Wikipedia
mgwiki
https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana
MediaWiki 1.39.0-wmf.23
first-letter
Rakitra
Manokana
Dinika
Mpikambana
Dinika amin'ny mpikambana
Wikipedia
Dinika amin'ny Wikipedia
Sary
Dinika amin'ny sary
MediaWiki
Dinika amin'ny MediaWiki
Endrika
Dinika amin'ny endrika
Fanoroana
Dinika amin'ny fanoroana
Sokajy
Dinika amin'ny sokajy
TimedText
TimedText talk
Module
Discussion module
Gadget
Discussion gadget
Définition de gadget
Discussion définition de gadget
Sadoseo
0
261235
1046751
1010316
2022-08-07T09:23:41Z
Thelezifor
15140
/* Tamin'ny taojato faha-2 tal J.K. */
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Nuremberg chronicles f 096v 3.png|vignette|267x267px|Sadoseo, sary natao tamin' ny taonjato faha-15 ao amin'ny boky ''Die Schedelsche Weltchronik.'']]
Ny '''Sadoseo''' na '''Sadoseanina''' dia ireo mpikambana amin' ny antoko iray amin' ny efatra lehibe amin' ny firehan' ny [[fivavahana jiosy]] tamin' ny [[Andro Taloha]] tao [[Jodea]] tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy taonjato voalohany taor. J.K. Ny antoko telo hafa dia ny [[Fariseo]] na Farisiana, ny [[Eseniana]] ary ny [[Zelôta]]. Atsoina hoe ''Sadoseo'' koa ireo mpitondra fivavahana tamin' ny andron' ny [[Tempoly voalohany|Tempoly Voalohan]]' i Jerosalema (ka isan' izany ny mpisoronabe Sadôka na Zadôka).
Avy amin' ny saranga ambonin' ny mpisorona ny Sadoseo, izay nifanohitra tanteraka amin' ny Fariseo sady tokony nifanohitra koa tamin' ny Eseniana. Nofongorin' ny Zelôta sy ny [[Sikara]] izy ireo tamin' ny Ady jodeô-rômana voalohany.
Miavaka amin' ny Fariseo ny Sadoseo, indrindra ny amin' ny fiheverana ny [[fitsanganan-ko velona]] izay tsy inoany.
== Ny anarany ==
Avy amin' ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''Sadducaei'' izay avy amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] hoe צְדוּקִים / ''Ṣĕdûqîm / Tsedukim'' ny teny nohagasina hoe ''Sadoseo'' na ''Sadoseana''. Io teny hebreo io indray dia misy mihevitra fa avy amin' ny anaran' ilay mpisorona atao hoe צדוק / ''Tsadok'' ([[Fanagasiana|hagasina]] hoe: ''Sadôka'' na ''Tsadôka'' na ''Zadôka''), izay mpisoronabe tamin' ny andron' i [[Davida (mpanjaka)|Davida]] sy [[Salômôna]], razambe nipoiran' ny mpisoronabe. Mety manondro ny mpomba ny asam-pisoronana mandala ny nentin-drazana io teny io, indrindra amin' ny fomba fijery ara-pôlitika.
== Tantarany ==
=== Fiaviany ===
Iantsoana ny mpitondra fivavahana sasany tamin' ny vanimpotoan' ny [[Tempoly voalohany|Tempoly Voalohany]] koa ny hoe ''Sadoseo'' na ''Sadoseana'' (ka isan' izany ny mpisoronabe atao hoe Zadôka na Sadôka). Ny Sadoseo dia mpikambana ao amin' ny sekoly na antoko jiosy niforona tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K., ary heveroina fa nahazo io anarany io avy tamin' ny anaran' i Zadôka na Sadôka, mpisorona voalaza ao amin' ny [[Testamenta Taloha]], ao amin' ny [[Boky faharoan'i Samoela|Boky faharoan' i Samoela]] (2Sam. 15.24-29), izay niaina tamin' ny naha mpanjaka an' i [[Davida (Baiboly)|Davida]] sy i [[Solomona|Salômôna]] ka ny taranany atao hoe Zadôkida dia fianakaviana mpisorona.
Tsy misy afa-tsy andalana roa ao amin' ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) ny miresaka ny amin' ny antoko-mpisorona tarihin' i Zadôka mpisoronabe, dia ny ao amin' ny [[Bokin'i Ezekiela|Bokin' i Ezekiela]] izay mampifandray mivantana ny mpikambana ao amin' io antoko io sy ny fitondram-pivavahana (Ezek. 43.19) ary manao ireo zanak' i Zadôka ho mpiantoka ny fahamarinan' ny finoana tamin' ny vanimpotoan' ny [[Fahababoana tany Babilona|Fahababoana tany Babilôna]] (Ezek. 48.11).
=== Tamin' ny taojato faha-2 tal J.K. ===
I [[Flavio Jôsefa|Flavio Jôsefa]] dia miresaka ny amin' ny fisian' ny Sadoseo tamin' ny vanimpotoana nanapahan' i [[Joany Hirkano I]] (134-104 tal. J.K.)<ref><small>Flavius Josèphe, ''[[:fr:Antiquités_judaïques|Antiquités judaïques]]'', XIII, 288 à 298.</small></ref>. Azo fantarina ihany anefa ny fotoana nipoiran' ny fihetsiketsehan' ny Sadoseo ka tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-2 tal J.K. izany, tamin' ny niakaran' i Simôna II teo amin' ny fitondrana tamin' ny nahazoan' ny [[Seleokida]] an' i [[Jodea]]<ref><small>Talmud, ''Pirqé Avot'', I et II.</small></ref>.
Nanohana ny fanjakazakan' ireo Seleokida ny Sadoseo ka nifandrafy tamin' ny fitondrana [[Hasmoneana|hasmôneana]] mba hahatonga azy ireo hikambanana kokoa amin' ny fanjakan' i [[Herôda Lehibe|Herôda I]].
=== Taonjato voalohany sy faharoa taor. J.K. ===
Ny Sadoseo, izay avy amin' ireo saranga ambony ao amin' ny mpisorona<ref><small>Pierre Maraval et Simon Claude Mimouni, ''Le christianisme ancien des origines à Constantin'', éd. P.u.f./Nouvelle Clio, 2007, <abbr>p.</abbr> 34.</small></ref>, dia nifanohitra tamin' ny [[Fariseo]] ary tokony ho sahala amin' izany koa tamin' ny [[Eseniana]]. Naripaky ny [[Zelota|Zelôta]] sy ny [[Sikara]] izy ireo tamin' ny Ady voalohany nifanaovan' ny Jiosy sy ny Rômana teo anelanelan' ny taona 66 sy 73<ref><small>Simon Claude Mimouni, ''Le judaïsme ancien du <abbr>vie</abbr> siècle avant notre ère au III<abbr>e</abbr> siècle de notre ère : Des prêtres aux rabbins'', éd. P.u.f./Nouvelle Clio, 2012, <abbr>p.</abbr> 233.</small></ref>. Nanjavona ny Sadoseo tamin' ny faharavan' ny [[Tempoly Faharoa]] tamin' ny taona 70 taor. J.K.
Taorian' ny fandravana ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempolin' i Jerosalema]] tamin' ny taona 70 dia tsy voaresaka firy intsony ny Sadoseo afa-tsy ao amin' ny [[Talmoda]]. Tamin' ny taonjato faha-7 dia nisy fikambanana notarihin' i Abu Isa (avy ao Ispahan) tao [[Persia]] izay nilaza tena ho Sadoseo<ref><small>S. Szyszman, ''Le Karaïsme'', éd. L'Âge d'Homme.</small></ref>. Ny [[karaisma]], tamin' ny fiantombohany tamin' ny taonjato faha-8, dia isan' ny mpanara-dia an' i Anan ben David izay mpikambana ao amin' ireo mitonon-tena ho Sadoseo ireo.
Vitsy ireo loharanom-pahalalana miresaka ny amin' ny Sadoseo. Ny ankamaroan' izany dia soratra kristiana izay tsy ahitana afa-tsy fomba fijery ata-teôlôjia tsy dia misy fanazavana firy. Ny [[Asan'ny Apôstôly|Asan' ny Apôstôly]], ny [[Evanjelin' i Matio]], ny [[Evanjelin' i Marka]] (12.18-27), ny [[Evanjelin' i Lioka]] (20.27-38) dia miresaka ny amin' ny Sadoseo.
=== Taty aoriana ===
Mbola nisy ireo izay niresaka ny amin' i Zadôka tamin' ny taonjato faha-10 tao amin' ny boky atao hoe ''Sefer Tsadok'' nosoratan' ny olonkendry karaita atao hoe Ya'akov al-Qirqisani.
Nisy soratra hita tamin' ny taona 1910, raha noheverina fa rava tanteraka ny fampianaran' ny Sadoseo hatramin' ny taonjato maro, izay nahita ny ''Soratr' i Damasy'' nadika tamin' ny taonjato faha-12 i Solomon Schechter. Izany soratra izany dia mampahatsiahy ny fiantraikan' ny fampianaran' ny Sadoseo eo amin' ny fiarahamonina karaita.
== Ny fampianarany sy ny finoany ==
=== Ny fampianarana ny lalàna ===
Ny antokon' ny Sadoseo dia antokon' olona avy amin' ny saranga ambony, izay tsy manaiky afa-tsy ny [[Torah|Tôrah]], ka mandà ny fivoasana sy ny fanitarana ny lalàna ataon' ireo [[mpanoradalàna]]. Mitsipaka ny fivoasan' ny Fariseo ny Tôrah, indrindra ny [[Talmoda]] naterak' izany, ny Sadoseo. Izao no amintinan' i [[Flavio Josefa|Flavio Jôsefa]] an' izany: "Ny Fariseo dia nampita tamin' ny vahoaka fitsipika sasantsasany azony avy tamin' ireo razambeny, tsy voasoratra tao amin' ny lalàn' i Mosesy, izay nolavin' ny Sadoseo noho izany izay nihevitra fa ny fitsipika voasoratra ao ihany no tokony horaisina ho manankery, ary tsy voatery hotandremana ireo fitsipika azo avy amin' ny lovantsofin' ny razana."<ref><small>Nadika avy amin'ny teny frantsay: ''Antiquités judaïques'', XIII-297.</small></ref>
Tsy midika izany fa mpandray ara-bakiteny izay voasoratra ny Sadoseo. Nanao fivoasana am-bava ny Sadoseo nefa nitsipaka ny [[lovantsofina]] ivelan' ny Tôrah, indrindra ny fivoasana ataon' ireo antoko hafa<ref><small>E. P. Sanders, ''Judaism. Practice and Belief.'', Trinity Press International, 1996.</small></ref>.
=== Ny any ambadik' izao fiainana hita maso izao ===
==== Tsy mino ny fitsanganan-ko velona ====
Miavaka amin' ny Fariseo ny Sadoseo noho izy ireo tsy mino ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganan-ko velona]]. Ny Sadoseo dia tsy mino ny [[Tsy feteza-maty|tsy feteza-mati]]<nowiki/>n' ny [[Fanahin'ny vatana|fanahin']] olombelona sady mandà ny fisian' ny [[anjely]] (hebreo: מלאך אלהים / ''mal'āk̠ 'ĕlōhîm''; "mpitondra hafatr' Andriamanitra"; na מלאך יהוה / ''mal'āk̠ YHWH'' "mpitondra hafatr' i [[IHVH]]")
Araka ny fampianaran' ny [[jodaisma]] mahazatra dia mankany amin' ny fanjakan' ny maty, any amin' ny [[Seola|Sheol]] ("fiainan-tsy hita", ao amin' ny [[Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy|Baiboly malagasy prôtestanta]]) ny olona maty, ary mitoetra ao tahaka ny aloka. Ny [[Bokin'i Joba|Bokin' i Jôba]] dia ahitana izao soratra izao:
"<small><sup>7</sup></small> ''Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko. <small><sup>8</sup></small> Tsy hahita ahy intsony ny mason' izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho''. <small><sup>9</sup></small> ''Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin' ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony''" (Joba 7.7-9).
I [[Henoka|Henôka]] (na Enôka) sy i [[Elia]] ihany no voalaza fa niaka-belona any an-danitra. Ny ratsy fanahy dia hosazina amin' ny fanaintainana sy ny loza mandritra ny fiainany eto ambonin' ny tany, na ny [[hamombana]] na ny fahafatesana alohan' ny fotoana (Deo. 28).
==== Tsy mino ny fisian' ny anjely ====
Ny Sadoseo koa dia tsy mino ny fisian' ny [[anjely]] (hebreo: / ''malakh'') izay heveriny fa fahadisoam-pandraisana ny sarinteny ilazana ny fahafahana sy hery ananan' Andriamanitra.
=== Ny fomba fijerin' ny Kristiana ny fampianaran' ny Sadoseo ===
Ny fampianaran' ny Sadoseo (atao hoe ''sadokeisma'' na ''sadoseisma'') sy ny an' ny [[Fariseo]] (antsoina hoe ''farisaisma'' na ''farizaisma'') dia notsikerain' i [[Jesoa]] araka ny hita ao amin' ny [[Filazantsaran'i Matio|Filazantsaran' i Matio]] hoe:
"<small><sup>6</sup></small> ''Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon' ny masirasiran' ny Fariseo sy ny Sadoseo.'' <small><sup>7</sup></small> ''Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany''. <small><sup>8</sup></small> ''Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?'' <small><sup>9</sup></small> ''Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an' ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?'' <small><sup>10</sup></small> ''na ny mofo fito ho an' ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?'' <small><sup>11</sup></small> ''Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin' ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon' ny masirasiran' ny Fariseo sy ny Sadoseo.'' <small><sup>12</sup></small> ''Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azon' ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon' ny fampianaran' ny Fariseo sy ny Sadoseo''." (Mat. 16.6-12).
== Jereo koa ==
==== Antoko sy firehana matanjaka tao amin'ny jodaisma ====
* [[Sadoseo]] na Sadoseanina
* [[Fariseo]] na Farizianina
* [[Eseniana]]
* [[Sekta fahefatra (jodaisma)|Sekta fahefatra]]
==== Antoko sy firehana hafa tao amin' ny jodaisma ====
* [[Nazôreana]] na Nazareana
*[[Zelôta]]
* [[Mpanoradalàna]]
* [[Ebiônita]]
* [[Elkasaita]]
* [[Hasideana]]
* [[Bôetosiana]]
* [[Jiosin'i Elefantina]]
== Loharano ==
1yebjeq3px5askya9e59ch3yewqm87y
1046752
1046751
2022-08-07T09:25:23Z
Thelezifor
15140
/* Jereo koa */

==== Antoko sy firehana matanjaka tao amin' ny jodaisma ====
* [[Sadoseo]] na Sadoseanina
* [[Fariseo]] na Farizianina
* [[Eseniana]]
* [[Sekta fahefatra (jodaisma)|Sekta fahefatra]]
==== Antoko sy firehana hafa tao amin' ny jodaisma ====
* [[Nazôreana]] na Nazareana
*[[Zelôta]]
* [[Mpanoradalàna]]
* [[Ebiônita]]
* [[Elkasaita]]
* [[Hasideana]]
* [[Bôetosiana]]
* [[Jiosin' i Elefantina]]
== Loharano ==
h0b2nm1b7vt3xwn92rt7cfl9c29umd9
Zelôta
0
264022
1046745
995500
2022-08-07T09:06:06Z
Thelezifor
15140
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Zelôta''' dia firehana na antoko ara-pôlitika sy ara-[[Jodaisma|pivavahana jiosy]] izay nalaza tamin' ny fanoherana ny Rômana tao [[Jodea]] (na Jodia) tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. ka namporisika ny vahoaka [[jiosy]] tao amin' ny faritanin' i Jodea hikomy amin' ny Empira Rômana sady handroaka azy amin' ny alalan' ny fitaovam-piadiana. Ireo Zelôta ireo no lohany tamin' ny fandraisana anjara tamin' ny [[Fikomiana lehibe nataon'ny Jiosy|Fikomiana lehibe]] (hebreo: המרד הגדול / ''ha-Mered ha-Gadol'') nataon' ny Jiosy tamin' ny taona 66 hatramin' ny taona 70 taor. J.K.
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''Zelôta'' dia avy amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ζηλωτής / ''zêlôtês'' (raha tokana) sy ζηλωταί / ''zêlôtai'' (raha maro). Atao hoe ''קנאים'' / ''Qana'im'' izany amin'ny [[teny hebreo]]. Ny teny hoe ''zelôta'' dia ilazana "izay mafana fo" ho an' Andriamanitra sy ho an'ny [[Torah|Tôrah]].
== Tantaran'ny Zelôta ==
Ny Zelôta dia niseho ho vondrona politika miavaka tamin'ny andron'i [[Heroda Lehibe|Herôda Lehibe]] (nanapaka teo anelanelan'ny taona 37 sy 4 tal. J.K.). Nantsoina hoe ''Galileana'' (na ''Galiliana'') koa izy ireo. Tamin'ny taona 6 taor. J.K., rehefa notapahin'ny governemanta mivantana i Jodea ka nandidy i Koirinio (na Kirinio na Kireniosy, izay jeneraly sy mpandraharaham-panjakana rômana) ny tsy maintsy hanaovana fanisam-bahoaka mba hamaritana ny hetra halaina. Izany fanisam-bahoaka izany dia fandikana zavatra andrarana ao amin'ny [[Baiboly]] (Andriamanitra irery ihany no afaka manisa ny fanahin'olombelona).
Niantso ho amin'ny fikomiana ny Zelôta notarihin'i Jodasy avy any Galilea. Ny fanekena ny fahefan'ny emperora romana, izay [[jentilisa]] mpanompo sampy, hoy izy ireo, dia midika fandavana ny fahefan'Andriamanitra sady fanekena ny fanandevozana. Amin'izy ireo dia fandotoana ny Tany nampanantenaina ny fisian'ny Rômana ao Palestina. Ny fikomiana nataon'ny Zelôta tamin'ny taona 6 taor. J.K. dia nalaky nitsahatra noho ny famaizana. Maro amin'izy ireo no novonoina, ka isan'izany angamba i Jodasy Galileana, nefa ny hafa nanohy nitory ny fanoherana tanteraka ny Rômana.
Nihamafy ny fanoherana ka nisy antokon'ny Zelôta atao hoe Sikary (na Sikera) izay nampiasa ny asa fampihorohoroana ka namono Rômana sy Jiosy heveriny na nahiahiny fa niray tsikombakomba tamin'ny manampahefana romana. Nesorin'ny Zelota ilay voromahery volamena nataon'i Heroda teo amin'ny [[Tempoly Faharoa]].
Ny iray amin'ny mpianatr'i [[Jesoa]] atao hoe [[Simona Zelota|Simôna]], dia isan'ny Zelôta (Lioka 6.15). Araka an'i [[Flavio Josefa|Flavio Jôsefa]], ny Zelôta dia nandray anjara lehibe tamin'ny famporisihana sy ny fanohanana ny tolom-bahoaka jiosy hanoherana ny Rômana izay nanomboka tamin'ny taona 66 taor. J.K. Na dia nanohy ny fanenjehana sy ny famonoana ny antoko jiosy hafa aza ny Zelota, dia niaro amin-kerim-po an'i [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]] ambara-pahatongan'ny faharavan'io tanàna io tamin'ny taona 70 taor. J.K.
[[Sary:Israel-2013-Aerial 21-Masada.jpg|vignette|224x224px|Sarin'i Masada nalaina teny ambony]]
Nanohitra sy niady tamin'i Tito (emperora rômana) amin-kerim-po izy ireo nandritra ny fahirano sy taorian'ny nahazoan'ny Rômana an'i Jerosalema tamin'ny taona 70 taor. J.K. Tapa-kevitra ny Rômana nanombo tamin'ny [[hazo fijaliana]] ireo izay efa migadra any am-ponja. Nisy koa vondrona zelôta niaro ny tobim-pamaharana jiosy atao hoe [[Masada]] (hebreo: מצדה / ''Mitsada'') izay nataon'ny tafika rômana fahirano hatramin'ny taona 73 taor. J.K. sady nisafidy ny famonoan-tena toy izay hitolo-batana. Maro ny nisafidy ny hiaraka mamono tena tamin'ny alalan'ny fitrobaran-tena tamin'ny fitaovam-piadiana, na tamin'ny alalan'ny fianjerana avy eny amin'ny tobin'i Masada.
== Jereo koa ==
==== Antoko sy firehana matanjaka tao amin'ny jodaisma ====
* [[Sadoseo]] na Sadoseanina
* [[Fariseo]] na Farizianina
* [[Eseniana]]
*[[Sekta fahefatra (jodaisma)|Sekta fahefatra]]
==== Antoko sy firehana hafa tao amin'ny jodaisma ====
* [[Nazoreana]] na Nazareana
* [[Mpanoradalàna]]
* [[Ebiônita]]
* [[Elkasaita]]
* [[Hasideana]]
* [[Boetosiana]]
* [[Jiosin'i Elefantina]]
lod63rlt2ck62iexfbt1ffkf5csyfox
1046746
1046745
2022-08-07T09:08:22Z
Thelezifor
15140
/* Fiforonan-teny */
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Zelôta''' dia firehana na antoko ara-pôlitika sy ara-[[Jodaisma|pivavahana jiosy]] izay nalaza tamin' ny fanoherana ny Rômana tao [[Jodea]] (na Jodia) tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. ka namporisika ny vahoaka [[jiosy]] tao amin' ny faritanin' i Jodea hikomy amin' ny Empira Rômana sady handroaka azy amin' ny alalan' ny fitaovam-piadiana. Ireo Zelôta ireo no lohany tamin' ny fandraisana anjara tamin' ny [[Fikomiana lehibe nataon'ny Jiosy|Fikomiana lehibe]] (hebreo: המרד הגדול / ''ha-Mered ha-Gadol'') nataon' ny Jiosy tamin' ny taona 66 hatramin' ny taona 70 taor. J.K.
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''Zelôta'' dia avy amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ζηλωτής / ''zêlôtês'' (raha tokana) sy ζηλωταί / ''zêlôtai'' (raha maro). Atao hoe ''קנאים'' / ''Qana'im'' izany amin' ny [[teny hebreo]]. Ny teny hoe ''zelôta'' dia ilazana "izay mafana fo" ho an' Andriamanitra sy ho an' ny [[Torah|Tôrah]].

46unijme7dzi669gmbao84aorw5iip0
1046747
1046746
2022-08-07T09:17:39Z
Thelezifor
15140
/* Tantaran'ny Zelôta */

== Tantaran' ny Zelôta ==
Ny Zelôta dia niseho ho vondrona pôlitika miavaka, tamin' ny andron' i [[Herôda Lehibe|Herôda Lehibe]] (nanapaka teo anelanelan' ny taona 37 sy 4 tal. J.K.). Nantsoina hoe ''Galileana'' (na ''Galiliana'') koa izy ireo. Tamin' ny taona 6 taor. J.K., rehefa notapahin' ny governemanta mivantana i Jodea ka nandidy i Koirinio (na Kirinio na Kireniosy, izay jeneraly sy mpandraharaham-panjakana rômana) ny tsy maintsy hanaovana fanisam-bahoaka mba hamaritana ny hetra halaina. Izany fanisam-bahoaka izany dia fandikana zavatra rarana ao amin' ny [[Baiboly]] (satria amin' izy ireo dia Andriamanitra irery ihany no afaka manisa ny fanahin' olombelona).
Niantso ho amin' ny fikomiana ny Zelôta notarihin' i Jodasy avy any Galilea. Ny fanekena ny fahefan' ny emperora rômana, izay [[jentilisa]] mpanompo sampy, hoy izy ireo, dia midika fandavana ny fahefan' Andriamanitra sady fanekena ny fanandevozana. Amin' izy ireo dia fandotoana ny "Tany nampanantenaina" ny fisian' ny Rômana ao Palestina. Ny fikomiana nataon' ny Zelôta tamin' ny taona 6 taor. J.K. dia nalaky nitsahatra noho ny famaizana mahery vaika. Maro amin' izy ireo no novonoina, ka isan' izany angamba i Jodasy Galileana, nefa ny hafa nanohy nitory ny fanoherana tanteraka ny Rômana.
Nihamafy ny fanoherana ka nisy antokon' ny Zelôta atao hoe Sikary (na Sikera) izay nampiasa ny asa fampihorohoroana ka namono Rômana sy Jiosy heveriny na nahiahiny fa niray tsikombakomba tamin' ny manam-pahefana rômana. Nesorin' ny Zelôta ilay voromahery volamena nataon' i Herôda teo amin' ny [[Tempoly Faharoa]].
Ny iray amin' ny mpianatr' i [[Jesoa]] atao hoe [[Simôna Zelôta|Simôna]], dia isan' ny Zelôta (Lioka 6.15). Araka an' i [[Flavio Jôsefa|Flavio Jôsefa]], ny Zelôta dia nandray anjara lehibe tamin' ny famporisihana sy ny fanohanana ny tolom-bahoaka jiosy hanoherana ny Rômana izay nanomboka tamin' ny taona 66 taor. J.K. Na dia nanohy ny fanenjehana sy ny famonoana ny antoko jiosy hafa aza ny Zelôta, dia niaro amin-kerim-po an' i [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]] ambara-pahatongan' ny faharavan' io tanàna io tamin' ny taona 70 taor. J.K.
[[Sary:Israel-2013-Aerial 21-Masada.jpg|vignette|224x224px|Sarin' i Masada nalaina teny ambony]]
Nanohitra sy niady tamin' i Tito (emperora rômana) amin-kerim-po izy ireo nandritra ny fahirano sy taorian' ny nahazoan' ny Rômana an' i Jerosalema tamin' ny taona 70 taor. J.K. Tapa-kevitra ny Rômana nanombo tamin' ny [[hazo fijaliana]] ireo izay efa migadra any am-ponja. Nisy koa vondrona zelôta niaro ny tobim-pamaharana jiosy atao hoe [[Masada]] (hebreo: מצדה / ''Mitsada'') izay nataon' ny tafika rômana fahirano hatramin' ny taona 73 taor. J.K. sady nisafidy ny famonoan-tena toy izay hitolo-batana. Maro ny nisafidy ny hiaraka mamono tena tamin' ny alalan' ny fitrobaran-tena tamin' ny fitaovam-piadiana, na tamin' ny alalan' ny fianjerana avy eny amin' ny tobin' i Masada.
== Jereo koa ==
==== Antoko sy firehana matanjaka tao amin'ny jodaisma ====
* [[Sadoseo]] na Sadoseanina
* [[Fariseo]] na Farizianina
* [[Eseniana]]
*[[Sekta fahefatra (jodaisma)|Sekta fahefatra]]
==== Antoko sy firehana hafa tao amin'ny jodaisma ====
* [[Nazoreana]] na Nazareana
* [[Mpanoradalàna]]
* [[Ebiônita]]
* [[Elkasaita]]
* [[Hasideana]]
* [[Boetosiana]]
* [[Jiosin'i Elefantina]]
so1xb417ziyucklkjjb16380i5ewkq0
1046748
1046747
2022-08-07T09:18:45Z

1z9h566mkm6dyt7atyepq32shpt8ojb
Mpampiana-dalàna
0
264031
1046753
977380
2022-08-07T09:29:56Z
Thelezifor
15140
wikitext
text/x-wiki
Ny '''mpampiana-dalàna''' na '''mpanoradalàna''' dia vondron' olon-kendry niasa nandritra ny vanimpotoan' ny [[Tempoly Faharoa]]. Ny vanimpotoana niasany dia mety nandritra ny an' ny Fivoriam-be izay niantomboka tamin' ny andron' i [[Ezra]] na Esdrasa, izay sady lohan' ny mpanoradalàna no filoha voalohan' ny Fivoriam-be, ka nifarana tamin' ny andron' i Simôna Marina. Ny anjara asan' izy ireo dia ny mamaky eo anatrehan' ny vahoaka ny [[Tanakh]] sady manazava izany. Atao hoe סופרים / ''Soferim,'' izay midika hoe "mpanoratra", izy ireo amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]].
Ny mpampiana-dalàna tamin' ny voalohany dia ireo mpanao dika mitovy ny bokin' ny Lalàna ([[Torah]]) na mpitan-tsoratra, nefa niova miandalana ho mpitan-tsoratry ny tanàna na mpitan-tsora-panjakana izany taty aoriana. Olona mivelona amin' ny fanoratana ny mpanoradalàna izay matetika manao fivoasana ara-bakiteny ny Lalàna sady nampifantoka ny asany amin' ny fandinihana ny [[Soratra Masina]]. Misy ny mpanora-dalàna [[fariseo]] sy ny mpanora-dalàna [[sadoseo]] ka tsy mitovy sady matetika mifanohitra ny fomba fanaovany fivoasana ny Lalàna sy ny fitsipika ao amin' ny fivavahana sy fiarahamonina jiosy. Taorian' ny faharavan' ny [[Tempoly Faharoan' i Jerosalema]] dia ny mpampiana-dalàna no lasa nitahiry ny [[fivavahana jiosy]].
== Jereo koa ==
==== Antoko sy firehana matanjaka tao amin'ny jodaisma ====
* [[Sadoseo]] na Sadoseanina
* [[Fariseo]] na Farizianina
* [[Eseniana]]
* [[Sekta fahefatra (jodaisma)|Sekta fahefatra]]
==== Antoko sy firehana hafa tao amin'ny jodaisma ====
* [[Nazoreana]] na Nzareana
* [[Zelota]]
* [[Mpanoradalàna]]
* [[Ebionita]]
* [[Elkasaita]]
* [[Hasideana]]
* [[Boetosiana]]
* [[Jiosin'i Elefantina]]
f1tv4kuavndgjwt3pu4rmn5s7vvysy6
1046754
1046753
2022-08-07T09:30:57Z

* [[Nazôreana]] na Nzareana
* [[Zelôta]]
* [[Mpanoradalàna]]
* [[Ebiônita]]
* [[Elkasaita]]
* [[Hasideana]]
* [[Bôetosiana]]
* [[Jiosin' i Elefantina]]
s3zrkxngazzknxt1l0hphgio82z6efk
1046755
1046754
2022-08-07T09:31:37Z

rko7agluji1l29quis2n29wslxuvj9v
Jiosin'i Elefantina
0
264032
1046749
999866
2022-08-07T09:21:04Z
Thelezifor
15140
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Jiosin' i Elefantina''' na '''Jodin' i Elefantina''' dia vahoaka [[jiosy]] na jody tany Egipta tamin' ny vanimpotoan' ny Persiana akemenida (taonjato faha-5 tal. J.K.) izay nonina teo amin' ny nosy Elefantina izay nantsoina hoe ''Yeb'' tamin' izany fotoana izany. Ny nosy Elefantina dia nosin' i [[Ejipta|Egipta]] eo afovoan' ny renirano [[Nily]] manoloana ny tanànan' i Assouan izay ikambanany. Ireo Jiosy tao Elefantina ireo dia nanaraka ny [[jodaisma]] nefa nanana ny nampiavaka azy manokana.
== Jereo koa ==
==== Antoko sy firehana matanjaka tao amin'ny jodaisma ====
* [[Sadoseo]] na Sadoseanina
* [[Fariseo]] na Farizianina
* [[Eseniana]]
* [[Sekta fahefatra (jodaisma)|Sekta fahefatra]]
==== Antoko sy firehana hafa tao amin'ny jodaisma ====
* [[Nazoreana]] na Nazareana
* [[Zelota]]
* [[Mpanoradalàna]]
* [[Ebionita]]
* [[Elkasaita]]
* [[Hasideana]]
* [[Boetosiana]]
* [[Jiosin'i Elefantina]]
jlj873dt0twvuycx7afx6hr6p960p7x
1046750
1046749
2022-08-07T09:22:01Z
Thelezifor
15140
/* Jereo koa */
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Jiosin' i Elefantina''' na '''Jodin' i Elefantina''' dia vahoaka [[jiosy]] na jody tany Egipta tamin' ny vanimpotoan' ny Persiana akemenida (taonjato faha-5 tal. J.K.) izay nonina teo amin' ny nosy Elefantina izay nantsoina hoe ''Yeb'' tamin' izany fotoana izany. Ny nosy Elefantina dia nosin' i [[Ejipta|Egipta]] eo afovoan' ny renirano [[Nily]] manoloana ny tanànan' i Assouan izay ikambanany. Ireo Jiosy tao Elefantina ireo dia nanaraka ny [[jodaisma]] nefa nanana ny nampiavaka azy manokana.
== Jereo koa ==
==== Antoko sy firehana matanjaka tao amin'ny jodaisma ====
* [[Sadoseo]] na Sadoseanina
* [[Fariseo]] na Farizianina
* [[Eseniana]]
* [[Sekta fahefatra (jodaisma)|Sekta fahefatra]]
==== Antoko sy firehana hafa tao amin'ny jodaisma ====
* [[Nazôreana]] na Nazareana
* [[Zelôta]]
* [[Mpanoradalàna]]
* [[Ebiônita]]
* [[Elkasaita]]
* [[Hasideana]]
* [[Bôetosiana]]
* [[Jiosin' i Elefantina]]
nu4niejrdwphcj9ut6dyyfh1orc4d7o
Tantaran' ny kristianisma
0
281713
1046738
1046733
2022-08-07T06:35:53Z
Thelezifor
15140
/* Ny fitaoman’ i Kônstantino */
wikitext
text/x-wiki
Ny '''tantaran' ny kristianisma''' dia mahakasika ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]], ny [[firenena kristiana]], ary ny [[Kristianina|Kristiana]] miaraka amin' ny antokom-pinoana samihafa, nanomboka tamin' ny [[Kristiana tamin' ny taonjato voalohany|taonjato voalohany]] ka hatramin' izao.
Ny kristianisma dia niainga tamin' ny asa fanompoana nataon' i [[Jesoa]] (na [[Jesosy]]), izay Jiosy mpampianatra sy mpanasitrana, nanambara ny maha efa akaiky ny [[fanjakan' Andriamanitra]] ary [[Fanomboana an' i Jesoa|nohomboana]] tamin' ny [[hazo fijaliana]] tamin' ny taona 30–33 taor. J.K. tao [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]] tao [[Jodea]] izay faritany rômana. Mino ny mpanara-dia azy fa, araka ny [[Filazantsara]] na [[Evanjely]] dia [[Zanak'Andriamanitra (kristianisma)|Zanak' Andriamanitra]] izy ary maty ho famelan-keloka ary [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|natsangana tamin' ny maty]] sy nasandratr' Andriamanitra, ary hiverina tsy ho ela amin' ny fiandohan' ny fanjakan' Andriamanitra.
Ny mpanara-dia an' i Jesoa voalohany indrindra dia ireo [[Jodeô-kristianisma|Kristiana jiosy]] [[Apôkaliptisisma|apôkaliptika]]. Ny fampidirana ny [[Jentily]] na [[Jentilisa]] ao amin' ny Fiangonana kristiana voalohany izay an-dalam-pandrosoana dia niteraka fisarahana teo amin' ny [[jodaisma]] sy ny kristianisma jiosy nandritra ireo taonjato roa voalohany tamin' ny [[vanim-potoana kristiana]]. Tamin' ny taona 313, ny emperora [[Kônstantino I]] dia namoaka ny [[Didy tao Milano]] izay naha ara-dalàna ny fivavahana kristiana. Tamin' ny taona 380, niaraka tamin’ny [[Didy tao Tesalônika]] navoaka teo ambany fitarihan' i [[Teôdôsiosy I|Teôdôsiôsy I]], ny [[Empira Rômana]] dia nandray tamin' ny fomba ôfisialy ny [[Trinite|kristianisma trinitariana]] ho [[fivavaham-panjakana]], ary ny kristianisma dia nametraka ny tenany ho fivavahana rômanina nanjaka tao amin' ny Fiangonan' ny Empira Rômana. Ny adihevitra [[Kristôlôjia|kristôlôjika]] momba ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra an' i Jesoa dia nandreraka ny ny Fiangonana kristiana nandritra ny taonjato roa, ary ny [[kônsily ekiomenika]] fito dia natao mba hamahàna ireo adihevitra ireo. Nomelohina ny [[Arianisma (teôlôjia)|arianisma]] nandritra amin' ny [[Kônsily voalohany tao Nikea]] (taona 325), izay nanohana ny fampianarana momba ny Trinite izay nohazavaina tao amin' ny [[Fanekem-pinoana nikeana]].
Tany am-piandohan' ny [[Andro Antenatenany]], ny [[Fitoriana ny Filazantsara|asa fitoriana]] dia nampiely ny kristianisma tany Andrefana teo amin' ireo [[Jermanika|vahoaka jermanika]]. Nandritra ny [[Andro Antenatenany Ambony]] (manodidina ny taona 1000 hatramin' ny 1250) dia nisaraka ny [[Kristianisma Tatsinanana|kristianisma tatsinanana]] sy [[Kristianisma Tandrefana|kristianisma tandrefana]], ka nitarika ho amin' ny Fisarahan' ny [[Fiangonana Tatsinanana sy Tandrefana]] tamin' ny taona 1054. Nitombo ny fanakianana ny rafi-piangonana katôlika rômana sy ny fitondran-tena tao aminy ka nitarika ny hetsika prôtestanta tamin' ny taonjato faha-16 sy ny fivakisan' ny kristianisma tandrefana. Nanomboka tamin' ny vanim-potoan' ny Renaissance, miaraka amin' ny [[fanjanahan-tany]] izay nentanin' ny Fiangonana, dia niely eran' izao tontolo izao ny kristianisma. Amin' izao fotoana izao dia misy Kristiana maherin' ny 2 000 tapitrisa eran-tany, ary ny kristianisma no lasa fivavahana lehibe indrindra eran-tany. Tao anatin' ny taonjato farany, rehefa nihena ny fitaoman' ny kristianisma tany Andrefana, dia nitombo haingana izany tany Atsinanana sy tany amin' ny faritra Atsimo amin' ny Tany; any [[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]], any [[Kôrea Atsimo]] ary any amin' ny ankamaroan' ny firenena aty [[Afrika atsimon' i Sahara]].
== Fiandohana ==
=== Fiaviana jiosy-helenista ===
Ny zava-nisy ara-pivavahana sy ara-tsôsialy ary ara-pôlitika tany Jodea nofehezin' ny Rômana tamin' ny taonjato voalohany sy tany amin' ireo faritany mifanolo-bodirindrina aminy dia tena samy hafa ary tsy mitsaha-mitombo ny korontana ara-tsôsialy sy ara-pôlitika, [1][22][23] miaraka amin' ny hetsika jodaika maro izay samy mahakasika ny ivavahana sy ny pôlitika. [24] I Jôsefa mpahay tantara rômanina sy jiosy fahiny, dia nanoritsoritra ny mamin' ny sekta efatra nisongadina indrindra tao anatin’ ny jodaisma nandritra ny vanimpotoan’ ny Tempoly Faharoa: ny [[Fariseo]] (na Fariziina), ny [[Sadoseo]], (na Sadoseana) ny [[Eseniana]], ary ny “[[Filôzôfia Fahefatra]]” tsy fantatra anarana,[25] izay eken’ ny mpahay tantara môderna ho tsy iza fa ny [[Zelôta]] sy ny [[Sikary]] [26]. Tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K. sy tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. dia nanana mpitondra fivavahana karismatika maro nandray anjara tamin' izay ho lasa mishnah ny jodaisma rabinika, anisan' izany ny olon-kendry jiosy Yohanan ben Zakkai sy Hanina ben Dosa. Ny mesianisma jiosy, sy ny foto-kevitry ny Mesia jiosy, dia avy amin' ny [[literatiora apôkaliptika]] novokarina teo anelanelan' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K., [27] mampanantena mpitarika "voahosotra" ho avy ([[mesia]] na mpanjaka) avy amin' i [[Davida (mpanjaka)|Davida]] mba hanangana ny [[Fanjakan’ Andriamanitra]] israelita, ho solon’ ireo mpitondra hafa firenena tamin’ izany fotoana izany.[1]
=== Asa fanompoan' i Jesoa ===
Ny loharanom-baovao lehibe indrindra momba ny fiainan’ i [[Jesoa]] sy ny fampianarany dia ny [[Filazantsara]] (na Evanjely) kanônika efatra, ary amin’ ny ampahany kely dia ny [[Asan’ ny Apôstôly]] sy ny [[epistilin’ i Paoly]]. Araka ny voalazan’ ny Filazantsara dia [[Zanak' Andriamanitra]] i Jesoa izay [[Fanomboana an' i Jesoa|nohomboana tamin' ny hazo fijaliana]] manodidina ny taona 30–33 taor. J.K. tany [[Jerosalema]].[1] Nino ny mpanara-dia azy fa [[Fitsanganan' i Jesoa amin' ny maty|natsangana tamin’ ny maty]] izy ary nasandratr’ Andriamanitra, nitory ny Fanjakan’ Andriamanitra ho avy.[1]
== Kristianisma voalohany (manodidina ny taona 31/33–324) ==
Ny kristianisma voalohany amin' ny ankapobeny dia raisin’ ny mpahay tantaran’ ny fiangonana manomboka amin’ ny fanompoan’ i Jesoa (manodidina ny taona 27–30) ary nifarana tamin’ ny [[Kônsily voalohany tao Nikea]] (taona 325). Matetika izy io dia mizara ho vanim-potoana roa: ny vanim-potoana apôstôlika (taona 30–100 any ho any, fony mbola velona ny [[Apôstôly roa ambin' ny folo|Apôstôly]] voalohany) sy ny vanim-potoana ante-nikeana (taona 100–325 tany ho any).[28]
=== Andro Apôstôlika ===
Ny vanim-potoana apôstôlika dia nomena ny anaran' ny Apôstôly sy ny asa fitoriana nataon' izy ireo. Izy io dia manana dikany manokana amin' ny lova kristiana amin' ny maha-andron' ny Apôstôlin' i Jesoa mivantana azy ireo. Loharanom-baovao voalohany ho an' ny vanim-potoanan' ny Apôstôly ny [[Asan' ny Apôstôly]], saingy niadian-kevitra ny fahamarinany ara-tantara ary ny fari-potoana voarakony dia ampahany, izay mifantoka indrindra amin' ny Asan' ny Apôstôly toko faha-15[29] hatrany amin' ny asa fanompoan' i Paoly, ary nifarana tamin' ny 62 taor. J.K. tamin' ny fitorian' i Paoly tany [[Rôma Taloha|Rôma]] izay nigadrany tao an-tranomaizina.
Ny mpanara-dia an' i Jesoa voalohany indrindra dia sekta nisy ny [[Kristiana jiosy]] apôkaliptika tao anatin' ny [[jodaisma]]<nowiki/>n' ny [[Vanim-potoan' ny Tempoly Faharoa|Tempoly Faharoa]].[1][30][31][32][33] Ireo antokon’ olona kristiana tany am-boalohany ireo dia tena [[Jiosy]], toy ny [[Ebiônita]], [30] sy ny fiangonana kristiana voalohany tany [[Jerosalema]], izay notarihan’ i [[Jakoba Ilay Marina]], rahalahin’ i Jesoa.[34] Araka ny Asan’ ny Apôstôly toko fa-9, [35] dia nilaza ny tenany ho “mpianatry ny Tompo” sy [mpanara-dia] “ny Lalana” izy ireo, ary araka ny Asan’ ny Apôstôly toko faha-11, [36] dia ny vondron’ ny mpianatra nanorim-ponenana tany [[Antiôkia]] no nantsoina voalohany amin' ny anarana hoe “Kristiana”. Ny sasany tamin' ireo vondrom-piarahamonina kristiana voalohany ireo dia nahasarika olona "[[Matahotra an' Andriamanitra|natahotra an' Andriamanitra]]", izany hoe ireo Grika-Rômana niray fo tamin' ny jodaisma nefa tsy nety niova finoana ho amin' izany fivavahana izany fa nitazona ny maha [[Jentilisa]] na Jentily (tsy Jiosy) azy, izay efa nitsidika [[sinagôga]] jiosy.[37][38] Niteraka olana ny fampidirana ny Jentilisa, satria tsy afaka nitandrina tsara ny [[Halakà]] izy ireo. I Saoly avy any Tarsosy, izay fantatra amin’ ny anarana hoe [[Paoly Apôstôly]], dia nanenjika ny Kristiana jiosy tany am-boalohany, nefa niova fo taty aoriana sy nanomboka ny asa nanirahana azy tany amin’ ny Jentilisa[37]. Ny tena zava-dehibe amin’ ny [[taratasin' i Paoly]] dia ny fampidirana ny Jentilisa ao amin’ ny [[Fanekem-pihavanana vaovao]]<nowiki/>n’ Andriamanitra, izay mandefa hafatra fa ny finoana an’ i Kristy dia ampy hahazoana ny [[famonjena]][37][39][40]. Noho io fampidirana ny Jentilisa io, dia niova ny toetran' ny kristianisma voalohany ary nitombo tsikelikely ivelan' ny [[jodaisma]] nandritra ny taonjato roa voalohany amin' ny vanim-potoana kristiana.[37] Nanao tonon-tsiahy lovantsofina i Eosebio sy Epifanio avy any Salamisy, izay [[Rain' ny Fiangonana]], tamin’ ny taonjato fahefatra fa talohan’ ny nandravana an’ i [[Jerosalema]] tamin’ ny taona 70, nampitandremana tamin’ ny fomba mahagaga ny Kristiana mba handositra ho any Pela, any amin’ ny faritr’ i [[Dekapôlisy]], any ampitan’ ny ony Jôrdana.[41]
Ny Filazantsara sy ny Epistily ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]] dia mirakitra ireo fiekem-pinoana sy fihirana tany am-boalohany, ary koa ny fitantarana momba ny [[fijalian' i Jesoa]], ny [[fasana foana]] ary ny fisehoany taorin' ny [[Fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty|fitsanganany amin' ny maty]][43]. Ny kristianisma tany am-boalohany dia niely hatrany tamin' ny mpino tao amin' ireo vahoaka [[Fiteny arameana|miteny arameana]] teny amin' ny tany manamorona amoron' ny [[Ranomasina Mediteranea]] ary koa tany amin' ny faritra afovoan' ny [[Empira Rômana]] sy tany amin' ny faritra hafa, tany amin' ny [[Empira Partiana]] sy ny [[Empira Sasaniana]] tatỳ aoriana, anisan' izany i [[Mesôpôtamia]], izay nanjaka tamin' ny vanim-potoana samy hafa amin' ireo fanjakana ireo.[44]
=== Vanim-potoana ante-nikeana ===
Ny vanim-potoana talohan' ny [[Kônsily voalohany tao Nikea|Kônsily tao Nikea]] (na Nisea) dia vanim-potoana taorian' ny vanim-potoana apôstôlika ka hatramin' ity [[kônsily]] ity tamin' ny taona 325. Tamin' ny fiandohan' ny vanim-potoana nikeana niely nanerana an' i [[Eorôpa Andrefana]] sy ny Lemaka Mediteraneana ary any [[Afrika Avaratra]] sy [[Afrika Atsinanana|Atsinanana]] ny finoana. Nisy rafitry ny Fiangonana ara-dalàna kokoa nipoitra avy tamin’ ireo vondrom-piarahamonina tany am-boalohany, ary nivelatra ny [[foto-pampianarana]] kristiana samihafa. Nihataka tamin’ ny [[jodaisma]] ny [[kristianisma]], ka namorona ny maha-izy azy manokana tamin’ ny alalan’ ny fandavana mafy ny jodaisma sy ny fanao jiosy.
==== Fampandrosoana ny rafi-piangonana ====
Nitombo teo amin' ny 40% teo ho eo isan-taona ny isan' ny Kristiana nandritra ny taonjato voalohany sy faharoa.[45] Tao amin' ny fiangonana taorian' ny Apôstôly dia nisy ambaratongam-pitondram-pivavahana nipoitra tsikelikely satria ny mpiandraikitra ny vahoaka kristiana an-tanàn-dehibe dia naka endrika "''episkopoi''" (mpiandraikitra; niandohan' ny teny hoe "eveka" sy "episkôpaly") sy "''presbyter''" (loholona; niandohan' ny teny hoe "pretra") ary avy eo "diakon" (mpanompo; niavian' ny hoe "diakôna" na "diakra"). Saingy nipoitra tsikelikely izany ary tamin' ny fotoana samihafa tany amin' ny toerana samihafa. Klemento, evekan’ i Rôma tamin’ ny taonjato voalohany, dia nanondro ny mpitarika ny fiangonana kôrintiana tao amin’ ny epistiliny ho an’ ny Kôrintiana ho "eveka" sy "presbitera" mifandimby. Ny mpanoratra ao amin' ny Testamenta Vaovao koa dia mampiasa ny teny hoe mpiandraikitra sy loholona amin' ny fifandimbiasana sy amin' ny teny mitovy hevitra.[46]
==== Kristianisma isan-karazany ====
Ny vanim-potoana ante-nikeana dia nahita ny firongatry ny sekta sy fivavahana ary hetsika kristiana marobe izay nanana toetra mampiray sy matanjaka izay tsy ampy tamin' ny vanim-potoanan' ny Apôstôly. Samy nanana ny fandikana ny Baiboly izy ireo, indrindra fa ny momba ny foto-pampianarana teôlôjika toy ny maha-Andriamanitra an’ i Jesoa sy ny toetran’ ny Trinite. Maro amin' ny fiovaovana nisy nandritra izany fotoana izany no manohitra ny fanasokajiana tsara, satria ny endrika samihafan' ny kristianisma dia nifanerasera tamin' ny fomba sarotra mba hamoronana ny toetran' ny kristianisma mavitrika izay nisy nandritra izany vanim-potoana izany. Ny vanim-potoana taorian' ny Andro Aapôstôlika dia samy hafa na teo amin' ny finoana sy ny fanao. Ho fanampin' ny sampana midadasika amin' ny sampana kristianisma, dia nisy fiovana tsy tapaka sy fahasamihafàna izay niteraka fifandirana teo amin' ny samy ao anatiny sy ny fananganana sinkretisma.[47][48][49][50]
==== Fampandrosoana ny kanônan' ny Baiboly ====
Ny epistilin' i Paoly dia nivezivezy tamin' ny endrika voaangona tamin' ny faran' ny taonjato voalohany.[51] Tany am-piandohan' ny taonjato faha-3 dia nisy andiana asa soratra kristiana mitovy amin' ny Testamenta Vaovao ankehitriny, na dia mbola nisy aza ny fifandirana momba ny maha-kanônika ny [[Epistily ho an' ny Hebreo]], ny [[Epistilin' i Jakoba]], ny [[Epistily voalohan' i Petera]], ny [[Epistily voalohan' i Joany|Epistily voalohany]] sy [[Epistily faharoan' i Joany|faharoan' i Joany]] ary ny [[Apôkalipsin' i Joany|Apôkalipsy]].[52][53] Tamin' ny taonjato faha-4, dia nisy firaisankina teo amin' ny Tandrefana momba ny kanônan' ny [[Testamenta Vaovao]], [54] ary tamin' ny taonjato faha-5 dia nanaiky ny Bokin' ny Apôkalipsy ny Atsinanana, afa-tsy ny maningana vitsivitsy, ka dia nifanaraka tamin' io raharaha io. ny kanôna.[55]
==== Asa soratra prôtô-ôrtôdôksa ====
Rehefa niely nanerana ny tanin’ ny Empira Rômana sy tany ivelan’ ny sisin-taniny ny kristianisma, dia nahazo mpikambana sasany avy amin’ ny saranga ara-tsôsialy ambony sy ny nahita fianarana tsara teo amin’ ny tontolo grika izy; lasa eveka izy ireo indraindray. Namokatra karazana asa roa izy ireo, dia ny teôlôjia sy ny apôlôjia, ary ireto farany dia asa natao hiarovana ny finoana kristiana amin’ ny fampiasana ny saina sy ny filôzôfia ary ny Soratra Masina mba hanoherana ny hevitra manohitra ny fahamarinan’ ny kristianisma. Ireo mpanoratra ireo dia fantatra amin' ny anarana hoe Rain' ny Fiangonana na Abc ny Eglizy, ary ny fandalinana ny fiainany sy ny asa sorany dia antsoina hoe patistika. Anisan' ireo Rain' ny Fiangonana voalohany malaza i Ignatiôsy avy any Antiôkia, i Pôlikarpôsy, i Jostinôsy Martira, i Ireneo, i Klemento avy any Aleksandria, i Tertoliano, ary i Ôrigenesy.
==== Zavakanton' ny Kristiana voalohany ====
Ny zavakanto sy ny maritrano kristiana tany am-boalohany dia nipoitra somary tara ary ny sary kristiana voalohany fantatra dia nipoitra tamin' ny taona 200 tany ho any, [56] na dia misy porofo avy amin' ny literatiora aza fa nampiasaina teo aloha ny sary kely an-trano. katakomba, nisy tamin' ny 200 teo ho eo, ary ny sary sokitra kristiana tranainy indrindra dia avy amin' ny sarkôfazy, nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-3.[57] Ny fandavana ny sary tany am-boalohany, sy ny tsy maintsy hanafenana ny fanao kristiana amin' ny fanenjehana, dia namela firaketana an-tsoratra vitsivitsy momba ny kristianisma voalohany sy ny fivoarany.[57]
==== Fanenjehana sy fanaovana ho ara-dalàna ====
Tsy nisy fanenjehana nanerana ny empira ny Kristiana hatramin' ny nanjakan' i Dekio tamin' ny taonjato faha-3.[58] Ny fanenjehana farany sy mafy indrindra nokarakarain' ny manampahefana rômana dia ny fanenjehana nataon' i Diôkletiano taming ny taona, 303 hatramin' ny 311.[59]
Ny Didin' i Serdica dia navoaka tamin' ny 311 avy amin' ny emperora rômana Galerio, izay namarana tamin' ny fomba ôfisialy ny fanenjehana ny Kristiana tany Atsinanana. Tamin’ ny famoahana ny Didin’ i Milano (313), izay nametrahan’ ny emperora rômana Konstantino Lehibe sy i Likinio ho ara-dalàna ny fivavahana kristiana, dia nitsahatra ny fanenjehana ny Kristiana nataon’ ny Empira Rômana[60].
Ny Fanjakan' i Armenia no firenena voalohany teto amin' izao tontolo izao nametraka ny kristianisma ho fivavaham-panjakana, rehefa, tamin' ny hetsika fanao mahazatra tamin' ny taona 301, i Gregôrio ilay Mpanazava nandresy lahatra an' i Tiridatesy III, mpanjakan' i Armenia, hiova ho Kristiana.
== Ampahany farany amin' ny Andro Taloha (325–476) ==
=== Ny fitaoman’ ny emperora Kônstantino ===
Sarotra ny hamantarana hoe hatraiza ny kristianisma noraisin’ ny emperora rômana Kônstantino tamin’ io fotoana io,[61] fa ny nidirany dia kihon-dalana ho an’ ny Fiangonana kristiana. Nanohana ara-bola ny Eglizy izy, nanorina bazilika isan-karazany, nanome tombontsoa (ohatra: fanafahana amin’ ny hetra sasany) ho an’ ny mpitondra fiangonana, nampisondrotra ny Kristiana ho amin’ ny toerana ambony sasany, ary namerina ny fananana nogiazana [62] . Nandray anjara mavitrika tamin’ ny fitarihana ny Fiangonana i Kônstantino. Tamin' ny taona 316, dia nitsara ny ady tany Afrika Avaratra momba ny adihevitra mikasika ny dônatista izy. Ny zava-dehibe kokoa, tamin' ny 325 dia nampiantso ny Kônsilin' i Nikea izy, izay kônsily ekiomenika voalohany. Noho izany dia nametraka ohatra ho an’ ny emperora izy ho tompon’ andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahasalamana ara-panahin’ ireo olom-peheziny, ary noho izany dia manana adidy hihazona ny ôrtôdôksia. Izy dia tokony hampihatra ny foto-pampianarana, hamongotra ny fivavahan-diso, ary hanohana ny firaisan-kina ara-pivavahana[63].
Ilay mpandimby ny zanak' i Kônstantino, atao hoe Joliano, zana-drahalahiny, teo ambany fitarihan' i Mardônio mpanolo-tsaina azy, dia nandao ny kristianisma ary nandray ny endriky ny paganisma grika-rômana neôplatônika sy mistika, izay nanafintohina ny fiorenan' ny Kristiana[64]. Niezaka namelona indray ny paganisma grika-rômana tao amin’ ny Empira Romana izy ary nanomboka tamin’ ny fanokafana indray ny tempolin’ izany fivavahana izany, ka nanova azy ireo hitovy amin’ ny fomba kristiana, toy ny rafitra episkôpaly sy ny fiantrana ampahibemaso (izay tsy fantatra teo amin’ ny fivavahana grika-romana). Nifarana ny fotoana fohy nanjakan’ i Joliano rehefa maty tamin’ ny ady tamin’ ny Persiana izy (363).
=== Ny arianisma sy ny kônsily ekiomenika voalohany ===
Ny fotopampianaran' ny kristôlôjia manohitra ny Trinite malaza izay niely nanerana ny Empira Romana nanomboka tamin' ny taonjato faha-4 dia ny arianisma, [65] [66] naorin' ny presbitera kristiana Ariosy avy any Aleksandria, any Egipta, izay nampianatra fa i Jesoa Kristy dia zavaboary miavaka sy ambany noho Andriamanitra Ray.[65][66]
Na dia nohelohina ho fivavahan-diso aza ny fampianaran' i Ariosy ary nesorin’ ny Eglizy tao amin’ ny Empira Rômana tamin’ ny farany, dia nalaza hatrany ivelan' ny tanin' Ilay empira izy io nandritra ny fotoana elaela. Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-4, i Olfila, eveka romana mpomba ny arianisma, no voatendry ho misionera kristiana voalohany tany amin' ny Gôty, vahoaka jermanika tany amin' ny ampahanynbe amon' i Eorôpa teo amin' ny sisin-tany sy tao anatin' ny Empira Rômana.[65][66] I Olfila dia nampiely ny arianisma teo amin' ny Gôty, nampiorina mafy ny finoana teo amin' ny foko jermanika maro, ka nanampy azy ireo hitoetra tsy hitovy amin' ny kolontsaina sy ny fivavahan' ny Kristiana kalkedôniana.[65][66][67]
Nandritra io vanim-potoana io, dia natao ny kônsily ekiomenika voalohany. Niadian-kevitra ny fifandirana ara-pinoana sy ara-pivavahana. Ny Kônsily voalohany tao Nikea (325) sy ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpla (381) dia niafara tamin’ ny fanamelohana ny arianisma ho fivavahan-diso ary namoaka ny Fanekem-pinoana nikeana.
=== Ny kristianisma lasa fivavaham-panjakana rômana ===
Tamin' ny 27 Febroary 380, tamin' ny alàlan' ny Didin' i Tesalônika navoaka teo ambany fahefàn' i Teôdôsio I sy i Gratiano ary i Valentiniano II, ny Empira Rômana dia nandray tamin' ny fomba ôfisialy ny kristianisma trinitariana ho fivavaham-panjakana. Talohan’ io daty io, i Kônstantio II sy i Valentio dia nankasitraka manokana ny kristianisma ariana na semi-ariana, saingy i Teôdôsio I, mpandimby an’ i Valentio, dia nanohana ny fampianarana momba ny Trinite, araka ny nohazavaina tao amin’ ny Fiekem-pinoana nikeana.
Taorian' ny niorenany, ny Fiangonana dia nandray ny sisin-tanin' ny fandaminana mitovy amin' ny Empira: faritany ara-jeôgrafia, antsoina hoe diôsezy, mifanitsy amin' ny fizarazaran' ny governemantan' ny empira. Ireo eveka, izay nipetraka tao amin' ny tanàna lehibe toy ny tamin' ny fomba mahazatra talohan' ny lalàna, dia nanara-maso ny diôsezy tsirairay. Tamin’ ireo fari-piadidian' ny eveka ireo, dia nisy dimy lasa nitana toerana ambony: i Rôma, i Kônstantinôpla, i Jerosalema, i Antiôkia, ary i Aleksandria. Niankina tamin’ ny Apôstôly mpanorina azy ireo ny lazan’ ny ankamaroan’ ireo toerana ireo, ka ny eveka no mpandimby ara-panahy. Na dia mbola noheverina ho voalohany teo amin’ ireo mitovy aminy aza ny evekan’ i Rôma, dia i Kônstantinôpla no laharana faharoa tamin’ ny maha-renivohitra vaovaon’ ny Empira azy.
Namoaka didy i Teôdôsio I fa ireo izay tsy mino ny "lovam-pampianarana mahatoky", toy ny Trinite, dia tokony hoheverina ho mpanao fivavahan-diso tsy ara-dalàna, [68] ary tamin' ny 385, izany no nahatonga ny Fanjakana ho voalohany, fa tsy ny Fiangonana, nanao fanasaziana ho faty ny mpivadi-pinoana, dia i Priskiliano.[69][70]
=== Ny Fiangonan' ny Atsinanana sy ny Empira Sasaniana ===
Nandritra ny fiandohan' ny taonjato faha-5, ny Sekolin' i Edesa dia nampianatra fomba fijery kristôlôjika izay milaza fa ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona an' i Kristy dia midika fa olona miavaka izy. Ny vokany manokana amin’ io fomba fijery io dia ny hoe tsy azo antsoina araka ny tokony ho Renin’ Andriamanitra i Maria fa azo raisina ho Renin’ i Kristy ihany. Ny mpomba an' io fomba fijery io malaza indrindra dia ny patriarkan' i Kônstantinôpla antsoina hoe Nestôriôsy. Hatramin' ny niantsoana an' i Maria ho Renin' Andriamanitra dia nanjary nalaza tany amin' ny faritra maro tao amin' ny Fiangonana ka nanjary olana mampisara-bazana izany.
Nangataka ny hanaovana ny Kônsilin’ i Efesôsy (431) i Teôdôsio II, emperora rômana, mba handaminana ilay raharaha. Nolavin' ny kôsily tamin' ny farany ny hevitr' i Nestôriosy. Nisaraka tamin’ ny Eglizy Rômana ny fiangonana maro nanaraka ny fomba fijerin’ ny Nestôriana, ka niteraka fisarahana lehibe izany. Nesorina ny fiangonana nestoriana, ary maro ny mpanara-dia nandositra nankany amin’ ny Empira Sasaniana izay nanaiky izany. Ny Empira Sasaniana (Persiana) dia nanana Kristianina niova fo maro tany am-piandohan' ny tantarany, nifamatotra akaiky tamin' ny sampana siriakan' ny kristianisma. Zôrôastriana tamin' ny fomba ôfisialy ny Empira Sasaniana ary nifikitra mafy tamin' io finoana io, amin' ny ampahany mba hanavahany ny tenany amin' ny fivavahan' ny Empira Rômana (ny paganisma grika-rômana tany am-boalohany ary avy eo ny kristianisma). Nanjary noleferina ny kristianisma tao amin' ny Empira Sasaniana, ary rehefa nihamaro ny mpivadi-pinoana vokatry ny nataon' ny Empira Rômana nandritra ny taonjato faha-4 sy faha-6, dia nitombo haingana ny vondrom-piarahamonina kristiana sasaniana.[71] Tamin' ny faran' ny taonjato faha-5 dia niorina mafy ny Fiangonana Persiana ary nanjary nahaleo tena tamin' ny Fiangonana Rômana. Io fiangonana io dia nivoatra ka lasa ilay antsoina ankehitriny hoe Fiangonan' ny Atsinanana.
Tamin' ny taona 451, ny Kônsilin' i Kalkedôna dia natao mba hanazavana bebe kokoa ny olana ara-kristôlôjia manodidina ny nestôrianisma. Ny kônsily tamin' ny farany dia nanambara fa ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona an' i Kristy dia misaraka fa samy ao anatin' ny singa iray, fomba fijery nolavin' ny fiangonana maro izay niantso ny tenany ho miafizita izany. Niteraka fiandanian' ny fiangonana izany fisarahana izany, anisan' izany ny Fiangonana Armeniana sy Siriana ary Ejipsiana[72] Na dia nisy ezaka natao tamin’ ny fampihavanana aza nandritra ny taonjato vitsivitsy nanaraka, dia nitohy hatrany ny fisarahana, ka niteraka ilay antsoina ankehitriny hoe Ôrtôdôksa Tatsinanana.
=== Mônastisisma ===
Ny mônastisisma dia ny fanaon' ny olona izay miala amin' ny fikatsahana izao tontolo izao ary mandeha irery ho mpitoka-monina (hermita) na miditra amin' ny vondrom-piarahamonina voalamina tsara. Nanomboka tany am-boalohany tao amin’ ny Fiangonana kristiana izy io tamin’ ny maha fianakaviana nanana fanao ifandovana mitovy amin’ izany, nalaina tamin’ ny ohatra sy foto-kevitra araka ny Soratra Masina, ary avy amin’ ny fakan' ny sasany tahaka ny jodaisma. I Joany Mpanao Batisa no hita ho moanina (na monka) môdely voalohany, ary ny mônastisisma dia nentanin' ny fandaminana tao amin' ny vondrom-piarahamonin' ny Apôstôly araka ny voarakitra ao amin' ny Asan' ny Apôstôly (Asa 2:42–47).[73]
Mpanoratra kristiana malaza tamin' ny tapany farany amin' ny Andro Taloha toa an' i Ôrigenesy, i Hierônimôsy (na Jerôma), i Joany Krisôstôma, ary i Aogostino avy any Hipôna, no nandika ny hevitry ny lahatsoratra ao amin' ny Baiboly tao anatin' ny tontolom-pivavahana feno fanavakavahana.[74] Ny ohatra ara-Baiboly momba ny asketisma dia hita teo amin' ny fiainan' i Joany Mpanao Batisa, i Jesoa Kristy, ny Apôstôly roa ambin' ny folo ary i Paoly Apôstôly.[74] Nahariharin’ ny Horonan-tsoratry ny Ranomasina Maty ny fanaon’ ny
Eseniana, sekta jiosy fahiny, izay nivoady fa hifady hanomanana ady masina. Ny fanantitranterana ny fiainana ara-pivavahana asketika dia hita tao amin' ny asa soratra kristiana voalohany (jereo: Filôkalia) sy ny fanao tamin' izany fotoana izany (jereo: hesikasma). Anisan' ireo mpivavaka kristianina hafa amin' ny asketisma ny olo-masina toa an' i Paoly Hermita, i Simeôna Stilita, i Davida avy any Valesa, i Joany avy any Damaskôsy, ary i Fransisko avy any Assise.[74]
Ny Tany efitr' i Afovoany Atsinanana dia nisy fotoana nonenan' ny lehilahy sy vehivavy kristiana asketika sy hermita ary ankôrita an' arivony, [75] anisan' izany i Md Antôniôsy Lehibe (fantatra amin' ny anarana hoe Md Antôniôsy avy any an' Efitra), Mb Maria avy any Ejipta, ary Md Simeôna Stilita, fantatra amin' ny anarana hoe Rain' ny Taniefitra sy Renin' ny Taniefitra. Tamin' ny taona 963 dia niforona ny fikambanan' ny mônastera antsoina hoe Lavra teo amin' ny Tendrombohitra Athos, araka ny lovantsofina ôrtôdôksa tatsinanana.[76] Io no ivon-toerana manan-danja indrindra amin' ireo antokon' olona asketika kristiana ôrtôdôksa nandritra ny taonjato maro nanaraka.[76] Amin' izao vanim-potoana môderina izao, ny Tendrombohitra Athos sy Meteora dia nitoetra ho foibe manan-danja lehibe.[77]
Miaina irery ny moanina ermita na hermita, fa ny kenôbitika kosa dia miaina ao anaty vondrom-piarahamonina, amin' ny ankapobeny ao amin' ny mônastera, eo ambanin' ny fitsipika (na fitsipika fanao) ary fehezin' ny abôta. Tany am-boalohany, ny moanina kristiana rehetra dia mpitolona, nanaraka ny ohatr’ i Antôniôsy Lehibe. Na izany aza, ny filana endrika fitarihana ara-panahy voalamina dia nitarika an' i Pakômiôsy tamin' ny taona 318 mba handamina ny mpanara-dia azy maro ho lasa monastera voalohany. Tsy ela dia nisy andrim-pandaminana toy izany naorina nanerana ny tany efitr’ i Ejipta sy ny sisa tamin’ ny tapany atsinanan’ ny Empira Rômana. Tena nahasarika ny vehivavy izany hetsika izany.[78] Isan' ny ivon' ny fampandrosoana ny mônastisisma dia i Basiliôsy Lehibe any Atsinanana ary, any Andrefana, i Benedikto (na Benoà), namorona ny Fitsipik' i Md Benedikto, izay ho lasa fitsipika mahazatra indrindra mandritra ny Andro Antenatenany sy ny fiandohan' ny fitsipika mônastika hafa. [79]
== Tapany voalohany amin' ny Andro Antenatenany (476–842) ==
Ny tetezamita mankany amin' ny fiandohan' ny Andro Antenatenany dia dingana tsikelikely sy isan-toerana. Nitombo ny faritra ambanivohitra noho ny tobim-pamokarana raha nihena ny tanàn-dehibe. Na dia betsaka kokoa aza ny Kristiana nijanona tany Atsinanana (faritra grika), dia nisy fivoarana lehibe teo amin’ ny Tandrefana (faritra latina), ary samy nanana endrika miavaka. Ny evekan’ i Rôma nifandimby, izany hoe ny papa, dia voatery nampifanaraka tamin’ ny toe-javatra niova be. Tsy nifikitra afa-tsy tamin’ ny emperora izy ireo, ka voatery nifampiraharaha tamin’ ny “mpanapaka barbarianina” tany amin’ ny faritany rômana rehetra taloha. Tany Atsinanana, ny Fiangonana dia nitazona ny rafitra sy ny toetrany ary nivoatra tsikelikely.
=== Fanitarana nataony ny misiônera tandrefana ===
Nifanindry tamin' ny ezaka misiônera tany am-boalohany tany amin' ny faritra tsy voafehin' ny fanjakana nirodana ny famoizana tsikelikely ny fanjakan' ny Empira Rômana Tandrefana, nosoloina ny fanjakana federaly sy jermanika.[80] Tany am-piandohan' ny taonjato faha-5, ny asa misiônera avy any Britaina Lehibe rômana ho any amin' ny faritra seltika (Ekôsy sy Irlandy ary Valesa) dia namokatra fomba fanao nifaninana tamin' ny kristianisma seltika, izay naverina teo ambany fifehezan' ny Fiangonana tany Rôma tatỳ aoriana. Ny misiônera nalaza tany Eorôpa Avaratra-Andrefana tamin’ izany fotoana izany dia ny olo-masina kristiana Patrick sy Columba ary Columbanus. Ny vahoaka anglô-saksôna izay nanafika an' i Britaina Lehibe atsimo, fotoana fohy taorian' ny nandaozan' ny Rômana dia mpanaraka ny paganisma tamin' ny voalohany, saingy nampiova fo ho amin' ny kristianisma tamin' ny alalan' i Aogostino avy any Canterbéry noho ny asa nanirahana ny papa Gregôrio Lehibe. Tsy ela dia lasa foiben' ny misiônera, ny misiônera toa an' i Wilfrid sy i Willibrord sy i Lullus ary i Boniface dia nampiova fo ny havany Saksôna tany Jermania.
Ny ankamaroan' ny Kristianina galô-rômana monina any Galia (Frantsa sy Belzika ankehitriny) dia resin' ny Franka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-5. Nenjehina ny tompon-tany mandra-piovan’ ny mpanjaka Francis Clovis I avy amin’ ny paganisma ho amin’ ny fivavahana katôlika rômana, tamin’ ny 496. Nanizingizina i Clovis fa hanaraka an’ izany ireo andriana namany, ka nanamafy ny fanjakany vao niorina tamin’ ny fampiraisana ny finoan’ ny mpitondra sy ny an’ ny vahoaka [81]. Taorian’ ny nipoiran’ ny Fanjakana Franka sy ny toe-draharaha ara-pôlitika nilamina, dia nampitombo ny asan’ ny misiônera ny tapany andrefana tamin’ ny Fiangonana, izay notohanan’ ny tarana-mpanjaka merovinjiana ho fitaovana hampitoniana ny mponina manodidina sahirana. Taorian' ny nanorenan' ny fiangonana iray tao Utrecht nataon' i Willibrord, dia nitranga ny fihenjanana rehefa nandrava foibe kristiana maro ny mpanjaka Frisian Radbod teo anelanelan' ny taona 716 sy 719. Tamin' ny taona 717, i Boniface, misiônera anglisy, dia nalefa hanampy an' i Willibrord, nanangana indray ny fiangonana rehetra tany Frisia ary nanohy ny asa fitoriana any Jermania.[81] Nandritra ny faramparan' ny taonjato faha-8, dia nampiasa famonoana faobe i Charlemagne mba handresena ny Saksôna mpanaraka ny paganisma sy hanerena azy ireo hanaiky ny kristianisma [82].
=== Kalifata Rasidona ===
Koa satria ny Kristiana dia heverina ho "Olon' ny Boky" ao amin' ny fivavahana silamo, ny Kristianina teo ambany fitondran' ny Miozolmana dia niharan' ny satan' ny dhimmi (miaraka amin' ny Jiosy, ny Samaritana, ny Gnôstika, ny Mandeana, ary ny Zôrôastriana), izay ambany noho ny satan' ny Miozolmana. [83][84][85] Niatrika fanavakavahana ara-pivavahana sy fanenjehana noho izany ny Kristianina sy ny antokom-pivavahana vitsy madinika vokatry ny fandrarana azy ireo tsy hitahita ny olona hiova finoana (ho an’ ny Kristianina dia voarara ny mitory ny filazantsara na manaparitaka ny kristianisma) tany amin’ ireo tany azon’ ny Arabo miozolmana noho ny fanaintainan’ ny fahafatesana, voarara tsy hitondra fitaovam-piadiana, nanao asa sasany, ary voatery nanao fitafiana hafa izy ireo mba hampiavaka ny tenany amin' ny Arabo[84] . Teo ambanin' ny lalàna silamo (sharīʿa), ny tsy Miozolmana dia voatery nandoa ny hetra atao hoe jizya sy kharaj, [83][84][85] miaraka amin' ny vidim-panavotana mavesatra ara-potoana nalain' ny mpitondra miozolmana amin' ny vondrom-piarahamonina kristiana mba hamatsiana ny fampielezan-kevitra ara-miaramila. Tamin' izany dia nitondra ampahany betsaka amin' ny fidiram-bola ho an' ny fanjakana silamo ary nampahantra ny Kristiana maro, ary ireo fahasahiranana ara-bola sy ara-tsôsialy ireo dia nanery ny Kristiana maro hivadika ho Miozolmana.[84] Ireo Kristiana tsy afaka nandoa ireo hetra ireo dia voatery nanolotra ny zanany ho an' ireo mpitondra miozolmana izay hivarotra azy ireo ho andevo ho an' ny tokantrano miozolmana na voatery hivadika ho Miozolmana.[84]
Araka ny fomban' ny Eglizy Ôrtôdôksa Siriaka, ny fandresen' ny Miozolmana any Ampiposahana dia fanamaivanana ho an' ireo Kristiana ampahorian' ny Empira Rômana Tandrefana[85]. Mikaela Syriana, patriarika tany Antiôkia, dia nanoratra tatỳ aoriana fa ny Andriamanitry ny Kristiana dia “nanandratra ny zanak’ i Ismaela avy tany atsimo mba hanafaka antsika amin’ ny tanan’ ny Rômana”[85]. Ny vondrom-piarahamonina kristiana isan-karazany any amin' ny faritr' i Palestina sy Siria sy Libanona ary Armenia dia nankahala ny fitondran' ny Empira Rômana Tandrefana na ny an' ny Empira Bizantina, ka noho izany dia naleony niaina tao anatin' ny toe-javatra ara-toekarena sy ara-pôlitika tsara kokoa noho ny dhimmi teo ambany fitondran' ny Miozolmana.[85] Na izany aza, ny mpahay tantara môderna dia manaiky ihany koa fa ny vahoaka kristiana monina any amin' ireo tany azon' ny tafika arabo miozolmana teo anelanelan' ny taonjato faha-7 sy faha-10 dia niharan' ny fanenjehana sy herisetra ara-pivavahana ary maritiora imbetsaka teo am-pelan-tanan' ny manampahefana sy mpanapaka miozolomana arabo [85]. ][86][87][88] maro no novonoina teo ambanin' ny fanamelohana ho faty araka ny lalàna islamika noho ny fiarovana ny finoana kristiana tamin' ny alalan' ny hetsika fanoherana mahery vaika toy ny fandavana ny hiova finoana ho Miozolmana, ny fandavana ny fivavahana silamo ary ny fiverenana amin' ny kristianisma avy eo, ary ny fitenenan-dratsy ny Andriamanitry ny finoana silamo.[86][87][88]
=== Kalifata Ômeiada ===
Araka ny Sekoly Ḥanafī momba ny lalàna silamo (sharīʿa), ny fijoroana vavolombelona ataon' ny tsy miozolmana (toy ny Kristiana na Jiosy) dia tsy noheverina ho manan-kery manoloana ny fijoroana vavolombelona ataon' ny Miozolmana amin' ny raharaha ara-dalàna na sivily. Ara-tantara, ao amin' ny kolontsaina miozolmana sy ny lalàna silamo nentim-paharazana dia voarara ny vehivavy miozolmana tsy hanambady lehilahy kristiana na jiosy, fa ny lehilahy miozolmana kosa dia navela hanambady vehivavy kristiana na jiosy[89][90] (jereo ny: fanambadiana iraisam-pinoana ao amin' ny fivavahana silamo). Ny Kristiana teo ambany fitondran' ny Miozolmana dia nanana zo hivadika ho Miozolmana na fivavahana hafa, raha mifanohitra amin' izany kosa ny murtad, na mpivadi-pinoana amin' ny finoana silamo, dia nahazo sazy henjana na hadd mihitsy aza, izay mety ahitana ny fanamelohana ho faty araka ny lalàna islamika.[86][87][88] ]
Amin' ny ankapobeny, ny Kristiana teo ambany fitondrana islamika dia navela hanatanteraka ny fivavahany miaraka amin' ny fetra miavaka sasany avy amin' ny Dina apôkrifan' i Umar. Io fifanarahana io, izay heverina fa natao tamin’ ny taona 717, dia nandrara ny Kristiana tsy hampiseho ampahibemaso ny hazo fijaliana teo amin’ ny trano fiangonany, tsy hiantso ny mpiangona hivavaka amin’ ny alalan' ny lakolosy, tsy hanorina indray na hanamboatra fiangonana sy mônasitera taorian’ ny fandravana na fahasimbana, ary nametraka fameperana hafa mifandraika amin' ny asa sy fitafiana ary fitaovam-piadiana[91] Nanenjika Kristiana berbera maro ny Kalifata Omeiada tamin' ny taonjato faha-7 sy faha-8, ka niova tsikelikely ho amin' ny finoana silamo ireo Kristiana ireo.[92]
Tany Umayyad al-Andalus (amin'ny Saikinosin'i Iberiana), ny sekolin'ny lalàna Islamika Malikī no tena nanjaka.[87] Ny fahafatesan'ny maritiora kristiana valo amby efapolo izay nitranga tao amin'ny Emirat of Córdoba teo anelanelan'ny taona 850 sy 859 AD[93] dia voarakitra ao amin'ny trakta hagiographique nosoratan'i Eulogius of Córdoba, Kristiana Iberiana sy Latinista manam-pahaizana.[86][87][88]. ] Novonoina teo ambany fitondran'i Abd al-Rahman II sy Muhammad I ireo maritiora tao Córdoba, ary ny hagiographie an'i Eulogius dia mamaritra amin'ny antsipiriany ny famonoana ireo maritiora noho ny fanitsakitsahana ny lalàna Islamika, anisan'izany ny fivadiham-pinoana sy ny fitenenan-dratsy.[86][87][86] 88]
=== Kalifata Abbasid ===
Mpahay siansa Kristiana tatsinanana sy manam-pahaizana momba ny tontolo Islamika tamin'ny Andro Antenatenany (indrindra fa ny Kristiana Jacobita sy Nestorian) dia nandray anjara tamin'ny sivilizasiona Islamika Arabo nandritra ny fitondran'ny Omayyad sy ny Abbasid, tamin'ny fandikana ny sangan'asan'ny filozofa grika ho amin'ny teny Syriac ary taorian'izay, tamin'ny teny Arabo.[94] [95][96] Nahay filozofia, siansa, teolojia ary fitsaboana koa izy ireo.[97][98][99] Ary ny mpitsabo manokana an'ny Kalifa Abbasid dia matetika Kristiana Asyriana toy ny tarana-mpanjaka Bukhtishu naharitra ela.
Ny Kalifa Abbasid dia tsy nandefitra loatra tamin'ny Kristianisma raha oharina tamin'ireo kalifa Omayyad[85]. Na izany aza, dia nanohy niasa tao amin'ny governemanta ny manam-pahefana kristianina, ary matetika ny Kristianina ao amin'ny Fiangonan'ny Tatsinanana no nandika ny filozofia grika fahiny sy ny matematika grika.[85] Ny asa soratr'i al-Jahiz dia nanafika ny Kristiana noho ny fanambinana loatra, ary milaza fa afaka tsy miraharaha na dia ireo fameperana napetraky ny fanjakana aza [85]. Tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-9, ny patriarkan'i Jerosalema, Theodosius, dia nanoratra tamin'ny mpiara-miasa taminy, ilay patriarkan'i Constantinople Ignatios, fa "marina izy ireo ary tsy manisy ratsy antsika na mampiseho herisetra amintsika".[85]
Elias avy any Heliopolisy, rehefa nifindra tany Damaskosy avy any Heliopolisy (Ba'albek), dia voampanga ho nivadi-pinoana tamin'ny Kristianisma rehefa avy nanatrika fety nokarakarain'ny Arabo silamo iray, ary voatery nandositra an'i Damaskosy ho any amin'ny tanàna niaviany, ary niverina valo taona taty aoriana, izay nisy azy. ekena sy nogadrain'ny "eparch", angamba ilay mpahay lalàna al-Layth ibn Sa'd.[100]: 34 Rehefa avy nandà ny hivadika ho silamo teo ambany fampijaliana izy dia nentina teo anatrehan'ny emir Damascene sady havan'ny kalifa al-Mahdi ( r. 775–785), Muhammad ibn-Ibrahim, izay nampanantena ny hitondrana tsara raha hiova fo i Elia.[100]: 34 Tamin’ny fandavany imbetsaka, dia nampijalina sy notapahin-doha i Elia ary nodorana ny vatany, notapahana ary natsipy tany amin’ny renirano Chrysorrhoes. (ny Barada) tamin’ny 779 am.f.i.[100]: 34
Araka ny voalazan'ny Synaxarion of Constantinople, ny hegumenos Michael avy any Zobe sy ny moanina enina amby telopolo tao amin'ny Monasiteran'i Zobe akaikin'i Sebasteia (Sivas) dia novonoina tamin'ny fanafihana ny vondrom-piarahamonina. ny Hagarenes", "Alim", angamba i Ali ibn-Sulayman, governora Abbasid izay nanafika ny faritanin'ny Romanina tamin'ny taona 785 taorian'i J.K. I Bacchus dia Palestiniana, izay ny fianakaviany, izay Kristianina, dia niova fo ho amin'ny finoana silamo ny rainy.[100]: 29–30 Bacchus anefa dia nijanona ho crypto-Kristianina ary nanao fivahiniana masina tany Jerosalema, izay natao batisa sy niditra tao amin'ny monasitera. an'i Mar Saba.[100]: 29–30 Ny fihaonany sy ny fianakaviany dia nahatonga azy ireo hiverina ho Kristianina indray ary ny fitsarana sy ny famonoana an'i Bacchus noho ny fivadiham-pinoana teo ambany fitondran'ny emir Harthama ibn A'yan.[100]: 29–30
Taorian'ny Sack of Amorium tamin'ny taona 838, tanàna niavian'ny emperora Theophilos (r. 829–842) sy ny tarana-mpanjaka Amoriana, ny kalifa al-Mu'tasim (r. 833–842) dia nitondra babo romana maherin'ny efapolo [100]: 41–42 Nentina tany Samarra renivohitra izy ireo, ary taorian’ny fito taona nisian’ny adihevitra ara-teôlôjia sy ny fandavana tsy hivadika ho silamo, dia novonoina ho faty izy ireo tamin’ny Martsa 845 teo ambany fitondran’ny kalifa al-Wathiq (r. 842–847).[ 100]: 41–42 Tao anatin'ny taranaka iray dia nohajaina ho maritiora 42 tao Amorium izy ireo. Araka ny filazan'i Euodius, hagiographer-n'izy ireo, izay angamba nanoratra tao anatin'ny taranaka iray nisy ny zava-nitranga, dia i Theophilos sy ny iconoclasma no nahatonga ny faharesena tao Amorium. mpanoratra fantatra amin'ny anarana hoe Michael the Synkellos, anisan'ireo roa amby efapolo i Kallistos, ilay doux an'ny thema Koloneiana, ary ilay maritiora mahery fo Theodore Karteros.[100]: 41–42
Nandritra ny adin'ny Arabo-Byzance tamin'ny taonjato faha-10, ny fandresen'ny Romanina ny Arabo dia niafara tamin'ny fanafihan'ny vahoaka ny Kristianina, izay noheverina fa niray fo tamin'ny fanjakana Romana.[85] Araka ny voalazan'i Bar Hebraeus, katolika ao amin'ny Fiangonan'ny Atsinanana, Abraham III (r. 906–937), dia nanoratra tamin'ny vizier lehibe fa "isika Nestoriana dia naman'ny Arabo ary mivavaka ho an'ny fandreseny". Ny fihetsiky ny Nestorianina “izay tsy manana mpanjaka hafa afa-tsy ny Arabo”, dia nampifanohitra tamin’ny Eglizy Ortodoksa Grika, izay nolazainy fa “tsy nitsahatra niady tamin’ny Arabo ny emperorany [85] Teo anelanelan’ny taona 923 sy 924 am.f.i. rava ny fiangonana tao anatin'ny herisetran'ny vahoaka tao Ramla, Askelona, Kaisaria Maritima, ary Damaskosy.[85] Isaky ny tranga, araka ny filazan'i Eutychius, mpanoratra tantara kristiana Arabo Melkite avy any Aleksandria, ny kalifa al-Muqtadir (r. 908–932) dia nandray anjara tamin'ny ady. fanorenana indray ny fananan’ny Fiangonana.[85]
=== Ikônôklasma bizantina ===
Taorian'ny andian-tafika mahery vaika nanohitra ny Miozolmana, dia nipoitra tao amin'ny faritanin'ny Fanjakana Byzantine ny Iconoclasm tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-8. Tamin'ny taona 720, ny Emperora Byzantine Leo III ny Isaurian dia nandrara ny fanehoana an-tsary an'i Kristy sy ny olo-masina ary ny seho ara-baiboly. Tany Latina Andrefana, ny Papa Grégoire III dia nanao synoda roa tany Roma ary nanameloka ny nataon’i Léon. Ny Filankevitry ny Iconoclast Byzance, natao tao Hieria tamin'ny taona 754 am.f.i., dia nanapa-kevitra fa ny sary masina dia mivadi-pinoana.[101] Ny hetsika iconoclastic dia nandrava ny ankamaroan'ny tantaran'ny zavakanto voalohany tao amin'ny Fiangonana Kristiana. Ny hetsika iconoclastic taty aoriana dia nofaritana ho heretika tamin'ny 787 am.f.i. teo ambanin'ny konsily faharoan'i Nicée (ny konsily ekiomenika fahafito) saingy nisy fitsanganana vetivety teo anelanelan'ny taona 815 sy 842.
== Andro Antenatenany Ambony (800–1299) ==
b6pdr215zfxr2y6oemp0ihff2tdllsi
1046739
1046738
2022-08-07T06:42:50Z
Thelezifor
15140
/* Fanitarana nataony ny misiônera tandrefana */

=== Fanitarana nataon' ny misiônera tandrefana ===
Nifanindry tamin' ny ezaka misiônera tany am-boalohany tany amin' ny faritra tsy voafehin' ny fanjakana nirodana ny famoizana tsikelikely ny fanjakan' ny Empira Rômana Tandrefana, izay nosoloina ny fanjakana federaly sy jermanika.[80] Tany am-piandohan' ny taonjato faha-5, ny asa misiônera avy any Britaina Lehibe rômana ho any amin' ny faritra seltika (Ekôsy sy Irlandy ary Valesa) dia namokatra fomba fanao nifaninana tamin' ny kristianisma seltika, izay naverina teo ambany fifehezan' ny Fiangonana tany Rôma tatỳ aoriana. Ny misiônera nalaza tany Eorôpa Avaratra-Andrefana tamin’ izany fotoana izany dia ny olo-masina kristiana Patrick sy Columba ary Columbanus. Ny vahoaka anglô-saksôna izay nanafika an' i Britaina Lehibe atsimo, fotoana fohy taorian' ny nandaozan' ny Rômana dia mpanaraka ny paganisma tamin' ny voalohany, saingy nampiova fo ho amin' ny kristianisma tamin' ny alalan' i Aogostino avy any Canterbéry noho ny asa nanirahana ny papa Gregôrio Lehibe. Tsy ela dia lasa foiben' ny misiônera, ny misiônera toa an' i Wilfrid sy i Willibrord sy i Lullus ary i Boniface dia nampiova fo ny havany Saksôna tany Jermania.
Ny ankamaroan' ny Kristiana galô-rômana monina any Galia (Frantsa sy Belzika ankehitriny) dia resin' ny Franka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-5. Nenjehina ny tompon-tany mandra-piovan’ ny mpanjaka Francis Clovis I avy amin’ ny paganisma ho amin’ ny fivavahana katôlika rômana, tamin’ ny taona 496. Nanizingizina i Clovis fa hanaraka an’ izany ireo andriana namany, ka nanamafy ny fanjakany vao niorina tamin’ ny fampiraisana ny finoan’ ny mpitondra sy ny an’ ny vahoaka [81]. Taorian’ ny nipoiran’ ny Fanjakana Franka sy ny toe-draharaha ara-pôlitika nilamina, dia nampitombo ny asan’ ny misiônera ny tapany andrefana tamin’ ny Fiangonana, izay notohanan’ ny tarana-mpanjaka merôvinjiana ho fitaovana hampitoniana ny mponina manodidina sahirana. Taorian' ny nanorena ny fiangonana iray tao Utrecht nataon' i Willibrord, dia nitranga ny fihenjanana rehefa nandrava foibe kristiana maro ny mpanjaka Frisian Radbod teo anelanelan' ny taona 716 sy 719. Tamin' ny taona 717, i Boniface, misiônera anglisy, dia nalefa hanampy an' i Willibrord, nanangana indray ny fiangonana rehetra tany Frisia ary nanohy ny asa fitoriana any Jermania.[81] Nandritra ny faramparan' ny taonjato faha-8, dia nanao famonoana faobe i Charlemagne mba handresena ny Saksôna mpanaraka ny paganisma sy hanerena azy ireo hanaiky ny kristianisma [82].

mgx8urpzbkbxc3kxsft222vr05hn8dm
1046740
1046739
2022-08-07T06:47:25Z
Thelezifor
15140
/* Ny arianisma sy ny kônsily ekiomenika voalohany */

Ny fotopampianaran' ny kristôlôjia manohitra ny Trinite malaza, izay niely nanerana ny Empira Rômana nanomboka tamin' ny taonjato faha-4, dia ny arianisma, [65] [66] naorin' ny presbitera kristiana Ariosy avy any Aleksandria, any Egipta, izay nampianatra fa i Jesoa Kristy dia zavaboary miavaka sy ambany noho Andriamanitra Ray.[65][66]
Na dia nohelohina ho fivavahan-diso aza ny fampianaran' i Ariosy ka nesorin’ ny Eglizy tao amin’ ny Empira Rômana tamin’ ny farany, dia nalaza hatrany ivelan' ny tanin' ilay empira izy io nandritra ny fotoana elaela. Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-4, i Olfila, eveka rômana mpomba ny arianisma, no voatendry ho misiônera kristiana voalohany tany amin' ny Gôty, vahoaka jermanika tany amin' ny ampahany be amin' i Eorôpa teo amin' ny sisin-tany sy tao anatin' ny Empira Rômana.[65][66] I Olfila dia nampiely ny arianisma teo amin' ny Gôty, nampiorina mafy ny finoana teo amin' ny foko jermanika maro, ka nanampy azy ireo hitoetra tsy hitovy amin' ny kolontsaina sy ny fivavahan' ny Kristiana kalkedôniana.[65][66][67]

rr05fjfiognsw27yicj8sun6abz3fpz
1046741
1046740
2022-08-07T06:56:46Z
Thelezifor
15140
/* Kalifata Ômeiada */

Tany Umayyad al-Andalus (ao amin' ny Saikinosy Iberiana), ny sekolin' ny lalàna islamika Malikī no tena nanjaka.[87] Ny fahafatesan' ny maritiora kristiana valo amby efapolo izay nitranga tao amin' ny Emiratan' i Córdoba teo anelanelan' ny taona 850 sy 859[93] dia voarakitra ao amin' ny trakta hagiôgrafika nosoratan' i Eulogius avy any Córdoba, Kristiana iberiana sy latinista manam-pahaizana.[86][87][88]. ] Novonoina teo ambany fitondran' i Abd al-Rahman II sy Muhammad I ireo maritiora tao Córdoba ireo, ary ny hagiôgrafian' i Eulogius dia miresaka amin' ny antsipiriany ny famonoana ny maritiora noho ny fanitsakitsahana ny lalàna islamika, anisan' izany ny fivadiham-pinoana sy ny fitenenan-dratsy (blasfemia).[86][87][86] 88]

6058uc4mqe1hpmvta7w4bpve74coki4
1046742
1046741
2022-08-07T07:10:53Z
Thelezifor
15140
/* Kalifata Abbasid */

=== Kalifata Abasida ===
Mpahay siansa kristiana tatsinanana sy manam-pahaizana momba ny tontolo islamika tamin' ny Andro Antenatenany (indrindra fa ny Kristiana jakôbita sy nestôriana) dia nandray anjara tamin' ny sivilizasiôna islamika arabo nandritra ny fitondran' ny Omaiada sy ny Abasida, tamin' ny fandikana ny sangan'asan' ny filôzôfa grika ho amin' ny teny siriaka ary taorian' izay, tamin' ny teny arabo.[94] [95][96] Nahay filôzôfia, siansa, teôlôjia ary fitsaboana koa izy ireo.[97][98][99] Ary ny mpitsabo manokana an' ny kalifa abasida dia matetika Kristiana asiriana toy ny tarana-mpanjaka Bukhtishu naharitra ela.
Ny kalifa abasida dia tsy nandefitra loatra tamin' ny Kristianisma raha oharina tamin' ireo kalifa omaida[85]. Na izany aza, dia nanohy niasa tao amin' ny governemanta ny manam-pahefana kristiana, ary matetika ny Kristiana ao amin' ny Fiangonan' ny Tatsinanana no nandika ny filôzôfia grika fahiny sy ny matematika grika.[85] Ny asa soratr' i al-Jahiz dia nandresy ny fon' ny Kristiana noho ny fanambinana loatra, ary milaza fa afaka tsy miraharaha na dia ireo fameperana napetraky ny fanjakana aza [85]. Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-9, ny patriarkan' i Jerosalema, Theodosius, dia nanoratra tamin' ny mpiara-miasa taminy, ilay patriarkan' i Kônstantinôpla Ignatios, fa "marina izy ireo ary tsy manisy ratsy antsika na mampiseho herisetra amintsika".[85]
I Elias avy any Heliôpôlisy, rehefa nifindra tany Damaskôsy avy any Heliôpôlisy (Ba'albek), dia voampanga ho nivadi-pinoana tamin' ny kristianisma rehefa avy nanatrika fety nokarakarain' ny Arabo silamo iray, ary voatery nandositra an' i Damaskôsy ho any amin' ny tanàna niaviany, ary niverina valo taona taty aoriana, izay nisy azy. ekena sy nogadrain' ny "eparka", angamba ilay mpahay lalàna al-Layth ibn Sa'd.[100]: 34 Rehefa avy nandà ny hivadika ho Miozolmana teo ambany fampijaliana izy dia nentina teo anatrehan' ny emira Damascene sady havan' ny kalifa al-Mahdi ( r. 775–785), Muhammad ibn-Ibrahim, izay nampanantena ny hitondrana tsara raha hiova fo i Elia.[100]: 34 Tamin’ ny fandavany imbetsaka, dia nampijalina sy notapahin-doha i Elia ary nodorana ny vatany, notapahana ary natsipy tany amin’ ny renirano Chrysorrhoes. (ny Barada) tamin’ ny 779 [100]: 34
Araka ny voalazan' ny Synaxarion of Constantinople, ny hegumenos Michael avy any Zobe sy ny moanina enina amby telopolo tao amin'ny Monasiteran'i Zobe akaikin'i Sebasteia (Sivas) dia novonoina tamin'ny fanafihana ny vondrom-piarahamonina. ny Hagarenes", "Alim", angamba i Ali ibn-Sulayman, governora Abbasid izay nanafika ny faritanin'ny Romanina tamin'ny taona 785 taorian'i J.K. I Bacchus dia Palestiniana, izay ny fianakaviany, izay Kristianina, dia niova fo ho amin'ny finoana silamo ny rainy.[100]: 29–30 Bacchus anefa dia nijanona ho crypto-Kristianina ary nanao fivahiniana masina tany Jerosalema, izay natao batisa sy niditra tao amin'ny monasitera. an'i Mar Saba.[100]: 29–30 Ny fihaonany sy ny fianakaviany dia nahatonga azy ireo hiverina ho Kristianina indray ary ny fitsarana sy ny famonoana an'i Bacchus noho ny fivadiham-pinoana teo ambany fitondran'ny emir Harthama ibn A'yan.[100]: 29–30
Taorian'ny Sack of Amorium tamin'ny taona 838, tanàna niavian'ny emperora Theophilos (r. 829–842) sy ny tarana-mpanjaka Amoriana, ny kalifa al-Mu'tasim (r. 833–842) dia nitondra babo romana maherin'ny efapolo [100]: 41–42 Nentina tany Samarra renivohitra izy ireo, ary taorian’ny fito taona nisian’ny adihevitra ara-teôlôjia sy ny fandavana tsy hivadika ho silamo, dia novonoina ho faty izy ireo tamin’ny Martsa 845 teo ambany fitondran’ny kalifa al-Wathiq (r. 842–847).[ 100]: 41–42 Tao anatin'ny taranaka iray dia nohajaina ho maritiora 42 tao Amorium izy ireo. Araka ny filazan'i Euodius, hagiographer-n'izy ireo, izay angamba nanoratra tao anatin'ny taranaka iray nisy ny zava-nitranga, dia i Theophilos sy ny iconoclasma no nahatonga ny faharesena tao Amorium. mpanoratra fantatra amin'ny anarana hoe Michael the Synkellos, anisan'ireo roa amby efapolo i Kallistos, ilay doux an'ny thema Koloneiana, ary ilay maritiora mahery fo Theodore Karteros.[100]: 41–42
Nandritra ny adin'ny Arabo-Byzance tamin'ny taonjato faha-10, ny fandresen'ny Romanina ny Arabo dia niafara tamin'ny fanafihan'ny vahoaka ny Kristianina, izay noheverina fa niray fo tamin'ny fanjakana Romana.[85] Araka ny voalazan'i Bar Hebraeus, katolika ao amin'ny Fiangonan'ny Atsinanana, Abraham III (r. 906–937), dia nanoratra tamin'ny vizier lehibe fa "isika Nestoriana dia naman'ny Arabo ary mivavaka ho an'ny fandreseny". Ny fihetsiky ny Nestorianina “izay tsy manana mpanjaka hafa afa-tsy ny Arabo”, dia nampifanohitra tamin’ny Eglizy Ortodoksa Grika, izay nolazainy fa “tsy nitsahatra niady tamin’ny Arabo ny emperorany [85] Teo anelanelan’ny taona 923 sy 924 am.f.i. rava ny fiangonana tao anatin'ny herisetran'ny vahoaka tao Ramla, Askelona, Kaisaria Maritima, ary Damaskosy.[85] Isaky ny tranga, araka ny filazan'i Eutychius, mpanoratra tantara kristiana Arabo Melkite avy any Aleksandria, ny kalifa al-Muqtadir (r. 908–932) dia nandray anjara tamin'ny ady. fanorenana indray ny fananan’ny Fiangonana.[85]
=== Ikônôklasma bizantina ===
Taorian'ny andian-tafika mahery vaika nanohitra ny Miozolmana, dia nipoitra tao amin'ny faritanin'ny Fanjakana Byzantine ny Iconoclasm tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-8. Tamin'ny taona 720, ny Emperora Byzantine Leo III ny Isaurian dia nandrara ny fanehoana an-tsary an'i Kristy sy ny olo-masina ary ny seho ara-baiboly. Tany Latina Andrefana, ny Papa Grégoire III dia nanao synoda roa tany Roma ary nanameloka ny nataon’i Léon. Ny Filankevitry ny Iconoclast Byzance, natao tao Hieria tamin'ny taona 754 am.f.i., dia nanapa-kevitra fa ny sary masina dia mivadi-pinoana.[101] Ny hetsika iconoclastic dia nandrava ny ankamaroan'ny tantaran'ny zavakanto voalohany tao amin'ny Fiangonana Kristiana. Ny hetsika iconoclastic taty aoriana dia nofaritana ho heretika tamin'ny 787 am.f.i. teo ambanin'ny konsily faharoan'i Nicée (ny konsily ekiomenika fahafito) saingy nisy fitsanganana vetivety teo anelanelan'ny taona 815 sy 842.
== Andro Antenatenany Ambony (800–1299) ==
pkdotnpthrz2yxg43asvr06vz0wyvch
1046743
1046742
2022-08-07T08:54:38Z
Thelezifor
15140
/* Kalifata Abasida */
wikitext
text/x-wiki
Ny '''tantaran' ny kristianisma''' dia mahakasika ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]], ny [[firenena kristiana]], ary ny [[Kristianina|Kristiana]] miaraka amin' ny antokom-pinoana samihafa, nanomboka tamin' ny [[Kristiana tamin' ny taonjato voalohany|taonjato voalohany]] ka hatramin' izao.
Ny kristianisma dia niainga tamin' ny asa fanompoana nataon' i [[Jesoa]] (na [[Jesosy]]), izay Jiosy mpampianatra sy mpanasitrana, nanambara ny maha efa akaiky ny [[fanjakan' Andriamanitra]] ary [[Fanomboana an' i Jesoa|nohomboana]] tamin' ny [[hazo fijaliana]] tamin' ny taona 30–33 taor. J.K. tao [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]] tao [[Jodea]] izay faritany rômana. Mino ny mpanara-dia azy fa, araka ny [[Filazantsara]] na [[Evanjely]] dia [[Zanak'Andriamanitra (kristianisma)|Zanak' Andriamanitra]] izy ary maty ho famelan-keloka ary [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|natsangana tamin' ny maty]] sy nasandratr' Andriamanitra, ary hiverina tsy ho ela amin' ny fiandohan' ny fanjakan' Andriamanitra.
Ny mpanara-dia an' i Jesoa voalohany indrindra dia ireo [[Jodeô-kristianisma|Kristiana jiosy]] [[Apôkaliptisisma|apôkaliptika]]. Ny fampidirana ny [[Jentily]] na [[Jentilisa]] ao amin' ny Fiangonana kristiana voalohany izay an-dalam-pandrosoana dia niteraka fisarahana teo amin' ny [[jodaisma]] sy ny kristianisma jiosy nandritra ireo taonjato roa voalohany tamin' ny [[vanim-potoana kristiana]]. Tamin' ny taona 313, ny emperora [[Kônstantino I]] dia namoaka ny [[Didy tao Milano]] izay naha ara-dalàna ny fivavahana kristiana. Tamin' ny taona 380, niaraka tamin’ny [[Didy tao Tesalônika]] navoaka teo ambany fitarihan' i [[Teôdôsiosy I|Teôdôsiôsy I]], ny [[Empira Rômana]] dia nandray tamin' ny fomba ôfisialy ny [[Trinite|kristianisma trinitariana]] ho [[fivavaham-panjakana]], ary ny kristianisma dia nametraka ny tenany ho fivavahana rômanina nanjaka tao amin' ny Fiangonan' ny Empira Rômana. Ny adihevitra [[Kristôlôjia|kristôlôjika]] momba ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra an' i Jesoa dia nandreraka ny ny Fiangonana kristiana nandritra ny taonjato roa, ary ny [[kônsily ekiomenika]] fito dia natao mba hamahàna ireo adihevitra ireo. Nomelohina ny [[Arianisma (teôlôjia)|arianisma]] nandritra amin' ny [[Kônsily voalohany tao Nikea]] (taona 325), izay nanohana ny fampianarana momba ny Trinite izay nohazavaina tao amin' ny [[Fanekem-pinoana nikeana]].
Tany am-piandohan' ny [[Andro Antenatenany]], ny [[Fitoriana ny Filazantsara|asa fitoriana]] dia nampiely ny kristianisma tany Andrefana teo amin' ireo [[Jermanika|vahoaka jermanika]]. Nandritra ny [[Andro Antenatenany Ambony]] (manodidina ny taona 1000 hatramin' ny 1250) dia nisaraka ny [[Kristianisma Tatsinanana|kristianisma tatsinanana]] sy [[Kristianisma Tandrefana|kristianisma tandrefana]], ka nitarika ho amin' ny Fisarahan' ny [[Fiangonana Tatsinanana sy Tandrefana]] tamin' ny taona 1054. Nitombo ny fanakianana ny rafi-piangonana katôlika rômana sy ny fitondran-tena tao aminy ka nitarika ny hetsika prôtestanta tamin' ny taonjato faha-16 sy ny fivakisan' ny kristianisma tandrefana. Nanomboka tamin' ny vanim-potoan' ny Renaissance, miaraka amin' ny [[fanjanahan-tany]] izay nentanin' ny Fiangonana, dia niely eran' izao tontolo izao ny kristianisma. Amin' izao fotoana izao dia misy Kristiana maherin' ny 2 000 tapitrisa eran-tany, ary ny kristianisma no lasa fivavahana lehibe indrindra eran-tany. Tao anatin' ny taonjato farany, rehefa nihena ny fitaoman' ny kristianisma tany Andrefana, dia nitombo haingana izany tany Atsinanana sy tany amin' ny faritra Atsimo amin' ny Tany; any [[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]], any [[Kôrea Atsimo]] ary any amin' ny ankamaroan' ny firenena aty [[Afrika atsimon' i Sahara]].
== Fiandohana ==
=== Fiaviana jiosy-helenista ===
Ny zava-nisy ara-pivavahana sy ara-tsôsialy ary ara-pôlitika tany Jodea nofehezin' ny Rômana tamin' ny taonjato voalohany sy tany amin' ireo faritany mifanolo-bodirindrina aminy dia tena samy hafa ary tsy mitsaha-mitombo ny korontana ara-tsôsialy sy ara-pôlitika, [1][22][23] miaraka amin' ny hetsika jodaika maro izay samy mahakasika ny ivavahana sy ny pôlitika. [24] I Jôsefa mpahay tantara rômanina sy jiosy fahiny, dia nanoritsoritra ny mamin' ny sekta efatra nisongadina indrindra tao anatin’ ny jodaisma nandritra ny vanimpotoan’ ny Tempoly Faharoa: ny [[Fariseo]] (na Fariziina), ny [[Sadoseo]], (na Sadoseana) ny [[Eseniana]], ary ny “[[Filôzôfia Fahefatra]]” tsy fantatra anarana,[25] izay eken’ ny mpahay tantara môderna ho tsy iza fa ny [[Zelôta]] sy ny [[Sikary]] [26]. Tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K. sy tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. dia nanana mpitondra fivavahana karismatika maro nandray anjara tamin' izay ho lasa mishnah ny jodaisma rabinika, anisan' izany ny olon-kendry jiosy Yohanan ben Zakkai sy Hanina ben Dosa. Ny mesianisma jiosy, sy ny foto-kevitry ny Mesia jiosy, dia avy amin' ny [[literatiora apôkaliptika]] novokarina teo anelanelan' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K., [27] mampanantena mpitarika "voahosotra" ho avy ([[mesia]] na mpanjaka) avy amin' i [[Davida (mpanjaka)|Davida]] mba hanangana ny [[Fanjakan’ Andriamanitra]] israelita, ho solon’ ireo mpitondra hafa firenena tamin’ izany fotoana izany.[1]
=== Asa fanompoan' i Jesoa ===
Ny loharanom-baovao lehibe indrindra momba ny fiainan’ i [[Jesoa]] sy ny fampianarany dia ny [[Filazantsara]] (na Evanjely) kanônika efatra, ary amin’ ny ampahany kely dia ny [[Asan’ ny Apôstôly]] sy ny [[epistilin’ i Paoly]]. Araka ny voalazan’ ny Filazantsara dia [[Zanak' Andriamanitra]] i Jesoa izay [[Fanomboana an' i Jesoa|nohomboana tamin' ny hazo fijaliana]] manodidina ny taona 30–33 taor. J.K. tany [[Jerosalema]].[1] Nino ny mpanara-dia azy fa [[Fitsanganan' i Jesoa amin' ny maty|natsangana tamin’ ny maty]] izy ary nasandratr’ Andriamanitra, nitory ny Fanjakan’ Andriamanitra ho avy.[1]
== Kristianisma voalohany (manodidina ny taona 31/33–324) ==
Ny kristianisma voalohany amin' ny ankapobeny dia raisin’ ny mpahay tantaran’ ny fiangonana manomboka amin’ ny fanompoan’ i Jesoa (manodidina ny taona 27–30) ary nifarana tamin’ ny [[Kônsily voalohany tao Nikea]] (taona 325). Matetika izy io dia mizara ho vanim-potoana roa: ny vanim-potoana apôstôlika (taona 30–100 any ho any, fony mbola velona ny [[Apôstôly roa ambin' ny folo|Apôstôly]] voalohany) sy ny vanim-potoana ante-nikeana (taona 100–325 tany ho any).[28]
=== Andro Apôstôlika ===
Ny vanim-potoana apôstôlika dia nomena ny anaran' ny Apôstôly sy ny asa fitoriana nataon' izy ireo. Izy io dia manana dikany manokana amin' ny lova kristiana amin' ny maha-andron' ny Apôstôlin' i Jesoa mivantana azy ireo. Loharanom-baovao voalohany ho an' ny vanim-potoanan' ny Apôstôly ny [[Asan' ny Apôstôly]], saingy niadian-kevitra ny fahamarinany ara-tantara ary ny fari-potoana voarakony dia ampahany, izay mifantoka indrindra amin' ny Asan' ny Apôstôly toko faha-15[29] hatrany amin' ny asa fanompoan' i Paoly, ary nifarana tamin' ny 62 taor. J.K. tamin' ny fitorian' i Paoly tany [[Rôma Taloha|Rôma]] izay nigadrany tao an-tranomaizina.
Ny mpanara-dia an' i Jesoa voalohany indrindra dia sekta nisy ny [[Kristiana jiosy]] apôkaliptika tao anatin' ny [[jodaisma]]<nowiki/>n' ny [[Vanim-potoan' ny Tempoly Faharoa|Tempoly Faharoa]].[1][30][31][32][33] Ireo antokon’ olona kristiana tany am-boalohany ireo dia tena [[Jiosy]], toy ny [[Ebiônita]], [30] sy ny fiangonana kristiana voalohany tany [[Jerosalema]], izay notarihan’ i [[Jakoba Ilay Marina]], rahalahin’ i Jesoa.[34] Araka ny Asan’ ny Apôstôly toko fa-9, [35] dia nilaza ny tenany ho “mpianatry ny Tompo” sy [mpanara-dia] “ny Lalana” izy ireo, ary araka ny Asan’ ny Apôstôly toko faha-11, [36] dia ny vondron’ ny mpianatra nanorim-ponenana tany [[Antiôkia]] no nantsoina voalohany amin' ny anarana hoe “Kristiana”. Ny sasany tamin' ireo vondrom-piarahamonina kristiana voalohany ireo dia nahasarika olona "[[Matahotra an' Andriamanitra|natahotra an' Andriamanitra]]", izany hoe ireo Grika-Rômana niray fo tamin' ny jodaisma nefa tsy nety niova finoana ho amin' izany fivavahana izany fa nitazona ny maha [[Jentilisa]] na Jentily (tsy Jiosy) azy, izay efa nitsidika [[sinagôga]] jiosy.[37][38] Niteraka olana ny fampidirana ny Jentilisa, satria tsy afaka nitandrina tsara ny [[Halakà]] izy ireo. I Saoly avy any Tarsosy, izay fantatra amin’ ny anarana hoe [[Paoly Apôstôly]], dia nanenjika ny Kristiana jiosy tany am-boalohany, nefa niova fo taty aoriana sy nanomboka ny asa nanirahana azy tany amin’ ny Jentilisa[37]. Ny tena zava-dehibe amin’ ny [[taratasin' i Paoly]] dia ny fampidirana ny Jentilisa ao amin’ ny [[Fanekem-pihavanana vaovao]]<nowiki/>n’ Andriamanitra, izay mandefa hafatra fa ny finoana an’ i Kristy dia ampy hahazoana ny [[famonjena]][37][39][40]. Noho io fampidirana ny Jentilisa io, dia niova ny toetran' ny kristianisma voalohany ary nitombo tsikelikely ivelan' ny [[jodaisma]] nandritra ny taonjato roa voalohany amin' ny vanim-potoana kristiana.[37] Nanao tonon-tsiahy lovantsofina i Eosebio sy Epifanio avy any Salamisy, izay [[Rain' ny Fiangonana]], tamin’ ny taonjato fahefatra fa talohan’ ny nandravana an’ i [[Jerosalema]] tamin’ ny taona 70, nampitandremana tamin’ ny fomba mahagaga ny Kristiana mba handositra ho any Pela, any amin’ ny faritr’ i [[Dekapôlisy]], any ampitan’ ny ony Jôrdana.[41]
Ny Filazantsara sy ny Epistily ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]] dia mirakitra ireo fiekem-pinoana sy fihirana tany am-boalohany, ary koa ny fitantarana momba ny [[fijalian' i Jesoa]], ny [[fasana foana]] ary ny fisehoany taorin' ny [[Fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty|fitsanganany amin' ny maty]][43]. Ny kristianisma tany am-boalohany dia niely hatrany tamin' ny mpino tao amin' ireo vahoaka [[Fiteny arameana|miteny arameana]] teny amin' ny tany manamorona amoron' ny [[Ranomasina Mediteranea]] ary koa tany amin' ny faritra afovoan' ny [[Empira Rômana]] sy tany amin' ny faritra hafa, tany amin' ny [[Empira Partiana]] sy ny [[Empira Sasaniana]] tatỳ aoriana, anisan' izany i [[Mesôpôtamia]], izay nanjaka tamin' ny vanim-potoana samy hafa amin' ireo fanjakana ireo.[44]
=== Vanim-potoana ante-nikeana ===
Ny vanim-potoana talohan' ny [[Kônsily voalohany tao Nikea|Kônsily tao Nikea]] (na Nisea) dia vanim-potoana taorian' ny vanim-potoana apôstôlika ka hatramin' ity [[kônsily]] ity tamin' ny taona 325. Tamin' ny fiandohan' ny vanim-potoana nikeana niely nanerana an' i [[Eorôpa Andrefana]] sy ny Lemaka Mediteraneana ary any [[Afrika Avaratra]] sy [[Afrika Atsinanana|Atsinanana]] ny finoana. Nisy rafitry ny Fiangonana ara-dalàna kokoa nipoitra avy tamin’ ireo vondrom-piarahamonina tany am-boalohany, ary nivelatra ny [[foto-pampianarana]] kristiana samihafa. Nihataka tamin’ ny [[jodaisma]] ny [[kristianisma]], ka namorona ny maha-izy azy manokana tamin’ ny alalan’ ny fandavana mafy ny jodaisma sy ny fanao jiosy.
==== Fampandrosoana ny rafi-piangonana ====
Nitombo teo amin' ny 40% teo ho eo isan-taona ny isan' ny Kristiana nandritra ny taonjato voalohany sy faharoa.[45] Tao amin' ny fiangonana taorian' ny Apôstôly dia nisy ambaratongam-pitondram-pivavahana nipoitra tsikelikely satria ny mpiandraikitra ny vahoaka kristiana an-tanàn-dehibe dia naka endrika "''episkopoi''" (mpiandraikitra; niandohan' ny teny hoe "eveka" sy "episkôpaly") sy "''presbyter''" (loholona; niandohan' ny teny hoe "pretra") ary avy eo "diakon" (mpanompo; niavian' ny hoe "diakôna" na "diakra"). Saingy nipoitra tsikelikely izany ary tamin' ny fotoana samihafa tany amin' ny toerana samihafa. Klemento, evekan’ i Rôma tamin’ ny taonjato voalohany, dia nanondro ny mpitarika ny fiangonana kôrintiana tao amin’ ny epistiliny ho an’ ny Kôrintiana ho "eveka" sy "presbitera" mifandimby. Ny mpanoratra ao amin' ny Testamenta Vaovao koa dia mampiasa ny teny hoe mpiandraikitra sy loholona amin' ny fifandimbiasana sy amin' ny teny mitovy hevitra.[46]
==== Kristianisma isan-karazany ====
Ny vanim-potoana ante-nikeana dia nahita ny firongatry ny sekta sy fivavahana ary hetsika kristiana marobe izay nanana toetra mampiray sy matanjaka izay tsy ampy tamin' ny vanim-potoanan' ny Apôstôly. Samy nanana ny fandikana ny Baiboly izy ireo, indrindra fa ny momba ny foto-pampianarana teôlôjika toy ny maha-Andriamanitra an’ i Jesoa sy ny toetran’ ny Trinite. Maro amin' ny fiovaovana nisy nandritra izany fotoana izany no manohitra ny fanasokajiana tsara, satria ny endrika samihafan' ny kristianisma dia nifanerasera tamin' ny fomba sarotra mba hamoronana ny toetran' ny kristianisma mavitrika izay nisy nandritra izany vanim-potoana izany. Ny vanim-potoana taorian' ny Andro Aapôstôlika dia samy hafa na teo amin' ny finoana sy ny fanao. Ho fanampin' ny sampana midadasika amin' ny sampana kristianisma, dia nisy fiovana tsy tapaka sy fahasamihafàna izay niteraka fifandirana teo amin' ny samy ao anatiny sy ny fananganana sinkretisma.[47][48][49][50]
==== Fampandrosoana ny kanônan' ny Baiboly ====
Ny epistilin' i Paoly dia nivezivezy tamin' ny endrika voaangona tamin' ny faran' ny taonjato voalohany.[51] Tany am-piandohan' ny taonjato faha-3 dia nisy andiana asa soratra kristiana mitovy amin' ny Testamenta Vaovao ankehitriny, na dia mbola nisy aza ny fifandirana momba ny maha-kanônika ny [[Epistily ho an' ny Hebreo]], ny [[Epistilin' i Jakoba]], ny [[Epistily voalohan' i Petera]], ny [[Epistily voalohan' i Joany|Epistily voalohany]] sy [[Epistily faharoan' i Joany|faharoan' i Joany]] ary ny [[Apôkalipsin' i Joany|Apôkalipsy]].[52][53] Tamin' ny taonjato faha-4, dia nisy firaisankina teo amin' ny Tandrefana momba ny kanônan' ny [[Testamenta Vaovao]], [54] ary tamin' ny taonjato faha-5 dia nanaiky ny Bokin' ny Apôkalipsy ny Atsinanana, afa-tsy ny maningana vitsivitsy, ka dia nifanaraka tamin' io raharaha io. ny kanôna.[55]
==== Asa soratra prôtô-ôrtôdôksa ====
Rehefa niely nanerana ny tanin’ ny Empira Rômana sy tany ivelan’ ny sisin-taniny ny kristianisma, dia nahazo mpikambana sasany avy amin’ ny saranga ara-tsôsialy ambony sy ny nahita fianarana tsara teo amin’ ny tontolo grika izy; lasa eveka izy ireo indraindray. Namokatra karazana asa roa izy ireo, dia ny teôlôjia sy ny apôlôjia, ary ireto farany dia asa natao hiarovana ny finoana kristiana amin’ ny fampiasana ny saina sy ny filôzôfia ary ny Soratra Masina mba hanoherana ny hevitra manohitra ny fahamarinan’ ny kristianisma. Ireo mpanoratra ireo dia fantatra amin' ny anarana hoe Rain' ny Fiangonana na Abc ny Eglizy, ary ny fandalinana ny fiainany sy ny asa sorany dia antsoina hoe patistika. Anisan' ireo Rain' ny Fiangonana voalohany malaza i Ignatiôsy avy any Antiôkia, i Pôlikarpôsy, i Jostinôsy Martira, i Ireneo, i Klemento avy any Aleksandria, i Tertoliano, ary i Ôrigenesy.
==== Zavakanton' ny Kristiana voalohany ====
Ny zavakanto sy ny maritrano kristiana tany am-boalohany dia nipoitra somary tara ary ny sary kristiana voalohany fantatra dia nipoitra tamin' ny taona 200 tany ho any, [56] na dia misy porofo avy amin' ny literatiora aza fa nampiasaina teo aloha ny sary kely an-trano. katakomba, nisy tamin' ny 200 teo ho eo, ary ny sary sokitra kristiana tranainy indrindra dia avy amin' ny sarkôfazy, nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-3.[57] Ny fandavana ny sary tany am-boalohany, sy ny tsy maintsy hanafenana ny fanao kristiana amin' ny fanenjehana, dia namela firaketana an-tsoratra vitsivitsy momba ny kristianisma voalohany sy ny fivoarany.[57]
==== Fanenjehana sy fanaovana ho ara-dalàna ====
Tsy nisy fanenjehana nanerana ny empira ny Kristiana hatramin' ny nanjakan' i Dekio tamin' ny taonjato faha-3.[58] Ny fanenjehana farany sy mafy indrindra nokarakarain' ny manampahefana rômana dia ny fanenjehana nataon' i Diôkletiano taming ny taona, 303 hatramin' ny 311.[59]
Ny Didin' i Serdica dia navoaka tamin' ny 311 avy amin' ny emperora rômana Galerio, izay namarana tamin' ny fomba ôfisialy ny fanenjehana ny Kristiana tany Atsinanana. Tamin’ ny famoahana ny Didin’ i Milano (313), izay nametrahan’ ny emperora rômana Konstantino Lehibe sy i Likinio ho ara-dalàna ny fivavahana kristiana, dia nitsahatra ny fanenjehana ny Kristiana nataon’ ny Empira Rômana[60].
Ny Fanjakan' i Armenia no firenena voalohany teto amin' izao tontolo izao nametraka ny kristianisma ho fivavaham-panjakana, rehefa, tamin' ny hetsika fanao mahazatra tamin' ny taona 301, i Gregôrio ilay Mpanazava nandresy lahatra an' i Tiridatesy III, mpanjakan' i Armenia, hiova ho Kristiana.
== Ampahany farany amin' ny Andro Taloha (325–476) ==
=== Ny fitaoman’ ny emperora Kônstantino ===
Sarotra ny hamantarana hoe hatraiza ny kristianisma noraisin’ ny emperora rômana Kônstantino tamin’ io fotoana io,[61] fa ny nidirany dia kihon-dalana ho an’ ny Fiangonana kristiana. Nanohana ara-bola ny Eglizy izy, nanorina bazilika isan-karazany, nanome tombontsoa (ohatra: fanafahana amin’ ny hetra sasany) ho an’ ny mpitondra fiangonana, nampisondrotra ny Kristiana ho amin’ ny toerana ambony sasany, ary namerina ny fananana nogiazana [62] . Nandray anjara mavitrika tamin’ ny fitarihana ny Fiangonana i Kônstantino. Tamin' ny taona 316, dia nitsara ny ady tany Afrika Avaratra momba ny adihevitra mikasika ny dônatista izy. Ny zava-dehibe kokoa, tamin' ny 325 dia nampiantso ny Kônsilin' i Nikea izy, izay kônsily ekiomenika voalohany. Noho izany dia nametraka ohatra ho an’ ny emperora izy ho tompon’ andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahasalamana ara-panahin’ ireo olom-peheziny, ary noho izany dia manana adidy hihazona ny ôrtôdôksia. Izy dia tokony hampihatra ny foto-pampianarana, hamongotra ny fivavahan-diso, ary hanohana ny firaisan-kina ara-pivavahana[63].
Ilay mpandimby ny zanak' i Kônstantino, atao hoe Joliano, zana-drahalahiny, teo ambany fitarihan' i Mardônio mpanolo-tsaina azy, dia nandao ny kristianisma ary nandray ny endriky ny paganisma grika-rômana neôplatônika sy mistika, izay nanafintohina ny fiorenan' ny Kristiana[64]. Niezaka namelona indray ny paganisma grika-rômana tao amin’ ny Empira Romana izy ary nanomboka tamin’ ny fanokafana indray ny tempolin’ izany fivavahana izany, ka nanova azy ireo hitovy amin’ ny fomba kristiana, toy ny rafitra episkôpaly sy ny fiantrana ampahibemaso (izay tsy fantatra teo amin’ ny fivavahana grika-romana). Nifarana ny fotoana fohy nanjakan’ i Joliano rehefa maty tamin’ ny ady tamin’ ny Persiana izy (363).
=== Ny arianisma sy ny kônsily ekiomenika voalohany ===
Ny fotopampianaran' ny kristôlôjia manohitra ny Trinite malaza, izay niely nanerana ny Empira Rômana nanomboka tamin' ny taonjato faha-4, dia ny arianisma, [65] [66] naorin' ny presbitera kristiana Ariosy avy any Aleksandria, any Egipta, izay nampianatra fa i Jesoa Kristy dia zavaboary miavaka sy ambany noho Andriamanitra Ray.[65][66]
Na dia nohelohina ho fivavahan-diso aza ny fampianaran' i Ariosy ka nesorin’ ny Eglizy tao amin’ ny Empira Rômana tamin’ ny farany, dia nalaza hatrany ivelan' ny tanin' ilay empira izy io nandritra ny fotoana elaela. Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-4, i Olfila, eveka rômana mpomba ny arianisma, no voatendry ho misiônera kristiana voalohany tany amin' ny Gôty, vahoaka jermanika tany amin' ny ampahany be amin' i Eorôpa teo amin' ny sisin-tany sy tao anatin' ny Empira Rômana.[65][66] I Olfila dia nampiely ny arianisma teo amin' ny Gôty, nampiorina mafy ny finoana teo amin' ny foko jermanika maro, ka nanampy azy ireo hitoetra tsy hitovy amin' ny kolontsaina sy ny fivavahan' ny Kristiana kalkedôniana.[65][66][67]
Nandritra io vanim-potoana io, dia natao ny kônsily ekiomenika voalohany. Niadian-kevitra ny fifandirana ara-pinoana sy ara-pivavahana. Ny Kônsily voalohany tao Nikea (325) sy ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpla (381) dia niafara tamin’ ny fanamelohana ny arianisma ho fivavahan-diso ary namoaka ny Fanekem-pinoana nikeana.
=== Ny kristianisma lasa fivavaham-panjakana rômana ===
Tamin' ny 27 Febroary 380, tamin' ny alàlan' ny Didin' i Tesalônika navoaka teo ambany fahefàn' i Teôdôsio I sy i Gratiano ary i Valentiniano II, ny Empira Rômana dia nandray tamin' ny fomba ôfisialy ny kristianisma trinitariana ho fivavaham-panjakana. Talohan’ io daty io, i Kônstantio II sy i Valentio dia nankasitraka manokana ny kristianisma ariana na semi-ariana, saingy i Teôdôsio I, mpandimby an’ i Valentio, dia nanohana ny fampianarana momba ny Trinite, araka ny nohazavaina tao amin’ ny Fiekem-pinoana nikeana.
Taorian' ny niorenany, ny Fiangonana dia nandray ny sisin-tanin' ny fandaminana mitovy amin' ny Empira: faritany ara-jeôgrafia, antsoina hoe diôsezy, mifanitsy amin' ny fizarazaran' ny governemantan' ny empira. Ireo eveka, izay nipetraka tao amin' ny tanàna lehibe toy ny tamin' ny fomba mahazatra talohan' ny lalàna, dia nanara-maso ny diôsezy tsirairay. Tamin’ ireo fari-piadidian' ny eveka ireo, dia nisy dimy lasa nitana toerana ambony: i Rôma, i Kônstantinôpla, i Jerosalema, i Antiôkia, ary i Aleksandria. Niankina tamin’ ny Apôstôly mpanorina azy ireo ny lazan’ ny ankamaroan’ ireo toerana ireo, ka ny eveka no mpandimby ara-panahy. Na dia mbola noheverina ho voalohany teo amin’ ireo mitovy aminy aza ny evekan’ i Rôma, dia i Kônstantinôpla no laharana faharoa tamin’ ny maha-renivohitra vaovaon’ ny Empira azy.
Namoaka didy i Teôdôsio I fa ireo izay tsy mino ny "lovam-pampianarana mahatoky", toy ny Trinite, dia tokony hoheverina ho mpanao fivavahan-diso tsy ara-dalàna, [68] ary tamin' ny 385, izany no nahatonga ny Fanjakana ho voalohany, fa tsy ny Fiangonana, nanao fanasaziana ho faty ny mpivadi-pinoana, dia i Priskiliano.[69][70]
=== Ny Fiangonan' ny Atsinanana sy ny Empira Sasaniana ===
Nandritra ny fiandohan' ny taonjato faha-5, ny Sekolin' i Edesa dia nampianatra fomba fijery kristôlôjika izay milaza fa ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona an' i Kristy dia midika fa olona miavaka izy. Ny vokany manokana amin’ io fomba fijery io dia ny hoe tsy azo antsoina araka ny tokony ho Renin’ Andriamanitra i Maria fa azo raisina ho Renin’ i Kristy ihany. Ny mpomba an' io fomba fijery io malaza indrindra dia ny patriarkan' i Kônstantinôpla antsoina hoe Nestôriôsy. Hatramin' ny niantsoana an' i Maria ho Renin' Andriamanitra dia nanjary nalaza tany amin' ny faritra maro tao amin' ny Fiangonana ka nanjary olana mampisara-bazana izany.
Nangataka ny hanaovana ny Kônsilin’ i Efesôsy (431) i Teôdôsio II, emperora rômana, mba handaminana ilay raharaha. Nolavin' ny kôsily tamin' ny farany ny hevitr' i Nestôriosy. Nisaraka tamin’ ny Eglizy Rômana ny fiangonana maro nanaraka ny fomba fijerin’ ny Nestôriana, ka niteraka fisarahana lehibe izany. Nesorina ny fiangonana nestoriana, ary maro ny mpanara-dia nandositra nankany amin’ ny Empira Sasaniana izay nanaiky izany. Ny Empira Sasaniana (Persiana) dia nanana Kristianina niova fo maro tany am-piandohan' ny tantarany, nifamatotra akaiky tamin' ny sampana siriakan' ny kristianisma. Zôrôastriana tamin' ny fomba ôfisialy ny Empira Sasaniana ary nifikitra mafy tamin' io finoana io, amin' ny ampahany mba hanavahany ny tenany amin' ny fivavahan' ny Empira Rômana (ny paganisma grika-rômana tany am-boalohany ary avy eo ny kristianisma). Nanjary noleferina ny kristianisma tao amin' ny Empira Sasaniana, ary rehefa nihamaro ny mpivadi-pinoana vokatry ny nataon' ny Empira Rômana nandritra ny taonjato faha-4 sy faha-6, dia nitombo haingana ny vondrom-piarahamonina kristiana sasaniana.[71] Tamin' ny faran' ny taonjato faha-5 dia niorina mafy ny Fiangonana Persiana ary nanjary nahaleo tena tamin' ny Fiangonana Rômana. Io fiangonana io dia nivoatra ka lasa ilay antsoina ankehitriny hoe Fiangonan' ny Atsinanana.
Tamin' ny taona 451, ny Kônsilin' i Kalkedôna dia natao mba hanazavana bebe kokoa ny olana ara-kristôlôjia manodidina ny nestôrianisma. Ny kônsily tamin' ny farany dia nanambara fa ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona an' i Kristy dia misaraka fa samy ao anatin' ny singa iray, fomba fijery nolavin' ny fiangonana maro izay niantso ny tenany ho miafizita izany. Niteraka fiandanian' ny fiangonana izany fisarahana izany, anisan' izany ny Fiangonana Armeniana sy Siriana ary Ejipsiana[72] Na dia nisy ezaka natao tamin’ ny fampihavanana aza nandritra ny taonjato vitsivitsy nanaraka, dia nitohy hatrany ny fisarahana, ka niteraka ilay antsoina ankehitriny hoe Ôrtôdôksa Tatsinanana.
=== Mônastisisma ===
Ny mônastisisma dia ny fanaon' ny olona izay miala amin' ny fikatsahana izao tontolo izao ary mandeha irery ho mpitoka-monina (hermita) na miditra amin' ny vondrom-piarahamonina voalamina tsara. Nanomboka tany am-boalohany tao amin’ ny Fiangonana kristiana izy io tamin’ ny maha fianakaviana nanana fanao ifandovana mitovy amin’ izany, nalaina tamin’ ny ohatra sy foto-kevitra araka ny Soratra Masina, ary avy amin’ ny fakan' ny sasany tahaka ny jodaisma. I Joany Mpanao Batisa no hita ho moanina (na monka) môdely voalohany, ary ny mônastisisma dia nentanin' ny fandaminana tao amin' ny vondrom-piarahamonin' ny Apôstôly araka ny voarakitra ao amin' ny Asan' ny Apôstôly (Asa 2:42–47).[73]
Mpanoratra kristiana malaza tamin' ny tapany farany amin' ny Andro Taloha toa an' i Ôrigenesy, i Hierônimôsy (na Jerôma), i Joany Krisôstôma, ary i Aogostino avy any Hipôna, no nandika ny hevitry ny lahatsoratra ao amin' ny Baiboly tao anatin' ny tontolom-pivavahana feno fanavakavahana.[74] Ny ohatra ara-Baiboly momba ny asketisma dia hita teo amin' ny fiainan' i Joany Mpanao Batisa, i Jesoa Kristy, ny Apôstôly roa ambin' ny folo ary i Paoly Apôstôly.[74] Nahariharin’ ny Horonan-tsoratry ny Ranomasina Maty ny fanaon’ ny
Eseniana, sekta jiosy fahiny, izay nivoady fa hifady hanomanana ady masina. Ny fanantitranterana ny fiainana ara-pivavahana asketika dia hita tao amin' ny asa soratra kristiana voalohany (jereo: Filôkalia) sy ny fanao tamin' izany fotoana izany (jereo: hesikasma). Anisan' ireo mpivavaka kristianina hafa amin' ny asketisma ny olo-masina toa an' i Paoly Hermita, i Simeôna Stilita, i Davida avy any Valesa, i Joany avy any Damaskôsy, ary i Fransisko avy any Assise.[74]
Ny Tany efitr' i Afovoany Atsinanana dia nisy fotoana nonenan' ny lehilahy sy vehivavy kristiana asketika sy hermita ary ankôrita an' arivony, [75] anisan' izany i Md Antôniôsy Lehibe (fantatra amin' ny anarana hoe Md Antôniôsy avy any an' Efitra), Mb Maria avy any Ejipta, ary Md Simeôna Stilita, fantatra amin' ny anarana hoe Rain' ny Taniefitra sy Renin' ny Taniefitra. Tamin' ny taona 963 dia niforona ny fikambanan' ny mônastera antsoina hoe Lavra teo amin' ny Tendrombohitra Athos, araka ny lovantsofina ôrtôdôksa tatsinanana.[76] Io no ivon-toerana manan-danja indrindra amin' ireo antokon' olona asketika kristiana ôrtôdôksa nandritra ny taonjato maro nanaraka.[76] Amin' izao vanim-potoana môderina izao, ny Tendrombohitra Athos sy Meteora dia nitoetra ho foibe manan-danja lehibe.[77]
Miaina irery ny moanina ermita na hermita, fa ny kenôbitika kosa dia miaina ao anaty vondrom-piarahamonina, amin' ny ankapobeny ao amin' ny mônastera, eo ambanin' ny fitsipika (na fitsipika fanao) ary fehezin' ny abôta. Tany am-boalohany, ny moanina kristiana rehetra dia mpitolona, nanaraka ny ohatr’ i Antôniôsy Lehibe. Na izany aza, ny filana endrika fitarihana ara-panahy voalamina dia nitarika an' i Pakômiôsy tamin' ny taona 318 mba handamina ny mpanara-dia azy maro ho lasa monastera voalohany. Tsy ela dia nisy andrim-pandaminana toy izany naorina nanerana ny tany efitr’ i Ejipta sy ny sisa tamin’ ny tapany atsinanan’ ny Empira Rômana. Tena nahasarika ny vehivavy izany hetsika izany.[78] Isan' ny ivon' ny fampandrosoana ny mônastisisma dia i Basiliôsy Lehibe any Atsinanana ary, any Andrefana, i Benedikto (na Benoà), namorona ny Fitsipik' i Md Benedikto, izay ho lasa fitsipika mahazatra indrindra mandritra ny Andro Antenatenany sy ny fiandohan' ny fitsipika mônastika hafa. [79]
== Tapany voalohany amin' ny Andro Antenatenany (476–842) ==
Ny tetezamita mankany amin' ny fiandohan' ny Andro Antenatenany dia dingana tsikelikely sy isan-toerana. Nitombo ny faritra ambanivohitra noho ny tobim-pamokarana raha nihena ny tanàn-dehibe. Na dia betsaka kokoa aza ny Kristiana nijanona tany Atsinanana (faritra grika), dia nisy fivoarana lehibe teo amin’ ny Tandrefana (faritra latina), ary samy nanana endrika miavaka. Ny evekan’ i Rôma nifandimby, izany hoe ny papa, dia voatery nampifanaraka tamin’ ny toe-javatra niova be. Tsy nifikitra afa-tsy tamin’ ny emperora izy ireo, ka voatery nifampiraharaha tamin’ ny “mpanapaka barbarianina” tany amin’ ny faritany rômana rehetra taloha. Tany Atsinanana, ny Fiangonana dia nitazona ny rafitra sy ny toetrany ary nivoatra tsikelikely.
=== Fanitarana nataon' ny misiônera tandrefana ===
Nifanindry tamin' ny ezaka misiônera tany am-boalohany tany amin' ny faritra tsy voafehin' ny fanjakana nirodana ny famoizana tsikelikely ny fanjakan' ny Empira Rômana Tandrefana, izay nosoloina ny fanjakana federaly sy jermanika.[80] Tany am-piandohan' ny taonjato faha-5, ny asa misiônera avy any Britaina Lehibe rômana ho any amin' ny faritra seltika (Ekôsy sy Irlandy ary Valesa) dia namokatra fomba fanao nifaninana tamin' ny kristianisma seltika, izay naverina teo ambany fifehezan' ny Fiangonana tany Rôma tatỳ aoriana. Ny misiônera nalaza tany Eorôpa Avaratra-Andrefana tamin’ izany fotoana izany dia ny olo-masina kristiana Patrick sy Columba ary Columbanus. Ny vahoaka anglô-saksôna izay nanafika an' i Britaina Lehibe atsimo, fotoana fohy taorian' ny nandaozan' ny Rômana dia mpanaraka ny paganisma tamin' ny voalohany, saingy nampiova fo ho amin' ny kristianisma tamin' ny alalan' i Aogostino avy any Canterbéry noho ny asa nanirahana ny papa Gregôrio Lehibe. Tsy ela dia lasa foiben' ny misiônera, ny misiônera toa an' i Wilfrid sy i Willibrord sy i Lullus ary i Boniface dia nampiova fo ny havany Saksôna tany Jermania.
Ny ankamaroan' ny Kristiana galô-rômana monina any Galia (Frantsa sy Belzika ankehitriny) dia resin' ny Franka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-5. Nenjehina ny tompon-tany mandra-piovan’ ny mpanjaka Francis Clovis I avy amin’ ny paganisma ho amin’ ny fivavahana katôlika rômana, tamin’ ny taona 496. Nanizingizina i Clovis fa hanaraka an’ izany ireo andriana namany, ka nanamafy ny fanjakany vao niorina tamin’ ny fampiraisana ny finoan’ ny mpitondra sy ny an’ ny vahoaka [81]. Taorian’ ny nipoiran’ ny Fanjakana Franka sy ny toe-draharaha ara-pôlitika nilamina, dia nampitombo ny asan’ ny misiônera ny tapany andrefana tamin’ ny Fiangonana, izay notohanan’ ny tarana-mpanjaka merôvinjiana ho fitaovana hampitoniana ny mponina manodidina sahirana. Taorian' ny nanorena ny fiangonana iray tao Utrecht nataon' i Willibrord, dia nitranga ny fihenjanana rehefa nandrava foibe kristiana maro ny mpanjaka Frisian Radbod teo anelanelan' ny taona 716 sy 719. Tamin' ny taona 717, i Boniface, misiônera anglisy, dia nalefa hanampy an' i Willibrord, nanangana indray ny fiangonana rehetra tany Frisia ary nanohy ny asa fitoriana any Jermania.[81] Nandritra ny faramparan' ny taonjato faha-8, dia nanao famonoana faobe i Charlemagne mba handresena ny Saksôna mpanaraka ny paganisma sy hanerena azy ireo hanaiky ny kristianisma [82].
=== Kalifata Rasidona ===
Koa satria ny Kristiana dia heverina ho "Olon' ny Boky" ao amin' ny fivavahana silamo, ny Kristianina teo ambany fitondran' ny Miozolmana dia niharan' ny satan' ny dhimmi (miaraka amin' ny Jiosy, ny Samaritana, ny Gnôstika, ny Mandeana, ary ny Zôrôastriana), izay ambany noho ny satan' ny Miozolmana. [83][84][85] Niatrika fanavakavahana ara-pivavahana sy fanenjehana noho izany ny Kristianina sy ny antokom-pivavahana vitsy madinika vokatry ny fandrarana azy ireo tsy hitahita ny olona hiova finoana (ho an’ ny Kristianina dia voarara ny mitory ny filazantsara na manaparitaka ny kristianisma) tany amin’ ireo tany azon’ ny Arabo miozolmana noho ny fanaintainan’ ny fahafatesana, voarara tsy hitondra fitaovam-piadiana, nanao asa sasany, ary voatery nanao fitafiana hafa izy ireo mba hampiavaka ny tenany amin' ny Arabo[84] . Teo ambanin' ny lalàna silamo (sharīʿa), ny tsy Miozolmana dia voatery nandoa ny hetra atao hoe jizya sy kharaj, [83][84][85] miaraka amin' ny vidim-panavotana mavesatra ara-potoana nalain' ny mpitondra miozolmana amin' ny vondrom-piarahamonina kristiana mba hamatsiana ny fampielezan-kevitra ara-miaramila. Tamin' izany dia nitondra ampahany betsaka amin' ny fidiram-bola ho an' ny fanjakana silamo ary nampahantra ny Kristiana maro, ary ireo fahasahiranana ara-bola sy ara-tsôsialy ireo dia nanery ny Kristiana maro hivadika ho Miozolmana.[84] Ireo Kristiana tsy afaka nandoa ireo hetra ireo dia voatery nanolotra ny zanany ho an' ireo mpitondra miozolmana izay hivarotra azy ireo ho andevo ho an' ny tokantrano miozolmana na voatery hivadika ho Miozolmana.[84]
Araka ny fomban' ny Eglizy Ôrtôdôksa Siriaka, ny fandresen' ny Miozolmana any Ampiposahana dia fanamaivanana ho an' ireo Kristiana ampahorian' ny Empira Rômana Tandrefana[85]. Mikaela Syriana, patriarika tany Antiôkia, dia nanoratra tatỳ aoriana fa ny Andriamanitry ny Kristiana dia “nanandratra ny zanak’ i Ismaela avy tany atsimo mba hanafaka antsika amin’ ny tanan’ ny Rômana”[85]. Ny vondrom-piarahamonina kristiana isan-karazany any amin' ny faritr' i Palestina sy Siria sy Libanona ary Armenia dia nankahala ny fitondran' ny Empira Rômana Tandrefana na ny an' ny Empira Bizantina, ka noho izany dia naleony niaina tao anatin' ny toe-javatra ara-toekarena sy ara-pôlitika tsara kokoa noho ny dhimmi teo ambany fitondran' ny Miozolmana.[85] Na izany aza, ny mpahay tantara môderna dia manaiky ihany koa fa ny vahoaka kristiana monina any amin' ireo tany azon' ny tafika arabo miozolmana teo anelanelan' ny taonjato faha-7 sy faha-10 dia niharan' ny fanenjehana sy herisetra ara-pivavahana ary maritiora imbetsaka teo am-pelan-tanan' ny manampahefana sy mpanapaka miozolomana arabo [85]. ][86][87][88] maro no novonoina teo ambanin' ny fanamelohana ho faty araka ny lalàna islamika noho ny fiarovana ny finoana kristiana tamin' ny alalan' ny hetsika fanoherana mahery vaika toy ny fandavana ny hiova finoana ho Miozolmana, ny fandavana ny fivavahana silamo ary ny fiverenana amin' ny kristianisma avy eo, ary ny fitenenan-dratsy ny Andriamanitry ny finoana silamo.[86][87][88]
=== Kalifata Ômeiada ===
Araka ny Sekoly Ḥanafī momba ny lalàna silamo (sharīʿa), ny fijoroana vavolombelona ataon' ny tsy miozolmana (toy ny Kristiana na Jiosy) dia tsy noheverina ho manan-kery manoloana ny fijoroana vavolombelona ataon' ny Miozolmana amin' ny raharaha ara-dalàna na sivily. Ara-tantara, ao amin' ny kolontsaina miozolmana sy ny lalàna silamo nentim-paharazana dia voarara ny vehivavy miozolmana tsy hanambady lehilahy kristiana na jiosy, fa ny lehilahy miozolmana kosa dia navela hanambady vehivavy kristiana na jiosy[89][90] (jereo ny: fanambadiana iraisam-pinoana ao amin' ny fivavahana silamo). Ny Kristiana teo ambany fitondran' ny Miozolmana dia nanana zo hivadika ho Miozolmana na fivavahana hafa, raha mifanohitra amin' izany kosa ny murtad, na mpivadi-pinoana amin' ny finoana silamo, dia nahazo sazy henjana na hadd mihitsy aza, izay mety ahitana ny fanamelohana ho faty araka ny lalàna islamika.[86][87][88] ]
Amin' ny ankapobeny, ny Kristiana teo ambany fitondrana islamika dia navela hanatanteraka ny fivavahany miaraka amin' ny fetra miavaka sasany avy amin' ny Dina apôkrifan' i Umar. Io fifanarahana io, izay heverina fa natao tamin’ ny taona 717, dia nandrara ny Kristiana tsy hampiseho ampahibemaso ny hazo fijaliana teo amin’ ny trano fiangonany, tsy hiantso ny mpiangona hivavaka amin’ ny alalan' ny lakolosy, tsy hanorina indray na hanamboatra fiangonana sy mônasitera taorian’ ny fandravana na fahasimbana, ary nametraka fameperana hafa mifandraika amin' ny asa sy fitafiana ary fitaovam-piadiana[91] Nanenjika Kristiana berbera maro ny Kalifata Omeiada tamin' ny taonjato faha-7 sy faha-8, ka niova tsikelikely ho amin' ny finoana silamo ireo Kristiana ireo.[92]
Tany Umayyad al-Andalus (ao amin' ny Saikinosy Iberiana), ny sekolin' ny lalàna islamika Malikī no tena nanjaka.[87] Ny fahafatesan' ny maritiora kristiana valo amby efapolo izay nitranga tao amin' ny Emiratan' i Córdoba teo anelanelan' ny taona 850 sy 859[93] dia voarakitra ao amin' ny trakta hagiôgrafika nosoratan' i Eulogius avy any Córdoba, Kristiana iberiana sy latinista manam-pahaizana.[86][87][88]. ] Novonoina teo ambany fitondran' i Abd al-Rahman II sy Muhammad I ireo maritiora tao Córdoba ireo, ary ny hagiôgrafian' i Eulogius dia miresaka amin' ny antsipiriany ny famonoana ny maritiora noho ny fanitsakitsahana ny lalàna islamika, anisan' izany ny fivadiham-pinoana sy ny fitenenan-dratsy (blasfemia).[86][87][86] 88]
=== Kalifata Abasida ===
Mpahay siansa kristiana tatsinanana sy manam-pahaizana momba ny tontolo islamika tamin' ny Andro Antenatenany (indrindra fa ny Kristiana jakôbita sy nestôriana) dia nandray anjara tamin' ny sivilizasiôna arabo silamo nandritra ny fitondran' ny Omaiada sy ny Abasida, tamin' ny fandikana ny sangan'asan' ny filôzôfa grika ho amin' ny teny siriaka ary taorian' izay, tamin' ny teny arabo.[94] [95][96] Nahay filôzôfia, siansa, teôlôjia ary fitsaboana koa izy ireo.[97][98][99] Ary ny mpitsabo manokana an' ny kalifa abasida dia matetika Kristiana asiriana toy ny tarana-mpanjaka Bukhtishu naharitra ela.
Ny kalifa abasida dia tsy nandefitra loatra tamin' ny Kristianisma raha oharina tamin' ireo kalifa omaiada[85]. Na izany aza, dia nanohy niasa tao amin' ny governemanta ny manam-pahefana kristiana, ary matetika ny Kristiana ao amin' ny Fiangonan' ny Tatsinanana no nandika ny filôzôfia grika fahiny sy ny matematika grika.[85] Ny asa soratr' i al-Jahiz dia nandresy ny Kristiana noho ny fanambinana loatra, ary nilaza fa afaka tsy miraharaha na dia ireo fameperana napetraky ny fanjakana aza [85]. Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-9, ny patriarkan' i Jerosalema, Theodosius, dia nanoratra tamin' ny mpiara-miasa aminy, ilay patriarkan' i Kônstantinôpla Ignatios, fa "marina izy ireo ary tsy manisy ratsy antsika na mampiseho herisetra amintsika".[85]
I Elias avy any Heliôpôlisy, rehefa nifindra tany Damaskôsy avy any Heliôpôlisy (Ba'albek), dia voampanga ho nivadi-pinoana tamin' ny kristianisma rehefa avy nanatrika fety nokarakarain' ny Arabo mozolmana iray, ary voatery nandositra an' i Damaskôsy ho any amin' ny tanàna niaviany, ary niverina valo taona taty aoriana, izay nisy azy. ekena sy nogadrain' ny "eparka", angamba ilay mpahay lalàna al-Layth ibn Sa'd.[100]: 34 Rehefa avy nandà ny hivadika ho Miozolmana izy, na dia nampijalina, dia nentina teo anatrehan' ny emira Damascene sady havan' ny kalifa al-Mahdi (manodidina ny taona 775–785), Muhammad ibn-Ibrahim, izay nampanantena ny hitondrana tsara raha hiova fo i Elias.[100]: 34 Tamin’ ny fandavany imbetsaka, dia nampijalina sy notapahin-doha i Elias ary nodorana ny vatany, notapahana ary natsipy tany amin’ ny renirano Chrysorrhoes. (ny Barada) tamin’ ny taona 779 [100]: 34
Araka ny voalazan' i Synaxarion avy any Kônstantinôpla, ny hegomenôsy Michael avy any Zobe sy ny moanina enina amby telopolo tao amin' ny Mônasteran' i Zobe akaikin' i Sebasteia (Sivas) dia novonoina tamin' ny fanafihana ny vondrom-piarahamonina. ny Hagarenes", "Alim", angamba i Ali ibn-Sulayman, governora abasida izay nanafika ny faritanin' ny Rômana tamin' ny taona 785. I Bacchus dia Palestiniana, izay ny fianakaviany, izay kristianina, dia niova fo ho amin' ny finoana silamo ny rainy.[100]: 29–30 i Bacchus anefa dia nijanona ho kriptô-kristiana ary nanao fivahiniana masina tany Jerosalema, izay natao batisa sy niditra tao amin' ny mônastera. an' i Mar Saba.[100]: 29–30 Ny fihaonany sy ny fianakaviany dia nahatonga azy ireo hiverina ho kristiana indray ary ny fitsarana sy ny famonoana an' i Bacchus noho ny fivadiham-pinoana teo ambany fitondran' ny emira Harthama ibn A'yan.[100]: 29–30
Taorian' ny fanaovam-pahirano an' i Amorium tamin' ny taona 838, tanàna niavian' ny emperora Theophilos (r. 829–842) sy ny tarana-mpanjaka amôriana, ny kalifa al-Mu'tasim (manodidina ny taona 833–842) dia nitondra babo rômana maherin' ny efapolo [100]: 41–42 Nentina tany Samarra renivohitra izy ireo, ary taorian’ ny fito taona nisian’ ny adihevitra ara-teôlôjia sy ny fandavana tsy hivadika ho miozolmana, dia novonoina ho faty izy ireo tamin’ ny vola a Marsa 845 teo ambany fitondran’ ny kalifa al-Wathiq (manodidina ny taona 842–847).[ 100]: 41–42 Tao anatin' ny taranaka iray dia nohajaina ho maritiora 42 tao Amorium izy ireo. Araka ny filazan' i Euodius, hagiôgrafan' izy ireo, izay angamba nanoratra tao anatin' ny taranaka iray nisy ny zava-nitranga, dia i Theophilos sy ny ikônôklasma no nahatonga ny faharesena tao Amorium. mpanoratra fantatra amin' ny anarana hoe Michael avy any Synkellos, anisan' ireo roa amby efapolo i Kallistos, ilay doux an'ny thema Kôlôneiana, ary ilay maritiora mahery fo Theodore Karteros.[100]: 41–42
Nandritra ny ady Arabo-Bizansy tamin' ny taonjato faha-10, ny fandresen' ny Rômana ny Arabo dia niafara tamin' ny fanafihan' ny vahoaka ny Kristiana, izay noheverina fa niray fo tamin' ny Empira Rômana.[85] Araka ny voalazan' i Bar Hebraeus, katôlika ao amin' ny Fiangonan' ny Atsinanana, i Abraham III (manodidina ny taona 906–937), dia nanoratra tamin' ny viziry lehibe fa "isika Nestôriana dia naman' ny Arabo sady mivavaka ho an' ny fandreseny". Ny fihetsiky ny Nestôriana “izay tsy manana mpanjaka hafa afa-tsy ny Arabo”, dia nampifanohitra tamin’ ny Eglizy Ôrtôdôksa Grika, izay nolazainy fa “tsy nitsahatra niady tamin’ ny Arabo ny emperorany [85] Teo anelanelan’ ny taona 923 sy 924 rava ny fiangonana tao anatin' ny herisetran' ny vahoaka tao Ramla, Askelôna sy tao Kaisarea Maritima, ary Damaskôsy.[85] Isaky ny tranga, araka ny filazan' i Eutychius, mpanoratra tantara kristiana sady arabo melkita avy any Aleksandria, ny kalifa al-Muqtadir (manodidina ny taona 908–932) dia nandray anjara tamin' ny ady. fanorenana indray ny fananan’ ny Fiangonana.[85]

s34iw8vjfhifny8p37o3101mrm7f0rn
1046744
1046743
2022-08-07T09:02:21Z
Thelezifor
15140
/* Ikônôklasma bizantina */

Taorian' ny andian-tafika mahery vaika nanohitra ny Miozolmana, dia nipoitra tao amin' ny tanin' ny Empira Bizantina ny ikônôklasma tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-8. Tamin' ny taona 720, ny emperora bizantina Leo III Isaurian dia nandrara ny fanehoana an-tsary an' i Kristy sy ny olo-masina ary ny seho ara-Baiboly. Tany Latina Andrefana, ny papa Gregôrio III dia nanao sinôda roa tany Rôma ary nanameloka ny nataon’ i Leo. Ny Filankevitry ny ikônôklasta Bizansa, natao tao Hieria tamin' ny taona 754, dia nanapa-kevitra fa ny sary masina dia fivadiham-pinoana.[101] Ny hetsika ikônôklastika dia nandrava ny ankamaroan' ny tantaran' ny zavakanto voalohany tao amin' ny Fiangonana kristiana. Ny hetsika ikônôklastika taty aoriana dia nofaritana ho heretika tamin' ny taona 787 teo ambanin' ny Kônsily faharoan' i Nikea (kônsily ekiomenika fahafito) saingy nisy fitsanganana vetivety teo anelanelan' ny taona 815 sy 842.
== Andro Antenatenany Ambony (800–1299) ==
ovyl0rrctcgza3blnxyczy5zcn6ssko
1046756
1046744
2022-08-07T10:46:10Z
Thelezifor
15140
Nanitatra

=== Renaissance karôlinjiana ===
Ny Renaissance Carolingian dia vanim-potoana fifohazana ara-tsaina sy ara-kolontsaina ny literatiora, ny zavakanto ary ny fandalinana soratra masina nandritra ny faramparan'ny taonjato faha-8 sy faha-9 teo ambany fitondran'ny tarana-mpanjaka Carolingiana, indrindra tamin'ny fotoana nanjakan'ny mpanjaka Frankish Charlemagne, mpanorina sy Emperora voalohany tao amin'ny Empira Carolingian, sy ny zanany lahy, Louis the Pious. Mba hamahana ny olan’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra teo amin’ny klerjy sy ny mpanora-dalàna ao amin’ny fitsarana, dia nanorina sekoly i Charlemagne ary nisarika ireo lehilahy nahay indrindra avy any Eoropa manontolo ho any amin’ny fitsarana azy.
=== Mitombo ny disadisa eo amin'ny Atsinanana sy Andrefana ===
Nanomboka niharihary ny fihenjanana teo amin’ny firaisan-kina kristiana tamin’ny taonjato faha-4. Olana fototra roa no voarohirohy: ny toetry ny fahambonian’ny evekan’i Roma sy ny fiantraikan’ny teôlôjika amin’ny fampidirana fehezanteny iray ao amin’ny Fanekem-pinoana Nicée, fantatra amin’ny anarana hoe filioque clause. Ireo olana ara-pampianarana ireo dia noresahina ampahibemaso voalohany tao amin’ny patriarkan’i Photius. Ny fiangonana tatsinanana dia nihevitra ny fahatakaran'i Roma ny toetoetran'ny fahefan'ny episkopaly ho toy ny mifanohitra mivantana amin'ny rafitry ny Fiangonana izay tena fampihavanana, ary noho izany dia nihevitra ireo eklesiôlôjia roa ireo ho mifanohitra tanteraka [102] .
Ny olana iray hafa dia nanjary nahasosotra lehibe ny Kristianisma Anarana, ny fampidirana tsikelikely ny Fanekem-pinoana Nicée any Andrefana amin'ny fehezanteny Filioque - midika hoe "sy ny Zanaka" - toy ny ao amin'ny "Fanahy Masina ... avy amin'ny Ray sy ny Zanaka" , izay lazain’ny Fanekem-pinoana tany am-boalohany, izay neken’ny konsily ary mbola ampiasain’ny Ortodoksa Tatsinanana ankehitriny, fa “ny Fanahy Masina, ... avy amin’ny Ray”. Nanamafy ny Fiangonana Tatsinanana fa nampiana tsy ara-dalàna io fehezan-teny io, satria tsy mbola nisy nidinika ny Atsinanana[103]. Ho fanampin'io resaka eklesiôlôjika io, ny Fiangonana Tatsinanana koa dia nihevitra fa tsy azo ekena ny fehezan-teny Filioque noho ny antony dogmatika[104].
=== Fisaraham-bazana vokatry ny hevitr' i Fôtiôsy ===
Tamin’ny taonjato faha-9, dia nisy ady hevitra nipoitra teo amin’ny Kristianisma Tatsinanana (Byzance, Ortodoksa grika) sy ny Tandrefana (latina, katolika romana), izay nipoitra noho ny fanoheran’ny Papa Joany VII ny fanendrena nataon’ny Emperora Byzantine Michael III avy ao amin’ny Photios I. ny toeran'ny patriarika tao Constantinople. Nolavin'ny papa i Photios noho ny fifandirana teo amin'ny Atsinanana sy Andrefana teo aloha. Tsy nety nanaiky ny fahambonian’ny papa tamin’ny raharaha tatsinanana i Photios na nanaiky ny fehezan-teny Filioque. Ny delegasiona latinina tao amin'ny filankevitry ny fanokanana azy dia nanery azy hanaiky ilay fehezanteny mba hahazoana antoka ny fanohanan'izy ireo. Ny resabe koa dia nahitana ny zon'ny eglizy tatsinanana sy tandrefana ao amin'ny fiangonana Bolgara. Nanome fanelanelanana tokoa i Photios momba ny raharaha momba ny zo ara-pitsarana momba an’i Bolgaria, ary ireo solombavambahoaka papaly dia nanao izany tamin’ny fiverenany an’i Bolgaria tany Roma. Io fanekena io anefa dia nomena anarana fotsiny, satria ny fiverenan'i Bolgaria tamin'ny fombam-pivavahana Byzance tamin'ny taona 870 dia efa nahazo azy io ho fiangonana autocephalous. Raha tsy nisy ny faneken'i Boris I avy any Bolgaria, dia tsy afaka nampihatra ny fitakiany ny papa
=== Fizarana Atsinanana-Andrefana (1054) ===
Ny Fizarana Atsinanana-Andrefana, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe "Fizarana Lehibe", dia nanasaraka ny Fiangonana ho sampana tandrefana (latina) sy tatsinanana (grika), izany hoe ny katolika tandrefana sy ortodoksa tatsinanana. Io no fizarazarana lehibe voalohany hatramin’ny nandavan’ny antokon’olona sasany tany Atsinanana ny didy navoakan’ny Konsilin’i Chalcedon (jereo ny Ortodoksa Tatsinanana) ary niavaka kokoa. Na dia natao tamin'ny 1054 aza ny Fizarana Atsinanana sy Andrefana, dia vokatry ny fisarahana lava teo amin'ny Kristianisma Anarana latinina sy grika noho ny maha-lehiben'ny papa sy ny foto-pampianarana sasany momba ny Filioque, saingy nihamafy noho ny kolontsaina, ara-jeografika, ara-jeopolitika ary ara-jeografika. fahasamihafan'ny fiteny.
=== Fanavaozana monastika ===
Nanomboka tamin’ny taonjato faha-6, ny ankamaroan’ny monasitera tany amin’ny Katolika Andrefana dia an’ny Didy Benoît. Noho ny fanarahana hentitra kokoa ny fitondran'i Benedictine nohavaozina, ny Abbey of Cluny dia nanjary ivon-toeran'ny monasticism tandrefana ekena nanomboka tamin'ny taonjato faha-10. Cluny dia namorona lamina lehibe sy federasiona izay nahatonga ny mpitantana ny trano fanampiny ho lefitry ny abbot Cluny ary namaly azy. Ny toe-tsaina Cluniac dia fitaomana mamelona indray ny Fiangonana Norman, tamin'ny faratampony nanomboka tamin'ny tapany faharoa tamin'ny taonjato faha-10 ka hatramin'ny fiandohan'ny taonjato faha-12.
Tonga niaraka tamin'ny hetsika Cistercian ny onjam-panavaozana monastika manaraka. Ny abbey Cistercian voalohany dia naorina tamin'ny 1098, tao amin'ny Cîteaux Abbey. Ny foto-kevitry ny fiainana Cistercian dia fiverenana amin'ny fitandremana ara-bakiteny ny fitondran'i Benedictine, fandavana ny fivoaran'ny Benedictine. Ny tena nanaitra indrindra tamin'ny fanavaozana dia ny fiverenana amin'ny asa tanana, ary indrindra amin'ny asa an-tsaha. Nahazo aingam-panahy avy amin'i Bernard avy ao Clairvaux, ilay mpanorina voalohany ny Cistercians, izy ireo no lasa hery lehibe indrindra amin'ny fandrosoana ara-teknolojia sy ny fanaparitahana tany Eoropa tamin'ny Moyen Âge. Tamin’ny faran’ny taonjato faha-12, dia nisy 500 ny trano Cistercian, ary tamin’ny faravodilanitra tamin’ny taonjato faha-15, dia nilaza fa nisy trano efa ho 750 ny lamina. Ny ankamaroan'izy ireo dia naorina tany an'efitra, ary nandray anjara lehibe tamin'ny fitondrana ny faritra mitoka-monina any Eoropa ho amin'ny fambolena ara-toekarena.
Ny ambaratonga fahatelo amin'ny fanavaozana monastika dia nomen'ny fananganana ny baikon'ny Mendicant. Antsoina matetika amin'ny anarana hoe "friars", ny medicants dia miaina eo ambany fitondran'ny monastika miaraka amin'ny voady nentim-paharazana momba ny fahantrana, ny fahadiovam-pitondrantena ary ny fankatoavana saingy manantitrantitra ny fitoriana, ny asa misionera ary ny fanabeazana, ao amin'ny monasitera mitokana. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-12, dia naorin’ny mpanara-dia an’i François de Assise ny Ordônansin’i Fransiskanina, ary taorian’izay dia i Md Dominika no nanombohan’ny Filaharana Dominikanina.
=== Fisondrotan'ny oniversite ===
Ny oniversite tandrefana maoderina dia manana ny fiaviany mivantana ao amin'ny Fiangonana Moyen Âge.[105][106][107][108][109] Sekolin'ny katedraly no nanombohan'izy ireo, ary noheverina ho mpitondra fivavahana ny mpianatra rehetra.[110] Tombontsoa izany satria nametraka ny mpianatra ho eo ambany fahefan'ny eglizy izy ka nanome hery fiarovana sy fiarovana sasany. Nisaraka tamin'ny katedraly ny sekoly katedraly tamin'ny farany ary nanangana ny andrim-pianarany manokana, ny voalohany indrindra dia ny University of Bologna (1088), ny University of Oxford (1096), ary ny University of Paris (c. 1150).[111] 112][113]
=== Tsy fifanarahan-kevitra momba ny fampisaloram-boninahitra ===
Ny ady hevitra momba ny fampiasam-boninahitra no ady lehibe indrindra teo amin'ny fahefana laîka sy ny fahefana ara-pivavahana izay nitranga tany Eoropa tamin'ny Moyen Âge. Nanomboka tamin’ny ady tamin’ny taonjato faha-11 teo amin’ny Emperora Masina Romanina Henri IV sy ny Papa Grégoire VII momba izay hanendry eveka (investiture). Ny fiafaran'ny fampiasam-bola laika dia nandrahona ny hampihena ny herin'ny Empira Romana Masina sy ny fanirian'ny andriana Eoropeana. Ny episkôpà dia fanendrena mandritra ny androm-piainany fotsiny, ny mpanjaka dia afaka mifehy tsara kokoa ny fahefany sy ny fidiram-bolany noho ny an'ny olo-manan-kaja. Ny tsara kokoa aza dia azony atao ny mamela ny toerana ho banga ary manangona ny vola miditra, araka ny teoria amin'ny fitokisana ho an'ny eveka vaovao, na manome episkôpà mba handoa olona ambony iray. Ny Eglizy Katolika Romana dia naniry ny hampitsahatra ny fandraisan'anjaran'ny laika mba hampitsaharana izany sy ny fanararaotana hafa, mba hanavaozana ny episkôpaty sy hanomezana fikarakarana pastôraly tsara kokoa. Namoaka ny Dictatus Papae ny Papa Grégoire VII, izay nanambara fa ny papa irery no afaka manendry eveka. Ny fandavan'i Henri IV an'ilay didim-panjakana dia nitarika ho amin'ny fandroahana azy sy ny fikomiana ducal. Tamin'ny farany dia nahazo famotsoran-keloka i Henri IV taorian'ny fivalozana ampahibemaso mahatsiravina, na dia nitohy aza ny Fikomian'i Saxon Lehibe sy ny fifandonana amin'ny fampiasam-bola.
Nisy ady hevitra mitovy amin’izany nitranga tany Angletera teo amin’ny Mpanjaka Henri I sy St. Anselm, Arsevekan’i Canterbéry, momba ny fahabangan-toerana sy ny fahabangan-toerana ho episkopaly. Ny fifandirana anglisy dia voavaha tamin'ny Concordat of London (1107), izay nandaozan'ny mpanjaka ny fitakiany hampiasa vola ho eveka fa nanohy nitaky fianianana. Modely ampahany ho an'ny Concordat of Worms (Pactum Calixtinum) io, izay namaha ny resabe momba ny fampiasam-bola imperial tamin'ny marimaritra iraisana izay nahafahan'ny manam-pahefana nifehy ny fahefany, saingy nanome ny fifantenana ny eveka ho an'ireo kanona katedraly. Ho mariky ny marimaritra iraisana, dia samy nampiasa ny eveka niaraka tamin'ny mpiasa sy ny peratra ny eveka na ny manam-pahefana ara-pivavahana sy ny laika.
=== Kroazada ===
Amin'ny ankapobeny, ny Crusades (1095–1291) dia manondro ny fampielezan-kevitry ny Kristiana Eoropeana tao amin'ny Tany Masina notohanan'ny Papa tamin'ny Silamo mba hamerenana ny faritr'i Palestina.[114][115][116] Nisy diabe mpikomy hafa niady tamin'ny tafika Islamika tany Mediterane, indrindra tany amin'ny faritra atsimon'i Espaina, atsimon'i Italia, sy ireo nosy Sipra, Malta ary Sisila.[115] Ny Papa koa dia nanohana ny Kroazada maro hanoherana ny vahoaka mpanompo sampy any Avaratra-Atsinanan'i Eoropa mba handresena sy hampiova finoana azy ireo ho Kristianisma, [114] hanoherana ny fahavalony ara-politika any Eoropa Andrefana, ary hanoherana ireo fivavahan-diso na vitsy an'isa ao amin'ny Kristianisma Anarana Eoropeana.[117]
Ny Tany Masina dia anisan'ny Fanjakana Romanina, ary noho izany dia tao amin'ny Fanjakana Byzantine, mandra-pahatongan'ny fananiham-bohitra Arabo silamo tamin'ny taonjato faha-7 sy faha-8. Taorian'izay, tamin'ny ankapobeny dia navela hitsidika ireo toerana masina tao amin'ny Tany Masina ny Kristianina hatramin'ny 1071, rehefa nanakatona ny fivahiniana masina kristianina ny Tiorka Seljuk ary nanafika ny Byzance, nandresy azy ireo tamin'ny ady tao Manzikert. Ny Emperora Alexius I dia nangataka fanampiana tamin'ny Papa Urban II hanoherana ny herisetra Islamika. Azo inoana fa nanantena vola tamin’ny papa izy mba hanakaramana mpikarama an’ady. Raha ny tokony ho izy, dia niantso an’ireo miaramilan’ny Kristianisma Anarana i Urban II tamin’ny lahateny natao tao amin’ny Konsilin’i Clermont tamin’ny 27 Novambra 1095, nampifangaro ny hevitra momba ny fivahiniana masina any amin’ny Tany Masina sy ny ady masina amin’ny tsy mpino.[118]
Ny Kroazada Voalohany dia nahazo an'i Antiokia tamin'ny 1099 ary avy eo Jerosalema. Ny Crusade faharoa dia nitranga tamin'ny 1145 rehefa nalain'ny tafika Islamika i Edessa. Jerosalema dia natao hatramin'ny 1187 sy ny Kroazada Fahatelo, taorian'ny ady teo amin'i Richard the Lionheart sy Saladin. Ny Kroazada fahefatra, natomboky ny Innocent III tamin’ny 1202, dia nikasa haka indray ny Tany Masina, saingy tsy ela dia noravan’ny Venetiana. Rehefa tonga tao Constantinople ireo mpikomy, dia norobainy ny tanàna sy ny faritra hafa tany Azia Minora ary nanangana ny Empira latin’i Constantinople tany Gresy sy Azia Minora. Kroazada dimy niisany ho any amin'ny Tany Masina, izay niafara tamin'ny fahirano an'i Acre tamin'ny taona 1219, ary namarana ny fisian'ny Tandrefana tao amin'ny Tany Masina.[119]
Notanan'ny mpikomy nandritra ny zato taona teo ho eo i Jerosalema, fa ny tanàna mimanda hafa tany amin'ny faritra atsinanana akaiky kosa dia nijanona ela kokoa teo amin'ny fananan'ny Kristianina azy. Tsy nahavita nanangana fanjakana kristiana maharitra ireo kroazada tao amin’ny Tany Masina. Nijanona ho loza mitatao nandritra ny taonjato maro ny fanitarana Islamika tany Eoropa, ary niafara tamin'ny fampielezan-kevitr'i Suleiman ilay Magnificent tamin'ny taonjato faha-16. Ny Kroazada tany Iberia (Reconquista), atsimon'i Italia, ary Sisila dia nitarika ho amin'ny faharavan'ny fahefana silamo tany Eoropa. Ny Kroazada Albigensian dia nikendry ireo Cathars mpivadi-pinoana any atsimon'i Frantsa; miaraka amin'ny Inquisition naorina taorian'izany, dia nahomby tamin'ny fandringanana azy ireo. Ny Kroazada Wendish dia nahomby tamin'ny fandresen-dahatra sy ny famadihana an-keriny ny Slavs mpanompo sampy tany atsinanan'i Alemaina maoderina. Ny Crusade Livonian, izay nataon'ny Teutonic Knights sy ny baikon'ny moanina mpiady hafa, dia nandresy sy nanova an-keriny ny Balta mpanompo sampy tao Livonia sy Prussia Taloha. Na izany aza, ny Grand Duchy of Litoania mpanompo sampy dia nahomby tamin'ny fanoherana ny Knights ary niova fo an-tsitrapo tamin'ny taonjato faha-14.[120]
=== Ikizisiôna tamin' ny Andro Antenatenany ===
Ny Inkizisiôna taminny Andro Antenatenany dia andiana inquisition (fikambanana eglizy katolika romana voampanga ho nanafoana ny hetsika kristiana izay noheverin'izy ireo ho heretika) nanomboka tamin'ny taona 1184, anisan'izany ny Inquisition Episcopal (1184–1230) ary taty aoriana ny Inquisition Papaly (1230s–1240s). Izy io dia naorina ho setrin'ny hetsika Kristiana ao Eoropa heverina ho mpivadi-pinoana na mivadi-pinoana amin'ny Katolika tandrefana, indrindra ny Bogomils, [121] Cathars (na Albigensians), [122] Waldensians, [123] Beguines sy Beghards, [124] Lollards, [125] Hussites, [126] ary Jiosy Eoropeana, [127] izay niely tany amin'ny Fanjakana Bolgara, [121] atsimon'i Frantsa, [122] Italia Avaratra, [123] Flanders sy Rhineland, [124] Angletera, [124] 125] ny tanin'ny satroboninahitry ny Bohemiana [126] sy ireo faritany nitambatra teo ambanin'ny satroboninahitr'i Aragôna.[127] Ireo no hetsika inquisition voalohany nataon’ny maro izay nanaraka ny Kristianisma Anarana Eoropeanina.
dpeu9es5wn1nnxr4qeey3aqh35yjzph
Dinika amin'ny mpikambana:MdsShakil/header
3
282237
1046735
2022-08-06T16:23:30Z
Pathoschild
185
create header for talk page ([[m:Synchbot|requested by MdsShakil]])
wikitext
text/x-wiki
<div style="display: flex; flex-wrap: wrap; justify-content: center; align-items: center; margin: 16px 0; border: 1px solid #aaaaaa;">
<div style="padding: 12px;">[[File:Circle-icons-megaphone.svg|75px|link=[[m:User_talk:MdsShakil]]]]</div>
<div style="flex: 1; padding: 12px; background-color: #dddddd; color: #555555;">
<div style="font-weight: bold; font-size: 150%; color: red; font-family: 'Comic Sans MS'">Welcome to my talk page!</div>
<div style="max-width: 700px">Hey! I am Shakil Hosen. I patrol many projects, and where I don't know the language I only act in cases of serious vandalism. If you think I have done anything wrong, feel free to [[m:User talk:MdsShakil|message me]] on Meta wiki. If you don't like that you can leave me messages here too, but since I do not watch all of my talk pages, your message might not get a timely response. Thanks! [[File:Face-smile.svg|18px|link=[[m:User:MdsShakil]]]]</div>
</div>
</div>
6ns6eellkw7iqc4yteyjnszfjmo2yio
Dinika amin'ny mpikambana:MdsShakil
3
282238
1046736
2022-08-06T17:57:03Z
Pathoschild
185
add talk page header ([[m:Synchbot|requested by MdsShakil]])
wikitext
text/x-wiki
{{User talk:MdsShakil/header}}
tbo8m2n1p4y1shpmyu07h1k0g9pq65d
Yoroba
0
282239
1046737
2022-08-06T20:36:17Z
2601:14B:4481:17D0:9192:8882:81F6:AFA6
Pejy noforonina tamin'ny « Animation »
wikitext
text/x-wiki
Animation
bizx9egp24zc9x4e38zitsz0qm5mfvt