Wikipedia
mgwiki
https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana
MediaWiki 1.47.0-wmf.19
first-letter
Rakitra
Manokana
Dinika
Mpikambana
Dinika amin'ny mpikambana
Wikipedia
Dinika amin'ny Wikipedia
Sary
Dinika amin'ny sary
MediaWiki
Dinika amin'ny MediaWiki
Endrika
Dinika amin'ny endrika
Fanoroana
Dinika amin'ny fanoroana
Sokajy
Dinika amin'ny sokajy
TimedText
TimedText talk
Module
Discussion module
Event
Event talk
Henri Gouraud
0
208899
1150618
746394
2026-09-11T22:53:30Z
~2026-49293-40
41007
Nandresy ny nasionalista Tiorka tao anatin’ireo fampielezan-kevitra ireo ny tafika mitam-piadiana frantsay, ny an’i Syria teo ambanin’ny Mandat ary ny an’ny Protektoratan’i Kilikia.
1150618
wikitext
text/x-wiki
{{infobox olona
|sary=
|anarana=Henri Gouraud
|teraka=1 Janoary 1944
|maty=
|firenena=Frantsa
|mpiaraka=
|asa=
* [[mpahay kajimirindra]]
* [[injeniera]]
|taona niasàna=
}}
'''Henri Gouraud''' dia mpahay kajimirindra, injeniera mizaka ny zom-pirenen'i [[Frantsa]] teraka ny 1 Janoary 1944. Zana-drahalahin’ny Jeneraly Henri Gouraud izy, izay nandresy ireo nasionalista Tiorka tany avaratr’i Syria sy Kilikia.
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]
===Rohy ivelany===
* Ao amin'i Freebase: [https://www.freebase.com/m/01sqpc]
[[sokajy:Biôgrafia]]
{{vangovango}}
[[sokajy:mpahay kajimirindra]]
[[sokajy:injeniera]]
[[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1944]]
koipqbsgnwjqn829f2t0i9sfx4ay85m
Steven Wilson
0
210018
1150613
1024804
2026-09-11T18:28:42Z
Niegodzisie
19747
1150613
wikitext
text/x-wiki
{{infobox olona
|sary=
|anarana=Steven Wilson
|teraka=3 Novambra 1967
|maty=
|firenena=
|mpiaraka=
|asa=
* [[mpilalao gitara]]
* [[injeniera]]
|taona niasàna=
}}
[[Sary:Steven Wilson (ZMF 2018) jm67415.jpg|vignette|Steve Wilson, [[Zelt-Musik-Festival]] 2017 any [[Freiburg]], [[Alemana]]]]
'''Steven John Wilson'''<ref>{{Cite web |title=kopian'ny arisiva |url=https://www.terazmuzyka.pl/artysci/2120/steven-wilson.html |accessdate=2019-11-22 |archivedate=2019-11-22 |archiveurl=https://web.archive.org/web/20191122225647/https://www.terazmuzyka.pl/artysci/2120/steven-wilson.html }}</ref> dia mpilalao gitara, injeniera teraka ny 3 Novambra 1967
== Jereo koa ==
* [[Biôgrafia]]
===Rohy ivelany===
* Ao amin'i Freebase: [https://www.freebase.com/m/0326tc] {{Wayback|url=https://www.freebase.com/m/0326tc |date=20150918003544 }}
== Loharano sy fanamarihana ==
{{reflist}}
[[sokajy:Biôgrafia]]
{{vangovango}}
[[sokajy:mpilalao gitara]]
[[sokajy:injeniera]]
[[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1967]]
l3ri6cgavfkecrpiy36uaow5esb3nkm
Zafisoro
0
279016
1150625
1136375
2026-09-12T06:33:33Z
~2026-39119-14
40302
Namafa soratra tsy ilaina
1150625
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Zafisoro''' dia [[vondrom-poko]] [[Foko eto Madagasikara|malagasy]] monina any amin' ny faritra amorontsiraka atsimo-atsinanan' i [[Madagasikara]], ka ao amin' ny [[distrikan' i Farafangana]] no ahitana azy ireo betsaka<ref name=":0"><small>Facts On File, Incorporated, ''[http://books.google.nl/books?id=stl97FdyRswC&lpg=PA30&dq=antaifasy&pg=PA30#v=onepage&q=antaifasy&f=false Encyclopedia of the Peoples of Africa and the Middle East]'' (Infobase Publishing, 2009)</small></ref>. Heverina ho zana-pokon' ny [[Antefasy]] ny Zafisoro sady mitovy faritra onenana amin' ny Antefasy. Maro ny [[Etnôlôjia|etnôlôga]] no mihevitra fa zana-pokon' ny [[Antesaka]] ny Antefasy sy ny Zafisoro<ref name=":0" />. Tamin' ny taona 2025 dia nilaza ny ''[[Joshua Project]]'' fa miisa 146 000 ny Zafisoro<ref name=":2"><small>"[https://joshuaproject.net/people_groups/print/16079/MA? Zafisoro in Madagascar]", ''joshuaproject.net'', notsidihina tamin' ny 07/10/2025.</small></ref>.
== Isan' ny mponina ==
Tamin' ny taona 2015 ny ''Joshua Project'' dia nilaza fa miisa 91 000 ny olona mitonon-tena ho Zafisoro<ref><small>''[https://www.joshuaproject.net/people_groups/16079/MA Zafisoro of Madagascar]''. Joshua project notsidihina tamin' ny 5 Desambra 2015.</small></ref> ary niisa 146 000 izy ireo tamin' ny tana 2025<ref name=":2" />.
== Tantaran' ny Zafisoro ==
=== Fiaviana ===
[[Sary:Zafisoro ethnic group of Madagascar.png|vignette|Faritra nentim-paharazana misy ny Zafisoro sy ny foko manodidina azy]]
Ny Zafisoro dia foko madinika izay mety avy amin' ny [[Afrikana (vahoaka)|Afrikana]] mpifindra monina niondrana an-dakana nankaty [[Madagasikara]] tamin' ny taonjato faha-15, ka tamin' izany dia vahoaka iray ihany izy sy ny [[Antefasy]] mpifanolo-bodirindrina aminy ankehitriny.
Araka ny [[Lovantsofina|lovantsofin]]' ny Antefasy anefa dia avy any anaty tanin' i [[Afrika]] ny razamben' izy ireo atao hoe [[Ndretsileo]] (Andriatsileo). Te honina amin' ny faritr' i Madagasikara manamorona ny reniranon' i [[Menarandra]] (any atsimo-andrefana) i Ndretsileo. Efa nalain' ny [[Bara]] anefa izany faritra izany, ka noho izany ny zafin' i Ndretsileo atao hoe [[Ndrembolanony]] (Andriambolanony) dia nifindra nankany atsinanana kokoa niaraka tamin' ny tafikany izay notarihan' ny Fanalolahy atao hoe [[Isoro]] na [[Soronady]]. Taty aoriana dia niorim-ponenana tao amin' ny morontsiraka atsinanana mba hanao raharaham-barotra amin' ny Eorôpeana izay niantsona teo ny [[Antefasy]]. Noho ny tsy fifanarahana anatiny ny amin' ny fizaràna ny tany dia nisaraka tamin' ny taranak' i Ndrembolanony ny taranak' i Isoro na Soronady ka nantsoina nanomboka tamin' izay hoe ''Zafisoro'', izany hoe "Zafin' Isoro"<ref><small>Johannes Nicolaisen, ''[http://books.google.nl/books?id=GZOAAAAAMAAJ&q=zafisoro&dq=zafisoro&hl=nl&sa=X&ei=V9lHU7WgIsOQ0AXX4YHoAw&ved=0CEcQ6AEwAzgK Folk]'' (Dansk etnografisk forening., 1981)</small></ref>. Izany fisarahan' ny Zafisoro sy ny Antefasy izany dia niseho tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-16 sy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-17. Nanorina ny fanjakany manokana ny taranak' Andriambolanony, dia ny [[Fanjakana Antefasy]], fa ny taranak' Isoro kosa nanorina ny [[Fanjakana Zafisoro]]<ref name=":1"><small>''[http://www.star-bike.com/eem2.html Bako loisir]'' (frantsay). Bako Loisir, notsidihina tamin' ny 5 Desambra 2015.</small></ref>. Nanomboka tamin' izay dia tsy nitsahatra niady ny Zafisoro sy ny Antefasy ka lasa foko roa samy hafa.
=== Tamin' ny andon' ny Fanjakana Merina ===
Tamin' ny taonjato faha-19 dia ny [[Merina]] no nanapaka ny Zafisoro sy ny Antefasy taorian' ny ady lava<ref><small>Gwyn Campbell, ''[http://books.google.nl/books?id=Va8yAQAAQBAJ&lpg=PA815&dq=antaifasy&hl=nl&pg=PA815#v=onepage&q=antaifasy&f=false David Griffiths and the Missionary “History of Madagascar”]'' (BRILL, 2012)</small></ref>, satria ataon' izy ireo fa fomba iray hampiravina ny disadisan' ny foko roa tonta izany. Ny fepetra nangatahin' ny Zafisoro dia ny hahafahan' izy ireo, alohan' ny Antefasy, hisafidy ny governora solon-tenan' ny mpanjaka merina ([[Ranavalona I]]) hanapaka ao amin' izy ireo, ao amin' ny renivohitra Mahamanina. Neken' ny mpanjaka izany fangatahana izany ka Rainilaitafika no voatendry. Napetraka tao Mahamanina ny governora niaraka tamin' ny tafika tamin' ny taona 1830<ref><small>''[http://www.courrierdemada.com/mg/index.php?option=com_content&view=article&id=15600:survol-historique--les-zafisoro-ou-zafinisoro-suite Les relations Zafisoro - Merina]''. Courrier de Madagascar, notsidihina tamin' ny 5 Desambra 2015.</small></ref>. Araka izany dia tafiditra tao amin' ny [[Fanjakan' Imerina]] (izay nantsoina hoe "Fanjakan' i Madagasikara") ny Zafisoro.
=== Taorian' ny fahaleovantenan' i Madagasikara ===
Na taty aorian' ny nahazoana ny fahaleovan-tenan' i [[Madagasikara]] dia tsy nitsahatra ny adin' ny Zafisoro sy ny Antefasy. Tamin' ny taona 1990 dia rafitra niady nifamono ny roa tonta tamin' ny volana Septambra, ka olona 40 no maty hatramin' ny volana Oktobra. Taorian' izany dia nisy ny fifanarahana nosoniavin' ny roa tonta ny amin' ny tsy hisian' ny ady intsony<ref><small>Janine Ramamonjisoa. ''[http://www.haisoratra.org/breve.php3?id_breve=225 L'ethnicisation des rapports sociaux à Madagascar (suite)] {{Wayback|url=http://www.haisoratra.org/breve.php3?id_breve=225 |date=20080517064328 }}''. L'Express de Madagascar, notsidihina tamn' ny 5 Desabra 2015.</small></ref>. Ankehitriny dia mbola misy ny tsy fifanarahana madinidinika, indrindra ny disadisa momba ny tanim-bary izay atahorana hampipoaka indray ny ady.
== Faritra onenan' ny Zafisoro ==
Ny tany onenan' ny Zafisoro dia ao amin' ny morontsiraka atsimo-atsinanan' i Madagasikara, ao amin' ny [[faritra Atsimo-Atsinanana]], avaratra andrefan' i [[Farafangana]] hatrany Amporoforo, faritra manasaraka ny [[Distrikan' i Farafangana]] sy ny [[Distrikan' i Vohipeno]] ankehitriny.. Ny foko ao avaratra dia ny [[Antemoro]], ao atsinana ny [[Antefasy]], ao andrefana ny [[Bara]], ary ao atsimo ny [[Antesaka]].
== Kolontsaina ==
Manaraka ny [[Fivavahan-drazana malagasy|fivavahan-drazana]] [[Animisma|animista]] ny ankamaroan' ny Zafisoro. Tsy misy fiavahany firy amin' ny fomba amam-panaon' ny Antefasy - izay nipoirany - ny an' ny Zafisoro. Ohatra, tsy mandevina ny maty izy ireo fa mametraka azy anaty kibory, izay trano masina natokana ho an' ny maty. Maro koa ny Zafisoro manaraka ny [[fivavahana kristiana]].
== Jereo koa ==
[[Sary:Ethnic_groups_of_Madagascar_Map.png|vignette|Ny fitsinjaran' ny vondrom-poko eto Madagasikara]]'''Ny foko eto Madagasikara'''
* [[Antambahoaka]] - [[Antandroy]] - [[Antankarana]] - [[Antanosy]] - [[Antefasy]] - [[Antemoro]] - [[Antesaka]] - [[Bara]] - [[Beosy]] - [[Betsileo]] - [[Betsimisaraka]] - [[Bezanozano]] - [[Mahafaly]] - [[Makoa]] - [[Masikoro]] - [[Merina]] - [[Mikea]] - [[Sakalava]] - [[Sihanaka]] - [[Tanala]] - [[Tsimihety]] - [[Vezo]] - [[Zafimaniry]] - [[Zafisoro]].
'''Ny vahoaka hafa eto Madagasikara'''
* [[Sinoa eto Madagasikara]]
* [[Vazaha eto Madagasikara]]
* [[Karàna]]
* [[Kômôriana eto Madagasikara]]
'''Samihafa'''
* [[Jiosy malagasy]]
== Boky azo anovozan-kevitra ==
* Diagram Group (2013). ''[https://books.google.mg/books?id=ISAuAgAAQBAJ&printsec=copyright#v=onepage&q&f=false Encyclopedia of African Peoples].'' San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>.
* Ogot, Bethwell (1992). ''[https://unesdoc.unesco.org/ark:/48223/pf0000121577 Africa from the Sixteenth to the Eighteenth Century]''. Paris: UNESCO. <nowiki>ISBN 1-84162-197-8</nowiki>. Retrieved November 30, 2010.
* Ferrand, G. (1909). [https://www.persee.fr/doc/bmsap_0037-8984_1909_num_10_1_8033 ''L'Origine africaine des Malgaches''], Bulletin et Mémoires de la Société d’anthropologie de Paris, Persée
* Dewar, R. E. & Wright, H. T. (1993). ''[https://protectedareas.mg/document/show/163952 The Culture History of Madagascar]'', Journal of World Prehistory. Deep Blue
* Martin, N. (2011) ''[https://journals.openedition.org/oceanindien/1309 Madagascar, une île au carrefour d'influences]''. OpenEdition Journals
== Loharano sy fanamarihana ==
229r7pxjoti4ve1pa5ugbojoqxkjm5c
Lembalemba
0
279607
1150617
1122155
2026-09-11T20:30:12Z
~2026-39119-14
40302
Nanitsy hadisoam-pitendrena
1150617
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Namibie Waterberg 01.JPG|vignette|311x311px|Lembalemba any Namoibia, misy ny valanjavaboary Waterberg.]]
Ny '''lembalemba''' dia endriky ny [[vohon' ny tany|vohon'ny tany]] izay manana [[haambo]] avo kokoa raha mitaha amin'ny faritra manodidinba azy sady midadasika nefa tsy dia mikintoana loatra tsy tahaka ny [[tendrombohitra]]. Iray amin'ny endrika telo lehiben'ny vohon'ny tany ny lembalemba, ka ny roa hafa, dia ny [[tany lemaka]] sy ny [[tendrombohitra]]. Faritra ara-jeôgrafia ahitana [[renirano]] mikoriana any ambany lalina ny lembalemba, tsy tahaka ny tany lemaka izay ikorianan-drano saika mitovy haavo amin'ny tany. Tsy dia mikintoana loatra ny vohon'ny tany anelanelan-drenirano ao amin'ny lembalemba , ka izay no iavahany amin'ny tendrombohitra.
== Jereo koa ==
* [[Tendrombohitra]]
* [[Havoana]]
* [[Tangorom-bohitra]]
* [[Tandavan-tendrombohitra]]
* [[Lohasaha]]
* [[Deboka]]
* [[Lempona]]
* [[Lembalemba]]
*[[Tany kemaka]]
* [[Voambolan' ny jeôgrafia]]
s79sp4eyh12zofwwnlh30b9t65mjpuj
Fanjakan' i Onilahy
0
290773
1150614
1148860
2026-09-11T19:02:19Z
Thelezifor
15140
Nanova tanteraka ny teny fampidiana
1150614
wikitext
text/x-wiki
[[Sary:Onilahy watershed.png|vignette|421x421px|Ny faritanin-dranon' i [[Onilahy (ony)|Onilahy]]]]Ny '''Fanjakan'''' '''i Onilahy''' dia fanjakana tao amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i [[Madagasikara]], izay mivelatra manaraka ny lohasaha sy ny faritra ambany amin' ny ony [[Onilahy (ony)|Onilahy]]. Maneho ny fivoaran' ny fahefana pôlitika nentim-paharazana maro teo an-toerana ny tantarany, izay niovaova sisin-tany arakaraka ny vanim-potoana. Tao amin' ny tanin' ny [[Mahafaly]] indrindra no niorenany ary nisy fifandraisana sy fifanakalozana be, ary indraindray koa fifaninanana, tamin' ny vondrona maro hafa izay samy any atsimo-andrefana, toy ny [[Bara]], ny [[Masikoro]], ny [[Antanosy]], ny [[Sakalava]] ary ny [[Antandroy]].
Ny fahefana teo amin' io faritra io dia notazonin' ny andriana Mahafaly avy amin' ny tarana-mpanjaka [[Maroserana]], izay taranaka lazaina fa nanomboka nisy tany amin' ny taompolo 1600 tany ho any. Manodidina ny taona 1750 sy nandritra ny taonjato faha-18 mantsy dia nizara ho faritra maromaro mahaleo tena ny tanin' ny Mahafaly; anisan' izany ny faritr' i Onilahy izay anisan' ny [[Fanjakana mahafaly|fanjakana]] [[Fanjakana mahafaly|mahafaly]] lehibe efatra, niaraka tamin' ny [[Fanjakan' i Sakatovo]] sy ny [[Fanjakan' i Menarandra]] ary ny [[Fanjakan' i Linta]]. Tao Manera, any atsinanan' i [[Betioky Atsimo|Betioky]], no nisy ny foibe ara-pitantanana sy ara-panahin' ilay fanjakana. Nisy vahoaka mpamboly sy mpiompy nipetraka tao amin' io fanjakana io, izay nanana fomba amam-panao matanjaka mifandraika amin' ny ady koa. Ny firaisankina ara-kolontsaina sy ny fahefana ara-pôlitika dia nifototra indrindra tamin' ny tandindona masina toy ny [[hazomanga]] (toerana masina fanaovana [[sorona]]) sy ny fasan' ny mpanjaka.
Na dia teo aza ny fifandirana momba ny fizaràn-tany miverimberina tamin' ny fanjakana maro mifanila aminy sy ny andrana fanjakazakana avy any ivelany, dia nahomby tamin' ny fitazonana ny fahaleovantenany nandritra ny fotoana maharitra ny Fanjakan' i Onilahy. Nifandray tamin' ny manampahefana [[Merina]] izy talohan' ny nisehoany ho foibem-panoherana ny fanjanahantany tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19. Ny tantara dia manasongadina manokana ny mpanjaka Refotaka, izay voarakitra tsara ao amin' ny loharanom-baovao ara-tantara nanomboka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-20, izay naneho ny fahefana tao amin' ilay faritra izay miovaova hatrany mandra-pahatongan' ny fandravana tanteraka an' ilay fanjakana nataon' ny fitondrana frantsay.
== Fiavian' ny anarany ==
Nahazo io anarany io avy amin' ny anaran' ny [[ony]] atao hoe [[Onilahy (ony)|Onilahy]] izay mamakivaky ny faritra nisy an' io fanjakana io ny Fanjakan' i Onilahy. Ony lehibe eto [[Madagasikara]] i Onilahy, ary azo inoana fa nomena io anarana io ity fanjakana ity noho ny maha zava-dehibe ilay ony ao amin' ilay faritra na amin' ny olona nonina tao.
== Tantara ==
Fanjakana natanjaka tany atsimo-andrefan' i Madagasikara, manodidina ny ony [[Onilahy (ony)|Onilahy]], ny Fanjakan' i Onilahy. Nisongadina teo amin' ny tantarany ny fitaoman' ny vahoaka [[Mahafaly]] sy [[Antandroy|Tandroy]] sy [[Vezo]] ary [[Masikoro]], ary koa ny varotra tamin' ny Eorôpeana sy ny [[Arabo (vahoaka)|Arabo]]. Naorin' ny mpifindra monina avy any [[Afrika Atsinanana]] tamin' ny taonjato faha-16 io fanjakana io.
ivoatra manodidina ny ony mitovy anarana aminy, izay nanan-danja tamn' ny lafiny toekarena sy stratejika, ny Fanjakan' i Onilahy. Nonina tao ny Mahafaly sy ny Tandroy ary ny Vezo, izay nanangana rafitra pôlitika tsikelikely manana foibem-pitondrana. Nalaza tamin' ny fanoherana ny fitaomana avy any ivelany sy tamin' ny fandaminany ara-piarahamonina mifototra amin' ny [[Fokom-pianakaviana|foko]] sy ny mpitarika nentim-paharazana ireo vahoaka ireo. Niitatra ny Fanjakan' i Onilahy tamin' ny taonjato faha-16 na faha-17 rehefa tonga ny foko [[Masikoro]].
Niroborobo io fanjakana io tamin' ny alalan' ny [[varotra]] sy ny [[fambolena]] ary ny [[fiompiana]]. Nanana ny anjara toerany lehibe teo amin' io faritra io izy, indrindra tamin' ny fanaraha-maso ny lalam-barotra sy ny harena voajanahary. Nalamina ho sarangnam-poko ny [[fiarahamonina]], misy andriana, mpitondra fivavahana, mpanao asa tanana ary mpamboly.
Tamin' ny faratampon' ny heriny dia ivon' ny varotra lehibe tany atsimo-andrefan' i Madagasikara ny Fanjakan' i Onilahy. Nitazona ny fifanakalozana tamin' ny mpivarotra sy mpiantsambo [[Arabo (vahoaka)|arabo]] sy [[Pôrtogey (vahoaka)|pôrtogey]] ary [[Frantsay (vahoaka)|frantsay]] izy. Niroborobo ny fivarotana biby fiompy ([[omby]] sns) sy [[sira]] ary [[Andevo (teto Madagasikara)|andevo]], ka nahatonga ity faritra ity ho anisan' ny von' ny fifanakalozana ara-toekarena taty amin' ny [[Ranomasimbe Indiana]].
Niatrika ady anatiny sy ivelany ilay fanjakana. Nanohitra ny fanitarana izay nokasain' ny [[Fanjakan' Imerina|Fanjakan' ny Merina]] hatao tamin' ny taonjato faha-19 izy. Na izany aza, toy ny fanjakana malagasy hafa, dia niharatsy ny toe-draharaha noho ny fifandrafiana teo an-toerana sy ny nafitsoky ny mpanjanaka frantsay.
Nihena tsikelikely ny herin' ny Fanjakan' i Onilahy nanomboka tamin’ ny taonjato faha-19, tamin' ny fahatongavan' ny Eorôpeana sy ny [[Zanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankina|fanjanahan']] [[Zanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankina|i Frantsa an' i Madagasikara]]. Tamin’ ny faran' ny taonjato faha-19 dia nanamafy ny fifehezany an' i Madagasikara ny Frantsay. Taorian' ny faharesen' ny Nosy tamin' ny taona 1895 dia nampidirina tao anatin' ny fitondran' ny mpanjanaka frantsay ny Fanjakan' i Onilahy, ka izany no fiafaran' ny [[Fahaleovantena|fahaleovantenany]] ara-pôlitika.
Indreto ny mpanjaka nifandimby<ref><small>"[https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-andri-fara/madagasikara-fahagola-sy-faha-mpanjaka-tohiny01 Madagasikara fahagola sy faha mpanjaka]", ''vetso.serasera.org''</small></ref>:
* [[Herontany]] (1810 - 1850)
* [[Refiafy]] (1851 - 1889)
* [[Lahitafika]] (1889 - 1890)
* [[Refotaka]] (1890 - 1922)
== Toekarena ==
Ny fambolena no fototry ny toekaren' ny Fanjakan' i Onilahy. Zava-dehibe koa ny fambolena [[vary]], indrindra tany amin' ny faritra akaikin' i Onilahy. Nambolena hatao sakafo ny [[mangahazo]] sy ny [[ovy]]. Nambolena koa ny [[voamadinika]] ([[katsaka]] sy ny hafa). Nanana anjara toerana lehibe teo amin’ ny toekaren' ilay fanjakana ny fiompiana, indrindra fa ny [[omby]] sy [[ondry]]. Tsy natao ho fivelomana fotsiny ny biby fiompy, fa koa ho karazana vola ifanakalozana amin' ny varotra sy hanatanterahana fombafomba nentim-paharazana. Nanjono koa ny mponina, indrindra fa ireo monina amin' ny faritra akaikin' ny morontsiraka. Nameno ny sakafo sy ny toekarena ny [[Jono|fanjonoana]].
Nandray anjara amin' ny varotra [[Andevo (teto Madagasikara)|andevo]] ilay fanjakana, andevo izay natakalo entana eorôpeina na [[Arabo (vahoaka)|arabo]]. Natakalo koa ny [[sira]], ny [[tantely]], ny [[Lamba (akora)|lamba]] ary ny biby fiompy. Ny mpivarotra eorôpeana sy arabo dia nitondra entana toy ny fitaovam-piadiana, ny lamba ary zava-manitra, ho takalon' ny vokatra eto an-toerana..
Nanao asa tanana koa ny mponina. Nisy ny fanamboarana akanjo nentim-paharazana amin' ny [[fanenomana]] sy amin' ny [[hoditra]]; tao koa ny famokarana zavatra vita amin' ny hazo, anisan' izany ny sary [[sokitra]].
== Kolontsaina ==
Manan-karena sy samihafa ny [[kolontsaina]] tao amin' ny Fanjakan' i Onilahy. Singa fototra amin' ny fiainana andavanandro ny [[zavakanto]], ny [[mozika]], ny [[dihy]] ary ny fombafomba ara-pivavahana.
Ny mpanjaka no niandraikitra ny fandaminana ara-tsôsialy sy ny fitantanana ny tany ary ny fiarovana ny vahoaka. Ny ambaratongam-pahefana dia nahitana ny fifandraisan' ny [[Fianakaviana (fomba malagasy)|fianakaviana]] sy ny [[fokom-pianakaviana]], ary ny fianakavian' ny mpanjaka dia nanana anjara toerana lehibe tamin' ny fitandroana ny filaminana sy ny fombafomba ara-tsôsialy.
Nitana toerana ambony teo amin' ny fiainan' ny mponina tao amin' ny Fanjakan’ i Onilahy ny [[Fivavahan-drazana malagasy|fivavahana nentim-paharazana]]. Ny finoana dia [[Animisma|animista]], ary nanaja ny [[Razana (finoana malagasy)|razana]] ny mponina. Nahitana sorona biby sy dihy matetika ny fombafomba izay natao mba hampitony ny fanahin'ny razana sy ny an' ny zavanoary, sy mba hiantohana ny firoboroboan' ny fanjakana. Nanana anjara toerana lehibe koa ny [[tromba]].
Nisy fiantraikany tao amin' ny faritra tao amin' ilay fanbjakana ny fomban-drazana [[masikoro]] sy ny fifandraisana tamin' ny foko maro hafa eto [[Madagasikara]] sy tao amin' ny [[Ranomasimbe Indiana]].
== Lova navelany ==
Na dia efa rava amin' ny maha fanjakana azy aza ny Fanjakan' i Onilahy dia mbola hita any amin' ny faritr' i [[Onilahy]] ny lova ara-kolontsaina sy ara-tantara navelany. Ny lovantsofina sy ny fomba amam-panao ary ny finoana avy amin' ity fanjakana ity dia nolovain' ny taranaka mifandimby, ary mbola misy fiantraikany amin' ny fiainana andavanandron' ny mponina ao amin' ilay faritra izany.
Mbola velona amin' izao fotoana izao ny tantaran' ny Fanjakan' i Onilahy amin' ny alalan' ny kolontsaina sy ny fomban-drazan' ny mponina any amin' ny ilany atsimo-andrefan' i Madagasikara, indrindra ny an' ny [[Mahafaly]] sy [[Antandroy|Tandroy]]. Ny fanoheran' izy ireo ny fanjakazakana avy any ivelany sy ny firaiketam-pony amin' ny fomba amam-panaon' ny razambeny dia manaporofo ny nisian' ity fanjakana ity eo amin' ny [[tantaran' i Madagasikara]].
== Jereo koa ==
* [[Mahafaly]]
* [[Masikoro]]
* [[Fanjakan' i Linta]]
* [[Fanjakan' i Sakatovo]]
* [[Fanjakan' i Menarandra]]
* [[Fanjakan' i Falonaombe]]
== Loharano sy fanamarihana ==
bzzgyo80qyinz77mgiy1ia2p0lx7lwb
1150615
1150614
2026-09-11T19:14:01Z
Thelezifor
15140
Rohy anatiny

* [[Fanjakana mahafaly]]
* [[Fanjakan' i Linta]]
* [[Fanjakan' i Sakatovo]]
* [[Fanjakan' i Menarandra]]
* [[Fanjakan' i Falonaombe]]
== Loharano sy fanamarihana ==
dold9kwbtl5q99wum80mkyxq50vxhnw
Fanjakan' i Menarandra
0
290870
1150605
1150604
2026-09-11T12:39:57Z
Thelezifor
15140
Fifandraisana sy faharavana
1150605
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Fanjakan'''' '''i Menarandra''' dia fanakana iray nisy taloha tany amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i [[Madagasikara]], tao anatin' ny faritra Mahafaly, teo anelanelan' ny ony [[Onilahy (ony)|Onilahy]] sy [[Menarandra]], indrindra nanodidina ny moron' ny ony Menarandra izay mamakivaky ny faritanin' ny [[Mahafaly]] sy [[Antandroy]]. Ao amin' ny tapany atsimo amin' ny faritra mahafaly no misy azy<ref><small>Esoavelomandroso Manassé, "[http://madarevues.recherches.gov.mg/?Les-Souverains-du-Menarandra-dans-la-deuxieme-moitie-du-XIXe-siecle Les Souverains du Menarandra dans la deuxième moitié du XIXè siècle] {{Wayback|url=http://madarevues.recherches.gov.mg/?Les-Souverains-du-Menarandra-dans-la-deuxieme-moitie-du-XIXe-siecle |date=20250929062606 }}", ''Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques'', volume 33-36, 1991-1992, pp. 287-298</small></ref> Matetika izy io no ampifamatorina amin' ny fanjakana nipoitra vokatry ny fanitarana ny fahefan' ny tarana-mpanjaka [[Maroserana]] tany amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' ny Nosy, indrindra fa nanomboka tamin' ny taonjato faha-17. Ny loharanom-baovao misy dia mirakitra indrindra ny tantarany nandritra ny vanim-potoana tsy dia ela akory izay, dia ny tapany faharoa tamin' ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Iray amin' ny fanjakana tao amin' ny faritra misy ny Mahafaly io fanjakana io, niaraka tamin' ny [[Fanjakan’ i Sakatovo|Fanjakan' i Sakatovo]] sy ny [[Fanjakan' i Onilahy|Fanjakan' i]] [[Fanjakan' i Onilahy|Onilahy]] ary ny [[Fanjakan' i Linta]].
Indreto ny mpanjaka nifandimby nanjaka tao:
* [[Andriamandembarivo]] (nitondra manodidina ny taona 1680-1700)
* [[Tsimamandy]] (nitondra manodidina ny taona 1700-1760 )
* [[Itrimo]] (nitondra manodidina ny taona 1760-1800)
* [[Bahary]] (nitondra manodidina ny taona 1800-1830)
* [[Tsiampody]] (nitondra manodidina ny taona 1830-1860)
Ireo daty ireo tsy filaharam-potoana voamarina tsara ara-tantara.
Miankina amin' ny fitambaran' ny [[lovantsofina]], ny [[tetiarana]], ny [[fitantarana]] sy fanamarihan' ny mpanoratra eorôpeanina, ny tahirin-kevitra tamin' ny vanim-potoan' ny [[Madagasikara zanatany frantsay|fanjanahantany]], ny fikarohana [[Arkeôlôjia|arkeôlôjika]], ary ny fandinihana ny zavatra naorina momba ny fandevenana (indrindra ny fasana) ny antontan-kevitra momba io fanjakana io. Na izany aza dia samy hafa ny lanjan' ireo loharanom-baovao ireo ara-tantara. Misy tsy fitoviana lehibe hita ao amin' ny lovantsofina momba ny mpanjaka maromaro voalohany, sy ny niforonan' ilay fanjakana ary ny fifandimbiasana teo amin' ny taranak' andriana sasany. Noho izany dia tokony hoheverina ho toy ny lovantsofina ara-tantara noraketin' ny mpanoratra ireo fa tsy toy ny filaharan' ny zava-nitranga ara-potoana voamarina sy raikitra tanteraka.
== Fiavian' ilay anarana ==
Nahazo io anarany io avy amin' ny anarana jeôgrafika manondro ny ony [[Menarandra]], izay mivarina mianantsimo-andrefana ao amin' ny [[Ranomasimbe Indiana]], sy mamakivaky ny faritaniny, ny Fanjakan' i Menarandra. Nomena ny anaran' ilay ony io fanjakana io noho ny maha zava-dehibe an' i Menarandra ao amin' ilay faritra, na ara-toekarena na ara-kolontsaina.
== Tantara ==
=== Fiforonan' ilay fanjakana ===
Ny fiforonan' ny Fanjakan' i Menarandra dia ao anatin' ny tantaran' ny fanitaram-pahefana nataon' i [[Maroserana]] tany atsimo-andrefana amin' i [[Madagasikara]]. Io fanitarana io dia niteraka fikambanana syfahefana ara-pôlitika sy taranaka mpanjaka maromaro tao amin' ny tanin' ny Mahafaly, izay nahitana ny [[Fanjakan' i Linta]] sy ny [[Fanjakan' i Onilahy|Fanjakan']] [[Fanjakan' i Onilahy|i Onilahy]] ary ny [[Fanjakan' i Sakatovo|Fanjakan']] [[Fanjakan' i Sakatovo|i Sakatovo]] sy ny faritanin' ny [[Fanjakan' i Falonaombe|Falonaombe]] koa<ref name=":0">"[https://books.openedition.org/pub/527?lang=fr Mahafaly / Mahafale]", in ''Open Edition Book'', ''books.openedition.org''</ref>.
Misy koa ny tsy fitovian-kevitra eo amin' ny lovantsofina momba ny mpanorina an' i Menarandra. Lahatsoratra maro no manondro an' Andriamandembarivo ho mpanorina ilay fanjakana, olona izay matetika apetraky ny lovantsofina ao amin' ny taonjato faha-17. Etsy ankilany, misy lovantsofina hafa manondro an' [[Andriamañontsarivo]], niaraka tamin' ny zanany lahy [[Tsimamandy]], ho loharanon' ilay taranaka nanjaka [[Befira]] na [[Tebefira]].
Araka ny lovantsofina maro voarakitra an-tsoratra dia nisy fifandirana momba io faritra io teo amin' ny vondrona nipoitra avy amin' ny fanitaran-tanin' ny Maroserana sy ny [[Karimbola]], vahoaka mifamatotra akaiky amin' ny [[Antandroy]]. Ny mpanaka atao hoe Tsimamandy dia fantatra manokana fa anisan' ny nandray anjara amin' ny fanamafisana ny faritry ny fanjakana, izay nahatonga ny Karimbola ho voatosika niverina tany atsimon' ny ony [[Menarandra]].
Taorian' izay dia nandalo dingan' ny fizarazaràna sy ny fandaminana indray ny fahefan' ny Maroserana tany amin' ny faritra Atsimo-Andrefana ny Fanjakan' i Menarandra. Marihin' ny firaketana ara-tantara manokana ny fisian' ny fifandraisany tamin' ny fanjakana nanodidina an' i [[Linta]] sy i [[Onilahy (ony)|Onilahy]], na dia miovaova aza ny daty sy ny rohy ara-tetiarana voalaza, arakaraka ny loharanom-baovao.
=== Ny mpanjaka nifandimby ===
Ny tetiarana maro sy ny lovantsofina ara-tantara dia manonona mpanaka maro mifandray amin' ny Fanjakan' i Menarandra, anisan' izany i [[Andriamandembarivo]], i [[Tsimamandy]], [[Itrimo]], i [[Bahary]], ary i [[Tsiampondy]]. Na izany aza dia mbola tsy azo antoka ny daty mifandraika amin' ny vanim-potoana nanapahan' ireo mpanjaka voalohany. Misy ny famintinana manolotra tombana daty toy izao: eo amin' ny taona 1680–1700 eo ho eo ho an' i Andriamandembarivo, 1700–1760 ho an' i Tsimamandy, 1760–1800 ho an' i Itrimo, ary 1800–1830 ho an' i Bahary. Ireo daty ireo dia tokony hoheverina ho fanarenana ara-potoana aroson' ny mpanoratra sasany, fa tsy filaharam-potoana voamarina tsara ara-tantara.
=== Tsiampondy ===
I [[Tsiampondy]], izay fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Tsiampody, Tsiamponde, na Etsiamponde, dia iray amin' ny mpanjakan' i Menarandra voarakitra an-tsoratra tsara indrindra tamin' ny vanim-potoana farany. Na izany aza, ny fizotran' ny fotoana nanjakany dia iray amin' ny olana ara-tantara lehibe indrindra. Mifanohitra ny fanazavana omen' ny loharano misy: misy lovantsofina milaza fa tamin' ny taona 1830 na 1860 no nanombohany nanjaka, ny hafa kosa milaza fa tamin' ny taona 1871 ny fiakarany teo amin' ny fitondrana, raha toa kosa ny topimaso ara-tantara sasany milaza fa tamin' ny vanim-potoana taty aoriana kokoa izany, izay niitatra hatramin' ny faramparan' ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-20.
Tsara homarihina fa ny famintinana nataon' ny [[UNESCO]] dia manonona vanim-potoana marikitra nanomboka amin' ny taona 1890 ka hatramin' ny 1911, raha toa kosa ny lovantsofina hafa mampifandray ny fiafaran' ny fanjakany amin' ny fidirana an-tsehatry ny [[Empira Mpanjanaka Frantsay|mpanjanaka frantsay]] tamin' ny taona 1907.
Anisan' ny taranaky ny Maroserana i Tsiampody sady nanana fahefana ara-pôlitika sy ara-pombafomba masina. Ny mpanoratra tamin' ny vanim-potoanan' ny fanjanahantany diai nihevitra azy ho olona havanana amin' ny fifampiresahana ara-pôlitika manan-danja, ary nanaiky ny heriny ny ampahany amin' ny tanin' ny [[Mahafaly]].
Voalaza ho mpanjaka sady mpiady mahery ihany koa izy, izay nitarika fanafihana nanohitra ny vahoaka teo amin' ny manodidina, indrindra fa ny [[Bara]]. Misy loharanom-baovao tamin' ny vanim-potoan' ny fanjanahantany na tranainy kokoa mamaritra azy ho olona "tia ady" na "mpandroba". Na izany aza, ireo teny ireo dia tokony hohazavaina araka ny fomba fijerin' ny mpanoratra nampiasa izany; tsy azo raisina ho famaritana ara-tantara tsy miangatra momba io mpanjaka io izany.
== Fandaminana ara-pôlitika sy ara-tsôsialy ==
=== Fanjakana maroserana mitsinjara fahefana ===
Tsy fanjakana manana rafi-pitantanana mampivangongo fahefana ny Fanjakan' i Menarandra. Nifototra tamin' ny tariha na raza (taranaka) izay nanana [[fizakan-tena]] lehibe ny fandaminana ara-pôlitika tao aminy, izay teo ambany fahefan' ny tarana-mpanjaka Maroserana sy ny taranaka nifandray akaiky taminy. Noho izany dia tsy niankina tamin' ny fanerena ara-pizaràn-tany fotsiny ny fahefan' ny mpanjaka. Nifandray tamin' ny fahefana ara-pivavahana, tamin' ny fifandraisana amin' ny tariha na raza samihafa, tamin' ny fiarahan-dia, tamin' ny harena avy amin' ny fiompiana, ary tamin' ny fahaizana mifehy ny zavatra sy fomba fanao ara-pombafomba masina mifandraika amin' ny maha mpanjaka ihany koa ny fiandrianany. Nandray anjara tamin' ny fiasan' ity rafitra ara-pôlitika ity ny [[roandria]] (lehibe mpitarika) isan-toerana sy ny manampahefana misahana ny fombafomba masina, indrindra fa ny [[mpisoro]], araka ny voalazan' ny loharanom-baovao sasany.
=== Ny Befira na Tebefira ===
Lahatsoratra maromaro no mamaritra ny Befira, izay antsoina koa hoe Tebefira, ho tarana-mpanjaka nanana fahefana lehibe avy amin' ny sampan' ny [[Maroserana]] niorina tao amin' ny faritr' i Menarandra. Misy loharanom-baovao sasany koa miresaka momba ny [[Andrianjoho]], izay faritan' ny lovantsofina iray ho mponina teratany nampanekena nandritra ny fanitarana ny fahefan' io taranaka nanjakazaka io, ary ao koa ny [[Valohazomanga]] sy ny [[Folohazomanga]], izay nisahana ny fiarovana ny mpanjaka na niankina aminy. Ilaina ireo ny hahafantarana ireo sokajin' olona ireo mba hahatakarana ny fomba fijery nentim-paharazana momba ny firafitry ny sarangam-pirahamonina sy ara-pôlitika teo amin' ny vahoakan' i Menarandra. Na izany aza, ny tahirin-kevitra misy dia tsy ahafaha-milaza amin' ny fomba azo antoka fa rafitra ara-tsôsialy ranoray sy tsy miovaova izy ireo nandritra ny tantaran' ilay fanjakana.
=== Ny mpisoro sy ny fahefan' ny mpanjaka ===
Nanatanteraka andraikitra ara-pôlitika sy ara-pombafomba masina ny mpanjaka. Misy loharanom-baovao mamaritra azy ho mpisoro, izany hoe olona mitana andraikitra ara-[[Fisoronana|pisoronana]] na ara-pombafomba masina, sady mpanelanelana eo amin' ny vahoaka sy ny razana ary ny hery ara-panahy izay anaovana ireo fombafomba ireo. Singa fototra ao amin' ny fahefana ara-pombafomba masina ny [[hazomanga lava]] sy ny vakoky ny mpanjaka, izay antsoina hoe "<u>jiny</u>" ao amin' ny lahatsoratra maro. Araka ny famariparitana natao momba azy ireo, ny fananana sy ny fitahirizana ireo zavatra ireo dia nandray anjara tamin' ny fanamafisana ny hery ara-pivavahan' ny mpanjaka sy ny maha ara-dalàna ny fahefany.
Nanatanteraka andraikitra mifandraika amin' ny fanelanelanana ny disadisa sy amin' ny fitarihana ny tafika ihany koa ny mpanjaka. Araka ny voalazan' ny lovantsofina dia nanana fahafahana hampiravina fifandirana sasany teo amin' ny vondrona samihafa sy nikarakara ny fiarovana ny faritany ary nanetsika ny mponina teo ambany fahefany ny mpanjaka. Na izany aza, ny famaritana mazava tsara ny sehatra ampiharana ireo anjara asa ireo sy ny fivoarany rehefa mandeha ny fotoana dia mitaky fampitahana mirindra kokoa eo amin' ny loharanom-baovao ara-poko sy ara-tantara.
== Kolontsaina ==
[[Mahafaly]] sy [[Antandroy]] ny ankamaroan' ny mponin' i Menarandra, olona nalaza noho ny fanoherana ny mpanani-bohitra sy noho ny firaiketam-po amin' ny fombafomba fandevenana mahatalanjona, toy ny fasana voahaingo sy ny [[aloalo]].
Nisy fiantraikany tamin' ny kolontsaina tao amin' ny Fanjakan' i Menarandra ny kolontsaina afrikana sy ny kolontsaina tao amin' ny fanjakana malagasy hafa. Nalaza tamin' ny asa tanana ny vahoakan' ilay fanjakana, anisan’ izany ny fanaovana [[sokitra]] sy ny [[fandrariana]]. Nahafantarana azy ireo koa ny [[mozika]] sy [[dihy]] nentin-drazana.
== Toekarena ==
=== Fiompiana sy fambolena ===
Ny [[Toekarena|toekaren]]' ny faritr' i Menarandra dia niantehitra indrindra tamin' ny [[fiompiana omby]], ny [[fambolena]] ary ny fifanakalozana. Ho an' ny vahoaka mpiompy any amin' ny faritra Atsimo-Andrefana, dia tsy vitan' ny hoe [[harena]] azo tsapain-tanana fotsiny ny [[omby]], fa loharanon-karena azo ampiasaina ihany koa amin' ny fifandraisana sy fiarahan-dia, sy amin' ny fanatanterahana adidy ara-piarahamonina, ary amin' ny fanaovana lanonana sy fombafomba masina mifandraika amin' ny fandevenana. Porofo mivaingana manamarina izany lafiny izany ny fisian' izy ireny ao amin' ny fasan' ny mpanjaka.
Nanampy betsaka ny loharanon-karena momba ny fiompiana koa ny fambolena, indrindra fa tany amin' ny faritra akaikin' ny [[ony]] sy [[renirano]] izay nahazo tombony tamin' ny fisian' ny [[rano]] tsara kokoa. Na dia eo aza ny [[toetany]] maina dia ny [[katsaka]] sy ny [[mangahazo]] ary ny [[Ampemba|ampemby]] no tena nambolena. Miresaka momba ny fivezivezen' ny andian' omby teo amin' ny toerana fiandrasana omby samihafa ihany koa ny lahatsoratra maro. Na izany aza, ny loharanom-baovao misy dia tsy ahafaha-mamaritra mazava tsara ny habeny, ny fizaran-taona isehoany, na ny fandaminana an' ireo fifindran-toerana ireo manerana ny fanjakana manontolo sy nandritra ny vanim-potoana rehetra.
=== Fifanakalozana ===
Nandray anjara tamin' ny tambajotram-pifanakalozana nampifandray ny faritra anatiny ao Atsimo-Andrefana amin' ny faritra amorontsiraka sy ny faritra manodidina ny faritr' i Menarandra. Ny fifandraisana tamin' ny [[Vezo]] sy ny vondrona samihafa manodidina dia mety nahitana, indrindraindrindra, fifanakalozana entam-barotra sy fifandraisana ara-panambadiana ary fifanaraham-piarahan-dia. Tsy ahafahana manavaka ny fifanakalozana hita manerana ny faritra Mahafaly sy ny asa azo lazaina fa an' ny Fanjakan' i Menarandra manokana anefa ny antontan-kevitra misy.
== Fifandraisana amin' ny vahoaka hafa ==
=== Fifandraisana amin' ny mponina malagasy manodidina ===
Nanana fifandraisana be pitsiny sy marolafy tamin' ny [[fanjakana mahafaly]] hafa sy ny fanjakana na vondrona hafa mpifanolo-bodirindrina aminy -- indrindra fa ny [[Antandroy]], ny [[Vezo]], ny [[Bara]] ary ny [[Masikoro]] -- ny Fanjakan' i Menarandra. Mety hiseho amin' ny endrika fiarahan-dia, varotra, fanambadiana, fifandrafiana momba ny fizaràn-tany, na fifandonana izany fifandraisana izany.
Nipetraka tamin' ny faritra atsimon' ny ony [[Menarandra]] ny [[Karimbola]] izay mifandray akaiky amin' ny vahoaka Antandroy. Singa manan-danja ao anatin' ny fitantarana maro momba ny niforonan' ilay fanjakana sy ny famaritana ny sisin-taniny ny fifandonana nisy teo amin' izy ireo sy ny [[Maroserana]]. Na izany aza dia tsy tokony horaisina ho filazalazana marina tanteraka momba ny sisintany ara-pôlitika ireo fitantarana ireo fa ho anisan' ny lovantsofina ara-tantara, ka mbola tsy tena mazava tsara ny filaharan' ny fotoana sy ny velarana ara-jeôgrafia mifandraika amin' izany.
Tsy midika ho maha anisan' ilay fanjakana avokoa ny morontsiraka manontolo ny fisian' ny Vezo eny amorontsiraka. Nitazona ny rafitra ara-pôlitika sy ara-tsôsialy nananany ny mponina amorontsiraka, sady nanorina fifandraisana ara-toekarena sy fifandraisana tamin' ny alalan' ny fanambadiana tamin' ny [[Mahafaly]] avy any amin' ny faritra anatiny.
=== Fifandraisana tamin' ny Eorôpeanina ===
Ny fifandraisana teo amin' ny vahoaka mahafaly sy ny Eorôpeanina dia nanomboka tamin' ny taonjato faha-17. Araka ny loharanom-baovao ao amin' ny ''General History of Africa'' dia nisy ny fahatongavan' ny solontenan' ny Mahafaly tao [[Fort-Dauphin]] tamin' ny taona 1649, tamin' ny fifandonana tamin' ny [[Masikoro]], ankoatra ny hafa. Ireo fitantarana ireo dia manamarina ny fisian' ny fifandraisana teo amin' ny fanjakana tao amin' ilay faritra sy ny toerana nanorenan' ny Eorôpeana tanàna tamin' izany vanim-potoana izany. Izany anefa tsy manamarina ny fisian' ny fanjakazakan' ny Eoropeana teo amin' ny faritr' i Menarandra. Tokony horaisina ho fifandraisana ara-diplômatika, ara-tafika, ara-barotra, na ara-pôlitika teo amin' ny fanjakana malagasy sy ny Eorôpeana naorim-ponenana tany atsimon' i Madagasikara kosa ireo fifandraisana voalohany ireo.
== Fanjanahan-tany frantsay sy fiafaran' ilay fanjakana ==
Nihamitombo tsikelikely ny fanerena nataon' ny [[Empira Mpanjanaka Frantsay|Frantsay]] tany amin' ny faritra atsimo amin' i [[Madagasikara]] tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19. Na izany aza, araka ny loharanom-baovao maro, dia mbola nitazona fahefana ara-pôlitika sy ara-pivavahana lehibe i [[Tsiampondy]] nandritra ny taona vitsy voalohany tamin' ny vanim-potoan' ny [[Madagasikara zanatany frantsay|fanjanahantany]].
Tsy nanao tsinontsinona ny herin' ny mpanjaka malagasy ny manampahefana frantsay raha nitantanana ilay faritra. Izany dia mampiseho fa tsy teo no ho eo na nitovy avokoa ny fampidirana ny faritra rehetra teto Madagasikara ho ao anatin' ny rafitra pôlitika mpanjanaka, ary mbola nanana anjara toerana nandritra ny fotoana kelikely ny rafitra ara-pôlitika efa nisy taloha. Na izany aza dia tsy azo ampifandraisina amin' ny daty tokana sy mazava tsara ny fiafaran' ny fahefan' ny mpanjaka.
Misy ny lahatsoratra manondro ny taona 1907 ho fotoana nidiran' ny tafika frantsay an-tsehatra, izay mety ho nahatonga na nampitombo ny hafainganan' ny firodanan' ny fahefan' i [[Tsiampondy]], raha toa ka misy loharano hafa kosa no manondro ny taona 1911. Noho ireo tsy fitoviana ireo dia tsara kokoa ny miresaka momba ny faharavan' ny fahefana ara-pôlitikan' ilay fanjakana tsikelikely tany am-piandohan' ny taonjato faha-20, toy izay hametraka taona votondro manokana ho daty nifaranan' ilay fanjakana araka izay tiana fotsiny.
== Lova sy fahatsiarovana ==
=== Ny fasan' ny mpanjaka ===
Iray amin' ny loharanom-pahalalana azo tsapain-tanana azo trandrahina amin' ny fandalinana ny rafi-pitondra-mpanjaka tao Menarandrian ny zava-boaorina momba ny fandevenana. Ny faritra [[Antirikiriky]] dia fantatra manokana amin' ny fisian' ny fasan' ny mpanjaka avy amin' ny tarana-mpanjakan' i Menarandra. Araka ny voalazan' i G. Speyer, ny foko Antehisatra no niandraikitra ny fiambenana ireo fasana ireo, sady voalaza ihany koa fa izy ireo no niambina ny vakoka masin' ny mpanjaka sasany.
Ny fasan' i [[Tsiampondy]] dia maneho ny maha zava-dehibe ny [[omby]] atao sorona eo amin' ny lafiny sôsialy sy pôlitika, ao anatin' ny fombafomba fandevenana ny mpanjaka mahafaly. Araka ny tatitr' i Speyer dia omby manodidina ny 1 600 no novonoina nandritra ny fandevenana an' ilay mpanjaka, ankoatra ny [[osy]] sy [[ondry]] maro be. Na izany aza, io isa io dia tsy maintsy aseho ho tombana na fanazavana avy amin' i Speyer, fa tsy angona ara-antontanisa mahaleo tena sy voamarina tanteraka. Ny lanjan'io isa io eo amin'ny lafiny antontan-taratasy dia tsy maintsy dinihina mifanaraka amin'ny toe-javatra nahafahan'ny mpanoratra nahazo azy.
Ny [[aloalo]] sy ny fasana lehibe dia lehibe ary ny singa maro hafa mifandraika amin' ny fandevenana dia samy maneho ny voninahitry ny tarana-mpanjaka sady loharanom-baovao arkeôlôjika enti-mandalina ny rafitr' ilay fanjakana, ny fanao mifandraika amin' ny fombafomba masina, ary ny fifandraisana ara-piarahamonina any amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i [[Madagasikara]].
=== Ny fahatsiarovana ilay fanjakana ===
Ny fanjavonan' ny fahefan' ny mpanjaka amin' ny maha rafitra ara-pôlitika azy dia tsy midika hoe nanjavona koa ny fahatsiarovana azy. Mbola hita taratra izany indrindra eo amin' ny [[lovantsofina am-bava]], ny taranaka mifamatotra amin' ny [[Maroserana]] Befira, ny fasan' ny mpanjaka, ny [[sary sokitra]] amin' ny [[aloalo]], ary ny anaran-toerana ao amin' ny Lohasahan' i Menarandra.
Loharano ara-tantara manan-danja manokana io fahatsiarovana io, kanefa tsy maintsy avahana amin' ny ezaka famerenana amin' ny fanoratana ny tantara ataon' ny mpikaroka. Mety hitahiry vaovao momba ny [[tetiarana]], ny toerana, ny fifandraisana eo amin' ny vondrona samihafa ary ny zava-nitranga tamin' ny lasa ireo lovantsofina nampitaina ireo; kanefa miaraka amin' izany koa, dia efa niova izy ireny vokatry ny fampitana nifanesy sy ny fandikana azy indray araka ny fomba fijery arakaraka ny toerana.
Noho izany, lohahevitra manan-danja amin' ny fandalinana ny tantara ara-pôlitikan' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara sy ny fiarahamonina mahafaly ary ny endri-pitondrana samihafa nampiharin' ny tarana-mpanjaka Maroserana ny Fanjakan' i Menarandra. Ny fikarohana arkeôlôjika natao tao amin' ny Lohasahan' i Menarandra, indrindra fa manodidina an' [[Ampasimahanoro]], dia mameno ny lovantsofina maro sy ny loharanom-baovao ara-tantara voasoratra samihafa, ka manome fahafahana hampitaha sy hanamarina ny fitantarana momba ny taranaka sy ny tantara amin' ny alalan' ny porofo azo tsapain-tanana.
== Jereo koa ==
* [[Mahafaly]]
* [[Fanjakan' i Linta]]
* [[Fanjakan’ i Sakatovo|Fanjakan' i Sakatovo]]
* [[Fanjakan' i Onilahy]]
* [[Fanjakan' i Falonaombe]]
== Fanovozan-kevitra ==
* Ade Ajayi, Jacob Festus (1998). ''General history of Africa: Africa in the nineteenth century until the 1880s''. Paris: UNESCO. <nowiki>ISBN 9780520067011</nowiki>.
* Alain Bernard, ''Essai sur la transition de la société Mahafaly vers les rapports marchands'', Éditions de l'Office de la recherche scientifique et technique outre-mer, Paris, 1978, 405 p. (<nowiki>ISBN 2-7099-0506-X</nowiki>) (texte remanié d’une thèse soutenue à l’Université de Paris 10 en 1976)
* Campbell, Gwyn (2012). ''David Griffiths and the Missionary "History of Madagascar"''. Leiden, the Netherlands: Brill. <nowiki>ISBN 978-90-04-20980-0</nowiki>.
* Clément Séverin Charles, ''Les Mahafale de l’Onilahy : des clans au royaume, du 16e siècle à la conquête coloniale'', Université de Paris 1, 1986, 588 p. (thèse de 3<sup>e</sup> cycle)
* Condra, Jill (2013). ''Encyclopedia of National Dress: Traditional Clothing Around the World''. Los Angeles: ABC Clio. <nowiki>ISBN 978-0-313-37637-5</nowiki>.
* Diagram Group (2013). ''Encyclopedia of African Peoples''. San Francisco, CA: Routledge. <nowiki>ISBN 9781135963415</nowiki>.
* Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar". ''Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui Archived Aprily 24, 2021 at the [[Wayback Machine]]'' (PDF). 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire. pp. 149–176.
* Gennep, A.V. (1904). ''Tabou Et Totémisme à Madagascar''. Paris: Ernest Leroux. <nowiki>ISBN 978-5-87839-721-6</nowiki>.
* Jeffrey C. Kaufmann, "Faly aux vazaha : Eugǹe Bastard, taboo, and Mahafale Autarky in southwest Madagascar, 1899", in ''History in Africa'' (New Brunswick, NJ), 26, 1999, p. 129-155
* LeHoullier, Sara (August 2010). ''Madagascar'' (Travel Companion). Other Places Publishing. <nowiki>ISBN 978-0-9822619-5-8</nowiki>.
* Lotte Schomerus-Gernböck, ''Die Mahafaly : eine ethnische Gruppe im Süd-Westen Madagaskars'', D. Reimer, Berlin, 1981, 232 p. (<nowiki>ISBN 3-496-00184-4</nowiki>)
* Nicole Boulfroy, "L'art funéraire des Mahafale (sud-Ouest de Madagascar)", in ''Anthropologie de l'art : formes et significations : arts de l'Afrique, de l'Amerique et du Pacifique'', ORSTOM, Paris, 1988, p. 30-38
* Ogot, Bethwell A. (1992). ''Africa from the Sixteenth to the Eighteenth Century''. Paris: UNESCO. <nowiki>ISBN 9789231017117</nowiki>.
* René Battistini, ''Géographie humaine de la plaine côtière mahafaly,'' Éditions Cujas, 1964, 197 p. (thèse complémentaire)
* Shoup, John A. (17 October 2011). ''Ethnic Groups of Africa and the Middle East: An Encyclopedia''. ABC-CLIO. <nowiki>ISBN 978-1-59884-363-7</nowiki>.
* Various (2003). ''International Encyclopedia of Linguistics'' Vol. 1. Oxford University Press. <nowiki>ISBN 978-0-19-513977-8</nowiki>.
== Loharano sy fanamarihana ==
<references />
q4zar5qil8tpswovs8g4xfk4tc2tcc8
1150607
1150605
2026-09-11T13:17:09Z
Thelezifor
15140
Toerana nisy an' ilay fanjakana sy tanàna manan-danja
1150607
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Fanjakan'''' '''i Menarandra''' dia fanakana iray nisy taloha tany amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i [[Madagasikara]], tao anatin' ny faritra Mahafaly, teo anelanelan' ny ony [[Onilahy (ony)|Onilahy]] sy [[Menarandra]], indrindra nanodidina ny moron' ny ony Menarandra izay mamakivaky ny faritanin' ny [[Mahafaly]] sy [[Antandroy]]. Ao amin' ny tapany atsimo amin' ny faritra mahafaly no misy azy<ref><small>Esoavelomandroso Manassé, "[http://madarevues.recherches.gov.mg/?Les-Souverains-du-Menarandra-dans-la-deuxieme-moitie-du-XIXe-siecle Les Souverains du Menarandra dans la deuxième moitié du XIXè siècle] {{Wayback|url=http://madarevues.recherches.gov.mg/?Les-Souverains-du-Menarandra-dans-la-deuxieme-moitie-du-XIXe-siecle |date=20250929062606 }}", ''Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques'', volume 33-36, 1991-1992, pp. 287-298</small></ref> Matetika izy io no ampifamatorina amin' ny fanjakana nipoitra vokatry ny fanitarana ny fahefan' ny tarana-mpanjaka [[Maroserana]] tany amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' ny Nosy, indrindra fa nanomboka tamin' ny taonjato faha-17. Ny loharanom-baovao misy dia mirakitra indrindra ny tantarany nandritra ny vanim-potoana tsy dia ela akory izay, dia ny tapany faharoa tamin' ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Iray amin' ny fanjakana tao amin' ny faritra misy ny Mahafaly io fanjakana io, niaraka tamin' ny [[Fanjakan’ i Sakatovo|Fanjakan' i Sakatovo]] sy ny [[Fanjakan' i Onilahy|Fanjakan' i]] [[Fanjakan' i Onilahy|Onilahy]] ary ny [[Fanjakan' i Linta]].
Indreto ny mpanjaka nifandimby nanjaka tao:
* [[Andriamandembarivo]] (nitondra manodidina ny taona 1680-1700)
* [[Tsimamandy]] (nitondra manodidina ny taona 1700-1760 )
* [[Itrimo]] (nitondra manodidina ny taona 1760-1800)
* [[Bahary]] (nitondra manodidina ny taona 1800-1830)
* [[Tsiampody]] (nitondra manodidina ny taona 1830-1860)
Tsy filaharam-potoana voamarina tsara ara-tantara ireo daty ireo.
Miankina amin' ny fitambaran' ny [[lovantsofina]], ny [[tetiarana]], ny [[fitantarana]] sy fanamarihan' ny mpanoratra eorôpeanina, ny tahirin-kevitra tamin' ny vanim-potoan' ny [[Madagasikara zanatany frantsay|fanjanahantany]], ny fikarohana [[Arkeôlôjia|arkeôlôjika]], ary ny fandinihana ny zavatra naorina momba ny fandevenana (indrindra ny fasana) ny antontan-kevitra momba io fanjakana io. Na izany aza dia samy hafa ny lanjan' ireo loharanom-baovao ireo ara-tantara. Misy tsy fitoviana lehibe hita ao amin' ny lovantsofina momba ny mpanjaka maromaro voalohany, sy ny niforonan' ilay fanjakana ary ny fifandimbiasana teo amin' ny taranak' andriana sasany. Noho izany dia tokony hoheverina ho toy ny lovantsofina ara-tantara noraketin' ny mpanoratra ireo fa tsy toy ny filaharan' ny zava-nitranga ara-potoana voamarina sy raikitra tanteraka.
== Toerana nisy an' ilay fanjakana sy tanàna manan-danja ==
Nahazo ny anarany avy amin' ny anarana manondro ny ony [[Menarandra]], izay mivarina mianantsimo-andrefana ao amin' ny [[Ranomasimbe Indiana]], sy mamakivaky ny faritaniny, ny Fanjakan' i Menarandra. Nomena ny anaran' ilay ony io fanjakana io noho ny maha zava-dehibe an' i Menarandra ao amin' ilay faritra, na ara-toekarena na ara-kolontsaina.
=== Toerana nisy ilay fanjakana ===
Tao amin' ny faritra atsimo amin' ny tanin' ny [[Mahafaly]], manodidina ny Lohasahan' i Menarandra, no nisy ny fizaran-tanin' ny Fanjakan' i Menarandra. Io renirano io dia sady loharanon-drano lehibe indrindra tao amin' ny faritra no sisintany manan-danja, na ara-jeôgrafika na ara-pôlitika. Amin' ny ankapobeny dia teo anelanelan' i [[Onilahy]] any avaratra sy i [[Menarandra]] any atsimo no nisy ny tanin' ny Mahafaly, faritra fantatra amin' ny [[haintany]] sy ny [[Lembalemba Mahafaly|lembalemban-tsokay]]. Tao amin' ny faritra tetezamita teo anelanelan' ny tanin' ny Mahafaly sy ny tanin' ny [[Antandroy]] ary ny tanin' ny [[Atanosy]] nentim-paharazana no nisy ilay fanjakana. Na izany aza, tsy nifanaraka amin' ny sisintany ara-poko raikitra ireo fetra ireo.
=== Ny foibe ara-pôlitika ===
Tsy mitovy tanteraka ny voalazan' ny loharano ara-tantara momba ny anaran' ny foibe ara-pôlitikan' ny Fanjakan' i Menarandra. Manamafy ny fikarohana arkeôlôjika fa toeram-ponenan' ny mpanjaka fahiny i [[Ampasimahanoro]], izay hita ao amin' ny Lohasahan' i Menarandra, any atsimon' [[Androka]]. Na izany aza, misy soratra maromaro manondro an' i Firanga ho renivohitra, anarana izay ampifandraisina na ampitovina amin' Ampasimahanoro ihany koa. Noho izany, tokony ho raisina amim-pitandremana io fanondroana io fa tsy ho zavatra efa voamarina sy voaporofo tanteraka. Toerana lehibe iray hafa nanehoana ny fahefan' ny mpanjakan' i Menarandra koa ny faritr' Antirikiriky, indrindra fa ny ala masina sy ny fasan' ny mpanjaka ao aminy.

160gm0zrtiy7loh9tq2v2e8ogy3y8oh
1150608
1150607
2026-09-11T14:28:42Z
Thelezifor
15140
Toerana nisy an' ilay fanjakana sy tanàna manan-danja
1150608
wikitext
text/x-wiki
Ny '''Fanjakan'''' '''i Menarandra''' dia fanakana iray nisy taloha tany amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i [[Madagasikara]], tao anatin' ny faritra Mahafaly, teo anelanelan' ny ony [[Onilahy (ony)|Onilahy]] sy [[Menarandra]], indrindra nanodidina ny moron' ny ony Menarandra izay mamakivaky ny faritanin' ny [[Mahafaly]] sy [[Antandroy]]. Ao amin' ny tapany atsimo amin' ny faritra mahafaly no misy azy<ref><small>Esoavelomandroso Manassé, "[http://madarevues.recherches.gov.mg/?Les-Souverains-du-Menarandra-dans-la-deuxieme-moitie-du-XIXe-siecle Les Souverains du Menarandra dans la deuxième moitié du XIXè siècle] {{Wayback|url=http://madarevues.recherches.gov.mg/?Les-Souverains-du-Menarandra-dans-la-deuxieme-moitie-du-XIXe-siecle |date=20250929062606 }}", ''Omaly sy Anio (Hier et Aujourd’hui) : revue d’études historiques'', volume 33-36, 1991-1992, pp. 287-298</small></ref> Matetika izy io no ampifamatorina amin' ny fanjakana nipoitra vokatry ny fanitarana ny fahefan' ny tarana-mpanjaka [[Maroserana]] tany amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' ny Nosy, indrindra fa nanomboka tamin' ny taonjato faha-17. Ny loharanom-baovao misy dia mirakitra indrindra ny tantarany nandritra ny vanim-potoana tsy dia ela akory izay, dia ny tapany faharoa tamin' ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Iray amin' ny fanjakana tao amin' ny faritra misy ny Mahafaly io fanjakana io, niaraka tamin' ny [[Fanjakan’ i Sakatovo|Fanjakan' i Sakatovo]] sy ny [[Fanjakan' i Onilahy|Fanjakan' i]] [[Fanjakan' i Onilahy|Onilahy]] ary ny [[Fanjakan' i Linta]].
Indreto ny mpanjaka nifandimby nanjaka tao:
* [[Andriamandembarivo]] (nitondra manodidina ny taona 1680-1700)
* [[Tsimamandy]] (nitondra manodidina ny taona 1700-1760 )
* [[Itrimo]] (nitondra manodidina ny taona 1760-1800)
* [[Bahary]] (nitondra manodidina ny taona 1800-1830)
* [[Tsiampody]] (nitondra manodidina ny taona 1830-1860)
Tsy filaharam-potoana voamarina tsara ara-tantara ireo daty ireo.
Miankina amin' ny fitambaran' ny [[lovantsofina]], ny [[tetiarana]], ny [[fitantarana]] sy fanamarihan' ny mpanoratra eorôpeanina, ny tahirin-kevitra tamin' ny vanim-potoan' ny [[Madagasikara zanatany frantsay|fanjanahantany]], ny fikarohana [[Arkeôlôjia|arkeôlôjika]], ary ny fandinihana ny zavatra naorina momba ny fandevenana (indrindra ny fasana) ny antontan-kevitra momba io fanjakana io. Na izany aza dia samy hafa ny lanjan' ireo loharanom-baovao ireo ara-tantara. Misy tsy fitoviana lehibe hita ao amin' ny lovantsofina momba ny mpanjaka maromaro voalohany, sy ny niforonan' ilay fanjakana ary ny fifandimbiasana teo amin' ny taranak' andriana sasany. Noho izany dia tokony hoheverina ho toy ny lovantsofina ara-tantara noraketin' ny mpanoratra ireo fa tsy toy ny filaharan' ny zava-nitranga ara-potoana voamarina sy raikitra tanteraka.
== Toerana nisy an' ilay fanjakana sy tanàna manan-danja ==
Nahazo ny anarany avy amin' ny anarana manondro ny ony [[Menarandra]], izay mivarina mianantsimo-andrefana ao amin' ny [[Ranomasimbe Indiana]], sy mamakivaky ny faritaniny, ny Fanjakan' i Menarandra. Nomena ny anaran' ilay ony io fanjakana io noho ny maha zava-dehibe an' i Menarandra ao amin' ilay faritra, na ara-toekarena na ara-kolontsaina.
=== Toerana nisy ilay fanjakana ===
Tao amin' ny faritra atsimo amin' ny tanin' ny [[Mahafaly]], manodidina ny Lohasahan' i Menarandra, no nisy ny fizaran-tanin' ny Fanjakan' i Menarandra. Io renirano io dia sady loharanon-drano lehibe indrindra tao amin' ny faritra no sisintany manan-danja, na ara-jeôgrafika na ara-pôlitika. Amin' ny ankapobeny dia teo anelanelan' i [[Onilahy]] any avaratra sy i [[Menarandra]] any atsimo no nisy ny tanin' ny Mahafaly, faritra fantatra amin' ny [[haintany]] sy ny [[Lembalemba Mahafaly|lembalemban-tsokay]]. Tao amin' ny faritra tetezamita teo anelanelan' ny tanin' ny Mahafaly sy ny tanin' ny [[Antandroy]] ary ny tanin' ny [[Atanosy]] nentim-paharazana no nisy ilay fanjakana. Na izany aza, tsy nifanaraka amin' ny sisintany ara-poko raikitra ireo fetra ireo.
=== Ny foibe ara-pôlitika ===
Tsy mitovy tanteraka ny voalazan' ny loharano ara-tantara momba ny anaran' ny foibe ara-pôlitikan' ny Fanjakan' i Menarandra. Manamafy ny fikarohana arkeôlôjika fa toeram-ponenan' ny mpanjaka fahiny i [[Ampasimahanoro]], izay hita ao amin' ny Lohasahan' i Menarandra, any atsimon' [[Androka]]. Na izany aza, misy soratra maromaro manondro an' i Firanga (25°05′S, 44°36′E, miorina eo amin' ny ila-tany ankavanan' ny ony Menarandra, any ambanin' ny ala masin' Antirikiriky) ho renivohitra, anarana izay ampifandraisina na ampitovina amin' Ampasimahanoro ihany koa. Noho izany, tokony ho raisina amim-pitandremana io fanondroana io fa tsy ho zavatra efa voamarina sy voaporofo tanteraka. Toerana lehibe iray hafa nanehoana ny fahefan' ny mpanjakan' i Menarandra koa ny faritr' Antirikiriky, indrindra fa ny ala masina sy ny fasan' ny mpanjaka ao aminy.
== Tantara ==
=== Fiforonan' ilay fanjakana ===
Ny fiforonan' ny Fanjakan' i Menarandra dia ao anatin' ny tantaran' ny fanitaram-pahefana nataon' i [[Maroserana]] tany atsimo-andrefana amin' i [[Madagasikara]]. Io fanitarana io dia niteraka fikambanana sy fahefana ara-pôlitika sy taranaka mpanjaka maromaro tao amin' ny tanin' ny Mahafaly, izay nahitana ny [[Fanjakan' i Linta]] sy ny [[Fanjakan' i Onilahy|Fanjakan']] [[Fanjakan' i Onilahy|i Onilahy]] ary ny [[Fanjakan' i Sakatovo|Fanjakan']] [[Fanjakan' i Sakatovo|i Sakatovo]] sy ny faritanin' ny [[Fanjakan' i Falonaombe|Falonaombe]] koa<ref name=":0">"[https://books.openedition.org/pub/527?lang=fr Mahafaly / Mahafale]", in ''Open Edition Book'', ''books.openedition.org''</ref>.
Ny fifandonana teo amin' ny Mahafaly sy ny Antandroy tamin' ny tenatenan' ny taonjato faha-17 dia voalaza fa niteraka ny fahafatesan' ny mpanjaka antandroy roa ary nitarika ny fizaràn' ny Mahafaly ho vondrona roa: Menarandra sy Sakatovo. Avy eo dia nizara ny Fanjakan' i Menarandra, ka niteraka ny Fanjakan' i Linta manodidina ny taona 1670 ary avy eo ny Fanjakan' i Onilahy manodidina ny taona 1750.

Ny Maroserana tao amin' ny Mahafaly dia misy fifandraisana amin' ny Maroserana tao amin' ny Sakalava sy amin' Anosy, izay samy avy amin' ny [[Zafiraminia]].

Tsy fanjakana manana rafi-pitantanana mampivangongo fahefana ny Fanjakan' i Menarandra. Nifototra tamin' ny tariha na raza (taranaka) izay nanana [[fizakan-tena]] lehibe ny fandaminana ara-pôlitika tao aminy, izay teo ambany fahefan' ny tarana-mpanjaka Maroserana sy ny taranaka nifandray akaiky taminy. Noho izany dia tsy niankina tamin' ny fanerena ara-pizaràn-tany fotsiny ny fahefan' ny mpanjaka. Voatery nifampidinika tsy tapaka tamin' ny mpitarika foko (''mpisoro''), toy ireo avy amin'ny taranaka Tebefira, ny fahefan' ny mpanjaka.
Nifandray tamin' ny fahefana ara-pivavahana, tamin' ny fifandraisana amin' ny tariha na raza samihafa, tamin' ny fiarahan-dia, tamin' ny harena avy amin' ny fiompiana, ary tamin' ny fahaizana mifehy ny zavatra sy fomba fanao ara-pombafomba masina mifandraika amin' ny maha mpanjaka ihany koa ny fiandrianany. Nandray anjara tamin' ny fiasan' ity rafitra ara-pôlitika ity ny [[roandria]] (lehibe mpitarika) isan-toerana sy ny manampahefana misahana ny fombafomba masina, indrindra fa ny [[mpisoro]], araka ny voalazan' ny loharanom-baovao sasany.
=== Rafitra ara-tsôsialy ===
Ilaina ny hahafantarana ny sokajin' olona tao amin' ny rafitra ara-tsôsialy nisy tao amin' ny Fanjakan' i Menerandra mba hahatakarana ny fomba fijery nentim-paharazana momba ny firafitry ny sarangam-pirahamonina sy ara-pôlitika teo amin' ny vahoakan' i Menarandra ([[Befira]], [[Andrianjoho]], [[Valohazomanga]] ary [[Folohazomanga]]). Na izany aza, ny tahirin-kevitra misy dia tsy ahafaha-milaza amin' ny fomba azo antoka fa rafitra ara-tsôsialy ranoray sy tsy miovaova izy ireo nandritra ny tantaran' ilay fanjakana.
==== Ny Befira na Tebefira ====
Lahatsoratra maromaro no mamaritra ny Befira, izay antsoina koa hoe Tebefira, ho tarana-mpanjaka nanana fahefana lehibe avy amin' ny sampan' ny [[Maroserana]] niorina tao amin' ny faritr' i Menarandra. Ny Tebefira no foko mpandresy sady manjaka; ny lehilahy rehetra ao amin' izy ireo dia mitondra amin' ny fomba ôfisialy ny anaram-boninahitra hoe "mpanjaka".
==== Ny Andrianjoho ====
Misy loharanom-baovao sasany koa miresaka momba ny [[Andrianjoho]], izay faritan' ny lovantsofina ho mponina teratany nampanekena nandritra ny fanitarana ny fahefan' ny Tebefira, ka nampidirina tao anatin' ny rafitra ara-tsôsialin' ilay fanjakana.
==== Ny Valohazomanga sy ny Folohazomanga ====
Ao koa ny [[Valohazomanga]] sy ny [[Folohazomanga]] dia vahoaka niandraikitra ny fiarovana ny mpanjaka na niankina aminy. Mandray anjara amin' ny asa ara-toekarena izy ireo sady mitambatra ho hery ara-tafka raha sendra misy fifandonana ara-miaramila.
=== Ny mpisoro sy ny fahefan' ny mpanjaka ===
Nanatanteraka andraikitra ara-pôlitika sy ara-pombafomba masina ny mpanjaka. Misy loharanom-baovao mamaritra azy ho mpisoro, izany hoe olona mitana andraikitra ara-[[Fisoronana|pisoronana]] na ara-pombafomba masina, sady mpanelanelana eo amin' ny vahoaka sy ny razana ary ny hery ara-panahy izay anaovana ireo fombafomba ireo (mba hiantohana ny fiterahan' ny biby fiompy sy ny rotsak' orana ary ny fahavokaran'ny tany). Araka ny fomba amam-panao dia tokony halala-tanana tokoa ny mpanjaka sady hanolotra omby hovonoina matetika mba hitazomana ny fanjakany ho tane mañitse mandrakariva. Singa fototra ao amin' ny fahefana ara-pombafomba masina ny [[hazomanga lava]] sy ny vakoky ny mpanjaka, izay antsoina hoe "<u>jiny</u>" ao amin' ny lahatsoratra maro. Teo anoloan' io hazomanga io no nanateran' ny lehibem-poko hafa ny [[sorona]] nataony, ka tamin' ny alalan' izany no nanomezana ny mpanjakan' i Menarandra toerana ambony indrindra eo amin' ny lafiny ara-panahy raha oharina amin' ny taranaka hafa teo an-toerana. Araka ny famariparitana natao momba azy ireo, ny fananana sy ny fitahirizana ireo zavatra ireo dia nandray anjara tamin' ny fanamafisana ny hery ara-pivavahan' ny mpanjaka sy ny maha ara-dalàna ny fahefany.
Nanatanteraka andraikitra mifandraika amin' ny fanelanelanana ny disadisa (''mpanjaka mitan-dily'') sy amin' ny fitarihana ny tafika ihany koa ny mpanjaka. Araka ny voalazan' ny lovantsofina dia nanana fahafahana hampiravina fifandirana sasany teo amin' ny vondrona samihafa sy nikarakara ny fiarovana ny faritany ary nanetsika ny mponina teo ambany fahefany (''Valohazomanga'') ny mpanjaka. Na izany aza, ny famaritana mazava tsara ny sehatra ampiharana ireo anjara asa ireo sy ny fivoarany rehefa mandeha ny fotoana dia mitaky fampitahana mirindra kokoa eo amin' ny loharanom-baovao ara-poko sy ara-tantara.

Nanampy betsaka ny loharanon-karena momba ny fiompiana koa ny fambolena, indrindra fa tany amin' ny faritra akaikin' ny [[ony]] sy [[renirano]] izay nahazo tombony tamin' ny fisian' ny [[rano]] tsara kokoa. Na dia eo aza ny [[toetany]] maina dia ny [[katsaka]] sy ny [[mangahazo]] ary ny [[Ampemba|ampemby]] no tena nambolena. Miresaka momba ny fivezivezen' ny andian' omby teo amin' ny toerana fiandrasana omby samihafa ihany koa ny lahatsoratra maro. Nitantana faritra manokana firaohan' ny andiam-biby fiompy ahitra ny foko samihafa tao amn' ilay fanjakana sady nikarakara ny famindran-toerana tsy tapaka an' ireo biby ireo teo anelanelan' ny [[Lembalemba Mahafaly|lembalemba]] ao afovoany sy ny faritra amorontsiraka. Na izany aza, ny loharanom-baovao misy dia tsy ahafaha-mamaritra mazava tsara ny habeny, ny fizaran-taona isehoany, na ny fandaminana an' ireo fifindran-toerana ireo manerana ny fanjakana manontolo sy nandritra ny vanim-potoana rehetra.

Nandritra ny taonjato faha-19 dia niatrika ny fanirian' ny fanjakana manodidina hanitatra ny fahefany ilay fanjakana (indrindra fa ny fanafihan' ny [[Fanjakana sakalava|Sakalava]] sy ny disadisa tamin' ny [[Antandroy]]).
=== Fifandraisana tamin' ny Eorôpeanina ===
Ny fifandraisana teo amin' ny vahoaka mahafaly sy ny Eorôpeanina dia nanomboka tamin' ny taonjato faha-17. Araka ny loharanom-baovao ao amin' ny ''General History of Africa'' dia nisy ny fahatongavan' ny solontenan' ny Mahafaly tao [[Fort-Dauphin]] tamin' ny taona 1649, tamin' ny fifandonana tamin' ny [[Masikoro]], ankoatra ny hafa. Ireo fitantarana ireo dia manamarina ny fisian' ny fifandraisana teo amin' ny fanjakana tao amin' ilay faritra sy ny toerana nanorenan' ny Eorôpeana tanàna sy tobim-barotra tamin' izany vanim-potoana izany. Izany anefa tsy manamarina ny fisian' ny fanjakazakan' ny Eorôpeana teo amin' ny faritr' i Menarandra. Tokony horaisina ho fifandraisana ara-diplômatika, ara-tafika, ara-barotra, na ara-pôlitika teo amin' ny fanjakana malagasy sy ny Eorôpeana naorim-ponenana tany atsimon' i Madagasikara kosa ireo fifandraisana voalohany ireo.

Lasa toerana nisehoan' ny fikomiana sy ny fanoherana mafy taty aoriana ny lafin-tany havia amin' i Menerandra, indrindra fa ny hetsika [[Sadiavahy]] teo anelanelan' ny taona 1904 sy 1915.

4f20f0z2l86g88gx2hworvbh51v55lg
1150609
1150608
2026-09-11T14:33:34Z
Thelezifor
15140
Fanovozan-kevitra

* B. A. Ogot (dir.), ''General History of Africa, Volume V: Africa from the Sixteenth to the Eighteenth Century'', UNESCO, 1992/1998.
* Battistini, René. ''Géographie humaine de la plaine côtière mahafaly'', Éditions Cujas, Paris, 1964.
* Campbell, Gwyn (2012). ''David Griffiths and the Missionary "History of Madagascar"''. Leiden, the Netherlands: Brill. <nowiki>ISBN 978-90-04-20980-0</nowiki>.
* Clara Ramiandrisoa, « De l'histoire à l'archéologie : Tsimamandy », dans les travaux consacrés à l'archéologie du Sud malgache.

* Esoavelomandroso, Faranirina V. (1975). ''L'insurrection sadiavahe (1915-1917)''. Cité dans la ''Petite encyclopédie du Grand Sud de Madagascar'', Éditions du CNRS.
* Esoavelomandroso, Manassé (1991-1992). ''Les souverains du Menarandra dans la deuxième moitié du XIXe siècle''. In ''Omaly sy anio : revue d’études historiques'', n° 33-36, pp. 287-298.
* Esoavelomandroso, Manassé. « Les souverains du Menarandra dans la deuxième moitié du XIXᵉ siècle », ''Omaly sy Anio'' (Revue d'histoire de Madagascar), Université d'Antananarivo.
* Bernard, Alain. ''Essai sur la transition de la société Mahafaly vers les rapports marchands'', Éditions de l'ORSTOM, Paris, 1978.
* G. Escargueil, « L'art mahafaly », ''La Terre et la Vie'', 1936.
* G. Speyer, « Notes sur le tombeau du roi Mahafaly Tsiampondy, dans le sud de Madagascar », ''La Terreet la Vie'', vol. 3, no 1, 1933, p. 54-55.
* Gennep, A.V. (1904). ''Tabou Et Totémisme à Madagascar''. Paris: Ernest Leroux. <nowiki>ISBN 978-5-87839-721-6</nowiki>.
* IRD. ''Essai sur la transition de la société Mahafaly vers les rapports marchands'', Horizon Documentation, pp. 45-48.
* Jacaranda de Madagascar. ''Le groupe ethnique Mahafaly : origines et situation géographique''.
* Jeffrey C. Kaufmann, "Faly aux vazaha : Eugǹe Bastard, taboo, and Mahafale Autarky in southwest Madagascar, 1899", in ''History in Africa'' (New Brunswick, NJ), 26, 1999, p. 129-155
* LeHoullier, Sara (August 2010). ''Madagascar'' (Travel Companion). Other Places Publishing. <nowiki>ISBN 978-0-9822619-5-8</nowiki>.
* Lotte Schomerus-Gernböck, ''Die Mahafaly : eine ethnische Gruppe im Süd-Westen Madagaskars'', D. Reimer, Berlin, 1981, 232 p. (<nowiki>ISBN 3-496-00184-4</nowiki>)
* Madagascar Destination. ''Les quatre grands royaumes du pays Mahafaly en 1750''.
* Maurice Zimmermann, « Le pays Mahafaly dans le sud malgache », ''Annales de géographie'', vol. 20, no 110, 1911, p. 189-191.
* Nicole Boulfroy, "L'art funéraire des Mahafale (sud-Ouest de Madagascar)", in ''Anthropologie de l'art : formes et significations : arts de l'Afrique, de l'Amerique et du Pacifique'', ORSTOM, Paris, 1988, p. 30-38
* Ogot, Bethwell A. (1992). ''Africa from the Sixteenth to the Eighteenth Century''. Paris: UNESCO. <nowiki>ISBN 9789231017117</nowiki>.
* ''[https://books.openedition.org/pub/440?lang=fr Petite encyclopédie du Grand Sud de Madagascar]'', "Falogn'aombe", "Firanga", "Antirikiriky", "Menarandra".
* René Battistini, ''Géographie humaine de la plaine côtière mahafaly,'' Éditions Cujas, 1964, 197 p. (thèse complémentaire)
* Shoup, John A. (17 October 2011). ''Ethnic Groups of Africa and the Middle East: An Encyclopedia''. ABC-CLIO. <nowiki>ISBN 978-1-59884-363-7</nowiki>.
* UNESCO / Centre du patrimoine mondial, « Sud-Ouest malgache, Pays Mahafaly », Liste indicative du patrimoine mondial, 1997.
* Various (2003). ''International Encyclopedia of Linguistics'' Vol. 1. Oxford University Press. <nowiki>ISBN 978-0-19-513977-8</nowiki>.
* Wright et al., ''Pastoralists, Warriors and Colonists: The Archaeology of Southern Madagascar''.
== Loharano sy fanamarihana ==
<references />
m151mboydcbzfwn2owu1agelmpjzk0r
1150610
1150609
2026-09-11T17:07:53Z
Thelezifor
15140
Rohy ivelany

* ''[https://books.openedition.org/pub/440?lang=fr Petite encyclopédie du Grand Sud de Madagascar]'', "[https://books.openedition.org/pub/500 Falogn'aombe]", "[https://books.openedition.org/pub/500 Firanga]", "[https://books.openedition.org/pub/485 Antirikiriky]", "[https://books.openedition.org/pub/527 Menarandra]".
* René Battistini, ''Géographie humaine de la plaine côtière mahafaly,'' Éditions Cujas, 1964, 197 p. (thèse complémentaire)
* Shoup, John A. (17 October 2011). ''Ethnic Groups of Africa and the Middle East: An Encyclopedia''. ABC-CLIO. <nowiki>ISBN 978-1-59884-363-7</nowiki>.
* UNESCO / Centre du patrimoine mondial, « Sud-Ouest malgache, Pays Mahafaly », Liste indicative du patrimoine mondial, 1997.
* Various (2003). ''International Encyclopedia of Linguistics'' Vol. 1. Oxford University Press. <nowiki>ISBN 978-0-19-513977-8</nowiki>.
* Wright et al., ''Pastoralists, Warriors and Colonists: The Archaeology of Southern Madagascar''.
== Loharano sy fanamarihana ==
<references />
j85zjo77akn29ogtoe2dx0w6shrudd0
Fanjakana mahafaly
0
290887
1150616
1148859
2026-09-11T20:08:58Z
Thelezifor
15140
Namerina nanoratra ny teny fampidirana
1150616
wikitext
text/x-wiki
Ny '''fanjakana''' '''mahafaly''' dia fanjakana tany amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i [[Madagasikara]], izay niorina teo anelanelan' ny taonjato faha-16 sy faha-17 teo ambonin' ny [[Lembalemba Mahafaly|lembalembam-batosokay]] midadasika sady maina, voafetran' ny ony [[Onilahy (ony)|Onilahy]] any avaratra sy ny ony [[Menarandra]] any atsimo. Niorina teo ambany fitarihan' ny tarana-mpanjaka [[Maroserana]] (na Maroseraña) ny fahefana izay nifototra tamin' ny hasina sy ny fifehezana ny fiompiana omby ary ny fampiasana ny singa maneho ny fombafomba masina toy ny [[hazomanga]]. Ny lovantsofina sy ny soratra ara-tantara fahiny, indrindra fa ny nosoratan' i [[Étienne de Flacourt|Flacourt]], dia mampifandray ity taranaka ity amin' ny mpanorim-panjakana toa an' [[Andriamaro]] na i [[Olombetsitoto]]. Ireo olona ireo dia nanamafy tsikelikely ny fahefany tamin' ny alalan' ny fananganana fifanaraham-piaraha-miasa tamin' ny Tompontany sy ny mponina efa tao an-toerana, toy ny [[Falonaombe]].
Taorian' ny fifandrafiana teo amin' ny samy foko sy ny fifandimbiasana teo amin' ny fitondrana, dia nizarazara ho fanjakana madinika maro mahaleo tena sady mpiady matetika ny tao amin' ny tanin' ny Mahafaly nanomboka tamin' ny tapaky ny taonjato faha-17. Na dia izany dia nisy ny firaisamben' ny fanjakana madinika maromaro ka nandritra ny tantarany dia niorina mafy izany firaisambe izany manodidina vondrona lehibe dimy mahaleo tena: ny [[Fanjakan' i Onilahy|Fanjakan']] [[Fanjakan' i Onilahy|i Onilahy]] any avaratra (niorina tamin' ny taona 1750 teo ho eo), ny [[Fanjakan' i Linta|Fanjakan']] [[Fanjakan' i Linta|i Linta]] teo afovoany (niforona vokatry ny fisarahana tamin' ny taona 1670 teo ho eo), ny [[Fanjakan' i Sakatovo|Fanjakan']] [[Fanjakan' i Sakatovo|i Sakatovo]] izay fanjakana eo afovoany, ny [[Fanjakan' i Menarandra|Fanjakan']] [[Fanjakan' i Menarandra|i Menarandra]] any atsimo, ary ny fizaràn-tanin' i [[Falonaombe]]. Nanana fifandraisana be pitsiny sy niovaova ireo faritra ireo, ka nifandimby teo ny firaisankina sy ny fifamatorana tamin' ny alalan' ny fanambadiana ary ny fifandrafiana matetika. Niatrika fifandonana matetika tamin' ny vondrona mpifanila vodirindrina taminy koa izy ireo, dia ny [[Masikoro]], ny [[Bara]], ny [[Antanosy]] ary ny [[Antandroy]].
Eo amin' ny lafiny kolontsaina dia miavaka ny vahoaka Mahafaly noho ny fitovian' ny fombany mafy orina ary malaza manokana amin' ny zavakanto mifandraika amin' ny fandevenana izay tena voarindra sy kanto (ny fasana sy ny [[aloalo]]). Nandritra ny taonjato faha-19 dia niaro mafy ny fahaleovantenany ireo fanjakana mahafaly ireo, ka nahavita nanohitra tamim-pahombiazana ny ezaka fanitaram-panjakana nataon' ny [[Fanjakan' Imerina|Fanjakana Merina]] teo ambany fitondran-[[Radama Voalohany|Radama I]], ary koa ny fanafihana hafa avy any ivelany. Nifarana io fahaleovantena ara-pôlitika io noho ny fidiran' ny tafika frantsay sy ny fampidirana ilay faritra ho anisan' ny tany fehezin' ny mpanjanaka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19; dingana izay nohamafisin' ny fananganana toby miaramila tany am-piandohan' ny taonjato faha-20. Heverina ho mpanjaka mahafaly lehibe farany i [[Tsiampondy]], izay niakatra teo amin' ny fitondrana tokony ho tamin' ny taona 1890. Ny filavoany lefona tamin' ny farany tamin' ny mpanjanaka no nanamarika ny faharavan' ireo rafitra ara pôlitika nentim-paharazana ireo; araka ny voalazan' ny loharanom-baovao ara-tantara dia teo anelanelan' ny taona 1907 sy 1911 no nifarana ny fanjakany.
== Jereo koa ==
* [[Fanjakan' i Onilahy]]
* [[Fanjakan' i Linta]]
* [[Fanjakan’ i Sakatovo|Fanjakan' i Sakatovo]]
* [[Fanjakan' i Menarandra]]
* [[Falonaombe]]
hye3q61vy2o0blp3ito53hj3cclvewh
Rosângela Reis
0
301996
1150606
2026-09-11T12:54:41Z
~2026-43677-38
40632
vaovao
1150606
wikitext
text/x-wiki
[[sary:Rosângela de Oliveira Campos Reis.png|thumb|Rosângela Reis]]
'''Rosângela de Oliveira Campos Reis''' dia mpampianatra, [[mpanao politika]] mizaka ny zom-pirenen'i {{Brazila}} teraka ny 18 Aprily 1963 tao [[Mesquita (Minas Gerais)]].<ref>(pt) [https://www.camara.leg.br/deputados/220620 www.camara.leg.br]</ref>.
Mpanolotsaina monisipaly tao Ipatinga izy ary lefitra tao amin'ny Antenimieram-pirenena tao {{Minas Gerais}} nandritra ny fe-potoam-piasana 4 nanomboka ny taona 2007 ka hatramin'ny 2023.
Nanomboka tamin'ny 2023 izy dia lefitra federaly ho an'ny fanjakana Minas Gerais.<ref>(pt) [https://www.camara.leg.br/deputados/220620 www.camara.leg.br]</ref><ref>(pt) [https://plmulher.org.br/2026/05/08/deputada-rosangela-reis-reune-liderancas-para-lancamento-de-sua-pre-candidatura-em-ipatinga/ Deputada Rosângela Reis reúne lideranças para lançamento de sua pré-candidatura em Ipatinga]</ref>
===Rohy ivelany===
{{commonscat}}
{{CLEFDETRI:Reis, Rosângela}}
[[Sokajy:Mpanao politika ao Minas Gerais]]
[[sokajy:Teraka tamin'ny taona 1963]]
[[Sokajy:Solombavambahoaka Federalin'i Brezila avy any Minas Gerais]]
[[Sokajy:Partido Liberal|Reis]]
kvqxb4iu3bcery8o0gla43xr0yqqkia
Mpikambana:~2026-49190-86
2
301998
1150612
2026-09-11T17:47:51Z
~2026-49190-86
41003
airport bus florida
1150612
wikitext
text/x-wiki
sxsw March 15 Ashley genge Austin texas
SXSW March 15 Leo rufs Austin texas
SXSW March 15 master ewau Austin texas
t4yra7owcb6ytz5pu5w64ns0vzds0sk
R. Fidimanantsoa Sorapiainana
0
301999
1150619
2026-09-11T23:50:27Z
Mikoriana
40064
Pejy noforonina tamin'ny « = R. Fidimanantsoa Rakotonirina = '''R. Fidimanantsoa Rakotonirina''', izay fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe '''Fidimanantsoa Philibert''', dia mpanoratra, poeta ary mpikabary malagasy. Manoratra amin’ny karazana literatiora maro izy, anisan’izany ny tononkalo, ny sombintantara, ny tantara foronina, ny angano ary ny tantara fandefa an’onjampeo.<ref name=":1">Gazety Valiha</ref> == Fiainany sy ny fianarany == Teraka tamin’ny '''7 Desambra 1978... »
1150619
wikitext
text/x-wiki
= R. Fidimanantsoa Rakotonirina =
'''R. Fidimanantsoa Rakotonirina''', izay fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe '''Fidimanantsoa Philibert''', dia mpanoratra, poeta ary mpikabary malagasy. Manoratra amin’ny karazana literatiora maro izy, anisan’izany ny tononkalo, ny sombintantara, ny tantara foronina, ny angano ary ny tantara fandefa an’onjampeo.<ref name=":1">Gazety Valiha</ref>
== Fiainany sy ny fianarany ==
Teraka tamin’ny '''7 Desambra 1978''', tao '''Befelatanana, Antananarivo''', i Fidimanantsoa. I '''Rakotonirina Philibert''' sy '''Raharisoa Mariette Jeanne''' no ray aman-dreniny. Nandany ny fahazazany tany '''Anosibe Tsena''', Antananarivo, izy.<ref>Gazety Valiha</ref>
Nanomboka nianatra tao amin’ny '''MD Augustin Anosibe''' izy, izay nahazoany ny CEPE tamin’ny 1988. Nanohy tao amin’ny '''SAFF-CEG Antanimbarinandriana''' izy ka nahazo ny BEPC tamin’ny 1992. Avy eo dia nianatra tao amin’ny '''ESJA Md Joseph Andohalo''', ary nahazo ny Baccalauréat C tamin’ny 1996.<ref name=":2">Havàtsa-UPEM</ref>
Taorian’izay dia nanohy fianarana tao amin’ny '''Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo''', sampam-pianarana BTP, ka nahazo ny mari-pahaizana '''Ingéniorat BTP''' tamin’ny 2001.<ref name=":3">Gazety Valiha</ref>
== Asa sy ny literatiora ==
Niditra teo amin’ny sehatry ny asa, indrindra ny sehatry ny fandraharahana, i Fidimanantsoa nanomboka tamin’ny 2001.<ref name=":1" />
Efa nanomboka nanoratra izy tamin’ny fiandohan’ny taona 1990, ary nanomboka nanoratra asa literatiora tamin’ny fomba matotra kokoa manodidina ny '''1994'''. Mpikambana ao amin’ny '''OMDA''' nanomboka tamin’ny '''1992''' izy.<ref name=":1" />
Tamin’ny '''1998''' dia niditra tao amin’ny '''HAVÀTSA-UPEM''', fikambanan’ny mpanoratra sy ny poety malagasy, izy. Nandray anjara tamin’ny fifaninanana sy hetsika literatiora samihafa izy ary nahazo vokatra maromaro.<ref name=":2" />
Anisan’ireo asa nahazoany fankasitrahana ny '''« Mahereza »''', izay nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana '''MAFAMI''' tamin’ny 1999; '''« Kabary sy fomba fitafy »''', nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana '''Tanora Mendrika–FIER MADA''' tamin’ny 2002; ary '''« Tanivon'ny alina »''', izay isan’ireo voafantina 10 voalohany tamin’ny fifaninanana '''Célestin Andriamanantena–HAVÀTSA-UPEM''' tamin’ny 2002.<ref name=":2" />
Tamin’ny 2012 dia isan’ireo voafantina 10 voalohany tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny '''Radio Don Bosco''' ihany koa ny '''« Don Bosco andrarezinay »'''.<ref name=":2" />
== Asa soratra ==
Mivelatra amin’ny karazana soratra maro ny famoronany, toy ny:<ref name=":3" />
* tononkalo;
* sombintantara;
* tantara foronina;
* angano;
* tantara fandefa an’onjampeo;
* kabary sy lahateny an-tsehatra;
* tononkira.
Anisan’ny boky navoakany ny '''Tsoakahitra''', amboaran-tsombintantara nivoaka tamin’ny '''Jona 2019'''.<ref name=":3" />
== Anjara toerany eo amin’ny literatiora ==
Amin’ny maha-mpanoratra, poeta ary mpikabary azy, R. Fidimanantsoa Rakotonirina dia mandray anjara amin’ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny literatiora amin’ny teny malagasy, amin’ny alalan’ny karazan’asa soratra samihafa sy ny fandraisany anjara amin’ny sehatry ny literatiora.<ref name=":3" />
h1643k6hiwbvb6w0sandanb8mn0xu81
1150620
1150619
2026-09-11T23:51:41Z
Mikoriana
40064
/* */

* tononkira.<ref name=":3" />
== Anjara toerany eo amin’ny literatiora ==
Amin’ny maha-mpanoratra, poeta ary mpikabary azy, R. Fidimanantsoa Rakotonirina dia mandray anjara amin’ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny literatiora amin’ny teny malagasy, amin’ny alalan’ny karazan’asa soratra samihafa sy ny fandraisany anjara amin’ny sehatry ny literatiora.<ref name=":3" />
hlfe7266eod8tjuroc8mm0eizi09aef
1150621
1150620
2026-09-11T23:59:05Z
Mikoriana
40064
1150621
wikitext
text/x-wiki
= R. Fidimanantsoa =
= Rakotonirina Fidimanantsoa Philibert, fantatra amin'ny anarana hoe R. Fidimanantsoa, dia poeta, mpanoratra, mpamoron-kira ary mpitendry zavamaneno malagasy. Teraka ny 7 Desambra 1978 tao Befelatanana, Antananarivo. Zanak'i Rakotonirina Philibert, mpamboly, sy Raharisoa Mariette Jeanne, mpivarotra izy. Ao Alatsinainy Ambazaha, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano no tanindrazany. Samy fiavian'ny Raiamandreniny kosa ny ao Ambohimandry sy Ambohipandrano, Distrikan'Arivonimamo. =
= Fianarana =
= Nianatra tao amin'ny Sekoly Masindahy Augustin Anosibe i R. Fidimanantsoa, ka nahazo ny mari-pahaizana CEPE. Nanohy tao amin'ny SAFF Square point carré, izay nanaovany ny CEG Antanimbarinandriana, ka nahazoany ny BEPC. Nianatra tao amin'ny École Saint Joseph Andohalo (ESJA) izy, ary nahazo ny Baccalauréat sokajy C. =
fa4wa6kksyd4cm7epae07181e0cqmvk
1150622
1150621
2026-09-12T00:02:06Z
Mikoriana
40064
1150622
wikitext
text/x-wiki
= R. Fidimanantsoa =
= Rakotonirina Fidimanantsoa Philibert, fantatra amin'ny anarana hoe R. Fidimanantsoa, dia poeta, mpanoratra, mpamoron-kira ary mpitendry zavamaneno malagasy. Teraka ny 7 Desambra 1978 tao ioBefelatanana, Antananarivo. Zanak'i Rakotonirina Philibert, mpamboly, sy Raharisoa Mariette Jeanne, mpivarotra izy. Ao Alatsinainy Ambazaha, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano no tanindrazany. Samy fiavian'ny Raiamandreniny kosa ny ao Ambohimandry sy Ambohipandrano, Distrikan'Arivonimamo. =
= Fianarana =
= Nianatra tao amin'ny Sekoly Masindahy Augustin Anosibe i R. Fidimanantsoa, ka nahazo ny mari-pahaizana CEPE. Nanohy tao amin'ny SAFF Square point carré, izay nanaovany ny CEG Antanimbarinandriana, ka nahazoany ny BEPC. Nianatra tao amin'ny École Saint Joseph Andohalo (ESJA) izy, ary nahazo ny Baccalauréat sokajy C. =
Taorian'izany dia nianatra tao amin'ny École Supérieure Polytechnique d'Antananarivo (ESPA) eny Vontovorona izy, ka nahazo ny mari-pahaizana injeniera amin'ny taotrano sy asa vaventy (Ingénieur du Bâtiment et des Travaux Publics).<ref name=":1">Havàtsa UPEM</ref>
Asa
Tao amin'ny sehatry ny asa no niasany voalohany, ka isan'izany ny asa tao amin'ny Ministeran'ny Faha-salamam-bahoaka, izay niandraiketany ny fotodrafitrasa, ary ny asa tao amin'ny PRMP – Faritra Itasy sy ny PRMP – Commune Urbaine d'Antananarivo.<ref name=":2">Havàtsa UPEM</ref>
Asasoratra sy loka
Tamin'ny taona 1992 dia nanoratra ny tononkalo voalohany mitondra ny lohateny hoe « Ny R. Fidimanantsoa » izy.<ref name=":1" />
Niditra ho mpikambana tao amin'ny HAVÀTSA-UPEM izy tamin'ny taona 1998, tao anatin'ny andiany « Zanaky ny Faha-45 Taona », niforona nandritra ny fankalazana ny faha-45 taonan'ny fikambanana tamin'ny taona 1997.<ref name=":2" />
Tamin'ny 1999, nahazo ny loka voalohany tamin'ny fifaninanana tononkalo, lahateny sy teny soa nokarakarain'ny MAFAMI ny tononkalony « Mahereza ».<ref name=":1" />
Tamin'ny 2002, nahazo loka voalohany tamin'ny sokajy kabary sy fomba fiteny nandritra ny fifaninanana « Tanora Mendrika » nokarakarain'ny FIER MADA Antananarivo izy. Tamin'io taona io ihany koa dia isan'ireo voafantina tao amin'ny « Folo notsongaina » ny sombintantarany « Tanivon'ny alina », izay nahazo ny Loka Célestin Andriamanantena avy amin'ny HAVÀTSA-UPEM.<ref name=":1" />
Tamin'ny 2013, nahazo ny loka tokana tamin'ny fifaninanana tantara foronina nokarakarain'ny Akademia Malagasy, nandritra ny fankalazana ny faha-110 taonan'ny Akademia, ny tantara foroniny « Kitoantoana ».<ref name=":1" />
Tamin'ny 2017, nahazo ny loka faharoa tamin'ny fifaninanana hira fahatsiarovana ny faha-70 taonan'ny Tolona 1947 ny hirany « Ry Madagasikarako ».<ref name=":1" />
f3vhv3963s51m2rfh9lk2d7xuozrq9u
1150623
1150622
2026-09-12T00:03:53Z
Mikoriana
40064
1150623
wikitext
text/x-wiki
= R. Fidimanantsoa =
= Rakotonirina Fidimanantsoa Philibert, fantatra amin'ny anarana hoe R. Fidimanantsoa, dia poeta, mpanoratra, mpamoron-kira ary mpitendry zavamaneno malagasy. Teraka ny 7 Desambra 1978 tao Befelatanana, Antananarivo. Zanak'i Rakotonirina Philibert, mpamboly, sy Raharisoa Mariette Jeanne, mpivarotra izy. Ao Alatsinainy Ambazaha, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano no tanindrazany. Samy fiavian'ny Raiamandreniny kosa ny ao Ambohimandry sy Ambohipandrano, Distrikan'Arivonimamo. =
= Fianarana =
= Nianatra tao amin'ny Sekoly Masindahy Augustin Anosibe i R. Fidimanantsoa, ka nahazo ny mari-pahaizana CEPE. Nanohy tao amin'ny SAFF Square point carré, izay nanaovany ny CEG Antanimbarinandriana, ka nahazoany ny BEPC. Nianatra tao amin'ny École Saint Joseph Andohalo (ESJA) izy, ary nahazo ny Baccalauréat sokajy C. =
= Taorian'izany dia nianatra tao amin'ny École Supérieure Polytechnique d'Antananarivo (ESPA) eny Vontovorona izy, ka nahazo ny mari-pahaizana injeniera amin'ny taotrano sy asa vaventy (Ingénieur du Bâtiment et des Travaux Publics). =
= Asa =
= Tao amin'ny sehatry ny asa no niasany voalohany, ka isan'izany ny asa tao amin'ny Ministeran'ny Faha-salamam-bahoaka, izay niandraiketany ny fotodrafitrasa, ary ny asa tao amin'ny PRMP – Faritra Itasy sy ny PRMP – Commune Urbaine d'Antananarivo. =
= Asasoratra sy loka =
= Tamin'ny taona 1992 dia nanoratra ny tononkalo voalohany mitondra ny lohateny hoe « Ny R. Fidimanantsoa » izy. =
= Niditra ho mpikambana tao amin'ny HAVÀTSA-UPEM izy tamin'ny taona 1998, tao anatin'ny andiany « Zanaky ny Faha-45 Taona », niforona nandritra ny fankalazana ny faha-45 taonan'ny fikambanana tamin'ny taona 1997. =
= Tamin'ny 1999, nahazo ny loka voalohany tamin'ny fifaninanana tononkalo, lahateny sy teny soa nokarakarain'ny MAFAMI ny tononkalony « Mahereza ». =
= Tamin'ny 2002, nahazo loka voalohany tamin'ny sokajy kabary sy fomba fiteny nandritra ny fifaninanana « Tanora Mendrika » nokarakarain'ny FIER MADA Antananarivo izy. Tamin'io taona io ihany koa dia isan'ireo voafantina tao amin'ny « Folo notsongaina » ny sombintantarany « Tanivon'ny alina », izay nahazo ny Loka Célestin Andriamanantena avy amin'ny HAVÀTSA-UPEM. =
= Tamin'ny 2013, nahazo ny loka tokana tamin'ny fifaninanana tantara foronina nokarakarain'ny Akademia Malagasy, nandritra ny fankalazana ny faha-110 taonan'ny Akademia, ny tantara foroniny « Kitoantoana ». =
= Tamin'ny 2017, nahazo ny loka faharoa tamin'ny fifaninanana hira fahatsiarovana ny faha-70 taonan'ny Tolona 1947 ny hirany « Ry Madagasikarako ». =
= Zava-kanto =
= Tamin'ny 2015 no nananganany ny tarika Fangia Kalo Gasy, izay mikolokolo indrindra ny Kalon'Imerina, amin'ny alalan'ny famerenana ireo hira noforoniny sy ireo Kalon'ny Fahiny ary Kalon'ny Omaly. =
= Anisan'ny hira nosoratany ny « Ry Madagasikarako », « Iarivo Mamiko », « Neny », « Veloma », « Ikopa », « Ry larivoko », « Mahaiza Mamindra », « Miara-droa », « Hody any aminao » ary « Manina anao ». Ny « Manina anao » dia tononkalo nosoratany tamin'ny taona 1998, izay novaina ho hira tatỳ aoriana. =
= Anisan'ny mampiavaka ny asa sorany ny fifantohana amin'ny fiainana andavanandro, ny fitiavana, ny fiarahamonina ary ny maha-Malagasy. Manana sanganasa amin'ny tononkalo, tononkira ary tantara soratana izy. =
= Fialamboly sy talenta =
= Ankoatra ny asa soratra sy mozika dia mitendry gitara sy valiha, mikarakaraka voninkazo ary manao sary ihany koa i R. Fidimanantsoa. =
4u1bxamw8yy2oitgrc3mq7e8l69v0x2