Wikipedia mgwiki https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana MediaWiki 1.39.0-wmf.25 first-letter Rakitra Manokana Dinika Mpikambana Dinika amin'ny mpikambana Wikipedia Dinika amin'ny Wikipedia Sary Dinika amin'ny sary MediaWiki Dinika amin'ny MediaWiki Endrika Dinika amin'ny endrika Fanoroana Dinika amin'ny fanoroana Sokajy Dinika amin'ny sokajy TimedText TimedText talk Module Discussion module Gadget Discussion gadget Définition de gadget Discussion définition de gadget Satana 0 263797 1047053 1011108 2022-08-21T12:05:08Z Thelezifor 15140 /* Ao amin' ny jodaisma sy ny kristianisma */ wikitext text/x-wiki [[Sary:GustaveDoreParadiseLostSatanProfile.jpg|vignette|Sarin' i Satana nataon' i Gustave Doré ao amin' ny boky ''Le Paradis perdu'' ("Paradisa very") nosoratan' i John Milton. ]] I '''Satana''' na ny '''satana''' dia zava-mananaina ara-[[Fanahy|panahy]] tany an-danitra izay resahina ao amin' ny [[fivavahana abrahamika]] (indrindra ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] ary ny [[finoana silamo]]) sady voalaza fa nanohitra ny sitrapon' [[Andriamanitra]] ka nitarika [[fanahy]] maro hafa koa hanaraka azy mba [[Fakam-panahy|haka fanahy]] ny olombelona ka hitarika azy amin' ny [[ratsy]] sy hanimba izao tontolo izao. Fantatra amin' ny anarana hoe [[Devoly]] koa izy. Amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] dia atao hoe שָׂטָן / ''śāṭān'' izy, fa amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]] kosa dia Σατανᾶς / ''satanâs'', amin' ny [[Fiteny arameana|teny arameana]] dia ܣܛܢܐ / sāṭānā’, ary amin' ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] dia ﺷﻴﻄﺎﻥ / ''šayṭān''. == Ao amin' ny jodaisma sy ny kristianisma == Ny anaran' i Satana dia avy amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] hoe ''ha''-''satana'' izay midika hoe "fahavalo" na "mpifanandrina". Ao amin' ny [[Testamenta Taloha]] io anarana io dia ampiasaina ho [[anarana iombonana]] tamin' ny voalohany, izay ilazana ny mpitsikilo mirenireny nampiasain' Andriamanitra, araka ny hita ao amin' ny [[Bokin' i Joba|Bokin' i Joba]] (Joba 1.6-7). Rehefa mandehandeha ety an-tany i Satana dia manangom-baovao momba ny olombelona hiampangany azy eo anatrehan' Andriamanitra, araka ny [[Bokin' i Zakaria|Bokin' i Zakaria]] (Zak. 3.1). Misedra ny finoan' ny olona an' Andriamanitra koa izy, araka ny hita ao amin' ny Bokin' i Joba ihany (Joba 1.8-12). Tsy mbola aseho ho ilay fanahy fara tampon' ny faharatsiana hatreto ny Satana fa fanahy manatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra sahala amin' ireo [[anjely]] hafa rehetra ka tsy nanana fanapahan-kevitra manokana. Taty aoriana vao lasa [[anaran-tsamirery]] ny hoe ''Satana'', araka ny hita ao amin' ny [[Boky voalohan' ny Tantara|Boky voalohan' ny Tantara]] (1Tant. 21.1). Ny [[lovantsofina]] jiosy taty aoriana sy ny lovantsofina kristiana tamin' ny voalohany dia nihevitra an' i Satana ho fahavalo mpifanandrina ka tsy amin' ny olombelona ihany izany fa amin' Andriamanitra koa indrindraindrindra. Izy no noheverina ho fototry ny ratsy rehetra ka lasa lohan' ireo demony. Maro ny fanahy ratsy nampitovizina amin' i Satana toy ny Menarana na Bibilava ao amin' ny [[Bokin' ny Genesisy|Bokin' ny Genesisy]] (na Jenezy) na ny Dragona ao amin' ny [[Apôkalipsin' i Joany|Bokin' ny Apôkalipsy]] na Apôkalipsa (Apô. 20.2). Ao amin' ny [[Apôkrifan' ny Baiboly|boky apôkrifa]], izay voasoratra teo anelanelan' ny fotoana nanoratana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, sy ao amin' ny [[Talmud]] ary ny asa soratry ny [[raby]] taty aoriana dia ahitana koa an' i [[Samaela]] izay ampitovizina amin' ny Anjelin' ny Fahafatesana. Ao amin' ny asa soratry ny raby dia i Samaela no lasa Ilay Menarana mpaka fanahy izay nahatonga ny fahalavoan' i [[Adama (Baiboly)|Adama]] sy i [[Eva]]. Voalaza koa ho andrian' ny [[demony]] izy. Noho ireo rehetra ireo dia tsy inona ny hoe Samaela fa anaran' ilay Satana mpiampanga ao amin' ny Testamenta Taloha ihany. == Ao amin' ny finoana silamo == Ao amin' ny [[Kor'any]] dia tsy anjely fa [[jiny]] i Satana (arabo: شيطان‎/ ''Sheitan'' na ''Shaitan''). Atao hoe [[Iblisy]] (arabo: إبليس / ''Iblis'') koa ny anarany. Araka ny [[Kor'any]], rehefa avy namorona an' i [[Adama (Baiboly)|Adama]] Andriamanitra dia tsy nety niankohoka teo anatrehan' i Adama i Satana raha nandidy azy ahanao izany Andriamanitra (Kor'any 2.34). Voaroaka avy tao an-danitra noho izany izy ka niteny tamin' Andriamanitra fa hampiala ny olombelona amin' ny finoana an' Andriamanitra. Misy anarana [[Fiteny arabo|arabo]] amin' ny endrika milaza maro amin' ny anarana hoe ''Shaytan'' dia ny hoe الشياطين / ''Shayṭîn'' izay manondro karazana zavamananaina mpaka fanahy, dia ny demony sy ny olona sasany ampiasain' ny demony (Kor'any 6.112) ka eo ambany fahefan' i Iblisy. == Jereo koa == * [[Devoly]] * [[Losifera]] * [[Demony]] * [[Anjely]] 3m5ehjtemzfcnzserz46gkvyf0v2w0g 1047054 1047053 2022-08-21T12:07:35Z Thelezifor 15140 /* Ao amin' ny finoana silamo */ wikitext text/x-wiki [[Sary:GustaveDoreParadiseLostSatanProfile.jpg|vignette|Sarin' i Satana nataon' i Gustave Doré ao amin' ny boky ''Le Paradis perdu'' ("Paradisa very") nosoratan' i John Milton. ]] I '''Satana''' na ny '''satana''' dia zava-mananaina ara-[[Fanahy|panahy]] tany an-danitra izay resahina ao amin' ny [[fivavahana abrahamika]] (indrindra ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] ary ny [[finoana silamo]]) sady voalaza fa nanohitra ny sitrapon' [[Andriamanitra]] ka nitarika [[fanahy]] maro hafa koa hanaraka azy mba [[Fakam-panahy|haka fanahy]] ny olombelona ka hitarika azy amin' ny [[ratsy]] sy hanimba izao tontolo izao. Fantatra amin' ny anarana hoe [[Devoly]] koa izy. Amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] dia atao hoe שָׂטָן / ''śāṭān'' izy, fa amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]] kosa dia Σατανᾶς / ''satanâs'', amin' ny [[Fiteny arameana|teny arameana]] dia ܣܛܢܐ / sāṭānā’, ary amin' ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] dia ﺷﻴﻄﺎﻥ / ''šayṭān''. == Ao amin' ny jodaisma sy ny kristianisma == Ny anaran' i Satana dia avy amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] hoe ''ha''-''satana'' izay midika hoe "fahavalo" na "mpifanandrina". Ao amin' ny [[Testamenta Taloha]] io anarana io dia ampiasaina ho [[anarana iombonana]] tamin' ny voalohany, izay ilazana ny mpitsikilo mirenireny nampiasain' Andriamanitra, araka ny hita ao amin' ny [[Bokin' i Joba|Bokin' i Joba]] (Joba 1.6-7). Rehefa mandehandeha ety an-tany i Satana dia manangom-baovao momba ny olombelona hiampangany azy eo anatrehan' Andriamanitra, araka ny [[Bokin' i Zakaria|Bokin' i Zakaria]] (Zak. 3.1). Misedra ny finoan' ny olona an' Andriamanitra koa izy, araka ny hita ao amin' ny Bokin' i Joba ihany (Joba 1.8-12). Tsy mbola aseho ho ilay fanahy fara tampon' ny faharatsiana hatreto ny Satana fa fanahy manatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra sahala amin' ireo [[anjely]] hafa rehetra ka tsy nanana fanapahan-kevitra manokana. Taty aoriana vao lasa [[anaran-tsamirery]] ny hoe ''Satana'', araka ny hita ao amin' ny [[Boky voalohan' ny Tantara|Boky voalohan' ny Tantara]] (1Tant. 21.1). Ny [[lovantsofina]] jiosy taty aoriana sy ny lovantsofina kristiana tamin' ny voalohany dia nihevitra an' i Satana ho fahavalo mpifanandrina ka tsy amin' ny olombelona ihany izany fa amin' Andriamanitra koa indrindraindrindra. Izy no noheverina ho fototry ny ratsy rehetra ka lasa lohan' ireo demony. Maro ny fanahy ratsy nampitovizina amin' i Satana toy ny Menarana na Bibilava ao amin' ny [[Bokin' ny Genesisy|Bokin' ny Genesisy]] (na Jenezy) na ny Dragona ao amin' ny [[Apôkalipsin' i Joany|Bokin' ny Apôkalipsy]] na Apôkalipsa (Apô. 20.2). Ao amin' ny [[Apôkrifan' ny Baiboly|boky apôkrifa]], izay voasoratra teo anelanelan' ny fotoana nanoratana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, sy ao amin' ny [[Talmud]] ary ny asa soratry ny [[raby]] taty aoriana dia ahitana koa an' i [[Samaela]] izay ampitovizina amin' ny Anjelin' ny Fahafatesana. Ao amin' ny asa soratry ny raby dia i Samaela no lasa Ilay Menarana mpaka fanahy izay nahatonga ny fahalavoan' i [[Adama (Baiboly)|Adama]] sy i [[Eva]]. Voalaza koa ho andrian' ny [[demony]] izy. Noho ireo rehetra ireo dia tsy inona ny hoe Samaela fa anaran' ilay Satana mpiampanga ao amin' ny Testamenta Taloha ihany. == Ao amin' ny finoana silamo == Ao amin' ny [[Kor'any]] dia tsy anjely fa [[jiny]] i Satana (arabo: شيطان‎/ ''Sheitan'' na ''Shaitan''). Atao hoe [[Iblisy]] (arabo: إبليس / ''Iblis'') koa ny anarany. Araka ny [[Kor'any]], rehefa avy namorona an' i [[Adama (Baiboly)|Adama]] Andriamanitra dia tsy nety niankohoka teo anatrehan' i Adama i Satana raha nandidy azy hanao izany Andriamanitra (Kor'any 2.34). Voaroaka avy tao an-danitra noho izany izy ka niteny tamin' Andriamanitra fa hampiala ny olombelona amin' ny finoana an' Andriamanitra. Misy anarana [[Fiteny arabo|arabo]] amin' ny endrika milaza maro amin' ny anarana hoe ''Shaytan'' dia ny hoe الشياطين / ''Shayṭîn'' izay manondro karazana zavamananaina mpaka fanahy, dia ny demony sy ny olona sasany ampiasain' ny demony (Kor'any 6.112) ka eo ambany fahefan' i Iblisy. == Jereo koa == * [[Devoly]] * [[Losifera]] * [[Demony]] * [[Anjely]] 1sk7ham748sjtg9i1vjlrdi1yq2z8bf