Wikipedia
mgwiki
https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana
MediaWiki 1.47.0-wmf.12
first-letter
Rakitra
Manokana
Dinika
Mpikambana
Dinika amin'ny mpikambana
Wikipedia
Dinika amin'ny Wikipedia
Sary
Dinika amin'ny sary
MediaWiki
Dinika amin'ny MediaWiki
Endrika
Dinika amin'ny endrika
Fanoroana
Dinika amin'ny fanoroana
Sokajy
Dinika amin'ny sokajy
TimedText
TimedText talk
Module
Discussion module
Event
Event talk
Momas
0
20826
1148045
1028052
2026-07-27T02:50:22Z
CommonsDelinker
112
Replacing MOMAS_wiki.JPG with [[File:Château_de_Momas.jpg]] (by [[:c:User:CommonsDelinker|CommonsDelinker]] because: [[:c:COM:FR|File renamed]]: [[:c:COM:FR#FR2|Criterion 2]] (meaningless or ambiguous name)).
1148045
wikitext
text/x-wiki
{{Coord|43.4519|-0.4419}}
{{infobox tanàna
|tanàna=Momas
|sary=Château de Momas.jpg
|firenena={{Frantsa}}
|faritany=[[Nouvelle-Aquitaine]]
|velarantany=14.51
|isam-ponina=498
|ben'ny tanàna=Daniel Estrade
}}
I '''Momas''' dia kaominina ao amin'ny fivondronan'i [[Arrondissement of Pau|Pau]], ao amin'ny departemantan'i [[Pyrénées-Atlantiques]], ao amin'ny faritr'i [[Nouvelle-Aquitaine]], ao [[Frantsa]].
Ny INSEE dia mampiasa ny kaodim-paositra 64387.
I Daniel Estrade no ben'ny tanàna mandritry ny taona 2008–2014. Ilay kaominina dia kaominina mpikambana amin'ny fivondronan-kaominin'i [[Communauté de communes du Miey de Béarn]]
== Jeografia ==
Ny isam-ponin'i Momas dia 498 mponina araka ny fanisana natao tamin'ny taona 2006. Ny haavon'ny toerana ambany indrindra dia 126 metatra. Ny haavon'ny toerana avo indrindra dia 260 metatra. Ny fisiana ara-daharampehintany ary ara-daharanjarahasin'ilay kaominina dia 43.4519° ary -0.4419° amin'ny soratra desimaly.
Ny faritr'ora dia GMT+1.
== Rohy ivelany ==
* : Tranonkala
* [http://www.communes.com/recherche/?q=Momas Eo amin'i www.communes.com]
<references/>
[[Sokajy:Tanàna ao amin'ny faritr'i Pyrénées-Atlantiques]]
t785hw20w0cizsos6l3cc8x2cvfwijq
Jean Narivony
0
164141
1148046
1147274
2026-07-27T04:22:07Z
Nitokiana
40334
Nanampy lahatsoratra
1148046
wikitext
text/x-wiki
{{Infobox olona|anarana=Jean NARIVONY|teraka=17 septambra 1898|toerana=Antananarivo|maty=15 jona 1980|firenena=Madagasikara|asa=Mpampianatra}}
I '''Jean Narivony''' (1898–1980) dia mpanoratra [[Madagasikara|malagasy]] malaza.
== Ny fiainany ==
Teraka tamin'ny 17 septambra 1898 teto Antananarivo '''RAJAONARIVONY Jean'''.
== Ny sekoly nianarany ==
Tao Avaratra Andohalo Antananarivo no nobeazina i Jean NARIVONY, na izany aza dia maro ireo sekoly nandratoany fahalalana.
• Ecole Supérieur Indigène- [[Ambohijatovo]] Avaratra;
• Ecole Régionale[[Farafangana|-Farafangana]];
• Paul Minault [[Ambatonakanga]];
• Ecole Normale Protestante (MPF) [[Ambavahadimitafo]].
== Ireo nampianatra azy ==
=== G.MONDAIN, E.GROULT, V.RAMAMBAZAFY, J.ANDRIANAIVORAVELONA, ===
== Ny asa aman-draharaha nataony ==
Mpampianatra nandritra ny 35 taona izy ary nanomboka izany tao Ambohijatovo Avaratra Antananarivo nandritra ny 10 taona.
1930: Voatendry hampianatra tany amin'ny MPF (Mision Preotestanta Frantsay) Fenoarivo Antsinanana nandritra ny 25taona ka nitazonany ny kilasy CP1, CP2, CE1ary ny CE2.Izy rahateo no telen'ny sekoly.
Nampianatra an'ireo hiatrika fifaninanana amin'ny sekoly fanofanana mpiasam-panjakana natao manerana ny Nosy izy
Maaty ny 15 jona 1980 i Jean NARIVONY
== Ny fiainany ny kanto ==
Teo amin'ny faha20 taonany no nanombohany nanoratra. Namoaka lahatsoratra famakafakana sy [[tononkalo]] maro tamina [[gazety]] samihafa toy ny [[Fandrosoam-baovao]], ny [[Gazety Mpandinika|Mpandinika]], ny Ranovelona izy.
1926: Niara-nanoratra tamin'i LYS BER sy NY ANDO ary i HARIOLEY ( na RAHAROLAHY))... Tao amin'ny Takariva Volafotsy
1926: Niaraka tamin'i [[Rodlish|RODLISH]] ary namoaka ny boky nampitondraina ny lohateny hoe ''Amboara Voafantina'';
1929: Nifarimbona tamina mpanoratra maro toa an-dry [[Jean-Joseph Rabearivelo|J.J.RABEARIVELO]], [[Ny Avana Ramanantoanina|NY AVANA RAMANANTOANINA]],sns, ka namoaka ny ''Kalokalo Tatsinana'';
Nanoratra tantara an-tsehatra ihany koa izy. Anisan'ireny ny '''Andry Boboka''' sy ny Navoaky ny fasana;
Ankoatra ny anjara notontosainy tao amin'ny Firaketana dia namoaka ihany koa ny ''Takariva Volafotsy'', ny ''Kofehy Volameba'' ary ny Feom-baliha izy.
== Sorapiainan'ny poeta Jean Narivony ==
Rajaonarivony1 no tena anaran'ny poety antsoina hoe JEAN NARIVONY. Teraka tao Andrefandrova Antananarivo izy tamin'ny 17 septambra 1898 ary maty tamin'ny 15 jona 1980. Rajaonary James avy ao Masindray Ambohimanambola, atsinanan'Antananarivo, no rainy. Rasoarivony kosa no anaran'ny reniny, mpampianatra sy mpanabe. Rasoazananoro Marie-Cécile avy ao Fenoarivo, andrefan'ny renivohitr'i Madagasikara, no anaran'ny vadiny ka nahazoan'izy mivady zanaka dimy: roa lahy sy telo vavy. Mpanjaitra no asany.
Araka ny fanazavan'i Hobi Razakarivony2 dia saika nanamaloka ny fizotran'ny fangataham-bady ny tsy fitovian'ny finoana teo amin'ny roa tonta. Katolika jezoita Rasoazananoro Marie-Cécile ary protestanta i Jean Narivony. Tontosa soa aman-tsara anefa ny fanambadiana rehefa nohamasinina tamin'ny fivavahana iraisam-pinoana.
Mbola nifikitra tamin'ny hasin'ny firazanana ny Malagasy tamin'ny fotoan'androny. Andriana mantsy Ramatoa vadiny, taranaka Jakimena. Nisinda anefa ny sakana noho ny fahitan'ny fianakaviana ankilany ny fari-pahaizana nananan'i Jean Narivony, dia ny maha mpampianatra sy poeta azy. Niainan'izy mivady moa ny fifandeferana ary vao mainka nanamafy ny fifankatiavan'izy ireo aza izany tsy fitovian'ny firazanana izany.
== FAHAZAZANY ==
Azo lazaina ho nilomano tao amparihin'ny literatiora izy hatramin'ny fahakeliny satria mpanoratra Rajaonary James rainy, namorona ireny hira protestanta ireny, hany ka nahafahan'i Jean Narivony nifanerasera tamin'ny mpanoratra malaza tamin'ny fotoan'androny. Ny zokiny lahy, Jean Narisson, izay maty tany an-tsesitany noho ny raharaha V.V.S., dia poety ihany koa. Ary zovy amintsika moa no tsy mahafantatra ny mpanoratra fanta-daza Ratsimiseta Jasmina sy Rodlish izay samy havany ary samy namoha ny aingam-panahiny?
== SEKOLY NANDRANTOANY FAHALALANA ==
Ankoatra ny lanjan'ny haisoratra teo anivon'ny fianakaviany dia mbola hainy nohatevenina izany tany tamin'ny sekolim-panjakana sy sekolim-pinoana nandrantoany fahalalana, ka nahafahany nifanerasera tamin'ny mpanoratra sy mpandahateny toa an-dry G. Mondain, E. Groult, Andrianaivoravelona, Ramambazafy V., Rajaonarivelo Auguste.
Tao Avaratra Andohalo Antananarivo no nobeazina i Jean Narivony, na izany aza dia maro ireo sekoly nandrantoany fahalalana:
* Ecole supérieure indigène Ambohijatovo Avaratra
* Ecole régionale Farafangana
* Sekoly Paul Minault Ambatonakanga
* Ecole Normale Protestante Ambavahadimitafo
Manana ny mari-pahaizana CAE/EB i Jean Narivony.
== ASA AMAN-DRAHARAHANY ==
Mpampianatra nandritra ny 35 taona i Jean Narivony ary nanomboka izany tao Ambohijatovo Avaratra Antananarivo nandritra ny 10 taona. Tamin'ny 1930 izy no voatendry hampianatra tany amin'ny MPF (Misiona Protestanta Frantsay) Fenoarivo Atsinanana. Izy irery no mpampianatra tany Fenoarivo Atsinanana nandritra ny 25 taona ka nitazonany ny kilasy CP1, CP2, CE1 ary ny CE2. Izy rahateo araka izany no talen'ny sekoly. Raha 87 ny isan'ny mpianany tany am-piandohany dia tafakatra 252 izany tamin'ny 1955 kanefa ny efitrano fianarana dia tsy mba nihalehibe akory ary zara aza raha nahazoana mpampianatra mpanampy indraindray. Marihina fa anisan'ireo efa nampianarin'i Jean Narivony tany Fenoarivo Atsinanana ny Pôety Clarisse Ratsifandrihamanana.
Nikoriana tao anatin'ny rany mihitsy ny fitiavana ny fampianarana hany ka tsy nikely soroka izy, ankoatra ireo kilasy notazoniny andavanandro, nampianatra an'ireo hiatrika fifaninanana amin'ny sekoly fanofanana mpiasam-panjakana natao manerana ny Nosy ary nahazoany vokatra nahafa-po. Anisan'ny fahombiazany koa ny nahazoan'ny mpianany iray ny diplaoma CEPE. Tsy natolotry ny sekoly anefa io mpianatra io satria ny CEPE dia mbola fanadinana natokana ho an'ny sekoly eraopeanina. Io fahombiazana io izay tsy an'iza fa an'ny zanany vaviaivo, renin'ny mpanakanto Gothlieb, dia namoha varavarana ho an'ny sekoly ka nahafahany nanolotra mpiadina ho amin'io fanadianana io. Nankatoavin'ny Fanjakana mantsy nanomboka hatreo ny haavon'ny fari-pahaizana tao amin'ity sekoly ity. Tsy mahagaga izany satria nahafolaka tsara ny teny malagasy sy ny teny frantsay i Jean Narivony fa tsy arakaraka ny naha mpanohitra ny fanjanahantany azy tamin'ny raharaha 1947. Porofon'izany ny toriteny nataony tamin'ny teny frantsay tamin'ny fankalazana ny fetin'i Jeanne d'Arc sy ny fahatsiarovana ny "Armistices" natrehin'ny Administratera. Mbola izy ihany koa no nanomana ny kabarin'ny Governora tamin'ny lanonam-panjakana lehibe iray tany an-toerana.
== POETY MPAMPIANATRA ==
Hain'i Jean Narivony ny mampifandrindra ny tontolon'ny fampianarana sy ny fanabeazana amin'ny haisoratra satria ao amin’ireo tononkalony izy no maneho fananarana ary manainga ny ankizy sy ny tanora hanaja ny maha-olona azy ireo, mankatoa Ray aman-dReny, manaja raiamandreny, mitandro ny hasin'ny zava-boahary, ho tia tanindrazana. Mora raisina ireny tononkalo ireny ary voarakitra anaty andinin-teny tsotra sy fohy.
I Jean Narivony no anisan'ireo mpanoratra vitsy an'isa nitodika tany amin'ny ankizy sy tanora ary niarahany nitantana ny revio "Sakaizan'ny tanora" ("Sakaizan'ny ankizy" tany am-piandohany - 1860) tamin'ny Pasitera Ravelojaona sy Charles Rajoelisolo.
== NY SANGANASANY ==
Nanomboka nanoratra izy tamin'ny 1918 ary voarakitra ao amin'ny gazety maro ireo asasorany: Ranovelona, Ny Fandrosoam-baovao, Ny Mpandinika... Taty aoriana indray dia tafiditra tamin'ny bokim-pianarana ny tononkalony toy ny Fary Mamy kilasy fahatelo ("Tebiteby" - tak 74), Lahatsoratra Voafantina ("Ny diako" - tak 4, "Ny kipikipy zato sy ny voron-tsara dia" - tak 23, "Ny tanantsika" - tak 46...), Takelaka Notsongaina I ("Iny Ankaratra iny" - tak 68, "Ampamoizamaso" - tak 97, "Hariva" - tak 99, "Ato no mandry" - tak 135), Tononkalo sy Lahatsoratra, Amboara 2, Boky 1 izay ahitana tononkalo 26.
Boky aman-gazety niarahany tamin'ny mpanoratra hafa
- 1920: "Akon'Iarivo", niarahany nanatontosa tamin'i Ny Avana Ramanantoanina sy Bolespara tamin'ny gazety .
- 1920: "Ny Mpandinika", niarahany niasa tamin'i Franco tao amin'ny gazety. Nampiasa ny anarana diam-penina J. Venus izy.
- 1926: "Amboara voafantina", bokim-poezia niarahany namoaka tamin'i Rodlish dadatoany.
- 1926: "Takariva Volafotsy", niarahany nanoratra tamin'i Lys Ber sy Ny Ando.
- 1929: "Kalokalo tatsinanana", bokin-tononkalo notsongaina, niarahany tamin'i Samuel Ratany, Ny Avana Ramanantoanina, Ignace Ratsimbazafy, J.J. Rabearivelo, Lusio B., Fredy Rajaofera, Meteora, Josefa Rajaonah, Eliza-Freda, Rafanoharana ary Rodlish.
- 1929: "Firaketana", Rakipahalalana nifarimbonany tamin-dRajaonah.
=== Bokiny manokana ===
- "Ny protestantisma sy ny sekoly", nosoratan'i Jean Narivony ho an'ny jobilin'ny sekoly M.P.F. tao Fenoarivo Atsinanana 1907-1957, natontan'ny Imprimerie Volamahitsy tao Fenoarivo Atsinanana tamin'ny 1957.
- "Kofehy volamena"
- "Feom-baliha": tononkira niventesana an-dRasalama maritiora, ho fahatsiarovana ny fahazato taonany (14 aogositra 1837 - 14 aogositra 1937), nivoaka tamin'ny 1937.
- "Amboaran-tononkalo", 1966. Antananarivo: Edisiona Salohy. Boky ahitana tononkalo maromaro natao ho vavolombelona no sady tsangambaton'ny ady nataon'ny mpanoratra ho an'ny tenin-drazana, izay mirakitra ny toe-tsaina malagasy indrindra tamin'ny androny.
=== Tantara an-dampy ===
- "Andry boboka"
- "Navoakan'ny fasana".
== KRISTIANINA MAFANA FO ==
Efa voalaza tetsy am-piandohana moa fa mpamoron-kiram-piangonana protestanta ny rainy. Nobeazina tamin'ny finoana tokoa izy mpiraitam-po, hany ka azo lazaina ho tafaroboka lalina tao an-tsahan'ny finoana an'Andriamanitra i Jean Narivony. Katolika avy tao Fenoarivo Antananarivo ny reniny saingy nivadika protestanta tao aorian'ny fanambadiana ary lasa dorkasy mafana fo sy mpampianatra sekoly alahady.
Mamy hoditra tao Fenoarivo Atsinanana i Jean Narivony ary nohajahajaina tokoa na teo anivon'ny fiangonana na tamin'ny tontolon'ny fampianarana eny fa na dia teo amin'ny fiainana andavanandro mihitsy aza. Ramose Be rahateo moa no fiantson'ny olona azy tany.
Katekista tao Fenoarivo Atsinanana i Jean Narivony ary azo lazaina ho nandova an-drainy tokoa izy teo amin'ny famoronan-kira kristianina. Ireny hira faneva na fankalazana tsingerintaona ireny no nahalalana azy. Izy indrindra no namorona ilay hira protestanta fantatry ny maro hoe: "Endrey izany hafaliana". Io hira ao amin'ny Fihirana FFPM faha 545 io dia nosoratany noho ny fankalazana ny faha 150 taona nidiran'ny Filazantsara teto Madagasikara (Jereo ny andinindininy etsy ambany). Mbola izy ihany koa no namorona ny hira FFPM faha 213 "Ry Fanahy mangetaheta", hira fanevan'ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM).
Ary efa voalaza teo moa ireto boky manokana nosoratany momba ny finoana ireto: "Ny protestantisma sy ny sekoly" (hira jobily) sy ny "Feom-baliha" (fahazato taonan-dRasalama Maritiora).
== TARAKEVITRY NY TONONKALONY ==
Mirakitra fananarana, hoy isika tetsy ambony, ny tononkalony, toy ireny fahita amin'ny sanganasan'i Jean de la Fontaine ireny, ohatra ny "Ry rarin'ny matanjaka" (La rasion du plus fort est toujours la meilleure, Jean de La Fontaine). Toy izany koa ny fahaizana maka lesona avy amin'ny hasoan'ny zavaboahary (Amboa sy Amboadia). Maro tamin'ny "Fable de la Fontaine" aza no hainy tsianjery. Ny fahafolahany ny teny frantsay moa no nahafahany nandika amin'ny teny malagasy ny sanganasan'i Molière hoe: "Le malade imaginaire".
Mampiainga ny fanahin'i Jean Narivony ny tontolo jineriny sy reny, eny fa na dia hatramin'izay heverina ho bitika aza kanefa ahavitany asa kanto sy mavesa-danja. Anisan'ny lohahevitra taratra amin'ny asasorany ny alahelo noho ny fahabangana toy ny fahafatesana (Ato no mandry), embona sy hanina (Iny Ankaratra iny), hanina noho ny nahafoizana ny havana ilaozana (Ampamoizamaso), ny fihaonana (Ny tia sy ny manina), ny herim-po (Mpiasa tany), ny olombelona (Ny tanantsika ity), ny fitiavana (Firaisana mampanahy), ny fomba amam-panao (Rajakom-bazaha), ny tenindrazana (Ny Tenindrazako), ny zavaboahary (Amoron-dranomasina).
Ahafantarana azy ireny tononkalo diso hain'ny ankizy tsianjery any an-tsekoly ireny, ianarana any amin'ny ambaratonga ambany: CE1 ka hatramin'ny CM2.
== Loharano ==
1-https://poetawebs.e-monsite.com/pages/sorapiainana/page-39-1.html
2-http://jean-narivony.wifeo.com/
3- https://vetso.serasera.org/mpanoratra/jean-narivony
[[Sokajy:Mpanoratra malagasy]]
[[Sokajy:Teraka tamin'ny taona 1898]]
[[Sokajy:Maty tamin'ny taona 1980]]
2yy25tlfxx7yoh8n84kr9wwtd77gfzs
Lakandrano
0
287160
1148047
1140201
2026-07-27T04:25:17Z
~2026-41740-89
40507
1148047
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Irrigation canal (Donzella, Porto Tolle).jpg|vignette|Lakandrano]]
Ny '''lakandrano''' dia lalan-drano voatr' olombelona, ampiasaina amin' ny fitarihan-drano manomboka amin' ny toeram-pisintiomana rano mandra-pahatongan' ny saha na ny tanimboly izay ampielezana ny rano hanondrahana ny fambolena.
==Jereo koa ==
* [[Lakandranon' ny Pangalana]]
* [[Lakandranon' i Môzambika]]
* [[Lakandranon' i Suez]]
* [[Lakandranon' i Panama]]
[[Sokajy:Lakandrano]]
9wje9boqbrhqgkh7t16s1ttu6h49ejm
Zon'ny LGBT eto Madagasikara
0
294194
1148054
1148044
2026-07-27T11:57:08Z
Mammysou17
34685
1148054
wikitext
text/x-wiki
{{Infobox}}
[[Sary:LGBT flag map of Madagascar.svg|vignette|LGBT Madagasikara]]
Ara-dalàna eto [[Madagasikara]] ny firaisana ara-nofo eo amin'ny samy [[Lehilahy|lahy]] na samy [[Vehivavy|vavy]] raha 21 taona farafahakeliny ananan'ny olona manao izany.
Arakan'ny fehezan-dalàna famaizana dia sazina an-tranomaizina roa ka hatramin'ny dimy taona, ary lamandy 2 ka hatramin'ny 10 tapitrisa Ariary (eo amin'ny 900 ka hatramin'ny 4500 dolara amerikana) izay olona manao « fihetsika tsy mendrika na tsy ara-boajanahary amin'ny olona mitovy fananahana aminy izay latsaky ny 21 taona » <ref name="Report">[https://2009-2017.state.gov/documents/organization/186425.pdf ''2011 Country Reports on Human Rights Practices: Madagascar'', Bureau of Democracy, Human Rights and Labor, U.S. Department of State, page 26]</ref> .
== Fanekena ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana ==
Araka ny lalàna eto Madagasikara, dia tsy ekena ny [[Fanambadiana|fanambadian]]’ny mitovy [[fananahana]] na hoe samy lahy na samy vavy, na koa ny fifandraisana ara-dalàna eo amin’ny olona mitovy fananahana." Nanao fanambarana ny ao amin'ny [[Lapan'i Mahazoarivo|lapan'ny Mahazoarivo]] mahakasika izany.<ref>{{Cite web |title=FANAMBARANA - Primature |url=https://www.primature.gov.mg/index.php/2019/12/21/fanambarana/ |access-date=2025-07-04 |archive-date=2025-04-17 |archive-url=https://web.archive.org/web/20250417144506/https://www.primature.gov.mg/index.php/2019/12/21/fanambarana/ |url-status=dead }}</ref>
Ny foto-dàlana FJKM dia tsy manaiky ny fanambadian'ny mitovy fananahana ary tsy manao [[Fanamasinam-panambadian' ny mitovy fananahana]], nambaran'ny Mpitandrina Irako Ramahazosoa Ammi izany.<ref>[https://www.agencemalagasydepresse.com/vaovao-samihafa/fanambadianny-mitovy-fananahana-manao-antsom-pitiavana-ny-filohanny-fjkm/ FANAMBADIAN’NY MITOVY FANANAHANA : Manao antsom-pitiavana ny filohan’ny FJKM - Agence Malagasy de Presse]</ref>
Tsy eto Madagasikara irery ihany no vitsy an'isa sy voahilikilika ny vondrompiarahamonina LGBT fa mbola maro ireo firenena tsy misokatra amin'izy ireo, toa an'i [[Hong Kong]].<ref>[https://mg.globalvoices.org/2025/01/06/170574/ Mpifankatia LGBTQ folo ‘mirehareha fa mpivady’ na tsy ankatoavina aza ny fanambadian’olona mitovy fananahana ao Hong Kong · Global Voices teny Malagasy]</ref>
== Fananganan-jaza ataon'ny mpivady mitovy fananahana ==
"Ny fanambadian'ny lehilahy sy vehivavy ihany no manan-jo hanan-janaka araka ny lalàna eto Madagasikara. .
== Lehilahy miaraka amin'ny lehilahy ==
Tamin’ny taona 2011, hita tao anatin’ny Tatitry ny [[Zon' olombelona|Zon’Olombelona]] navoakan’ny Departemantam-panjakana [[Amerikanina]] fa miely patrana ny [[fanavakavahana]] ara-piarahamonina manjo ny vondrom-piarahamonina LGBT. Nampitain’ilay tatitra fa tsy dia resahina loatra eto amin’ny firenena ny momba ny fironana ara-pananahana sy ny maha-lahy na maha-vavy, ary manomboka amin’ny fankatoavana an-tsokosoko ka hatramin’ny fandavana mivantana no fihetsiky ny besinimaro amin’izany, indrindra fa amin’ireo mpivaro-tena nanova fananahana. Nohamarinin'ny tatitra ihany koa fa matetika lasibatry ny fanafihana ireo mpivaro-tena LGBT <ref>{{Cite web |url=https://www.tiatanindrazana.mg/actualites/mpivaro-tena-manam-bady-hafakely-ny-tontolo-androni-lila-61533.php |title=kopian'ny arisiva |access-date=2026-07-18 |archive-date=2026-07-18 |archive-url=https://web.archive.org/web/20260718163406/https://www.tiatanindrazana.mg/actualites/mpivaro-tena-manam-bady-hafakely-ny-tontolo-androni-lila-61533.php |url-status=dead }}</ref>, anisan’izany ny fanararaotana am-bava, ny fitoraham-bato, ary na dia famonoana mihitsy aza.
Ny volana Desambra 2019, nisy lalàna iray navoaka izay manasazy ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy. Lasa resabe izany, ka nisy solombavambahoaka niampanga azy ho mampiroborobo ny firaisan'ny samy lehilahy na samy vehivavy, na dia tsy hita ao anatin'ilay volavolan-dalàna aza ilay teny. Noro Ravaozanany dia nanamarika fa « Tsy vonona ny hiodina amin’ny zon’ny olona mitovy fananahana (pelaka) ny [[Fiarahamonina malagasy|fiarahamonina malagasy.]] Ny fanatrarana fitovian-jo eo amin'ny lahy sy vavy (miralenta) dia efa fanamby amin'ny taona 2020, eny fa na dia eo amin'ny faribolana ara-tsaina aza. » .
Tamin'ny taona 2020, vehivavy 33 taona no nosamborina noho ny fanolanana ara-dalàna vehivavy 19 taona, rehefa nametraka fitarainana ny reniny. Raha ny marina, misy lalàna manasazy amin'ny fanagadrana " na iza na iza nanao fihetsika tsy mendrika na tsy ara-boajanahary tamin'ny olona mitovy fananahana, tsy ampy taona latsaky ny 21 taona ". Naniry hamaly faty ilay renim-pianakaviana noho ny fanapahan-kevitry ny zanany vavy nametraka fitoriana momba ny rainy izay nanolana azy. Hetsika ho fanohanana ny mpivady no karakaraina amin’ny [[Tambajotra sôsialy|tambajotra sosialy]], raha nanambara i Noro Ravaozanany fa “ Mampalahelo ny tsy niaro ny zanany vavy tamin'io firaisana ara-nofo io ilay renim-pianakaviana. [...] Famaliana faty avy amin'ny reny izany ary fomba iray hanafenana ny fiampangana ny firaisana ara-nofo sy ny fanolanana. ". Ao amin'ny Internet, iharan'ny fanevatevana sy fandrahonana ho faty ireo mpanohana azy mivady. ; mpivavaka, miampanga azy ireo ho nanao ny « fampiroboroboana ny firaisan'ny samy lehilahy na samy vehivavy ", manolotra fitsaboana fiovam-po ho an'ilay tovovavy ihany koa. Na dia tsy voararan'ny lalàna aza ny firaisan'ny samy lehilahy na samy vehivavy eto [[Madagasikara]], dia melohin'ny [[fiarahamonina]] mafy izany .
Tamin’ny fiandohan’ny volana jolay 2021, nofoanan’ny fanjakana malagasy ny takarivan’ny LGBT natao tao amin’ny trano fisotroana iray teto [[Antananarivo]], noho ny antony « famporisihana ho amin'ny fijangajangana » . Nokarakaraina isan-taona nandritra ny telo taona izany mba hanasongadinana ny fiarahamonina LGBT ao amin'ny nosy. Nanohitra io fanapahan-kevitra io ny talen'ny orinasa, ka nitarika ny fandrahonana ny fanakatonana ny trano fisotroana.
== Loharano ==
33h2avgcyq83yckxridsdgrhz748v2n
Lesbiana
0
300450
1148050
1144335
2026-07-27T08:47:32Z
Fifimirella
40514
fiovàna kely
1148050
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Couple kissing in front of rainbow flag (42328458024).jpg|vignette|Lesbiana mpifankatia mifanoroka]]
Ny '''lesbiana''' dia maha-izy azy ara-pananahana ary ara-pitiavana safidian'ny [[vehivavy]], ny olona tsy binary sasany, ary ny olona trans sasany mba hanehoana fa manana fifanintonana ara-pihetseham-po, ara-pitiavana na ara-nofo amin'ny vehivavy na olona mitovy aminy izy ireo. Tsy voafetra amin'ny fironana ara-pananahana fotsiny ny maha-lesbiana, fa ahitana ihany koa ny [[tantara]], ny [[kolontsaina]] ary ny hetsika ara-tsosialy mifandray amin'izany.
== Famaritana ==
Nandritra ny tantara dia nifandray tamin'ny hetsika LGBT sy ny feminisma ny vondrom-piarahamonina lesbiana, na dia namolavola ny fomba fijeriny sy ny fironany manokana aza izy indraindray, toy ny amin'ny tranga antsoina hoe ''lesbiana ara-politika''. Ny [[kolontsaina]] lesbiana dia miseho amin'ny sehatra maro, indrindra eo amin'ny [[literatiora]], ny [[zavakanto]] ary ny [[haino aman-jery]], ary matetika mifantoka amin'ny fampahafantarana sy ny fanomezana sehatra ny traikefan'ny lesbiana izay tsy dia hita loatra teo amin'ny fiarahamonina <ref>https://pinkscreens.org/fr/seance-pink-screens/2012/lesbiana-une-revolution-parallele</ref>.
Matetika ny teny hoe ''lesbiana'' dia ampiasaina hilazana ny fifanintonana ara-pitiavana sy ara-nofo eo amin'ny vehivavy. Na izany aza, tsy ny olona rehetra manana izany fironana izany no misafidy ny hamaritra ny tenany ho lesbiana, satria mety hisy maha-izy azy hafa ampiasainy hanehoana ny fironany ara-pananahana <ref>https://fr.bab.la/dictionnaire/espagnol-francais/lesbiana</ref>.
Ny [[:fr:Lesbophobie|lesbophobia]], izay manondro ny fanavakavahana, ny fitsarana an-tendrony ary ny fankahalana atao amin'ny lesbiana, dia mety hisy fiantraikany amin'ny lafiny maro amin'ny fiainan'izy ireo. Anisan'izany ny fahasalamana ara-tsaina, ny fidirana amin'ny asa sy ny fanabeazana, ny fiainam-pianakaviana ary ny fandraisan'izy ireo anjara feno eo amin'ny [[fiarahamonina]].
== Tantara ==
Ity fizarana ity dia nalaina avy amin'ny [[:fr:Histoire_des_lesbiennes|Tantara Lesbianina]].
Lahatsoratra mifandraika: [[:fr:Histoire_de_l'homosexualité|Tantaran'ny Fahapelahana]], [[:fr:Histoire_de_la_bisexualité|Tantaran'ny olona manana taovam-pananahana roa]] sy ny [[:fr:Histoire_de_la_transidentité|Tantaran'ny olona manova taovam-pananahana]].
Ny tantaran'ny lesbiana dia samy manondro ny tantaran'ny vehivavy manana fifandraisana ara-pihetseham-po sy ara-pananahana amin'izy samy izy, fa koa ny tantaran'ny maha-izy azy ara-tsosialy sy ara-kolotsaina izay tsy mivaingana amin'ny firaisan'ny samy vehivavy tsotra.
Mitombo ny fiarahamonina mpankahala lesbiana izay manome tsiny azy ireo <ref>https://vitrinelinguistique.oqlf.gouv.qc.ca/fiche-gdt/fiche/26532480/lesbophobie</ref>, ny lesbiana anefa dia mahavita mamorona sy mitazona toerana sy manaja ny fiarahamonina, ary koa ny kolontsainy manokana, indrindra ny [[literatiora]], ary koa malalaka any amin'ny firenena sasany ny zo hanambady sy hitaiza ary handray anjara amin'ny fanafahana ara-politika ny vehivavy rehetra.
== Referansa ==
1xcvue9hjhv7qbwvzszwlf75faxfx8h
1148051
1148050
2026-07-27T08:49:57Z
Fifimirella
40514
fiovàna kely
1148051
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Couple kissing in front of rainbow flag (42328458024).jpg|vignette|Lesbiana mpifankatia mifanoroka]]
Ny '''lesbiana''' dia maha-izy azy ara-pananahana ary ara-pitiavana safidian'ny [[vehivavy]], ny olona tsy binary sasany, ary ny olona mpanova taova-pananahana sasany mba hanehoana fa manana fifanintonana ara-pihetseham-po, ara-pitiavana na ara-nofo amin'ny vehivavy na olona mitovy aminy sy mitovy taovam-pananahana aminy izy ireo. Tsy voafetra amin'ny fironana ara-pananahana fotsiny ny maha-lesbiana, fa ahitana ihany koa ny [[tantara]], ny [[kolontsaina]] ary ny hetsika ara-tsosialy mifandray amin'izany.
== Famaritana ==
Nandritra ny tantara dia nifandray tamin'ny hetsika LGBT sy ny feminisma ny vondrom-piarahamonina lesbiana, na dia namolavola ny fomba fijeriny sy ny fironany manokana aza izy indraindray, toy ny amin'ny tranga antsoina hoe ''lesbiana ara-politika''. Ny [[kolontsaina]] lesbiana dia miseho amin'ny sehatra maro, indrindra eo amin'ny [[literatiora]], ny [[zavakanto]] ary ny [[haino aman-jery]], ary matetika mifantoka amin'ny fampahafantarana sy ny fanomezana sehatra ny traikefan'ny lesbiana izay tsy dia hita loatra teo amin'ny fiarahamonina <ref>https://pinkscreens.org/fr/seance-pink-screens/2012/lesbiana-une-revolution-parallele</ref>.
Matetika ny teny hoe ''lesbiana'' dia ampiasaina hilazana ny fifanintonana ara-pitiavana sy ara-nofo eo amin'ny vehivavy. Na izany aza, tsy ny olona rehetra manana izany fironana izany no misafidy ny hamaritra ny tenany ho lesbiana, satria mety hisy maha-izy azy hafa ampiasainy hanehoana ny fironany ara-pananahana <ref>https://fr.bab.la/dictionnaire/espagnol-francais/lesbiana</ref>.
Ny [[:fr:Lesbophobie|lesbophobia]], izay manondro ny fanavakavahana, ny fitsarana an-tendrony ary ny fankahalana atao amin'ny lesbiana, dia mety hisy fiantraikany amin'ny lafiny maro amin'ny fiainan'izy ireo. Anisan'izany ny fahasalamana ara-tsaina, ny fidirana amin'ny asa sy ny fanabeazana, ny fiainam-pianakaviana ary ny fandraisan'izy ireo anjara feno eo amin'ny [[fiarahamonina]].
== Tantara ==
Ity fizarana ity dia nalaina avy amin'ny [[:fr:Histoire_des_lesbiennes|Tantara Lesbianina]].
Lahatsoratra mifandraika: [[:fr:Histoire_de_l'homosexualité|Tantaran'ny Fahapelahana]], [[:fr:Histoire_de_la_bisexualité|Tantaran'ny olona manana taovam-pananahana roa]] sy ny [[:fr:Histoire_de_la_transidentité|Tantaran'ny olona manova taovam-pananahana]].
Ny tantaran'ny lesbiana dia samy manondro ny tantaran'ny vehivavy manana fifandraisana ara-pihetseham-po sy ara-pananahana amin'izy samy izy, fa koa ny tantaran'ny maha-izy azy ara-tsosialy sy ara-kolotsaina izay tsy mivaingana amin'ny firaisan'ny samy vehivavy tsotra.
Mitombo ny fiarahamonina mpankahala lesbiana izay manome tsiny azy ireo <ref>https://vitrinelinguistique.oqlf.gouv.qc.ca/fiche-gdt/fiche/26532480/lesbophobie</ref>, ny lesbiana anefa dia mahavita mamorona sy mitazona toerana sy manaja ny fiarahamonina, ary koa ny kolontsainy manokana, indrindra ny [[literatiora]], ary koa malalaka any amin'ny firenena sasany ny zo hanambady sy hitaiza ary handray anjara amin'ny fanafahana ara-politika ny vehivavy rehetra.
== Referansa ==
jsa6xuzhajk58p1yh8tf1svsc27jf4d
1148052
1148051
2026-07-27T08:50:21Z
Fifimirella
40514
1148052
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Couple kissing in front of rainbow flag (42328458024).jpg|vignette|Lesbiana mpifankatia mifanoroka]]
Ny '''lesbiana''' dia maha-izy azy ara-pananahana ary ara-pitiavana safidian'ny [[vehivavy]], ny olona tsy binary sasany, ary ny olona mpanova taova-pananahana (trans) sasany mba hanehoana fa manana fifanintonana ara-pihetseham-po, ara-pitiavana na ara-nofo amin'ny vehivavy na olona mitovy aminy sy mitovy taovam-pananahana aminy izy ireo. Tsy voafetra amin'ny fironana ara-pananahana fotsiny ny maha-lesbiana, fa ahitana ihany koa ny [[tantara]], ny [[kolontsaina]] ary ny hetsika ara-tsosialy mifandray amin'izany.
== Famaritana ==
Nandritra ny tantara dia nifandray tamin'ny hetsika LGBT sy ny feminisma ny vondrom-piarahamonina lesbiana, na dia namolavola ny fomba fijeriny sy ny fironany manokana aza izy indraindray, toy ny amin'ny tranga antsoina hoe ''lesbiana ara-politika''. Ny [[kolontsaina]] lesbiana dia miseho amin'ny sehatra maro, indrindra eo amin'ny [[literatiora]], ny [[zavakanto]] ary ny [[haino aman-jery]], ary matetika mifantoka amin'ny fampahafantarana sy ny fanomezana sehatra ny traikefan'ny lesbiana izay tsy dia hita loatra teo amin'ny fiarahamonina <ref>https://pinkscreens.org/fr/seance-pink-screens/2012/lesbiana-une-revolution-parallele</ref>.
Matetika ny teny hoe ''lesbiana'' dia ampiasaina hilazana ny fifanintonana ara-pitiavana sy ara-nofo eo amin'ny vehivavy. Na izany aza, tsy ny olona rehetra manana izany fironana izany no misafidy ny hamaritra ny tenany ho lesbiana, satria mety hisy maha-izy azy hafa ampiasainy hanehoana ny fironany ara-pananahana <ref>https://fr.bab.la/dictionnaire/espagnol-francais/lesbiana</ref>.
Ny [[:fr:Lesbophobie|lesbophobia]], izay manondro ny fanavakavahana, ny fitsarana an-tendrony ary ny fankahalana atao amin'ny lesbiana, dia mety hisy fiantraikany amin'ny lafiny maro amin'ny fiainan'izy ireo. Anisan'izany ny fahasalamana ara-tsaina, ny fidirana amin'ny asa sy ny fanabeazana, ny fiainam-pianakaviana ary ny fandraisan'izy ireo anjara feno eo amin'ny [[fiarahamonina]].
== Tantara ==
Ity fizarana ity dia nalaina avy amin'ny [[:fr:Histoire_des_lesbiennes|Tantara Lesbianina]].
Lahatsoratra mifandraika: [[:fr:Histoire_de_l'homosexualité|Tantaran'ny Fahapelahana]], [[:fr:Histoire_de_la_bisexualité|Tantaran'ny olona manana taovam-pananahana roa]] sy ny [[:fr:Histoire_de_la_transidentité|Tantaran'ny olona manova taovam-pananahana]].
Ny tantaran'ny lesbiana dia samy manondro ny tantaran'ny vehivavy manana fifandraisana ara-pihetseham-po sy ara-pananahana amin'izy samy izy, fa koa ny tantaran'ny maha-izy azy ara-tsosialy sy ara-kolotsaina izay tsy mivaingana amin'ny firaisan'ny samy vehivavy tsotra.
Mitombo ny fiarahamonina mpankahala lesbiana izay manome tsiny azy ireo <ref>https://vitrinelinguistique.oqlf.gouv.qc.ca/fiche-gdt/fiche/26532480/lesbophobie</ref>, ny lesbiana anefa dia mahavita mamorona sy mitazona toerana sy manaja ny fiarahamonina, ary koa ny kolontsainy manokana, indrindra ny [[literatiora]], ary koa malalaka any amin'ny firenena sasany ny zo hanambady sy hitaiza ary handray anjara amin'ny fanafahana ara-politika ny vehivavy rehetra.
== Referansa ==
7ipe83z9lkta5j4ottc343n6tq9dkfv
1148053
1148052
2026-07-27T10:47:31Z
Fifimirella
40514
referansa
1148053
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Couple kissing in front of rainbow flag (42328458024).jpg|vignette|Lesbiana mpifankatia mifanoroka]]
Ny '''lesbiana''' dia maha-izy azy ara-pananahana ary ara-pitiavana safidian'ny [[vehivavy]], ny olona tsy binary sasany, ary ny olona mpanova taova-pananahana (trans) sasany mba hanehoana fa manana fifanintonana ara-pihetseham-po, ara-pitiavana na ara-nofo amin'ny vehivavy na olona mitovy aminy sy mitovy taovam-pananahana aminy izy ireo. Tsy voafetra amin'ny fironana ara-pananahana fotsiny ny maha-lesbiana, fa ahitana ihany koa ny [[tantara]], ny [[kolontsaina]] ary ny hetsika ara-tsosialy mifandray amin'izany <ref>https://interligne.co/question-frequente/quest-ce-quune-personne-lesbienne/</ref>.
== Famaritana ==
Nandritra ny tantara dia nifandray tamin'ny hetsika LGBT sy ny feminisma ny vondrom-piarahamonina lesbiana, na dia namolavola ny fomba fijeriny sy ny fironany manokana aza izy indraindray, toy ny amin'ny tranga antsoina hoe ''lesbiana ara-politika''. Ny [[kolontsaina]] lesbiana dia miseho amin'ny sehatra maro, indrindra eo amin'ny [[literatiora]], ny [[zavakanto]] ary ny [[haino aman-jery]], ary matetika mifantoka amin'ny fampahafantarana sy ny fanomezana sehatra ny traikefan'ny lesbiana izay tsy dia hita loatra teo amin'ny fiarahamonina <ref>https://pinkscreens.org/fr/seance-pink-screens/2012/lesbiana-une-revolution-parallele</ref>.
Matetika ny teny hoe ''lesbiana'' dia ampiasaina hilazana ny fifanintonana ara-pitiavana sy ara-nofo eo amin'ny vehivavy. Na izany aza, tsy ny olona rehetra manana izany fironana izany no misafidy ny hamaritra ny tenany ho lesbiana, satria mety hisy maha-izy azy hafa ampiasainy hanehoana ny fironany ara-pananahana <ref>https://fr.bab.la/dictionnaire/espagnol-francais/lesbiana</ref>.
Ny [[:fr:Lesbophobie|lesbophobia]], izay manondro ny fanavakavahana, ny fitsarana an-tendrony ary ny fankahalana atao amin'ny lesbiana, dia mety hisy fiantraikany amin'ny lafiny maro amin'ny fiainan'izy ireo. Anisan'izany ny fahasalamana ara-tsaina, ny fidirana amin'ny asa sy ny fanabeazana, ny fiainam-pianakaviana ary ny fandraisan'izy ireo anjara feno eo amin'ny [[fiarahamonina]].
== Tantara ==
Ity fizarana ity dia nalaina avy amin'ny [[:fr:Histoire_des_lesbiennes|Tantara Lesbianina]].
Lahatsoratra mifandraika: [[:fr:Histoire_de_l'homosexualité|Tantaran'ny Fahapelahana]], [[:fr:Histoire_de_la_bisexualité|Tantaran'ny olona manana taovam-pananahana roa]] sy ny [[:fr:Histoire_de_la_transidentité|Tantaran'ny olona manova taovam-pananahana]].
Ny tantaran'ny lesbiana dia samy manondro ny tantaran'ny vehivavy manana fifandraisana ara-pihetseham-po sy ara-pananahana amin'izy samy izy, fa koa ny tantaran'ny maha-izy azy ara-tsosialy sy ara-kolotsaina izay tsy mivaingana amin'ny firaisan'ny samy vehivavy tsotra.
Mitombo ny fiarahamonina mpankahala lesbiana izay manome tsiny azy ireo <ref>https://vitrinelinguistique.oqlf.gouv.qc.ca/fiche-gdt/fiche/26532480/lesbophobie</ref>, ny lesbiana anefa dia mahavita mamorona sy mitazona toerana sy manaja ny fiarahamonina, ary koa ny kolontsainy manokana, indrindra ny [[literatiora]], ary koa malalaka any amin'ny firenena sasany ny zo hanambady sy hitaiza ary handray anjara amin'ny fanafahana ara-politika ny vehivavy rehetra.
== Referansa ==
26krdpxwym2ugmn1z9tf6599gp0ua73
Razafintsalama Jean-Baptiste
0
301495
1148048
1148011
2026-07-27T06:56:46Z
Thelezifor
15140
Loharano
1148048
wikitext
text/x-wiki
I '''Razafintsalama Jean-Baptiste''' izay fantatra amin' ny anarana hoe '''Dama-Ntsoha''', dia [[Haitsikerafiteny|mpahay teny]] malaza, [[Filôzôfia|filôzôfa]], [[mpanoratra]] sady mpikaroka malagasy. Amin' ny maha mpikambana feno azy tao amin' ny [[Akademia Malagasy]] dia fantatra manokana izy noho ny [[rijan-kevitra]] vaovao sy niavaka notohanany momba ny fiaviana aziatika sy ara-panahin' ny [[Malagasy (vahoaka)|vahoaka]] sy ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]]<ref><small>"[https://www.sudoc.abes.fr/cbs/DB=2.1//SRCH?IKT=12&TRM=07945609X Dama-Ntsoha]", ''www.sudoc.abes.fr''</small></ref><ref name=":0"><small>"[https://www.dicopathe.com/jean-baptiste-razafintsalama-un-lexicographe-a-la-recherche-de-letymologie-indo-bouddhiste-du-malgache/ Jean-Baptiste RAZAFINTSALAMA, un lexicographe à la recherche de l’étymologie “indo-bouddhiste” du malgache]", ''www.dicopathe.com''</small></ref><ref name=":1"><small>"[https://www.persee.fr/doc/diasp_1637-5823_2004_num_5_1_959 À la recherche d'ancêtres hindo-bouddhistes pour Madagascar. Une généalogie rêvée en situation coloniale (années 1920-1950)]", ''www.persee.fr''</small></ref>.
== Zotram-piainana ara-pivavahana ==
Teraka tao [[Antananarivo]] tamin' ny taona 1885 izy tao Antananarivo izy, ary nanomboka fiainana ara-pivavahana lalina tao anatin' ny fikambanan' ny [[Zezoita]] talohan' ny naha [[pretra]] tsy anaty fikambanana azy. Noho ny fitiavany fatratra ny tantara sy ny fiavian' ny famotoran-teny, dia nifantoka tamin' ny fikarohana momba ny fifandraisana ara-piteny eo amin' ny teny malagasy sy ny fiteny taloha any [[Azia]] izy, indrindra fa ny [[fiteny sanskrity]]. Rehefa hitany fa tsy dia nankasitraka ny asany ny tompon' andraikitra ambony tao amin' ny fiangonana, dia nisaraka tanteraka tamin' ny Zezoita izy ary nampiasa ny anarana hoe Dama-Ntsoha<ref name=":0" /><ref><small>"[https://www.larousse.fr/encyclopedie/litterature/Jean-Baptiste_Razafintsalama_dit_Dama-Ntsoha/172679 Jean-Baptiste Razafintsalama, dit Dama-Ntsoha]", ''www.larousse.fr''</small></ref>.
== Ny rijan-kevitra hindo-bodista ==
Nametraka marika lalina teo amin' ny sehatry ny fandalinana ny [[Tantaran' i Madagasikara|tantaran']] [[Tantaran' i Madagasikara|i Madagasikara]] i Dama-Ntsoha tamin' ny alalan' ny famolavolana teôria feno fahasahiana<ref name=":0" /><ref name=":1" />. Araka ny vokatry ny fikarohana nataony, ny ampahany netsaka amin' ny teny malagasy dia avy amin' ny fiteny masina nampidirin' ny moanina [[Bodisma|bodista]] tonga avy any India tamin' ny [[Andro Taloha]]<ref name=":0" />. Nikendry ny hanaporofo ny fisian' ny sivilizasiôna malagasy tena tranainy sady voarindra tsara, izay nifandray tamin' ny kolontsaina lehibe maro any [[Azia]] ela be talohan' ny vanim-potoanan' ny [[Madagasikara zanatany frantsay|fanjanahantany]], ny [[Tsangan-kevitra|tsangan-keviny]]<ref name=":0" />. Ao amin' ny asa sorany dia fariparitany ny fiarahamonina malagasy fahiny izay miavaka sy tsy manam-paharoa, niorina tamin' ny fifanampiana sy ny fitiavana madio ary ny filôzôfia momba ny fiainana. Izany rehetra izany dia hevitra notsoahiny indrindra tamin' ny famakafakana ny [[ohabolana]] malagasy<ref name=":1" />.
== Asa soratra lehibe ==
Namoaka boky maro azo anovozan-kevitra maromaro izy, izay nosoratany tamin' ny teny frantsay sy malagasy:
* ''Le Bouddhisme malgache ou la civilisation malgache'' (1938)
* ''Dictionnaire étymologique de la langue malgache'' (navoaka amin' ny boky maromaro nanomboka tamin' ny taona 1951)
* ''Histoire politique et religieuse des Malgaches, depuis les origines jusqu'à nos jours'' (1952)
* ''Le Renouveau malgache'' (1956)
Nanana fiantraikany lehibe teo amin' ny lafiny ara-kolontsaina eto Madagasikara ny asa sorany sy ny fomba fijeriny ara-pilôzôfia; nanome aingam-panahy ny hetsika manindrahindra firenana izany sady nandrisika ny fisaintsainana momba ny maha-izy azy ny firenena malagasy.
== Jereo koa ==
* [[Rabarioelina Ndriana|Ndriana Rabarioelina]]
* [[Fiavian' ny Malagasy]]
* [[Tsangan-kevitra momba ny fiavian' ny malagasy]]
* [[Fiavian' ny teny malagasy]]
* [[Tsangan-kevitra momba ny fiavian' ny teny malagasy]]
== Loharano ==
p0jzwbq5ccomognmb7ybwekp6b55bmw
1148049
1148048
2026-07-27T07:52:13Z
Thelezifor
15140
Loharano
1148049
wikitext
text/x-wiki
I '''Razafintsalama Jean-Baptiste''' izay fantatra amin' ny anarana hoe '''Dama-Ntsoha''', dia [[Haitsikerafiteny|mpahay teny]] malaza, [[Filôzôfia|filôzôfa]], [[mpanoratra]] sady mpikaroka malagasy. Amin' ny maha mpikambana feno azy tao amin' ny [[Akademia Malagasy]] dia fantatra manokana izy noho ny [[rijan-kevitra]] vaovao sy niavaka notohanany momba ny fiaviana aziatika sy ara-panahin' ny [[Malagasy (vahoaka)|vahoaka]] sy ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]]<ref><small>"[https://www.sudoc.abes.fr/cbs/DB=2.1//SRCH?IKT=12&TRM=07945609X Dama-Ntsoha]", ''www.sudoc.abes.fr''</small></ref><ref name=":0"><small>"[https://www.dicopathe.com/jean-baptiste-razafintsalama-un-lexicographe-a-la-recherche-de-letymologie-indo-bouddhiste-du-malgache/ Jean-Baptiste RAZAFINTSALAMA, un lexicographe à la recherche de l’étymologie “indo-bouddhiste” du malgache]", ''www.dicopathe.com''</small></ref><ref name=":1"><small>"[https://www.persee.fr/doc/diasp_1637-5823_2004_num_5_1_959 À la recherche d'ancêtres hindo-bouddhistes pour Madagascar. Une généalogie rêvée en situation coloniale (années 1920-1950)]", ''www.persee.fr''</small></ref>.
== Zotram-piainana ara-pivavahana ==
Teraka tao [[Antananarivo]] tamin' ny taona 1885 izy tao Antananarivo izy, ary nanomboka fiainana ara-pivavahana lalina tao anatin' ny fikambanan' ny [[Zezoita]] talohan' ny naha [[pretra]] tsy anaty fikambanana azy. Noho ny fitiavany fatratra ny tantara sy ny fiavian' ny famotoran-teny, dia nifantoka tamin' ny fikarohana momba ny fifandraisana ara-piteny eo amin' ny teny malagasy sy ny fiteny taloha any [[Azia]] izy, indrindra fa ny [[fiteny sanskrity]]. Rehefa hitany fa tsy dia nankasitraka ny asany ny tompon' andraikitra ambony tao amin' ny fiangonana, dia nisaraka tanteraka tamin' ny Zezoita izy ary nampiasa ny anarana hoe Dama-Ntsoha<ref name=":0" /><ref name=":2"><small>"[https://www.larousse.fr/encyclopedie/litterature/Jean-Baptiste_Razafintsalama_dit_Dama-Ntsoha/172679 Jean-Baptiste Razafintsalama, dit Dama-Ntsoha]", ''www.larousse.fr''</small></ref>.
== Ny rijan-kevitra hindo-bodista ==
Nametraka marika lalina teo amin' ny sehatry ny fandalinana ny [[Tantaran' i Madagasikara|tantaran']] [[Tantaran' i Madagasikara|i Madagasikara]] i Dama-Ntsoha tamin' ny alalan' ny famolavolana teôria feno fahasahiana<ref name=":0" /><ref name=":1" />. Araka ny vokatry ny fikarohana nataony, ny ampahany netsaka amin' ny teny malagasy dia avy amin' ny fiteny masina nampidirin' ny moanina [[Bodisma|bodista]] tonga avy any India tamin' ny [[Andro Taloha]]<ref name=":0" />. Nikendry ny hanaporofo ny fisian' ny sivilizasiôna malagasy tena tranainy sady voarindra tsara, izay nifandray tamin' ny kolontsaina lehibe maro any [[Azia]] ela be talohan' ny vanim-potoanan' ny [[Madagasikara zanatany frantsay|fanjanahantany]], ny [[Tsangan-kevitra|tsangan-keviny]]<ref name=":0" />. Ao amin' ny asa sorany dia fariparitany ny fiarahamonina malagasy fahiny izay miavaka sy tsy manam-paharoa, niorina tamin' ny fifanampiana sy ny fitiavana madio ary ny filôzôfia momba ny fiainana. Izany rehetra izany dia hevitra notsoahiny indrindra tamin' ny famakafakana ny [[ohabolana]] malagasy<ref name=":1" />.
== Asa soratra lehibe ==
Namoaka boky maro azo anovozan-kevitra maromaro izy, izay nosoratany tamin' ny teny frantsay sy malagasy<ref name=":2" />:
* ''Le Bouddhisme malgache ou la civilisation malgache'' (1938)
* ''Dictionnaire étymologique de la langue malgache'' (navoaka amin' ny boky maromaro nanomboka tamin' ny taona 1951)
* ''Histoire politique et religieuse des Malgaches, depuis les origines jusqu'à nos jours'' (1952)
* ''Le Renouveau malgache'' (1956)
Nanana fiantraikany lehibe teo amin' ny lafiny ara-kolontsaina eto Madagasikara ny asa sorany sy ny fomba fijeriny ara-pilôzôfia; nanome aingam-panahy ny hetsika manindrahindra firenana izany sady nandrisika ny fisaintsainana momba ny maha-izy azy ny firenena malagasy<ref name=":1" />.
== Jereo koa ==
* [[Rabarioelina Ndriana|Ndriana Rabarioelina]]
* [[Fiavian' ny Malagasy]]
* [[Tsangan-kevitra momba ny fiavian' ny malagasy]]
* [[Fiavian' ny teny malagasy]]
* [[Tsangan-kevitra momba ny fiavian' ny teny malagasy]]
== Loharano ==
qxuys4fpy2enal6y6ynuv1gcoicvlyh