Wikipedia mgwiki https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana MediaWiki 1.47.0-wmf.16 first-letter Rakitra Manokana Dinika Mpikambana Dinika amin'ny mpikambana Wikipedia Dinika amin'ny Wikipedia Sary Dinika amin'ny sary MediaWiki Dinika amin'ny MediaWiki Endrika Dinika amin'ny endrika Fanoroana Dinika amin'ny fanoroana Sokajy Dinika amin'ny sokajy TimedText TimedText talk Module Discussion module Event Event talk Siméon Rajaona 0 262177 1149615 1147902 2026-08-24T10:27:40Z Valimbavaka Rahary 39787 Nanitsy sy nanampy 1149615 wikitext text/x-wiki {{Infobox olona|anarana=Siméon Rajaona|teraka=18 febroary 1926|toerana=Antananarivo|maty=23 jona 2013|firenena=Madagasikara|asa=Mpanoratra|asa hafa=Mpanabe|seha-pitiavana=Manambady}} I '''[[Siméon Rajaona]]''' dia [[mpahay teny]] malagasy teraka tao [[Antananarivo]] tamin' ny 18 Febroary 1926 ary maty tamin' ny 23 Jona 2013. Izy no sojabe voalohany tao amin' ny Lalam-piofanana Soratra sy Siantsan' ny Fiolonana (Fakiolten'ny Teny aman-tSoratra sy ny siantsan'ny mahaolona, FLSH na ''faculté des lettres'' ankehitriny) ao amin' ny [[Oniversite|Anjerimanontolo]] eto Madagasikara tamin' ny taona 1972. Mpikambana ao amin' ny [[Akademia Malagasy]] koa izy. Ny anarany feno dia Siméon Régis Rajaona. Izy no nitarika ny [[haiteny ara-drafitra]] sy nandray anjara asa tamin' ny fandalinana ny [[fiteny malagasy]] ka fantatra indrindra amin' izany ilay boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe ''Structure du malgache, étude des formes prédicatives'' izay vitany soratra tamin' ny taona 1972. Izy dia mpanoratra amin'ny teny frantsay sy Malagasy ary anisany nahafatarana azy teo amin'ny riba Malagasy ny Takelaka Notsongaina. == Ireto koa ny boky hafa sasany nosoratany: == * ''Takelaka notsongaina, Tome 1, 1962'' * ''Takelaka notsongaina, Tome 2, 1963'' * ''Problèmes de morphologie malgache, 1977'' * ''Mon corps soupire après toi, œuvre posthume, 2016'' == Fianakaviana == Zaza faharoa tamin' ny valo i Siméon Rajaona. Ny rainy, Jean François Régis Rajaona (1900-1962), dia mpanoratra sady mpisehatra, avy any [[Manandriana]] ao [[Avaradrano]] ary avy amin’ ny saranga [[andriana]] [[Zanadralambo amin' Andrianjaka|Zanadralambo amin’ Andrianjaka]]. Ny reniny, Edwige Bernadette Ralisoa (1902-2001), dia zanakavavin' i Jean-Baptiste Rahajarizafy, sekretera manokan' i Lyautey, mpanoratra sady governora tao [[Fianarantsoa]] tamin' izany fotoana izany, avy any Ambohimandrosohasina, havoana kely atsinanan' ny havoanan' ny mpanjakan' [[Ambohimanga]], taranaky ny fianakaviana [[Andriamasinavalona]] izay akaiky ny fahefan’ ny mpanjaka hatrany ary nanome azy manamboninahitra maro<ref>TIERSONNIER, Rév.P. Jacques, Au cœur de l’Ile Rouge, 50 ans de vie à Madagascar, Mémoires, Éditions Ambozontany, Antananarivo, 1990</ref>. Avy any [[Ambohidrapeto]], iray amin’ ireo [[Tendrombohitra roa ambin' ny folon' Imerina|havoana masina roa ambin’ ny folo]]<nowiki/>n' Imerina i Véronique Razafimbero, renin’ i Edwige, ary [[Zazamarolahy]], noho izany dia anisan’ ny [[andriana]] [[merina]], taranak’ [[Andrianampoinimerina]] sy Ramanantenasoa, iray amin’ ireo vady roa ambin’ ny folon' ny mpajaka. Araka izany dia zanaky ny mpanoratra sady filôzôfa ary [[pretra]] [[zezoita]] [[Antoine de Padoue Rahajarizafy]] izay tsy iza fa anadahin-drenin' i Siméon Rajaona. Mananjanaka dimy mianadahy ihany koa izy. == Fiainany manokana == Manambady an' i Lydia Ratahiry i Siméon Rajaona ary manan-janaka dimy. Katôlika nafana fo avy amin' ny fianakaviana niaviany izy, ary nanokana ny tenany, niaraka tamin' ny asany tany amin' ny oniversite, ho amin' ny fisaintsainana ara-panahy kokoa. Fanampin' izany, ny sanganasany farany, ''Mon corps soupire après toi'' (lohateny nalaina avy amin' ny andininy iray ao amin' ny [[Bokin' ny Salamo|Salamo]], asa navoaka taorian' ny nahafatesany tamin' ny 2016<ref> <small>[archive]</small> », sur ''Midi Madagasikara'', 12 mars 2016 <small>(consulté le 18 septembre 2020</small></ref>), dia fandikana an-tsoratra ny fisaintsainana ara-panahy naharitra efapolo taona teo ho eo. Tamin' ny 23 Jona 2013 no nodimandry teo amin' ny faha87 taonany tao an-tranony tao Antsahabe<ref>"Siméon Rajaona s'en est allé" in Midi Madagasikara du 24 Juin 2013.</ref>. Tamin’ ny andron’ ny fandevenana azy, tamin' ny 28 Jona 2013 dia nanome voninahitra manokana azy teo amin' ny kianjan' ny [[Oniversiten' Antananarivo]] ny sampam-pianarana manontolon' ny oniversite natrehin' ny olo-malaza ara-pôlitika sy ara-kolontsaina maro<ref>« <small>[archive]</small> », sur ''La Gazette de la Grande Ile'' <small>(consulté le 18 septembre 2020</small></ref>. == Lalana nalehany == Tao amin’ ny Ecole des Frères teny Andohalo no nianaran' i Siméon voalohany, avy eo tao amin’ny Lycée Gallieni izay nahazoany ny bakalôrea nisy fizaràna roa, dia ny Filôzôfia sy ny [[Literatiora]] tamin’ ny taona 1946. Tamin’ io taona io ihany izy no nandeha nanohy ny fianarany tany [[Frantsa]] ary nanohy ny fianarany amin' ny Literatiora klasika ao amin' ny khâgne sy hypokhâgne ao amin' ny lisea Lakanal de Paris. Nahazo ny lisantsa momba ny Literatiora izy tamin' ny taona 1950 ary avy eo ny Diplôme d’Etudes Supérieures de langues classiques tamin' ny taona 1951. Tamin' ny taona 1955 dia nahazo ny Agrégation de grammaire izy. Nanomboka nampianatra tao amin' ny lisea Haroa tao Fresh d’ Ajaccio ho mpampianatra literatiora. Niverina teto [[Madagasikara]], roa taona taty aoriana, lasa mpampianatra tao amin’ ny Lycée Gallieni teny Andohalo. Tamin’ ny taona 1958 izy no lasa talen’ ny Centre d’Etudes et d’Information sur la Langue et la Civilisation Malgaches (CEILCM). Nanomboka tamin’ izay no nandalinany ny fahalalany ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]], nanampy azy sy nanentana ny dadatoany [[Antoine de Padoue Rahajarizafy]] izay namoaka ny ''Essai sur la grammaire malgache'' tamin' ny taona 1960. Nanohy ny fikarohana nataony i Siméon Rajaona mandra-piarovany ny tsangan-kevitra dôktôràm-panjakana tany Sorbonne izay nifantoka amin' ny fandalinana ny endrika entimilaza ao amin' ny firafitry ny teny malagasy tamin' ny taona 1970. Voatendry ho Maître de Conférences tao amin’ ny Ecole Nationale des Lettres et Sciences Humaines izy tamin' ny taona 1960. Niara-nitantana amin' ny maha toeran’ ny talen’ ny CEILCM, talen' ny Département de Langue et de Littérature Malgache eo anivon’ ny Faculté des Lettres et des Sciences Humaines tao amin’ ny Oniversiten' i Madagasikara. Tamin' ny taona 1972 izy no sojabe malagasy voalohany tao amin' io sampam-pianarana io. Mpikambana feno ao tamin' ny [[Akademia Malagasy]] ihany koa izy, izay namoaka ny asa sorany voalohany tamin' ny taona 1959, tamin’ ny alalan’ ny ''Bulletin'', asasoratra mitondra ny lohateny hoe "Essai d'analyse de la structure de la pensée malgache. Examen de quelques notions"<ref>Site agir.avec.madagascar.over-blog</ref>. == Loharano == {{Reflist}} == Jereo koa == * [[Rabenilaina Roger-Bruno]] * [[Oniversiten' Antananarivo]] * [[Oniversiten' i Toliara]] * [[Haitsikerafiteny|Haiteny]] * [[Haiteny ara-drafitra]] * [[Fiteny malagasy]] [[Sokajy:Mpanao malagasy]] [[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1923]] [[sokajy:Maty tamin'ny taona 2013]] 0r0zy78l1pmrltjkqywqygojg8qyctg 1149617 1149615 2026-08-24T10:53:44Z Valimbavaka Rahary 39787 Nanampy 1149617 wikitext text/x-wiki {{Infobox olona|anarana=Siméon Rajaona|teraka=18 febroary 1926|toerana=Antananarivo|maty=23 jona 2013|firenena=Madagasikara|asa=Mpanoratra|asa hafa=Mpanabe|seha-pitiavana=Manambady}} I '''[[Siméon Rajaona]]''' dia [[mpahay teny]] malagasy teraka tao [[Antananarivo]] tamin' ny 18 Febroary 1926 ary maty tamin' ny 23 Jona 2013. Izy no sojabe voalohany tao amin' ny Lalam-piofanana Soratra sy Siantsan' ny Fiolonana (Fakiolten'ny Teny aman-tSoratra sy ny siantsan'ny mahaolona, FLSH na ''faculté des lettres'' ankehitriny) ao amin' ny [[Oniversite|Anjerimanontolo]] eto Madagasikara tamin' ny taona 1972. Mpikambana ao amin' ny [[Akademia Malagasy]] koa izy. Ny anarany feno dia Siméon Régis Rajaona. Izy no nitarika ny [[haiteny ara-drafitra]] sy nandray anjara asa tamin' ny fandalinana ny [[fiteny malagasy]] ka fantatra indrindra amin' izany ilay boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe ''Structure du malgache, étude des formes prédicatives'' izay vitany soratra tamin' ny taona 1972. Izy dia mpanoratra amin'ny teny frantsay sy Malagasy ary anisany nahafatarana azy teo amin'ny riba Malagasy ny Takelaka Notsongaina. == Ireto koa ny boky hafa sasany nosoratany: == * ''Takelaka notsongaina, Tome 1, 1962'' * ''Takelaka notsongaina, Tome 2, 1963'' * ''Problèmes de morphologie malgache, 1977'' * ''Mon corps soupire après toi, œuvre posthume, 2016'' == Fianakaviana == Zaza faharoa tamin' ny valo i Siméon Rajaona. Ny rainy, Jean François Régis Rajaona (1900-1962), dia mpanoratra sady mpisehatra, avy any [[Manandriana]] ao [[Avaradrano]] ary avy amin’ ny saranga [[andriana]] [[Zanadralambo amin' Andrianjaka|Zanadralambo amin’ Andrianjaka]]. Ny reniny, Edwige Bernadette Ralisoa (1902-2001), dia zanakavavin' i Jean-Baptiste Rahajarizafy, sekretera manokan' i Lyautey, mpanoratra sady governora tao [[Fianarantsoa]] tamin' izany fotoana izany, avy any Ambohimandrosohasina, havoana kely atsinanan' ny havoanan' ny mpanjakan' [[Ambohimanga]], taranaky ny fianakaviana [[Andriamasinavalona]] izay akaiky ny fahefan’ ny mpanjaka hatrany ary nanome azy manamboninahitra maro<ref>TIERSONNIER, Rév.P. Jacques, Au cœur de l’Ile Rouge, 50 ans de vie à Madagascar, Mémoires, Éditions Ambozontany, Antananarivo, 1990</ref>. Avy any [[Ambohidrapeto]], iray amin’ ireo [[Tendrombohitra roa ambin' ny folon' Imerina|havoana masina roa ambin’ ny folo]]<nowiki/>n' Imerina i Véronique Razafimbero, renin’ i Edwige, ary [[Zazamarolahy]], noho izany dia anisan’ ny [[andriana]] [[merina]], taranak’ [[Andrianampoinimerina]] sy Ramanantenasoa, iray amin’ ireo vady roa ambin’ ny folon' ny mpajaka. Araka izany dia zanaky ny mpanoratra sady filôzôfa ary [[pretra]] [[zezoita]] [[Antoine de Padoue Rahajarizafy]] izay tsy iza fa anadahin-drenin' i Siméon Rajaona. Mananjanaka dimy mianadahy ihany koa izy. == Fiainany manokana == Manambady an' i Lydia Ratahiry i Siméon Rajaona ary manan-janaka dimy. Katôlika nafana fo avy amin' ny fianakaviana niaviany izy, ary nanokana ny tenany, niaraka tamin' ny asany tany amin' ny oniversite, ho amin' ny fisaintsainana ara-panahy kokoa. Fanampin' izany, ny sanganasany farany, ''Mon corps soupire après toi'' (lohateny nalaina avy amin' ny andininy iray ao amin' ny [[Bokin' ny Salamo|Salamo]], asa navoaka taorian' ny nahafatesany tamin' ny 2016<ref> <small>[archive]</small> », sur ''Midi Madagasikara'', 12 mars 2016 <small>(consulté le 18 septembre 2020</small></ref>), dia fandikana an-tsoratra ny fisaintsainana ara-panahy naharitra efapolo taona teo ho eo. Marihina fa izy no Malagasy voalohany nahazo ny mari-pahaizana ''agrégation en grammaire'' teo amin'ny faha-29 taonany. Tamin' ny 23 Jona 2013 no nodimandry teo amin' ny faha87 taonany tao an-tranony tao Antsahabe<ref>"Siméon Rajaona s'en est allé" in Midi Madagasikara du 24 Juin 2013.</ref>. Tamin’ ny andron’ ny fandevenana azy, tamin' ny 28 Jona 2013 dia nanome voninahitra manokana azy teo amin' ny kianjan' ny [[Oniversiten' Antananarivo]] ny sampam-pianarana manontolon' ny oniversite natrehin' ny olo-malaza ara-pôlitika sy ara-kolontsaina maro<ref>« <small>[archive]</small> », sur ''La Gazette de la Grande Ile'' <small>(consulté le 18 septembre 2020</small></ref>. == Lalana nalehany == Tao amin’ ny Ecole des Frères teny Andohalo no nianaran' i Siméon voalohany, avy eo tao amin’ny Lycée Gallieni izay nahazoany ny bakalôrea nisy fizaràna roa, dia ny Filôzôfia sy ny [[Literatiora]] tamin’ ny taona 1946. Tamin’ io taona io ihany izy no nandeha nanohy ny fianarany tany [[Frantsa]] ary nanohy ny fianarany amin' ny Literatiora klasika ao amin' ny khâgne sy hypokhâgne ao amin' ny lisea Lakanal de Paris. Nahazo ny lisantsa momba ny Literatiora izy tamin' ny taona 1950 ary avy eo ny Diplôme d’Etudes Supérieures de langues classiques tamin' ny taona 1951. Tamin' ny taona 1955 dia nahazo ny Agrégation de grammaire izy. Nanomboka nampianatra tao amin' ny lisea Haroa tao Fresh d’ Ajaccio ho mpampianatra literatiora. Niverina teto [[Madagasikara]], roa taona taty aoriana, lasa mpampianatra tao amin’ ny Lycée Gallieni teny Andohalo. Tamin’ ny taona 1958 izy no lasa talen’ ny Centre d’Etudes et d’Information sur la Langue et la Civilisation Malgaches (CEILCM). Nanomboka tamin’ izay no nandalinany ny fahalalany ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]], nanampy azy sy nanentana ny dadatoany [[Antoine de Padoue Rahajarizafy]] izay namoaka ny ''Essai sur la grammaire malgache'' tamin' ny taona 1960. Nanohy ny fikarohana nataony i Siméon Rajaona mandra-piarovany ny tsangan-kevitra dôktôràm-panjakana tany Sorbonne izay nifantoka amin' ny fandalinana ny endrika entimilaza ao amin' ny firafitry ny teny malagasy tamin' ny taona 1970. Voatendry ho Maître de Conférences tao amin’ ny Ecole Nationale des Lettres et Sciences Humaines izy tamin' ny taona 1960. Niara-nitantana amin' ny maha toeran’ ny talen’ ny CEILCM, talen' ny Département de Langue et de Littérature Malgache eo anivon’ ny Faculté des Lettres et des Sciences Humaines tao amin’ ny Oniversiten' i Madagasikara. Tamin' ny taona 1972 izy no sojabe malagasy voalohany tao amin' io sampam-pianarana io. Mpikambana feno ao tamin' ny [[Akademia Malagasy]] ihany koa izy, izay namoaka ny asa sorany voalohany tamin' ny taona 1959, tamin’ ny alalan’ ny ''Bulletin'', asasoratra mitondra ny lohateny hoe "Essai d'analyse de la structure de la pensée malgache. Examen de quelques notions"<ref>Site agir.avec.madagascar.over-blog</ref>. == Loharano == {{Reflist}} == Jereo koa == * [[Rabenilaina Roger-Bruno]] * [[Oniversiten' Antananarivo]] * [[Oniversiten' i Toliara]] * [[Haitsikerafiteny|Haiteny]] * [[Haiteny ara-drafitra]] * [[Fiteny malagasy]] [[Sokajy:Mpanao malagasy]] [[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1923]] [[sokajy:Maty tamin'ny taona 2013]] jm97cmn9vfcrkxxyn1vw9ufu6ikqq7a Cyperaceae 0 281747 1149614 1134817 2026-08-24T09:42:32Z JIMarquezCorro 40820 /* Rohy ivelany */ 1149614 wikitext text/x-wiki [[Sary:Pycreus.jpg|vignette|346x346px|''Cyperus polystachyos'']] Ny '''''Cyperaceae''''' dia [[fianakavian-javamaniry]], ahitra, [[zavamaniry mamony]], [[tokan-dravin-tsimoka]] (mônôkôtiledôna). Indraindray tsy mitambatra ao amin' ny voniny iray ny fitaovam-pananahana lahy sy vavy; ny tahony dia matetika telozoro. Lehibe ity fianakaviana ity: misy karazana misa 5&nbsp;500 eo ho eo izay mitsinjara amin' ny vondron-karazana 90 eo ho eo, miely manerana izao tontolo izao, ka ny lehibe indrindra dia ny vondron-karazana ''[[Carex]]'', izay misy karazany 2&nbsp;000 mahery. == Vondron-karazana == Tamin' ny taona 2024, vondron-karazana 93 no eken' ny ''[[Plants of the World Online]]''. * ''Abildgaardia'' <small>Vahl</small> * ''Actinoschoenus'' <small>Benth.</small> * ''Actinoscirpus'' <small>(Ohwi) R.W.Haines & Lye</small> * ''Afroscirpoides'' <small>García-Madr. & Muasya</small> * ''Afrotrilepis'' <small>(Gilly) J.Raynal</small> * ''Ammothryon'' <small>R.L.Barrett, K.L.Wilson & J.J.Bruhl</small> * ''Amphiscirpus'' <small>Oteng-Yeb.</small> * ''Anthelepis'' <small>R.L.Barrett, K.L.Wilson & J.J.Bruhl</small> * ''Arthrostylis'' <small>R.Br.</small> * ''Becquerelia'' <small>Brongn.</small> * ''Bisboeckelera'' <small>Kuntze</small> * ''Blysmus'' <small>Panz. ex Schult.</small> * ''× Bolboschoenoplectus'' <small>Tatanov</small> * ''Bolboschoenus'' <small>(Asch.) Palla</small> * ''Bulbostylis'' <small>Kunth</small> * ''Calliscirpus'' <small>C.N.Gilmour, J.R.Starr & Naczi</small> * ''Calyptrocarya'' <small>Nees</small> * ''Capeobolus'' <small>Browning</small> * ''Capitularina'' <small>J.Kern</small> * ''[[Carex]]'' <small>L.</small> * ''Carpha'' <small>Banks & Sol. ex R.Br.</small> * ''Caustis'' <small>R.Br.</small> * ''Cephalocarpus'' <small>Nees</small> (synonym ''Everardia'' <small>Ridl.</small>) * ''Chamaedendron'' <small>(Kük.) Larridon</small> * ''Chorizandra'' <small>R.Br.</small> * ''Chrysitrix'' <small>L.</small> * ''Cladium'' <small>P.Browne</small> * ''Coleochloa'' <small>Gilly</small> * ''Costularia'' <small>C.B.Clarke</small> * ''Cryptangium'' <small>Schrad. ex Nees</small> * ''Cyathochaeta'' <small>Nees</small> * ''Cyathocoma'' <small>Nees</small> * ''[[Cyperus]]'' <small>L.</small> * ''Didymiandrum'' Gilly * ''Diplacrum'' <small>R.Br.</small> * ''Diplasia'' <small>Pers.</small> * ''Dracoscirpoides'' <small>Muasya</small> * ''Dulichium'' <small>Pers.</small> * ''[[Eleocharis]]'' <small>R.Br.</small> * ''Eriophorum'' <small>L.</small> * ''Erioscirpus'' <small>Palla</small> * ''Evandra'' <small>R.Br.</small> * ''Exocarya'' <small>Benth.</small> * ''Exochogyne'' <small>C.B.Clarke</small> * ''Ficinia'' <small>Schrad.</small> * ''Fimbristylis'' <small>Vahl</small> * ''Fuirena'' <small>Rottb.</small> * ''Gahnia'' <small>J.R.Forst. & G.Forst.</small> * ''Gymnoschoenus'' <small>Nees</small> * ''Hellmuthia'' <small>Steud.</small> * ''Hypolytrum'' <small>Pers.</small> * ''Isolepis'' <small>R.Br.</small> * ''Khaosokia'' <small>D.A.Simpson, Chayam. & J.Parn.</small> * ''Koyamaea'' <small>W.W.Thomas & G.Davidse</small> * ''Krenakia'' <small>S.M.Costa</small> * ''Lagenocarpus'' <small>Nees</small> * ''Lepidosperma'' <small>Labill.</small> * ''[[Lepironia]]'' <small>Pers.</small> * ''Machaerina'' <small>Vahl</small> * ''Mapania'' <small>Aubl.</small> * ''Mesomelaena'' <small>Nees</small> * ''Microdracoides'' <small>Hua</small> * ''Morelotia'' <small>Gaudich.</small> * ''Neesenbeckia'' <small>Levyns</small> * ''Nelmesia'' <small>Van der Veken</small> * ''Netrostylis'' <small>R.L.Barrett, J.J.Bruhl & K.L.Wilson</small> * ''Oreobolus'' <small>R.Br.</small> * ''Paramapania'' <small>Uittien</small> * ''Phylloscirpus'' <small>C.B.Clarke</small> * ''Principina'' <small>Uittien</small> * ''Pseudoschoenus'' <small>(C.B.Clarke) Oteng-Yeb.</small> * ''Ptilothrix'' <small>K.L.Wilson</small> * ''Reedia'' <small>F.Muell.</small> * ''Rhodoscirpus'' <small>Léveillé-Bourret, Donadío & J.R.Starr</small> * ''Rhynchocladium'' <small>T.Koyama</small> * ''Rhynchospora'' <small>Vahl</small> * ''Schoenoplectiella'' <small>Lye</small> * ''Schoenoplectus'' <small>(Rchb.) Palla</small> * ''Schoenus'' <small>L.</small> * ''Scirpodendron'' <small>Zipp. ex Kurz</small> * ''Scirpoides'' <small>Ség.</small> * ''Scirpus'' <small>Tourn. ex L.</small> * ''Scleria'' <small>P.J.Bergius</small> * ''Scleroschoenus'' <small>K.L.Wilson, J.J.Bruhl & R.L.Barrett</small> * ''Sumatroscirpus'' <small>Oteng-Yeb.</small> * ''Tetraria'' <small>P.Beauv.</small> * ''Trachystylis'' <small>S.T.Blake</small> * ''Trianoptiles'' <small>Fenzl ex Endl.</small> * ''Trichophorum'' <small>Pers.</small> * ''Trichoschoenus'' <small>J.Raynal</small> * ''Tricostularia'' <small>Nees</small> * ''Trilepis'' <small>Nees</small> * ''Xyroschoenus'' <small>Larridon</small> * ''Zameioscirpus'' <small>Dhooge & Goetgh.</small> * ''Zulustylis'' <small>Muasya</small> == Jereo koa == * [[Harefo]] * [[Zozoro]] '''Fianakavian-javamaniry hafa:''' * ''[[Acanthaceae]]'' * ''[[Aizoaceae]]'' * ''[[Annonaceae]]'' * ''[[Apocynaceae]]'' * ''[[Araceae]]'' * ''[[Arecaceae]]'' * ''[[Asparagaceae]]'' * ''[[Asteraceae]],'' * ''[[Brassicaceae]]'' * ''[[Cannabaceae]]'' * ''[[Celastraceae]]'' * ''[[Compositae]]'' na ''[[Compositaceae]]'' * ''[[Convolvulaceae]]'' * ''[[Cucurbitaceae]]'' * ''[[Cyperaceae]]'' * ''[[Didiereaceae]]'' * ''[[Dioscoreaceae]]'' * ''[[Euphorbiaceae]]'' * ''[[Fabaceae]]'' * ''[[Juncaceae]]'' * ''[[Malvaceae]],'' * ''[[Mimosaceae]]'' * ''[[Moraceae]],'' * ''[[Nympheaceae]]'' * ''[[Orchidaceae]]'' * ''[[Pedaliaceae]]'' * ''[[Poaceae]]'' na ''[[Poaceae|Gramineae]]'' * ''[[Rhamnaceae]]'' * ''[[Rosaceae]]'' * ''[[Rutaceae]]'' * ''[[Sapotaceae]]'' * ''[[Solanaceae]],'' * ''[[Typhaceae]]'' * ''[[Ulmaceae]]'' == Rohy ivelany == * [http://www.cyperaceae.org/ ''Global Cyperaceae Database Website''] bmyxdx46ghv46zmwbvp63l7oi1qn8mw Mamitiana Razafimandimby 0 296082 1149606 1121897 2026-08-23T13:57:28Z Gaël RALANTONIRINA 35834 1149606 wikitext text/x-wiki '''Mamitiana Razafimandimby''' dia [[mpanatontosa sarimihetsika]], [[mpanoratra tantara an-tsoratra ary mpamokatra malagasy]]. {{Infobox olona|anarana=Mamitiana Razafimandimby|firenena=Madagasikara|asa=mpamokatra , mpaka sary amin'ny sehatry ny Sarimihetsika|taona niasana=Nanomboka tamin’ny 1995}} Izy dia malaza indrindra tamin'ny fananganana sy fitantanana ny [[Dignala|Scoop Digital]], orinasa famokarana haino aman-jery miorina eto [[Madagasikara]], izay miasa amin'ny fanaovana [[sarimihetsika]], [[Tantara|tantara an-tsehatra]] ary [[fandaharana]] amin'ny fahitalavitra<ref>CINÉMA – « Le succès n’est pas le fruit du hasard [archive] », sur AFRICA presse, 15 Juin 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>. == Fiainana sy Asa == Nanomboka ny asany amin'ny sehatry ny haino aman-jery i [[Mamitiana Razafimandimby]] tamin'ny taona [[1995]], tamin'ny asa mifandraika amin'ny lafiny teknika amin'ny [[Famorana|famokarana]], indrindra tamin'ny maha-[[mpaka sary]] sy [[mpaka sary amin'ny kamera]].Tamin'ny taona [[2000]] eo ho eo.Nifantoka tamin'ny famokarana fandaharana amin'ny fahitalavitra izy ary nandray anjara tamin'ny fanatanterahana fandaharana [[fialamboly]] sy [[fanatanjahantena]] ho an'ny fantsona isan-karazany eto an-toerana<ref>Piratage : « 500 000 copies d’un film en deux temps trois mouvements [archive] », sur Studio SIFAKA_Feon’ny Tanora Maroloko , Mardi 09 Aout 2022 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>.Tamin'ny taona [[2003]] ka hatramin'ny [[2005]], nanao fiofanana maro amin'ny fanoratana tantara izy, izay nitondra azy tsikelikely ho amin'ny fitarihana sarimihetsika. Ny sarimihetsika voalohany vita amin'ny maha-mpamokatra azy dia ny [[Andrebabe (2005)]]. == Scoop Digital == [[Mamitiana Razafimandimby]] no tale jeneralin'ny [[Dignala|Scoop Digital]]<ref>Jalôko, sur<nowiki>[https://letterboxd.com]</nowiki>, 2009 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>, orinasa malagasy iray miompana amin'ny famokarana sarimihetsika sy fandaharana audiovisuel. Araka ny loharanom-baovao sasany, ny orinasa dia efa namokatra sarimihetsika lava mihoatra ny efapolo hatramin'ny nananganana azy tamin'ny taona 1995. Ny famokarana avy amin'ny [[Dignala|Scoop Digital]] dia miavaka indrindra amin'ny fantsom-pahitalavitra eo an-toerana sy ny fandraisana anjara amin'ny fananganana indostrian'ny sinema eto Madagasikara. == Asa == === Saga Malok’ila<ref>CINÉMA - « Malok’ila signe son grand retour [archive] », sur L’Express de Madagascar, Jeudi 5 janvier 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref> === Ny andiany Malok’ila dia heverina ho iray amin'ireo famokarana manan-danja nataon'i Mamitiana Razafimandimby.Ity saga ity, natomboka tamin'ny 2006, dia mampifangaro hetsika, adventure ary drama. Nisy andiany maromaro no natao nandritra ny taona maro: * Malok’ila 1 (2006) * Malok’ila 7 (2010) — niara-nitantana tamin'i Gérard Razafindrakoto * Malok’ila 8 (2010) — niara-nitantana tamin'i Gérard Razafindrakoto * Malok’ila 14 (2014) * Malok’ila 15 : Ny Fiverenana Lehibe (2023) — niara-nitantana tamin'i Germain Andriamanantena === Zavatra hafa vita === • Andrebabe (2005) — sarimihetsika lava voalohany navoaka .• Jalôko<ref>Jalôko, sur<nowiki>[https://letterboxd.com]</nowiki>, 2009 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref> — sarimihetsika mitambatra amin'ny drama, dia sy tolona, aingaina avy amin'ny lohahevitra mifandray amin'ny kolontsaina malagasy sy ny fiarahamonina ankehitriny. == Fomba sy lohahevitra == Matetika ny asan'i Mamitiana Razafimandimby dia miresaka lohahevitra momba ny fiarahamonina Malagasy, ny firaisankina, ary ny fahaiza-miatrika ny zava-tsarotra.Matetika ny sarimihetsik'izy ireo dia manambatra singa amin'ny drama sy hetsika, miaraka amin'ny fampidirana ireo fanovàna ara-kolontsaina eo an-toerana, indrindra amin'ny alalan'ny mozika sy ny fomban-drazana<ref>Madagascar : Cinéma - « Le succès n'est pas le fruit du hasard », sur AllAfrica, 15 Juin 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>. == Fanamarihana sy Loharano == pa5eb8otvjh82y0n4cbls9qgv9gi1uq 1149607 1149606 2026-08-23T13:58:33Z Gaël RALANTONIRINA 35834 1149607 wikitext text/x-wiki '''Mamitiana Razafimandimby''' dia [[mpanatontosa sarimihetsika]], [[mpanoratra tantara an-tsoratra ary mpamokatra malagasy]]. {{Infobox olona|anarana=Mamitiana Razafimandimby|firenena=Madagasikara|asa=mpamokatra , mpaka sary amin'ny sehatry ny Sarimihetsika|taona niasana=Nanomboka tamin’ny 1995}} Izy dia malaza indrindra tamin'ny fananganana sy fitantanana ny [[Dignala|Scoop Digital]], orinasa famokarana haino aman-jery miorina eto [[Madagasikara]], izay miasa amin'ny fanaovana [[sarimihetsika]], [[Tantara|tantara an-tsehatra]] ary [[fandaharana]] amin'ny fahitalavitra<ref>CINÉMA – « Le succès n’est pas le fruit du hasard [archive] », sur AFRICA presse, 15 Juin 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>. == Fiainana sy Asa == Nanomboka ny asany amin'ny sehatry ny haino aman-jery i [[Mamitiana Razafimandimby]] tamin'ny taona [[1995]], tamin'ny asa mifandraika amin'ny lafiny teknika amin'ny [[Famorana|famokarana]], indrindra tamin'ny maha-[[mpaka sary]] sy [[mpaka sary amin'ny kamera]].Tamin'ny taona [[2000]] eo ho eo.Nifantoka tamin'ny famokarana fandaharana amin'ny fahitalavitra izy ary nandray anjara tamin'ny fanatanterahana fandaharana [[fialamboly]] sy [[fanatanjahantena]] ho an'ny fantsona isan-karazany eto an-toerana<ref>Piratage : « 500 000 copies d’un film en deux temps trois mouvements [archive] », sur Studio SIFAKA_Feon’ny Tanora Maroloko , Mardi 09 Aout 2022 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>.Tamin'ny taona [[2003]] ka hatramin'ny [[2005]], nanao fiofanana maro amin'ny fanoratana tantara izy, izay nitondra azy tsikelikely ho amin'ny fitarihana sarimihetsika. Ny sarimihetsika voalohany vita amin'ny maha-mpamokatra azy dia ny [[Andrebabe (2005)]]. == Scoop Digital == [[Mamitiana Razafimandimby]] no tale jeneralin'ny [[Dignala|Scoop Digital]]<ref>Jalôko, sur<nowiki>[https://letterboxd.com]</nowiki>, 2009 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>, orinasa malagasy iray miompana amin'ny famokarana sarimihetsika sy fandaharana audiovisuel. Araka ny loharanom-baovao sasany, ny orinasa dia efa namokatra sarimihetsika lava mihoatra ny efapolo hatramin'ny nananganana azy tamin'ny taona 1995. Ny famokarana avy amin'ny [[Dignala|Scoop Digital]] dia miavaka indrindra amin'ny fantsom-pahitalavitra eo an-toerana sy ny fandraisana anjara amin'ny fananganana indostrian'ny sinema eto Madagasikara. == Asa == === Saga Malok’ila<ref>CINÉMA - « Malok’ila signe son grand retour [archive] », sur L’Express de Madagascar, Jeudi 5 janvier 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref> === Ny andiany Malok’ila dia heverina ho iray amin'ireo famokarana manan-danja nataon'i Mamitiana Razafimandimby.Ity saga ity, natomboka tamin'ny 2006, dia mampifangaro hetsika, adventure ary drama. Nisy andiany maromaro no natao nandritra ny taona maro: * Malok’ila 1 (2006) * Malok’ila 7 (2010) — niara-nitantana tamin'i Gérard Razafindrakoto * Malok’ila 8 (2010) — niara-nitantana tamin'i Gérard Razafindrakoto * Malok’ila 14 (2014) * Malok’ila 15 : Ny Fiverenana Lehibe (2023) — niara-nitantana tamin'i Germain Andriamanantena === Zavatra hafa vita === • Andrebabe (2005) — sarimihetsika lava voalohany navoaka .• Jalôko<ref>Jalôko, sur<nowiki>[https://letterboxd.com]</nowiki>, 2009 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref> — sarimihetsika mitambatra amin'ny drama, dia sy tolona, aingaina avy amin'ny lohahevitra mifandray amin'ny kolontsaina malagasy sy ny fiarahamonina ankehitriny. == Fomba sy lohahevitra == Matetika ny asan'i Mamitiana Razafimandimby dia miresaka lohahevitra momba ny fiarahamonina Malagasy, ny firaisankina, ary ny fahaiza-miatrika ny zava-tsarotra.Matetika ny sarimihetsik'izy ireo dia manambatra singa amin'ny drama sy hetsika, miaraka amin'ny fampidirana ireo fanovàna ara-kolontsaina eo an-toerana, indrindra amin'ny alalan'ny mozika sy ny fomban-drazana<ref>Madagascar : Cinéma - « Le succès n'est pas le fruit du hasard », sur AllAfrica, 15 Juin 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>. == Fanamarihana sy Loharano == kx6rpb360uebchvxccctl0mpzk5b6bo 1149608 1149607 2026-08-23T13:58:49Z Gaël RALANTONIRINA 35834 1149608 wikitext text/x-wiki '''Mamitiana Razafimandimby''' dia [[mpanatontosa sarimihetsika]], [[mpanoratra tantara an-tsoratra ary mpamokatra malagasy]]. {{Infobox olona|anarana=Mamitiana Razafimandimby|firenena=Madagasikara|asa=mpamokatra , mpaka sary amin'ny sehatry ny Sarimihetsika|taona niasana=Nanomboka tamin’ny 1995}} Izy dia malaza indrindra tamin'ny fananganana sy fitantanana ny [[Dignala|Scoop Digital]], orinasa famokarana haino aman-jery miorina eto [[Madagasikara]], izay miasa amin'ny fanaovana [[sarimihetsika]], [[Tantara|tantara an-tsehatra]] ary [[fandaharana]] amin'ny fahitalavitra<ref>CINÉMA – « Le succès n’est pas le fruit du hasard [archive] », sur AFRICA presse, 15 Juin 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>. == Fiainana sy Asa == Nanomboka ny asany tamin'ny sehatry ny haino aman-jery i [[Mamitiana Razafimandimby]] tamin'ny taona [[1995]], tamin'ny asa mifandraika amin'ny lafiny teknika amin'ny [[Famorana|famokarana]], indrindra tamin'ny maha-[[mpaka sary]] sy [[mpaka sary amin'ny kamera]].Tamin'ny taona [[2000]] eo ho eo.Nifantoka tamin'ny famokarana fandaharana amin'ny fahitalavitra izy ary nandray anjara tamin'ny fanatanterahana fandaharana [[fialamboly]] sy [[fanatanjahantena]] ho an'ny fantsona isan-karazany eto an-toerana<ref>Piratage : « 500 000 copies d’un film en deux temps trois mouvements [archive] », sur Studio SIFAKA_Feon’ny Tanora Maroloko , Mardi 09 Aout 2022 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>.Tamin'ny taona [[2003]] ka hatramin'ny [[2005]], nanao fiofanana maro amin'ny fanoratana tantara izy, izay nitondra azy tsikelikely ho amin'ny fitarihana sarimihetsika. Ny sarimihetsika voalohany vita amin'ny maha-mpamokatra azy dia ny [[Andrebabe (2005)]]. == Scoop Digital == [[Mamitiana Razafimandimby]] no tale jeneralin'ny [[Dignala|Scoop Digital]]<ref>Jalôko, sur<nowiki>[https://letterboxd.com]</nowiki>, 2009 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>, orinasa malagasy iray miompana amin'ny famokarana sarimihetsika sy fandaharana audiovisuel. Araka ny loharanom-baovao sasany, ny orinasa dia efa namokatra sarimihetsika lava mihoatra ny efapolo hatramin'ny nananganana azy tamin'ny taona 1995. Ny famokarana avy amin'ny [[Dignala|Scoop Digital]] dia miavaka indrindra amin'ny fantsom-pahitalavitra eo an-toerana sy ny fandraisana anjara amin'ny fananganana indostrian'ny sinema eto Madagasikara. == Asa == === Saga Malok’ila<ref>CINÉMA - « Malok’ila signe son grand retour [archive] », sur L’Express de Madagascar, Jeudi 5 janvier 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref> === Ny andiany Malok’ila dia heverina ho iray amin'ireo famokarana manan-danja nataon'i Mamitiana Razafimandimby.Ity saga ity, natomboka tamin'ny 2006, dia mampifangaro hetsika, adventure ary drama. Nisy andiany maromaro no natao nandritra ny taona maro: * Malok’ila 1 (2006) * Malok’ila 7 (2010) — niara-nitantana tamin'i Gérard Razafindrakoto * Malok’ila 8 (2010) — niara-nitantana tamin'i Gérard Razafindrakoto * Malok’ila 14 (2014) * Malok’ila 15 : Ny Fiverenana Lehibe (2023) — niara-nitantana tamin'i Germain Andriamanantena === Zavatra hafa vita === • Andrebabe (2005) — sarimihetsika lava voalohany navoaka .• Jalôko<ref>Jalôko, sur<nowiki>[https://letterboxd.com]</nowiki>, 2009 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref> — sarimihetsika mitambatra amin'ny drama, dia sy tolona, aingaina avy amin'ny lohahevitra mifandray amin'ny kolontsaina malagasy sy ny fiarahamonina ankehitriny. == Fomba sy lohahevitra == Matetika ny asan'i Mamitiana Razafimandimby dia miresaka lohahevitra momba ny fiarahamonina Malagasy, ny firaisankina, ary ny fahaiza-miatrika ny zava-tsarotra.Matetika ny sarimihetsik'izy ireo dia manambatra singa amin'ny drama sy hetsika, miaraka amin'ny fampidirana ireo fanovàna ara-kolontsaina eo an-toerana, indrindra amin'ny alalan'ny mozika sy ny fomban-drazana<ref>Madagascar : Cinéma - « Le succès n'est pas le fruit du hasard », sur AllAfrica, 15 Juin 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>. == Fanamarihana sy Loharano == 5as5cxzp9qxakxh20b0jcjeugnhdv1x 1149609 1149608 2026-08-23T13:59:11Z Gaël RALANTONIRINA 35834 1149609 wikitext text/x-wiki '''Mamitiana Razafimandimby''' dia [[mpanatontosa sarimihetsika]], [[mpanoratra tantara an-tsoratra ary mpamokatra malagasy]]. {{Infobox olona|anarana=Mamitiana Razafimandimby|firenena=Madagasikara|asa=mpamokatra , mpaka sary amin'ny sehatry ny Sarimihetsika|taona niasana=Nanomboka tamin’ny 1995}} Izy dia malaza indrindra tamin'ny fananganana sy fitantanana ny [[Dignala|Scoop Digital]], orinasa famokarana haino aman-jery miorina eto [[Madagasikara]], izay miasa amin'ny fanaovana [[sarimihetsika]], [[Tantara|tantara an-tsehatra]] ary [[fandaharana]] amin'ny fahitalavitra<ref>CINÉMA – « Le succès n’est pas le fruit du hasard [archive] », sur AFRICA presse, 15 Juin 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>. == Fiainana sy ny asa == Nanomboka ny asany tamin'ny sehatry ny haino aman-jery i [[Mamitiana Razafimandimby]] tamin'ny taona [[1995]], tamin'ny asa mifandraika amin'ny lafiny teknika amin'ny [[Famorana|famokarana]], indrindra tamin'ny maha-[[mpaka sary]] sy [[mpaka sary amin'ny kamera]].Tamin'ny taona [[2000]] eo ho eo.Nifantoka tamin'ny famokarana fandaharana amin'ny fahitalavitra izy ary nandray anjara tamin'ny fanatanterahana fandaharana [[fialamboly]] sy [[fanatanjahantena]] ho an'ny fantsona isan-karazany eto an-toerana<ref>Piratage : « 500 000 copies d’un film en deux temps trois mouvements [archive] », sur Studio SIFAKA_Feon’ny Tanora Maroloko , Mardi 09 Aout 2022 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>.Tamin'ny taona [[2003]] ka hatramin'ny [[2005]], nanao fiofanana maro amin'ny fanoratana tantara izy, izay nitondra azy tsikelikely ho amin'ny fitarihana sarimihetsika. Ny sarimihetsika voalohany vita amin'ny maha-mpamokatra azy dia ny [[Andrebabe (2005)]]. == Scoop Digital == [[Mamitiana Razafimandimby]] no tale jeneralin'ny [[Dignala|Scoop Digital]]<ref>Jalôko, sur<nowiki>[https://letterboxd.com]</nowiki>, 2009 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>, orinasa malagasy iray miompana amin'ny famokarana sarimihetsika sy fandaharana audiovisuel. Araka ny loharanom-baovao sasany, ny orinasa dia efa namokatra sarimihetsika lava mihoatra ny efapolo hatramin'ny nananganana azy tamin'ny taona 1995. Ny famokarana avy amin'ny [[Dignala|Scoop Digital]] dia miavaka indrindra amin'ny fantsom-pahitalavitra eo an-toerana sy ny fandraisana anjara amin'ny fananganana indostrian'ny sinema eto Madagasikara. == Asa == === Saga Malok’ila<ref>CINÉMA - « Malok’ila signe son grand retour [archive] », sur L’Express de Madagascar, Jeudi 5 janvier 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref> === Ny andiany Malok’ila dia heverina ho iray amin'ireo famokarana manan-danja nataon'i Mamitiana Razafimandimby.Ity saga ity, natomboka tamin'ny 2006, dia mampifangaro hetsika, adventure ary drama. Nisy andiany maromaro no natao nandritra ny taona maro: * Malok’ila 1 (2006) * Malok’ila 7 (2010) — niara-nitantana tamin'i Gérard Razafindrakoto * Malok’ila 8 (2010) — niara-nitantana tamin'i Gérard Razafindrakoto * Malok’ila 14 (2014) * Malok’ila 15 : Ny Fiverenana Lehibe (2023) — niara-nitantana tamin'i Germain Andriamanantena === Zavatra hafa vita === • Andrebabe (2005) — sarimihetsika lava voalohany navoaka .• Jalôko<ref>Jalôko, sur<nowiki>[https://letterboxd.com]</nowiki>, 2009 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref> — sarimihetsika mitambatra amin'ny drama, dia sy tolona, aingaina avy amin'ny lohahevitra mifandray amin'ny kolontsaina malagasy sy ny fiarahamonina ankehitriny. == Fomba sy lohahevitra == Matetika ny asan'i Mamitiana Razafimandimby dia miresaka lohahevitra momba ny fiarahamonina Malagasy, ny firaisankina, ary ny fahaiza-miatrika ny zava-tsarotra.Matetika ny sarimihetsik'izy ireo dia manambatra singa amin'ny drama sy hetsika, miaraka amin'ny fampidirana ireo fanovàna ara-kolontsaina eo an-toerana, indrindra amin'ny alalan'ny mozika sy ny fomban-drazana<ref>Madagascar : Cinéma - « Le succès n'est pas le fruit du hasard », sur AllAfrica, 15 Juin 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>. == Fanamarihana sy Loharano == npdj5sq5cn8o4onpkalfl56z6ytdj6f 1149610 1149609 2026-08-23T14:00:00Z Gaël RALANTONIRINA 35834 1149610 wikitext text/x-wiki '''Mamitiana Razafimandimby''' dia [[mpanatontosa sarimihetsika]], [[mpanoratra tantara an-tsoratra ary mpamokatra malagasy]]. {{Infobox olona|anarana=Mamitiana Razafimandimby|firenena=Madagasikara|asa=mpamokatra , mpaka sary amin'ny sehatry ny Sarimihetsika|taona niasana=Nanomboka tamin’ny 1995}} Izy dia malaza indrindra tamin'ny fananganana sy fitantanana ny [[Dignala|Scoop Digital]], orinasa famokarana haino aman-jery miorina eto [[Madagasikara]], izay miasa amin'ny fanaovana [[sarimihetsika]], [[Tantara|tantara an-tsehatra]] ary [[fandaharana]] amin'ny fahitalavitra<ref>CINÉMA – « Le succès n’est pas le fruit du hasard [archive] », sur AFRICA presse, 15 Juin 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>. == Fiainana sy ny asa == Nanomboka ny asany tamin'ny sehatry ny haino aman-jery i [[Mamitiana Razafimandimby]] tamin'ny taona [[1995]], tamin'ny asa mifandraika amin'ny lafiny tekinika amin'ny [[Famorana|famokarana]], indrindra tamin'ny maha-[[mpaka sary]] sy [[mpaka sary amin'ny kamera]].Tamin'ny taona [[2000]] eo ho eo.Nifantoka tamin'ny famokarana fandaharana amin'ny fahitalavitra izy ary nandray anjara tamin'ny fanatanterahana fandaharana [[fialamboly]] sy [[fanatanjahantena]] ho an'ny fantsona isan-karazany eto an-toerana<ref>Piratage : « 500 000 copies d’un film en deux temps trois mouvements [archive] », sur Studio SIFAKA_Feon’ny Tanora Maroloko , Mardi 09 Aout 2022 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>.Tamin'ny taona [[2003]] ka hatramin'ny [[2005]], nanao fiofanana maro amin'ny fanoratana tantara izy, izay nitondra azy tsikelikely ho amin'ny fitarihana sarimihetsika. Ny sarimihetsika voalohany vita amin'ny maha-mpamokatra azy dia ny [[Andrebabe (2005)]]. == Scoop Digital == [[Mamitiana Razafimandimby]] no tale jeneralin'ny [[Dignala|Scoop Digital]]<ref>Jalôko, sur<nowiki>[https://letterboxd.com]</nowiki>, 2009 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>, orinasa malagasy iray miompana amin'ny famokarana sarimihetsika sy fandaharana audiovisuel. Araka ny loharanom-baovao sasany, ny orinasa dia efa namokatra sarimihetsika lava mihoatra ny efapolo hatramin'ny nananganana azy tamin'ny taona 1995. Ny famokarana avy amin'ny [[Dignala|Scoop Digital]] dia miavaka indrindra amin'ny fantsom-pahitalavitra eo an-toerana sy ny fandraisana anjara amin'ny fananganana indostrian'ny sinema eto Madagasikara. == Asa == === Saga Malok’ila<ref>CINÉMA - « Malok’ila signe son grand retour [archive] », sur L’Express de Madagascar, Jeudi 5 janvier 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref> === Ny andiany Malok’ila dia heverina ho iray amin'ireo famokarana manan-danja nataon'i Mamitiana Razafimandimby.Ity saga ity, natomboka tamin'ny 2006, dia mampifangaro hetsika, adventure ary drama. Nisy andiany maromaro no natao nandritra ny taona maro: * Malok’ila 1 (2006) * Malok’ila 7 (2010) — niara-nitantana tamin'i Gérard Razafindrakoto * Malok’ila 8 (2010) — niara-nitantana tamin'i Gérard Razafindrakoto * Malok’ila 14 (2014) * Malok’ila 15 : Ny Fiverenana Lehibe (2023) — niara-nitantana tamin'i Germain Andriamanantena === Zavatra hafa vita === • Andrebabe (2005) — sarimihetsika lava voalohany navoaka .• Jalôko<ref>Jalôko, sur<nowiki>[https://letterboxd.com]</nowiki>, 2009 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref> — sarimihetsika mitambatra amin'ny drama, dia sy tolona, aingaina avy amin'ny lohahevitra mifandray amin'ny kolontsaina malagasy sy ny fiarahamonina ankehitriny. == Fomba sy lohahevitra == Matetika ny asan'i Mamitiana Razafimandimby dia miresaka lohahevitra momba ny fiarahamonina Malagasy, ny firaisankina, ary ny fahaiza-miatrika ny zava-tsarotra.Matetika ny sarimihetsik'izy ireo dia manambatra singa amin'ny drama sy hetsika, miaraka amin'ny fampidirana ireo fanovàna ara-kolontsaina eo an-toerana, indrindra amin'ny alalan'ny mozika sy ny fomban-drazana<ref>Madagascar : Cinéma - « Le succès n'est pas le fruit du hasard », sur AllAfrica, 15 Juin 2023 (consulté le 07 Octobre 2025)</ref>. == Fanamarihana sy Loharano == 54zfv8ju7q038yrezuviv99884su9tz Fanjakana laîka 0 297059 1149611 1125957 2026-08-23T19:03:05Z Kwamikagami 2846 merge map 1149611 wikitext text/x-wiki [[File:Secular States Map.svg|thumb|{{legend|#0093AF|Firenena manana fanjakana laîka}}{{legend|#EB151C|Firenena manana fivavaham-panjakana}}{{legend|#dedede|Firenena manalasala na tsy nahazoana angona}}|416x416px]] Ny '''fanjakana laîka''' dia [[fanjakana]] milaza ho tsy miandany amin' ny resaka [[fivavahana]], ary tsy manohana na ny fivavahana na ny tsy fivavahana. Mampitovy tantana ny olom-pireneny rehetra ny fanjakana laîka, na inona na inona fivavahan' izy ireo, ary milaza fa misoroka ny fanomezany tombony manokana ny olom-pirenena iray, noho ny finoany na ny fivavahana arahiny na ny tsy fisian' ireo roa ireo, raha mitaha amin' ny olom-pirenena hafa. Tsy manana [[fivavaham-panjakana]] ny fanjakana laîka, nefa ny tsy fisian' ny fivavaham-panjakana miorina dia tsy midika fa laîka tanteraka na mampitovy zo tanteraka ilay fanjakana. Ohatra, ny fanjakana sasany milaza tena ho laîka dia manana andinin-teny ara-pivavahana ao amin' ny [[Hiram-pirenena|hiram-pireneny]] sy ny [[Sainany (faneva)|sainany]], manana lalàna manome tombony ny fivavahana iray fa tsy ny hafa, na mpikambana ao amin' ny Fikambanan' ny Fiaraha-Miasa Silamo sy ny Fikambanana Iraisam-Pirenena ho an' ny Fahalalahan' ny Fivavahana na ny Finoana. == Fiaviana sy fanao == Azo apetraka manomboka amin' ny famoronana azy ny maha laîka ny fanjakana iray (ohatra, ny [[Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika|Firaisana Sôvietika]], i [[Etazonia]]) na any aoriana (oh: i [[Frantsa]] na i [[Nepaly]]). Namaritra foto-kevitra maro vaovao momba ny [[sekiolarisma]] ny hetsika isan-karazany ho an' ny ''laïcité'' any Frantsa sy ny [[Fisarahan' ny fiangonana sy ny fanjakana|fisarahan']] [[Fisarahan' ny fiangonana sy ny fanjakana|ny fiangonana sy ny fanjakana]] any Etazonia, i Etazonia no governemanta laîka mazava voalohany teo amin' ny tantara. Teo amin' ny tantara, ny fizorana mankany amin' ny sekiolarisma dia matetika ahitana fanomezana fahalalahana ara-pivavahana, fanafoanana ny fivavaham-panjakana, fampitsaharana ny fampiasana ny volam-panjakana amin' ny fivavahana, fanafahana ny rafi-pitsarana amin' ny fanaraha-maso ara-pivavahana, fanafahana ny rafi-panabeazana amin' ny fivavahana, fandeferana ny olom-pirenena izay miova fivavahana na miala amin' ny fivavahana, ary mamela ny mpitarika pôlitika hiditra eo amin' ny fitondrana na inona na inona finoany. Any [[Frantsa]] sy any [[Italia]] ary any [[Espaina]], ohatra, dia mifanandrify amin' ny andro fety kristianina ny tsy fiasana eo amin' ny fitondram-panjakana. Karamain' ny fanjakana ny mpampianatra ao amin' ny [[sekoly tsy miankina]] rehetra any Frantsa izay nanao fifanarahana amin' ny ''Éducation nationale'' — ao anatin' izany toe-javatra izany ny ankamaroan' ny sekoly katôlika noho izy ireo maro anisa teo amin' ny tantarany. Na izany aza dia manao toy izany koa ny sekoly sasany, na sekolim-pinoana na tsy sekolim-pinoana. Any amin' ny firenena eorôpeanina sasany izay ahitana sekiolarisma mifanandrina amin' ny filantrôpia manana pôlitika mamporisika na mamela ny fisian' ny kolontsaina tokana, dia miankina amin' ny fanjakana ny sasany amin' ny antokom-pinoana kristiana lehibe sy ny sekta amin' ny fivavahana hafa momba ny loharanom-bola sasany ho an' ny asa soa ara-pivavahana sahaniny. Fahita ao amin' ny lalànan' ny orinasa sy ny lalàna momba ny fiantrana ny mandrara ny fivavahana voalamina tsy hampiasa ireo vola ireo hikarakarana fanompoam-pivavahana amin' ny toeram-pivavahana mitokana na ho an' ny asa mikendry fiovam-po; tsy maintsy manome ny votoatiny ara-pivavahana sy ny mpitondra fivavahana ary ny laîka voaofana ny fikambanana ara-pivavahana mba hisahanany ny anjara andraikiny manokana ary afaka misafidy ny hanokana ny ampahany amin' ny fotoanany ho an' ny asa soa misaraka. Mba hanatratrarana izany tanjona izany dia nanangana fikambanana tsy ara-pivavahana izay mitantana ny ampahany na manontolo amin' ny fanomezana rehetra avy amin' ny fikambanana ara-pivavahana lehibe ny sasany amin' ireo fikambanana mpanao asa soa ireo. Firenena maro laîka amin' izao fotoana izao no mety mitahiry didona voafaritry ny lalàna, sisa tamin' ny [[fivavaham-panjakana]] niorina tany taloha. Manana endrika samihafa izay mety mifanitsy amin' ny endri-pisian' ny fivavaham-panjakana koa ny [[sekiolarisma]]. Any amin' ny [[Fanjakana Mitambatra]] (''United Kingdom''), ny lehibem-panjakana dia mbola tsy maintsy manao ny fianianana amin' ny fanokanana (''Coronation Oath'') izay fanao natomboka tamin' ny taona 1688, mianiana fa hihazona ny [[Fiangonana nohavaozina|fivavahana]] [[Fiangonana nohavaozina|prôtestanta nohavaozina]] sy hiaro ny [[Fiangonan' i Angletera]] (''Church of England''). Ny Fanjakana Mitambatra koa dia manana toerana ao amin' ny ''House of Lords'' ho an' ny klerjy zokiolona 26 ao amin' ny Fiangonan' i Angletera, fantatra amin' ny anarana hoe ''Lords Spiritual''. Any [[Kanada]], ny Dina Kanadianan' ny Zo sy ny Fahalalahana (''Canadian Charter of Rights and Freedoms'') dia manome fahalalahana laîka amin' ny fieritreretana sy ny fivavahana, ny fisainana, ny finoana, ny hevitra ary ny fanehoan-kevitra, ao anatin' izany ny fifandraisana sy ny fivoriana ary ny fikambanana. Saingy ny sasin-tenin' ny ''Canadian Charter'' dia mitazona ny foto-kevitry "ny fahambonian' Andriamanitra" ("''the supremacy of God''") izay toa manimba ireo izay manana fivavahana tsy [[Teisma|teista]] na [[Pôliteisma|mino andriamanitra maro]], anisan' izany ny [[ateisma]] sy ny [[bodisma]]. Firenena laîka i [[Italia]] hatramin' ny nametrahana ny Lalàmpanorenany tamin' ny taona 1948, izay nohamafisin’ ny didim-pitsarana navoakan' ny [[Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana]] (''Corte costituzionale della Repubblica Italiana'') tamin' ny taona 1989, nefa mbola manaiky ny sata manokan' ny [[Eglizy Katôlika Rômanina|Eglizy Katôlika]]. Mety hitranga koa anefa ny fivoarana mifamadika amin' izany; ny fanjakana iray dia afaka miala amin' ny maha laîka ho [[Fivavaham-panjakana|fanjakana ara-pivavahana]], toa an' i [[Iràna]] izay nonova ny [[Diastian' ny Pahlavi|Fanjakana Imperialin' i Iràna]] izay laîka ho [[Repoblika islamika|Repoblika Islamika]]. Na izany aza, tao anatin' ny 250 taona lasa dia nahitana fironana mankany amin' ny sekiolarisma. == Jereo koa == * [[Sekiolarisma]] * [[Fivavaham-panjakana]] * [[Ateismam-panjakana]] * [[Fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana]] * [[Fivavaham-pirenena]] * [[Fivavahana ôfisialy]] * [[Fanavakavahana ara-pivavahana]] * [[Teôkrasia]] * [[Blasfemia]] * [[Lalàna momba ny blasfemia]] * [[Fivavahana ao anatin' ny pôlitika]] * [[Fanononana an' Andriamanitra ao amin' ny lalampanorenana]] r7gbz111uyzzun7a1eetaz7vjczgh6o Douglas Ruas 0 301720 1149612 2026-08-24T09:00:50Z ~2026-43677-38 40632 Pejy noforonina tamin'ny « [[sary:Entrevista do Secretario de Cidades do RJ, Douglas Ruas 2 (cropped).png|thumb| Douglas Ruas]] '''Douglas Ruas dos Santos''' dia [[polisy]] sivily, [[mpanao politika]] mizaka ny zom-pirenen'i {{Brazila}} teraka ny 17 Janoary 1989 tao [[São Gonçalo (Rio de Janeiro)|São Gonçalo]], miaraka amin'ny [[Partido Liberal|Antoko Liberaly]] (PL). Izy dia solombavam-panjakana ao {{Rio de Janeiro}} ary filohan'ny Antenimieram-pirenena ao amin'ny fanjakan'i Rio de... » 1149612 wikitext text/x-wiki [[sary:Entrevista do Secretario de Cidades do RJ, Douglas Ruas 2 (cropped).png|thumb| Douglas Ruas]] '''Douglas Ruas dos Santos''' dia [[polisy]] sivily, [[mpanao politika]] mizaka ny zom-pirenen'i {{Brazila}} teraka ny 17 Janoary 1989 tao [[São Gonçalo (Rio de Janeiro)|São Gonçalo]], miaraka amin'ny [[Partido Liberal|Antoko Liberaly]] (PL). Izy dia solombavam-panjakana ao {{Rio de Janeiro}} ary filohan'ny Antenimieram-pirenena ao amin'ny fanjakan'i Rio de Janeiro (ALERJ).​ Zanaky ny ben'ny tanànan'i São Gonçalo, [[Capitão Nelson]], ary Marinete Ruas izy. ==Jereo koa== {{commonscat}} {{DEFAULTSORT:Ruas, Douglas}} [[Sokajy:Mpanao politika ao Rio de Janeiro]] [[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1958]] [[Sokajy:Partido Liberal]] 5hi828p8j1jaavub3ynlni0n1oq25r5 1149613 1149612 2026-08-24T09:02:10Z ~2026-43677-38 40632 1149613 wikitext text/x-wiki [[sary:Entrevista do Secretario de Cidades do RJ, Douglas Ruas 2 (cropped).png|thumb| Douglas Ruas]] '''Douglas Ruas dos Santos''' dia [[polisy]] sivily, [[mpanao politika]] mizaka ny zom-pirenen'i {{Brazila}} teraka ny 17 Janoary 1989 tao [[São Gonçalo (Rio de Janeiro)|São Gonçalo]], miaraka amin'ny [[Partido Liberal|Antoko Liberaly]] (PL). Izy dia solombavam-panjakana ao {{Rio de Janeiro}} ary filohan'ny Antenimieram-pirenena ao amin'ny fanjakan'i Rio de Janeiro (ALERJ).​ Zanaky ny ben'ny tanànan'i São Gonçalo, [[Capitão Nelson]], ary Marinete Ruas izy. ==Jereo koa== {{commonscat}} [[en:Douglas Ruas]] [[pt:Douglas Ruas]] {{DEFAULTSORT:Ruas, Douglas}} [[Sokajy:Mpanao politika ao Rio de Janeiro]] [[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1958]] [[Sokajy:Partido Liberal]] qkcd7nem6ewhd9vzafz7gj2kc5oqou7 APG II 0 301721 1149616 2026-08-24T10:39:58Z Thelezifor 15140 Fihodinana 1149616 wikitext text/x-wiki #FIHODINANA[[Fanasokajiana APG II]] j4nqk2jc420ahln9xrghls01fk9ujlu