Wikipedia mgwiki https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana MediaWiki 1.47.0-wmf.12 first-letter Rakitra Manokana Dinika Mpikambana Dinika amin'ny mpikambana Wikipedia Dinika amin'ny Wikipedia Sary Dinika amin'ny sary MediaWiki Dinika amin'ny MediaWiki Endrika Dinika amin'ny endrika Fanoroana Dinika amin'ny fanoroana Sokajy Dinika amin'ny sokajy TimedText TimedText talk Module Discussion module Event Event talk Jean-Joseph Rabearivelo 0 1179 1147976 1147913 2026-07-24T06:44:10Z ~2026-41229-36 40469 Nanitsy tsipelina 1147976 wikitext text/x-wiki {{Infobox olona |anarana=Jean Joseph Rabearivelo |teraka=04 martsa 1901|toerana=[[Antananarivo]] |maty=22 Jona 1937 |firenena={{Madagasikara}} |asa=Poeta |asa hafa=Mpandika teny |taona niasana=1934 |image=Jean-Joseph_Rabearivelo_2.jpg}} I '''Jean-Joseph Rabearivelo ''dia''''' [[mpanoratra]] malagasy, teraka tamin'ny 4 Martsa 1901 tao Isoraka, [[Antananarivo]]. Tamin'ny taona 1924 Rabearivelo no nanomboka niasa tao amin'ny Imprimerie de l'Imerina, ary nijanona niasa tao hatramin'ny nahafatesany. Tamin'ny 1915 Rabearivelo no nanomboka nampiseho ny asa-sorany tamin'ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]]. Nanoratra tamin' ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]] koa izy. Zavatra mampalahelo maro no nihatra tamin'ny fiainany. Tamin'ny 22 Jona 1937 no maty namono tena Rabearivelo. == Tantaram-piainany == I Jean-Joseph Rabearivelo [[Mpanoratra|mpanoratra malagasy]], teraka tamin'ny tamin'ny [[4 Martsa]] [[1901]] tao Isoraka, [[Antananarivo]] tamin' ny anarana hoe Joseph-Casimir Rabe Antsa, zanak' i Rabozivelo, [[Zanadralambo]], avy ao Ambatofotsy - avaratr'[[Antananarivo]]. Efa taona maro taty aoriana no nanova anarana hoe ''Jean-Joseph Rabearivelo'' i Joseph-Casimir. Zaza sary izy. Nanomboka tamin'ny taona [[1908]] dia ny anadahin-dreniny no niantoka sy nitaiza an-dRabearivelo. Nianatra tao amin'ny Frères des Écoles Chrétiennes Andohalo izy, avy eo tao amin'ny sekoly Masindahy Misely ao Amparibe, ary rehefa voaroaka tao dia nifindra tao amin'ny sekoly Flacourt Faravohitra. Teo amin'ny faha-13 taonany izy nandao ny fianarana saingy nanohy namaky boky ary nampiana-tena niteny [[Fiteny frantsay|frantsay]] sy [[Fiteny espaniôla|espaniola]]. Tamin'ny [[1916]] izy no nanomboka niasa, mpandika teny, mpitan-tsoratra tao amin'ny lehiben'ny kantao (canton) tao Ambatolampy, mpanao sary (dentelles) tao amin'ny goverinora tao Antananarivo. Nampianatra teny frantsay koa izy. Tamin'ny taona [[1924]] Rabearivelo no nanomboka niasa tao amin'ny Imprimerie de l'Imerina, ary nijanona niasa tao hatramin'ny nahafatesany na dia tsy nandray karama aza izy tamin'ny roa taona voalohany. Mpanao fanitsiana no asany tamin'izany. Nanambady an'i Mary Razafitrimo tamin'ny taona [[Jolay]] [[1926]]. Nanan-janaka dimy izy ireo dia i Solofo, Sahondra, Voahangy, Noro ary Velomboahangy. Maty tamin'ny taona [[1933]] i Voahangy zanany, ary izay no nahatonga ny anaran'ny zanany faravavy hoe Velomboahangy. Zavatra mampalahelo maro no nihatra tamin'ny fiainany. Ohatra: ny taona 1933 dia maty ny zanany vavimatoa. Sahirana tamin'ny fiainana. Tsy nahatratra ny tanjona niriany. Tamin'ny [[22 Jiona]] 1937 no maty namono tena Rabearivelo. == Asa soratra == [[File:Jean-Joseph Rabearivelo en profil.jpg|thumb|Jean-Joseph Rabearivelo]] Tamin'ny [[1915]] Rabearivelo no nanomboka nampiseho ny asa-sorany tamin'ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]] tao amin'ny [[Gazetiboky|gazety boky]] ''Vakio Ity'', ary ny solonanarana ''K. Verbal'' no nentiny tamin'izany. Tamin'ny [[24 Mey]] [[1921]] kosa no nitranga voalohany tao amin'ny gazety ''La Tribune de Madagascar '' ny asa-sorany amin'ny teny Frantsay izay mitondra ny lohanteny hoe ''Le Couchant''. Tamin'ny 1924 no namoaka ny andian-tononkalo amin'ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]] ''La Coupe de Cendres''. Nanomboka teo dia hita tamin'ny gazety maro tao an-toerana sy tany ivelany toy ny ''Tsarahafatra, Mpanolotsaina, Capricorne, La Revue de Madagascar, Le Journal des Poetes, Zodiaque'' sns, i Rabearivelo ary isan'ny solonanarana nentiny tamin'izany i ''Amance Valmond''. Nitana an-tsoratra ny fiainany (journal intime) koa Rabearivelo, ary na efa norovitiny aza ny pejy nirakitra ny voalohandohan'ny fiainany dia mbola mahery ny 1800 pejy no voatahiry, mitantara ny fiainany nanomboka tamin'ny 1933 hatramin'ny nahafatesany. Manavaka azy sy ny asa sorany: nandray betsaka tamin'ny fomba fanoratana vahiny izy nefa nanome lanja tanteraka ihany koa ny foto-pisainana sy ny lalan-tsaina ary ny fomba fanehoan-javatra malagasy. Saro-takarina ny asa sorany. Saropiaro tamin'ny fanomezana hasina ny Poezia sy ny teny malagasy. == Boky efa nivoaka == === Amboaran-tononkalo === * ''La Coupe des Cendres'' (1924) * ''Sylves'' (1927) * ''Volumes'' (1928) * ''Presque-Songes'' (1934) * ''Traduit de la Nuit'' (1935) * ''Vientos de la Mañana'' (1935) * ''Chants pour Abéones'' (1936) * ''Le Vin Lourd'' (1936) * ''Stances Oubliées'' (1936) * ''Trèfles de Toujours et de Jamais'' (1936) === Tantara === * ''Le Prince s'amuse'' (1921) * ''Le Bijou Rose et Noir'' (1921) * ''Adèle et Arthur'' (1923) * ''Interférences'' (1923) * ''L'Aube Rouge'' (1923) * ''Contes de la Nuit'' (1923) === Tantara tsangana === * ''Enfants d'Orphée'' (1931) * ''Ephémérides'' (1934) * ''Aux portes de la Ville'' (1935) * ''Imaitsoanala'' (1936) === Boky hafa === * ''Tananarive, ses rues et ses quartiers'' (1936) * ''Snoboland'' (1936) == Jereo koa == * [[David Jaomanoro]] * [[Jean-Joseph Rabearivelo]] * [[Jacques Rabemananjara]] * [[Jean-Luc Raharimanana]] * [[Michèle Rakotoson]] * [[Dox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)|Dox]] * [[Naivoharison Patrick Ramanmonjisoa]] * [[Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka|Lucien Xavier Michel-Andrianarahinjaka]] * [[Esther Nirina]] * [[Hajasoa Vololona Picard]] * [[Charlotte-Arrisoa Rafenomanjato]] * [[Pastora Rahajason]] * [[Elie Rajaonarison]] * [[Ny Avana Ramanantoanina]] * [[Flavien Ranaivo]] * [[Esther Razana]] * [[Samuel Ratany]] * [[Lisitry ny mpanoratra malagasy]] == Rohy hafa == * [http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/page-62.html Pôetawebs], ahitana tantaram-piainana pôeta malagasy maro ka anisany ny an-dRabearivelo * [http://vetso.serasera.org/index.php?rub=vetso/poeta&pid=p3f7cad9ca5dba Tononkalo ao amin'ny serasera.org] * [http://www.freewebs.com/rabearivelo/ Takelaka ho an'i Rabearivelo] {{Wayback|url=http://www.freewebs.com/rabearivelo/ |date=20080726182146 }} * [http://www.lehman.cuny.edu/ile.en.ile/paroles/rabearivelo.html Momba an-dRabearivelo] {{Wayback|url=http://www.lehman.cuny.edu/ile.en.ile/paroles/rabearivelo.html |date=20070712192349 }}, lahatsoratra amin'ny teny frantsay * [http://www.samoela-andriani.org/jjrabe/jjrabe.htm Momba an-dRabearivelo] {{Wayback|url=http://www.samoela-andriani.org/jjrabe/jjrabe.htm |date=20080613114445 }}, lahatsoratra amin'ny teny malagasy == Loharano == {{Reflist}} {{DEFAULTSORT:Rabearivelo, Jean-Joseph}} [[Category:Mpanoratra malagasy]] [[Sokajy:Teraka tamin'ny taona 1901]] [[Sokajy:Maty tamin'ny taona 1937]] f51ff5eil7et7ygt1xos6hm08bf9i01 Dox (mpanoratra) 0 3326 1147977 1147923 2026-07-24T06:58:04Z ~2026-41229-36 40469 Nanampy teny 1147977 wikitext text/x-wiki {{Infobox olona|seha-pitiavana=Vadiny : Razanabololona Perle|anarana=Razakandraina Jean Verdi salomon|teraka=13 janoary 1913|maty=14 jona 1978|asa=Mpanoratra|firenena={{Madagasikara}}|asa hafa=mpanao hosodoko|toerana=Manankavaly}} == Ny mombamomba azy== '''I Dox''', izay atao hoe '''Jean Verdi Salomon Razakandraina''' amin'ny anarany feno, dia teraka tamin'ny 13 Janoary 1913 tao Manankavaly, [[Anjepy]]. Azo lazaina ho anisan'ny [[Pôeta|pôety]] [[Malagasy (vahoaka)|malagasy]] fanta-daza indrindra amin'izao andro izao i Dox. == Tantaram-piainana == Teraka tamin' ny 13 Janoary 1913 tany Manankavaly izy<ref>https://ile-en-ile.org/dox/</ref>, fony nitana ny " Trano fitsaboana boka" tany. Ny dokotera Samuël Salomon no rainy, fa ny faritanin' [[Antsirabe]] no tena fiaviany. Sekoly maro no nianaran'i Dox: sekolim-panjakana tao [[Antsirabe]], sekoly prôtestanta tao [[Ambohijatovo]] avaratra, Ambohimanoro, Collège Paul Minault. Tao amin' ity kôlejy farany ity no nanombohany nanoratra raha nandray anjara tamin'ny gazety nifanaovan' izy samy mpianatra tao izy, ka tamin' izay no nakany ny solon' anarana hoe "Dox" (mifanohitra amin'ny hoe ''"paradoxe"'', hoy izy, no nakany an' io noho izy tsy mba tia "paradoxe")<ref>https://journals.openedition.org/oceanindien/1401</ref>. Tao amin'ny gazety ''Fandrosoam-baovao'' sy ''Tatsinanana'' no nisantarany fisehoana sy nitohizany nanoratra taona vitsivitsy. Tao aorian'izay no nanomboka nisesy ny famoahany boky, ao koa ny [[tantara]] fampiseho ambony lampihazo efa vita boky na tsy mbola nivoaka boky, ary ny dikana tantara an-tsehatra malaza frantsay izay vao i Dox no nanandrana nandika azy amin' ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]] vita pôezia. Nampianatra tany [[Antsirabe]] i Dox, ary tamin' izany no nahafantarany an-dRazanabololona Perle izay tonga vadiny tamin' ny taona 1943. Nipetraka tao [[Mandoto]] izy ireo talohan' ny nifindrany tao [[Antananarivo]] indray noho ny antony ara-pahasalamana. Ankoatran' ny naha mpampianatra azy dia mpandoko koa izy.<ref>https://ile-en-ile.org/dox/</ref> Taom-pahoriana ho an'i Dox ny folo taona nanomboka teo satria maty tamin'ny Nôvambra 1945 ny zanany voalohany. Nodimandry tamin' ny Febroary 1949 ny zanany fahatelo, ary iray volana taorian'io dia maty koa ny rainy tamin' ny Marsa 1949. Tsy ela taorian'ireo, tamin' ny taona 1954, no nodimandry Razanabololona Perle vadiny. Maty tamin'ny 14 Jona 1978 tao [[Antananarivo]] i Dox, ary milevina ao amin' ny fasan-drazany ao Anjanapara Antsirabe. Tsara ho fantatra fa disoan' ny olona matetika ny fanoratra ny anarany. Razakandraina no tena izy fa tsy Razakandrainy. Ny hevitr' izany anarana izany dia mifototra amin' ny hoe "andrandraina", araka ny filazan' i Dox azy. == Ny mampiavaka azy == Nidonam-pahoriana maro i Dox tamin' ny fiainany (maty ny zanany voalohany tamin'ny Nôvambra 1945, ny fahatelo tamin' ny Janoary 1949, io taona ihany koa no maty ny rainy, ary lasa ny vadiny, Razanabololona Perle, tamin' ny Jolay 1954). Tsy mahagaga raha maro ny tononkalony no mihira ny [[fahafatesana]] sy ny fiononana. Ny [[fitiavana]] no azo lazaina ho manan-toerana lehibe indrindra ao amin' ny soratr'i Dox : fitiavana manan-tarehy manokana anefa, fa tsy mba irony rediredim-pitia mitory fangorintsin' ny nofo eo anoloan' ny tiana, fa ny fihetseham-po aman-tsaina eo anoloan' ny tiana sy ny mety ho tiana na ny fitsikerana fihetseham-pom-pitiavana. Ny fomba fanoratr' i Dox dia manana izay toetrany manokana izay koa: tsotra nefa lalina ary hita ny fampiasany hevi-dalina voalaza amin' ny teny misy sary sy loko. I Dox dia : * manoratra [[tononkalo]] miendrika "sonnet" 4-4-3-3, izany hoe ny andininy roa voalohany andalana efatra ary ny andininy roa faharoa andalana telo; * mpanankato "bohemien", izany hoe mandehandeha; * nikalo ny zava-boahary. == Ny asa sorany == === Ny boky sy amboaran-tononkalo navoakany === * ''Ny Hirako'' (1940), * ''Izy mirahavavy'' (1946), * ''Hira va'' (1948), * ''Solemita'' (1949), * ''Rakimalala'' (1955), * ''larivo'' (1956), * ''Voninkazon' ny Tanteraka'' (1956), * ''Ny Fitiavany'' (1957), * ''Apokalipsy'', * ''Izy mirahalahy'' (1958), * ''Fahatsiarovan-tena'' (1958), * ''Amina Batsola'' (1958), * ''Mavo handray fanjakana'' (1958)<ref>https://journals.openedition.org/oceanindien/1401</ref>, * ''Telomiova'' (1960) Marihina etoana fa maro ny tononkalony izay navadika ho hira, toy ny "Ny hirako" nataon'i Ramaroson William, niaraka amin' ny mpilalao mozika "Sorajavona". Ny amboaran-tononkalo nosoratany tamin' ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]] dia mitondra ny anarana hoe ''Chants capricornien'' ary novitainy tamin'ny taona 1971. Tsy natonta anefa izy io raha tsy tamin'ny taona 1991 ary naverina natonta indray tamin' ny taona 1995. === Ny tantara fampiseho ambony lampihazo === * ''Solemita'' (1949) * ''Apokalipsy'' (1957) * ''Estera'' (1958) * ''Ombalahibemaso'' * ''Ombalahy savika ombalahy'' (1958). === Ny fandikana tantara an-tsehatra malaza nataony === * ''Le Cid'' - Corneille (nadika avy amin' ny teny frantsay) * ''Andromaque'' - Racine (nadika avy amin' ny teny frantsay) * Tononkalon' i Victor Hugo sy Ronsard (nadika avy amin' ny teny frantsay) * ''Romeo and Juliette'' - Shakespeare (nadika avy amin' ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]]) == Ny zanany == Niteraka dimy i Dox: i Fontaine Ratiaray Solohery Salomon, i Elie Ramasindraibe Salomon, i Josué Andrianandraina Salomon, i Roger Andriamamparanony Salomon (Dede Salomon eo amin' ny sehatry ny zavakanto), ary i Paulette Rasoamampianina Salomon. Ny zanany atao hoe Ratsitolora Arthur Salomon sy Rahantavololona Aimee Salomon dia ireo maty fony mbola zaza menavava. Ilay mpanoratra fantatry ny maro amin' ny anarana hoe Hanitrony, izay filohan' ny sampana Havatsa-UPEM any [[Frantsa]], dia tsy zanak' i Dox fa zafikeliny ary zanak' i Roger Andriamamparanony Salomon. == Jereo koa == * [[David Jaomanoro]] * [[Jean-Joseph Rabearivelo]] * [[Jacques Rabemananjara]] * [[Jean-Luc Raharimanana]] * [[Michèle Rakotoson]] * [[Dox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)|Dox]] * [[Naivoharison Patrick Ramanmonjisoa]] * [[Lucien Xavier Michel Andrianarahinjaka|Lucien Xavier Michel-Andrianarahinjaka]] * [[Esther Nirina]] * [[Hajasoa Vololona Picard]] * [[Charlotte-Arrisoa Rafenomanjato]] * [[Pastora Rahajason]] * [[Elie Rajaonarison]] * [[Ny Avana Ramanantoanina]] * [[Flavien Ranaivo]] * [[Esther Razana]] * [[Samuel Ratany]] * [[Lisitry ny mpanoratra malagasy]] == Rohy ivelany == * [http://vetso.serasera.org/index.php?rub=vetso/poeta&pid=p3f7caf8c1c8d7 Tononkalon' i Dox ao amin' ny Serasera.org] * [http://www.freewebs.com/doxpoete/ DOX 1913 - 1978 Ecrivain - Poète de l'amour] {{Wayback|url=http://www.freewebs.com/doxpoete/ |date=20080213120325 }} * [http://tattum.canalblog.com/archives/2006/11/08/2918963.html 2006, l'année Dox] *[http://malagasyword.org/bins/teny2/razakandrainajeanverdisalomon Razakandraina Jean Verdi Salomon] == Sokajy hafa == {{Sokajy/main}} == Loharano == {{Reflist}} [[Sokajy:Poeta malagasy]] [[Sokajy:Mpanoratra malagasy]] [[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1913]] [[sokajy:Maty tamin'ny taona 1978]] mcehdlal47n27n6yp2gm1lopa5dfk3c Mahajanga 0 6537 1147972 1147424 2026-07-23T15:47:11Z Natanaboom 40443 Nanampy fanazavana 1147972 wikitext text/x-wiki {{coord|15|43|S|46|19|E}} {{infobox tanàna |anarana=Mahajanga |faritany= [[Faritanin' i Mahajanga|Mahajanga]] |velarantany= 51.05 |isam-ponina=246022 |firenena={{Madagasikara}} |faritra = [[Faritra Boeny]] |sary =Belle_vue_sur_la_mer_de_Mahajanga_Madagascar.jpg|thumb|100px|<nowiki>Mahajanga]]</nowiki> }} I '''Mahajanga''' na '''Majunga''', dia [[tanàna]] misy seranan-tsambo any amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' i [[Madagasikara]], eo amin' ny vavaranon' i [[Betsiboka (ony)|Betsiboka]] ny misy azy. Izy no renivohitry [[Faritra Boeny]] sy ny [[Faritanin' i Mahajanga]]. 550 km any avaratra-andrefan' [[Antananarivo]] no misy azy. Mahajanga dia nisy mponina 246&nbsp;022 tamin' ny taona 2018 ary tanàna fahefatra lehibe indrindra eto Madagasikara, aorian' [[Antananarivo]] sy [[Toamasina]] ary [[Antsirabe]]<ref><small>"[https://www.instat.mg/autres/rgph-3 Troisième Recensement Général de la Population et de l’Habitation (RGPH-3)]" [[https://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fwww.instat.mg%2Fautres%2Frgph-3 Arsiva]], Institut National de la Statistique Madagascar.</small></ref>. Renivohitry ny [[Sakalava]]<nowiki/>n' i Boeny ny tanànan' i Mahajanga. Ny mpanjaka [[Andriamisara|Andriamisara Efadahy]] no mpanjaka sakalava farany talohan' ny natongavan-d[[Radama Voalohany|Radama I]] mpanjakan' [[Fanjakan' Imerina|Imerina]]. == Ny anaran' i Mahajanga == [[Sary:Mahajanga l'hôtel de ville.jpg|vignette|Lapan' ny tananan' i Mahajanga]] I Mahajanga dia antsoina hoe ''Mojanga'' na ''Majunga'' koa. Ny anarana hoe ''Mahajanga'' dia midika hoe "mahasitrana", araka ny lovantsofina. Nisy mpanjaka nitady fanafody hanasitranana ny zanany ka nitety ny Nosy, ary rehefa tonga tany Mijangaïa ("Tanànan' ny Voninkazo", ny anarany taloha) izy, dia nilaza hoe: ''Mahajanga ity tananà ity'', ary dia raikitra ilay anarana. Misy koa ny milaza fa ny anaran' ilay tanàna dia avy amin' ny anarana voninkazo iray, antsoina hoe ''angaya'', nentin' ny Arabo tamin' ny taonjato faha-15<ref name=":0"><small>"[https://www.cocolodgemajunga-madagascar.com/majunga-histoire-traditions-by-hotel-restaurant-coco-lodge-majunga/ Majunga : histoire et traditions]", Hôtel Restaurant Coco Lodge Majunga</small></ref>.Misy ihany koa ny milaza fa avy amin'ny teny swahili hoe ''Mji anga'' izany, izay midika hoe ''"tanànan'ny fahazavana"''. [1, 2]<ref>https://www.voyagemadagascar.com/guide-madagascar/destination/majunga</ref> == Tantara == === Tamin' ny andro fahagola === Azo inoana fa efa nisy mponina ny faritra amisy an' i Mahajanga tamin' ny andro fahagola, talohan' ny vanimpotoan' ny tantara. Tao amin' ny lava-bato lehibe ao Anjohibe any amin' ny 30 km avaratra-atsinanan' i Mahajanga, manakaiky an' i [[Mahajamba]], dia nahitana taolan' ny karazana <u>[[lalomena]] zeny</u> (''Hippopotamus lemerlei'') izay efa tsy misy intsony ankehitriny. Nanambara ny fanomezana daty amin' ny alalan' ny radiôkarbônina fa taolam-biby niaina tany amin' ny taona 2000 tal JK any ho any ireo taolana ireo. Izany fahitana izany dia namindra ny daty heverina fa nahatongavan' ny mponina voalohany teto Madagasikara izay niseho tamin' ny 1&nbsp;500 taona any aloha kokoa. Ny [[helodrano]] roa mifanila amin' i [[Betsiboka (ony)|Betsiboka]] sy amin' i Mahajamba dia eo amin' ny fihaonan' ny lalana roa mety ho nonenan' ny olombelona, ​​ny iray mandalo an' i [[Tamba-nosin' i Kômôro|Kômôro]] ho an' ny fiaviana afrikana, ny iray hafa miampita ny Nosy avy any avaratra-atsinanana avy any Antongila ho an' ny fiaviana aziatika<ref name=":0" />. === Vanim-potoana faha foko sy faha mpanjaka === [[Sary:Baobab bord de la mer.jpg|vignette|241x241px|Ny renialan' i Mahajanga]] Toa tamin' ny taonjato faha-14 na faha-15 no nanorenan' ny [[Antalaotra]] na Antalaotse, izay tantsambo mpisava lalana sy mpanjono arabo mifangaro afrikana, ny tanànan' i Mahajanga, izay tonga tamin' ny lakana lava avy any amin' ny [[Hoalan' i Ômana]] nandalo tao [[Zanzibar]] sy [[Kômôro]], araka ny fitsokan' ny rivotra moussons isan-taona ao amin' ny [[Ranomasimbe Indiana|Ranomasimbe Indianina]]<ref name=":0" />. Renivohitry ny [[Fanjakan' i Boina|Fanjakana Sakalavan' i Boina]] i Mahajanga taorian' ny fikambanan' ny [[Foko eto Madagasikara|foko malagasy]] any amin' ny morontsiraka andrefana ho fanjakà-mpanjaka. Nisy firoboroboana ity tanàna ity tamin' ny taonjato faha-18 amin' ny maha tobim-panangonana harena avy any amin' ny morontsirak' i [[Afrika]] natokana halefa an' i [[Zana-Kôntinenta Indiana|India]]. Tamin' io fotoana io no niforonan' ny vondrom-piarahamonina indiana lehibe (fianakaviana 6&nbsp;000 araka ny voalazan' i Dumaine tany Mouzangaïe tamin' ny taona 1792)<ref name=":0" />. Ny mpanjaka [[Andriamisara|Andriamisara Efadahy]] no mpanjaka farany talohan' ny fandresena sy ny fakan-tany nataon-d[[Radama Voalohany|Radama I]], mpanjakan' [[Fanjakan' Imerina|Imerina]], sy taorian' ny nananganana ny [[Fanjakan' Imerina|Fanjakan' i Madagasikara]] tamin' ny taona 1823<ref name=":0" />. Nanamarika ny fahatapahan' ny fifandraisana tamin' ny tapany avaratry ny Nosy ny fandresen' ny mpanjaka merina ilay fanjakana sakalava tamin' ny taona 1824, nefa tsy nisakana ny firoboroboan' ny tanàna izany; nanokatra tobim-barotra tao ny Amerikanina tamin' ny tana 1830<ref name=":0" />. === Vanim-potoan' ny fanjanahantany === Ny fisokafan' i Mahajanga amin' ny lalam-pifandraisana an-dranomasina, sy ny fiantsoana ao aminy izay nety tsara amin' ny sambo lehibe tamin' izany fotoana izany, ary ny fifampikasohana tamin' ny sivilizasiôn' ny vahoaka manodidina no nahatonga an' io tanàna io hahaliana ny mpanjanatany: tao Mahajanga tokoa no nigadona ny tafika frantsay taty, tamin' ny taona 1882-1883 aloha, avy eo tamin' ny taona 1895-1896, niisa 15&nbsp;000 ny mpiady niondrana an-tsambo miisa 23, nandray anjara tamin' ny ady sy ny fakana an' i [[Madagasikara]]. Ny isan' ny mponina dia 7&nbsp;908 tamin' ny taona 1903 (anisan' izany ny [[Indiana (vahoaka)|Indiana]] miisa 646)<ref name=":0" />. Nandroso haingana ilay tanàna taorian' ny fanombohan' ny fibodoana nataon' ny Frantsay, nandritra ny [[Zanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankina|fanjanahantany]], betsaka ny zava-bita (toy ny quais izay fantatra amin' ny anarana hoe ''Barriquand'' ao amin' ny seranan-tsambo ho an' ny raharaham-barotra, ny lalana azo andehanana fiarakodia mihazo an' [[Antananarivo]], ny hôpitalin' Androva, sns.) Ho takalon' izany dia notrandrahin' ny mpanjanatany fatratra ny ny loharanon-karena teto an-toerana, indrindra ny vokatry ny fambolena. Nanomboka tamin' ny [[Ady Lehibe Voalohany]] dia nampiasaina hamatsiana omby, avy any amin' ny faritra andrefana, ho an' ny tafika frantsay, ny orinasa misy fampangatsiahana ao Boanamary, anirà any amin' ny [[Helodranon' i Bombetoka]]. Nanaraka an' izany ny fiharian-karena miankina amin' ny fambolena midadasika izay nanomezana tany ny orinasa vaventy mpikarakara fambolena [[Paraky (zavamaniry)|paraky]] sy [[landihazo]] ary [[vary]] nety tsara any ambanivohitra noho ny tetikasa fitarihan-drano hanondrahana tany midadasika ([[Marovoay]], [[Ambatoboeny]]) izay namelona an' i Mahajanga sy ny seranan-tsambony hatramin' ny taona 1970<ref name=":0" />. === Taorian' ny nahazoana ny fahaleovantena === Tamin' ny Desambra 1976 dia nitranga ny [[Famonoana Kômôriana tao Mahajanga|Rotaka]] (na ''Kafa la Mjangaya'' amin' ny [[Fiteny kômôriana|teny kômôriana]]), izay fandripahana ny Kômôriana tao anatin' ny telo andro tao an-tanànan' i Mahajanga, izay tsy nosakanan' ny mpitondra fanjakana, ka nahafaty olona maherin' ny 500 any ho any sy nahatonga ny fiaingan' ny Kômôriana maherin' ny 15&nbsp;000 handao ilay tanàna<ref name=":0" />. Mijanona ho toerana fampifandraisana manan-danja amin' ny fanaraha-maso ny [[Lakandranon' i Môzambika]] i Mahajanga: ao Belobaka, 20 km miala ny tanàna, no misy ny onjam-peon' ny [[Etazonia|governemanta amerikana]]<ref name=":0" />. Tanàna mpanitara ny olana mitranga i Mahajanga: fandrobana ny tranombarotry ny [[Karàna]] (taona 2002 sy 2009) sy ny an' ny ireo [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] heverina ho akaiky ny fitondrana (fandorana ny orinasa Tiko)<ref name=":0" />. == Kolontsaina == ==== Fomba amam-panao Malagasy ==== Betsaka ireo foko izay mitady vola ao Mahajanga, fa ny foko tena tompon-tanzna dia ny Foko Sakalava ary izay no asongandin'izy ireo amin'ny alalan'ny fankalazana ireo fombafomba Sakalava isan-karzany toy: * '''Fanompoambe''' * [[Sary:Déguisement Sakalava Boeny.jpg|vignette|Fanompoa ]] * '''Kipa''' * [[Sary:La coiffure Sakalava 03.jpg|vignette]] * '''Toamainty''' * '''Morengy''' * '''Fitampoha''' === Fivavahana === [[File:Mahajanga cathedrale.jpg|thumb|Ny Katedraly katôlika Coeur Immaculé de Marie.]]I Mahajanga no foiben' ny [[Diôsezin' i Mahajanga|evese katôlika]] iray. Ahitana fiangonana ôrtôdôksa, [[Fiangonana nohavaozina|nohavaozna]] ([[Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara]]), [[Loteranisma|loterana]] ([[Fiangonana Loterana Malagasy]]), ny [[Evanjelisma eto Madagasikara|evanjelika]] ary ny [[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito|advantista]] koa ny ao. [[Sary:Mosquée Majunga-Madagascar.jpg|ankavia|vignette|Môskea lehiben' i Mahajanga ]] Ny fisian' ny [[Silamo eto Madagasikara|Mozilmana]] dia hita amin' ny fisian' ny [[môskea]] sy ny madrasa, indraindray tena tranainy, manaraka fombam-pivavahana [[Siisman' ny roa ambin' ny folo|siitan' ny roa ambin' ny folo]], agakanista ([[nizarita]]), [[bôrà]] sy [[Kôjà|kôja]] ao Mahajanga Be, sy ny [[Sonisma|Sonita]] nandray ny fomban' ny silamo kômôriana (indrindra fa ny môske lehibe ao Mahabibo). Misy tempoly [[Hindoisma eto Madagasikara|hindo]] koa ao Mahajanga Be. Ho an' ny Sakalavan' i Boina mpandala ny fomban-drazana dia i Mahajanga no toeram-pandevenana ny mpanjaka ary toerana fanaovana lanonana ara-poko sy ara-pivavahana, ny [[Fanompoambe]] (na Fanampoana) ao amin' ny Doany Miarinarivo ao Tsararano, izay ivorian' ny mponina avy amin' ny faritra andrefana amin' i Madagasikara. I Andrianirina Désiré no ampanjakabe ankehitriny. = Toeram-pitsangantsanganana = Bord de la mer Torapasika Petite plage Grand pavois Village Touristique = Ireo biraom-panjakana = === Ny Fitantanana ny Faritra sy ny Tanàna === * Ny Kaominina Ambonivohitra Mahajanga * Ny Prefektioran'i Mahajanga * Ny Faritra Boeny == Jereo koa == * [[Oniversiten' i Mahajanga]] *[[Helodranon' i Bombetoka]] *[[Diôsezin' i Mahajanga]] *[[Distrikan'i Mahajanga II]] '''Renivohi-paritany eto Madagasikara''' * [[Antananarivo]] - [[Antsiranana]] - [[Fianarantsoa]] - [[Mahajanga]] - [[Toamasina]] - [[Toliara]] '''Renivohi-paritra eto Madagasikara''' * [[Ambatondrazaka]] - [[Ambositra]] - [[Ambovombe]] - [[Antananarivo]] - [[Antsirabe]] - [[Antsiranana]] - [[Antsohihy]] - [[Farafangana]] - [[Fenoarivo Atsinanana]] - [[Fianarantsoa]] - [[Ihosy]] - [[T|Maevatanana]] - [[Mahajanga]] - [[Maintirano]] - [[Manakara]] - [[Mananjary]] - [[Miarinarivo]] - [[Morondava]] - [[Sambava]] - [[Toamasina]] - [[Tôlanaro]] - [[Toliara]] - [[Tsiroanomandidy]] == Loharano sy fanamarihana == {{reflist}} {{Boeny}} [[Sokajy:Mahajanga]] [[sokajy:Kaominina any Faritra Boeny]] [[Sokajy:Tanàna ao Faritra Boeny]] mvdgh6lcwhrtqz5mqjnrr4l63drlxew Vila Pavão 0 290338 1147973 1093787 2026-07-23T16:20:10Z HVL 10289 It's not this city. 1147973 wikitext text/x-wiki {{coord|18|36|S|40|38|W}} {{infobox tanàna |anarana = Vila Pavão |velarantany =433 |faritany = [[Espírito Santo]] |isam-ponina = 9.244 |firenena = {{Brazila}} |ben'ny tanàna = |sary = |saina=Bandeira vila pavao.svg }} [[File:EspiritoSanto Municip VilaPavao.svg|thumb|left|Vila Pavão]] '''Vila Pavão''' dia tanàna ao amin'ny Fanjakana federaly tenan'i [[Espírito Santo]] ao amin'ny [[Brazila]]. ==Mponina== Ny isam-ponina dia 9.244 mponina tamin'ny taona 2020. Avy any [[Pomerania]] any [[Alemaina]] ny ankamaroany ary nifindra monina tamin'ny 1872. Amin'izao fotoana izao, ny Santa Maria de Jetibá dia mbola tanàna miteny roa misy mponina Pomeranianina 80%. Mampianatra amin'ny fiteny roa ny sekoly. Lavitra mankany an-drenivohitra ([[Vitória]]): 286 km == Jereo koa == * [[Brazila]] ** [[Espírito Santo]] == Tsiahy == <references/> [[sokajy:Tanàna ao Espírito Santo]] b08i103wxuw9unwoej9teamsgsnfhcy Hobiana Andrianimerina 0 300672 1147974 1147951 2026-07-24T06:32:13Z Mahery13 40447 Nanitsy teny diso 1147974 wikitext text/x-wiki {{Infobox olona|anarana=Hobiana Andrianimerina|firenena=Madagasikara|karazana=Malagasy|asa=Mpanoratra|image=File:Hobiana.jpg|asa hafa=Mpandraraha}} '''Hobiana Andrianimerina''' dia mpanoratra malagasy, poeta ary mpanoratra sombin-tantara. Ny fampitana ny kolontsaina sy ny tantara malagasy ho an'ny tanora no ahafantarana azy.'''RAZANAJATOVO Andrianimerina Hobiana''' no tena anarany , fantatra amin'ny anarana hoe '''Hobiana''' .<ref>BOKY : ''HAVATSA NOTSONGAINA .''Havatsa- Upem . 2012</ref> == Tantaram-piainany== Teo amin'ny faha 14 taonany no nanombohany nanoratany<ref name=":0">https://newsmada.com/2023/09/21/un-mois-un-ecrivain-hobiana-andrianimerina-a-lhonneur</ref>. Nianatra momba ny fizika sy simia teny amin'ny Oniversite Ankatso izy talohan'ny nanohizany ny asa soratra<ref name=":0" />. Mpikambana tao amin'ny Havatsa-Upem nanomboka ny taona 1997 izy ary anisan'ny mpamorona ny Havatsa-Upem Arivonimamo ihany koa ny taona 2001<ref name=":1">https://newsmada.com/2023/12/06/litterature-hobiana-andrianimerina-partage-son-savoir/</ref>. Ny taona 2012 dia nisolo tena an'i Madagasikara tany amin'ny "Sommet des poètes de l'Indianocéanie" izay nokarakarain'ny La Réunion izy<ref name=":1" />. Ny taona 2023 dia voatendry ho anisan'ireo filakevim-pitantanana tao amin'ny OMDA (Office malgache du droit d'auteur) sampana literatiora izy<ref name=":1" />. == Eo amin'ny sehatry ny literatiora == Karazany maro ny asa soratr'i Hobiana Andranimerina: ao ny tononkalo, ny sombin-tantara, ny tantara foronina<ref name=":0" />. Mpanentana atrikasa mahakasika ny haisoratra sy valan-dresaka momba ny literatiora malagasy, ny teny malagasy ary ireo teknika fanoratana izy. Ny taona 2023 dia nandray anjara tamin'ny atrikasa izay nokarakarain'ny fikambanana Opération Bokiko izy ary ireo fihaonana izay nokarakarain'ny Tranom-bokim-pirenena<ref>https://newsmada.com/2023/03/13/hobiana-andrianimerina-linspiration-le-talent-et-la-maitrise-des-techniques-litteraires</ref>. Izy no namorona ny vondrona Famoloana Telozoro izay mikarakara fihaonana mahakasika ny literatiora, ny fiteny malagasy ary ny kolon-tsaina malagasy<ref name=":1" />. == Asa soratra == Ireto avy ny asa soratr'i Hobiana: * ''Adolantsento'', angon-tononkalo navoaka ny taona 2011<ref name=":1" /> * ''Rom-pandinkena,'' angon-tsombin-tantara navoaka ny taona 2020<ref name=":1" /> * ''Ohabolana'', ''Kolo Saina ho an'ny Ankizy'', boky misy andany maro natokana ho an'ny tanora navoaka nanomboka ny taona 2021 * ''Nofy Ratsy, Nofy Tsara'', sombin-tantara nahazo loka nandritra ny fifaninam-pirenena momba ny haisoratra ny taona 2022 ary avy eo natonta ho boky<ref name=":1" /> * ''Ny valamparian'i Bebe,'' tantara ho an'ny tanora nalaina avy amin'ny fijoroana vavolombelona nifandraika tamin'ny fikomiana malagasy tamin'ny taona 1947<ref>https://2424.mg/la-lisiere-de-la-riziere-de-meme-de-hobiana-andrianimerina-pour-raconter-linsurrection-de-1947-aux-plus-jeunes</ref> * ''Ikotosachet'' - ''Mieux comprendre la pollution plastique'', boky amin'ny fiteny roa izay fanentanana momba ny tontolo iainanan navoaka ny taona 2025 Nansray anjara tamin'ny andiana asa soratra ''Lettres de Lémurie'' ihany koa izy<ref name=":2">https://newsmada.com/2023/07/13/bar-a-livres-zoom-sur-hobiana-andrianimerina</ref>. == Mari-boninahitra == Nahazo ny Mpanoratra mendrika indrindra ny taona 2019 i Hobiana Andrianimerina<ref name=":1" />. Ny taona 2022 dia nandresy tamin'ny fifaninam-pirenena momba ny haisoratra tao amin'ny sokajy sombin-tantara izy izay nokarakaraina noho ny Iray volan'ny teny malagasy tamin'ny alalan'ny asa soratra ''Nofy Ratsy, Nofy Tsara''<ref name=":1" />. Voasondrotra teo amin'ny laharana Commandeur de l'ordre des Arts, des Lettres et de la Culture de Madagascar ihany koa izy<ref name=":2" />. == Loharano == [[Sokajy:mpanoratra malagasy]] j8uide3a0sob2ygjijn06mzeoe8jlut 1147975 1147974 2026-07-24T06:42:33Z Mahery13 40447 /* Asa soratra */ , nanitsy teny diso 1147975 wikitext text/x-wiki {{Infobox olona|anarana=Hobiana Andrianimerina|firenena=Madagasikara|karazana=Malagasy|asa=Mpanoratra|image=File:Hobiana.jpg|asa hafa=Mpandraraha}} '''Hobiana Andrianimerina''' dia mpanoratra malagasy, poeta ary mpanoratra sombin-tantara. Ny fampitana ny kolontsaina sy ny tantara malagasy ho an'ny tanora no ahafantarana azy.'''RAZANAJATOVO Andrianimerina Hobiana''' no tena anarany , fantatra amin'ny anarana hoe '''Hobiana''' .<ref>BOKY : ''HAVATSA NOTSONGAINA .''Havatsa- Upem . 2012</ref> == Tantaram-piainany== Teo amin'ny faha 14 taonany no nanombohany nanoratany<ref name=":0">https://newsmada.com/2023/09/21/un-mois-un-ecrivain-hobiana-andrianimerina-a-lhonneur</ref>. Nianatra momba ny fizika sy simia teny amin'ny Oniversite Ankatso izy talohan'ny nanohizany ny asa soratra<ref name=":0" />. Mpikambana tao amin'ny Havatsa-Upem nanomboka ny taona 1997 izy ary anisan'ny mpamorona ny Havatsa-Upem Arivonimamo ihany koa ny taona 2001<ref name=":1">https://newsmada.com/2023/12/06/litterature-hobiana-andrianimerina-partage-son-savoir/</ref>. Ny taona 2012 dia nisolo tena an'i Madagasikara tany amin'ny "Sommet des poètes de l'Indianocéanie" izay nokarakarain'ny La Réunion izy<ref name=":1" />. Ny taona 2023 dia voatendry ho anisan'ireo filakevim-pitantanana tao amin'ny OMDA (Office malgache du droit d'auteur) sampana literatiora izy<ref name=":1" />. == Eo amin'ny sehatry ny literatiora == Karazany maro ny asa soratr'i Hobiana Andranimerina: ao ny tononkalo, ny sombin-tantara, ny tantara foronina<ref name=":0" />. Mpanentana atrikasa mahakasika ny haisoratra sy valan-dresaka momba ny literatiora malagasy, ny teny malagasy ary ireo teknika fanoratana izy. Ny taona 2023 dia nandray anjara tamin'ny atrikasa izay nokarakarain'ny fikambanana Opération Bokiko izy ary ireo fihaonana izay nokarakarain'ny Tranom-bokim-pirenena<ref>https://newsmada.com/2023/03/13/hobiana-andrianimerina-linspiration-le-talent-et-la-maitrise-des-techniques-litteraires</ref>. Izy no namorona ny vondrona Famoloana Telozoro izay mikarakara fihaonana mahakasika ny literatiora, ny fiteny malagasy ary ny kolon-tsaina malagasy<ref name=":1" />. == Asa soratra == Ireto avy ny asa soratr'i Hobiana: * ''Adolantsento'', angon-tononkalo navoaka ny taona 2011<ref name=":1" /> * ''Rom-pandinkena,'' angon-tsombin-tantara navoaka ny taona 2020<ref name=":1" /> * ''Ohabolana'', ''Kolo Saina ho an'ny Ankizy'', boky misy andany maro natokana ho an'ny tanora navoaka nanomboka ny taona 2021 * ''Nofy Ratsy, Nofy Tsara'', sombin-tantara nahazo loka nandritra ny fifaninam-pirenena momba ny haisoratra ny taona 2022 ary avy eo natonta ho boky<ref name=":1" /> * ''Ny valamparian'i Bebe,'' tantara ho an'ny tanora nalaina avy amin'ny fijoroana vavolombelona nifandraika tamin'ny fikomiana malagasy tamin'ny taona 1947<ref>https://2424.mg/la-lisiere-de-la-riziere-de-meme-de-hobiana-andrianimerina-pour-raconter-linsurrection-de-1947-aux-plus-jeunes</ref> * ''Ikotosachet'' - ''Mieux comprendre la pollution plastique'', boky amin'ny fiteny roa izay fanentanana momba ny tontolo iainanan navoaka ny taona 2025 Nandray anjara tamin'ny andiana asa soratra ''Lettres de Lémurie'' ihany koa izy<ref name=":2">https://newsmada.com/2023/07/13/bar-a-livres-zoom-sur-hobiana-andrianimerina</ref>. == Mari-boninahitra == Nahazo ny Mpanoratra mendrika indrindra ny taona 2019 i Hobiana Andrianimerina<ref name=":1" />. Ny taona 2022 dia nandresy tamin'ny fifaninam-pirenena momba ny haisoratra tao amin'ny sokajy sombin-tantara izy izay nokarakaraina noho ny Iray volan'ny teny malagasy tamin'ny alalan'ny asa soratra ''Nofy Ratsy, Nofy Tsara''<ref name=":1" />. Voasondrotra teo amin'ny laharana Commandeur de l'ordre des Arts, des Lettres et de la Culture de Madagascar ihany koa izy<ref name=":2" />. == Loharano == [[Sokajy:mpanoratra malagasy]] 23u62zhx3vyv73weykcj5xknersttus