Wikipedia
mgwiki
https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana
MediaWiki 1.47.0-wmf.16
first-letter
Rakitra
Manokana
Dinika
Mpikambana
Dinika amin'ny mpikambana
Wikipedia
Dinika amin'ny Wikipedia
Sary
Dinika amin'ny sary
MediaWiki
Dinika amin'ny MediaWiki
Endrika
Dinika amin'ny endrika
Fanoroana
Dinika amin'ny fanoroana
Sokajy
Dinika amin'ny sokajy
TimedText
TimedText talk
Module
Discussion module
Event
Event talk
Ohabolana
0
1878
1149444
1149416
2026-08-19T16:06:09Z
Valimbavaka Rahary
39787
Nanampy
1149444
wikitext
text/x-wiki
== Ankapobeny mikasika ny ohabolana ==
'''Ohabolana''' dia fehezanteny fohy mirakitra fahendrena, traikefa ary lesona navelan'ny [[Ntaolo malagasy]]. Avy amin'ny fitambaran'ny teny hoe ''ohatra'' sy ''volana'' ny teny hoe ohabolana, izay manambara teny ampiasaina ho fanoharana mba hampitana hevitra lalina amin'ny fomba fohy sy mazava.[http://ohabolana.serasera.org] {{Wayback|url=http://ohabolana.serasera.org/ |date=20060504183823 }}
Anisan'ny harena [[Kolontsaina malagasy|ara-kolontsaina]] sy ara-pisainan'ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] ny ohabolana. Nifindra tamin'ny alalan'ny [[lovantsofina]] nandritra ny taranaka maro izy ireo, ka lasa fitaovana enti-manabe sy mampita [[soatoavina]] eo amin'ny fiaraha-monina. Matetika ny ohabolana no ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro, amin'ny fifampiresahana, amin'ny famahana olana, ary indrindra amin'ny [[kabary]] sy lahateny ofisialy.
Ny ankamaroan'ny ohabolana dia noforonin'ny [[Ntaolo malagasy|Ntaolo]] mba hampisaina ny olona sy hitarihina azy amin'ny fahendrena. Ahitana torohevitra momba ny fitondran-tena, ny fifandraisana amin'ny hafa, ny asa, ny [[fianakaviana]] ary ny fiainana ankapobeny ny votoatin'izy ireny. Noho izany dia heverina ho iray amin'ireo fototry ny fahendrena malagasy ny ohabolana.
== Famaritana ==
Avy amin'ny fitambaran'ny teny hoe '''ohatra''' sy '''volana''' ny teny hoe ''ohabolana''. Izy io dia teny na fehezanteny fohy maneho hevitra lalina amin'ny alalan'ny fanoharana na fampitahana. Raha ny famaritan-dRajemisa ny ohabolana dia hoe : "teny atao amin'ohatra hilazana hevitra." (Rakibolana Malagasy, takila 774)
Ny ankamaroan'ny ohabolana dia noforonin'ny Ntaolo avy amin'ny zavatra hitany sy niainany teo amin'ny fiarahamonina sy ny zavaboary. Noho izany dia lasa fitahirizana ny fahendrena sy ny fomba fisainan'ny Malagasy izy ireo.
== Ny anjara toeran'ny ohabolana ==
Manana anjara toerana lehibe eo amin'ny kolontsaina malagasy ny ohabolana. Ireto avy ny sasany amin'ireo fampiasana azy:
* Entina mampita fahendrena sy fananarana.
* Manamafy sy manazava hevitra ao anatin'ny kabary.
* Fitaovana enti-manabe ny tanora sy ny taranaka mifandimby.
* Manampy amin'ny fitahirizana ny fomba fisainana sy ny soatoavina malagasy.
* Mampanankarena ny teny sy ny haisoratra malagasy.
== Endrika hisehony ==
Maro ny endrika isehoan'ny ohabolana, ka anisan'izany:
=== Ohabolana mananatra ===
Entina manitsy fitondran-tena na manome lesona.
'''Ohatra:'''
"Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina."
=== Ohabolana manoro hevitra ===
Manampy ny olona handray fanapahan-kevitra tsara.
'''Ohatra:'''
* "Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana."
=== Ohabolana mifototra amin'ny fanoharana ===
Mampiasa sary an-tsaina na zavatra hita eo amin'ny natiora.
'''Ohatra:'''
* "Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara."
=== Ohabolana ampiasaina amin'ny kabary ===
Fanaingoana sy fanamafisana ny lahateny.
'''Ohatra:'''
* "Teny diso tsy mba kabary, mihinam-bary aza misy latsaka."
==== Ohatra amin'ny ohabolana malagasy ====

* "Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina."

=== Ohabolana momban'ny olombelona ===
Hamaroan'ny olona
'''Ohatra:'''
* "Ny olombelona toy ny amalona an-drano ka be siasia".
=== Karazana ohabolana ===
* " Toto vary lena ka samy te-ho lohany " "Tsy hivady angaha no manao ianareo "
== Jereo koa ==
* [[Kolontsaina malagasy]]
* [[Mozika malagasy]]
* [[Lisitry ny karazan-kira sy gadona ary dihy malagasy]]
* [[Lisitry ny karazana literatiora malagasy nentim-paharazana]]
== Rohy ivelany ==
* http://ohabolana.serasera.org {{Wayback|url=http://ohabolana.serasera.org/ |date=20060504183823 }}
http://www.thierotsy.fr.gd

* https://www.tenymalagasy.org
* http://www.thierotsy.fr.gd
== Loharano sy fanamarihana ==
# Rajaonarimanana, Narivelo. ''Ny Haisoratra Am-bava Malagasy''.
# Dubois, Henri. ''Les proverbes malgaches''.
# http://ohabolana.serasera.org {{Wayback|url=http://ohabolana.serasera.org/ |date=20060504183823 }}
# Rakibolana sy rakipahalalana momba ny kolontsaina malagasy.
[[Sokajy:Fiteny]]
[[Sokajy:Kolontsaina malagasy]]
[[Sokajy:Literatiora am-bava]]
9cp4574dwq8r9pnz22m1sjz1yxwysui
1149445
1149444
2026-08-19T16:11:32Z
Valimbavaka Rahary
39787
Nanampy ohatra

* "Ny havan-tiana tsy iaraha-monina".
* "Mandehana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony".
=== Ohabolana mifototra amin'ny fanoharana ===
Mampiasa sary an-tsaina na zavatra hita eo amin'ny natiora.
'''Ohatra:'''
* "Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara."
=== Ohabolana ampiasaina amin'ny kabary ===
Fanaingoana sy fanamafisana ny lahateny.
'''Ohatra:'''
* "Teny diso tsy mba kabary, mihinam-bary aza misy latsaka."
==== Ohatra amin'ny ohabolana malagasy ====
* "Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara."
* "Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina."
* "Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana."
=== Ohabolana momban'ny olombelona ===
Hamaroan'ny olona
'''Ohatra:'''
* "Ny olombelona toy ny amalona an-drano ka be siasia".
=== Karazana ohabolana ===
* " Toto vary lena ka samy te-ho lohany " "Tsy hivady angaha no manao ianareo "
== Jereo koa ==
* [[Kolontsaina malagasy]]
* [[Mozika malagasy]]
* [[Lisitry ny karazan-kira sy gadona ary dihy malagasy]]
* [[Lisitry ny karazana literatiora malagasy nentim-paharazana]]
== Rohy ivelany ==
* http://ohabolana.serasera.org {{Wayback|url=http://ohabolana.serasera.org/ |date=20060504183823 }}
http://www.thierotsy.fr.gd
* http://ohabolana.serasera.org {{Wayback|url=http://ohabolana.serasera.org/ |date=20060504183823 }}
* https://www.tenymalagasy.org
* http://www.thierotsy.fr.gd
== Loharano sy fanamarihana ==
# Rajaonarimanana, Narivelo. ''Ny Haisoratra Am-bava Malagasy''.
# Dubois, Henri. ''Les proverbes malgaches''.
# http://ohabolana.serasera.org {{Wayback|url=http://ohabolana.serasera.org/ |date=20060504183823 }}
# Rakibolana sy rakipahalalana momba ny kolontsaina malagasy.
[[Sokajy:Fiteny]]
[[Sokajy:Kolontsaina malagasy]]
[[Sokajy:Literatiora am-bava]]
9y5gmo56d36jxoe408qb3k3sb9qms4s
Isa
0
2142
1149458
1125084
2026-08-20T11:56:38Z
Valimbavaka Rahary
39787
Nanitsy
1149458
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:NumberSetinR2.svg|vignette|284x284px|Fanehoana an-tsary ny vondrona samihafa misy ny karazan' isa]]
Ny '''isa''' dia hevitra anomezana [[anarana]] ny habetsahan' ny zavatra isaina, hevitra [[matematika]] ahafahana manombana sy mampitaha ny habetsahana na ny tahan-kabe, sy andaharana singa amin' ny fanondroana ny laharany. Matetika ny isa dia soratana amin' ny alalan' ny [[tarehimarika]] iray na maromaro, ka mifandray amin' ny alalan' ny [[asamarika]] izay fintinina amin' ny fitsipiky ny kajy. Ny toetran' ireo fifandraisana misy eo amin' ny isa ireo dia raisina voalohany ao anatin' ny rafitry ny [[aritmetika]]<nowiki/>n' ny [[isa tsimivaky]], avy eo mivelatra kokoa ao anatin' ny sampana isan-karazan' ny [[rijan-kevitra]] momba ny isa.
Manana ny fomba fanomezany anarana ny isa azy manokana ny [[fiteny malagasy]], anisan' izany ny [[anarana]] nifandovana hatramin' ny andron' ny [[Ntaolo malagasy|Ntaolo malagasy,]] sy ny hafa izay niforona noho ny filàna eo amin' ny fikirakirana isa lehibe dia lehibe, indrindra eo amin' ny sehatry ny [[siansa]].
Satria tsy misy ny famaritana ankapobeny mahafa-po momba io hevitra io, dia nampidirina ny karazana isa samihafa, manomboka amin' ny [[isa nanahary]] ka hatramin' ny [[isa voatsapa]], na mihoatra noho izany aza, anisan' izany ny [[isa haro]], ny isa [[ampahan-tsiefa]], sns. Ahafahana maneho ny fandrefesana fizika, mamaha [[fimirana]], mamehy an-dalàna ny fampahalalana, na mahatakatra ny [[tsiefa|tsy efa]] mihitsy aza, ireo hevitra ireo.
Ao amin' ny [[fizika]] dia habe tsy misy ventin-drefy ny isa sasany, toy ny [[isan' i Reynolds]] ao amin' ny [[mekanikan' ny hanaka]] na ny isa kantika.
Ankoatra ny fampiasany azy ara-tsiantsa dia nahazo heviny an' ohatra matanjaka ao amin' ny [[kolontsaina]] samihafa koa ny isa sasany. Ohatra amin' izany ny isa telo ao amin' ny [[Kristianina]] na ny isa folo ho an' ny [[Sekoly pitagôrisiana|Pitagôrisiana]].
== Anaran' ny isa amin' ny teny malagasy ==
{| class="wikitable"
|+ Fanisana amin' ny teny malagasy
! Sangan' ny folo
! Soratra mahazatra
! Anarana
|-
| 10<sup>0</sup>
| 1
| [[iray]], [[isa]]
|-
| 10<sup>1</sup>
| 10
| [[folo]]
|-
| 10<sup>2</sup>
| 100
| [[zato]]
|-
| 10<sup>3</sup>
| 1.000
| [[arivo]]
|-
| 10<sup>4</sup>
| 10.000
| [[alina]]
|-
| 10<sup>5</sup>
| 100.000
| iray [[hetsy]]
|-
| 10<sup>6</sup>
| 1.000.000
| iray [[tapitrisa]], folo hetsy
|-
| 10<sup>7</sup>
| 10.000.000
| folo tapitrisa, zato hetsy, iray [[safatsiroa]]
|-
| 10<sup>8</sup>
| 100.000.000
| zato taptitrisa, iray [[tsitamboisa]]
|-
| 10<sup>9</sup>
| 1.000.000.000
| iray [[lavitrisa]], iray [[miliara]]
|-
| 10<sup>10</sup>
| 10.000.000.000
| folo lavitrisa, folo miliara, iray [[alinkisa]]
|-
| 10<sup>11</sup>
| 100.000.000.000
| zato lavitrisa, zato miliara, iray [[tsipesimpesenina]]
|-
| 10<sup>12</sup>
| 1.000.000.000.000
| arivo lavitrisa, arivo miliara, iray [[tsitokotsiforohana]]
|-
| 10<sup>13</sup>
| 10.000.000.000.000
| iray alina miliara, iray [[tsihitanoanoa]]
|-
| 10<sup>14</sup>
| 100.000.000.000.000
| iray hetsy miliara, iray [[safatsiroafaharoa]], iray [[safatsiroafaha-2]]
|-
| 10<sup>15</sup>
| 1.000.000.000.000.000
| iray [[tsitamboisafaharoa]], iray [[tsitamboisafaha-2]]
|-
| 10<sup>16</sup>
| 10<sup>16</sup>
| iray [[lavitrisafaharoa]], iray [[lavitrisafaha-2]]
|-
| 10<sup>17</sup>
| 10<sup>17</sup>
| iray [[alinkisafaharoa]], iray [[alinkisafaha-2]]
|-
| 10<sup>18</sup>
| 10<sup>18</sup>
| iray [[tsipesimpeseninafaharoa]], iray [[tsipesimpeseninafaha-2]]
|-
| 10<sup>19</sup>
| 10<sup>19</sup>
| iray [[tsitokotsiforohanafaharoa]], iray [[tsitokotsiforohanafaha-2]]
|-
| 10<sup>20</sup>
| 10<sup>20</sup>
| iray [[tsihitanoanoafaharoa]], iray [[tsihitanoanoafaha-2]]
|-
| 10<sup>21</sup>
| 10<sup>21</sup>
| iray [[safatsiroafahatelo]], iray [[safatsiroafaha-3]]
|-
| ...
| ...
| ...
|-
| 10<sup>100</sup>
| 10<sup>100</sup>
| iray [[gogola]], iray [[lavitrisafahefatrambinifolo]], iray [[lavitrisafaha-14]]
|}
Mandra-pahatonga any amin' ny isa tsiefa dia miherina ny anarana ary mitombo ny laharana. Ireo anarana miverimberina dia [[safatsiroa]]faha-x (10<sup>7+7(x-1)</sup>), [[tsitamboisa]]faha-x (10<sup>8+7(x-1)</sup>), [[lavitrisa]]faha-x (10<sup>9+7(x-1)</sup>), [[alinkisa]]faha-x (10<sup>10+7(x-1)</sup>), [[tsipesimpesenina]]faha-x (10<sup>11+7(x-1)</sup>), [[tsitokotsiforohana]]faha-x (10<sup>12+7(x-1)</sup>), [[tsihitanoanoa]]faha-x (10<sup>13+7(x-1)</sup>)
== Jereo koa ==
* [[aotra]]/[[Aotra|zerô]] - [[Iray|isa]]/[[iray]]/[[Iray|iraika]] - [[roa]] - [[telo]] - [[efatra]] - [[dimy]] - [[enina]] - [[fito]] - [[valo]] - [[sivy]]
* [[folo]] - [[roapolo]] - [[telopolo]] - [[efapolo]] - [[dimampolo]] - [[enimpolo]] - [[fitopolo]] - [[valopolo]] - [[sivifolo]]
* [[zato]] - [[arivo]] - [[alina]] - [[hetsy]] - [[tapitrisa]] - [[lavitrisa]]
* [[Fanisana amin' ny teny malagasy]] - [[isa]] - [[terehimarika]] - [[mpamaritra isa]]
== Rohy ivelany ==
* Andriamihaja Solonavalona, "[http://tenymalagasy.org/bins/articles?a=fanisanavaovaoandriamihaja Fanisana vaovao]", ''tenymalagasy.org''
* "[https://motmalgache.org/bins/manisa Manisa]", ''motmalgache.org''
[[Sokajy:Fanisana]]
3is435w3kbkc6o8kdc711wvipa3xsl0
Zavaboary
0
9411
1149446
1107815
2026-08-19T16:24:07Z
Valimbavaka Rahary
39787
Nanampy famaritana
1149446
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Hopetoun falls.jpg|343x343px|ankavanana|thumb|Hopetoun Falls, any Aostralia]]
Ny '''zavaboary''' na '''natiora''' dia tontolo tsy nokasihan'ny olombelona, indrindra ny tontolo manodidina ny [[Fajiry|planeta]] na [[izao rehetra izao]]. Ny tontolo voatr' olombelona, izany hoe ny tontolo namboarin' ny olombelona toy ny saha, ny [[trano]] na ny tanàna, no mifanohitra amin' ny [[zavaboary]].
Amin' ity heviny ankapobeny ity dia manondro ny [[lalàna]] sy ny singa ary ny zava-mitranga rehetra ao amin'ny tontolo [[fizika]] (azo tsapain-tanana) ny teny hoe "natiora" bna "zavaboary", anisan' izany ny [[fiainana]]. Na dia anisan'ny [[zavaboary]] aza ny [[olombelona]] dia matetika no ampifanipahina na sarahina aminy tanteraka ary ambony noho ny [[Natiora (teôlôjia)|natiora]] mihitsy aza ny asan' ny olombelona na ny [[olombelona]] amin'ny fitambarany.
Nandritra ny fanombohan' ny [[fomba fiasa siantifika]] môderina tao anatin' ny taonjato maromaro farany dia nanjary ny zava-misy miandry hasaina na hiasana sady voalamina sy hetsehin' ny [[lalàn' Andriamanitra]], ny zavaboary. Tamin' ny [[Revôlisiôna Indostrialy]] dia noheverna ho ampahany amin'ny zava-misy tsy misy fidirana an-tsehatra atosiky ny finiavana ny zavaboary: noho izany dia noheverina araka ny fomba fijery sasany ho masina izy io ([[Jean-Jacques Rousseau]], [[transendentalisma amerikana]]) na ho vondrom-pitsipika tsy maintsy tandremana mba hihazonana ny laharan' ny tena ao anatin'ny lamim-[[Fitantanan' Andriamanitra|pitantanan' Andriamanitra]] na ao amin' ny tantaran' ny olombelona ([[Georg Wilhelm Friedrich Hegel|Hegel]], [[Karl Marx|Marx]]). Na izany aza dia teraka indray tamin' izany fotoana izany, indrindra nanaraka an' i [[Charles Darwin]], ny fomba fijery [[Vitalisma|vitalista]] momba ny natiora, izay manakaiky kokoa ny an' ny [[Filôzôfia presôkratika|presôkratika]].
Amin' ny fampiasana azy isan-karazany ankehitriny dia matetika manondro ny [[jeôlôjia]] sy ny fitambaran' ny karazan-[[Zavamananaina|javamananaina]] ny teny hoe "natiora" na "zavaboary". Azo anondroana ny sehatra ankapoben' ny zavamananaina, ary amin' ny toe-javatra sasany, anondroana ny dingana rehetra mifandray amin' ny zavatra tsy miaina ny hoe "zavaboary" — araka ny fomba fisiana sy fiovan' ny karazan-javatra samihafa araka ny nahiny avy, toy ny [[toetrandro]] sy ny [[jeôlôjia]]<nowiki/>n' ny [[Tany]]. Matetika io teny io no ilazana ny "tontolo iainana voajanahary": ny [[bibidia]], ny [[vato]], ny [[ala]], ary amin' ny ankapobeny ny zavatra rehetra tsy novain' ny asan' olombelona, na izay mbola manohy fisiana na dia eo aza ny fitsabahan' ny olombelona. Ohatra, tsy heverina ho anisan' ny zavaboary ny zavatra namboarin' ny olombelona sy ny fifandraisan' ny olombelona amin' ny samy olombelona amin' ny ankapobeny, raha tsy ao amin' ny filazana hoe "natioran' olombelona" (izany hoe ny toetran' ny olombelona) na "ny zavaboary manontolo", ohatra. Midika fanavahana ny voajanahary sy ny voatr' olombelona (artifisialy) io hevitra nentim-paharazana kokoa momba ny zavatra voajanahary izay mbola hita ankehitriny io, ka ny voatr' olombelona na artifisialy eto dia izay noforonin' ny fahatsiarovan-tenan' olombelona na noforonin' ny sain'olombelona. Arakaraka ny [[teny]] manodidina no mety hanavahana ny teny hoe "voajanahary" amin' ny atao hoe "tsy voajanahary" na ny hoe "[[mihoatra ny natoraly]]". Raha ny famaritan-dRajemisa, ny zavaboary dia izay zavatra rehetra naorina, izany hoe nisy mpanao fa tsy nisy ho azy (...) Ny fitambaran'ny zavatra hitan'ny maso manodidina ny tena, toy ny habakabaka, ny rano, ny hazo. (Rakibolana Malagasy, takila 1056)
== Fandaharana ==
[[Sary:Jordens inre-numbers.svg|200px|ankavanana|thumb|Ny bolantany enina : voany anaty (1) ; voany ivelany (2) ; kapaoty ambany (4) ; kapaoty ambony (5) ; litôsfera (6) ; hero-tany (6)]]
Ny siantsan' ny [[tany]] dia mahalala bolantany efatra: ny litôsfera, ny hidirôsfera, ny [[soson-drivotra]] ary ny biôsfera; ireo bolantany efatra ireo dia mifandrify amin' ny vato, ny rano, ny rivotra ary ny fiainana.
Ny taranja siantifika lehibe mikasika ny tany dia ny [[jeôgrafia]], ny [[Jeolojia|jeôlôjia]], ny jeôfizika ary ny jeôdezia. Ireo taranja ireo dia mampiasa ny [[fizika]], ny [[simia]], ny [[Biolojia|biôlôjia]], ny krônôlojia ary ny [[matematika]] mba hametraka ny taranja na fandrafetan' ny tany sy ny fahazoana azy tsara.
== Hetsika jeôlôjika ==
== Ny rano eto an-tany ==
[[Sary:44 - Iguazu - Décembre 2007.jpg|vignette|379x379px|Ny Riandrano Iguazu eo amin' ny sisin-tany manasaraka an' i [[Brezila]] sy i [[Arjentina|Arzantina]]]]
Akora simika misy [[Hidirôzenina|hidrôzenina]] sy [[ôksizenina]] (H<sub>2</sub>O) sady tena iankinan' ny fiainan'ny [[zavamananaina]] rehetra fantatra ny [[rano]]. Amin' ny fampiasana azy mahazatra, ny teny hoe "rano" dia tsy manondro afa-tsy ny endrika [[ranoka]], nefa manana toetra [[vainga]] ([[ranomandry]]) sy [[etona]] ([[eton-drano]]) koa ny rano. Ny rano no mandrakotra ny 71 % amin' ny velaran' ny [[Tany]]. Eto amn' ny Tany dia hita any anaty [[ranomasimbe]] sy any amin' ny hadirin-drano lehibe hafa izy io, anisan' izany ny izay rano ambanin' ny tany (1,6 %) sy ny rano eny amin' ny rivotra toy ny [[eton-drano]] sy ny [[rahona]] ary ny [[rotsa-drano]] ([[orana]], [[oram-panala]], sns) (0,001 %). Ny 97 % amin' ny rano ety ambonin' ny Tany dia ao amin' ny ranomasimbe, ny [[tahirin-dranomandry]], ary ny 2,4 % ao amin' ny ranomandry mamorona ny [[Saron-tendro|saron-tendrontany]], ary ny rano hafa ambonin' ny Tany toy ny [[ony]], ny [[renirano]], ny [[farihy]] ary ny [[dobo]] dia miantoka ny 0,6 %. Fanampin' izany dia voatahiry ao anatin' ny vatan' ny zavamananana sy ny vokatra namboarin' ny olombeona ny ampahany kely amin' ny rano eto amin' ny Tany.
=== Ranomasimbe ===
[[Sary:Ocean from Leblon.jpg|vignette|275x275px|Ny [[Ranomasimbe Atlantika]] avy eo Leblon, [[Rio de Janeiro]]]]
Hadirin-drano lehibe misy [[Ranon-dranomasina|rano masira]], sady singa fototra ao amin' ny bolan-drano (na hidrôsfera), ny [[ranomasimbe]] na [[ôseana]]. Manodidina ny 71 % amin' ny velaran' ny Tany (361 km<sup>2</sup> eo ho eo) no rakotry ny ranomasimbe, izay rano mitohy nefa matetika zaraina ho ranomasimbe maromaro sy [[ranomasina]] kely kokoa. Maherin' ny antsasany amin' io faritra io no manana halalina mihoatra ny 3 000 m. Manodidina ny 35 ‰ (na 3,5 %) ny salan-[[Hasira|kasira]]<nowiki/>n' ny ranomasimbe, ary saika ny rano an-dranomasina rehetra dia manana hasira eo anelanelan' ny 30 ‰ (na 3 %) ka hatramin' ny 38 ‰ (na 3,8 %). Na dia ifanarahana amin' ny ankapobeny aza izy ireo fa ranomasimbe "misaraka" maromaro, dia rano masira iray mitambatra sy mifandray ireo rano ireo, izay antsoina hoe [[Ranomasimbe eran-Tany]]. Manan-danja lehibe eo amin' ny ôseanôgrafia ny hoe "Ranomasimbe eran-Tany", izay manondro rano mitohy misy fifanakalozana malalaka eo amin' ny faritra misy azy.
Voafaritry ny [[kôntinenta]] sy [[vondronosy]] isan-karazany ary fepetra hafa ny fizaràna lehibe eo amin' ny ranomasimbe: amin' ny fandaharana midina ny habeny, ireo fizaràna ireo dia ny [[Ranomasimbe Pasifika]], ny [[Ranomasimbe Atlantika]], ny [[Ranomasimbe Indiana|Ranomasimbe Indianina]], ny [[Ranomasimbe Arktika|Ranomasimbe Atsimo]] ary ny [[Ranomasimbe Arktika]]. Ny [[ranomasina]], ny [[hoala]], ny [[helodrano]] ary velaran-drano masira madinika hafa no faritra kely kokoa ao amin' ny ranomasimbe. Misy ihany koa ny [[farihy masira]], izay velaran-drano masira kely, kokoa voahidy an-tanety, tsy mifandray amin' ny Ranomasimbe eran-Tany. Ohatra roa miavaka ny [[Ranomasin' i Aral|Ranomasina Aral]] sy ny [[Great Salt Lake]] ("farihy masira lehibe").
=== Farihy ===
[[Sary:Biluthu Yinderitu.JPG|vignette|280x280px|Ny farihy Yinderitu, eo afovoan' ny tany efitr' i Badain Jaran any [[Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina|Sina]].]]
Velaran-dranoka eo ambonin' ny [[planeta]] na [[Satelita (voajanahary)|satelita]] izay hita ao amin' ny fanambanin' ny [[deboka]] ny [[farihy]]. Eto an-tany dia heverina ho farihy ny velaran-drano rehefa eny an-tanety, fa tsy anisan' ny [[ranomasimbe]], sady lehibe sy lalina noho ny [[dobo]], ary ivarinan' ny [[renirano]]. Ny hany tontolo ankoatra ny Tany fantatra fa misy farihy dia i [[Titan (volana)|Titan]](volana lehibe indrindra mihodidina an' i [[Satiorna (planeta)|Satiorna]]) izay misy farihin' [[etanina]] (C<sub>2</sub>H<sub>6</sub>) azo inoana fa mifangaro amin' ny [[metanina]] (CH<sub>4</sub>). Tsy fantatra raha ivarinan-drenirano ny farihy eny amin' i Titan, na dia lalan-drenirano maro aza no misoritsoritra ny vohon' i Titan.
Hita amin' ny ankapobeny any amin' ny faritra be [[tendrombohitra]] sy any amin' ny faritra mitriatra ary any amin' ny faritra misy [[fandrian-drano]] mitohy na vao haingana ny farihy voajanahary eto an-tany. Hita eny amin' ny deboka na lempona endôreika, na manaraka ny moron' ny renirano na [[ony]] lehibe ny farihy hafa. Any amin' ny faritra sasany amin' izao tontolo izao dia misy farihy maro noho ny fikorontanan' ny fitatarana tavela tamin' ny Vanim-potoan' ny Ranomandry farany. Voafetra fisiana ara-potoana ny farihy rehetra raha oharina amin' ny [[fotoana jeôlôjika]], satria ho feno [[antsanga]] na hivoaka avy ao anaty deboka na lempona misy azy ny rano.
=== Dobo ===
[[Sary:Eutrophic pond - geograph.org.uk - 6665879.jpg|vignette|263x263px|Dobo]]
Velaran-drano misy rano mihandrona, voajanahary na nataon' olombelona, izay matetika kely noho ny [[farihy]], ny [[dobo]]. Velaran-drano isan-karazany nataon' olombelona no sokajiana ho dobo, anisan' izany ny [[zaridaina an-drano]] izay atao fanaingoana tanàna, ny [[dobon-trondro]] atao ho an' ny fiompiana trondro hamidy, ary ny [[dobo masoandro]] atao hitehirizana angovon-kafananana.
Miavaka amin' ny [[kinga]] ny dobo sy ny farihy noho ny fiadan' ny fikoriany. Mora jerena ny fikoriana ao amin' ny korian-drano, fa manana fikoriana madinika vokatry ny [[hafanana]] sy fikoriana antonony vokatry ny [[Rivotra mitsoka|rivotra]] kosa ny dobo sy ny farihy. Manavaka ny dobo amin' ny karazan-toerana hafa misy ranomamy, toy ny [[dobon-kinga]] sy ny [[dobom-pamonta]], ireo toetoetra ireo.
=== Ony sy renirano ===
[[Sary:Horseshoe Bend TC 27-09-2012 15-34-14.jpg|vignette|264x264px|Ny ony Colorado eo akaikin' i Horseshoe Bend, Arizona, [[Etazonia]]]]
Korian-drano voajanahary mandeha mankany amin' ny [[ranomasina]] na any amin' ny [[ranomasimbe]] ny [[ony]]. Korian-drano voajanahary mikoriana mankany amin' ny [[ranomasimbe]], amin' ny [[ranomasina]], amin' ny [[farihy]], amin' ny ony, na amin' ny renirano hafa kosa ny [[renirano]]. Misy koa ny renirano izay mikoriana fotsiny ao anaty tany na maina tanteraka alohan' ny hahatongavana any amin' ny velaran-drano na korian-drano hafa. Ampahany ao amin' ny tsingerina hidrôlôjika ny ony sy ny renirano. Ny rano ao anaty ony na renirano, amin' ny ankapobeny, dia miangona avy amin' ny [[Rotsa-drano|rotsak' orana]] amin' ny alalan' ny fikorianana ambonin' ny tany, avy amin' ny fihoaran' ny [[rano ambanin' ny tany]], avy amin' ny loharano, na avy amin' ny famotsorana ny rano voatahiry ao anaty ranomandry voajanahary sy akanjon-dranomandry (izany hoe avy amin' ny tobin-dranomandry).
== Atmôsfera ==
== Fiainana ==
== Ekôsistema ==
=== Faritra biôlôjika ===
== Tsingerina biôjeôsimika ==
{{lahatsoratra antsipirihany|Tsingerina biojeosimika}}
=== Rafitra ===
=== Fanangonana ===
=== Tsingerina lehibe ===
== Jereo koa ==
* [[Zavamananaina]]
== Rohy ivelany ==
* [http://www.nature.com/nature/index.html Nature Journal - Weekly journal of science].
* [http://www.wild.org The WILD Foundation].
* [http://www.bbc.co.uk/sn/ BBC - Science and Nature].
* [http://ec.europa.eu/environment/nature/index_en.htm European Commission - Nature and Biodiversity homepage].
* [http://www.nature.org/ The Nature Conservancy]
* [http://www.science.gov/browse/w_123.htm Science.gov - Environment & Environmental Quality] {{Wayback|url=http://www.science.gov/browse/w_123.htm |date=20020808080158 }}.
* [http://www.wallpapers3.com/en/wallpapers-nature.html wallpapers nature] {{Wayback|url=http://www.wallpapers3.com/en/wallpapers-nature.html |date=20100720080457 }}.
* [http://www.naturewatch.wikia.com/wiki/NatureWatch_Wiki NatureWatch - Wiki for documenting biodiversity (german)]
* [http://eng.me.go.kr/docs/sub2/policy_view.html?topmenu=C&cat=240&class=13 Ministry of Environment Republic of Korea - Nature] {{Wayback|url=http://eng.me.go.kr/docs/sub2/policy_view.html?topmenu=C&cat=240&class=13 |date=20110718084400 }}
{{vangovango}}
st47wzs7hii0a109227z56aeodp7im8
Malagasy (vahoaka)
0
9463
1149453
1149373
2026-08-20T11:24:54Z
Valimbavaka Rahary
39787
Nanova sy nanitsy
1149453
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Malagasy weaving 001.jpg|vignette|287x287px|Malagasy manenona]]
Ny '''Malagasy''' dia ny [[Zom-pirenena malagasy|olom-pirenen' i Madagasikara]] sy ny [[olona]] manana razambe ao amin' ny [[Foko eto Madagasikara|foko malagasy]] izay monina eto [[Madagasikara]] na monina any amin' ny firenen-kafa. Ny olona tety ivelany no nanome io anarana hoe ''Malagasy'' sy ''[[Madagasikara]]'' io, i Madagasikara no firenena onenan' ny Malagasy. Avy amin' i [[Marco Polo]] ny teny hoe ''Madagasikara''. Nafangarony tamin' ny tanànan' i [[Mogadiscio]], any [[Sômalia]] amin' izao fotoana izao, tamina sarintany, ny nosy Madagasikara.
Miisa tsy latsaky ny roapolo ny [[Foko eto Madagasikara|foko]] eto [[Madagasikara]]. Misy ny foko manana endrika [[aziatika]] kokoa, ny foko sasany manana endrika [[Afrikana (vahoaka)|afrikana]]. Kanefa tsy dia samihafa loatra amin' ny hafa ny fitenin'izy ireo izay manana [[voambolana]] iraisana; ka noho izany dia mifankahazo fiteny ihany ny Malagasy avy amin' ny foko samihafa na dia tsy mitovy tanteraka aza ny fiteny. Mampiasa ny voambolan' ny [[fiteny merina]] miaraka amin' ny voambolana maromaro iraisan' ny fiteny malagasy rehetra ny [[Fiteny malagasy ôfisialy|teny malagasy ôfisialy]].
== Ny fiavian' ny Malagasy ==
[[Sary:Migrations austronésiennes.png|vignette|321x321px|Fielezan' ny [[Aostrôneziana (vahoaka)|Aostrôneziana]]]]
=== Fiaviana aostrôneziana ===
Tonga tamin' ny lakana na botry avy any [[Indônezia]] tamin' ny taonjato faha-3 hatramin' ny taonjato faha-5 ny ankabeazan' ny razan' ny Malagasy ankehitriny. Ny teny ampiasain' ny Malagasy amin' izao fotoana izao ny amantarana ny fiavian' ny Malagasy avy any Indônezia: fantatra fa misy fitoviana lehibe amin' ny fiteny sasany any amin' ny nosy [[Bôrneô]] ny [[fiteny malagasy|teny malagasy]], indrindra eo amin' ny lafiny [[voambolana]]: rehefa manonona ny [[volana]] izao, ohatra, ny [[fiteny indôneziana]] (''Bahasa Indonesia'') dia mampiasa ny teny hoe ''bulan'', ary ny [[Fiteny javaney|teny javaney]] manao hoe ''wulan'', mitovitovy fanononana amin' ilay teny malagasy, saingy ny fomba fanoratana fotsiny no samy manana ny azy.
=== Fiaviana afrikana ===
Manan-drazana avy any [[Afrika Atsinanana|Afrika atsinanana]] sy avy amin' ny [[Arabo (olona)|Arabo]] koa ny Malagasy, ka ny amantarana izany dia ny endrika, indrindra ny Malagasy tandrefana sy tavaratra. Mitovy amin' ny Afrikana miaina ao mipetraka atsy [[Afrika Atsinanana]] ny endriky ny olona amin' ireo foko ireo. Ao amin' ny [[Kolontsaina soahily|Tontolo Soahily]] no fiavian' izy ireo avy ao Afrika, ka ny sasany dia nentina ho [[Andevo (teto Madagasikara)|andevo]] eto [[Madagasikara]] na nifindra monina, toa ny [[Maroserana]] izay nanorina fanjakana.
Ny mahasamihafa ny vahoaka malagasy avy any [[Indônezia]] sy ny vahoaka malagasy avy atsy [[Afrika Atsinanana]] dia ny endriny. Ny avy any [[Indônezia]] dia manana volon-koditra fotsifotsy kokoa noho ireo izay avy any [[Afrika]], ary mbola tsotra kokoa ny volony noho ny Afrikana.
== Ny mandrafitra ny vahoaka malagasy ==
=== Ny foko malagasy ===
[[Sary:Ethnic groups of Madagascar Map.png|vignette|Foko eto Madagasikara]]
Ireto ny foko malagasy fantatra indrindra , efa nisy talohan' ny [[Zanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankina|fanjanahantany]]: ny [[Antefasy]], ny [[Antemoro]], ny [[Antesaka]] , ny [[Antankarana]], ny [[Antambahoaka]], ny [[Antandroy]], ny [[Antanosy]], ny [[Bara]], ny [[Betsimisaraka]], ny [[Betsileo]], ny [[Bezanozano]], ny [[Mahafaly]], ny [[Merina]], ny [[Sakalava]], ny [[Sihanaka]], ny [[Tanala]], ny [[Tsimihety]] ary ny [[Zafisoro]].
==== Ny foko ao avaratra ====
[[Sary:Femme d'Antsiranana.jpg|vignette|Vehivavy manao fitafiana nentim-paharazana antankarana any Antsiranana]]
Ao amin' ny tendro avaratr' i Madagasikara no ahitana ny [[Antankarana]] na [[Antankarana|Tankarana]]. [[Antsiranana]] sy i [[Vohemar|Vohimarina]] no tanàn-dehibe any. Niisa 50 000 any ho any ny izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (4)</small></ref>.
Ao amin' ny lemaka manaraka ny morontsiraka avaratra-atsinanana, ao amin' ny [[Faritanin' i Toamasina]], ny [[Betsimisaraka]]. I [[Maroantsetra]], i [[Fenoarivo Antsinanana|Fenerivo]], i [[Soanierana Ivongo|Soanierana-Ivongo]], i [[Toamasina]], i [[Vatomandry]], i [[Mahanoro]] ary [[Andevoranto]] no tanàna lehibe any. Niisa 1 500 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2011<ref><small>Shoup, John (2001). ''[https://books.google.mg/books?id=SPBfnT_E1mgC&redir_esc=y Ethnic Groups of Africa and the Middle East: An Encyclopedia]''. New York: ABC-CLIO. <nowiki>ISBN 9781598843620</nowiki>.</small></ref>.
Any amin' ny faritra avaratra-andrefana, ao amin' ny [[Faritanin' i Mahajanga]], ny [[Tsimihety]], eo anelanelan' ny tanin' ny Antankarana avy ao avaratra, ny Betsimisaraka avy ao atsinanana, ny [[Sihanaka]] avy ao atsimo, ary ny [[Sakalava]] avy ao andrefana. [[Antsohihy]], i [[Mandritsara]], i [[Befandriana-Avaratra]], i [[Mampikony]], i [[Boriziny]] ary i [[Bealanana]] no tanàna lehibe any. Teo anelanelan' ny 700 000 sy 1 200 000 ny isan' izy ireo tany amin' ny taompolo 2000-2010<ref><small>Appiah, Anthony; Gates Jr., Henry Louis (2005). ''Africana: The Encyclopedia of the African and African American Experience''. Oxford University Press. <nowiki>ISBN 978-0-19-517055-9</nowiki>. pp. 230-231</small></ref><ref name=":02"><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (1)</small></ref>.
==== Ny foko ao atsinanana ====
Ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara no misy ny [[Antambahoaka]]. I [[Mananjary]] no tanan-dehibe any. Niisa 50 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (5)</small></ref>. Misy amin' izy ireo ny mitovy fiaviana [[Arabo (vahoaka)|arabo]] amin' ny [[Antemoro]].
Ao amin' ny morontsiraka atsimo-atsinanana ihany koa no misy ny [[Antefasy]] na Tefasy, ao amin' ny faritra manodidina an' i [[Farafangana]]. Tamin' ny taona 2013 dia niisa 150 000 any ho any izy ireo<ref name=":03"><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (1)</small></ref>.
Any amin' ny morontsiraka atsimo-atsinanan' i [[Madagasikara]] no misy ny zaratany nentim-paharazan' ny [[Zafisoro]]. Heverina ho zana-pokon' ny [[Antefasy]] ny Zafisoro sady mitovy faritra onenana amin' ny Antefasy. Eo amin' ny 91 000 ny isan' ny Zafisoro<ref><small>''[https://www.joshuaproject.net/people_groups/16079/MA Zafisoro of Madagascar]''. Joshua project notsidihina tamin' ny 5 Desambra 2015.</small></ref>.
Ao amin' ny morontsiraka atsimo-atsinanana ihany koa no misy ny [[Antemoro]]. I [[Vohipeno]] sy i [[Manakara]] no tanàna lehibe any aminy. Niisa 500 000 any ho any ny izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (2)</small></ref>. Ny razan' ny Antemoro no nitondra ny [[sorabe]] teto Madagasikara.
Ao amin' ny [[distrikan' i Vangaindrano]], [[faritra Atsimo-Atsinanana]], no ahitana ny Ny [[Antesaka]] na Tesaka. Tanàna lehibe ao aminy dia i [[Vangaindrano]] sy i Midongy Atsimo. Niisa 600 000 any ho any ny izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (3)</small></ref>.
Ao amin' ny faritra misy ny havoanan' Ikongo no misy ny [[Tanala]] na Antanala, voafaritry ny tanin' ny [[Betsileo]] ao andrefana, ny [[Betsimisaraka]] sy ny [[Antambahoaka]] sy ny [[Antemoro]] ary ny [[Antefasy]] ao atsinanana, ary ny ony [[Manampatrana]] ao atsimo. Ambohimanga Atsimo sy Ivohibe ary [[Ifanadiana]] no ny tanàna lehibe any. Miisa 400 000 any ho any ny Tanala tamin' ny taona 2014<ref name=":03" />.
==== Ny foko ao atsimo ====
Foko ao amin' ny faritra mipaka hatrany amin' ny tendron' i Madagasikara atsimo indrindra ny [[Antandroy]] na [[Antandroy|Tandroy]]. Ambovombe sy Beloha sy Tsiombe ary Amboasary no tanàna lehibe any. Niisa 600 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (1)</small></ref>.
Ny [[Antanosy]] na Tanosy kosa dia ao amin' ny tendron' i Madagasikara atsimo-atsinanana indrindra, ao amin' ny [[faritra Anosy]]. Ahitana azy koa ny tanàna toa an' i [[Bezaha]] sy i [[Vatolatsaka]] ary i [[Bereketa]] izay samy any amin' ny [[faritra Atsimo-Andrefana]]. I [[Tolagnaro]] no tanàn-dehiben' izy ireo. Niisa 360 000 any ho any ny Antanosy tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (1)</small></ref>.
Monina any amin' ny tapany atsimo amin' ny [[faritra Atsimo-Andrefana]] ny [[Mahafaly]]. Ny tanàna lehibe any dia i [[Betioky Atsimo]] sy i [[Ejeda]] ary [[Ampanihy]]. Niisa 150 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (1)</small></ref>.
==== Ny foko ao andrefana ====
Monina amin' ny tany midadasika any amin' ny tapany atsimo-andrefana sy andrefana ary avaratra-andrefan' i Madagasikara ny [[Sakalava]]. Ireto ny tanàn-dehibe ao amin' ny tanin' ny sakalava: [[Mahajanga]], [[Besalampy]], [[Morondava]], [[Analalava]], [[Maintirano]] ary [[Morombe]]. Niisa 1 210 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2014<ref><small>Ethnologue, 2014. Based on extrapolations of latest census figures to report on Malagasy people groups (2014 L. Bouwer)</small></ref>. Ny [[Vezels-Roussy|Vezo]] sy ny [[Masikoro]] ary ny [[Makoa (malagasy)|Makoa]] dia heverina ho zana-pokon' ny Sakalava.
Ny [[Makoa (malagasy)|Makoa]] dia foko ao amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Madagasikara. Indraindray izy ireo dia heverina ho zana-pokon' ny Vezo, izay foko ao anatin' ny sakalava.
Foko any amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara ny [[Masikoro]]. Niisa 90 000 ny Masikoro tamin' ny taona 2001 <ref><small>''[https://books.google.mg/books?id=sl_dDVctycgC&pg=PA205&redir_esc=y International Encyclopedia of Linguistics: AAVE - Esperanto]''. Oxford University Press. 2003. p. 205. <nowiki>ISBN 978-0-19-513977-8</nowiki>.</small></ref>.
Foko any amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara ny [[Vezo]]. Heverina ho anisan' ny [[Sakalava]] izy ireo.
==== Foko ao afovoan-tany ====
Foko monina ao afovoan' i Madagasikara ny [[Merina]]. [[Antananarivo]], [[Antsirabe]], [[Ambatolampy]], [[Arivonimamo]], i [[Miarinarivo]], i [[Manjakandriana]] ary i [[Soavinandriana]]. no tanàna lehibe ao aminy. Niisa 5 000 000 any ho any ny Merina tamin' ny taona 2013<ref><small>Jay Heale; Zawiah Abdul Latif (2008). ''[https://books.google.mg/books?id=PJWLCYGo2RgC&pg=PA64&redir_esc=y#v=onepage&q&f=false Madagascar]''. Marshall Cavendish. p. 64. ISBN <bdi>978-0-7614-3036-0</bdi>.</small></ref>.
Monina manodidina ny [[farihin' Alaotra]] ny [[Sihanaka]]. Ny tanàna lehibe any dia [[Ambatondrazaka]]. Miisa 200 000 any ho any izy ireo tamin' ny taompolo 2010.
Foko ao amin' ny tany lemaka manodidina an' ny ony [[Mangoro]] ny [[Bezanozano]], Voafaritry ny tany onenan' ny [[Sihanaka]] ao avaratra, ny [[Betsimisaraka]] ao atsinanana, ary ny [[Merina]] ao andrefana ny faritra misy azy ireo. Ireto ny tanàn-dehibe ao: [[Moramanga]] sy [[Beparasy]] ary Anjiro. Niisa 100 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2011<ref><small>Shoup, John (2001). ''[https://books.google.mg/books?id=SPBfnT_E1mgC&redir_esc=y Ethnic Groups of Africa and the Middle East: An Encyclopedia]''. New York: ABC-CLIO. <nowiki>ISBN 9781598843620</nowiki>.</small></ref>.
Foko ao amin' ny toerana faritan' ny ony [[Mania]] ao avaratra, ny tanin' ny [[Tanala]] ao atsinanana, ny tendrombohitr' Andringitra ao atsimo, ary ny tandavan-tendrombohitr' i Bongolava ao andrefana, ny [[Betsileo]], izany hoe ao amin' ny [[Faritanin'i Fianarantsoa|Faritanin' i Fianarantsoa]]. Ireto ny tanàn-dehibe betsileo: [[Ambositra]], [[Ambohimahazo]], [[Ambohinamboarina]], [[Fianarantsoa]], [[Ambohimahasoa]] ary [[Ambalavao]]. Tombanana ho 4 359 000 any ho any ny isan' ny Betsileo tamin' ny taompolo 2010.
Foko monina ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' ny faritra afovon' i [[Madagasikara]] ny [[Zafimaniry]], izay azo heverina ho zana-pokon' ny [[Betsileo]], nefa mifanakaiky [[kolontsaina]] koa amin' ny [[Tanala]]. Tombanana eo amin' ny 25 000 eo ho eo ny Zafimaniry tamin' ny taona 2008<ref><small>''"[https://ich.unesco.org/en/RL/woodcrafting-knowledge-of-the-zafimaniry-00080 The Woodcrafting Knowledge of the Zafimaniry]''". UNESCO. 2008.</small></ref>.
Foko monina amin' ny toerana midadasika any afovoany atsimon' i Madagasikara ny [[Bara]]. Ny tanàn-dehibe ao aminy dia [[Ihosy]], i [[Betroka]], i [[Sakaraha]], i [[Ankazoabo Atsimo]], ary i [[Beroroha]]. Niisa 520 000 any ho any izy ireo tamin' ny taona 2013<ref><small>Diagram Group (2013). ''[https://books.google.com/books?id=xJQuAgAAQBAJ Encyclopedia of African Peoples]''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>. (1)</small></ref>.
=== Ny vahoaka malagasy hafa ===
==== Ny vahoaka monina eto Madagasikara ====
Tsy ireo foko malagasy nentim-paharazana ihany no lazaina hoe "Malagasy" fa ireo rehetra izay misitraka ny [[Zom-pirenena malagasy|zo maha olom-pirenena malagasy]] azy. Misy amin' izy ireo ny manam-piaviana [[karàna]] ([[Indiana (vahoaka)|indiana]] sy [[Pakistaney (vahoaka)|pakistaney]]), [[Sinoa (vahoaka)|sinoa]], [[Vondrom-poko ao Eorôpa|eorôpeana]] (indrindra ny [[Frantsay]]), [[Kômôriana (vahoaka)|kômôriana]], sy ny hafa koa.
Marihina fa misy amin' ny Karàna, Sinoa, Kômôriana ary Eorôpeana monina eto Madagasikara no [[Olona tsy manana zom-pirenena|tsy manana zom-pirenena]] malagasy, ary misy ireo izay mangataka ny mba hananany izany satria tsy manana na zom-pirenena hafa mihitsy.
==== Ny Malagasy am-pielezana ====
Ny firenena ahitana zanaka am-pielezana malagasy lehibe dia i [[Frantsa]] (indrindra any any [[Mayotte]] sy [[La Réunion]])<ref>[[:en:Category:Malagasy_expatriates_in_France|Malagasy expatriates in France]]</ref>, i [[Kômôro]] (indrindra ao [[Mwali]]), i [[Afrika Atsimo]], any [[Amerika Latina]], any [[Karaîba|Karaiba]] ary [[Etazonia]]. Ny Malagasy am-pielezana any Etazonia dia misy taranaky ny olona tonga tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19<ref><small>[https://afropop.org/articles/wendy-wilson-fall-on-malagasy-americans Wendy Wilson-Fall on Malagasy Americans], ''Afropop.org''</small></ref>, na [[Fivarotana andevo|andevo]] na olona afaka. Ny Amerikanina manana razambe malagasy, ankoatr' ireo voalaza teo aloha, dia mpifindra monina vao haingana avy eto Madagasikara.
== Kolontsaina ==
=== Fiteny ===
==== Fiteny malagasy ====
{{lahatsoratra antsipirihany|fiteny malagasy}}
Ny [[fiteny malagasy|teny malagasy]] dia teny ao amin' ny [[Fiteny aostrôneziana|sampana aostrôneziana]], avy any [[Azia Atsimo Atsinanana|Azia atsimo atsinanana]]. Ny teny malagasy tamin' ny fahatongavany teto Madagasikara dia nindrana teny avy amin' ny [[fiteny soahily]], [[Fianakaviam-piteny banto|fiteny banto]] mifangaro amin' ny [[fiteny arabo]], fiteny iray nitondra voanteny maro amin' ny teny malagasy toy ny anarana ampiasaina amin' ny [[Fanandroana malagasy|fanandroana]], ary betsaka tamin' izy ireo no nohagasiana ary lasa teny fampiasa amin' ny teny malagasy ankehitriny. Ny teny malagasy ampiasaina amin' ny fandraharahana sy atao hoe "[[Fiteny malagasy ôfisialy|teny malagasy ôfisialy]]", amin'ny ankapobeny, dia avy amin'ny fiteny merina taloha.
Araka ny antontanisan' ny [[Akademia Malagasy|Akademia malagasy]] dia ny 83,61 % amin' ny Malagasy dia tsy miteny afa-tsy ny teny malagasy. Miseho amin' ny endrika fitenim-paritra maro ny teny malagasy, dia ny [[fiteny bara]], ny [[fiteny betsimisaraka atsimo]], ny [[fiteny betsimisaraka avaratra]], ny [[fiteny masikoro]], ny [[fiteny merina]], ny [[fiteny sakalava]], ny [[fiteny tandroy-mahafaly]], ny [[fiteny tanosy]], ny [[fiteny antankarana]], ny [[fiteny tsimihety]], sns.
==== Fiteny eorôpeana ====
Zanatany frantsay taloha tsy nanary ny [[fiteny frantsay|teny frantsay]] ny fitondram-panjakana mifandimby, ka ankoatra ny fampiasana ny teny frantsay amin' ny maha fiteny ôfisialy faharoa azy dia misy Malagasy vitsy miteny frantsay. Araka ny antontanisan' ny [[Akademia Malagasy|Akademia malagasy]] dia ny 0,57 %n' ny Malagasy no miteny frantsay fotsiny, ny 15,87 % miteny frantsay tsindraindray., ary ny 83,61 % dia tsy miteny afa-tsy ny teny malagasy<ref name=":0"><small>http://www.lexpressmada.com/5156/print-article-32163.html [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.lexpressmada.com%2F5156%2Fprint-article-32163.html archive]]</small></ref>.
Na dia izany aza dia olona latsaky ny 5 000 no miteny anglisy eto Madagasikara, ka anisan' ireo ny mpianatra miomana handranto fianarana any amin' ny firenena any ivelany miteny anglisy sy tonga avy any. Ny teny frantsay sy ny teny anglisy no nitondra ny voambolana ara-teknika toy ny teknika momba ny [[jeôgrafia]], ny [[jeôlôjia]], ny [[solosaina]] sns.
==== Fiteny hafa ====
Ny [[fiteny kômôriana]] dia tenin' ny [[Kômôriana (vahoaka)|Kômôriana]] sasany [[Kômôriana eto Madagasikara|monina eto Madagasikara]]. Ny [[fiteny hindỳ]] sy ny [[fiteny gojaraty]] no fitenin' ny Karàna manaraka ny [[Hindoisma eto Madagasikara|hindoisma]]. Ny [[Sinoa eto Madagasikara|Sinoa]] sasany monina eto Madagasikara no [[Fiteny sinoa|miteny sinoa]]; misy koa ny Malagasy ara-poko mianatra an' io fiteny io Ampianarina eto Madagasikara, eny amin' ny sekoly sasany na amin' ny sehatra ara-pivavahana na ara-kolontsaina, ny [[fiteny japôney]], ny [[fiteny espaniôla]], ny [[fiteny alemàna]], ny [[fiteny sinoa]], ny [[fiteny hebreo]], ny [[fiteny arabo]].
=== Fivavahana ===
==== Fivavahan-drazana malagasy ====
Ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] mandala ny fivavahana nentim-paharazana dia mivavaka amin' i [[Zanahary (finoan-drazana malagasy)|Zanahary]] sy amin' ny [[Razana (finoana malagasy)|razana]]. Mihoatra ny 52 %n' ny mponina no manaraka ny fivavahan-drazana izay fivavahana manantitra ny fifandraisan' ny velona sy ny maty (razana).
==== Fivavahana kristiana ====
Ny 41 %n' ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]] dia [[Kristianisma eto Madagasikara|Kristiana]]<ref><small>"[https://www.state.gov/j/drl/rls/irf/2014religiousfreedom/index.htm?year=2014&dlid=238232#wrapper Religious freedom]" www.state.gov [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fwww.state.gov%2Fj%2Fdrl%2Frls%2Firf%2F2014religiousfreedom%2Findex.htm%3Fyear%3D2014%26dlid%3D238232%23wrapper tahiry]]</small></ref> ka ny tena misongadina, raha amin' ny lafiny isa, dia ny [[Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)|Katôlika]] sy ny [[Prôtestantisma eto Madagasikara|Prôtestanta]]. Tamin' ny nahatongavan' ny misiônera prôtestanta nirahin' ny [[London Missionary Society]] (LMS) tamin' ny taona 1820, no nanombohan' ny fitoriana mahiomby ny [[Filazantsara]] teto [[Madagasikara]]. Nanaraka izany teo antenatenan' ny taonjato faha-19 ireo [[Norwegian Missionary Society|misiônera nôrveziana]] sy misiônera katôlika izay nanorina fiangonana sy sekoly.
==== Fivavahana silamo ====
Tamin' ny taona 2020 dia eo anelanelan' ny 10 % sy 13 % amin' ny mponin' i Madagasikara ny Mozilmana, ka [[Kômôriana eto Madagasikara|Kômôriana]] sy [[Karàna]] ([[Indiana (vahoaka)|Indiana]] sy [[Pakistaney (vahoaka)|Pakistaney]]) ny ankamaroany<ref><small>[http://features.pewforum.org/muslim-population-graphic/#/Madagascar The Future of the Global Muslim Population - Madagascar] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Ffeatures.pewforum.org%2Fmuslim-population-graphic%2F%23%2FMadagascar archive]]</small></ref>. Efa tany amin' ny [[Andro Antenatenany]] no nisy [[Arabo (vahoaka)|Arabo]] sy mpivarotra [[Sômalia|sômaliana]] [[Silamo|mozilmana]] nanorina sekoly silamo tamin' ny morontsiraka atsinananan' i [[Madagasikara]].
==== Fivavahana hafa ====
Tonga teto Madagasikara tamin' ny taona 1953 ny [[bahaisma]] ka tamin' ny taona 2005 ny ''[[Association of Religion Data Archives]]'' dia nilaza fa misy mpino bahay 17 900 eto Madagasikara, izany hoe 0,1 % amin' ny mponina rehetra<ref name=":32"><small>[http://www.thearda.com/QuickLists/QuickList_40c.asp "Most Baha'i Nations (2005)"] {{Wayback|url=http://www.thearda.com/QuickLists/QuickList_40c.asp|date=20100414021730}}. QuickLists > Compare Nations > Religions >. The Association of Religion Data Archives. 2005. Nojerena 04/07/2009</small></ref>. Efa miorina eto [[Madagasikara]] koa ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] ka tamin' ny volana Mey 2016 dia nisy 121 ny mpino ao. Niditra teto [[Madagasikara]] ny [[Hindoisma eto Madagasikara|hindoisma]] tamin' ny alalan' ny mpifindra monina avy any [[Saurashtra]] any [[India]] tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 nefa vitsy ny Hindoa eto Madagasikara, ny ankamaroany dia mpandraharaha<ref><small>[https://www.state.gov/j/drl/rls/irf/2006/71310.htm "International Religious Freedom Report 2006"] [http://webarchive.loc.gov/all/20120123150701/http%3A//www%2Estate%2Egov/g/drl/rls/irf/2006/71310%2Ehtm Tahiry tamin'ny 21/01/2012] ao amin'ny U.S. Department of State</small></ref>.
== Jereo koa ==
* [[Jeôgrafian' i Madagasikara]]
* [[Tantaran' i Madagasikara]]
* [[Kolontsaina malagasy]]
* [[Zom-pirenena malagasy]]
* [[Zanaka am-pielezana malagasy]]
* [[Malagasy am-pielezana any Frantsa]]
== Loharano sy fanamarihana ==
[[Sokajy:Kolontsaina malagasy]]
cidsyfzwer7p61luiqe3t84cgkv217e
Mahanoro
0
46091
1149454
1149302
2026-08-20T11:39:57Z
Valimbavaka Rahary
39787
Nanitsy
1149454
wikitext
text/x-wiki
{{coord|-19.900000|48.800000}}
{{infobox tanàna
|anarana=Mahanoro
|faritany=[[Faritanin' i Toamasina|Toamasina]]
|isam-ponina=37800
|velarantany= 264.40
|firenena={{Madagasikara}}
|faritra=[[Faritra Atsinanana]]
|sary= Mahanoro - bridge.jpg
}}
'''Mahanoro''' dia kaominina malagasy ao amin'ny [[distrikan'i Mahanoro]], [[Faritra Atsinanana]], [[Faritanin'i Toamasina]]. Ny isam-poniny dia 37800 araka ny faminavinana natao tamin'ny taona 2018. Ny kaodin-kaominina dia 30801 ary ny kaodin-distrika dia 308. Ahitana Kaominina miisa 11 ny distrikan'i Mahanoro, ireto avy izany :Mahanoro, Betsizaraina, Tsaravinany, Ambodiharina, Manjakandriana, Masomeloka,Ambinanidilana, Ambodibonara, Ankazotsifantatra, Ambinanindrano, Befotaka
== Ara-tsosialy ==
Ahitana fikambanan-tantsaha ao.
Ahitana fikambanam-panjono ao amin'io tanàna io.
== Fotodrafitrasa ==
Misy masoivohon'ny banky.
Misy seranam-piaramanidina akaikin'ilay tanàna.
Tongavan'ny lalam-paritra ilay tanàna.
Ahitana hopitaly na toeram-pitsaboana ao.
Ahitana tobim-pahasalamana ao.
Misy tsena isan'andro any.
Ijanon'ny taksiborosy ilay kaominina.
Misy fianarana ambaratonga faharoa (lise).
Ahitana orinasa mampiasa olona mihoatra ny 50.
Andalovan'ny lalam-pirenena ilay kaominina.
Ahitana sekoly ambaratonga fototra.
Ahitana orinasa mampiasa olona 10 hatramin'ny 50.
Ahitana seranana an-drenirano amin'ilay tanàna.
Ahitana orinasa mampiasa olona latsaky ny folo.
Misy fitrandrahana harena an-kibon'ny tany amin'ny fomba indostrialy.
Ahitana kolejy ao amin'ilay tanàna.
Ny JIRAMA no manome ny rano.
Misy biraom-paositra ao.
== Fitaterana ==
Ny fitaovam-pitaterana ampiasaina matetika indrindra dia fiara lehibe.
Ny faharetan'ny dia mankany amin'ny renivohi-paritany dia 9 ora.
Ny fotoam-pitaterana mankany amin'ny tanàn-dehibem-paritany amin'ny andro fahavaratra dia 9 ora.
Ny lalan-tany dia azo aleha mandavan-taona.
Ny saran-dalan'ny olona tokana mankany amin'ny tanàn-dehibem-paritany amin'ny andro fahavaratra dia 50000 Fmg.
Ny saran-dalan'ny olona tokana mankany amin'ny tanàn-dehibem-paritany amin'ny haintany dia 50000 Fmg. Ahitana ireny tobin-dakana (port) ireny koa ao Mahanoro, ary isan'ny be mpandeha na ny lakana na ny botry mandeha motera (pirogue motorisé).
== Fahasoavana ==
3 isan-jaton'ny mponina no tena mahantra dia mahantra.
37 isan-jaton'ny mponina no atao hoe mahantra.
Ny halavan'ny vanim-potoana mety ahalanian'ny vokatry ny taon-dasa dia 4 volana.
10 isan-jaton'ny mponina no atao hoe manan-karena.
50 isan-jaton'ny mponina no manana fari-piainana antonontonony.
== Endri-javatra ==
Misy masoivohon'ny minisiteran'ny fiompiana.

Misy masoivohon'ny minisiteran'ny fahasalamana.

Misy masoivohon'ny minisiteran'ny rano sy ny ala.

Misy masoivohon'ny minisiteran'ny asa tany.

Misy masoivohon'ny minisiteran'ny fiarovana.

Misy masoivohon'ny minisiteran'ny fanabeazana.

Misy masoivohon'ny minisiteran'ny mponina.

Misy masoivohon'ny minisiteran'ny angovo ao amin'ilay tanàna.

Misy masoivohon'ny minisiteran'ny asa vaventy.

==Fokontany==
21 fokontany:<ref>[https://www.memoireonline.com/09/12/6089/m_La-redynamisation-du-comite-communal-de-gestion-des-risques-et-des-catastrophes-facteur-cle-d-une3.html Redynalusation du Comité Communal]</ref>
Androhomanasa, Ambohimarina, Maroahitra, Ambohitsara, Ambilabe, Ambinanisasika, Bemangahazo, Ambodiriana Lohariana, Tandroroho, Miakara, Androrangambo, Maintimbato, Sahabe, Fiadanana, Vohitromby, Tanambao I, Ambalakininina, Ankadirano, Tanamborozano, Ambalamangahazo, Ampampanambo.
== Olana ==
Tapaka in-telo ny lalana tao anatin'ny taona 1999-2001.
Ny isan'ny vakitrano tanatin'ny taona 1999-2001 dia 135.
Ahitana polisy ao amin'ilay kaominina.
Ahitana zandary ao amin'ilay kaominina.
== Rohy ivelany ==
* [http://www.ilo.cornell.edu/ilo/census.xls ilo.cornell.edu] - Statistika momba ny kaominina malagasy ary loharanom-pahaizana namoronana an'ity lahatsoratra ity.
{{reflist}}
{{commonscat}}
[[Sokajy:Kaominina any Faritra Atsinanana]]
[[Sokajy:Kaominina any Madagasikara]]
o584qnr1tjkqmb6vftzalpbd3e150d7
Fianakaviana
0
190862
1149443
1132454
2026-08-19T15:56:59Z
Valimbavaka Rahary
39787
Nanitsy tsipelina
1149443
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Philippe Pinel and his family by Julie Forestier.jpg|vignette|376x376px|Ankohonana]]
Ny '''fianakaviana''' dia vondron' olona atambatry ny rohim-pihavanana noho ny fifandraisam-pianahana na noho ny [[fanambadiana]], izay mifampizara raharaha sy mifampikarakara amin' ny hafa. Ny fianakaviana dia vondrona voaforon' ny [[Olombelona|olona]] monina ao anatin' ny tokantrano iray amin' ny ankapobeny, izay mifamatotra amin' ny maha taranak' olona iray (noho ny fahaterahana ekena) na noho ny firaiketam-po (fanambadiana na fifandraisana hafa).
Ny fianakaviana no fototry ny lamina ara-[[Fiarahamonina|piarahamonina]] sady maneho ny vondrona ara-piarahamonina voalohany izay mitaona sy voataonan' ny olona sy ny andrim-piarahamonina hafa. Ny fianakaviana, amin' ny heviny mivelatra, dia voaforon' ny olona na vondron-tokantrano maromaro mifandray noho ny maha iray taranaka (miseho na heverina ho toy izany) avy amin' ny [[Razana|razambe]] iray, avy amin' ny [[fanambadiana]], avy amin' ny [[fananganana anaka]] na avy amin' ny fihavanan' ny fianakavian' ny mpivady. Mifangaro amin' ny hoe [[fokom-pianakaviana]] ny fianakavina amin' io heviny miveletra io. Ao anatin' ny fianakaviana iray dia misy foana ny elanelam-pihavanana, izay akaiky na lavitra kokoa. Matetika no mitondra anaram-pianakaviana, izay lovaina amin' ny razambe mivantana, ny mpikambana ao amin' ny fianakaviana iray, matetika ny [[ray]], ny [[reny]], ny [[Zanaka|zanany]] ary ny taranany. Ny fianakaviana dia miray amin' ny alalan' ny fatorana maro izay afaka mampiray ny mpikambana ao aminy, ara-môraly sy ara-materialy, sy ny mifamadika amin' izany koa, mandritra ny fiainana sy mandritra ny andian-taranaka maro.
Araka ny voalazan' i [[Claude Lévi-Strauss]], izay manam-pahaizana momba ny [[antrôpôlôjia]], ny fianakaviana, voalohany indrindra, dia firafi-pifandraisana, voalamina mba samy hananan'ny tsiraray amin' ny mpikambana ao aminy ny anjara toerany eo amin' ny fifandraisany amin' ny mpikambana hafa. Misy ny lamina, na mety tsy an-kiteniteny aza izany, ao anatin' ny fianakaviana, izay ateraky ny rafi-pihavanana teo aloha.
== Jereo koa ==
* [[Antrôpôlôjia|Antrôpôlojia]]
* [[Sôsiôlôjia]]
* [[Fiaraha-monina]]
* [[Fokom-pianakaviana]]
* [[Fokom-pirenena]]
* [[Vondrom-poko|Foko]]
* [[Firenena]]
* [[Ankohonana]]
* [[Fianakaviana (mivelatra)]] ('''''[https://fr.wikipedia.org/wiki/Famille_%C3%A9largie?utm_source=chatgpt.com fr]''''')
* [[Tokantrano]]
{{Vangovango}}
[[sokajy:Fiaraha-monina]]
i4ydlcpzzj1wh0455ahvwv6oiby8wfk
Fitiavana
0
222061
1149455
1131268
2026-08-20T11:45:16Z
Valimbavaka Rahary
39787
Fanovana tsipelina
1149455
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Amour et Soutien.png|vignette|Fitiavana]]Ny '''fitiavana''' dia fahatsapana firaiketam-po mahery vaika amin' ny [[zavamananaina]] na [[zavatra]] iray, ka mahatonga ireo izay mahatsapa izany hikatsaka ny fanakaikezana ara-batana, ara-tsaina, na an' eritreritra mihitsy aza amin' ilay zavatra tanjonin' izany fitiavana izany. Mety mahatonga fananana fitondran-tena manokana ny fahatsapana fitiavana olon-kafa, ka miteraka fifandraisana ara-pitiavana raha ifamaliana izany fitiavana izany ary, indraindray, mitarika amin' ny [[firaisana ara-nofo]].
== Toetran' ny fitiavana sy sehatra isehoany ==
Mahery indrindra eto an-tany ny fitiavana. Tsy hita maso izy, nefa tsapa ao am-po sy ao an-tsaina. Manome [[hery]] ny fitiavana, mampitony alahelo, ary mampiray ny olona samihafa. Ao amin’ny [[fianakaviana]], ny fitiavana no fototra iorenan’ny fifankatiavana sy fifampitokisana. Ao amin’ny finamanana, izy no mampaharitra ny fifandraisana. Ary ao amin’ny fitia, izy no mamelona ny hasambarana sy [[Nofy|nofinofy]].
Tsy mitaky valiny na tambiny ny fitiavana [[marina]]. Tsy manavaka karazana, [[foko]], na toe-javatra. Miseho amin’ny andro mamy, andro mahafaly, miseho amin'ny andro mahaory, ary maharitra na dia eo aza ny fahasahiranana. Rehefa manome fitiavana isika, dia mitombo izany ao amintsika sy amin’ny manodidina antsika. Ary rehefa tia isika, dia miaina amin’ny tena maha-olombelona antsika.
Miseho amin'ny endrika maro ny fanehoam-pitiavana: tsy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny [[asa]] sy ny [[fo]]. Satria ao amin’ny fitiavana no misy fiadanana marina.
Ara-[[Haifisaina sy hetsi-po|psikôlôjia]] dia [[fihetseham-po]] ny fitiavana; saingy miditra koa ny sehatra hafa rehefa mipoitra sy misongadina eo amin'ny [[fiarahamonina]] izany fihetseham-po izany:
* miditra an-tsehatra ny [[lalàna]] rehefa misy ny [[fanolanana]], ny manao [[firaisana ara-nofo]] am-pahibemaso, ny miray amin'ny [[biby]] (zôôfilia) ...
* miditra an-tsehatra ny [[fivavahana]] rehefa hanamasina fanambadiana. [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] mihitsy no Fitiavana amin'ny [[Kristianina|Kristiana]].
* miditra an-tsehatra ny [[haisoratra]] rehefa kaloina ny fitiavana.
== Karazana fitiavana ==
Ao amin'ny [[filôzôfia grika]] sy ny [[teôlôjia kristiana]] dia misy karazany telo ny fitiavana: fitiavan'olondroa (grika: Ἔρως / ''[[eros]]'') izay mpifankatia ka lasa mpivady, fitiavana [[zavatra]] (ohatra: tia manao [[sakafo]] ...), fitiava-namana (φιλία / ''[[philia]]''), fitiavan'[[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] (ἀγάπη / ''[[agapê]]'').
Misy karazany maro ny fitiavana, arakaraka ny sehatra iainana sy ny fifandraisana:
* Fitiavana eo amin' ny ray aman-dreny sy ny zanaka: fifamatorana ara-pihetseham-po izay mitranga eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanany, ahitana fiahiana sy fanoloran-tena.
* Fitiavan'olon-droa: fitiavana eo amin’ny olona roa manan-pitia, izay matetika mitarika amin’ny fanambadiana na fiarahana maharitra.
* [[Fitiavan-tanindrazana]]: hery manosika ny [[olona]] iray hanaja sy hikolo ny fireneny sy ny [[soatoavina]] maha-izy azy.
* Fitiavana ara-pinoana: firaiketam-po amin’[[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]], finoana, na fanompoam-pivavahana.
* Fitiavana namana: fifankatiavana eo amin’ny olona tsy mifanambady nefa miorina amin’ny fifampitokisana sy fifanajana.
== Fitiavana ao amin'ny kolontsaina sy ny literatiora ==
Ao amin'ny [[kolontsaina]] sy [[literatiora]] maneran-tany, indrindra fa eto Madagasikara<ref><small>[https://mg.globalvoices.org/2017/09/28/107848/ "FOKO: ny faha 50 taonan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara"/], ''mg.globalvoices.org''</small></ref>, be dia be ny [[tononkalo]], [[angano]], [[hira]], ary [[tantara]] iresahana ny fitiavana. Manana anjara toerana lehibe amin’ny [[fanabeazana]] sy ny fanandratana ny soatoavina maha olona izy.
== Ny maha zava-dehibe ny fitiavana ==
Ny fitiavana no iray amin'ny fototra iorenan'ny [[fiarahamonina]]. Manampy amin’ny fananganana fiadanana sy fifampitokisana ary fandrosoana ara-tsaina sy ara-panahy izy io. Ao amin’ny [[fianakaviana]] sy ny [[sekoly]] ary ny fiarahamonina, ny fitiavana dia ilaina mba hananana tontolo salama sy milamina. Hoy ny [[Baiboly]], ao amin' ny [[Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana|1 Korintiana]] 13: 13, manao hoe:<blockquote>Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.<ref><small>[[Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy|Baiboly protestanta]], episitily I Korotianina 13:13</small></ref></blockquote>
== Jereo koa ==
* Fifandraisana ara-tsosialy
* [[Fanambadiana]]
* Fahasambarana
* Fanajana
* [[Finoana]]
== Rohy ivelany ==
* "[https://mg.globalvoices.org/2016/11/22/92349/ Fitiavana Mandresy Fankahalàna: Ny Podcast-n'ny Herinandro Lasa Teto Amin'ny Global Voices]", ''mg.globalvoices.org''
* [https://mg.globalvoices.org/2018/01/05/112274/ ‘Nandresy ny fitiavana androany satria notsipahin'ny fitsarana indoneziana ny fitakiana hanamelohana ny firaisan'ny samy lahy sy samy vavy], ''mg.globalvoices.org''
* [https://mg.globalvoices.org/2016/02/15/79242/ "Tononkalo malagasy 4 miresaka fitiavana tsy azo tanterahina amin'izao Saint Valentin – andron'ny mpifankatia izao"], ''mg.globalvoices.org''
* [https://mg.globalvoices.org/2017/09/28/107848/ "FOKO: ny faha 50 taonan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara"/], ''mg.globalvoices.org''
== Loharano sy fanamarihana ==
oc6nv7f0bbj9z0g2l07o7yhbf3hgcoz
1149456
1149455
2026-08-20T11:46:00Z
Valimbavaka Rahary
39787
Nanitsy
1149456
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Amour et Soutien.png|vignette|Fitiavana]]Ny '''fitiavana''' dia fahatsapana firaiketam-po mahery vaika amin' ny [[zavamananaina]] na [[zavatra]] iray, ka mahatonga ireo izay mahatsapa izany hikatsaka ny fanakaikezana ara-batana, ara-tsaina, na an' eritreritra mihitsy aza amin' ilay zavatra tanjonin' izany fitiavana izany. Mety mahatonga fananana fitondran-tena manokana ny fahatsapana fitiavana olon-kafa, ka miteraka fifandraisana ara-pitiavana raha ifamaliana izany fitiavana izany ary, indraindray, mitarika amin' ny [[firaisana ara-nofo]].
== Toetran' ny fitiavana sy sehatra isehoany ==
Mahery indrindra eto an-tany ny fitiavana. Tsy hita maso izy, nefa tsapa ao am-po sy ao an-tsaina. Manome [[hery]] ny fitiavana, mampitony alahelo, ary mampiray ny olona samihafa. Ao amin’ny [[fianakaviana]], ny fitiavana no fototra iorenan’ny fifankatiavana sy fifampitokisana. Ao amin’ny finamanana, izy no mampaharitra ny fifandraisana. Ary ao amin’ny fitia, izy no mamelona ny hasambarana sy [[Nofy|nofinofy]].
Tsy mitaky valiny na tambiny ny fitiavana [[marina]]. Tsy manavaka karazana, [[foko]], na toe-javatra. Miseho amin’ny andro mamy, andro mahafaly, miseho amin'ny andro mahaory, ary maharitra na dia eo aza ny fahasahiranana. Rehefa manome fitiavana isika, dia mitombo izany ao amintsika sy amin’ny manodidina antsika. Ary rehefa tia isika, dia miaina amin’ny tena maha-olombelona antsika.
Miseho amin'ny endrika maro ny fanehoam-pitiavana: tsy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny [[asa]] sy ny [[fo]]. Satria ao amin’ny fitiavana no misy fiadanana marina.
Ara-[[Haifisaina sy hetsi-po|psikôlôjia]] dia [[fihetseham-po]] ny fitiavana; saingy miditra koa ny sehatra hafa rehefa mipoitra sy misongadina eo amin'ny [[fiarahamonina]] izany fihetseham-po izany:
* miditra an-tsehatra ny [[lalàna]] rehefa misy ny [[fanolanana]], ny manao [[firaisana ara-nofo]] am-pahibemaso, ny miray amin'ny [[biby]] (zôôfilia) ...
* miditra an-tsehatra ny [[fivavahana]] rehefa hanamasina fanambadiana. [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] mihitsy no fitiavana amin'ny [[Kristianina|Kristiana]].
* miditra an-tsehatra ny [[haisoratra]] rehefa kaloina ny fitiavana.
== Karazana fitiavana ==
Ao amin'ny [[filôzôfia grika]] sy ny [[teôlôjia kristiana]] dia misy karazany telo ny fitiavana: fitiavan'olondroa (grika: Ἔρως / ''[[eros]]'') izay mpifankatia ka lasa mpivady, fitiavana [[zavatra]] (ohatra: tia manao [[sakafo]] ...), fitiava-namana (φιλία / ''[[philia]]''), fitiavan'[[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] (ἀγάπη / ''[[agapê]]'').
Misy karazany maro ny fitiavana, arakaraka ny sehatra iainana sy ny fifandraisana:
* Fitiavana eo amin' ny ray aman-dreny sy ny zanaka: fifamatorana ara-pihetseham-po izay mitranga eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanany, ahitana fiahiana sy fanoloran-tena.
* Fitiavan'olon-droa: fitiavana eo amin’ny olona roa manan-pitia, izay matetika mitarika amin’ny fanambadiana na fiarahana maharitra.
* [[Fitiavan-tanindrazana]]: hery manosika ny [[olona]] iray hanaja sy hikolo ny fireneny sy ny [[soatoavina]] maha-izy azy.
* Fitiavana ara-pinoana: firaiketam-po amin’[[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]], finoana, na fanompoam-pivavahana.
* Fitiavana namana: fifankatiavana eo amin’ny olona tsy mifanambady nefa miorina amin’ny fifampitokisana sy fifanajana.
== Fitiavana ao amin'ny kolontsaina sy ny literatiora ==
Ao amin'ny [[kolontsaina]] sy [[literatiora]] maneran-tany, indrindra fa eto Madagasikara<ref><small>[https://mg.globalvoices.org/2017/09/28/107848/ "FOKO: ny faha 50 taonan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara"/], ''mg.globalvoices.org''</small></ref>, be dia be ny [[tononkalo]], [[angano]], [[hira]], ary [[tantara]] iresahana ny fitiavana. Manana anjara toerana lehibe amin’ny [[fanabeazana]] sy ny fanandratana ny soatoavina maha olona izy.
== Ny maha zava-dehibe ny fitiavana ==
Ny fitiavana no iray amin'ny fototra iorenan'ny [[fiarahamonina]]. Manampy amin’ny fananganana fiadanana sy fifampitokisana ary fandrosoana ara-tsaina sy ara-panahy izy io. Ao amin’ny [[fianakaviana]] sy ny [[sekoly]] ary ny fiarahamonina, ny fitiavana dia ilaina mba hananana tontolo salama sy milamina. Hoy ny [[Baiboly]], ao amin' ny [[Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana|1 Korintiana]] 13: 13, manao hoe:<blockquote>Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.<ref><small>[[Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy|Baiboly protestanta]], episitily I Korotianina 13:13</small></ref></blockquote>
== Jereo koa ==
* Fifandraisana ara-tsosialy
* [[Fanambadiana]]
* Fahasambarana
* Fanajana
* [[Finoana]]
== Rohy ivelany ==
* "[https://mg.globalvoices.org/2016/11/22/92349/ Fitiavana Mandresy Fankahalàna: Ny Podcast-n'ny Herinandro Lasa Teto Amin'ny Global Voices]", ''mg.globalvoices.org''
* [https://mg.globalvoices.org/2018/01/05/112274/ ‘Nandresy ny fitiavana androany satria notsipahin'ny fitsarana indoneziana ny fitakiana hanamelohana ny firaisan'ny samy lahy sy samy vavy], ''mg.globalvoices.org''
* [https://mg.globalvoices.org/2016/02/15/79242/ "Tononkalo malagasy 4 miresaka fitiavana tsy azo tanterahina amin'izao Saint Valentin – andron'ny mpifankatia izao"], ''mg.globalvoices.org''
* [https://mg.globalvoices.org/2017/09/28/107848/ "FOKO: ny faha 50 taonan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara"/], ''mg.globalvoices.org''
== Loharano sy fanamarihana ==
4tdbjxnbz0oxhcb2zubnv3jmdgsr4ny
Andriamanitra (tokana)
0
255406
1149457
1148016
2026-08-20T11:54:05Z
Valimbavaka Rahary
39787
Nanitsy
1149457
wikitext
text/x-wiki
'''Andriamanitra''', araka ny [[finoana]] ao amin' ny [[fivavahana]] [[Mônôteisma|mônôteista]] maro, dia ilay [[fanahy]] ambony indrindra, tokana, [[Famoronana (finoana sy fedrà)|mpamorona]] ny zavatra rehetra ary loharanon' ny zavatra misy rehetra. Tonga lafatra izy, tsy manam-petra, tsy miova, [[mandrakizay]], tsara indrindra, [[Fahalalana ny zava-drehetra|mahalala ny zava-drehatra]] ary [[Fahefana ny zava-drehetra|mahefa ny zava-drehetra]] ary [[Andriamanitra (ankapobeny)|Andriamanitra]] misahana izao rehetra izao. Mpamonjy ny olombelona sy ny [[zavaboary]] rehetra, ary nanambara tena nandritra ny [[tantara]] izy.
Ao amin' ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] ary ny [[silamo|finoana silamo]] dia tsy mifangaro amin' izao tontolo izao sady ambonin' izao tontolo izao ([[Fihoa-draha|mihoa-draha]]) Andriamanitra. Tokana sy manan-tsitrapo ary manam-pahatsiarovan-tena manokana izy, izany hoe ''[[Persôna (teôlôjia)|persôna]]'' izy. Ivelan' ny sehatry ny fivavahana dia misy koa ny fiheveran' ny [[Filôzôfia|filôzôfa]] ny amin' Andriamanitra tokana, ka efa hatramin' ny filôzôfia grika tamin' ny [[Andro Taloha|andro taloha]] izany ka hatramin' izao.
== Fiezahana hanana Andriamanitra tokana ==
Ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] ary ny [[finoana silamo]] no tena fantatra mazava fa mino an' Andriamanitra tokana, nefa nisy fivavahana roa izay efa azo lazaina fa nanandrana ny mônôteisma na efa mônôteisma, dia ny fivavahana tamin' ny andriamanitra [[Atôna]] ([[atônisma]]) tao [[Ejipta tamin'ny Andro Taloha|Egipta]] sy ny [[zôrôastrisma]] (izay nisafidy ny iray tamin' ireo [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] maro ho andriamaniny, dia i [[Ahora Mazda]]) ka nanao ny sisa rehetra ho zavatra hafa ([[anjely]] sns). Ny fivavahan' ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] dia heverin' ny mpikaroka sasany fa nandalo ny fisafidianana andriamanitra iray tao amin' ireo andriamanitra maron' ny mponina tao [[Kanaana]], dia i El na [[Iahveh]] izany andriamanitra izany, ka nomena ny anarana hoe [[iahvisma]] izany fivavahana hebreo taloha izany.
=== Ny fivavahan' ny Egiptiana tamin' i Atôna ===
Ny fivavahana tamin' i [[Atôna]], andriamanitry ny [[Ejipta tamin' ny Andro Taloha|Egiptiana taloha]] elabe, izay atao hoe [[atônisma]], dia efa nisy tamin' ny andron' ny [[farao]] [[Tôtmôsisy IV]] sy ny farao [[Amenôtepa III]], ary nanjary [[Monoteisma|andriamanitra tokana]] izy tamin' ny andron' ny farao [[Akenatôna]] tamin' ny taonjato faha-14 tal. J.K. Nanome anjara toerana lehibe ny fivavahana amin' i Atôna nandritra ny fanjakany i Amenôtepa III, nefa ny zanany atao hoe [[Amenôtepa IV]] no niantso tena hoe Akenatôna ("zanak' i Atôna"). Ny farao Akenatôna ihany no mpanelanelana ny olombelona amin' i Atôna. Tena zava-baovao izany satria nanana mpisorona manelanelana azy amin' ny andriamanitra ny fivavahana egiptiana [[Pôliteisma|pôliteista]] talohan' io.
Ninoana fa i Atôna no [[Famoronana (finoana sy fedrà)|namorona izao tontolo izao]]. I Atôna, izay sady ray no renin' ny zavaboary, dia andriamanitra tokana nanoloana ny fivavahana tamin' andriamanitra maro teo amin' ny tany manodidina ny fanjakan' ny farao tamin' izany fotoana izany. Andriamanitra mahasahana izao rehetra izao izy ka tsy voafetra ho an' ny tombontsoan' i [[Ejipta tamin' ny Andro Taloha|Egipta]] irery ihany.
Tamin' ny andron' i farao Akenatôna dia tsy nanana endrika azo tsapain-tanana hafa afa-tsy ny kapilan' ny [[masoandro]] mandefa ny tara-pahazavany isan' andro avy eny amin' ny lanitra i Atôna, ka tsy nisy sary voasokitra hafa nenti-naneho azy. Zavatra niserana fotsiny teo amin' ny tantaran' ny fivavahana tao Egipta fahiny ny fivavahana tamin' i Atôna satria taorian' ny nahafatesan' i Akenatôna dia rava ny naha andriamanitra tokana an' i Atôna<ref><small>Jan Assmann, "Le traumatisme monothéiste", in Thomas Römer (dir.), ''Enquête sur le Dieu unique'', <abbr>éd.</abbr> Bayard/Le Monde de la Bible, 2010, <abbr>p.</abbr> 76.</small></ref> ka lasa nanompo an' i [[Amôna (andriamanitra)|Amôna]] sy ny andriamanitra egiptiana maro hafa indray ny farao nandimby an' i Akenatôna.
I [[Sigmund Freud|Freud]], ilay psikanalista malaza, dia nihevitra fa ny fivavahana amin' i Atôna no niandohan' ny fivavahan' ny [[Hebreo (vahoaka)|Hebreo]] amin' Andriamanitra tokana, nefa lavin' ny mpahay tantara momba ny fivavahana izany<ref><small>Mireille Hadas-Lebel, [http://www.massorti.com/NAISSANCE-DU-MONOTHEISME.html#outil_sommaire_4 ''Monothéisme et exil de Babylone'' : 5. ''De la monolâtrie au monothéisme ?''], sur ''Massorti.com'', 17 juillet 2008, [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.massorti.com%2FNAISSANCE-DU-MONOTHEISME.html%23outil_sommaire_4 tahiry]].</small></ref>.
=== Andriamanitra tokana araka ny zôrôastrisma ===
Ny [[zôrôastrisma]] na zôrôastrianisma dia isan' ireo fivavahana azo heverina fa mônôteista voalohany mitory ny amin' ny [[famonjena]] mandrakizay any amin' ny tontolo hafa<ref name=":1"><small>Yves Lambert, ''La naissance des religions'', <abbr>éd.</abbr> Armand Colin, 2009, <abbr>p.</abbr> 307.</small></ref> <ref><small>Gherardo Gnoli, "L'Iran ancien et le zoroastrisme", in Julien Ries (dir.) ''L'Homme indo-européen et le sacré'', <abbr>éd.</abbr> Édisud, 1995.</small></ref>. I [[Ahora Mazda]] (''Ahura'' ''Mazda'') no anaran' Andriamanitra ao amin' io fivavahana io<ref><small>Jean Kellens, "Les documents d'origine : l'Avesta", in ''Religions et histoire'', <abbr>no</abbr> 44, ''Zoroastrisme, le rite pour l'éternité'', mai-juin 2012, <abbr>p.</abbr> 23.</small></ref>. Tsy noraisina ho andriamanitra ireo andriamanitry ny [[mazdeisma]] maro taloha atao hoe ''daeva'' ([[Fiteny sanskrity|sanskrity]]: ''deva'', [[Fiteny latina|latina]]: ''deus''). Andriamanitra tokana sady mpahary i Ahora Mazda izay nanambara ny tenany tamin' i [[Zaratostra]] (na Zôrôastra). Araka ny finoan' ny Zôrôastriana dia hiorina ny fanjakan' i Ahora Mazda aorian' ny ady ifanaovan' ireo zavatra kambana noforoniny, dia ny [[Tsara]] sy ny [[Ratsy]], amin' izany dia horesin' ny Tsara ny Ratsy.
Misy anefa ireo mpandinika izay tsy miombon-kevitra amin' izany fa manao ny zôrôastrisma ho fitohizan' ny [[mazdeisma]] ihany izay [[politeisma|pôliteisma]]<ref name=":1" /> nivoatra ho amin' ny [[monolatrisma|mônôlatrisma]]<ref><small>Yves Lambert, ''La naissance des religions'', <abbr>éd.</abbr> Armand Colin, 2009, <abbr>p.</abbr> 339.</small></ref>. Tsy ninoana ho tokana hatramin' ny nanombohan' ny nahafantarana azy anefa i Ahora Mazda satria ny mazdeisma, izay nipoiran' ny zôrôastrisma, dia fivavahana nino ny fisian' ny andriamanitra maro sy nanompo andriamanitra maro.
== Ny Andriamanitry ny fivavahana abrahamika ==
=== Andriamanitra, araka ny jodaisma ===
I [[IHVH]] na YHWH (izay tononina indraindray hoe [[Iahveh]]) (hebreo: ''יהוה'' / ''ihwh'') no anaran' Andriamanitra ao amin' ny [[jodaisma]]. Ny anaran' Andriamanitra hoe ''Iahveh'' dia heverina fa manam-pifandraisana amin' ny fehezanteny azo adika hoe "Izaho no ilay misy" ([[Bokin' ny Eksôdosy|Eksaody]] 3.13-14, ''[[Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy|Ny Baiboly Masina]]''). Tokana ny andriamanitry ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]], maha saro-piaro azy izany araka ny [[Didy Folo|didy]] hoe "Aza manana andriamani-kafa fa izaho ihany". Ny [[Tanakh]], Baibolin' ny jodaisma izay tsy inona fa ny [[Testamenta Taloha]], no loharano ahafantarana ny amin' Andriamanitra ho an' ny [[Jiosy]].
Vokatry ny sitrapon' Andriamanitra no nampisy an' [[izao tontolo izao]] tamin' ny namoronany azy, ka noho izany dia Andrimanitra no tompon' izao rehetra izao. Tsy mifangaro amin' ny [[zavaboary]] Andriamanitra fa ivelany sady amboniny ary tsy takatry ny saina, izany hoe [[Fihoa-draha|mihoa-draha]]. Tsy misy noho izany zavatra eto amin' izao tontolo izao azo anehoana an' Andriamanitra, ho [[fanompoan-tsampy]] izany raha izany no atao.
Araka ny baiboly dia misy ampahan' ny toetr' Andriamanitra azo tarafina amin' ny toetry ny olombelona, noho ny [[Famoronana (araka ny Baiboly)|nahariany]] ny olombelona tahaka ny endriny. Ao amin' ny [[Tanakh]] dia voalaza fa manam-pihetseham-po Andriamanitra: tezitra, faly, malahelo, diso fanantenana, mitsetra, mitia, na mankahala koa. Inoana koa fa Andriamanitra hendry, marina, mpamidra fo, mahatoky ary velona i [[Iahveh]]. Afaka mampanantena zavatra, afaka ny ho tezitra ary saro-piaro izy. Andriamanitra mpanjaka sy mpitsara ary miandry ny olony sahala amin' ny mpiandry ondry izy. Sarotiny izy amin' ny fitondran-tenan' ny mpanompony. Nanao [[fanekem-pihavanana]] tamin' ny vahoakany, dia ny [[Zanak'i Israely|Zanak' i Israely,]] izy.
=== Andriamanitra, araka ny kristianisma ===
Nandova ny fiveheverana sasany ao amin' ny [[jodaisma]] ny [[kristianisma]] noho izy nampiasa ny boky masin' ny jodaisma, dia ny [[Testamenta Taloha]] ao amin' ny [[Baiboly]]. Nisy fiovany izany fiheverana izany taorian' ny niainan' i [[Jesoa|Jesoa Kristy]] teto an-tany izay ataon' ny Kristiana fa [[Zanak' Andriamanitra (kristianisma)|zanak' Andriamanitra]] [[Fahatongavana ho nofo (kristianisma)|tonga nofo]] sady ilay [[Mesia]] resahin' ireo [[mpaminany]] sady nadrasana hatramin' izay. Niteraka fikorontanan' ny finoana an' [[Andriamanitra tokana|Andriamanitra]] tokana, araka ny ampianarin' ny jodaisma, izany fivoasana vaovao ny [[Soratra Masina]] izany, izay tsy ny [[Testamenta Taloha]] ihany fa ny [[Testamenta Vaovao]] koa sy ny boky sasany ataon' ny manam-pahaizana hoe ''[[Apôkrifan' ny Baiboly|apôkrifa]]'' na ''pseodepigrafa,'' izay nampiditra voambolana avy amin' ny [[filôzôfia]] grika (indrindra ny an' i [[Plato|Platôna]]) hanazavany ny toetran' ny andriamaniny.
Taty aoriana, tamin' ny taonjato faha-4, dia lanin' ny maro anisa tamin' ireo nivory nandritra ny [[Kônsily tao Nikea]] ny [[Tenim-pinoana|tenim-pinoan]]' ny [[Trinite]] izay mihevitra an' Andriamanitra ho tokana nefa manana [[Persôna (teôlôjia)|persôna]] telo, dia ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] sy ny [[Andriamanitra Zanaka|Zanaka]] ary ny [[Fanahy Masina]]. Noraiketina tao amin' ny [[fanekem-pinoana nikeana]] izany sady nohamafisina tamin' ny [[kônsily]] hafa taty aoriana koa. [[Andriamanitra Ray|Andriamanitra ny Ray]], [[Andriamanitra Zanaka|Andriamanitra ny Zanaka]], [[Fanahy Masina (kristianisma)|Andriamanitra ny Fanahy Masina]], hoy izy ireo nefa tokana Andriamanitra. Ny tenim-pinoan' ny Trinite dia miaro ny maha tokana an' Andriamanitra sady mampivoitra ny fananan' io Andriamanitra io persôna telo izay samy manana ny anjara asany tamin' ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|famoronana]] izao tontolo izao sy amin' ny [[famonjena]] ny olombelona. Tsy mora ny mahazo ny tiana ho lazaina amin' ny hoe ''persôna'' satria tsy azo lazaina tanteraka ho [[Môdalisma|fomba fiseho samihafa]]<nowiki/>n' ilay Andriamanitra tokana izany araka ny hita amin' ny tantaran' ny fampanjakana ny tenim-pinoan' ny Trinite izay nanamelohana fampianarana maro toy ny [[môdalisma]] sy ny [[Doketisma|dôketisma]] ary ny maro hafa koa. Niteraka fisamatsamahan' ny kristianisma nandritra ny tantarany hatramin' izao izany toe-javatra izany. Ny [[Katolisisma|Katôlika]] sy ny ankamaroan' ny [[Prôtestantisma|Prôtestanta]] ary ny [[Kristianisma ortodoksa|Ortôdôksa]] dia mino ny Trinite.
Tsy ny fiangonana kristiana rehetra no manaiky an' izany fiheverana an' i Jesoa sy ny [[Fanahy Masina]] ho Andriamanitra izany, satria maro ny fiangonana [[Antitrinitarisma|manohitra ny Trinite]] ka mihevitra an' i Jesoa ho [[Mesia]] fotsiny fa tsy Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina ho hery entin' Andriamanitra miasa fa tsy Andriamanitra.
=== Andriamanitra, araka ny finoana silamo ===
Ho an' ny [[finoana silamo]] indray dia i [[Allah]] no anaran' Andriamanitra tokana. Midika fotsiny hoe "Andriamanitra" io anarana io. Tsy azo aseho an-tsary Andriamanitra satria tsy mifangaro fa ivelan' ny zavatra noforoniny sady avo indrindra. I [[Mohamady]] (''Muhammad'') no mpaminanin' Andriamanitra izay inoan' ny Silamo fa namerina indray ny firesahana marina ny amin' Andriamanitra tamin' ny nahazoany ny [[Fanambaràna (finoana)|fanambaràna]] ao amin' ny [[Kor'any]].
Tamin' ny nanambaràna ny [[Soratra Masina]], Andriamanitra dia niteny tamin' ny alalan' ny [[anjely]] Jibrily ([[Gabriela (arikanjely)|Gabriela]]) sy ny mpaminany Mohamady izay nandre ny tenin' Andriamanitra fa tsy ny feony. Sady lavitra no akaiky, sady araka ny fomban' olombelona no tsy takatry ny sain' olombelona Andriamanitra, araka ny soratra ao amin' ny [[Kor'any]], ka zava-miafina tanteraka izy, na "''ghayb''", ka tsy hay ampitahaina na amin' inona na amin' inona amin' ny zavatra noforoniny. Manana toetra fito fototra i Allah, dia ny fiainana, ny fahalalana, ny hery, ny sitrapo, ny fandrenesana, ny fahitana ary ny fitenenana.
Ivon' ny finoana sy ny fomba fiainan' ny mpino silamo ny anaran' i Allah izay ifatoran' ny lafim-piainany rehetra amin' ny alalan' ny fivavahana. Tsy lahy tsy vavy Andriamanitra. Mpahary sy [[Fahefana ny zava-drehetra|mahefa ny zava-drehetra]] sy [[Fahalalana ny zava-drehetra|mahalala ny zava-drehetra]] ary [[Fihoa-draha|mihoatra ny zavaboary]] noforoniny izy. Izy no tompon' izao rehetra izao sy ny hoavy, mpitsara amin' ny [[fitsarana farany]], niseho tamin' ny mpaminany nifandimby hatramin' i [[Adama]] ka hatramin' i Mohamady. Ny [[soràta]] 112 (''Al-Ikhlas'') dia mamondrona ny fotopotony amin' ny fiheveran' ny Mozilmana an' Andriamanitra: "Izy no Allah tokana, Allah tsy takatry ny eritreritra, tsy miteraka Izy, tsy nateraka Izy, ary tsy mitovy na amin' inona na amin' inona Izy". Ny [[Kor'any]] dia manambara koa ny toetr' Andriamanitra izay [[Fihoa-draha|mihoa-draha]] tanteraka nefa milaza koa io boky io fa akaiky ny olombelona (Kor'any, [[soràta]] 50.16) sy ny zavaboary noforoniny izay isehoan' ny asany sy anehoany izany asany izany Andriamanitra<ref name=":0"><small>Paul Ballanfat, "Allâh" in M.A. Amir-Moezzi (dir.) ''Dictionnaire du Coran'', <abbr>éd.</abbr> Robert Laffont, 2007, <abbr>p.</abbr> 40-43.</small></ref>.
Mitarika ny olombelona amin' ny hoaviny izay tsy fantany na ny heviny na ny vokany Andriamanitra; afaka mitari-dalana na mampania ny olombelona Andriamanitra, manasazy sy mamela heloka izy. Fantany ny antsipirian' ny fisainan' ny olona tsirairay, izy no hitsara amin' ny [[fitsarana farany]] izay hanasaziana ny mpanota sy ny tsy mino ary hamaliana soa ny mpino mahatoky. Ambara matetika ny fahatezerany ka matetika izy dia atao hoe "ilay Mahatahotra" ([[Fiteny arabo|arabo]]: ''al-Jabbâr'' na ''al-Qahhâr''). Nefa ny toetrany misongadina indrindra dia ny halehiben' ny famindram-pony izay mahery vaika ka mahasahana ny zavatra rehetra, araka ny voasoratra ao amin' ny Kor'any<ref name=":0" />.
== Ny fiheveran' ny filôzôfa an' Andriamanitra ==
=== Andriamanitra araka ny filôzôfia grika ===
Nino fisiana [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] maro ny vahoaka grika tamin' ny [[Andro Taloha]]. Tao amin' ny fiôzôfa grika no nipoiran' ny fiheverana ny fisian' ny andriamanitra tokana. Amin' i Wilfred Monod, "Tsy mihambo hanazava ny fiavian' izao tontolo izao ny Andriamanitry ny filôzôfa grika, fa ny lamina sy ny ambaratonga izay hita ao aminy fotsiny, eo amin' ny zavatra fehezin' ny fiforonana sy ny fahasimbana"<ref><small>Wilfred Monod, ''Dieu dans l'Univers'', Fischbader, Paris, 1933, <abbr>p.</abbr> 55-56.</small></ref>.
Ny filôzôfia grika taloha, izay nisy akony lehibe tamin' ny fiheverana taty aoriana ny amin' Andriamanitra, dia tsy niraharaha firy ny resaka momba ny andriamanitra, satria maro loatra ny andriamanitra grika mameno izao tontolo izao ireo<ref name=":2"><small>Philippe Hoffmann, « Y a-t-il un monothéisme philosophique dans l'Antiquité ? », dans Thomas Römer (dir.), ''Enquête sur le Dieu unique'', <abbr>éd.</abbr> Bayard/Le Monde de la Bible, 2010, <abbr>p.</abbr> 145-153.</small></ref> ka tsy mendrika hanokanana lohateny ao amin' ny filôzôfia<ref><small>Francis Wolff, « Un démiurge moral », dans ''Le Monde des religions'', hors-série N° 11, septembre 2009, <abbr>p.</abbr> 28-32.</small></ref>. Ohatra, ao amin' ny asasoratr' i [[Aristôty]], izay nisy fiantraikany tamin' ny [[teôlôjia]] jiosy sy kristiana ary mozilmana<ref><small>Alain de Libera, ''La Philosophie médiévale'', Paris, PUF, <abbr>coll.</abbr> « Quadrige Manuels », 1993 (rééd. 2004) (<nowiki>ISBN 978-2-13-054319-0</nowiki>)</small></ref> <ref><small>Rémi Brague, ''Au moyen du Moyen Âge'', Philosophies médiévales en chrétienté, judaïsme et islam, Paris, Flammarion, Champs-Essais <abbr>no</abbr> 856, 2008 (<nowiki>ISBN 978-2-0812-1785-0</nowiki>).</small></ref>, dia ampahany kely dia kely no natokany hiresahana ny amin' ny ataony hoe andriamanitra. Noho izany, rehefa miresaka ny amin' ny andriamanitra (''to théon'') i Aristôty dia "izao tontolo izao tsy azo tsapain-tanana" no tiany ho resahina amin' izany, dia ilay fisiana voalohany indrindra, izay ampy ka tsy mitady zavatra hafa, nefa tsy "Andriamanitra" tokana sy mihoatra an' izao tontolo izao velively izany<ref name=":2" />.
Tamin' ny taonjato faha-3 taor. J.K., tamin' ny andron' ny [[Neoplatonisma|neôplatônisma]], rehefa nisy ny fifaninanana ara-tsaina sy ara-pitondran-tena tamin' ny fivavahana kristiana vao nisandratra, vao izay nanao vaindohan-draharaha ny fandinihany ara-tsaina ny amin' ny andriamanitra na ny amin' Andriamanitra ny filôzôfa toa an' i Plôtino, i Pôrfira ary i Prôklosy. I Plôtino dia namorona ny fiheverana ny ataony hoe "ny Iray" (grika: ''to en''), foto-javatra voalohany [[Fihoa-draha|mihoa-draha]] izay manjaka amin' ny zava-misy marina<ref name=":2" /> ary tsy azo fantarina afa-tsy amin' ny alalan' ireo toetra fantatra momba azy. Araka ny fanadihadian' i Mireille Hadas-Lebel, "Ao amin' ny Grika, ny foto-javatra tokana izay manetsika izao tontolo izao dia momba ny filôzôfia<ref><small>Mireille Hadas-Lebel, [https://www.massorti.com/Pourquoi-rester-juif?PHPSESSID=3d96a845dd7e9b67e262275565f04ba4 « Pourquoi rester juif »] [<nowiki/>[[tahiry]]], ''Massorti.com'', 11 novembre 2008.</small></ref>.
=== Andriamanitra araka ny filôzôfa deista ===
Ny [[deisma]] dia fanambaràna araka ny faharesen-dahatry ny saina ny amin' ny fisian' Andriamanitra, izay manolotra endrika ara-pinoana mifanentana amin' ny saina, izay ivelan' ny [[fivavahana]] miorina amin' ny [[Fanambaràna (finoana)|fanambaràn]]' Andriamanitra<ref name=":3"><small>Jacqueline Lalouette, article « Déisme et théisme », in ''Dictionnaire des faits religieux'', <abbr>éd.</abbr> Quadrige/P.U.F., 2010, <abbr>p.</abbr> 232.</small></ref>, fa manolotra fomba ahafantarana an' Andriamanitra amin' ny alalan' ny fomban' olombelona<ref><small>Bernard Sève, « Le Dieu des philosophes déistes », in ''20 clés pour comprendre Dieu'', in ''Le Monde des Religions'', h.-s. <abbr>no</abbr> 11, septembre 2009, <abbr>p.</abbr> 54.</small></ref>, nefa tsy mihambo hamaritra ny antsipirian-toetrany<ref><small>Jacqueline Lalouette, article « Déisme et théisme », in ''Dictionnaire des faits religieux'', <abbr>éd.</abbr> Quadrige/P.U.F., 2010, <abbr>p.</abbr> 233.</small></ref>. "Andriamanitry ny saina" izany fa tsy "Andriamanitry ny finoana" na "Andriamanitry ny fanompoam-pivavahana", na dia heverin' i [[Kant]] fa ny "fanompoam-pivavahana atao amin' Andriamanitra" dia tokony ho tanterahina amin' ny alalan' ny fomba fiainana "am-panahy sy am-pahamarinana"<ref><small>Bernard Sève, « Le Dieu des philosophes déistes », in ''20 clés pour comprendre Dieu'', in ''Le Monde des Religions'', h.-s. <abbr>no</abbr> 11, septembre 2009, <abbr>p.</abbr> 56.</small></ref>.
Ho an' ireo mpanao tsikera hiarovana ny finoana kristiana (apôlôjia kristiana) dia olona tsy tia vavaka sady mpanota ny deista izay mihambo tsy mila fanampianana avy amin' Andriamanitra mba hahalalany an' Andriamanitra, ka tsy mila ny fanambaràna<ref name=":3" />.
Ho an' i Kant, ny deisma dia fiheverana an' Andriamanitra ho "antom-pisian' izao tontolo izao", foto-javatra mpandrindra izay tsy mamaly tanteraka ny fiandrasan' ny olombelona; ho an' io filôzôfa io dia "fitadiavana an' Andriamanitra mba hieritreretana ny [[siansa]] amin' ny fandrosoany" ny deisma<ref><small>Henri d'Aviau de Ternay, ''Traces bibliques dans la loi morale chez Kant'', <abbr>éd.</abbr> Beauchesne, 1986, <abbr>p.</abbr> 143, [https://books.google.be/books?id=1r9L3nSbrl8C&pg=PA143 ampahan-dahatsoratra vakio eto] [tahiry].</small></ref>.
Tsy nanolotra famaritana mazava ny amin' Andriamanitra ny deisma ary ny famaritana nomeny dia mampiroaroa saina ka nahatonga ny deisma tsy nisy fanohizana tena azo tsapain-tanana ho fireham-pivavahana taty aoriana<ref><small>Bernard Sève, « Le Dieu des philosophes déistes », in ''20 clés pour comprendre Dieu'', in ''Le Monde des Religions'', h.-s. <abbr>no</abbr> 11, septembre 2009, <abbr>p.</abbr> 57.</small></ref>.
== Jereo koa ==
* [[Andriamanitra (ankapobeny)]]
* [[Mônôteisma]] - [[Henôteisma]] - [[Pôliteisma]] - [[Panteisma]]
* [[Fanekem-pinoana]]
== Loharano ==
fyxbjjozlrf138l7l4feq928btpw338
Sarangam-poko merina
0
283314
1149449
1149299
2026-08-20T06:20:29Z
~2026-45700-28
40774
/* Ny Andriantompokoindrindra */
1149449
wikitext
text/x-wiki
Ny '''sarangam-poko''' tao amin' ny [[Fanjakan' Imerina|Fanjakana Merina]] dia nisy efatra: ny [[Andriana]], ny [[Hova]], ny [[Mainty]] ary ny Mpanompo (na [[Andevo]]).
Efa ravan’ny fanjanahan-tany frantsay teto Madagasikara io rafitra io. Amin’ny fiaraha-monina merina hatramin’izao anefa dia mbola betsaka ny mitazona ny maha andriana sy hova, ary mainty azy ireo. Ny fanandevozana moa nofoanana tamin’izany vanim-potoana izany ka tsy misy intsony ny mpanompo fa efa olona afaka avokoa ny taranaka ankehitriny.
== Ny Andriana ==
Ny Andriana no ambony indrindra tao amin' ny [[Fanjakana Merina]].
Mitovy razambe ny ankamaroany ary ankoatr’ireo olon-tsotra mendrika nasandratra ho andriana dia taranaky ny mpanjaka (andriamanjaka) sy andriana taloha avokoa izy ireo.
Nisahana ny adidy teo amin’ny fitondrana isan’ambaratonga samihafa ny andriana (nanorina fanjakana andriana ary nanjaka tany amin’ny foko hafa, lasa governora tany amin’ny faritany taty aoriana taty, tompon’andraikitry ny famoriana hetra...). Nisy ihany koa ireo nanana fahefana tanteraka ka nizaka tena ny toerana nentiny (vodivona, menakely), ary ireo izay mpitarika tafika sy nanampy ny fanjakan’ny andriamanjaka tsy ho lavon’ny fahavalo na nanampy azy hivelatra.
Nisy moa ny sokajin' andriana, ary ny sokajin' ny havan' andriana.
=== Sokajin' Andriana ===
Tamin' Andrianampoinimerina dia toy izao ny firafitry ny sokajin' andriana fito tao Imerina avy amin' ny ambony indrindra hatrany ambany:
* ny Zanakandriana,
* ny Zazamarolahy,
* ny Andriamasinavalona,
* ny Andriantompokoindrindra,
* ny Andrianamboninolona,
* ny Andriandranando,
* ny Zanadralambo,
==== Ny Zanakandriana ====
Ny "[[Zanakandriana]]" no natokan’ ny mpanjaka Andrianampoinimerina ho ambony indrindra, ary amin’ity sokajy ity ihany no afaka nipoiran’ izay andriamanjaka nifandimby.
Na izy ireo zanaka nateraky ny andriamanjaka sy ny mpiray tampo aminy, na noho ny hafatra nampitain’ny razana dia mety ho taranaka hafa, toy ny "[[Andriandoriamanjaka]]"(taranak’Andrianamboninolona sy Rabefaravolamanjaka). Ireto farany moa dia nandà ny hanjaka, na dia natolotr’ i Rabiby raibeny azy ireo izany zo hanjakana tamin’ny taniny izany. Tao aorian’ny Andriandoriamanjaka tsy nety naka ny fitondrany io ny mpanjaka Rabiby izay vao namela an’i Ralambo zanak’Andriamanelo handimby azy. Navela hitazona ny hasina maha Zanakandriana mahazo manjaka mandrakizay azy ny Andriandoriamanjaka ho tambin’izany.
Marihina fa ny Zanakandriana dia mahazo mandimby sy mitondra ny fanjakana, saingy tsy izay zanakandriana rehetra anefa no hasandratra ho mpanjaka. Maro ireo tsy hasandratra noho ny lalàna mifehy ny fifandimbiasana teo amin' ny fanjakana na noho ny fifandanjan-kery ka lasa anaram-boninahitra fotsiny sisa ny maha mahazo manjaka azy. Ohatra amin' izany, ny tera-d[[Radama I]] sy [[Rasalimo]], na dia Zanakandriana aza dia tsy nahazo nanjaka satria ny lalàm-pifandimbiasana teo amin' ny fanjakan'andriana merina dia milaza fa tsy maintsy Merina ray sy reny vao mahazo manjaka. Toy izany koa, [[Andrianampoinimerina]] dia nilaza fa tsy maintsy ny tarana-dRangory sy Ralesoka no manjaka, koa ireo zanakandriana tsy tafiditra amin' izany dia tsy hanjaka mihitsy. Tato aoriana dia afaka nantsoina koa hoe "Printsy" na "Printsesy" ny Zanakandriana.
==== Ny Zazamarolahy ====
Ny "[[Zazamarolahy]]" no taranak' izy efa-dahy nanjaka, dia i Andrianjakanavalomandimby teo Antananarivo, i Andrianavalonimerina teo Ambohidrabiby, i Andriantomponimerina teo Imarovatana (Ambohidratrimo, Ambohimanoa, Ambohitrimanjaka) ary i Andriantsimitoviaminandriana teo Ambohimanga.
Ny maha Zazamarolahy noho izany dia azo dieny fotoana nahaterahan’ ilay andriana. Tsy nisy afaka hasandratra ho Zazamarolahy mihitsy satria ny taranak’ Izy efa-dahy zanak’ [[Andriamasinavalona]] izay nanjaka irery ihany no tao amin’ity sokajy ity.
Ny Zazamarolahy moa dia tompom-bodivona ka izy ireo dia nizaka tena tanteraka tamin’ny fitondrana ireo olona tamin’ireo toerana ireo.
Ny mpanjaka Andrianampoinimerina, izay Zazamarolahy firazanana ary nanjaka teo Ambohimanga, dia nandresy na nampiaiky ireo mpanjakan’ny vohitra hafa izay teraka Zazamarolahy toa azy ka nampiray an’Imerina enin-toko. Tao aorian’izany dia namorona ny sokajy Zanakandriana izay ambony filaharana noho ny Zazamarolahy izy, mba ho tombontsoan’ny taranany amin’ny fandovana ny seza fiandrianana.
Tamin’ny androny sy ny an’ireo mpanjaka nandimby azy dia nampidirina ho isan' ny Zazamarolahy ny sasany tamin' ireo andriana tamin'ny foko hafa. Amin’ny maha taranak’Andriantompokoindrindra razamben’ Andriamasinavalona azy, ny Zazamarolahy dia afaka nanisy tranomanara eo ambony fasany afa-tsy ireo Zazamarolahy vao ireo, izay andriana tany Imamo nantsoina hoe "Marolahin' Imamo" sy ny zanaky ny mpanjaka sasany tao Andratsay.
Marihina fa isaky ny niova ny andriamanjaka dia tsy maintsy nanavao ny fanekeny ary nampiseho fanoavana ny mpanjaka vaovao ny Zazamarolahy, raha tsy izany dia fahafatesana no niandry ireo tsy nankatoa.
Ny Zazamarolahy dia azo nampiakarina ho "Zanakandriana" ary afaka naetry ho "Andriamasinavalona" ihany koa.
==== Ny Andriamasinavalona ====
Ny "[[Andriamasinavalona (foko)|Andriamasinavalona]]" dia anasokajiana ireo havany akaiky sy ireo taranak’ Andriamasinavalona tsy nahazo nanjaka, izy ireo moa tsy Zazamarolahy satria tsy terak’izy efa-dahy nizarany ny fanjakany.
Misy koa ny Andriamasinavalona no taranak’ [[Andrianjaka]], izay tsy voasokajy ho Zanakandriana na Zazamarolahy: isan' izany ny Zanadranavalona ao Anosimanjaka. Maro tokoa ny Zanakandriana sy Zazamarolahy no nahetry ho Andriamasinavalona fa misy kosa anefa ny "Zanadralambo amin' Andrianjaka" toy ny avy amin'ny terak' Antsomangy no nampiakarina ho Andriamasinavalona. Maro ny foko hafa no natao ho isan' ny Andriamasinavalona toa ny terak'Andriamborona sy Ampanarifito izay Andrian' Imamo ary ny taranak' izy Antemoro-Anakara telo lahy izay mpanolotsaina ny mpanjaka [[Andrianampoinimerina]]. Misy ihany koa ireo nahavita be tamin’ny fanjakan’Andrianampoinimerina sy ny andriamanjaka nandimby azy (toa an’i Jean Laborde) no nakarina ho Andriamasinavalona.
Ireo olon-tsotra na andriana nasandratra ho Andriamasinavalona fa tsy taranak’Andriantompokoindrindra moa tsy nahazo nasiana "trano manara" ny fasany.
==== Ny Andriantompokoindrindra ====
Ny "[[Andriantompokoindrindra (foko)|Andriantompokoindrindra]]" na Zanatompo dia taranak' [[Andriantompokoindrindra]], zanaka lahimatoan’ny mpanjaka [[Ralambo]] sy ny andriambavy Rabehavina . Nanorina ny fanjakany teo amin’ny vohitr’ Ambohimalaza ary lazaina ho "Lahimatoan’ Imerina" izy.
Izy moa no niantombohan’ny fisian’ny tranomanara eo ambonin’ny fasan’andriana mba tsy ho folahan’ny alika hono ny tampony. Ny taranany sy ny taranak’Andrianjaka zandriny ihany no afaka manohy io fomba io.
Amin' Andriantompokoindrindra vavy no hakana ny vadiben' ny mpanjaka nanomboka tamin' Andrianjaka. Ny taranak' Andrianjaka dia tsy mahazo manjaka raha tsy avy amin' izay vadibe avy amin' ny foko Andriantompokoindrindra ihany.
==== Ny Andrianamboninolona ====
Ny "[[Andrianamboninolona (foko)|Andrianamboninolona]]" na Zanakambony dia taranak' [[Andrianamboninolona]]. Zanak’Andriamananitany rahalahin-drain’ny mpanjaka [[Ralambo]] izy ary rafozany ihany koa.
Avy amin’dRatsitohinimanjaka zanakavavin’Andrianamboninolona mantsy no niterahan’i Ralambo an’Andrianjaka, mpanjaka voalohany teo Analamanga. Noho izany dia loharano nipoirana iraisan’ireo mpanjaka nifandimby maro teto Imerina i Andrianamboninolona. Raiben’ Andrianjaka tokoa moa izy.
Isan’ny foko mieli-patrana indrindra ihany koa ny Andrianamboninolona, izay Ambohitrombihavana no vohitra nipoiran’ny fototra. Ny zanaka amam-paran’ Andrianamboninolona anefa tsy Andrianamboninolona avokoa no ilazana azy. Ny Andriandoriamanjaka, taranak’Andrianamboninolona sy Rabefaravolamanjaka ohatra, dia Zanakandriana no sokajy misy azy ary dia mahazo manjaka mandrakizay izy ireo.
==== Ny Andriandranando ====
Ny "[[Andriandranando (foko)|Andriandranando]]" na Zafindranando dia taranaky ny andriana natao hoe [[Andriandranandobe]]. Avy amin' ny faritry ny ala atsinanana izy no niakatra tao [[Imerina]] mba hitady zara-tany ho azy. Mpitondra tafika natokisana sy nanana ny maha izy azy izy, ary izany fahaizany mitarika izany dia nanampy an’dRalambo nanamafisany ny fanjakany.
Andriandranandobe dia anadahin-dRabehavina renin’Andriantompokoindrindra. Naka vady an’i Rasoavimbahoaka, anabavin’ Andriamananitany sy Andriamanelo rain’dRalambo izy ary dia nataon’ny mpanjaka Ralambo ho isan' ny antanantohatr’andriana efatra napetrany ny taranak' Andriandranandobe.
Avy amin’izy telo lahy ireto avy no nipoiran’izy ireo: Andriantompoinandriana izay nonina teo Ambohimailala Ilafy, Andriankomahitsy teo Ambohibe ary Andrianifantsy teo amin’ny faritr’Ambohibe ihany koa.
Tamin' ny fanjakan' andriana dia ny fanefena [[vy]] no tena nahafantarana ireo taranaka ireo ary ankoatr' izany dia maro aminy izy ireo koa no manenona lamba landy. Marihina koa fa nisy [[Hova]], noho ny soa nataony tamin' ny andriana, nakarina ho isan' ny Andriandranando.
==== Ny Zanadralambo ====
Ny "[[Zanadralambo]]" dia mizara ho [[Zanadralambo amin' Andrianjaka]] (taranaky ny mpanjaka Ralambo tamin’ny vadikeliny) sy Zanadralambo (havany akaiky).
Ireo taranaky ny mpanjaka Ralambo natao hoe "Zanadralambo amin' Andrianjaka" dia avy amin’ireto zanany efa-dahy ireto avy: Andriampolofantsy, Andriampanarivomanga izay nonina teo Lazaina, Andriamasoandro ary Andriantompombe.
Ankoatr’ireo dia misy ihany koa ny "Zana-dRambavy", ao Masindray ambadik' Ambohimanambola no fiaviany. Rambavy moa dia zanaka vavin’ny mpanjaka Ralambo tamin’ny andriambavy Ratomponivololona izay zanak’ Andrianamboninolona sy Ramanga. Ny mpanjaka Andrianampoinimerina no nanao ho Zanadralambo ny firazanan' ireo taranaka avy ao Masindray ireo.
Tamin' ny mpanjaka maro nifandimby, dia nisy koa ireo olona niavaka teo amin’ny fiaraha-monina nisaorana ka nasandratra ho isan' ny Zanadralambo noho ny fahamendrehany.
=== Sokajin' ny havan' andriana ===
Teo ambanin' ny sokajy Andriana, dia nasian' ny mpanjaka Andriamasinavalona koa ny sokajy natao hoe [[Havan' Andriana]] izay sady tsy tena Andriana no tsy Hova. Ny havan' andriana dia ahitana ny taranaka mpanjaka nanomboka tamin' ny mpanjaka [[Rafohy]] sy [[Rabiby]] izay tsy mba nampidirina ho Andriana. Toy izany ny taranak' Andriamanangaona; ny taranak' Andriamitondra (zanak’Andriamananitany rain’Andrianamboninolona tamin’ny reny hafa), ny Antehiroka sy maro hafa koa.
=== Fomba sy toetra ary sata mampiavaka ny andriana ===
Marihina fa ireo antanantohatr' andriana ireo dia manana ny zony sy andraikiny ary ny [[Fady|fadiny]] avy. Ohatra, ny Andriandoriamanjaka no mpanenona ny lamban' ny mpanjaka; ny Zazamarolahy sy ny Andriamasinavalona no mpandrary ny tsihy atao amin' ny tranomasina; ny Zanadralambo no mpiandraikitra ny famonosana fatin' andriana; ny Andriantompokoindrindra no manao ny [[dihy soratra]] amin' ny fora zanakandriana; ny firavak' andriana, ny terak' i Fohiloha no mahazo trano manara eo ambony fasany, ny mpanjaka no misy ny trano masina eo amin' ny fasany, sns.
Fa misy kosa fombafomba iraisan' ireo antanantohatr'andriana rehetra, dia ny fampiasana voambolana manokana hoan' ny andriana toy ny "Tsara va tompoko", na "Sarasara tsy ambaka" na ny "Tsara antitra tompoko" raha mifampiarahaba izy ireo na koa ny "hafenina" na "hasitrika" fa tsy hoe "halevina" raha misy maty ampidirina ao am-pasana; ny tsy fanaovana famadihana fa kosa fandrakofana lamba ny maty, sns.
== Ny Hova ==
Ny [[Hova]] dia ireo olona ao amin' ny saranga anelanelany tao amin' ny [[Fanjakan' Imerina|Fanjakana Merina]] izay sady tsy Mpanompo no tsy [[Andriana]]. Ny Hova tranainy dia taranaky ny [[Vazimba]] voalohany nonina taty [[Imerina-Ambaniandro|Imerina]]. Ifandovana ny maha-hova.
=== Anjara toerany ===
Tany Imerina, ireo hovalahy dia nampiseho ny fahaizana mitondra fanjakana ka nanomboka tamin' Andriamasinavalona dia tsy azo nialana intsony izy ireo tamin' ny fitondrana. Nanomboka tamin-d[[Ranavalona II]] aza dia lasa vadiben' ny mpanjaka mihitsy ny hovalahy ([[Rainilaiarivony]]) ary izy no mandidy sy manapaka fa anaram-boninahitra sisa ny an’ny mpanjakavavy.
Maro tokoa anefa ny hova no manan-karena mihoatra ireo andriana ka nahatonga ny fitenena hoe "andrian-dreraka" na "andriana malahelo". Vokatr' izany dia tsy vitsy ireo olona no nifidy ny ho hova raha nampisafidiana na ho hova na ho andriana izy, toa ny taranak' Ilehilava eo [[Ambohidrabiby]] izay maro taranaka tonga mpitondra fanjakana ankehitrio.
Ankehitrio, hatramin' ny taona 1896 dia maro ireo hovavavy no manambady andriana aty Imerina ka efa miely amin' ireo fianakavian' andriana maro ny rà hova. Maro ireo tanora no mametraka fa ny fitiavana no ambony indrindra ary tokony ho ambonin' ny resaka firazanana. Misy koa ireo taranak' andriana ankehitriny no mifidy ny hanambady taranaka hova noho ireto farany malaza kingakinga amin' ny resaka fihariana sady mivela-tsaina.
== Ny Mainty ==
Ny [[Mainty]] na Mainti-Enindreny dia ny [[Andevo (teto Madagasikara)|andevo]] afaka sy ny taranany, na inona volon-kodiny na inona. Nizara telo ihany ny Mainty raha ny marina, na dia misy ny hoe "enindreny" aza ny anarany. Mainty ara-parahamonina izy ireo fa tsy mainty ara-pihodirana. Tsy tokony hafangaro amin' ny andevo izy ireo satria olona afaka, mandoa hetra ny ankamaroany. Tamin' ny taona 1777 dia novinavinain' ilay mpandeha lavitra frantsay Mayeur ho 6 000 teo ho eo ny isan' izy ireo. Taorian' ny fanafoanana ny fanandevozana dia izy ireo no maro anisa.
=== Sokajin' ny Mainty ===
Misy sokajy telo ny Mainty, dia:
* ny [[Manisotra]],
* ny [[Manendy]],
* ny [[Tsiarondahy]]
==== Ny Manisotra ====
Ny [[Manisotra]] dia taranaky ny andevo mainty hoditra nanompo ny iray amin' ny vadin' ny mpanjaka [[Andriamasinavalona]] (taonjato faha-17), nafahana noho ny fanompoana nataony. Ao amin' ny faritra Vakinisisaony, no fiaviany<ref>"[https://www.jacaranda.fr/en/notes-du-passe-les-manisotra-aines-des-mainty Note du passé, Les Manisotra ainés de Mainty]", ''jacaranda.fr''</ref>. Mandoa hetra izy ireo. Izy ireo no zokiben' ny samy Mainty satria nandresy an' Ambohibeloma Avaratra izay notafihin' ny mpanjaka [[Andrianampoinimerina]]. Izy ireo anefa no nanaiky an' ity mpanjaka ity farany fa ny Mainty hafa no nanaiky taloha.
==== Ny Manendy ====
Ny [[Manendy]] dia toa avy amin' ny foko [[sakalava]] nivelona amin’ ny fiompiana ao [[Tampoketsa]], avy tao izy ireo no nampijaly tsindraindray ny vohitra merina maro tamin' ny taonjato faha-18 mba hisambotra andevo hamidy amin' ny Eorôpeana eny amorontsiraka. Ao Anativolo sy Anosivolo izay samy ao amin'ny faritra Marovatana no misy azy ireo. Mandoa hetra izy ireo.
==== Ny Tsiarondahy ====
Ny farany dia ny [[Tsiarondahy]], na "Mainty telo reny", izay nampivondrona ireo andevo mainty hafa nafahana tamin' ny andron'[[Andrianampoinimerina]]. Ao amin' ny faitra Ambohipoloalina sy Manjakaray ary Faliary-Tanjombato no misy azy ireo. Avy amin' izy ireo no nakan'ny mpanjaka ny tandapa (mpikarakara an-trano) sy ny tandonaka (hova asa andevo nefa nafahana) ary ny tsimandoa (mpitondra ny hafatry ny mpanjaka). Tsy mandoa hetra izy ireo.
=== Anjara asany faha mpanjaka ===
Nanomboka tamin' [[Andrianampoinimerina]], tao amin' ny rafi-pitondrana merina vaovao, ny Mainty dia natokana ho amin' ny fanompoana ny mpanjaka. Avy amin' izy ireo no nakana ny ankamaroan' ny mpiambina ny mpanjaka sy ny 10 %n' izy ireo no nakana ny miaramila sangany. Ny Mainty hafa (atao hoe [[Tsimandoa]]) dia nisahana ny fitondrana ny hafatry ny mpanjaka na nanao ny asan' ny mpitandro filaminana, ka toy ny pôlisy. Noho izany, nahazo tombontsoa amin' ny fananana fahefana lehibe izy ireo ary tena natahoran' ny mponina.
== Ny mpanompo ==
Ny Mpanompo na [[Andevo (teto Madagasikara)|Andevo]] dia ny saranga ara-tantara farany ambany indrindra teo ny vahoaka teo amin' ny [[Merina]].
=== Tantara ===
Tamin’ ny taonjato faha-16 sy taorian’ ny taonjato faha-16, dia nisy andevo nentina tany amin’ ireo fanjakana samihafa teto Madagasikara mba hiasa tany amin’ ny toeram-pambolena. Ny [[Malagasy (vahoaka)|Malagasy]], ny [[Arabo (vahoaka)|Arabo]] [[Soahily (vahoaka)|Soahily]] ary ny [[Vazaha eto Madagasikara|Eorôpeana]] mpivarotra sy ny Andriana dia nanitatra ny fahafahany mamokatra sy mivarotra bebe kokoa. Ireo asa sy fambolena ireo dia nampanaovina ny andevo nohafarana hanao [[Asa an-tery vozona|asa an-terivozona]]. Ny ankamaroan' ireo andevo ireo dia avy any [[Afrika Atsinanana]] sy Môzambika. Nofoanan' ny fitondrana frantsay ny fanandevozana tamin' ny taona 1896, ka nisy fiantraikany ratsy tamin' ny harena sy ny toeram-pambolena nankinina tamin' ny andevo merina sy tsy merina izany.
=== Anjara asany ===
Mpiasa an-trano sy mpamboly ny andevo tao amin’ ny Merina. Mpiasa sy mpanao asa tanana no asa nolovainy, ary izy ireo no maro an' isa teo amin' ny fiarahamonina. Ny andevo dia tsy nomena zo hanana tany.
=== Antony maha lasa andevo ===
Misy karazany telo ny antony aha lasa andevo tao Imerina:
* ny andriana na hova very fahafahana noho ny heloka na ny trosa tsy voaloany, ary amin' izany toe-javatra izany dia tsy hatao hoe ''andevo'' ny fiantsoana azy fa atao hoe ''[[zazahova]]''.
* ny babo an’ ady;
* ary ny andevo vahiny ([[Makoa (malagasy)|Makoa]] na Masombika)
== Fiovana saranga ==
=== Fiovana ho Andriana ===
Sarotiny tamin' ny fahadiovan' ny Andriana ny mpanjaka [[Ralambo]] ka tsy nekeny velively ho lasa andriana ny olona na antokon' olona izay zanaka nateraky ny andriana tamin' ny [[Hova]] na amin' ny [[Mpanompo (saranga)|mpanompo]]. Tsy navelany hanolo-tsaina azy na ny zanany afa-tsy ny andriana iray karazana aminy. Porofon' izany, ny Andriandoriamanjaka, zafin-dRabiby sy terak'[[Andrianamboninolona]] no nalain-dRalambo ho mpanolotsainy teo Ambohidrabiby raha toa ka Andrianentoarivo, izay lasa razan' andriana tany Lohavohitra no mpanolotsain' Andriantompokoindrindra teo Ambohimalaza.
Nanomboka tamin' ny taona 1895 dia maro ny andriana nivady tamin' ny hova na mpanompo na foko hafa. Maro koa ny hova lasa andriana ho valisoan' ny asa nataony tamin' ny mpanjaka, eny fa hatramin' ny olona tsy malagasy akory aza. Tamin' [[Andriamasinavalona]] sy tamin' [[Andrianampoinimerina]] ary ireo mpanjaka nandimby azy dia efa maro ny hova natao ho isan' ny andriana toa an-dRaberanto tao [[Ambodifahitra]] izay natao ho [[Zanadralambo]]. Maro koa anefa ireo andriana no naetry ho hova.
=== Fiovana ho Hova ===
Hatramin-dRalambo ka hatramin' ny taona 1895, ny Andriana dia azo avarina ho Hova na Mpanompo raha nandika lalàna. Araka izany, tsy mba toy ireny atao amin' ny teny frantsay hoe ''castes'' tany [[India]] ireny ny fiarahamonina merina. Tany India mantsy ny hova dia tsy mba azo natao andriana ary ny andriana dia tsy mahazo manambady hova. Ohatra amin' izany, [[Andriamasinavalona]] dia nanambady zazavavindrano izay niterahany an' i Ranavalontsimitoviaminandriana nonina teo Anosimanjaka. Io renibe Ranavalona io kosa dia voalazan'ny lovantsofina fa nanambady [[Antehiroka]]. Toy izany koa i [[Radama II]] dia [[Andriamihaja]], hovalahy, no rainy nefa i [[Ranavalona I]] no reniny. Ny zanaky ny andriana tamin' ny hova dia sokajiana ho "[[Folovohitra]]" , "Hova", na "[[Velondraimandreny]]".
=== Fiovana ho Mainty ===
Ny Mainty dia afaka nanana andevo izay, rehefa afaka, dia nanatevin-daharana ny Mainty. Nitombo haingana ny isan' ny Mainty nandritra ny taonjato faha-19, arakaraka ny fandrosoan' ny fandresen' ny [[Merina]] dia nampiditra babo maro avy any amin' ny faritra manodidina, ka maro be izay niafara tamin' ny nafahana. Hany ka tamin’ ny faran’ io taonjato io izay nanafoanana ny fanandevozana, dia lasa maro an’ isa izy ireo.
Ny Mainty dia tsy nanambady ivelan' ny foko misy azy ka tsy naka vady raha tsy avy tamin' izy samy Mainty ihany. Norarana mafy izy ireo tsy hifanambady amin' ny [[Hova]] na ny [[Andriana]].
Raha ny tokony ho izy, ny Hova na ny Andriana izay nanaiky ny hifanambady amin' ny Mainty dia lasa Mainty ary voailika tsy ho anisan' ny Hova na ny Andriana.
=== Fiovana ho Andevo ===
Ny andevo dia noheverina ho "olona maloto", tsy toy ny Hova sy ny Andriana izay "olona madio". Izany "fahalotoana" sy "fahadiovana" izany no nahatonga ny [[Fady (malagasy)|fady]] amin' ny fifanambadian' ny andevo sy ny tsy andevo teo amin' ny fiarahamonina malagasy.
== Jereo koa ==
* [[Sarangam-poko eto Madagasikara]]
* Sarangam-poko aty Afrika (''[https://en.wikipedia.org/wiki/Caste_systems_in_Africa?utm_source=chatgpt.com#Merina_people en]'')
== Fanovozan-kevitra sy rohy ivelany ==
'''Tranonkala'''
* [https://www.jacaranda.fr/en/notes-du-passe-les-manisotra-aines-des-mainty "Note du passé - Les Manisotra ainés des Mainty"], https://www.jacaranda.fr/
* Rakotondrabenja Adrien, "Le site manisotra d’Ambohijoky (sud de l’Imerina – hautes terres centrales de Madagascar) : contribution à une étude archéologique militaire de son système de défense.", [https://books.google.mg/books/about/Taloha.html?id=Ba4wAQAAIAAJ&redir_esc=y Taloha, N°6]
'''Boky'''
* Callet, F. (R.-P.): 1908. ''Tantara ny Andriana eto Madagasikara'', tomes I et II ; Antananarivo
* Ralaimihoatra, E. : 1982. ''Histoire de Madagascar''. Antananarivo
* Andriamaharo, R. : 1985. ''Antsahadinta – Essai sur l’histoire d’une région de l’Imerina à l'époque d’Andrianampoinimerina'' ; Mémoire de CAPEN non publié. Antananarivo
* Délivré, A. : 1967. ''L'Histoire des rois d’Imerina – Interprétation d'une tradition orale'' ; Thèse de doctorat de 3e cycle, Paris
* Domenichini, J.-P. & B., Ramiaramanana : 1980. ''Regards croisés sur les grands sycomores ou l'armée noire des anciens princes de l'Imerina''. Cheminements, volume XI, n°1-4 ; Asie du Sud-Est et Monde Insulindien, Paris
* Rabenjamina, A. : 1936. ''Ambohijoky, tendrombohitra malaza'' ; Gazetim-panjakana : 405- 406. A.
* Rakoto, I. : 1976. ''L’esclavage dans l'Ancien Madagascar'' ; Tantara 4-5 : 125-137, Antananarivo.
== Loharano sy fanamarihana ==
dauns6warbirf6leq8i6cvq3g9f3ba8
1149450
1149449
2026-08-20T06:21:03Z

Ny "[[Andriantompokoindrindra (foko)|Andriantompokoindrindra]]" na Zanatompo dia taranak' [[Andriantompokoindrindra]], zanaka lahimatoan’ny mpanjaka [[Ralambo]] sy ny andriambavy Rabehavina . Nanorina ny fanjakany teo amin’ny vohitra masin’ Ambohimalaza ary lazaina ho "Lahimatoan’ Imerina" izy.

04ww4l7d88zdsbzddzpzwrwvnk9qo0r
1149451
1149450
2026-08-20T06:32:54Z
~2026-45700-28
40774
/* Sokajin' ny havan' andriana */

Teo ambanin' ny sokajy Andriana, dia nasian' ny mpanjaka Andriamasinavalona koa ny sokajy natao hoe [[Havan' Andriana]] izay sady tsy tena Andriana no tsy Hova. Ny havan' andriana dia ahitana ny taranaka mpanjaka nanomboka tamin' ny mpanjaka [[Rafohy]] sy [[Rabiby]] izay tsy mba nampidirina ho Andriana. Toy izany ny taranak' Andriamanangaona; ny taranak' Andriamitondra (zanak’Andriamananitany rain’Andrianamboninolona tamin’ny reny hova firazanana), ny Antehiroka sy maro hafa koa.

8rx7jvz10qgwhbn9gfdaua9r4kgqr7k
Sokajy:Farihy ao Eoropa
14
286037
1149442
1149439
2026-08-19T15:55:51Z
A09
31143
Reverted 1 edit by [[Special:Contributions/~2026-43677-38|~2026-43677-38]] ([[User talk:~2026-43677-38|talk]]): Rv -wikidata should be used (TwinkleGlobal)
1149442
wikitext
text/x-wiki
[[Sokajy:Jeografian' Eoropa]]
[[Sokajy:Farihy]]
904dlco44lg5m170dhn3jybg9c116au
Sokajy:Tasmania
14
289158
1149447
1087471
2026-08-20T02:07:50Z
~2026-43677-38
40632
1149447
wikitext
text/x-wiki
[[Sokajy:Jeografian' Aostralia]]
[[Sokajy:Nosy (Aostralia)]]
95norrdw2zhegdcj9vwu49tmt0517sk
Wikipedia:Efemerida/21 Aogositra
4
298651
1149452
1133864
2026-08-20T06:53:52Z
JianJi
36396
1149452
wikitext
text/x-wiki
'''Androany [[21 Aogositra|21 aogositra]]''':
* '''[[1911]]''' - Nangalarin'i [[Vincenzo Peruggia]], mpiasan'ny tranombakoka tao Louvre any [[Paris]], ny Mona Lisa nataon'i [[Leonardo da Vinci]].
* '''[[1959]]''' - Lasa firenena faha-50 an'i [[Etazonia]] i [[Hawaii]].
htppb4m2vzyqnpqqdq6qdyqz9ynuw26
Sokajy:Nosy (Aostralia)
14
301709
1149448
2026-08-20T02:09:05Z
~2026-43677-38
40632
[[Sokajy:Nosy ny Ranomasimbe Pasifika]]
1149448
wikitext
text/x-wiki
[[Sokajy:Jeografian' Aostralia]]
[[Sokajy:Nosy ny Ranomasimbe Pasifika]]
rg0amib405v3fqwhwtdchowf4jbztz9