ny fomba mahagaga ny Kristiana mba handositra ho any Pela, any amin’ ny faritr’ i [[Dekapôlisy]], any ampitan’ ny ony Jôrdana.[41]
Ny Filazantsara sy ny Epistily ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]] dia mirakitra ireo fiekem-pinoana sy fihirana tany am-boalohany, ary koa ny fitantarana momba ny [[fijalian' i Jesoa]], ny [[fasana foana]] ary ny fisehoany taorin' ny [[Fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty|fitsanganany amin' ny maty]][43]. Ny kristianisma tany am-boalohany dia niely hatrany tamin' ny mpino tao amin' ireo vahoaka [[Fiteny arameana|miteny arameana]] teny amin' ny tany manamorona amoron' ny [[Ranomasina Mediteranea]] ary koa tany amin' ny faritra afovoan' ny [[Empira Rômana]] sy tany amin' ny faritra hafa, tany amin' ny [[Empira Partiana]] sy ny [[Empira Sasaniana]] tatỳ aoriana, anisan' izany i [[Mesôpôtamia]], izay nanjaka tamin' ny vanim-potoana samy hafa amin' ireo fanjakana ireo.[44]
=== Vanim-potoana ante-nikeana ===
Ny vanim-potoana talohan' ny [[Kônsily voalohany tao Nikea|Kônsily tao Nikea]] (na Nisea) dia vanim-potoana taorian' ny vanim-potoana apôstôlika ka hatramin' ity [[kônsily]] ity tamin' ny taona 325. Tamin' ny fiandohan' ny vanim-potoana nikeana niely nanerana an' i [[Eorôpa Andrefana]] sy ny Lemaka Mediteraneana ary any [[Afrika Avaratra]] sy [[Afrika Atsinanana|Atsinanana]] ny finoana. Nisy rafitry ny Fiangonana ara-dalàna kokoa nipoitra avy tamin’ ireo vondrom-piarahamonina tany am-boalohany, ary nivelatra ny [[foto-pampianarana]] kristiana samihafa. Nihataka tamin’ ny [[jodaisma]] ny [[kristianisma]], ka namorona ny maha-izy azy manokana tamin’ ny alalan’ ny fandavana mafy ny jodaisma sy ny fanao jiosy.
==== Fampandrosoana ny rafi-piangonana ====
Nitombo teo amin' ny 40% teo ho eo isan-taona ny isan' ny Kristiana nandritra ny taonjato voalohany sy faharoa.[45] Tao amin' ny fiangonana taorian' ny Apôstôly dia nisy ambaratongam-pitondram-pivavahana nipoitra tsikelikely satria ny mpiandraikitra ny vahoaka kristiana an-tanàn-dehibe dia naka endrika "''episkopoi''" (mpiandraikitra; niandohan' ny teny hoe "eveka" sy "episkôpaly") sy "''presbyter''" (loholona; niandohan' ny teny hoe "pretra") ary avy eo "diakon" (mpanompo; niavian' ny hoe "diakôna" na "diakra"). Saingy nipoitra tsikelikely izany ary tamin' ny fotoana samihafa tany amin' ny toerana samihafa. Klemento, evekan’ i Rôma tamin’ ny taonjato voalohany, dia nanondro ny mpitarika ny fiangonana kôrintiana tao amin’ ny epistiliny ho an’ ny Kôrintiana ho "eveka" sy "presbitera" mifandimby. Ny mpanoratra ao amin' ny Testamenta Vaovao koa dia mampiasa ny teny hoe mpiandraikitra sy loholona amin' ny fifandimbiasana sy amin' ny teny mitovy hevitra.[46]
==== Kristianisma isan-karazany ====
Ny vanim-potoana ante-nikeana dia nahita ny firongatry ny sekta sy fivavahana ary hetsika kristiana marobe izay nanana toetra mampiray sy matanjaka izay tsy ampy tamin' ny vanim-potoanan' ny Apôstôly. Samy nanana ny fandikana ny Baiboly izy ireo, indrindra fa ny momba ny foto-pampianarana teôlôjika toy ny maha-Andriamanitra an’ i Jesoa sy ny toetran’ ny Trinite. Maro amin' ny fiovaovana nisy nandritra izany fotoana izany no manohitra ny fanasokajiana tsara, satria ny endrika samihafan' ny kristianisma dia nifanerasera tamin' ny fomba sarotra mba hamoronana ny toetran' ny kristianisma mavitrika izay nisy nandritra izany vanim-potoana izany. Ny vanim-potoana taorian' ny Andro Aapôstôlika dia samy hafa na teo amin' ny finoana sy ny fanao. Ho fanampin' ny sampana midadasika amin' ny sampana kristianisma, dia nisy fiovana tsy tapaka sy fahasamihafàna izay niteraka fifandirana teo amin' ny samy ao anatiny sy ny fananganana sinkretisma.[47][48][49][50]
==== Fampandrosoana ny kanônan' ny Baiboly ====
Ny epistilin' i Paoly dia nivezivezy tamin' ny endrika voaangona tamin' ny faran' ny taonjato voalohany.[51] Tany am-piandohan' ny taonjato faha-3 dia nisy andiana asa soratra kristiana mitovy amin' ny Testamenta Vaovao ankehitriny, na dia mbola nisy aza ny fifandirana momba ny maha-kanônika ny Epistily ho abc ny Hebreo, ny Epistilin' i Jakoba, ny Epistily voalohan' i Petera, ny Epistily voalohany sy faharoan' i Joany ary ny Apôkalipsy.[52][53] Tamin' ny taonjato faha-4, dia nisy firaisankina teo amin' ny Tandrefana momba ny kanônan' ny Testamenta Vaovao, [54] ary tamin' ny taonjato faha-5 dia nanaiky ny Bokin' ny Apôkalipsy ny Atsinanana, afa-tsy ny maningana vitsivitsy, ka dia nifanaraka tamin' io raharaha io. ny kanôna.[55]
==== Asa soratra prôtô-ôrtôdôksa ====
Rehefa niely nanerana ny tanin’ ny Fanjakana Rômana sy tany ivelan’ ny sisin-taniny ny kristianisma, dia nahazo mpikambana sasany avy amin’ ny saranga ara-tsôsialy ambony sy bonding ny nahita fianarana tsara teo amin’ ny tontolo grika izy; lasa eveka izy ireo indraindray. Namokatra karazana asa roa izy ireo, dia ny teôlôjia sy ny apôlôjia, ary ireto farany dia asa natao hiarovana ny finoana kristiana amin’ ny fampiasana ny saina sy ny filôzôfia ary ny Soratra Masina mba hanoherana ny hevitra manohitra ny fahamarinan’ ny kristianisma. Ireo mpanoratra ireo dia fantatra amin' ny anarana hoe Rain' ny Fiangonana na Abc ny Eglizy, ary ny fandalinana ny fiainany sy ny asa sorany dia antsoina hoe patistika. Anisan' ireo Rain' ny Fiangonana voalohany malaza i Ignatiôsy avy any Antiôkia, i Pôlikarpôsy, i Jostinôsy Martira, i Ireneo, i Klemento avy any Aleksandria, i Tertoliano, ary i Ôrigenesy.
==== Zavakanton' ny Kristiana voalohany ====
Ny zavakanto sy ny maritrano kristiana tany am-boalohany dia nipoitra somary tara ary ny sary kristiana voalohany fantatra dia nipoitra tamin' ny taona 200 tany ho any, [56] na dia misy porofo avy amin' ny literatiora aza fa nampiasaina teo aloha ny sary kely an-trano. katakomba, nisy tamin' ny 200 teo ho eo, ary ny sary sokitra kristiana tranainy indrindra dia avy amin' ny sarkôfazy, nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-3.[57] Ny fandavana ny sary tany am-boalohany, sy ny tsy maintsy hanafenana ny fanao kristiana amin' ny fanenjehana, dia namela firaketana an-tsoratra vitsivitsy momba ny kristianisma voalohany sy ny fivoarany.[57]
==== Fanenjehana sy fanaovana ho ara-dalàna ====
Tsy nisy fanenjehana nanerana ny Empira ny Kristiana hatramin' ny nanjakan' i Dekio tamin' ny taonjato faha-3.[58] Ny fanenjehana farany sy mafy indrindra nokarakarain' ny manampahefana rômana dia ny fanenjehana nataon' i Diôkletiano taming ny taona, 303 hatramin' ny 311.[59]
Ny Didin' i Serdica dia navoaka tamin' ny 311 avy amin' ny emperora rômana Galerio, izay namarana tamin' ny fomba ôfisialy ny fanenjehana ny Kristiana tany Atsinanana. Tamin’ ny famoahana ny Didin’ i Milano (313), izay nametrahan’ ny emperora rômana Konstantino Lehibe sy i Likinio ho ara-dalàna ny fivavahana kristiana, dia nitsahatra ny fanenjehana ny Kristiana nataon’ ny Empira Rômana[60].
Ny Fanjakan' i Armenia no firenena voalohany teto amin' izao tontolo izao nametraka ny kristianisma ho fivavaham-panjakana, rehefa, tamin' ny hetsika fanao mahazatra tamin' ny taona 301, i Gregôrio ilay Mpanazava nandresy lahatra an' i Tiridatesy III, mpanjakan' i Armenia, hiova ho Kristiana.
== Ampahany farany amin' ny Andro Taloha (325–476) ==
=== Ny fitaoman’ i Kônstantino ===
Sarotra ny hamantarana hoe hatraiza ny kristianisma noraisin’ ny emperora rômana Kônstantino tamin’ io fotoana io,[61] fa ny nidirany dia kihon-dalana ho an’ ny Fiangonana kristiana. Nanohana ara-bola ny Eglizy izy, nanorina bazilika isan-karazany, nanome tombontsoa (ohatra: fanafahana amin’ ny hetra sasany) ho an’ ny mpitondra fiangonana, nampisondrotra ny Kristiana ho amin’ ny toerana ambony sasany, ary namerina ny fananana nogiazana [62] . Nandray anjara mavitrika tamin’ ny fitarihana ny Fiangonana i Kônstantino. Tamin' ny taona 316, dia nitsara ny ady tany Afrika Avaratra momba ny adihevitra mikasika ny dônatista izy. Ny zava-dehibe kokoa, tamin' ny 325 dia nampiantso ny Kônsilin' i Nikea izy, izay kônsily ekiomenika voalohany. Noho izany dia nametraka ohatra ho an’ ny emperora izy ho tompon’ andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahasalamana ara-panahin’ ireo olom-peheziny, ary noho izany dia manana adidy hihazona ny ôrtôdôksia. Izy dia tokony hampihatra ny foto-pampianarana, hamongotra ny fivavahan-diso, ary hanohana ny firaisan-kina ara-pivavahana[63].
Ilay mpandimby ny zanak' i Kônstantino, atao hoe Joliano, zana-drahalahiny, teo ambany fitarihan' i Mardônio mpanolo-tsaina azy, dia nandao ny kristianisma ary nandray ny endriky ny paganisma grika-rômana neôplatônika sy mistika, izay nanafintohina ny fiorenan' ny Kristiana[64]. Niezaka namelona indray ny paganisma grika-rômana tao amin’ ny Empira Romana izy ary nanomboka tamin’ ny fanokafana indray ny tempolin’ izany fivavahana izany, ka nanova azy ireo hitovy amin’ ny fomba kristiana, toy ny rafitra episkôpaly sy ny fiantrana ampahibemaso (izay tsy fantatra teo amin’ ny fivavahana grika-romana). Nifarana ny fotoana fohy nanjakan’ i Joliano rehefa maty tamin’ ny ady tamin’ ny Persiana izy (363).
=== Ny arianisma sy ny kônsily ekiomenika voalohany ===
Ny fotopampianaran' ny kristôlôjia manohitra ny Trinite malaza izay niely nanerana ny Empira Romana nanomboka tamin' ny taonjato faha-4 dia ny arianisma, [65] [66] naorin' ny presbitera kristiana Ariosy avy any Aleksandria, any Egipta, izay nampianatra fa i Jesoa Kristy dia zavaboary miavaka sy ambany noho Andriamanitra Ray.[65][66]
Na dia nohelohina ho fivavahan-diso aza ny fampianaran' i Ariosy ary nesorin’ ny Eglizy tao amin’ ny Empira Rômana tamin’ ny farany, dia nalaza hatrany ivelan' ny tanin' Ilay empira izy io nandritra ny fotoana elaela. Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-4, i Olfila, eveka romana mpomba ny arianisma, no voatendry ho misionera kristiana voalohany tany amin' ny Gôty, vahoaka jermanika tany amin' ny ampahanynbe amon' i Eorôpa teo amin' ny sisin-tany sy tao anatin' ny Empira Rômana.[65][66] I Olfila dia nampiely ny arianisma teo amin' ny Gôty, nampiorina mafy ny finoana teo amin' ny foko jermanika maro, ka nanampy azy ireo hitoetra tsy hitovy amin' ny kolontsaina sy ny fivavahan' ny Kristiana kalkedôniana.[65][66][67]
Nandritra io vanim-potoana io, dia natao ny kônsily ekiomenika voalohany. Niadian-kevitra ny fifandirana ara-pinoana sy ara-pivavahana. Ny Kônsily voalohany tao Nikea (325) sy ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpla (381) dia niafara tamin’ ny fanamelohana ny arianisma ho fivavahan-diso ary namoaka ny Fanekem-pinoana nikeana.
=== Ny kristianisma lasa fivavaham-panjakana rômana ===
Tamin' ny 27 Febroary 380, tamin' ny alàlan' ny Didin' i Tesalônika navoaka teo ambany fahefàn' i Teôdôsio I, Gratiano ary Valentiniano II, ny Empira Romana dia nandray tamin' ny fomba ôfisialy ny kristianisma trinitariana ho fivavaham-panjakana. Talohan’ io daty io, i Kônstantio II sy i Valentio dia nankasitraka manokana ny kristianisma ariana na semi-ariana, saingy i Teôdôsio I, mpandimby an’ i Valentio, dia nanohana ny fampianarana momba ny Trinite, araka ny nohazavaina tao amin’ ny Fiekem-pinoana nikeana.
Taorian' ny niorenany, ny Fiangonana dia nandray ny sisin-tanin' ny fandaminana mitovy amin' ny Empira: faritany ara-jeôgrafia, antsoina hoe diôsezy, mifanitsy amin' ny fizarazaran' ny governemantan' ny empira. Ireo eveka, izay nipetraka tao amin' ny tanàna lehibe toy ny tamin' ny fomba mahazatra talohan' ny lalàna, dia nanara-maso ny diôsezy tsirairay. Tamin’ ireo fari-piadidian' ny eveka ireo, dia nisy dimy lasa nitana toerana ambony: i Roma, i Konstantinôpla, i Jerosalema, i Antiôkia, ary i Aleksandria. Niankina tamin’ ny Apôstôly mpanorina azy ireo ny lazan’ ny ankamaroan’ ireo toerana ireo, ka ny eveka no mpandimby ara-panahy. Na dia mbola noheverina ho voalohany teo amin’ ireo mitovy aminy aza ny evekan’ i Rôma, dia i Kônstantinôpla no laharana faharoa tamin’ ny maha-renivohitra vaovaon’ ny Empira azy.
Namoaka didy i Teôdôsio I fa ny hafa tsy mino ny "lovam-pampianarana mahatoky", toy ny Trinite, dia tokony hoheverina ho mpanao fivavahan-diso tsy ara-dalàna, [68] ary tamin' ny 385, izany no nahatonga ny Fanjakana ho voalohany, fa tsy ny Fiangonana, nanao fanasaziana ho faty ny mpivadi-pinoana, dia i Priskiliano.[69][70]
=== Ny Fiangonan' ny Atsinanana sy ny Empira Sasaniana ===
Nandritra ny fiandohan' ny taonjato faha-5, ny Sekolin' i Edesa dia nampianatra fomba fijery kristôlôjika izay milaza fa ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona an' i Kristy dia midika fa olona miavaka izy. Ny vokany manokana amin’ io fomba fijery io dia ny hoe tsy azo antsoina araka ny tokony ho Renin’ Andriamanitra i Maria fa azo raisina ho Renin’ i Kristy ihany. Ny mpomba an' io fomba fijery io malaza indrindra dia ny patriarkan' i Kônstantinôpla antsoina hoe Nestôriôsy. Hatramin' ny niantsoana an' i Maria ho Renin' Andriamanitra dia nanjary nalaza tany amin' ny faritra maro tao amin' ny Fiangonana ka nanjary olana mampisara-bazana izany.
Nangataka ny hanaovana ny Kônsilin’ i Efesosy (431) i Teôdôsio II, emperora rômana, mba handaminana ilay raharaha. Nolavin' ny kôsily tamin' ny farany ny hevitr' i Nestôriosy. Nisaraka tamin’ ny Eglizy Rômana ny fiangonana maro nanaraka ny fomba fijerin’ ny Nestôriana, ka niteraka fisarahana lehibe izany. Nesorina ny fiangonana nestoriana, ary maro ny mpanara-dia nandositra nankany amin’ ny Empira Sasaniana izay nanaiky izany. Ny Empira Sasaniana (Persiana) dia nanana Kristianina niova fo maro tany am-piandohan' ny tantarany, nifamatotra akaiky tamin' ny sampana siriakan' ny kristianisma. Zôrôastriana tamin' ny fomba ôfisialy ny Empira Sasaniana ary nifikitra mafy tamin' io finoana io, amin' ny ampahany mba hanavahany ny tenany amin' ny fivavahan' ny Empira Rômana (ny paganisma grika-rômana tany am-boalohany ary avy eo ny kristianisma). Nanjary noleferina ny kristianisma tao amin' ny Empira Sasaniana, ary rehefa nihamaro ny mpivadi-pinoana vokatry ny nataon' ny Empira Rômana nandritra ny taonjato faha-4 sy faha-6, dia nitombo haingana ny vondrom-piarahamonina kristiana sasaniana.[71] Tamin' ny faran' ny taonjato faha-5 dia niorina mafy ny Fiangonana Persiana ary nanjary nahaleo tena tamin' ny Fiangonana Rômana. Io fiangonana io dia nivoatra ka lasa ilay antsoina ankehitriny hoe Fiangonan' ny Atsinanana.
Tamin' ny taona 451, ny Konsilin' i Kalkedôna dia natao mba hanazavana bebe kokoa ny olana ara-kristôlôjia manodidina ny nestôrianisma. Ny kônsily tamin' ny farany dia nanambara fa ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona an' i Kristy dia misaraka fa samy ao anatin' ny singa iray, fomba fijery nolavin' ny fiangonana maro izay niantso ny tenany ho miafizita izany. Niteraka fiombonan' ny fiangonana izany fisarahana izany, anisan' izany ny Fiangonana Armeniana, Siriana ary Ejipsiana[72] Na dia nisy ezaka natao tamin’ ny fampihavanana aza nandritra ny taonjato vitsivitsy nanaraka, dia nitohy hatrany ny fisarahana, ka niteraka ilay antsoina ankehitriny hoe Ôrtôdôksa Tatsinanana.
=== Mônastisisma ===
Ny mônastisisma dia ny fanaon' ny olona iray izay miala amin' ny fikatsahana izao tontolo izao ary mandeha irery toy ny mpitoka-monina (hermita) na miditra amin' ny vondrom-piarahamonina voalamina tsara. Nanomboka tany am-boalohany tao amin’ ny Fiangonana kristiana izy io tamin’ ny maha fianakaviana nanana lovam-panao mitovy amin’ izany, nalaina tamin’ ny ohatra sy foto-kevitra araka ny Soratra Masina, ary avy amin’ ny fakan’ ny sasany tahaka ny jodaisma. I Joany Mpanao Batisa dia hita ho moanina (na monka) môdely voalohany, ary ny mônastisisma dia nentanin' ny fandaminan' ny vondrom-piarahamonin' ny Apôstôly araka ny voarakitra ao amin' ny Asan' ny Apôstôly (Asa 2:42–47).[73]
Mpanoratra kristiana malaza tamin' ny tapany farany among ny Andro Taloha toa an' i Ôrigenesy, i Hierônimôsy (na Jerôma), i Joany Krisôstôma, ary i Aogostino avy any Hipo, no nandika ny hevitry ny lahatsoratra ao amin' ny Baiboly tao anatin' ny tontolom-pivavahana feno fanavakavahana.[74] Ny ohatra ara-Baiboly momba ny asketisma dia hita teo amin' ny fiainan' i Joany Mpanao Batisa, i Jesoa Kristy, ny Apôstôly roa ambin' ny folo ary i Paoly Apôstôly.[74] Nahariharin’ ny Horonan-tsoratry ny Ranomasina Maty ny fanaon’ ny
Eseniana izay sekta jiosy fahiny, izay nivoady fa hifady hanomana ady masina. Ny fanantitranterana ny fiainana ara-pivavahana asketika dia hita tao amin' ny asa soratra kristiana voalohany (jereo: Filôkalia) sy ny fanao taming izany fotoana izany (jereo: hesikasma). Anisan' ireo mpivavaka kristianina hafa amin' ny asketisma ny olo-masina toa an' i Paoly Hermita, i Simeôna Stilita, i Davida avy any Valesa, i Joany avy any Damaskôsy, ary i Fransisko avy any Assise.[74]
Ny Tany efitr' i Afovoany Atsinanana dia nisy fotoana nipetrahan' ny lehilahy sy vehivavy kristiana asketika, hermita ary ankôrite an' arivony, [75] anisan' izany i Md Antôniôsy Lehibe (fantatra amin' ny anarana hoe Md Antôny avy any an' efitra), Mb Maria avy any Ejipta, ary Md Simeôna Stilita, fantatra amin' ny anarana hoe Rain' ny Taniefitrasy Renin' ny Taniefitra. Tamin' ny taona 963 dia niforona ny fikambanan' ny mônasitera antsoina hoe Lavra teo amin' ny Tendrombohitra Athos, araka ny lovam-pomba ôrtôdôksa tatsinanana.[76] Io no ivon-toerana manan-danja indrindra amin' ireo antokon' olona asketika kristiana ôrtôdôksa nandritra ny taonjato maro nanaraka.[76] Amin' izao vanim-potoana môderina izao, ny Tendrombohitra Athos sy Meteora dia nijanona ho foibe manan-danja lehibe.[77]
Miaina irery ny moanina eremita, na ny hermita, fa ny kenôbitika kosa dia miaina ao amin' ny vondrom-piarahamonina, amin' ny ankapobeny ao amin' ny mônastera, eo ambanin' ny fitsipika (na fitsipika fanao) ary fehezin' ny abôta. Tany am-boalohany, ny moanina kristiana rehetra dia mpitolona, nanaraka ny ohatr’ i Antôniôsy Lehibe. Na izany aza, ny filana endrika fitarihana ara-panahy voalamina dia nitarika an' i Pakômiôsy tamin' ny taona 318 mba handamina ny mpanara-dia azy maro ho lasa monastera voalohany. Tsy ela dia nisy andrim-pandaminana toy izany naorina nanerana ny tany efitr’ i Ejipta sy ny sisa tamin’ ny tapany atsinanan’ ny Empira Rômana. Tena nahasarika ny vehivavy izany hetsika izany.[78] Isan' ny ivon' ny fampandrosoana ny mônastisisma dia i Basily Lehibe any Atsinanana ary, any Andrefana, i Benedikto (na Benoà), izay namorona ny Fitsipik' i Md Benedikto, izay ho lasa fitsipika mahazatra indrindra mandritra ny Andro Antenatenany sy ny fiandohan' ny fitsipika mônastika hafa. [79]
== Tapany voalohany amin' ny Andro Antenatenany (476–842) ==
Ny tetezamita ho any amin'ny fiandohan'ny Andro Antenatenany dia dingana tsikelikely sy eo an-toerana. Nitombo ny faritra ambanivohitra noho ny tobim-pamokarana herinaratra raha nihena ny tanàna. Na dia betsaka kokoa aza ny Kristianina nijanona tany Atsinanana (faritra grika), dia nisy fivoarana lehibe teo amin’ny tandrefana (faritra latinina), ary samy nanana endrika miavaka. Ireo evekan’i Roma, ireo papa, dia voatery nampifanaraka tamin’ny toe-javatra niova be. Tsy nifikitra afa-tsy tamin’ny emperora izy ireo, ka voatery nifampiraharaha tamin’ireo “mpanapaka barbarianina” tany amin’ireo faritany romanina taloha. Tany Atsinanana, ny Fiangonana dia nitazona ny rafitra sy ny toetrany ary nivoatra tsikelikely.
=== Fanitarana misiônera tandrefana ===
Nifanindry tamin'ny ezaka misionera tany am-boalohany tany amin'ny faritra tsy voafehin'ny fanjakana nirodana ny famoizana tsikelikely ny fanjakan'ny Empira Romana Tandrefana, nosoloina ny fanjakana foederati sy alemà.[80] Tany am-piandohan'ny taonjato faha-5, ny asa misionera avy any Grande-Bretagne Romana ho any amin'ny faritra Celtic (Scotland, Irlandy, ary Pays de Galles) dia namokatra fomban-drazana nifaninana tamin'ny Kristianisma Celtic, izay naverina naverina teo ambanin'ny Fiangonana tany Roma tatỳ aoriana. Ireo misionera nalaza tany Eoropa Avaratra Andrefana tamin’izany fotoana izany dia ireo olo-masina kristiana Patrick sy Columba ary Columbanus. Ny foko Anglo-Saxon izay nanafika an'i Grande-Bretagne atsimo, fotoana fohy taorian'ny nandaozan'ny Romanina dia mpanompo sampy tamin'ny voalohany, saingy niova fo ho Kristianisma tamin'ny alalan'i Augustin avy any Canterbéry i Augustin avy any Canterbury noho ny asa nanirahana ny Papa Gregory Lehibe. Tsy ela dia lasa foiben'ny misiônera, ireo misiônera toa an'i Wilfrid, Willibrord, Lullus, ary Boniface dia niova fo ny havany Saxon tany Germania.
Ny ankamaroan'ny Kristianina Gallo-Romanina monina any Gaul (Frantsa sy Belzika ankehitriny) dia resin'ny Franks tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-5. Nenjehina ny tompon-tany mandra-piovan’ny Mpanjaka Francis Clovis I avy amin’ny fanompoan-tsampy ho amin’ny Fivavahana Katolika Romana, tamin’ny 496. Nanizingizina i Clovis fa hanaraka an’izany ireo andriana namany, ka nanamafy ny fanjakany vao niorina tamin’ny fampiraisana ny finoan’ny mpitondra sy ny an’ny mpitondra [81]. Taorian’ny nipoiran’ny Fanjakana Frankish sy ny toe-draharaha ara-politika nilamina, dia nampitombo ny asan’ny misionera ny tapany tandrefana tamin’ny Fiangonana, izay notohanan’ny tarana-mpanjaka Merovingiana ho fitaovana hampitoniana ny mponina manodidina sahirana. Taorian'ny nanorenan'ny fiangonana iray tao Utrecht nataon'i Willibrord, dia nitranga ny fihenjanana rehefa nandrava foibe kristiana maro ny Mpanjaka Frisian Radbod teo anelanelan'ny taona 716 sy 719. Tamin'ny taona 717, i Boniface, misionera anglisy, dia nalefa hanampy an'i Willibrord, nanangana indray ireo fiangonana tany Frisia ary nanohy ny asa fitoriana. any Alemaina.[81] Nandritra ny faramparan'ny taonjato faha-8, dia nampiasa famonoana faobe i Charlemagne mba handresena ny Saxon mpanompo sampy sy hanerena azy ireo hanaiky ny Kristianisma [82].
=== Kalifata Rashidun ===
Koa satria izy ireo dia heverina ho "Olon'ny Boky" ao amin'ny fivavahana silamo, ny Kristianina teo ambany fitondran'ny silamo dia niharan'ny satan'ny dhimmi (miaraka amin'ny Jiosy, Samaritana, Gnostika, Mandeans, ary Zoroastriana), izay ambany noho ny satan'ny silamo. [83][84][85] Niatrika fanavakavahana ara-pivavahana sy fanenjehana araka izany ny Kristianina sy ny antokom-pivavahana vitsy an’isa noho ny fandrarana azy ireo tsy hiova finoana (ho an’ny Kristianina dia voarara ny mitory ny filazantsara na manaparitaka ny Kristianisma) tany amin’ireo tany notafihin’ny silamo arabo noho ny fanaintainan’ny fahafatesana, voarara tsy hitondra fitaovam-piadiana izy ireo. , nanao asa sasany, ary voatery nitafy hafa mba hampiavaka ny tenany amin'ny Arabo[84] . Teo ambanin'ny lalàna silamo (sharīʿa), ny tsy silamo dia voatery nandoa ny hetra jizya sy kharaj, [83][84][85] miaraka amin'ny vidim-panavotana mavesatra ara-potoana nalain'ny mpitondra silamo ny vondrom-piarahamonina Kristiana mba hamatsiana ny fampielezan-kevitra ara-miaramila. tamin'izany dia nitondra ampahany betsaka amin'ny fidiram-bola ho an'ny fanjakana silamo ary nampihena ny Kristiana maro ho amin'ny fahantrana, ary ireo fahasahiranana ara-bola sy ara-tsosialy ireo dia nanery ny kristiana maro hivadika ho silamo.[84] Ireo Kristiana tsy afaka nandoa ireo hetra ireo dia voatery nanolotra ny zanany ho an'ireo mpitondra silamo ho karama izay hivarotra azy ireo ho andevo ho an'ny tokantrano silamo izay voatery hivadika ho silamo.[84]
Araka ny fomban'ny Eglizy Ortodoksa Syriac, ny fandresen'ny Silamo ny Levant dia fanamaivanana ho an'ireo Kristiana ampahorian'ny Fanjakana Romanina Tandrefana[85]. Mikaela Syriana, patriarika tany Antiokia, dia nanoratra tatỳ aoriana fa Andriamanitra Kristiana dia “nanandratra ny zanak’i Ismaela avy tany atsimo mba hanafaka antsika amin’ny tanan’ny Romana”[85]. Ny vondrom-piarahamonina Kristiana isan-karazany any amin'ny faritr'i Palestina, Syria, Libanona ary Armenia dia nankahala ny fitondran'ny Fanjakana Romanina Tandrefana na ny an'ny Fanjakana Byzantine, ka noho izany dia naleony niaina tao anatin'ny toe-karena ara-toekarena sy ara-politika tsara kokoa noho ny dhimmi teo ambany fitondran'ny Silamo. .[85] Na izany aza, ny mpahay tantara maoderina dia manaiky ihany koa fa ny mponina Kristiana monina any amin'ireo tany notafihin'ny tafika Arabo silamo teo anelanelan'ny taonjato faha-7 sy faha-10 am.f.i. dia niharan'ny fanenjehana ara-pivavahana, herisetra ara-pivavahana ary maritiora imbetsaka teo am-pelatanan'ireo manampahefana sy mpanapaka Miozolomana Arabo [85]. ][86][87][88] maro no novonoina teo ambanin'ny fanamelohana ho faty Islamika noho ny fiarovana ny finoany Kristiana tamin'ny alalan'ny hetsika fanoherana mahery vaika toy ny fandavana ny hiova finoana silamo, ny fandavana ny fivavahana silamo ary ny fiverenana amin'ny Kristianisma avy eo, ary ny fitenenan-dratsy an'Andriamanitra. finoana silamo.[86][87][88]
=== Kalifata Umayyad ===
Araka ny Sekoly Ḥanafī momba ny lalàna silamo (sharīʿa), ny fijoroana vavolombelona ataon'ny tsy silamo (toy ny kristiana na jiosy) dia tsy noheverina ho manan-kery manoloana ny fijoroana vavolombelona ataon'ny silamo amin'ny raharaha ara-dalàna na sivily. Ara-tantara, ao amin'ny kolontsaina silamo sy ny lalàna silamo nentim-paharazana dia voarara ny vehivavy silamo tsy hanambady lehilahy kristiana na jiosy, fa ny lehilahy silamo kosa dia navela hanambady vehivavy kristiana na jiosy[89][90] (jereo ny: fanambadiana iraisam-pinoana ao amin'ny finoana silamo). Ny Kristiana teo ambany fitondran'ny Silamo dia nanana zo hivadika ho silamo na fivavahana hafa, raha mifanohitra amin'izany kosa ny murtad, na mpivadi-pinoana amin'ny finoana silamo, dia niatrika sazy henjana na hadd mihitsy aza, izay mety ahitana ny fanamelohana ho faty Islamika.[86][87][88] ]
Amin'ny ankapobeny, ny Kristiana teo ambanin'ny fitondrana Islamika dia navela hampihatra ny fivavahany miaraka amin'ny fetra miavaka sasany avy amin'ny Pact apokrifa an'i Umar. Io fifanarahana io, izay heverina fa natao tamin’ny taona 717 am.f.i., dia nandrara ny kristiana tsy hampiseho ampahibemaso ny hazo fijaliana teo amin’ny trano fiangonana, tsy hiantso ny mpiangona hivavaka amin’ny lakolosy, tsy hanorina indray na hanamboatra fiangonana sy monasitera taorian’ny fandravana na simba, ary nametraka fameperana hafa. mifandraika amin'ny asa, fitafiana ary fiadiana[91] Nanenjika Kristiana Berbera maro ny Kalifa Umayyad tamin'ny taonjato faha-7 sy faha-8 am.f.i., izay niova tsikelikely ho amin'ny finoana silamo.[92]
Tany Umayyad al-Andalus (amin'ny Saikinosin'i Iberiana), ny sekolin'ny lalàna Islamika Malikī no tena nanjaka.[87] Ny fahafatesan'ny maritiora kristiana valo amby efapolo izay nitranga tao amin'ny Emirat of Córdoba teo anelanelan'ny taona 850 sy 859 AD[93] dia voarakitra ao amin'ny trakta hagiographique nosoratan'i Eulogius of Córdoba, Kristiana Iberiana sy Latinista manam-pahaizana.[86][87][88]. ] Novonoina teo ambany fitondran'i Abd al-Rahman II sy Muhammad I ireo maritiora tao Córdoba, ary ny hagiographie an'i Eulogius dia mamaritra amin'ny antsipiriany ny famonoana ireo maritiora noho ny fanitsakitsahana ny lalàna Islamika, anisan'izany ny fivadiham-pinoana sy ny fitenenan-dratsy.[86][87][86] 88]
=== Kalifata Abbasid ===
Mpahay siansa Kristiana tatsinanana sy manam-pahaizana momba ny tontolo Islamika tamin'ny Andro Antenatenany (indrindra fa ny Kristiana Jacobita sy Nestorian) dia nandray anjara tamin'ny sivilizasiona Islamika Arabo nandritra ny fitondran'ny Omayyad sy ny Abbasid, tamin'ny fandikana ny sangan'asan'ny filozofa grika ho amin'ny teny Syriac ary taorian'izay, tamin'ny teny Arabo.[94] [95][96] Nahay filozofia, siansa, teolojia ary fitsaboana koa izy ireo.[97][98][99] Ary ny mpitsabo manokana an'ny Kalifa Abbasid dia matetika Kristiana Asyriana toy ny tarana-mpanjaka Bukhtishu naharitra ela.
Ny Kalifa Abbasid dia tsy nandefitra loatra tamin'ny Kristianisma raha oharina tamin'ireo kalifa Omayyad[85]. Na izany aza, dia nanohy niasa tao amin'ny governemanta ny manam-pahefana kristianina, ary matetika ny Kristianina ao amin'ny Fiangonan'ny Tatsinanana no nandika ny filozofia grika fahiny sy ny matematika grika.[85] Ny asa soratr'i al-Jahiz dia nanafika ny Kristiana noho ny fanambinana loatra, ary milaza fa afaka tsy miraharaha na dia ireo fameperana napetraky ny fanjakana aza [85]. Tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-9, ny patriarkan'i Jerosalema, Theodosius, dia nanoratra tamin'ny mpiara-miasa taminy, ilay patriarkan'i Constantinople Ignatios, fa "marina izy ireo ary tsy manisy ratsy antsika na mampiseho herisetra amintsika".[85]
Elias avy any Heliopolisy, rehefa nifindra tany Damaskosy avy any Heliopolisy (Ba'albek), dia voampanga ho nivadi-pinoana tamin'ny Kristianisma rehefa avy nanatrika fety nokarakarain'ny Arabo silamo iray, ary voatery nandositra an'i Damaskosy ho any amin'ny tanàna niaviany, ary niverina valo taona taty aoriana, izay nisy azy. ekena sy nogadrain'ny "eparch", angamba ilay mpahay lalàna al-Layth ibn Sa'd.[100]: 34 Rehefa avy nandà ny hivadika ho silamo teo ambany fampijaliana izy dia nentina teo anatrehan'ny emir Damascene sady havan'ny kalifa al-Mahdi ( r. 775–785), Muhammad ibn-Ibrahim, izay nampanantena ny hitondrana tsara raha hiova fo i Elia.[100]: 34 Tamin’ny fandavany imbetsaka, dia nampijalina sy notapahin-doha i Elia ary nodorana ny vatany, notapahana ary natsipy tany amin’ny renirano Chrysorrhoes. (ny Barada) tamin’ny 779 am.f.i.[100]: 34
Araka ny voalazan'ny Synaxarion of Constantinople, ny hegumenos Michael avy any Zobe sy ny moanina enina amby telopolo tao amin'ny Monasiteran'i Zobe akaikin'i Sebasteia (Sivas) dia novonoina tamin'ny fanafihana ny vondrom-piarahamonina. ny Hagarenes", "Alim", angamba i Ali ibn-Sulayman, governora Abbasid izay nanafika ny faritanin'ny Romanina tamin'ny taona 785 taorian'i J.K. I Bacchus dia Palestiniana, izay ny fianakaviany, izay Kristianina, dia niova fo ho amin'ny finoana silamo ny rainy.[100]: 29–30 Bacchus anefa dia nijanona ho crypto-Kristianina ary nanao fivahiniana masina tany Jerosalema, izay natao batisa sy niditra tao amin'ny monasitera. an'i Mar Saba.[100]: 29–30 Ny fihaonany sy ny fianakaviany dia nahatonga azy ireo hiverina ho Kristianina indray ary ny fitsarana sy ny famonoana an'i Bacchus noho ny fivadiham-pinoana teo ambany fitondran'ny emir Harthama ibn A'yan.[100]: 29–30
Taorian'ny Sack of Amorium tamin'ny taona 838, tanàna niavian'ny emperora Theophilos (r. 829–842) sy ny tarana-mpanjaka Amoriana, ny kalifa al-Mu'tasim (r. 833–842) dia nitondra babo romana maherin'ny efapolo [100]: 41–42 Nentina tany Samarra renivohitra izy ireo, ary taorian’ny fito taona nisian’ny adihevitra ara-teôlôjia sy ny fandavana tsy hivadika ho silamo, dia novonoina ho faty izy ireo tamin’ny Martsa 845 teo ambany fitondran’ny kalifa al-Wathiq (r. 842–847).[ 100]: 41–42 Tao anatin'ny taranaka iray dia nohajaina ho maritiora 42 tao Amorium izy ireo. Araka ny filazan'i Euodius, hagiographer-n'izy ireo, izay angamba nanoratra tao anatin'ny taranaka iray nisy ny zava-nitranga, dia i Theophilos sy ny iconoclasma no nahatonga ny faharesena tao Amorium. mpanoratra fantatra amin'ny anarana hoe Michael the Synkellos, anisan'ireo roa amby efapolo i Kallistos, ilay doux an'ny thema Koloneiana, ary ilay maritiora mahery fo Theodore Karteros.[100]: 41–42
Nandritra ny adin'ny Arabo-Byzance tamin'ny taonjato faha-10, ny fandresen'ny Romanina ny Arabo dia niafara tamin'ny fanafihan'ny vahoaka ny Kristianina, izay noheverina fa niray fo tamin'ny fanjakana Romana.[85] Araka ny voalazan'i Bar Hebraeus, katolika ao amin'ny Fiangonan'ny Atsinanana, Abraham III (r. 906–937), dia nanoratra tamin'ny vizier lehibe fa "isika Nestoriana dia naman'ny Arabo ary mivavaka ho an'ny fandreseny". Ny fihetsiky ny Nestorianina “izay tsy manana mpanjaka hafa afa-tsy ny Arabo”, dia nampifanohitra tamin’ny Eglizy Ortodoksa Grika, izay nolazainy fa “tsy nitsahatra niady tamin’ny Arabo ny emperorany [85] Teo anelanelan’ny taona 923 sy 924 am.f.i. rava ny fiangonana tao anatin'ny herisetran'ny vahoaka tao Ramla, Askelona, Kaisaria Maritima, ary Damaskosy.[85] Isaky ny tranga, araka ny filazan'i Eutychius, mpanoratra tantara kristiana Arabo Melkite avy any Aleksandria, ny kalifa al-Muqtadir (r. 908–932) dia nandray anjara tamin'ny ady. fanorenana indray ny fananan’ny Fiangonana.[85]
=== Ikônôklasma bizantina ===
Taorian'ny andian-tafika mahery vaika nanohitra ny Miozolmana, dia nipoitra tao amin'ny faritanin'ny Fanjakana Byzantine ny Iconoclasm tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-8. Tamin'ny taona 720, ny Emperora Byzantine Leo III ny Isaurian dia nandrara ny fanehoana an-tsary an'i Kristy sy ny olo-masina ary ny seho ara-baiboly. Tany Latina Andrefana, ny Papa Grégoire III dia nanao synoda roa tany Roma ary nanameloka ny nataon’i Léon. Ny Filankevitry ny Iconoclast Byzance, natao tao Hieria tamin'ny taona 754 am.f.i., dia nanapa-kevitra fa ny sary masina dia mivadi-pinoana.[101] Ny hetsika iconoclastic dia nandrava ny ankamaroan'ny tantaran'ny zavakanto voalohany tao amin'ny Fiangonana Kristiana. Ny hetsika iconoclastic taty aoriana dia nofaritana ho heretika tamin'ny 787 am.f.i. teo ambanin'ny konsily faharoan'i Nicée (ny konsily ekiomenika fahafito) saingy nisy fitsanganana vetivety teo anelanelan'ny taona 815 sy 842.
== Andro Antenatenany Ambony (800–1299) ==
7szal4g5five4u3jhje8tgwvxybb8jl
1046712
1046711
2022-08-04T03:11:31Z
Thelezifor
15140
/* Ny kristianisma lasa fivavaham-panjakana rômana */

Tamin' ny 27 Febroary 380, tamin' ny alàlan' ny Didin' i Tesalônika navoaka teo ambany fahefàn' i Teôdôsio I sy i Gratiano ary i Valentiniano II, ny Empira Rômana dia nandray tamin' ny fomba ôfisialy ny kristianisma trinitariana ho fivavaham-panjakana. Talohan’ io daty io, i Kônstantio II sy i Valentio dia nankasitraka manokana ny kristianisma ariana na semi-ariana, saingy i Teôdôsio I, mpandimby an’ i Valentio, dia nanohana ny fampianarana momba ny Trinite, araka ny nohazavaina tao amin’ ny Fiekem-pinoana nikeana.
Taorian' ny niorenany, ny Fiangonana dia nandray ny sisin-tanin' ny fandaminana mitovy amin' ny Empira: faritany ara-jeôgrafia, antsoina hoe diôsezy, mifanitsy amin' ny fizarazaran' ny governemantan' ny empira. Ireo eveka, izay nipetraka tao amin' ny tanàna lehibe toy ny tamin' ny fomba mahazatra talohan' ny lalàna, dia nanara-maso ny diôsezy tsirairay. Tamin’ ireo fari-piadidian' ny eveka ireo, dia nisy dimy lasa nitana toerana ambony: i Rôma, i Kônstantinôpla, i Jerosalema, i Antiôkia, ary i Aleksandria. Niankina tamin’ ny Apôstôly mpanorina azy ireo ny lazan’ ny ankamaroan’ ireo toerana ireo, ka ny eveka no mpandimby ara-panahy. Na dia mbola noheverina ho voalohany teo amin’ ireo mitovy aminy aza ny evekan’ i Rôma, dia i Kônstantinôpla no laharana faharoa tamin’ ny maha-renivohitra vaovaon’ ny Empira azy.
Namoaka didy i Teôdôsio I fa ireo izay tsy mino ny "lovam-pampianarana mahatoky", toy ny Trinite, dia tokony hoheverina ho mpanao fivavahan-diso tsy ara-dalàna, [68] ary tamin' ny 385, izany no nahatonga ny Fanjakana ho voalohany, fa tsy ny Fiangonana, nanao fanasaziana ho faty ny mpivadi-pinoana, dia i Priskiliano.[69][70]

2vg7fzr4sq57umxv1h79ytwrxjsiwfd
1046713
1046712
2022-08-04T03:15:54Z
Thelezifor
15140
/* Ny Fiangonan' ny Atsinanana sy ny Empira Sasaniana */

Nangataka ny hanaovana ny Kônsilin’ i Efesôsy (431) i Teôdôsio II, emperora rômana, mba handaminana ilay raharaha. Nolavin' ny kôsily tamin' ny farany ny hevitr' i Nestôriosy. Nisaraka tamin’ ny Eglizy Rômana ny fiangonana maro nanaraka ny fomba fijerin’ ny Nestôriana, ka niteraka fisarahana lehibe izany. Nesorina ny fiangonana nestoriana, ary maro ny mpanara-dia nandositra nankany amin’ ny Empira Sasaniana izay nanaiky izany. Ny Empira Sasaniana (Persiana) dia nanana Kristianina niova fo maro tany am-piandohan' ny tantarany, nifamatotra akaiky tamin' ny sampana siriakan' ny kristianisma. Zôrôastriana tamin' ny fomba ôfisialy ny Empira Sasaniana ary nifikitra mafy tamin' io finoana io, amin' ny ampahany mba hanavahany ny tenany amin' ny fivavahan' ny Empira Rômana (ny paganisma grika-rômana tany am-boalohany ary avy eo ny kristianisma). Nanjary noleferina ny kristianisma tao amin' ny Empira Sasaniana, ary rehefa nihamaro ny mpivadi-pinoana vokatry ny nataon' ny Empira Rômana nandritra ny taonjato faha-4 sy faha-6, dia nitombo haingana ny vondrom-piarahamonina kristiana sasaniana.[71] Tamin' ny faran' ny taonjato faha-5 dia niorina mafy ny Fiangonana Persiana ary nanjary nahaleo tena tamin' ny Fiangonana Rômana. Io fiangonana io dia nivoatra ka lasa ilay antsoina ankehitriny hoe Fiangonan' ny Atsinanana.
Tamin' ny taona 451, ny Kônsilin' i Kalkedôna dia natao mba hanazavana bebe kokoa ny olana ara-kristôlôjia manodidina ny nestôrianisma. Ny kônsily tamin' ny farany dia nanambara fa ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona an' i Kristy dia misaraka fa samy ao anatin' ny singa iray, fomba fijery nolavin' ny fiangonana maro izay niantso ny tenany ho miafizita izany. Niteraka fiandanian' ny fiangonana izany fisarahana izany, anisan' izany ny Fiangonana Armeniana sy Siriana ary Ejipsiana[72] Na dia nisy ezaka natao tamin’ ny fampihavanana aza nandritra ny taonjato vitsivitsy nanaraka, dia nitohy hatrany ny fisarahana, ka niteraka ilay antsoina ankehitriny hoe Ôrtôdôksa Tatsinanana.

ltvckjj2w7kfxvbxcff4kv9r5wwtxno
1046714
1046713
2022-08-04T03:29:25Z
Thelezifor
15140
/* Mônastisisma */

Ny mônastisisma dia ny fanaon' ny olona izay miala amin' ny fikatsahana izao tontolo izao ary mandeha irery ho mpitoka-monina (hermita) na miditra amin' ny vondrom-piarahamonina voalamina tsara. Nanomboka tany am-boalohany tao amin’ ny Fiangonana kristiana izy io tamin’ ny maha fianakaviana nanana fanao ifandovana mitovy amin’ izany, nalaina tamin’ ny ohatra sy foto-kevitra araka ny Soratra Masina, ary avy amin’ ny fakan' ny sasany tahaka ny jodaisma. I Joany Mpanao Batisa no hita ho moanina (na monka) môdely voalohany, ary ny mônastisisma dia nentanin' ny fandaminana tao amin' ny vondrom-piarahamonin' ny Apôstôly araka ny voarakitra ao amin' ny Asan' ny Apôstôly (Asa 2:42–47).[73]
Mpanoratra kristiana malaza tamin' ny tapany farany amin' ny Andro Taloha toa an' i Ôrigenesy, i Hierônimôsy (na Jerôma), i Joany Krisôstôma, ary i Aogostino avy any Hipôna, no nandika ny hevitry ny lahatsoratra ao amin' ny Baiboly tao anatin' ny tontolom-pivavahana feno fanavakavahana.[74] Ny ohatra ara-Baiboly momba ny asketisma dia hita teo amin' ny fiainan' i Joany Mpanao Batisa, i Jesoa Kristy, ny Apôstôly roa ambin' ny folo ary i Paoly Apôstôly.[74] Nahariharin’ ny Horonan-tsoratry ny Ranomasina Maty ny fanaon’ ny
Eseniana, sekta jiosy fahiny, izay nivoady fa hifady hanomanana ady masina. Ny fanantitranterana ny fiainana ara-pivavahana asketika dia hita tao amin' ny asa soratra kristiana voalohany (jereo: Filôkalia) sy ny fanao tamin' izany fotoana izany (jereo: hesikasma). Anisan' ireo mpivavaka kristianina hafa amin' ny asketisma ny olo-masina toa an' i Paoly Hermita, i Simeôna Stilita, i Davida avy any Valesa, i Joany avy any Damaskôsy, ary i Fransisko avy any Assise.[74]
Ny Tany efitr' i Afovoany Atsinanana dia nisy fotoana nonenan' ny lehilahy sy vehivavy kristiana asketika sy hermita ary ankôrita an' arivony, [75] anisan' izany i Md Antôniôsy Lehibe (fantatra amin' ny anarana hoe Md Antôniôsy avy any an' Efitra), Mb Maria avy any Ejipta, ary Md Simeôna Stilita, fantatra amin' ny anarana hoe Rain' ny Taniefitra sy Renin' ny Taniefitra. Tamin' ny taona 963 dia niforona ny fikambanan' ny mônastera antsoina hoe Lavra teo amin' ny Tendrombohitra Athos, araka ny lovantsofina ôrtôdôksa tatsinanana.[76] Io no ivon-toerana manan-danja indrindra amin' ireo antokon' olona asketika kristiana ôrtôdôksa nandritra ny taonjato maro nanaraka.[76] Amin' izao vanim-potoana môderina izao, ny Tendrombohitra Athos sy Meteora dia nitoetra ho foibe manan-danja lehibe.[77]
Miaina irery ny moanina ermita na hermita, fa ny kenôbitika kosa dia miaina ao anaty vondrom-piarahamonina, amin' ny ankapobeny ao amin' ny mônastera, eo ambanin' ny fitsipika (na fitsipika fanao) ary fehezin' ny abôta. Tany am-boalohany, ny moanina kristiana rehetra dia mpitolona, nanaraka ny ohatr’ i Antôniôsy Lehibe. Na izany aza, ny filana endrika fitarihana ara-panahy voalamina dia nitarika an' i Pakômiôsy tamin' ny taona 318 mba handamina ny mpanara-dia azy maro ho lasa monastera voalohany. Tsy ela dia nisy andrim-pandaminana toy izany naorina nanerana ny tany efitr’ i Ejipta sy ny sisa tamin’ ny tapany atsinanan’ ny Empira Rômana. Tena nahasarika ny vehivavy izany hetsika izany.[78] Isan' ny ivon' ny fampandrosoana ny mônastisisma dia i Basiliôsy Lehibe any Atsinanana ary, any Andrefana, i Benedikto (na Benoà), namorona ny Fitsipik' i Md Benedikto, izay ho lasa fitsipika mahazatra indrindra mandritra ny Andro Antenatenany sy ny fiandohan' ny fitsipika mônastika hafa. [79]

q5w7g6ryvr891b7n0r6wy2g8s1uhgx3
1046715
1046714
2022-08-04T04:24:16Z
Thelezifor
15140
/* Tapany voalohany amin' ny Andro Antenatenany (476–842) */

Ny tetezamita ho any amin' ny fiandohan' ny Andro Antenatenany dia dingana tsikelikely sy isan-toerana. Nitombo ny faritra ambanivohitra noho ny tobim-pamokarana raha nihena ny tanàn-dehibe. Na dia betsaka kokoa aza ny Kristianina nijanona tany Atsinanana (faritra grika), dia nisy fivoarana lehibe teo amin’ ny Tandrefana (faritra latina), ary samy nanana endrika miavaka. Ny evekan’ i Rôma nifandimby, izany hoe ny papa, dia voatery nampifanaraka tamin’ ny toe-javatra niova be. Tsy nifikitra afa-tsy tamin’ ny emperora izy ireo, ka voatery nifampiraharaha tamin’ ny “mpanapaka barbarianina” tany amin’ ny faritany rômanina rehetra taloha. Tany Atsinanana, ny Fiangonana dia nitazona ny rafitra sy ny toetrany ary nivoatra tsikelikely.
=== Fanitarana misiônera tandrefana ===
Nifanindry tamin' ny ezaka misiônera tany am-boalohany tany amin' ny faritra tsy voafehin' ny fanjakana nirodana ny famoizana tsikelikely ny fanjakan' ny Empira Rômana Tandrefana, nosoloina ny fanjakana federaly sy jermanika.[80] Tany am-piandohan' ny taonjato faha-5, ny asa misiônera avy any Britain's Lehibe Rômana ho any amin' ny faritra seltika (Ekôsy sy Irlandy ary Valesy) dia namokatra fomba fanao nifaninana tamin' ny kristianisma seltika, izay naverina teo ambany fifehezan' ny Fiangonana tany Rôma tatỳ aoriana. Ny misiônera nalaza tany Eorôpa Avaratra-Andrefana tamin’ izany fotoana izany dia ireo olo-masina kristiana Patrick sy Columba ary Columbanus. Ny vahoaka anglô-saksôna izay nanafika an' i Britaina Lehibe atsimo, fotoana fohy taorian' ny nandaozan'ny Romanina dia mpanompo sampy tamin'ny voalohany, saingy nampiova fo ho amin' ny kristianisma tamin' ny alalan' i Aogostino avy any Canterbéry noho ny asa nanirahana ny papa Gregôrio Lehibe. Tsy ela dia lasa foiben' ny misiônera, ny misiônera toa an' i Wilfrid sy i Willibrord sy i Lullus ary i Boniface dia nampiova fo ny havany Saksôna tany Jermania.
Ny ankamaroan' ny Kristianina galô-rômana monina any Galia (Frantsa sy Belzika ankehitriny) dia resin' ny Franka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-5. Nenjehina ny tompon-tany mandra-piovan’ ny mpanjaka Francis Clovis I avy amin’ ny paganisma ho amin’ ny fivavahana katôlika rômana, tamin’ ny 496. Nanizingizina i Clovis fa hanaraka an’ izany ireo andriana namany, ka nanamafy ny fanjakany vao niorina tamin’ ny fampiraisana ny finoan’ ny mpitondra sy ny an’ ny vahoaka [81]. Taorian’ ny nipoiran’ ny Fanjakana Franka sy ny toe-draharaha ara-pôlitika nilamina, dia nampitombo ny asan’ ny misiônera ny tapany andrefana tamin’ ny Fiangonana, izay notohanan’ ny tarana-mpanjaka merovinjiana ho fitaovana hampitoniana ny mponina manodidina sahirana. Taorian' ny nanorenan' ny fiangonana iray tao Utrecht nataon' i Willibrord, dia nitranga ny fihenjanana rehefa nandrava foibe kristiana maro ny mpanjaka Frisian Radbod teo anelanelan' ny taona 716 sy 719. Tamin' ny taona 717, i Boniface, misiônera anglisy, dia nalefa hanampy an' i Willibrord, nanangana indray ny fiangonana rehetra tany Frisia ary nanohy ny asa fitoriana any Jermania.[81] Nandritra ny faramparan' ny taonjato faha-8, dia nampiasa famonoana faobe i Charlemagne mba handresena ny Saksôna mpanaraka ny paganisma sy hanerena azy ireo hanaiky ny kristianisma [82].
=== Kalifata Rasidona ===
Koa satria ny Kristiana dia heverina ho "Olon' ny Boky" ao amin' ny fivavahana silamo, ny Kristianina teo ambany fitondran' ny Miozolmana dia niharan' ny satan' ny dhimmi (miaraka amin' ny Jiosy, ny Samaritana, ny Gnôstika, ny Mandeana, ary ny Zôrôastriana), izay ambany noho ny satan' ny Miozolmana. [83][84][85] Niatrika fanavakavahana ara-pivavahana sy fanenjehana noho izany ny Kristianina sy ny antokom-pivavahana vitsy madinika vokatry ny fandrarana azy ireo tsy hitahita ny olona hiova finoana (ho an’ ny Kristianina dia voarara ny mitory ny filazantsara na manaparitaka ny kristianisma) tany amin’ ireo tany azon’ ny Arabo miozolmana noho ny fanaintainan’ ny fahafatesana, voarara tsy hitondra fitaovam-piadiana, nanao asa sasany, ary voatery nanao fitafiana hafa izy ireo mba hampiavaka ny tenany amin' ny Arabo[84] . Teo ambanin' ny lalàna silamo (sharīʿa), ny tsy Miozolmana dia voatery nandoa ny hetra atao hoe jizya sy kharaj, [83][84][85] miaraka amin' ny vidim-panavotana mavesatra ara-potoana nalain' ny mpitondra miozolmana amin' ny vondrom-piarahamonina kristiana mba hamatsiana ny fampielezan-kevitra ara-miaramila. Tamin' izany dia nitondra ampahany betsaka amin' ny fidiram-bola ho an' ny fanjakana silamo ary nampahantra ny Kristiana maro, ary ireo fahasahiranana ara-bola sy ara-tsôsialy ireo dia nanery ny Kristiana maro hivadika ho Miozolmana.[84] Ireo Kristiana tsy afaka nandoa ireo hetra ireo dia voatery nanolotra ny zanany ho an' ireo mpitondra miozolmana izay hivarotra azy ireo ho andevo ho an' ny tokantrano miozolmana na voatery hivadika ho Miozolmana.[84]
Araka ny fomban' ny Eglizy Ôrtôdôksa Siriaka, ny fandresen' ny Miozolmana any Ampiposahana dia fanamaivanana ho an' ireo Kristiana ampahorian' ny Empira Rômana Tandrefana[85]. Mikaela Syriana, patriarika tany Antiôkia, dia nanoratra tatỳ aoriana fa ny Andriamanitry ny Kristiana dia “nanandratra ny zanak’ i Ismaela avy tany atsimo mba hanafaka antsika amin’ ny tanan’ ny Rômana”[85]. Ny vondrom-piarahamonina kristiana isan-karazany any amin' ny faritr' i Palestina sy Siria sy Libanona ary Armenia dia nankahala ny fitondran' ny Empira Rômana Tandrefana na ny an' ny Empira Bizantina, ka noho izany dia naleony niaina tao anatin' ny toe-javatra ara-toekarena sy ara-pôlitika tsara kokoa noho ny dhimmi teo ambany fitondran' ny Miozolmana.[85] Na izany aza, ny mpahay tantara môderna dia manaiky ihany koa fa ny vahoaka kristiana monina any amin' ireo tany azon' ny tafika arabo miozolmana teo anelanelan' ny taonjato faha-7 sy faha-10 dia niharan' ny fanenjehana sy herisetra ara-pivavahana ary maritiora imbetsaka teo am-pelan-tanan' ny manampahefana sy mpanapaka miozolomana arabo [85]. ][86][87][88] maro no novonoina teo ambanin' ny fanamelohana ho faty araka ny lalàna islamika noho ny fiarovana ny finoana kristiana tamin' ny alalan' ny hetsika fanoherana mahery vaika toy ny fandavana ny hiova finoana ho Miozolmana, ny fandavana ny fivavahana silamo ary ny fiverenana amin' ny kristianisma avy eo, ary ny fitenenan-dratsy ny Andriamanitry ny finoana silamo.[86][87][88]
=== Kalifata Ômeiada ===
Araka ny Sekoly Ḥanafī momba ny lalàna silamo (sharīʿa), ny fijoroana vavolombelona ataon' ny tsy miozolmana (toy ny Kristiana na Jiosy) dia tsy noheverina ho manan-kery manoloana ny fijoroana vavolombelona ataon' ny Miozolmana amin' ny raharaha ara-dalàna na sivily. Ara-tantara, ao amin' ny kolontsaina miozolmana sy ny lalàna silamo nentim-paharazana dia voarara ny vehivavy miozolmana tsy hanambady lehilahy kristiana na jiosy, fa ny lehilahy miozolmana kosa dia navela hanambady vehivavy kristiana na jiosy[89][90] (jereo ny: fanambadiana iraisam-pinoana ao amin' ny fivavahana silamo). Ny Kristiana teo ambany fitondran' ny Miozolmana dia nanana zo hivadika ho Miozolmana na fivavahana hafa, raha mifanohitra amin' izany kosa ny murtad, na mpivadi-pinoana amin' ny finoana silamo, dia nahazo sazy henjana na hadd mihitsy aza, izay mety ahitana ny fanamelohana ho faty araka ny lalàna islamika.[86][87][88] ]
Amin' ny ankapobeny, ny Kristiana teo ambany fitondrana islamika dia navela hanatanteraka ny fivavahany miaraka amin' ny fetra miavaka sasany avy amin' ny Dina apôkrifan' i Umar. Io fifanarahana io, izay heverina fa natao tamin’ ny taona 717, dia nandrara ny Kristiana tsy hampiseho ampahibemaso ny hazo fijaliana teo amin’ ny trano fiangonany, tsy hiantso ny mpiangona hivavaka amin’ ny alalan' ny lakolosy, tsy hanorina indray na hanamboatra fiangonana sy mônasitera taorian’ ny fandravana na fahasimbana, ary nametraka fameperana hafa mifandraika amin' ny asa sy fitafiana ary fitaovam-piadiana[91] Nanenjika Kristiana berbera maro ny Kalifata Omeiada tamin' ny taonjato faha-7 sy faha-8, ka niova tsikelikely ho amin' ny finoana silamo ireo Kristiana ireo.[92]

s6m7mts3h4ol3ayikhnep155cypitiu
1046716
1046715
2022-08-04T08:17:41Z

Ny epistilin' i Paoly dia nivezivezy tamin' ny endrika voaangona tamin' ny faran' ny taonjato voalohany.[51] Tany am-piandohan' ny taonjato faha-3 dia nisy andiana asa soratra kristiana mitovy amin' ny Testamenta Vaovao ankehitriny, na dia mbola nisy aza ny fifandirana momba ny maha-kanônika ny [[Epistily ho an' ny Hebreo]], ny [[Epistilin' i Jakoba]], ny [[Epistily voalohan' i Petera]], ny [[Epistily voalohan' i Joany|Epistily voalohany]] sy [[Epistily faharoan' i Joany|faharoan' i Joany]] ary ny [[Apôkalipsin' i Joany|Apôkalipsy]].[52][53] Tamin' ny taonjato faha-4, dia nisy firaisankina teo amin' ny Tandrefana momba ny kanônan' ny [[Testamenta Vaovao]], [54] ary tamin' ny taonjato faha-5 dia nanaiky ny Bokin' ny Apôkalipsy ny Atsinanana, afa-tsy ny maningana vitsivitsy, ka dia nifanaraka tamin' io raharaha io. ny kanôna.[55]
==== Asa soratra prôtô-ôrtôdôksa ====
Rehefa niely nanerana ny tanin’ ny Empira Rômana sy tany ivelan’ ny sisin-taniny ny kristianisma, dia nahazo mpikambana sasany avy amin’ ny saranga ara-tsôsialy ambony sy ny nahita fianarana tsara teo amin’ ny tontolo grika izy; lasa eveka izy ireo indraindray. Namokatra karazana asa roa izy ireo, dia ny teôlôjia sy ny apôlôjia, ary ireto farany dia asa natao hiarovana ny finoana kristiana amin’ ny fampiasana ny saina sy ny filôzôfia ary ny Soratra Masina mba hanoherana ny hevitra manohitra ny fahamarinan’ ny kristianisma. Ireo mpanoratra ireo dia fantatra amin' ny anarana hoe Rain' ny Fiangonana na Abc ny Eglizy, ary ny fandalinana ny fiainany sy ny asa sorany dia antsoina hoe patistika. Anisan' ireo Rain' ny Fiangonana voalohany malaza i Ignatiôsy avy any Antiôkia, i Pôlikarpôsy, i Jostinôsy Martira, i Ireneo, i Klemento avy any Aleksandria, i Tertoliano, ary i Ôrigenesy.
==== Zavakanton' ny Kristiana voalohany ====
Ny zavakanto sy ny maritrano kristiana tany am-boalohany dia nipoitra somary tara ary ny sary kristiana voalohany fantatra dia nipoitra tamin' ny taona 200 tany ho any, [56] na dia misy porofo avy amin' ny literatiora aza fa nampiasaina teo aloha ny sary kely an-trano. katakomba, nisy tamin' ny 200 teo ho eo, ary ny sary sokitra kristiana tranainy indrindra dia avy amin' ny sarkôfazy, nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-3.[57] Ny fandavana ny sary tany am-boalohany, sy ny tsy maintsy hanafenana ny fanao kristiana amin' ny fanenjehana, dia namela firaketana an-tsoratra vitsivitsy momba ny kristianisma voalohany sy ny fivoarany.[57]
==== Fanenjehana sy fanaovana ho ara-dalàna ====
Tsy nisy fanenjehana nanerana ny empira ny Kristiana hatramin' ny nanjakan' i Dekio tamin' ny taonjato faha-3.[58] Ny fanenjehana farany sy mafy indrindra nokarakarain' ny manampahefana rômana dia ny fanenjehana nataon' i Diôkletiano taming ny taona, 303 hatramin' ny 311.[59]
Ny Didin' i Serdica dia navoaka tamin' ny 311 avy amin' ny emperora rômana Galerio, izay namarana tamin' ny fomba ôfisialy ny fanenjehana ny Kristiana tany Atsinanana. Tamin’ ny famoahana ny Didin’ i Milano (313), izay nametrahan’ ny emperora rômana Konstantino Lehibe sy i Likinio ho ara-dalàna ny fivavahana kristiana, dia nitsahatra ny fanenjehana ny Kristiana nataon’ ny Empira Rômana[60].
Ny Fanjakan' i Armenia no firenena voalohany teto amin' izao tontolo izao nametraka ny kristianisma ho fivavaham-panjakana, rehefa, tamin' ny hetsika fanao mahazatra tamin' ny taona 301, i Gregôrio ilay Mpanazava nandresy lahatra an' i Tiridatesy III, mpanjakan' i Armenia, hiova ho Kristiana.
== Ampahany farany amin' ny Andro Taloha (325–476) ==
=== Ny fitaoman’ i Kônstantino ===
Sarotra ny hamantarana hoe hatraiza ny kristianisma noraisin’ ny emperora rômana Kônstantino tamin’ io fotoana io,[61] fa ny nidirany dia kihon-dalana ho an’ ny Fiangonana kristiana. Nanohana ara-bola ny Eglizy izy, nanorina bazilika isan-karazany, nanome tombontsoa (ohatra: fanafahana amin’ ny hetra sasany) ho an’ ny mpitondra fiangonana, nampisondrotra ny Kristiana ho amin’ ny toerana ambony sasany, ary namerina ny fananana nogiazana [62] . Nandray anjara mavitrika tamin’ ny fitarihana ny Fiangonana i Kônstantino. Tamin' ny taona 316, dia nitsara ny ady tany Afrika Avaratra momba ny adihevitra mikasika ny dônatista izy. Ny zava-dehibe kokoa, tamin' ny 325 dia nampiantso ny Kônsilin' i Nikea izy, izay kônsily ekiomenika voalohany. Noho izany dia nametraka ohatra ho an’ ny emperora izy ho tompon’ andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahasalamana ara-panahin’ ireo olom-peheziny, ary noho izany dia manana adidy hihazona ny ôrtôdôksia. Izy dia tokony hampihatra ny foto-pampianarana, hamongotra ny fivavahan-diso, ary hanohana ny firaisan-kina ara-pivavahana[63].
Ilay mpandimby ny zanak' i Kônstantino, atao hoe Joliano, zana-drahalahiny, teo ambany fitarihan' i Mardônio mpanolo-tsaina azy, dia nandao ny kristianisma ary nandray ny endriky ny paganisma grika-rômana neôplatônika sy mistika, izay nanafintohina ny fiorenan' ny Kristiana[64]. Niezaka namelona indray ny paganisma grika-rômana tao amin’ ny Empira Romana izy ary nanomboka tamin’ ny fanokafana indray ny tempolin’ izany fivavahana izany, ka nanova azy ireo hitovy amin’ ny fomba kristiana, toy ny rafitra episkôpaly sy ny fiantrana ampahibemaso (izay tsy fantatra teo amin’ ny fivavahana grika-romana). Nifarana ny fotoana fohy nanjakan’ i Joliano rehefa maty tamin’ ny ady tamin’ ny Persiana izy (363).
=== Ny arianisma sy ny kônsily ekiomenika voalohany ===
Ny fotopampianaran' ny kristôlôjia manohitra ny Trinite malaza izay niely nanerana ny Empira Romana nanomboka tamin' ny taonjato faha-4 dia ny arianisma, [65] [66] naorin' ny presbitera kristiana Ariosy avy any Aleksandria, any Egipta, izay nampianatra fa i Jesoa Kristy dia zavaboary miavaka sy ambany noho Andriamanitra Ray.[65][66]
Na dia nohelohina ho fivavahan-diso aza ny fampianaran' i Ariosy ary nesorin’ ny Eglizy tao amin’ ny Empira Rômana tamin’ ny farany, dia nalaza hatrany ivelan' ny tanin' Ilay empira izy io nandritra ny fotoana elaela. Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-4, i Olfila, eveka romana mpomba ny arianisma, no voatendry ho misionera kristiana voalohany tany amin' ny Gôty, vahoaka jermanika tany amin' ny ampahanynbe amon' i Eorôpa teo amin' ny sisin-tany sy tao anatin' ny Empira Rômana.[65][66] I Olfila dia nampiely ny arianisma teo amin' ny Gôty, nampiorina mafy ny finoana teo amin' ny foko jermanika maro, ka nanampy azy ireo hitoetra tsy hitovy amin' ny kolontsaina sy ny fivavahan' ny Kristiana kalkedôniana.[65][66][67]
Nandritra io vanim-potoana io, dia natao ny kônsily ekiomenika voalohany. Niadian-kevitra ny fifandirana ara-pinoana sy ara-pivavahana. Ny Kônsily voalohany tao Nikea (325) sy ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpla (381) dia niafara tamin’ ny fanamelohana ny arianisma ho fivavahan-diso ary namoaka ny Fanekem-pinoana nikeana.
=== Ny kristianisma lasa fivavaham-panjakana rômana ===
Tamin' ny 27 Febroary 380, tamin' ny alàlan' ny Didin' i Tesalônika navoaka teo ambany fahefàn' i Teôdôsio I sy i Gratiano ary i Valentiniano II, ny Empira Rômana dia nandray tamin' ny fomba ôfisialy ny kristianisma trinitariana ho fivavaham-panjakana. Talohan’ io daty io, i Kônstantio II sy i Valentio dia nankasitraka manokana ny kristianisma ariana na semi-ariana, saingy i Teôdôsio I, mpandimby an’ i Valentio, dia nanohana ny fampianarana momba ny Trinite, araka ny nohazavaina tao amin’ ny Fiekem-pinoana nikeana.
Taorian' ny niorenany, ny Fiangonana dia nandray ny sisin-tanin' ny fandaminana mitovy amin' ny Empira: faritany ara-jeôgrafia, antsoina hoe diôsezy, mifanitsy amin' ny fizarazaran' ny governemantan' ny empira. Ireo eveka, izay nipetraka tao amin' ny tanàna lehibe toy ny tamin' ny fomba mahazatra talohan' ny lalàna, dia nanara-maso ny diôsezy tsirairay. Tamin’ ireo fari-piadidian' ny eveka ireo, dia nisy dimy lasa nitana toerana ambony: i Rôma, i Kônstantinôpla, i Jerosalema, i Antiôkia, ary i Aleksandria. Niankina tamin’ ny Apôstôly mpanorina azy ireo ny lazan’ ny ankamaroan’ ireo toerana ireo, ka ny eveka no mpandimby ara-panahy. Na dia mbola noheverina ho voalohany teo amin’ ireo mitovy aminy aza ny evekan’ i Rôma, dia i Kônstantinôpla no laharana faharoa tamin’ ny maha-renivohitra vaovaon’ ny Empira azy.
Namoaka didy i Teôdôsio I fa ireo izay tsy mino ny "lovam-pampianarana mahatoky", toy ny Trinite, dia tokony hoheverina ho mpanao fivavahan-diso tsy ara-dalàna, [68] ary tamin' ny 385, izany no nahatonga ny Fanjakana ho voalohany, fa tsy ny Fiangonana, nanao fanasaziana ho faty ny mpivadi-pinoana, dia i Priskiliano.[69][70]
=== Ny Fiangonan' ny Atsinanana sy ny Empira Sasaniana ===
Nandritra ny fiandohan' ny taonjato faha-5, ny Sekolin' i Edesa dia nampianatra fomba fijery kristôlôjika izay milaza fa ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona an' i Kristy dia midika fa olona miavaka izy. Ny vokany manokana amin’ io fomba fijery io dia ny hoe tsy azo antsoina araka ny tokony ho Renin’ Andriamanitra i Maria fa azo raisina ho Renin’ i Kristy ihany. Ny mpomba an' io fomba fijery io malaza indrindra dia ny patriarkan' i Kônstantinôpla antsoina hoe Nestôriôsy. Hatramin' ny niantsoana an' i Maria ho Renin' Andriamanitra dia nanjary nalaza tany amin' ny faritra maro tao amin' ny Fiangonana ka nanjary olana mampisara-bazana izany.
Nangataka ny hanaovana ny Kônsilin’ i Efesôsy (431) i Teôdôsio II, emperora rômana, mba handaminana ilay raharaha. Nolavin' ny kôsily tamin' ny farany ny hevitr' i Nestôriosy. Nisaraka tamin’ ny Eglizy Rômana ny fiangonana maro nanaraka ny fomba fijerin’ ny Nestôriana, ka niteraka fisarahana lehibe izany. Nesorina ny fiangonana nestoriana, ary maro ny mpanara-dia nandositra nankany amin’ ny Empira Sasaniana izay nanaiky izany. Ny Empira Sasaniana (Persiana) dia nanana Kristianina niova fo maro tany am-piandohan' ny tantarany, nifamatotra akaiky tamin' ny sampana siriakan' ny kristianisma. Zôrôastriana tamin' ny fomba ôfisialy ny Empira Sasaniana ary nifikitra mafy tamin' io finoana io, amin' ny ampahany mba hanavahany ny tenany amin' ny fivavahan' ny Empira Rômana (ny paganisma grika-rômana tany am-boalohany ary avy eo ny kristianisma). Nanjary noleferina ny kristianisma tao amin' ny Empira Sasaniana, ary rehefa nihamaro ny mpivadi-pinoana vokatry ny nataon' ny Empira Rômana nandritra ny taonjato faha-4 sy faha-6, dia nitombo haingana ny vondrom-piarahamonina kristiana sasaniana.[71] Tamin' ny faran' ny taonjato faha-5 dia niorina mafy ny Fiangonana Persiana ary nanjary nahaleo tena tamin' ny Fiangonana Rômana. Io fiangonana io dia nivoatra ka lasa ilay antsoina ankehitriny hoe Fiangonan' ny Atsinanana.
Tamin' ny taona 451, ny Kônsilin' i Kalkedôna dia natao mba hanazavana bebe kokoa ny olana ara-kristôlôjia manodidina ny nestôrianisma. Ny kônsily tamin' ny farany dia nanambara fa ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona an' i Kristy dia misaraka fa samy ao anatin' ny singa iray, fomba fijery nolavin' ny fiangonana maro izay niantso ny tenany ho miafizita izany. Niteraka fiandanian' ny fiangonana izany fisarahana izany, anisan' izany ny Fiangonana Armeniana sy Siriana ary Ejipsiana[72] Na dia nisy ezaka natao tamin’ ny fampihavanana aza nandritra ny taonjato vitsivitsy nanaraka, dia nitohy hatrany ny fisarahana, ka niteraka ilay antsoina ankehitriny hoe Ôrtôdôksa Tatsinanana.
=== Mônastisisma ===
Ny mônastisisma dia ny fanaon' ny olona izay miala amin' ny fikatsahana izao tontolo izao ary mandeha irery ho mpitoka-monina (hermita) na miditra amin' ny vondrom-piarahamonina voalamina tsara. Nanomboka tany am-boalohany tao amin’ ny Fiangonana kristiana izy io tamin’ ny maha fianakaviana nanana fanao ifandovana mitovy amin’ izany, nalaina tamin’ ny ohatra sy foto-kevitra araka ny Soratra Masina, ary avy amin’ ny fakan' ny sasany tahaka ny jodaisma. I Joany Mpanao Batisa no hita ho moanina (na monka) môdely voalohany, ary ny mônastisisma dia nentanin' ny fandaminana tao amin' ny vondrom-piarahamonin' ny Apôstôly araka ny voarakitra ao amin' ny Asan' ny Apôstôly (Asa 2:42–47).[73]
Mpanoratra kristiana malaza tamin' ny tapany farany amin' ny Andro Taloha toa an' i Ôrigenesy, i Hierônimôsy (na Jerôma), i Joany Krisôstôma, ary i Aogostino avy any Hipôna, no nandika ny hevitry ny lahatsoratra ao amin' ny Baiboly tao anatin' ny tontolom-pivavahana feno fanavakavahana.[74] Ny ohatra ara-Baiboly momba ny asketisma dia hita teo amin' ny fiainan' i Joany Mpanao Batisa, i Jesoa Kristy, ny Apôstôly roa ambin' ny folo ary i Paoly Apôstôly.[74] Nahariharin’ ny Horonan-tsoratry ny Ranomasina Maty ny fanaon’ ny
Eseniana, sekta jiosy fahiny, izay nivoady fa hifady hanomanana ady masina. Ny fanantitranterana ny fiainana ara-pivavahana asketika dia hita tao amin' ny asa soratra kristiana voalohany (jereo: Filôkalia) sy ny fanao tamin' izany fotoana izany (jereo: hesikasma). Anisan' ireo mpivavaka kristianina hafa amin' ny asketisma ny olo-masina toa an' i Paoly Hermita, i Simeôna Stilita, i Davida avy any Valesa, i Joany avy any Damaskôsy, ary i Fransisko avy any Assise.[74]
Ny Tany efitr' i Afovoany Atsinanana dia nisy fotoana nonenan' ny lehilahy sy vehivavy kristiana asketika sy hermita ary ankôrita an' arivony, [75] anisan' izany i Md Antôniôsy Lehibe (fantatra amin' ny anarana hoe Md Antôniôsy avy any an' Efitra), Mb Maria avy any Ejipta, ary Md Simeôna Stilita, fantatra amin' ny anarana hoe Rain' ny Taniefitra sy Renin' ny Taniefitra. Tamin' ny taona 963 dia niforona ny fikambanan' ny mônastera antsoina hoe Lavra teo amin' ny Tendrombohitra Athos, araka ny lovantsofina ôrtôdôksa tatsinanana.[76] Io no ivon-toerana manan-danja indrindra amin' ireo antokon' olona asketika kristiana ôrtôdôksa nandritra ny taonjato maro nanaraka.[76] Amin' izao vanim-potoana môderina izao, ny Tendrombohitra Athos sy Meteora dia nitoetra ho foibe manan-danja lehibe.[77]
Miaina irery ny moanina ermita na hermita, fa ny kenôbitika kosa dia miaina ao anaty vondrom-piarahamonina, amin' ny ankapobeny ao amin' ny mônastera, eo ambanin' ny fitsipika (na fitsipika fanao) ary fehezin' ny abôta. Tany am-boalohany, ny moanina kristiana rehetra dia mpitolona, nanaraka ny ohatr’ i Antôniôsy Lehibe. Na izany aza, ny filana endrika fitarihana ara-panahy voalamina dia nitarika an' i Pakômiôsy tamin' ny taona 318 mba handamina ny mpanara-dia azy maro ho lasa monastera voalohany. Tsy ela dia nisy andrim-pandaminana toy izany naorina nanerana ny tany efitr’ i Ejipta sy ny sisa tamin’ ny tapany atsinanan’ ny Empira Rômana. Tena nahasarika ny vehivavy izany hetsika izany.[78] Isan' ny ivon' ny fampandrosoana ny mônastisisma dia i Basiliôsy Lehibe any Atsinanana ary, any Andrefana, i Benedikto (na Benoà), namorona ny Fitsipik' i Md Benedikto, izay ho lasa fitsipika mahazatra indrindra mandritra ny Andro Antenatenany sy ny fiandohan' ny fitsipika mônastika hafa. [79]
== Tapany voalohany amin' ny Andro Antenatenany (476–842) ==
Ny tetezamita ho any amin' ny fiandohan' ny Andro Antenatenany dia dingana tsikelikely sy isan-toerana. Nitombo ny faritra ambanivohitra noho ny tobim-pamokarana raha nihena ny tanàn-dehibe. Na dia betsaka kokoa aza ny Kristianina nijanona tany Atsinanana (faritra grika), dia nisy fivoarana lehibe teo amin’ ny Tandrefana (faritra latina), ary samy nanana endrika miavaka. Ny evekan’ i Rôma nifandimby, izany hoe ny papa, dia voatery nampifanaraka tamin’ ny toe-javatra niova be. Tsy nifikitra afa-tsy tamin’ ny emperora izy ireo, ka voatery nifampiraharaha tamin’ ny “mpanapaka barbarianina” tany amin’ ny faritany rômanina rehetra taloha. Tany Atsinanana, ny Fiangonana dia nitazona ny rafitra sy ny toetrany ary nivoatra tsikelikely.
=== Fanitarana misiônera tandrefana ===
Nifanindry tamin' ny ezaka misiônera tany am-boalohany tany amin' ny faritra tsy voafehin' ny fanjakana nirodana ny famoizana tsikelikely ny fanjakan' ny Empira Rômana Tandrefana, nosoloina ny fanjakana federaly sy jermanika.[80] Tany am-piandohan' ny taonjato faha-5, ny asa misiônera avy any Britain's Lehibe Rômana ho any amin' ny faritra seltika (Ekôsy sy Irlandy ary Valesy) dia namokatra fomba fanao nifaninana tamin' ny kristianisma seltika, izay naverina teo ambany fifehezan' ny Fiangonana tany Rôma tatỳ aoriana. Ny misiônera nalaza tany Eorôpa Avaratra-Andrefana tamin’ izany fotoana izany dia ireo olo-masina kristiana Patrick sy Columba ary Columbanus. Ny vahoaka anglô-saksôna izay nanafika an' i Britaina Lehibe atsimo, fotoana fohy taorian' ny nandaozan'ny Romanina dia mpanompo sampy tamin'ny voalohany, saingy nampiova fo ho amin' ny kristianisma tamin' ny alalan' i Aogostino avy any Canterbéry noho ny asa nanirahana ny papa Gregôrio Lehibe. Tsy ela dia lasa foiben' ny misiônera, ny misiônera toa an' i Wilfrid sy i Willibrord sy i Lullus ary i Boniface dia nampiova fo ny havany Saksôna tany Jermania.
Ny ankamaroan' ny Kristianina galô-rômana monina any Galia (Frantsa sy Belzika ankehitriny) dia resin' ny Franka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-5. Nenjehina ny tompon-tany mandra-piovan’ ny mpanjaka Francis Clovis I avy amin’ ny paganisma ho amin’ ny fivavahana katôlika rômana, tamin’ ny 496. Nanizingizina i Clovis fa hanaraka an’ izany ireo andriana namany, ka nanamafy ny fanjakany vao niorina tamin’ ny fampiraisana ny finoan’ ny mpitondra sy ny an’ ny vahoaka [81]. Taorian’ ny nipoiran’ ny Fanjakana Franka sy ny toe-draharaha ara-pôlitika nilamina, dia nampitombo ny asan’ ny misiônera ny tapany andrefana tamin’ ny Fiangonana, izay notohanan’ ny tarana-mpanjaka merovinjiana ho fitaovana hampitoniana ny mponina manodidina sahirana. Taorian' ny nanorenan' ny fiangonana iray tao Utrecht nataon' i Willibrord, dia nitranga ny fihenjanana rehefa nandrava foibe kristiana maro ny mpanjaka Frisian Radbod teo anelanelan' ny taona 716 sy 719. Tamin' ny taona 717, i Boniface, misiônera anglisy, dia nalefa hanampy an' i Willibrord, nanangana indray ny fiangonana rehetra tany Frisia ary nanohy ny asa fitoriana any Jermania.[81] Nandritra ny faramparan' ny taonjato faha-8, dia nampiasa famonoana faobe i Charlemagne mba handresena ny Saksôna mpanaraka ny paganisma sy hanerena azy ireo hanaiky ny kristianisma [82].
=== Kalifata Rasidona ===
Koa satria ny Kristiana dia heverina ho "Olon' ny Boky" ao amin' ny fivavahana silamo, ny Kristianina teo ambany fitondran' ny Miozolmana dia niharan' ny satan' ny dhimmi (miaraka amin' ny Jiosy, ny Samaritana, ny Gnôstika, ny Mandeana, ary ny Zôrôastriana), izay ambany noho ny satan' ny Miozolmana. [83][84][85] Niatrika fanavakavahana ara-pivavahana sy fanenjehana noho izany ny Kristianina sy ny antokom-pivavahana vitsy madinika vokatry ny fandrarana azy ireo tsy hitahita ny olona hiova finoana (ho an’ ny Kristianina dia voarara ny mitory ny filazantsara na manaparitaka ny kristianisma) tany amin’ ireo tany azon’ ny Arabo miozolmana noho ny fanaintainan’ ny fahafatesana, voarara tsy hitondra fitaovam-piadiana, nanao asa sasany, ary voatery nanao fitafiana hafa izy ireo mba hampiavaka ny tenany amin' ny Arabo[84] . Teo ambanin' ny lalàna silamo (sharīʿa), ny tsy Miozolmana dia voatery nandoa ny hetra atao hoe jizya sy kharaj, [83][84][85] miaraka amin' ny vidim-panavotana mavesatra ara-potoana nalain' ny mpitondra miozolmana amin' ny vondrom-piarahamonina kristiana mba hamatsiana ny fampielezan-kevitra ara-miaramila. Tamin' izany dia nitondra ampahany betsaka amin' ny fidiram-bola ho an' ny fanjakana silamo ary nampahantra ny Kristiana maro, ary ireo fahasahiranana ara-bola sy ara-tsôsialy ireo dia nanery ny Kristiana maro hivadika ho Miozolmana.[84] Ireo Kristiana tsy afaka nandoa ireo hetra ireo dia voatery nanolotra ny zanany ho an' ireo mpitondra miozolmana izay hivarotra azy ireo ho andevo ho an' ny tokantrano miozolmana na voatery hivadika ho Miozolmana.[84]
Araka ny fomban' ny Eglizy Ôrtôdôksa Siriaka, ny fandresen' ny Miozolmana any Ampiposahana dia fanamaivanana ho an' ireo Kristiana ampahorian' ny Empira Rômana Tandrefana[85]. Mikaela Syriana, patriarika tany Antiôkia, dia nanoratra tatỳ aoriana fa ny Andriamanitry ny Kristiana dia “nanandratra ny zanak’ i Ismaela avy tany atsimo mba hanafaka antsika amin’ ny tanan’ ny Rômana”[85]. Ny vondrom-piarahamonina kristiana isan-karazany any amin' ny faritr' i Palestina sy Siria sy Libanona ary Armenia dia nankahala ny fitondran' ny Empira Rômana Tandrefana na ny an' ny Empira Bizantina, ka noho izany dia naleony niaina tao anatin' ny toe-javatra ara-toekarena sy ara-pôlitika tsara kokoa noho ny dhimmi teo ambany fitondran' ny Miozolmana.[85] Na izany aza, ny mpahay tantara môderna dia manaiky ihany koa fa ny vahoaka kristiana monina any amin' ireo tany azon' ny tafika arabo miozolmana teo anelanelan' ny taonjato faha-7 sy faha-10 dia niharan' ny fanenjehana sy herisetra ara-pivavahana ary maritiora imbetsaka teo am-pelan-tanan' ny manampahefana sy mpanapaka miozolomana arabo [85]. ][86][87][88] maro no novonoina teo ambanin' ny fanamelohana ho faty araka ny lalàna islamika noho ny fiarovana ny finoana kristiana tamin' ny alalan' ny hetsika fanoherana mahery vaika toy ny fandavana ny hiova finoana ho Miozolmana, ny fandavana ny fivavahana silamo ary ny fiverenana amin' ny kristianisma avy eo, ary ny fitenenan-dratsy ny Andriamanitry ny finoana silamo.[86][87][88]
=== Kalifata Ômeiada ===
Araka ny Sekoly Ḥanafī momba ny lalàna silamo (sharīʿa), ny fijoroana vavolombelona ataon' ny tsy miozolmana (toy ny Kristiana na Jiosy) dia tsy noheverina ho manan-kery manoloana ny fijoroana vavolombelona ataon' ny Miozolmana amin' ny raharaha ara-dalàna na sivily. Ara-tantara, ao amin' ny kolontsaina miozolmana sy ny lalàna silamo nentim-paharazana dia voarara ny vehivavy miozolmana tsy hanambady lehilahy kristiana na jiosy, fa ny lehilahy miozolmana kosa dia navela hanambady vehivavy kristiana na jiosy[89][90] (jereo ny: fanambadiana iraisam-pinoana ao amin' ny fivavahana silamo). Ny Kristiana teo ambany fitondran' ny Miozolmana dia nanana zo hivadika ho Miozolmana na fivavahana hafa, raha mifanohitra amin' izany kosa ny murtad, na mpivadi-pinoana amin' ny finoana silamo, dia nahazo sazy henjana na hadd mihitsy aza, izay mety ahitana ny fanamelohana ho faty araka ny lalàna islamika.[86][87][88] ]
Amin' ny ankapobeny, ny Kristiana teo ambany fitondrana islamika dia navela hanatanteraka ny fivavahany miaraka amin' ny fetra miavaka sasany avy amin' ny Dina apôkrifan' i Umar. Io fifanarahana io, izay heverina fa natao tamin’ ny taona 717, dia nandrara ny Kristiana tsy hampiseho ampahibemaso ny hazo fijaliana teo amin’ ny trano fiangonany, tsy hiantso ny mpiangona hivavaka amin’ ny alalan' ny lakolosy, tsy hanorina indray na hanamboatra fiangonana sy mônasitera taorian’ ny fandravana na fahasimbana, ary nametraka fameperana hafa mifandraika amin' ny asa sy fitafiana ary fitaovam-piadiana[91] Nanenjika Kristiana berbera maro ny Kalifata Omeiada tamin' ny taonjato faha-7 sy faha-8, ka niova tsikelikely ho amin' ny finoana silamo ireo Kristiana ireo.[92]
Tany Umayyad al-Andalus (amin'ny Saikinosin'i Iberiana), ny sekolin'ny lalàna Islamika Malikī no tena nanjaka.[87] Ny fahafatesan'ny maritiora kristiana valo amby efapolo izay nitranga tao amin'ny Emirat of Córdoba teo anelanelan'ny taona 850 sy 859 AD[93] dia voarakitra ao amin'ny trakta hagiographique nosoratan'i Eulogius of Córdoba, Kristiana Iberiana sy Latinista manam-pahaizana.[86][87][88]. ] Novonoina teo ambany fitondran'i Abd al-Rahman II sy Muhammad I ireo maritiora tao Córdoba, ary ny hagiographie an'i Eulogius dia mamaritra amin'ny antsipiriany ny famonoana ireo maritiora noho ny fanitsakitsahana ny lalàna Islamika, anisan'izany ny fivadiham-pinoana sy ny fitenenan-dratsy.[86][87][86] 88]
=== Kalifata Abbasid ===
Mpahay siansa Kristiana tatsinanana sy manam-pahaizana momba ny tontolo Islamika tamin'ny Andro Antenatenany (indrindra fa ny Kristiana Jacobita sy Nestorian) dia nandray anjara tamin'ny sivilizasiona Islamika Arabo nandritra ny fitondran'ny Omayyad sy ny Abbasid, tamin'ny fandikana ny sangan'asan'ny filozofa grika ho amin'ny teny Syriac ary taorian'izay, tamin'ny teny Arabo.[94] [95][96] Nahay filozofia, siansa, teolojia ary fitsaboana koa izy ireo.[97][98][99] Ary ny mpitsabo manokana an'ny Kalifa Abbasid dia matetika Kristiana Asyriana toy ny tarana-mpanjaka Bukhtishu naharitra ela.
Ny Kalifa Abbasid dia tsy nandefitra loatra tamin'ny Kristianisma raha oharina tamin'ireo kalifa Omayyad[85]. Na izany aza, dia nanohy niasa tao amin'ny governemanta ny manam-pahefana kristianina, ary matetika ny Kristianina ao amin'ny Fiangonan'ny Tatsinanana no nandika ny filozofia grika fahiny sy ny matematika grika.[85] Ny asa soratr'i al-Jahiz dia nanafika ny Kristiana noho ny fanambinana loatra, ary milaza fa afaka tsy miraharaha na dia ireo fameperana napetraky ny fanjakana aza [85]. Tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-9, ny patriarkan'i Jerosalema, Theodosius, dia nanoratra tamin'ny mpiara-miasa taminy, ilay patriarkan'i Constantinople Ignatios, fa "marina izy ireo ary tsy manisy ratsy antsika na mampiseho herisetra amintsika".[85]
Elias avy any Heliopolisy, rehefa nifindra tany Damaskosy avy any Heliopolisy (Ba'albek), dia voampanga ho nivadi-pinoana tamin'ny Kristianisma rehefa avy nanatrika fety nokarakarain'ny Arabo silamo iray, ary voatery nandositra an'i Damaskosy ho any amin'ny tanàna niaviany, ary niverina valo taona taty aoriana, izay nisy azy. ekena sy nogadrain'ny "eparch", angamba ilay mpahay lalàna al-Layth ibn Sa'd.[100]: 34 Rehefa avy nandà ny hivadika ho silamo teo ambany fampijaliana izy dia nentina teo anatrehan'ny emir Damascene sady havan'ny kalifa al-Mahdi ( r. 775–785), Muhammad ibn-Ibrahim, izay nampanantena ny hitondrana tsara raha hiova fo i Elia.[100]: 34 Tamin’ny fandavany imbetsaka, dia nampijalina sy notapahin-doha i Elia ary nodorana ny vatany, notapahana ary natsipy tany amin’ny renirano Chrysorrhoes. (ny Barada) tamin’ny 779 am.f.i.[100]: 34
Araka ny voalazan'ny Synaxarion of Constantinople, ny hegumenos Michael avy any Zobe sy ny moanina enina amby telopolo tao amin'ny Monasiteran'i Zobe akaikin'i Sebasteia (Sivas) dia novonoina tamin'ny fanafihana ny vondrom-piarahamonina. ny Hagarenes", "Alim", angamba i Ali ibn-Sulayman, governora Abbasid izay nanafika ny faritanin'ny Romanina tamin'ny taona 785 taorian'i J.K. I Bacchus dia Palestiniana, izay ny fianakaviany, izay Kristianina, dia niova fo ho amin'ny finoana silamo ny rainy.[100]: 29–30 Bacchus anefa dia nijanona ho crypto-Kristianina ary nanao fivahiniana masina tany Jerosalema, izay natao batisa sy niditra tao amin'ny monasitera. an'i Mar Saba.[100]: 29–30 Ny fihaonany sy ny fianakaviany dia nahatonga azy ireo hiverina ho Kristianina indray ary ny fitsarana sy ny famonoana an'i Bacchus noho ny fivadiham-pinoana teo ambany fitondran'ny emir Harthama ibn A'yan.[100]: 29–30
Taorian'ny Sack of Amorium tamin'ny taona 838, tanàna niavian'ny emperora Theophilos (r. 829–842) sy ny tarana-mpanjaka Amoriana, ny kalifa al-Mu'tasim (r. 833–842) dia nitondra babo romana maherin'ny efapolo [100]: 41–42 Nentina tany Samarra renivohitra izy ireo, ary taorian’ny fito taona nisian’ny adihevitra ara-teôlôjia sy ny fandavana tsy hivadika ho silamo, dia novonoina ho faty izy ireo tamin’ny Martsa 845 teo ambany fitondran’ny kalifa al-Wathiq (r. 842–847).[ 100]: 41–42 Tao anatin'ny taranaka iray dia nohajaina ho maritiora 42 tao Amorium izy ireo. Araka ny filazan'i Euodius, hagiographer-n'izy ireo, izay angamba nanoratra tao anatin'ny taranaka iray nisy ny zava-nitranga, dia i Theophilos sy ny iconoclasma no nahatonga ny faharesena tao Amorium. mpanoratra fantatra amin'ny anarana hoe Michael the Synkellos, anisan'ireo roa amby efapolo i Kallistos, ilay doux an'ny thema Koloneiana, ary ilay maritiora mahery fo Theodore Karteros.[100]: 41–42
Nandritra ny adin'ny Arabo-Byzance tamin'ny taonjato faha-10, ny fandresen'ny Romanina ny Arabo dia niafara tamin'ny fanafihan'ny vahoaka ny Kristianina, izay noheverina fa niray fo tamin'ny fanjakana Romana.[85] Araka ny voalazan'i Bar Hebraeus, katolika ao amin'ny Fiangonan'ny Atsinanana, Abraham III (r. 906–937), dia nanoratra tamin'ny vizier lehibe fa "isika Nestoriana dia naman'ny Arabo ary mivavaka ho an'ny fandreseny". Ny fihetsiky ny Nestorianina “izay tsy manana mpanjaka hafa afa-tsy ny Arabo”, dia nampifanohitra tamin’ny Eglizy Ortodoksa Grika, izay nolazainy fa “tsy nitsahatra niady tamin’ny Arabo ny emperorany [85] Teo anelanelan’ny taona 923 sy 924 am.f.i. rava ny fiangonana tao anatin'ny herisetran'ny vahoaka tao Ramla, Askelona, Kaisaria Maritima, ary Damaskosy.[85] Isaky ny tranga, araka ny filazan'i Eutychius, mpanoratra tantara kristiana Arabo Melkite avy any Aleksandria, ny kalifa al-Muqtadir (r. 908–932) dia nandray anjara tamin'ny ady. fanorenana indray ny fananan’ny Fiangonana.[85]
=== Ikônôklasma bizantina ===
Taorian'ny andian-tafika mahery vaika nanohitra ny Miozolmana, dia nipoitra tao amin'ny faritanin'ny Fanjakana Byzantine ny Iconoclasm tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-8. Tamin'ny taona 720, ny Emperora Byzantine Leo III ny Isaurian dia nandrara ny fanehoana an-tsary an'i Kristy sy ny olo-masina ary ny seho ara-baiboly. Tany Latina Andrefana, ny Papa Grégoire III dia nanao synoda roa tany Roma ary nanameloka ny nataon’i Léon. Ny Filankevitry ny Iconoclast Byzance, natao tao Hieria tamin'ny taona 754 am.f.i., dia nanapa-kevitra fa ny sary masina dia mivadi-pinoana.[101] Ny hetsika iconoclastic dia nandrava ny ankamaroan'ny tantaran'ny zavakanto voalohany tao amin'ny Fiangonana Kristiana. Ny hetsika iconoclastic taty aoriana dia nofaritana ho heretika tamin'ny 787 am.f.i. teo ambanin'ny konsily faharoan'i Nicée (ny konsily ekiomenika fahafito) saingy nisy fitsanganana vetivety teo anelanelan'ny taona 815 sy 842.
== Andro Antenatenany Ambony (800–1299) ==
4n4l3c0oflyl5vjnqehde9yu5qn0l7m