Wikipedia mgwiki https://mg.wikipedia.org/wiki/Wikipedia:Fandraisana MediaWiki 1.47.0-wmf.23 first-letter Rakitra Manokana Dinika Mpikambana Dinika amin'ny mpikambana Wikipedia Dinika amin'ny Wikipedia Sary Dinika amin'ny sary MediaWiki Dinika amin'ny MediaWiki Endrika Dinika amin'ny endrika Fanoroana Dinika amin'ny fanoroana Sokajy Dinika amin'ny sokajy TimedText TimedText talk Module Discussion module Event Event talk Brezila 0 6674 1151848 1128274 2026-10-10T19:45:58Z InternetArchiveBot 25011 Rescuing 1 sources and tagging 0 as dead.) #IABot (v2.0.9.6 1151848 wikitext text/x-wiki {{Infobox Pays |nom_local=República Federativa do Brasil |prononciation=Es-Brasil.ogg |langue=pt |nom_malgache=Repoblika Federalin'i Brezila |de=du%20 |image_drapeau=Flag of Brazil.svg |lien_drapeau =Sain'i Brezila |image_lien_drapeau = |image_blason=Coat of arms of Brazil.svg |lien_blason=Mari-piandrian'i Brezila |image_carte=Brazil (orthographic projection).svg |devise=Ordem e Progresso''<br />[[fiteny malagasy|Malagasy]] : « Fandriam-pahalemana sy Fandrosoana » | langues=[[Fiteny portogey|Portogey]] | capitale=[[Brasília]] | coordonnées_capitale= | lien_villes=Tanàna any Brezila | titre_plus_grande_ville=Tanàna ngeza indrindra | plus_grande_ville=[[São Paulo]], [[Rio de Janeiro]] [[Belo Horizonte]], [[Salvador da Bahia|Salvador]]| type_gouvernement=[[Repoblika]] [[federalisma|federaly]] | titres_dirigeants=[[filoha]] | noms_dirigeants=[[Luiz Inácio Lula da Silva]] | superficie_rang=5 |superficie_totale=8 547 877(<small>[[IBGE]]</small>)| pourcentage_eau=0,65 % |population_rang=5 |population_totale={{formatnum:191043661}}| population_année=2009 |densité=21,6 |type_indépendance=Nambara |pays_indépendance=Avy amin'i [[Portogaly]] |date_indépendance=7 Septambra [[1822]]<br />29 Aogositra [[1825]] |pays frontaliers={{ARG}}{{-}}{{COL}}{{-}}{{PER}}{{-}}{{BOL}}{{-}}{{VEN}}{{-}}{{PAR}}{{-}}{{GUY}}{{-}}{{URU}}{{-}}{{SUR}}{{-}}{{FRA}}([[Goiana]]) | gentilé=Brezilianina | IDH= {{mihakatra}} 0,807 | PIB_année=2008 | PIB= $1 572 miliara (FMI) | PIB_rang=faha 10 | | IDH_année=2007 | IDH_catégorie=ambony | IDH_rang=faha 70 | monnaie=[[Real breziliana|Real]] | code_monnaie=BRL | fuseau_horaire=-2 hatramin'i -4 | hymne_national=[[Hino Nacional Brasileiro]] | domaine_internet=.br<ref>http://registro.br/</ref> |indicatif_téléphonique=55 }} Ny '''Brezila''' na '''Brezily''', na '''Repoblika Federalin' i Brezila''', dia firenena ngeza indrindra sy mivelatra indrindra any [[Amerika Latina]]. Atao hoe '''''Brasil''''' izy amin' ny [[Fiteny pôrtogey|teny pôrtogey]]. I [[Brasília|Brasilia]] no renivohiny. Manana velarana mirefy 8&nbsp;547&nbsp;400&nbsp;km² sy mponina maherin' ny 190 tapitrisa izy, ka mahatonga azy ho firenena fahadimy amin' ny lafiny velarantany sy amin' ny lafiny isan' ny mponina. Azy ny antsasaky ny velaran' i [[Amerika Atsimo]] ary mizara sisin-tany amin' ny firenena rehetra ao [[Amerika Atsimo]] afa-tsy i [[Silia]] sy ny [[Ekoadôra]] izy. I Brezila no [[zanatany pôrtogey]] voalohany mandritry ny taonjato maro, ankehitriny, io irery no lovan' ny [[Pôrtogaly]] any [[Amerika]], amin' ny fisehon' ny kolontsaina sy ny [[Fiteny ôfisialy|teny ôfisialy]], ny [[Fiteny pôrtogey|teny pôrtogey]].[[Sary:Mapa do Brasil (OCHA).svg|vignette|Sarin-tanin' i Brezila]] Firenena katôlika sy miteny pôrtogey ngeza indrindra, mpikambana ao amin' ny [[CPLP]] izy. Ny fiteny pôrtogey dia teny voalohany any Amerika Atsimo noho ny demôgrafia brezilianina. Mizara roa ny vohon-tanin' i Brezila: ny lembalemba breziliana sy ny faritanin-dranon' i [[Amazôna]] (ilay ony lava indrindra eto an-tany mirefy 6&nbsp;400 km). Ny faritr' i [[Amazônia]] no mandrakotra ny 60 % amin' ny tanin' i Brezila ka ny ala ao aminy dia ahitana [[Zavamaniry|karazan-javamaniry]] maro indrindra eto an-tany (miisa 1,5 tapitrisa ny karazan-javamaniry hita ao). Isan-karazany ny mponina ao Brezila: hita ao ny [[fotsy hoditra]] manam-piaviana [[Eorôpeana (vahoaka)|eorôpeana]] (55 %), ny [[safiotra]] manam-piaviana eorôpena sy [[mainty hoditra]] (22 %), ny safiotra manam-piaviana eorôpeana sy [[Teratanin' i Amerika|amerindiana]] (12 %), ny mainty hoditra (11 %) ary ny [[Amerindiana]] (0,1 %). Tamin' ny taona 1960 dia nafindra any [[Rio de Janeiro]] ny renivohi-pirenena ba hanomezana lanja indray ny any afovoan-tany. Tamin' ny taona 2008 i Brezila dia firenena faha-11 ara-toekarena izay manana [[harin-karena faobe]] 1&nbsp;572&nbsp;839 Md USD, ao aorian' i [[Espaina]] na 2,42&nbsp;%-n' ny harin-karena faoben' izao tontolo izao. I Brezily no firenena voalohany maneran-tany mpamokatra [[Kafe (maniry)|kafe]] betsaka indrindra sady manana [[harena an-kibon' ny tany]] be dia be. Loharanon-karen' i Brezila koa ny [[alan' i Amazônia]]; miteraka fanimbana ala be anefa ny fitrandrahana izany tafahoatra ka atahorana hiteraka fikorontanan' ny [[tontolo iainana]] (indrindra vokatry ny faharinganan' ny karazan-javamaniry sy karazam-biby maro). I Brezily no firenena matanjaka ara-toekarena indrindra ao [[Amerika Atsimo]] nefa lehibe loatra ny tsy fitovian' ny fari-piainan' ny mponina. == Jereo koa == * [[Lisitry ny fanjakana ao Brezila]] * '''Firenena ao Amerika:''' [[Antigoa-sy-Barboda]] - [[Arjentina]] - [[Bahamasy]] - [[Barbady]] - [[Belizy]] - [[Bôlivia]] - [[Brezila]] - [[Dôminika]] - [[Ekoadôra]] - [[Etazonia]] - [[Goatemala]] - [[Goiana]] - [[Grenady]] - [[Haitỳ|Haity]] -[[Hôndorasy]] - [[Jamaîka]] - [[Kanada]] - [[Kiobà|Kioba]] - [[Kôlômbia]] - [[Kôsta Rika]] - [[Meksika]] - [[Nikaragoa]] - [[Orogoay]] - [[Panamà|Panama]] - [[Paragoay]] - [[Però]] - [[Pôrtô-Rikô|Pôrtô Rikô]] - [[Repoblika Dôminikana]] - [[Salvadôro]] - [[Santa Losia]] - [[Santa-Kity-sy-Nevisy]] - [[Santa-Vinsanta-sy-Grenadina]] - [[Silia]] - [[Sorinama]] - [[Trinite-sy-Tôbagô]] -[[Venezoela]] * '''Kôntinenta eto an-tany:''' [[Afrika]] - [[Amerika]] ([[Amerika Avaratra]] - [[Amerika Atsimo]]) - [[Azia]] - [[Eorôpa]] - [[Ôseania]] - [[Antarktika]] == Rohy ivelany == * {{pt}}{{es}}{{en}} [https://web.archive.org/web/20001018002135/http://www.brazil.gov.br/ Portal-n'ny governemanta brazilianina] * {{fr}} [http://www.bresil.org Ambasadin'ny Brazila any Paris] {{Wayback|url=http://www.bresil.org/ |date=20090817172634 }} * {{pt}} [http://www.comunidadefb.com.br Comunidade França-Brasil] {{Wayback|url=http://www.comunidadefb.com.br/ |date=20091116052330 }} * {{es}}{{en}}[http://www.caei.com.ar/es/irebooks.htm Centro Argentino de Estudios Internacionales, e-books] {{Wayback|url=http://www.caei.com.ar/es/irebooks.htm |date=20100124144421 }} [[Sokajy:Firenena ao Amerika Atsimo]] [[Sokajy:Brazila]] 7tka22tdoy1vlbyfrjis5k0s1pc08ms Dexter, Kansas 0 186658 1151849 941785 2026-10-10T20:32:54Z InternetArchiveBot 25011 Rescuing 1 sources and tagging 0 as dead.) #IABot (v2.0.9.6 1151849 wikitext text/x-wiki {{Coord|37.1794444444|-96.7161111111}} {{infobox tanàna |tanàna=Dexter, Kansas |firenena={{Etazonia}} |faritany=Kansas |velarantany=0.75 |isam-ponina=278 |ben'ny tanàna= }} '''Dexter, Kansas''' dia tanàna ao amin'ny faritany mizaka tenan'i [[Kansas]], ao [[Etazonia]]. 67038. == Jeografia == Ny laharam-pehintaniny ary ny laharan-jarahasiny dia 37.1794444444 ary -96.7161111111. Ny faritr'ora dia GMT -6. == Jereo koa == * [[Kansas]] * [[Etazonia]] == Rohy ivelany == * [https://web.archive.org/web/20130618013727/http://skyways.lib.ks.us/towns/Dexter/ City website] {{vangovango}} [[sokajy:Tanàna ao amin'ny faritany mizaka tenan'i Kansas]] 8f3xcplu6lj6deiioqqt8kmo7kkkd7u Fahagagana 0 263811 1151854 1129546 2026-10-11T05:13:56Z Thelezifor 15140 Nanitsy hadisoam-pitendrena 1151854 wikitext text/x-wiki [[Sary:Jesus healing the sick (89476181).jpg|vignette|322x322px|''Fanasitranana nataon' i Jesoa tao Genesareta'', sary nataon' i Gustave Doré, taonjato faha-19.]] Ny '''fahagagana''' dia zava-miseho tsy araka ny mahazatra na heverina fa tsy fehezin' ny lalanan' ny natiora, sady asan' ny hery tsy hita maso avy amin' ny [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] na avy amin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] na ny [[fanahy]] hafa. Fisehoan-javatra [[Fihoa-draha|mihoa-draha]] ny fahagagana ka tsy voafehin' ny fahefana na ny hery na ny fahaizan' ny olombelona. Mety hiseho mivantana tsy misy mpanelanelana izany nefa mety ho amin' ny alalan' ny mpanompon' io andriamanitra io na ny mpanompon' Andriamanitra. Tsy manan-kambara ny amin' ny fahagagana ny [[siansa]] satria zavatra tsy hay hazavaina na porofoina araka ny lalanan' ny saina izany. Isan' ny maha [[fivavahana]] ny fivavahana ny fisian' ny fitantarana fahagagana. Amin' ny fiarahamonina sasany dia inoana fa ny olona ipetrahan' ny [[tromba]] dia afaka mifandray mivantana amin' ny hery tsy hita maso sady afaka mitsabo ny aretina amin' ny alalan' izany fahefany izany. Matetika ny mpanorina ny fivavahana iray dia inoanan' ny mpanaraka azy fa manana fahefana mahagaga. Araka ny finoana [[jodaisma]] dia nanatanteraka fahagagana araka ny baikon' Andriamanitra i [[Mosesy]] (na Môizy). Ny [[Silamo|Mozilmana]] koa dia mino fa nanatanteraka fanasitranana mahagaga maro ny mpaminany [[Mohamady]]. Ao amin' ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]] dia tsy i [[Jesoa]] ihany no inoana ho nanao fahagagana fa ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|mpianany]] sy ny olo-masina hafa koa ary tsy tamin' ny [[Andro Taloha]] ihany izany fa hatramin' izao. Maro ireo fahagagana nataon' i Jesoa tantaraina ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]], ka isan' izany ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fananganana ny maty ho velona]], ny fanovana ny rano ho divay, ny fampitomboana isa ny mofo sy ny hazandrano mba hamahanana olona an' arivony maro, ny [[Fandroahana fanahy ratsy|famoahana demonia]], ny fanasitranana ny marary sy ny kilemaina. Amin' ny Kristiana dia ny [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|fitsanganan' i Jesoa amin' ny maty]] no fahagagana lehibe indrindra tantaraina ao amin' ny Testamenta Vaovao. == Fahagagana ao amin' ny fivavahana abrahamika == === Ny fahagagana ao amin' ny jodaisma === [[Sary:Elijah Resuscitating the Son of the Widow of Sarepta - Hersent, Louise - 1819.jpg|vignette|236x236px|''Manangan-ko velona ny zanak' ilay vehivavy mpitondratena tao Zarefata ny mpaminany Elisa'', sary nataon' i Louis Hersent (1777-1862).]] Amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] dia ny teny hoe נס / ''nés'' no adika hoe "fahagagana". Ny fahagagana dia famantarana hita maso manambara ny sitrapon' Andriamanitra. Ireo famantarana ireo dia miseho efa hatramin' ny fiandohan' ny tantaran' ny [[Zanak' i Israely]], ka anisan' izany ilay ondrilahy nasolo an' i [[Isaka zanak'i Abrahama|Isaka]] saika hataon-drainy sorona, ao koa ny fahenoan' i [[Mosesy]] (na Môizy) ny feon' Andriamanitra tamin' ny fotoan' ny roimemy nirehitra nefa tsy levona. Ny fahagagana tsarovana indrindra ao amin' ny [[jodaisma]] dia ny [[Fivoahan' ny Zanak' i Israely avy any Egipta|fivoahan' ny Zanak' i Israely]] avy any [[Ejipta tamin' ny Andro Taloha|Egipta]] izay ampiorenana ny [[paska jiosy]] (na ''Pesah''). Misy koa ny fahagagana izay miseho ho famaizana avy amin' Andriamanitra sahala amin'ny [[Safodrano]] sy ny [[Loza folo tao Egipta|loza folo]] tao Egipta. Ahitana fitantarana fahagagana ny ao amin' ny [[Tanakh]]. Isan' ny tantaraina ao ny nataon' ny mpaminany [[Elia]] raha [[Fitsanganan-ko velona|nanangana tamin' ny maty]] ny zanakalahin' ilay vehivavy mpitondratena, araka ny [[Boky voalohan' ny Mpanjaka]] (1Mpanj. 17.17-24) sy ny nataon' ny mpaminany [[Elisa]] (na Elisea) izay nampitombo ny menak' ilay mpitondratena mahantra, araka ny [[Boky faharoan' ny Mpanjaka]] (2Mpanj. 4.1-7) sady nanangana tamin' ny maty koa ny zanakalahin' ilay vehivavy tao Sonema (2Mpanj. 4.18-37). Ny [[Torah]] dia ahitana fitantarana fahagagana mifandray amin' i [[Mosesy]] nandritra ny naha mpitondra tenin' Andriamanitra azy sy tamin' ny fivoahan' ny Zanak' i Israely avy tao Egipta. Anisan' ny fahagagana malaza ny nanasarahan' i Mosesy ny [[Ranomasina Mena]] sy ny areti-mandringana nahazo ny Egiptiana. Tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K. dia maro ireo fikambanana sy fihetsiketsehana ara-pivavahana izay nivoatra teo amin' ny fiarahamonina jiosy tao [[Jodea]] (na Jodia). Maro ireo olona izay nilaza fa mpanao fahagagana araka ny fomban' i Mosesy sy i [[Elia]] sy i [[Elisa]] ary ny mpaminany israelita maro. Miresaka ny amin' ny olona mpanao fahagagana ny asasoratra jiosy taty aoriana ka anisan' izany i Honi HaM'agel (hebreo: חוני המעגל / ''Khoni HaMa'agel'') izay malaza amin' ny fahaizany manao vavaka mandatsaka orana<ref><small>Mishnah Ta'anit 3:8 [http://www.mechon-mamre.org/b/h/h29.htm Hebrew text at Mechon-Mamre] {{Wayback|url=http://www.mechon-mamre.org/b/h/h29.htm |date=20100613041616 }}</small></ref>. Nilaza toy izao raby atao hoe Nachman de Breslov: <blockquote>"Misy ireo olona manamaizina ny fahagagana amin' ny fanazavany azy amin' ny alalan' ny lalàn' ny zavaboary. Rehefa manjavona ireo mpanao fampianaran-diso izay tsy mino ny fahagagana sady rehefa mitombo ny finoana eto amin' izao tontolo izao, dia izay vao hotonga ny Mesia. Fa ny maha izy azy ny Fanavotana dia miankina indrindra amin' izany, izany hoe amin' ny finoana."<ref><small>Nosson of Breslov, Rebbe. Kitzur Likutey Moharan (Abridged Likutey Moharan) Vol. 1 (Kindle 414-417). Breslov Research Institute</small></ref>.</blockquote> === Ny fahagagana ao amin' ny kristianisma === [[Sary:Nicolas Colombel - Christ Healing the Blind.jpg|vignette|256x256px|''Manasitrana ilay teraka jamba i Kristy'', sary nataon' i Nicolas Colombel, taona 1682.]] Araka ny voasoratra ao amin' ny [[Filazantsara|evanjely]] dia [[Fahagagana nataon' i Jesoa|nanao fahagagana i Jesoa]] ka nitana toerana lehibe izany. Nisy fanasitranana mahagaga vokatry ny finoana sy ny [[famoahana demonia.]] Nisy koa ny fanovana ny [[rano]] ho [[divay]] tamin' ny [[fampakaram-bady tao Kanà]]. Nisy ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fananganana amin' ny maty]] sahala amin' ny an' i [[Lazarôsy avy any Betania|Lazarôsy]] (na Lazara), ny fampitomboana isa ny mofo sy ny hazandrano. Misy koa ny fahagagana taterin' ny [[Asan' ny Apôstôly]] sahala amin' ny [[Fahasitranana mahagaga|fanasitranana mahagaga]] an' ilay mandringa tamin' ny alalan' ny vavak' i [[Petera]] (na Piera) sy i [[Joany apostoly|Joany]] (na Jaona). Ny [[Filazantsara|evanjely]] dia ahitana karazana fahagagana telo notanterahin' i [[Jesoa]], dia ny [[fandroahana fanahy ratsy]] sy ny [[Fahasitranana mahagaga|fanasitranana]] aretina ary ny fanehoana zava-mahatalanjona eo amin' ny zavaboary <ref><small>Funk, Robert W. and the Jesus Seminar. ''The acts of Jesus: the search for the authentic deeds of Jesus.'' HarperSanFrancisco. 1998. Introduction, p. 1–40</small></ref>. Ao amin' ny [[Filazantsara araka an' i Joany|Evanjelin' i Joany]] dia antsoina hoe "famantarana" ny fahagagana sady io evanjely io dia manantitra ny asan' Andriamanitra izay ao ambadik' ireo fahagagana ireo<ref> <small>William Temple, ''Readings in St John's Gospel'' (p. 33)</small> </ref>. Ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]] dia ny [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty]] no fahagagana lehibe indrindra ka io no ivon'ny finoan' ny Kristiana. Ao amin' ny Testamenta Vaovao i Jesoa dia manazava fa ny fahagagana dia tenteraka amin' ny alalan' ny finoana an' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]], araka ny hita ao amin' ny [[Evanjelin'i Matio|Evanjelin' i Matio]]: <blockquote>"Ary hoy Jesoa taminy: Noho ny fahakelezan' ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-t[[sinapy]] iray aza ianareo ka hiteny amin' io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao." (Matio 17.20). </blockquote>Taorian' ny [[Fiakaran'i Kristy any an-danitra|niakaran' i Jesoa any an-danitra]] dia nangataka tamin' Andriamanitra ny [[Apôstôly roa ambin' ny folo|Apôstôly]] mba hanao fahagagana amin' ny anarany, handreseny lahatra ny mpanatrika fa velona izy, araka ny [[Asan' ny Apôstôly]]: <blockquote>"<sup>29</sup>Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba [[Toriteny|hitory ny teninao]] amin' ny fahasahiana rehetra, <sup>30</sup> omban' ny aninjiranao ny tananao [[Fahasitranana mahagaga|hahasitrana]] sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin' ny anaran' i Jesoa, Mpanomponao Masina. <sup>31</sup>Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny [[Fanahy Masina (kristianisma)|Fanahy Masina]] izy rehetra ka nitory ny tenin' Andriamanitra tamin' ny fahasahiana." (Asa 4.29-31). </blockquote>Misy koa ny andalana miresaka momba ny [[mpaminany sandoka]] izay afaka manao fahagagana mba hamitahana hatramin' ny olom-boafidin' i [[Kristy]] aza, araka ny voalaza ao amin' ny Evanjelin' i Matio (Matio 24.24). Ao amin' ny [[Epistily faharoa ho an' ny Tesalôniana|Epistily faharoa ho an' ny Tesaloniana]] (na Tesalônisianina) dia izao no voasoratra:<blockquote>"<sup>8</sup>Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin' i Jesoa Tompo amin' ny fofonain' ny vavany ary hofoanany amin' ny fisehoan' ny fihaviany; <sup>9</sup> ny fihavin' ilehiny dia araka ny fiàsan' i [[Satana]] amin' ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra <sup>10</sup>ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin' izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy." (2Tes. 2.8-10).</blockquote>Izao koa no voasoratra ao amlin' ny [[Apokalipsin'i Joany|Apôkalipsy]]:<blockquote>"<sup>13</sup> Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin' ny tany eo imason' ny olona aza. <sup>14</sup> Ary mamitaka izay monina ambonin' ny tany izy amin' ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason' ny bibi-dia, sady milaza amin' izay monina ambonin' ny tany koa mba hanao sary ho an' ny bibi-dia, izay voan' ny sabatra, nefa velona ihany." (Apô. 13.13-14)</blockquote><blockquote>"Fa fanahin' ny [[Demony|demonia]] ireo ka manao famantarana sady mankany amin' ny mpanjaka amin' izao tontolo izao, mba hanangona ary ho amin' ny adin' ilay andro lehiben' Andriamanitra Tsitoha." (Apô. 16.14) "Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin' ny [[Mpaminany|mpaminany sandoka]], dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan' ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin' ny farihy afo mirehitra [[solifara]] izy roroa." (Apo. 19.20).</blockquote>Ireo andalana ireo dia manambara fa tsy voatery ho Andriamanitra avokoa no manatanteraka ny zava-mahatalanjona sy ny fahagagana rehetra. Tamin' ny fiantombohan' ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]] dia matetika ny fahagagana no mahatonga ny [[Jentilisa]] (Jentily) hiova ho Kristiana; ny asasoratra kristiana maro dia maneho fa ny fahagagana dia porofon' ny tokony hanekena ny fahefan' Andriamanitry ny Kristiana irery<ref><small>Ramsay MacMullen, ''Christianizing the Roman Empire, AD 100-400,'' 1984. pp. 23, 108.</small></ref>. Araka ny soratr' i [[Eosebiôsy avy any Kaisarea]] dia niorina tamin' ny fanaovana fahagagana ny lazan' ny [[Apôstôly roa ambin' ny folo|Apôstôly]]<ref><small>Ramsay MacMullen, ''Christianizing the Roman Empire, AD 100-400,'' 1984, p. 40.</small></ref>. Ny fiovan' ny emperora [[Kônstantino I|Kônstantino]] ho kristiana noho ny fahitany famantarana mahagaga teny amin' ny lanitra dia ohatra iray nanamarika ny taonjato fahefatra taor. J.K. Ny mpino ao amin' ny ankamaroan' ny antokom-pivavahana kristiana dia milaza fa mahatanteraka fahagagana, indrindra ny fanasitranana amin' ny alalan' ny finoana sy ny [[Fandroahana fanahy ratsy|fandroahana demonia]]. Ao amin' ny [[Katôlisisma|Eglizy katôlika rômana]] sy ny [[Pentekôtisma|fiangonana pentekôtista]] ary ny [[Kristianisma karismatika|fiangonana karismatika]] no tena andrenesana filazana fahatanteraham-pahagagana. === Fahagagana ao amin' ny finoana silamo === Ao amin' ny [[Silamo|fivavahana silamo]] dia fahagagana ny nahazoana ny boky [[Kor'any]] teto an-tany. Toraka izany koa ilay fandehanan-davitra nataon' ny mpaminany [[Mohamady]] indray alina. Ny "fahagagana" ao amin' ny Kor'any dia azo faritana ho fidirana an-tsehatry ny hery ivelan' ny natiora amin' ny fiainan' ny zavamananaina sy ny olombelona<ref><small>David L. Weddle (2010). ''Miracles: Wonder and Meaning in World Religions''. pp. 35-70. ISBN <bdi>0-81479-483-1</bdi>.</small></ref>. Araka io famaritana io dia misy heviny telo miaraka ny fahagagana: ao amin' ny tantara masina, mifandray amin' i Mohamady tenany ary mifandray amin' ny fanambaràna<ref name=":0"><small>Denis Gril, ''Miracles'', [http://www.brill.nl/encyclopaedia-quran-set-volumes-1-5-plus-index-volume Encyclopedia of the Quran]</small></ref>. Ny Kor'any dia tsy mampiasa ilay voambolana [[Fiteny arabo|arabo]] hoe ''Muʿd̲j̲iza'' ilazana ny fahagagana sady midika ara-bakiteny hoe "izay amotehana ny mpanohitra" (amotehan' ny Mpaminany). Ny teny hoe ''[[Aya|Ayah]]'' no ampiasaina, izay midika ara-bakiteny hoe "famantarana"<ref name=":1"><small>A.J. Wensinck, ''Muʿd̲j̲iza'', [http://www.brill.com/publications/encyclopaedia-islam Encyclopedia of Islam] {{Wayback|url=http://www.brill.com/publications/encyclopaedia-islam |date=20160111023510 }}</small></ref>. Ny teny hoe ''Ayah'' dia ampiasaina ao amin' ny Kor'any araka ireo heviny telo voaresaka etsy ambony ireo: mampahatsiahy ireo andininy ao amin' ny Kor'any (izay heverina fa tenin' Andriamanitra amin' ny fitenin' ny olombelona; asehon' i Mohamady ho ny fototry ny fahagagana); toraka izany koa ny fahagagana sy famantarana (indrindra ireo mahakasika ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|famoronana]]) <ref name=":0" /> <ref name=":1" />. Mba hanohanana ny fahafahan' ny fahagagana miseho sy ny fahefan' Andriamanitra ny zavatra rehetra amin' ny fitsabahan' ny anton-javatra fanampiny tsy miankina dia misy ny teôlôjiana mozilmana tamin' ny [[Andro Antenatenany]] toa an' i [[Al-Ghazâlî|Al-Ghazali]] izay nanda ny hevitra mampifandray ny anton-javatra sy ny voka-javatra, nefa nanaiky azy ireo ho mpanamora ny fikarohana ataon' ny olombelona sy ny fahatakarana ny fandeha-javatra eo amin' ny zavaboary. Nambaran' ireo teôlôjiana ireo fa ny zavaboary dia fitambaran' [[atôma]] mitovy tantana izay averin' Andriamanitra foronina amin' ny fotoana rehetra. Ohatra, raha tokony hilatsaka ny [[tany]] dia mamorona sy mamerina mamorona ny toetra mavesatra Andriamanitra amin' ny fotoana tokony hilatsahan' ny tany. Amin' ny teôlôjiana mozilmana, ny lalàn' ny zavaboary dia fifanjohiana mahazatran' ireo anton-javatra ireo, izay fisehoana ivelany fotsiny fa tsy tena izy: izany dia fanaon' Andriamanitra<ref><small>Robert G. Mourison, ''The Portrayal of Nature in a Medieval Qur’an Commentary'', Studia Islamica, 2002</small></ref> <ref name=":1" />. Ny asasoratra mitantara fiainan' olona ao amin' ny sampan' ny finoana silamo atao hoe [[Sofisma (silamo)|sofisma]] dia mirakitra filazana tantara mahagaga momba ny lehilahy sy vehivevy maromaro. Ny hakingana mahagagan' ny lehilahy masina manaraka ny sofisma dia ahitana ny ''Firasa'' ("fahitana"), ny fahafahana hanjavona tsy ho hitan' ny maso, hanjary tsy hita tanteraka ary hanatanteraka ny ''buruz'' (fivoahan' ny [[Fanahin' ny vatana|fanahin' ny olona]] avy ao amin' ny tenany). Ireo lehilahy masina ireo dia lazaina fa namolaka ny bibidia sady nandeha lalan-davitra amin' ny fotoana fohy dia fohy. Lazaina koa fa afaka namokatra sakafo sy nampilatsaka orana amin' ny fotoan' ny haintany izy ireo, nanasitrana ny marary sady nanampy ny vehivavy tsy miteraka mba ho bevohoka koa <ref><small>Liyakatali Takim, ''[https://books.google.com/books?id=4nWa8y-HiB0C&pg=PA48 The heirs of the prophet: charisma and religious authority in Shi'ite Islam]''</small> </ref> <ref><small>[http://www.sufismjournal.org/history/history.html Saints and Miracles] {{Wayback|url=http://www.sufismjournal.org/history/history.html |date=20100227092942 }}</small></ref>. == Fahagagana ao amin' ny fivavahana any Azia Atsinana == === Fahagagana ao amin' ny bodisma === [[Sary:The infant Buddha taking the Seven Steps.jpg|vignette|274x274px|I Bodà zazakely]] Ny ''Haedong Kosung-jon'' ao [[Kôrea]] izay tantaram-pianinan' ny monka (na moanina) dia mitatitra fa ny mpanjaka Beopheung dia nanam-paniriana hamoaka lalàna hanao ny [[bodisma]] ho [[fivavaham-panjakana]]. Ny tandapa anefa nanohitra an' izany. Tamin' ny fahefatra ambin' ny folo taona nanjakany anefa dia nanomana paikady hahafahaha miala amin' ny fanoheran' ny fitsarana ny mpitan-tsoratra lehiben' ny mpanjaka atao hoe Ichadon. Nandresy lahatra ny mpanjaka i Ichadon mba hahafahany manao fanambaràna momba ny fivavahana bodista amin' ny alalan' ny fampiasany ny tombokesen' ny mpanjaka. Nasain' i Ichadon handà izany fanaovana fanambaràna izany ny mpanjaka amin' ny fotoana handraisan' ny mpanohitra azy sy hangatahan' izy ireo fanazavana. I Ichadon no hilaza tena ho nanao izany sady hanaiky ny fanamelohana azy ho faty, ka hataon' ny olona ho fisandohana izany. Naminany teo amin' ny mpanjaka i Ichadon fa amin' ny andro hanamelohana azy ho faty dia hisy fahagagana mahavariana izay handresy lahatra ny mpanohitra ny fahefan' ny bodisma. Nizotra araka ny tokony ho izy ny fanatanterahana ny paikady nomanin' i Ichadon ka voajono tokoa ireo mpanohitra ireo. Tamin' ny faha-15 andron' ny volana faha-9 amin' ny taona 527 taor. J.K. dia novonoina i Ichadon ka tanteraka ny faminaniany. Nihovitrovitra ny tany, nihamaiziana ny masoandro, nisy voninkazo maro mahafinaritra nilatsaka avy any an-danitra, nanidina nankany amin' ireo tendrombohitra masin' i Geumgang ny lohany izay avy notapahina ka tsy ra no nivoaka amin' ny vatany fa ronono niparitaka telopolo santimetatra miala amin' ny vatany efa tsy misy loha. Nanaiky ilay fambara ho fisehoan' ny fankatoavan' ny lanitra ireo solontenan' ny fitsarana mpanohitra ireo ka lasa fivavaham-panjakana amin' izay ny bodisma tamin' ny taona 527 taor. J.K.<ref><small>James Huntley Grayson, ''Korea: a religious history'', p. 34</small></ref>. Ny ''Honchō Hokke Reigenki'' (tokony ho tamin' ny taona 1040) any [[Japana|Japàna]] dia ahitana fanangonam-pitantarana fahagagana bodista maro<ref><small>Keene, Donald. ''Twenty Plays of the Nō Theater.'' Columbia University Press, New York, 1970.p. 238.</small></ref>. Misahana anjara asa lehibe eo amin' ny fivavahana amin' ny sisan-javatry ny olona maty ([[relika]]) ao [[Azia Atsimo]] ny fahagagana. Ohatra, i Somawathie Stupa ao [[Srilanka]] dia toerana fanaovana [[fivahiniana masina]] sy [[Fizahàn-tany|fizahan-tany]] izay mitombo fankasitrahana avy amin' ny vahoaka noho ny fisian' ny fampahafantarana amin' ny alalan' ny haino aman-jery momba ny tara-pahazavana mahagaga sy ny fisehoan-javatra ary ny fitantarana mahagaga amin' izao [[Andro Vaovao|andro vaovao]] izao, izay matetika noraiketina amin' ny [[sary pika]] sy amin' ny [[Sarimihetsika|sary mihetsika]]. === Ny fanagagana ao amin' ny hindoisma === [[Sary:Ganesh with flower.jpg|vignette|230x230px|Sarivongana maneho an' i Ganesh, iray amin' ny andriamanitry ny [[Hindoisma|fivavahana hindoa]].]] Ao amin' ny [[hindoisma]] dia miompana amin' ny fitantarana fanafahana ara-panahy ny fahagagana<ref name=":2"><small>David L. Weddle (2010). ''Miracles: Wonder and Meaning in World Religions''. pp. 35–70. ISBN <bdi>0-81479-483-1</bdi>.</small></ref>. Ohatra lehibe amin' izany ny fanambaràn' i [[Krishna]] tamin' i Arjuna, izay nandresen' i Krishna lahatra an' i Arjuna mba handray anjara amin' ny ady nifanaovany tamin' ireo rahalahy havany ka nanomezany an' i Arjuna ny fahefana hahita ny tena fivelaran' izao tontolo izao sy ny fitazoman' i Krishna an' izany eo ampofoany, ka mitaky fahitana araka ny fomban' andriamanitra izany. Toe-draharaha mampiavaka ny [[fedrà]] hindoa izany, izay ahitana "asa mahatalanjona tanterahina mba hitondrana fanafahana ara-panahy ho an' ireo izay mijoro ho vavolombelona na mamaky teny ny amin' izany"<ref name=":2" />. Ny olon-kendry hindoa dia nitsikera ny fiandrasana na ny fitadiavana fahagagana ho toy ny fisolokiana, izay itadiavan' ny olona sasany tombontsoa tsy misy asa mendrika an' izany <ref name=":2" />. Mbola misy tsindraindray ny fitantarana fahagagana ao amin' ny fanaon' ny hindoisma, ka ohatra amin' izany ny fahagagana notaterina ao amin' ny hindoisma, dia ny fahagagana momba ilay atao hoe "ronono hindoa" tamin' ny Septambra 1995, izay mbola niseho koa tamin' ny taona 2006 sy 2010, izay nahitana ny sarivongan' ny andriamanitra hindoa sasany nisotro ny ronono natao fanatitra ho azy ireo. == Azo anovozan-kevitra == '''Amin' ny teny anglisy''' * Stephen Brogan ''The Royal Touch in Early Modern England: Politics, Medicine and Sin'', Royal Historical Society, 2015 * H. A. Drake ''A Century of Miracles: Christians, Pagans, Jews and the Supernatural, 312-410'', Oxford University Press, 2017 * Houdini, Harry ''Miracle Mongers and Their Methods: A Complete Expose'' Prometheus Books; Reprint edition (March 1993) originally published in 1920 <nowiki>ISBN 0-87975-817-1</nowiki>. * Robert Knapp ''The Dawn of Christianity: People and Gods in a Time of Magic and Miracles'', Profile books, Great Britain, 2017 * Marvin Meyer and Richard Smith ''Ancient Christian Magic: Coptic Texts of Ritual Power'' Princeton University Press, 1999 * D. Michaelides (editor) ''Medicine and Healing in the Ancient Mediterranean World'', Oxbow Books, 2014 * Joe Nickell ''Looking for a Miracle: Weeping Icons, Relics, Stigmata, Visions & Healing Cures'', Prometheus Books, 1997 * William A. Nolen ''Healing: A Doctor in Search of a Miracle'', Random House, 1975 * Roy Porter ''The Greatest Benefit to Mankind: A Medical History of Humanity'', W.W. Norton & Co., 1997 * James Randi ''The Faith Healers'', Prometheus Books, 1987 * Andrew Dickson White (1896 first edition. A classic work constantly reprinted) ''A History of the Warfare of Science with Theology in Christendom'', See chapter 13, part 2, ''Growth of Legends of Healing: the life of Saint Francis Xavier as a typical example''. * Rory Roybal, ''Miracles or Magic?''. Xulon Press, 2005. '''Amin' ny teny frantsay''' * Jean Chélini, ''Histoire religieuse de l'Occident médiéval'', collection U, Paris, Colin, 1968 * Patrick Sbalchiero, ''L'Église face aux miracles. De l'évangile à nos jours'', Fayard, 2007. * Patrick Sbalchiero, ''Enquête sur les miracles dans l'Église catholique'', Paris, Artège, 2019, 320 p. (<nowiki>ISBN 979-1-033-60832-5</nowiki>). * Jean-Louis Schefer, ''L’Hostie profanée. Histoire d’une fiction théologique'', Paris, P.O.L., 2007 (<nowiki>ISBN 978-2846822084</nowiki>) * Thierry Murcia, ''Jésus - Les miracles élucidés par la médecine'', Paris, 2003 (approche rationalisante). * Henri Dufour, ''L'idée de miracle et la physique moderne'', Petite bibliothèque des chercheurs, Arthur Imer Éditeur / Librairie F. Payot, Lausanne, 1886. == Jereo koa == *[[Fahagagana nataon' i Jesoa]] *[[Fandroahana fanahy ratsy|Famoahana fanahy ratsy]] *[[Fahasitranana mahagaga]] == Loharano == rl678uk1m26jm326ckt2wn3ul748pak 1151855 1151854 2026-10-11T05:20:17Z Thelezifor 15140 Nanitsy hadisoam-pitendrena 1151855 wikitext text/x-wiki [[Sary:Jesus healing the sick (89476181).jpg|vignette|322x322px|''Fanasitranana nataon' i Jesoa tao Genesareta'', sary nataon' i Gustave Doré, taonjato faha-19.]] Ny '''fahagagana''' dia zava-miseho tsy araka ny mahazatra na heverina fa tsy fehezin' ny lalanan' ny natiora, sady asan' ny hery tsy hita maso avy amin' ny [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] na avy amin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] na ny [[fanahy]] hafa. Fisehoan-javatra [[Fihoa-draha|mihoa-draha]] ny fahagagana ka tsy voafehin' ny fahefana na ny hery na ny fahaizan' ny olombelona. Mety hiseho mivantana tsy misy mpanelanelana izany nefa mety ho amin' ny alalan' ny mpanompon' io andriamanitra io na ny mpanompon' Andriamanitra. Tsy manan-kambara ny amin' ny fahagagana ny [[siansa]] satria zavatra tsy hay hazavaina na porofoina araka ny lalanan' ny saina izany. Isan' ny maha [[fivavahana]] ny fivavahana ny fisian' ny fitantarana fahagagana. Amin' ny fiarahamonina sasany dia inoana fa ny olona ipetrahan' ny [[tromba]] dia afaka mifandray mivantana amin' ny hery tsy hita maso sady afaka mitsabo ny aretina amin' ny alalan' izany fahefany izany. Matetika ny mpanorina ny fivavahana iray dia inoanan' ny mpanaraka azy fa manana fahefana mahagaga. Araka ny finoana [[jodaisma]] dia nanatanteraka fahagagana araka ny baikon' Andriamanitra i [[Mosesy]] (na Môizy). Ny [[Silamo|Mozilmana]] koa dia mino fa nanatanteraka fanasitranana mahagaga maro ny mpaminany [[Mohamady]]. Ao amin' ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]] dia tsy i [[Jesoa]] ihany no inoana ho nanao fahagagana fa ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|mpianany]] sy ny olo-masina hafa koa ary tsy tamin' ny [[Andro Taloha]] ihany izany fa hatramin' izao. Maro ireo fahagagana nataon' i Jesoa tantaraina ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]], ka isan' izany ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fananganana ny maty ho velona]], ny fanovana ny rano ho divay, ny fampitomboana isa ny mofo sy ny hazandrano mba hamahanana olona an' arivony maro, ny [[Fandroahana fanahy ratsy|famoahana demonia]], ny fanasitranana ny marary sy ny kilemaina. Amin' ny Kristiana dia ny [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|fitsanganan' i Jesoa amin' ny maty]] no fahagagana lehibe indrindra tantaraina ao amin' ny Testamenta Vaovao. == Fahagagana ao amin' ny fivavahana abrahamika == === Ny fahagagana ao amin' ny jodaisma === [[Sary:Elijah Resuscitating the Son of the Widow of Sarepta - Hersent, Louise - 1819.jpg|vignette|236x236px|''Manangan-ko velona ny zanak' ilay vehivavy mpitondratena tao Zarefata ny mpaminany Elisa'', sary nataon' i Louis Hersent (1777-1862).]] Amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] dia ny teny hoe נס / ''nés'' no adika hoe "fahagagana". Ny fahagagana dia famantarana hita maso manambara ny sitrapon' Andriamanitra. Ireo famantarana ireo dia miseho efa hatramin' ny fiandohan' ny tantaran' ny [[Zanak' i Israely]], ka anisan' izany ilay ondrilahy nasolo an' i [[Isaka zanak'i Abrahama|Isaka]] saika hataon-drainy sorona, ao koa ny fahenoan' i [[Mosesy]] (na Môizy) ny feon' Andriamanitra tamin' ny fotoan' ny roimemy nirehitra nefa tsy levona. Ny fahagagana tsarovana indrindra ao amin' ny [[jodaisma]] dia ny [[Fivoahan' ny Zanak' i Israely avy any Egipta|fivoahan' ny Zanak' i Israely]] avy any [[Ejipta tamin' ny Andro Taloha|Egipta]] izay ampiorenana ny [[paska jiosy]] (na ''Pesah''). Misy koa ny fahagagana izay miseho ho famaizana avy amin' Andriamanitra sahala amin'ny [[Safodrano]] sy ny [[Loza folo tao Egipta|loza folo]] tao Egipta. Ahitana fitantarana fahagagana ny ao amin' ny [[Tanakh]]. Isan' ny tantaraina ao ny nataon' ny mpaminany [[Elia]] raha [[Fitsanganan-ko velona|nanangana tamin' ny maty]] ny zanakalahin' ilay vehivavy mpitondratena, araka ny [[Boky voalohan' ny Mpanjaka]] (1Mpanj. 17.17-24) sy ny nataon' ny mpaminany [[Elisa]] (na Elisea) izay nampitombo ny menak' ilay mpitondratena mahantra, araka ny [[Boky faharoan' ny Mpanjaka]] (2Mpanj. 4.1-7) sady nanangana tamin' ny maty koa ny zanakalahin' ilay vehivavy tao Sonema (2Mpanj. 4.18-37). Ny [[Torah]] dia ahitana fitantarana fahagagana mifandray amin' i [[Mosesy]] nandritra ny naha mpitondra tenin' Andriamanitra azy sy tamin' ny fivoahan' ny Zanak' i Israely avy tao Egipta. Anisan' ny fahagagana malaza ny nanasarahan' i Mosesy ny [[Ranomasina Mena]] sy ny areti-mandringana nahazo ny Egiptiana. Tamin' ny taonjato voalohany tal. J.K. dia maro ireo fikambanana sy fihetsiketsehana ara-pivavahana izay nivoatra teo amin' ny fiarahamonina jiosy tao [[Jodea]] (na Jodia). Maro ireo olona izay nilaza fa mpanao fahagagana araka ny fomban' i Mosesy sy i [[Elia]] sy i [[Elisa]] ary ny mpaminany israelita maro. Miresaka ny amin' ny olona mpanao fahagagana ny asasoratra jiosy taty aoriana ka anisan' izany i Honi HaM'agel (hebreo: חוני המעגל / ''Khoni HaMa'agel'') izay malaza amin' ny fahaizany manao vavaka mandatsaka orana<ref><small>Mishnah Ta'anit 3:8 [http://www.mechon-mamre.org/b/h/h29.htm Hebrew text at Mechon-Mamre] {{Wayback|url=http://www.mechon-mamre.org/b/h/h29.htm |date=20100613041616 }}</small></ref>. Nilaza toy izao raby atao hoe Nachman de Breslov: <blockquote>"Misy ireo olona manamaizina ny fahagagana amin' ny fanazavany azy amin' ny alalan' ny lalàn' ny zavaboary. Rehefa manjavona ireo mpanao fampianaran-diso izay tsy mino ny fahagagana sady rehefa mitombo ny finoana eto amin' izao tontolo izao, dia izay vao hotonga ny Mesia. Fa ny maha izy azy ny Fanavotana dia miankina indrindra amin' izany, izany hoe amin' ny finoana."<ref><small>Nosson of Breslov, Rebbe. Kitzur Likutey Moharan (Abridged Likutey Moharan) Vol. 1 (Kindle 414-417). Breslov Research Institute</small></ref>.</blockquote> === Ny fahagagana ao amin' ny kristianisma === [[Sary:Nicolas Colombel - Christ Healing the Blind.jpg|vignette|256x256px|''Manasitrana ilay teraka jamba i Kristy'', sary nataon' i Nicolas Colombel, taona 1682.]] Araka ny voasoratra ao amin' ny [[Filazantsara|evanjely]] dia [[Fahagagana nataon' i Jesoa|nanao fahagagana i Jesoa]] ka nitana toerana lehibe izany. Nisy fanasitranana mahagaga vokatry ny finoana sy ny [[famoahana demonia.]] Nisy koa ny fanovana ny [[rano]] ho [[divay]] tamin' ny [[fampakaram-bady tao Kanà]]. Nisy ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fananganana amin' ny maty]] sahala amin' ny an' i [[Lazarôsy avy any Betania|Lazarôsy]] (na Lazara), ny fampitomboana isa ny mofo sy ny hazandrano. Misy koa ny fahagagana taterin' ny [[Asan' ny Apôstôly]] sahala amin' ny [[Fahasitranana mahagaga|fanasitranana mahagaga]] an' ilay mandringa tamin' ny alalan' ny vavak' i [[Petera]] (na Piera) sy i [[Joany apostoly|Joany]] (na Jaona). Ny [[Filazantsara|evanjely]] dia ahitana karazana fahagagana telo notanterahin' i [[Jesoa]], dia ny [[fandroahana fanahy ratsy]] sy ny [[Fahasitranana mahagaga|fanasitranana]] aretina ary ny fanehoana zava-mahatalanjona eo amin' ny zavaboary <ref><small>Funk, Robert W. and the Jesus Seminar. ''The acts of Jesus: the search for the authentic deeds of Jesus.'' HarperSanFrancisco. 1998. Introduction, p. 1–40</small></ref>. Ao amin' ny [[Filazantsara araka an' i Joany|Evanjelin' i Joany]] dia antsoina hoe "famantarana" ny fahagagana sady io evanjely io dia manantitra ny asan' Andriamanitra izay ao ambadik' ireo fahagagana ireo<ref> <small>William Temple, ''Readings in St John's Gospel'' (p. 33)</small> </ref>. Ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]] dia ny [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty]] no fahagagana lehibe indrindra ka io no ivon'ny finoan' ny Kristiana. Ao amin' ny Testamenta Vaovao i Jesoa dia manazava fa ny fahagagana dia tanteraka amin' ny alalan' ny finoana an' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]], araka ny hita ao amin' ny [[Evanjelin'i Matio|Evanjelin' i Matio]]: <blockquote>"Ary hoy Jesoa taminy: Noho ny fahakelezan' ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-t[[sinapy]] iray aza ianareo ka hiteny amin' io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao." (Matio 17.20). </blockquote>Taorian' ny [[Fiakaran'i Kristy any an-danitra|niakaran' i Jesoa any an-danitra]] dia nangataka tamin' Andriamanitra ny [[Apôstôly roa ambin' ny folo|Apôstôly]] mba hanao fahagagana amin' ny anarany, handreseny lahatra ny mpanatrika fa velona izy, araka ny [[Asan' ny Apôstôly]]: <blockquote>"<sup>29</sup>Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba [[Toriteny|hitory ny teninao]] amin' ny fahasahiana rehetra, <sup>30</sup> omban' ny aninjiranao ny tananao [[Fahasitranana mahagaga|hahasitrana]] sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin' ny anaran' i Jesoa, Mpanomponao Masina. <sup>31</sup>Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny [[Fanahy Masina (kristianisma)|Fanahy Masina]] izy rehetra ka nitory ny tenin' Andriamanitra tamin' ny fahasahiana." (Asa 4.29-31). </blockquote>Misy koa ny andalana miresaka momba ny [[mpaminany sandoka]] izay afaka manao fahagagana mba hamitahana hatramin' ny olom-boafidin' i [[Kristy]] aza, araka ny voalaza ao amin' ny Evanjelin' i Matio (Matio 24.24). Ao amin' ny [[Epistily faharoa ho an' ny Tesalôniana|Epistily faharoa ho an' ny Tesaloniana]] (na Tesalônisianina) dia izao no voasoratra:<blockquote>"<sup>8</sup>Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin' i Jesoa Tompo amin' ny fofonain' ny vavany ary hofoanany amin' ny fisehoan' ny fihaviany; <sup>9</sup> ny fihavin' ilehiny dia araka ny fiàsan' i [[Satana]] amin' ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra <sup>10</sup>ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin' izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy." (2Tes. 2.8-10).</blockquote>Izao koa no voasoratra ao amlin' ny [[Apokalipsin'i Joany|Apôkalipsy]]:<blockquote>"<sup>13</sup> Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin' ny tany eo imason' ny olona aza. <sup>14</sup> Ary mamitaka izay monina ambonin' ny tany izy amin' ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason' ny bibi-dia, sady milaza amin' izay monina ambonin' ny tany koa mba hanao sary ho an' ny bibi-dia, izay voan' ny sabatra, nefa velona ihany." (Apô. 13.13-14)</blockquote><blockquote>"Fa fanahin' ny [[Demony|demonia]] ireo ka manao famantarana sady mankany amin' ny mpanjaka amin' izao tontolo izao, mba hanangona ary ho amin' ny adin' ilay andro lehiben' Andriamanitra Tsitoha." (Apô. 16.14) "Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin' ny [[Mpaminany|mpaminany sandoka]], dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan' ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin' ny farihy afo mirehitra [[solifara]] izy roroa." (Apo. 19.20).</blockquote>Ireo andalana ireo dia manambara fa tsy voatery ho Andriamanitra avokoa no manatanteraka ny zava-mahatalanjona sy ny fahagagana rehetra. Tamin' ny fiantombohan' ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]] dia matetika ny fahagagana no mahatonga ny [[Jentilisa]] (Jentily) hiova ho Kristiana; ny asasoratra kristiana maro dia maneho fa ny fahagagana dia porofon' ny tokony hanekena ny fahefan' Andriamanitry ny Kristiana irery<ref><small>Ramsay MacMullen, ''Christianizing the Roman Empire, AD 100-400,'' 1984. pp. 23, 108.</small></ref>. Araka ny soratr' i [[Eosebiôsy avy any Kaisarea]] dia niorina tamin' ny fanaovana fahagagana ny lazan' ny [[Apôstôly roa ambin' ny folo|Apôstôly]]<ref><small>Ramsay MacMullen, ''Christianizing the Roman Empire, AD 100-400,'' 1984, p. 40.</small></ref>. Ny fiovan' ny emperora [[Kônstantino I|Kônstantino]] ho kristiana noho ny fahitany famantarana mahagaga teny amin' ny lanitra dia ohatra iray nanamarika ny taonjato fahefatra taor. J.K. Ny mpino ao amin' ny ankamaroan' ny antokom-pivavahana kristiana dia milaza fa mahatanteraka fahagagana, indrindra ny fanasitranana amin' ny alalan' ny finoana sy ny [[Fandroahana fanahy ratsy|fandroahana demonia]]. Ao amin' ny [[Katôlisisma|Eglizy katôlika rômana]] sy ny [[Pentekôtisma|fiangonana pentekôtista]] ary ny [[Kristianisma karismatika|fiangonana karismatika]] no tena andrenesana filazana fahatanteraham-pahagagana. === Fahagagana ao amin' ny finoana silamo === Ao amin' ny [[Silamo|fivavahana silamo]] dia fahagagana ny nahazoana ny boky [[Kor'any]] teto an-tany. Toraka izany koa ilay fandehanan-davitra nataon' ny mpaminany [[Mohamady]] indray alina. Ny "fahagagana" ao amin' ny Kor'any dia azo faritana ho fidirana an-tsehatry ny hery ivelan' ny natiora amin' ny fiainan' ny zavamananaina sy ny olombelona<ref><small>David L. Weddle (2010). ''Miracles: Wonder and Meaning in World Religions''. pp. 35-70. ISBN <bdi>0-81479-483-1</bdi>.</small></ref>. Araka io famaritana io dia misy heviny telo miaraka ny fahagagana: ao amin' ny tantara masina, mifandray amin' i Mohamady tenany ary mifandray amin' ny fanambaràna<ref name=":0"><small>Denis Gril, ''Miracles'', [http://www.brill.nl/encyclopaedia-quran-set-volumes-1-5-plus-index-volume Encyclopedia of the Quran]</small></ref>. Ny Kor'any dia tsy mampiasa ilay voambolana [[Fiteny arabo|arabo]] hoe ''Muʿd̲j̲iza'' ilazana ny fahagagana sady midika ara-bakiteny hoe "izay amotehana ny mpanohitra" (amotehan' ny Mpaminany). Ny teny hoe ''[[Aya|Ayah]]'' no ampiasaina, izay midika ara-bakiteny hoe "famantarana"<ref name=":1"><small>A.J. Wensinck, ''Muʿd̲j̲iza'', [http://www.brill.com/publications/encyclopaedia-islam Encyclopedia of Islam] {{Wayback|url=http://www.brill.com/publications/encyclopaedia-islam |date=20160111023510 }}</small></ref>. Ny teny hoe ''Ayah'' dia ampiasaina ao amin' ny Kor'any araka ireo heviny telo voaresaka etsy ambony ireo: mampahatsiahy ireo andininy ao amin' ny Kor'any (izay heverina fa tenin' Andriamanitra amin' ny fitenin' ny olombelona; asehon' i Mohamady ho ny fototry ny fahagagana); toraka izany koa ny fahagagana sy famantarana (indrindra ireo mahakasika ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|famoronana]]) <ref name=":0" /> <ref name=":1" />. Mba hanohanana ny fahafahan' ny fahagagana miseho sy ny fahefan' Andriamanitra ny zavatra rehetra amin' ny fitsabahan' ny anton-javatra fanampiny tsy miankina dia misy ny teôlôjiana mozilmana tamin' ny [[Andro Antenatenany]] toa an' i [[Al-Ghazâlî|Al-Ghazali]] izay nanda ny hevitra mampifandray ny anton-javatra sy ny voka-javatra, nefa nanaiky azy ireo ho mpanamora ny fikarohana ataon' ny olombelona sy ny fahatakarana ny fandeha-javatra eo amin' ny zavaboary. Nambaran' ireo teôlôjiana ireo fa ny zavaboary dia fitambaran' [[atôma]] mitovy tantana izay averin' Andriamanitra foronina amin' ny fotoana rehetra. Ohatra, raha tokony hilatsaka ny [[tany]] dia mamorona sy mamerina mamorona ny toetra mavesatra Andriamanitra amin' ny fotoana tokony hilatsahan' ny tany. Amin' ny teôlôjiana mozilmana, ny lalàn' ny zavaboary dia fifanjohiana mahazatran' ireo anton-javatra ireo, izay fisehoana ivelany fotsiny fa tsy tena izy: izany dia fanaon' Andriamanitra<ref><small>Robert G. Mourison, ''The Portrayal of Nature in a Medieval Qur’an Commentary'', Studia Islamica, 2002</small></ref> <ref name=":1" />. Ny asasoratra mitantara fiainan' olona ao amin' ny sampan' ny finoana silamo atao hoe [[Sofisma (silamo)|sofisma]] dia mirakitra filazana tantara mahagaga momba ny lehilahy sy vehivevy maromaro. Ny hakingana mahagagan' ny lehilahy masina manaraka ny sofisma dia ahitana ny ''Firasa'' ("fahitana"), ny fahafahana hanjavona tsy ho hitan' ny maso, hanjary tsy hita tanteraka ary hanatanteraka ny ''buruz'' (fivoahan' ny [[Fanahin' ny vatana|fanahin' ny olona]] avy ao amin' ny tenany). Ireo lehilahy masina ireo dia lazaina fa namolaka ny bibidia sady nandeha lalan-davitra amin' ny fotoana fohy dia fohy. Lazaina koa fa afaka namokatra sakafo sy nampilatsaka orana amin' ny fotoan' ny haintany izy ireo, nanasitrana ny marary sady nanampy ny vehivavy tsy miteraka mba ho bevohoka koa <ref><small>Liyakatali Takim, ''[https://books.google.com/books?id=4nWa8y-HiB0C&pg=PA48 The heirs of the prophet: charisma and religious authority in Shi'ite Islam]''</small> </ref> <ref><small>[http://www.sufismjournal.org/history/history.html Saints and Miracles] {{Wayback|url=http://www.sufismjournal.org/history/history.html |date=20100227092942 }}</small></ref>. == Fahagagana ao amin' ny fivavahana any Azia Atsinana == === Fahagagana ao amin' ny bodisma === [[Sary:The infant Buddha taking the Seven Steps.jpg|vignette|274x274px|I Bodà zazakely]] Ny ''Haedong Kosung-jon'' ao [[Kôrea]] izay tantaram-pianinan' ny monka (na moanina) dia mitatitra fa ny mpanjaka Beopheung dia nanam-paniriana hamoaka lalàna hanao ny [[bodisma]] ho [[fivavaham-panjakana]]. Ny tandapa anefa nanohitra an' izany. Tamin' ny fahefatra ambin' ny folo taona nanjakany anefa dia nanomana paikady hahafahaha miala amin' ny fanoheran' ny fitsarana ny mpitan-tsoratra lehiben' ny mpanjaka atao hoe Ichadon. Nandresy lahatra ny mpanjaka i Ichadon mba hahafahany manao fanambaràna momba ny fivavahana bodista amin' ny alalan' ny fampiasany ny tombokesen' ny mpanjaka. Nasain' i Ichadon handà izany fanaovana fanambaràna izany ny mpanjaka amin' ny fotoana handraisan' ny mpanohitra azy sy hangatahan' izy ireo fanazavana. I Ichadon no hilaza tena ho nanao izany sady hanaiky ny fanamelohana azy ho faty, ka hataon' ny olona ho fisandohana izany. Naminany teo amin' ny mpanjaka i Ichadon fa amin' ny andro hanamelohana azy ho faty dia hisy fahagagana mahavariana izay handresy lahatra ny mpanohitra ny fahefan' ny bodisma. Nizotra araka ny tokony ho izy ny fanatanterahana ny paikady nomanin' i Ichadon ka voajono tokoa ireo mpanohitra ireo. Tamin' ny faha-15 andron' ny volana faha-9 amin' ny taona 527 taor. J.K. dia novonoina i Ichadon ka tanteraka ny faminaniany. Nihovitrovitra ny tany, nihamaiziana ny masoandro, nisy voninkazo maro mahafinaritra nilatsaka avy any an-danitra, nanidina nankany amin' ireo tendrombohitra masin' i Geumgang ny lohany izay avy notapahina ka tsy ra no nivoaka amin' ny vatany fa ronono niparitaka telopolo santimetatra miala amin' ny vatany efa tsy misy loha. Nanaiky ilay fambara ho fisehoan' ny fankatoavan' ny lanitra ireo solontenan' ny fitsarana mpanohitra ireo ka lasa fivavaham-panjakana amin' izay ny bodisma tamin' ny taona 527 taor. J.K.<ref><small>James Huntley Grayson, ''Korea: a religious history'', p. 34</small></ref>. Ny ''Honchō Hokke Reigenki'' (tokony ho tamin' ny taona 1040) any [[Japana|Japàna]] dia ahitana fanangonam-pitantarana fahagagana bodista maro<ref><small>Keene, Donald. ''Twenty Plays of the Nō Theater.'' Columbia University Press, New York, 1970.p. 238.</small></ref>. Misahana anjara asa lehibe eo amin' ny fivavahana amin' ny sisan-javatry ny olona maty ([[relika]]) ao [[Azia Atsimo]] ny fahagagana. Ohatra, i Somawathie Stupa ao [[Srilanka]] dia toerana fanaovana [[fivahiniana masina]] sy [[Fizahàn-tany|fizahan-tany]] izay mitombo fankasitrahana avy amin' ny vahoaka noho ny fisian' ny fampahafantarana amin' ny alalan' ny haino aman-jery momba ny tara-pahazavana mahagaga sy ny fisehoan-javatra ary ny fitantarana mahagaga amin' izao [[Andro Vaovao|andro vaovao]] izao, izay matetika noraiketina amin' ny [[sary pika]] sy amin' ny [[Sarimihetsika|sary mihetsika]]. === Ny fanagagana ao amin' ny hindoisma === [[Sary:Ganesh with flower.jpg|vignette|230x230px|Sarivongana maneho an' i Ganesh, iray amin' ny andriamanitry ny [[Hindoisma|fivavahana hindoa]].]] Ao amin' ny [[hindoisma]] dia miompana amin' ny fitantarana fanafahana ara-panahy ny fahagagana<ref name=":2"><small>David L. Weddle (2010). ''Miracles: Wonder and Meaning in World Religions''. pp. 35–70. ISBN <bdi>0-81479-483-1</bdi>.</small></ref>. Ohatra lehibe amin' izany ny fanambaràn' i [[Krishna]] tamin' i Arjuna, izay nandresen' i Krishna lahatra an' i Arjuna mba handray anjara amin' ny ady nifanaovany tamin' ireo rahalahy havany ka nanomezany an' i Arjuna ny fahefana hahita ny tena fivelaran' izao tontolo izao sy ny fitazoman' i Krishna an' izany eo ampofoany, ka mitaky fahitana araka ny fomban' andriamanitra izany. Toe-draharaha mampiavaka ny [[fedrà]] hindoa izany, izay ahitana "asa mahatalanjona tanterahina mba hitondrana fanafahana ara-panahy ho an' ireo izay mijoro ho vavolombelona na mamaky teny ny amin' izany"<ref name=":2" />. Ny olon-kendry hindoa dia nitsikera ny fiandrasana na ny fitadiavana fahagagana ho toy ny fisolokiana, izay itadiavan' ny olona sasany tombontsoa tsy misy asa mendrika an' izany <ref name=":2" />. Mbola misy tsindraindray ny fitantarana fahagagana ao amin' ny fanaon' ny hindoisma, ka ohatra amin' izany ny fahagagana notaterina ao amin' ny hindoisma, dia ny fahagagana momba ilay atao hoe "ronono hindoa" tamin' ny Septambra 1995, izay mbola niseho koa tamin' ny taona 2006 sy 2010, izay nahitana ny sarivongan' ny andriamanitra hindoa sasany nisotro ny ronono natao fanatitra ho azy ireo. == Azo anovozan-kevitra == '''Amin' ny teny anglisy''' * Stephen Brogan ''The Royal Touch in Early Modern England: Politics, Medicine and Sin'', Royal Historical Society, 2015 * H. A. Drake ''A Century of Miracles: Christians, Pagans, Jews and the Supernatural, 312-410'', Oxford University Press, 2017 * Houdini, Harry ''Miracle Mongers and Their Methods: A Complete Expose'' Prometheus Books; Reprint edition (March 1993) originally published in 1920 <nowiki>ISBN 0-87975-817-1</nowiki>. * Robert Knapp ''The Dawn of Christianity: People and Gods in a Time of Magic and Miracles'', Profile books, Great Britain, 2017 * Marvin Meyer and Richard Smith ''Ancient Christian Magic: Coptic Texts of Ritual Power'' Princeton University Press, 1999 * D. Michaelides (editor) ''Medicine and Healing in the Ancient Mediterranean World'', Oxbow Books, 2014 * Joe Nickell ''Looking for a Miracle: Weeping Icons, Relics, Stigmata, Visions & Healing Cures'', Prometheus Books, 1997 * William A. Nolen ''Healing: A Doctor in Search of a Miracle'', Random House, 1975 * Roy Porter ''The Greatest Benefit to Mankind: A Medical History of Humanity'', W.W. Norton & Co., 1997 * James Randi ''The Faith Healers'', Prometheus Books, 1987 * Andrew Dickson White (1896 first edition. A classic work constantly reprinted) ''A History of the Warfare of Science with Theology in Christendom'', See chapter 13, part 2, ''Growth of Legends of Healing: the life of Saint Francis Xavier as a typical example''. * Rory Roybal, ''Miracles or Magic?''. Xulon Press, 2005. '''Amin' ny teny frantsay''' * Jean Chélini, ''Histoire religieuse de l'Occident médiéval'', collection U, Paris, Colin, 1968 * Patrick Sbalchiero, ''L'Église face aux miracles. De l'évangile à nos jours'', Fayard, 2007. * Patrick Sbalchiero, ''Enquête sur les miracles dans l'Église catholique'', Paris, Artège, 2019, 320 p. (<nowiki>ISBN 979-1-033-60832-5</nowiki>). * Jean-Louis Schefer, ''L’Hostie profanée. Histoire d’une fiction théologique'', Paris, P.O.L., 2007 (<nowiki>ISBN 978-2846822084</nowiki>) * Thierry Murcia, ''Jésus - Les miracles élucidés par la médecine'', Paris, 2003 (approche rationalisante). * Henri Dufour, ''L'idée de miracle et la physique moderne'', Petite bibliothèque des chercheurs, Arthur Imer Éditeur / Librairie F. Payot, Lausanne, 1886. == Jereo koa == *[[Fahagagana nataon' i Jesoa]] *[[Fandroahana fanahy ratsy|Famoahana fanahy ratsy]] *[[Fahasitranana mahagaga]] == Loharano == mgv82ek6k5sje3z5na5in1v7cuzfg7y Unity Dow 0 296031 1151846 1121101 2026-10-10T15:16:38Z Andre Engels 36 merge 1151846 wikitext text/x-wiki {{merge|Unité Dow}} == '''Tantaram-piainanany''' == {{Infobox olona | anarana = Unity Dow | sary = Unity Dow 2014.jpg | famaritana_sary = Unity Dow tamin'ny taona 2014 | anarana_teraka = Unity Dow | teraka = 23 Janoary 1959 | toerana_teraka = Mochudi, [[Botswana]] | firenena = [[Botswana]] | asa = mpitsara, mpanoratra, mpikatroka mpiaro zon'olombelona | asa_mampiavaka = Minisitra teo aloha misahana ny fifandraisana sy ny raharaham-bahiny | asa_soratra = * ''Far and Beyon' '' (2000) * ''The Screaming of the Innocent'' (2002) * ''Juggling Truths'' (2003) | mari-boninahitra = | tranonkala = }} '''Unity Dow''' dia mpitsara, mpanoratra ary mpikatroka mpiaro zon’olombelona avy any [[Botswana|Bôtsana]]. Teraka tamin’ny 23 Janoary 1959 tao Mochudi, izy no vehivavy voalohany tonga ho mpitsara tao amin’ny Fitsarana Tampony ao Bôtsana. Fantatra amin’ny tolony ho an’ny [[Zon'ny vehivavy|zon’ny vehivavy]] sy ny fanatsarana ny lalàna mikasika ny zom-pirenena sy ny zon’olombelona izy.[https://www.africanwil.org/pioneerafricanwomeninlaw/unity-dow] == '''Fiainany sy fianarany''' == [[Sary:Unity Dow - PopTech 2011 - Camden Maine USA - 6269953840.jpg|vignette|Unity Dow]] Teraka tao amin’ny tanàna kely Mochudi i Unity Dow. Nianatra tao amin’ny [[University of Botswana]] sy [[University of Swaziland]], ary nahazo mari-pahaizana momba ny lalàna avy amin’ny [[University of Edinburgh]] any [[Ecosse]]. Niasa ho mpisolovava sy mpiaro zon’olombelona izy talohan’ny nanendrena azy ho mpitsara.[https://www.amazonswatchmagazine.com/others/impact-inspire/unity-dow-botswanas-first-female-judge/] == '''Asa sy fandraisana andraikitra''' == Nandray anjara lehibe tamin’ny ady ara-dalàna momba ny zon’ny vehivavy izy, indrindra tamin’ny raharaha *Attorney General of Botswana v. Unity Dow* tamin’ny 1992, izay nandreseny ka nanova ny lalàna momba ny zom-pirenena, namela ny vehivavy Botswaney hanome zom-pirenena amin’ny zanany, na dia vahiny aza ny rainy.[http://africawomenexperts.com/lng/fr/2020/10/botswana-unity-dow-une-juriste-feministe/] Nanoratra tantara maromaro koa izy, toy ny: [https://www.amazon.fr/Livres-Unity-Dow/s?rh=n%3A301061%2Cp_27%3AUnity%2BDow] * ''Far and Beyon' '' (2000) * ''The Screaming of the Innocent'' (2002) * ''Juggling Truths'' (2003) Ny asany dia mandinika lohahevitra toy ny zon’olombelona, ny kolontsaina afrikanina, ary ny andraikitry ny vehivavy amin’ny fiarahamonina. == '''Asa amin’ny governemanta''' == Nandray andraikitra tao amin’ny governemanta izy tatỳ aoriana, toy ny: * Minisitry ny Fitsarana (2012–2014) * Minisitry ny Fifandraisana sy ny Raharaham-bahiny (2018–2020) Nandray anjara amin’ny asa iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona koa izy, isan’izany ny asa fanohanana ny fianarana ho an’ny ankizy sy ny vehivavy. [https://dailynews.gov.bw/news-detail/76276] == Loharano == * [https://www.britannica.com/biography/Unity-Dow Unity Dow – Encyclopaedia Britannica] * [https://literature.britishcouncil.org/writer/unity-dow Unity Dow – British Council Literature] * [https://www.africanbookscollective.com/authors-editors/unity-dow African Books Collective – Unity Dow] * [https://www.theguardian.com/world/2014/jan/06/unity-dow-botswana-judge-author-politician The Guardian – "Unity Dow: Judge, author and Botswana’s voice for women’s rights"] * [https://www.commonwealthwriters.org/unity-dow/ Commonwealth Writers – Unity Dow profile] 28ad1aum4yz3q2gh31icxeei302lexl Thiago de Joaldo 0 296283 1151856 1151506 2026-10-11T06:01:44Z InternetArchiveBot 25011 Rescuing 1 sources and tagging 0 as dead.) #IABot (v2.0.9.6 1151856 wikitext text/x-wiki [[sary:2026 THIAGO DE JOALDO CANDIDATO DEPUTADO FEDERAL SE (260002533083).jpg|thumb|Thiago de Joaldo]] '''Jose Thiago Alves de Carvalho''' (teraka ny 20 Jona 1982 tao [[São Paulo]]) dia [[mpisolovava]] sady [[mpanao politika]] [[Brezila|breziliana]], izay mpikambana ao amin'ny antoko [[Republicanos (Brasil)|Repoblika]] (REP)<ref>(pt) [https://republicanos10.org.br/arco/republicanos-sergipe-filia-os-deputados-federais-thiago-de-joaldo-e-icaro-de-valmir/ Republicanos de Sergipe filia os deputados Thiago de Jaoldo et Icaro de Valmir] {{Wayback|url=https://republicanos10.org.br/arco/republicanos-sergipe-filia-os-deputados-federais-thiago-de-joaldo-e-icaro-de-valmir/ |date=20260419001835 }}</ref>.<ref>(pt) [https://divulgacandcontas.tse.jus.br/divulga/#/candidato/2022/2040602022/SE/260001633055?hidemenu=true Contas eleitrorais] {{Wayback|url=https://divulgacandcontas.tse.jus.br/divulga/#/candidato/2022/2040602022/SE/260001633055?hidemenu=true |date=20250222104209 }}</ref> Tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2022, voafidy ho [[solombavambahoaka]] federaly ho an'i {{Sergipe}} izy tamin'ny vato 45.698 (0.72% amin'ny vato manankery). ==Jereo koa== {{commonscat}} {{CLEFDETRI:Joaldo, Thiago de}} [[Sokajy:Mpanao politika breziliana]] [[sokajy:Teraka tamin'ny taona 2001]] [[Sokajy:Solombavambahoaka breziliana]] [[Sokajy:Progressistas]] [[Sokajy:Republicanos (Brasil)]] gu0uet8k8zaxvei6nz61mmc3ri6z288 Valan-javaboarin' Itatiaia 0 302181 1151857 1151538 2026-10-11T06:23:20Z InternetArchiveBot 25011 Rescuing 1 sources and tagging 0 as dead.) #IABot (v2.0.9.6 1151857 wikitext text/x-wiki [[Sary:O Maciço das Prateleiras.jpg|thumb|Parque Nacional do Itatiaia]] '''Valan-javaboarin'i Itatiaia''' ([[Fiteny portogey|Portogey]]: ''Parque Nacional do Itatiaia''), niorina tamin'ny 14 Jona 1937, ka nahatonga azy io ho valan-javaboary voalohany any [[Brezila]]. Amin'izao fotoana izao, mirefy 300 km² ny velarany. Ao amin'ny tandavan-tendrombohitra Serra da Mantiqueira ao amin'ny fanjakan'i {{Minas Gerais}} (ao anatin'ny kaominina [[Itamonte]], [[Alagoa]], ary [[Bocaina de Minas]]) sy {{Rio de Janeiro}} ([[Itatiaia]] sy [[Resende]]) no misy azy. Mitovy elanelana eo amin'ny [[São Paulo]] sy [[Rio de Janeiro]] ny valan-javaboary. Ny tendrony avo indrindra dia [[Pico das Agulhas Negras]] (2,787 m), Prateleiras (2,548 m), ary Couto. Karazana zavamaniry endemika maromaro no hita ao amin'ny valan-javaboary. Ambanin'ny 1.100 metatra, ny faritra dia miavaka amin'ny ala mando amorontsiraka (matetika faharoa) ao amin'ny ''Mata Atlântica'', raha ambonin'io haavo io kosa, ny ala voalohany no manjaka. Tranonkala ofisialy:[https://web.archive.org/web/20141112210548/http://www.ibama.gov.br/parna_itatiaia/ Ibama, Itatiaia] ==Galleria== <gallery mode=packed-hover> File:Itatiaia national park.JPG|Itatiaia National Park Overview File:Agulhasnegras.JPG|[[Pico das Agulhas Negras]], the highest peak in the National Park File:Parque Nacional do Itatiaia floresta.jpg|Itatiaia National Park File:Cachoeira Véu da Noiva.jpg|Véu de Noiva waterfall File:Melanophryniscus moreirae flamenguinho.jpg|Melanophryniscus frog, symbol species of the park Parque Nacional do Itatiaia Reinaldo de Medeiros (03).jpg|[[Frilled coquette]] </gallery> == Loharano sy fanamarihana == [[de:Itatiaia National Park]] [[sokajy:Valan-javaboahary ao Brezila]] [[sokajy:Valan-javaboahary ao Rio de Janeiro]] [[sokajy:Valan-javaboahary ao Minas Gerais]] n041djlbgyhhx8b827bp9xmj8q6bfir Vanessa Koutouan 0 302204 1151858 1151768 2026-10-11T06:28:38Z InternetArchiveBot 25011 Rescuing 1 sources and tagging 0 as dead.) #IABot (v2.0.9.6 1151858 wikitext text/x-wiki {{Infobox olona}} '''Vanessa Koutouan''', teraka tamin'ny 1988, dia mpikatroka [[Zon'ny vehivavy|ho an'ny zon'ny vehivavy]] Ivoariana. Izy no talen'ny Foibe Ambanivohitr'i Ilomba, hetsika iray mampiroborobo ny fanabeazana ny zazavavy, any amin'ny tanànan'i M'Batto Bouaké ville, Bingerville any [[Kôtidivoara|Côte d'Ivoire]] .imbetsaka no nahazo fankasitrahana, manokana ka tena ao. == Fahatanorany == Teraka tao [[Abidjan]] i Vanessa Koutouan.Kristianina ny ray aman-dreniny ary mpivavaka lalina, izy no zandriny indrindra amin'ny izy fito mpiray tampo <ref>{{Cite web |url=http://www.harambee.es/2015/02/17/premio-harambee-espana-2015-a-la-promocion-e-igualdad-de-la-mujer-africana/ |title=Wikiwix Archives |access-date=2015-03-22 |archive-url=https://archive.wikiwix.com/cache/20150323000000/http://www.harambee.es/2015/02/17/premio-harambee-espana-2015-a-la-promocion-e-igualdad-de-la-mujer-africana/ |archive-date=2015-03-23 |url-status=dead}}</ref>. Nahazo ny mari-pahaizana lisansa momba ny siansan'ny fifandraisana tao amin'ny Oniversiten'i Félix-Houphouët-Boigny any [[Abidjan]] izy, ary avy eo nahazo mari-pahaizana maîtrise momba ny fitantanana hotely tany [[Italia]].<ref name="umoya.org">{{Cite web |last= |date= |title=Premio Harambee España 2015 a Vanessa Koutouan por su promoción de la mujer africana - UMOYA |url=http://umoya.org/2015/03/05/premio-harambee-espana-2015-a-vanessa-koutouan-por-su-promocion-de-la-mujer-africana/ |access-date=10 novembre 2017 |website=umoya.org}}</ref> <nowiki>;</nowiki> == Asa == Izy no talen'ny Foibe Ambanivohitr'i Ilomba, hetsika fanabeazana any Bingerville, [[Kôtidivoara|Côte d'Ivoire]]. Mampiroborobo ny [[fanabeazana]] ho an'ny zazavavy ity foibe ity ao amin'ny faritra iray izay nankasitrahan'ny fianakaviana hatramin'izay ny fanabeazana ny zanany lahy. Nampirisika ny vondrom-piarahamonina teo an-toerana mba hamorona toeram-pivarotana fanafody [[Álvaro del Portillo|i Álvaro del Portillo]] tamin'ny 1989. Nanomboka teo, vehivavy 100 eo ho eo no efa nianatra tao, ary nifantoka manokana tamin'ny fiofanana arak'asa sy ny fahaizana mamaky teny sy manoratra. Manome fiofanana momba ny fahasalamana any ambanivohitra ihany koa ity toeram-pitsaboana ity, indrindra ho an'ny vehivavy. djtr frs sorato Tamin'ny taona 2015, nanana dokotera iray, mpitsabo mpanampy roa ary [[mpampivelona]] iray ny toeram-pitsaboana mba hitsabo olona 700 isan-kerinandro. Ny oniversite sy ny sampana fanabeazana mitohy dia ahafahana mampiofana tanora izay tsy manam-bola. Mino i Vanessa Koutouan fa azo foanana ao anatin'ny taona vitsivitsy [[Fahantrana|ny fahantrana]] any Côte d'Ivoire raha toa ka manana fahafahana hianatra fa tsy hiasa eny an-tsaha mandritra ny androm-piainany ireo zazavavy. Manameloka ny toe-javatra misy ny vehivavy any amin'ny [[Ambanivohitra|faritra ambanivohitr'ny]] firenena izy, izay vokatry ny tsy fahampian'ny fahadiovana sy ny sakafo. fahantrana lalina, [[Fahaizana mamaky sy manoratra|tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra]], fahasarotana amin'ny fahazoana sakafo ampy, fiterahana aloha loatra ary SIDA,<ref>{{Cite journal |date=2015-02-26 |title=Vanessa Koutouan, Premio Harambee 2015 visita el colegio Tierrallana |url=http://www.huelvahoy.com/vanessa-koutouan-premio-harambee-2015-visita-el-colegio-tierrallana/ |journal=HuelvaHoy |language=es-ES |access-date=2017-11-10}}</ref>.<ref>{{Cite journal |date=2015-03-03 |title="Las niñas africanas son muy listas, faltan oportunidades" |url=http://www.europapress.es/epsocial/cooperacion-desarrollo/noticia-premio-harambee-hay-ninas-africanas-muy-listas-trabajaran-toda-vida-tierra-falta-oportunidades-20150303123427.html |journal=Europa Press |language=es-ES |access-date=2017-11-10}}</ref> == Fankasitrahana == Tamin'ny 3 mars 2015, i Vanessa Koutouan dia nandray ny loka isan-taona Harambee-Spain ho an'ny fampiroboroboana sy ny fitovian'ny vehivavy Afrikana, nandritra ny lanonana natao tao [[Madrid]].<ref name=":0">{{Cite web |last= |date= |title=Spain. 2015 Harambee “African Woman” Award Goes to Vanessa Koutouan of the Ivory Coast |url=http://www.harambee-africa.org/en/2015/02/25/spain-2015-harambee-african-woman-award-goes-to-vanessa-koutouan-of-the-ivory-coast.html |access-date=10 novembre 2017 |website=harambee-africa.org |archive-url=https://web.archive.org/web/20190129011045/http://www.harambee-africa.org/en/2015/02/25/spain-2015-harambee-african-woman-award-goes-to-vanessa-koutouan-of-the-ivory-coast.html |archive-date=2019-01-29 |url-status=dead}}</ref> == Loharano == {{Reflist}} == Rohy ivelany == {{Liens}}{{Portail|droits de l'homme|femmes|Côte d'Ivoire}} [[Sokajy:Teraka tamin'ny taona 1988]] 84ulazh7l2ufod843ggq2yz610ztf1i Fikambanan'ny Vehivavy Silamo Aljeriana 0 302219 1151850 1151765 2026-10-10T21:11:25Z InternetArchiveBot 25011 Rescuing 1 sources and tagging 0 as dead.) #IABot (v2.0.9.6 1151850 wikitext text/x-wiki {{Infobox}} Ny '''Fikambanan'ny Vehivavy Silamo Aljeriana''' ( '''AFMA''' ) dia vondrona mpiady ho an'ny fahaleovantena naorin'i Mamia Chentouf sy Nafissa Hamoud tamin'ny taona 1947. == Tantarany == Tamin'ny 24 juin 1947 Mamia Chentouf sy Nafissa Hamoud, vehivavy roa izay efa nandray anjara tamin'ny tolona ho amin'ny fahaleovantenan'i [[Aljeria]] tao anatin'ny Antoko Vahoaka [[Aljeria]], dia nanangana ny Fikambanan'ny Vehivavy Msilamo Aljeriana, izay niaraka tamin'ireo mpikatroka Fatima Zekkal, Nassima Hablal ary [[Izza Bouzekri]].<ref>{{Cite book |last=Feriel Lalami |year=2012 |title=Les Algériennes contre le code de la famille |url={{google Livres|m9ruBgAAQBA}} |language=fr |location=Paris |publisher=[[Presses de Sciences Po]] |pages=362 |isbn=978-2-7246-1254-7}}.</ref> Roa sosona ny tanjon'ity fikambanana ity. Voalohany, ilaina ny mandresy lahatra ny vehivavy Alzeriana hanohana ireo vondrona mpiaro ny fahaleovantena. Faharoa, ny fikambanana dia mikatsaka ny hanome fanohanana ara-bola ho an'ireo vehivavy izay nosamborina ny vadiny noho ny fandraisany anjara ara-politika.<ref>{{Cite web |url=http://www.lesoirdalgerie.com/articles/2011/11/24/print-41-126311.php |title=Wikiwix Archives |access-date=2015-07-18 |archive-url=https://archive.wikiwix.com/cache/20150719011744/http://www.lesoirdalgerie.com/articles/2011/11/24/print-41-126311.php |archive-date=2015-07-18 |url-status=bot: unknown}}</ref> == Fanamarihana sy referansa == {{Reflist}} == Rohy ivelany == == Jereo koa == * Feminisma any Alzeria gufvt3giuaoj0xm31cr2va6s9yft0h4 Nebila Abdulmelik 0 302221 1151851 1151767 2026-10-11T02:38:57Z InternetArchiveBot 25011 Rescuing 1 sources and tagging 0 as dead.) #IABot (v2.0.9.6 1151851 wikitext text/x-wiki {{Infobox olona}}'''Nebila Abdulmelik''', teraka tamin'ny taona 1987 tao [[Addis-Abeba|Addis Abeba]], dia vehivavy mpiaro ny zon'ny vehivavy [[Etiôpia|Etiopiana]] sady mpanoratra . Lehiben'ny fifandraisana ho an'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana [[Panafrikanisma|pan-Afrikana]] Femnet azy nandritra ny taona maro, dia nitarika fanentanana hanoherana ny herisetra atao amin'ny vehivavy izy, izay misehatra hatramin'ny iraisam-pirenena. == tantaram-piainany == Teraka tamin'ny 1987 izy tao amin'ny fianakaviana iray manan-janaka vavy telo, izay ezahin'ny ray aman-dreniny omena ny fanabeazana tsara indrindra azo atao. Maty ny rainy tamin'ny faha 13 taonany. Amin'ny maha-vehivavy tanora silamo avy any Harari azy, dia nilaza izy fa niharan'ny fanavakavahana, izay niandohan'ny fanoloran-tenany amin'ny maha-mpitolona azy. Nahazo vatsim-pianarana ho an'ny fianarana ambony any [[Etazonia]] izy, ary nianatra tao amin'ny Oniversiten'i Kalifornia ao Los Angeles, momba ny Fianarana Afrikana, niaraka tamin'ny fikarohana akademika momba ny zo hahazo sakafo.<ref>{{Cite web |title=Alumni. Nebila Abdulmelik |url=http://web.international.ucla.edu/institute/alumni |website=UCLA |language=en}}</ref> Rehefa niverina tany Afrika izy dia nianatra teny frantsay, nanomboka nanoratra tononkalo, nanao asa an-tsitrapo tao amin'ny [[Fandaharan' Asa eran-Tany momba ny Sakafo|Programa Momba ny Sakafo Maneran-tany]] ary niasa tao amin'ny gazetin'ny Alliance Française ihany koa. Avy eo dia niasa ho mpisolovava mpiara-miasa tao amin'ny Femnet izy, ONG iray ho an'ny vehivavy Afrikana. Avy eo, tamin'ny taona 2014, dia lasa talen'ny fifandraisana tao amin'ny ONG Femnet izy, ary nifindra tany [[Nairobi]] izay misy ny foiben'ny fikambanana. Amin'izany andraikitra izany, mitarika fanentanana iraisam-pirenena izy hanamelohana ny fanitsakitsahana ny zo fototra sy ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao amin'ny kaontinanta Afrikana<ref>{{Cite web |url=http://web.international.ucla.edu/institute/alumni |title=Wikiwix Archives |access-date=2017-11-26 |archive-url=https://archive.wikiwix.com/cache/20171126192919/http://web.international.ucla.edu/institute/alumni |archive-date=2017-11-26 |url-status=bot: unknown}}</ref>. Ohatra, miditra an-tsehatra amin'ny tranga fakana an-keriny zazavavy kely ho andevo any Nizeria.<ref>{{Cite journal |year=2014 |title=L’enlèvement de jeunes filles à Chibok, Nigeria - Déclaration de Femnet |url=http://sisyphe.org/spip.php?article4764 |journal=Sisyphe |language=fr}}</ref> Saingy ny iray amin'ireo fanentanana izay nahombiazany tamin'ny fanomezana sain'ny maro, izay nanery ny mpampihatra lalàna Kenyana handinika indray ny fomba fitondrana malemy ny mpanao heloka bevava, dia ny fanafihana sy fanolanana zatovo Kenyana iray tamin'ny taona 2013, izay naratra sy kilemaina mandra-maty. Mba hisarihana ny sain'ny olona momba ity fanafihana tsy voasazy ity, dia nampiarahan'i Nebila Abdulmelik ny fanentanana teo an-toerana sy ny fampiasana tambajotra sosialy, tamin'ny alàlan'ny [[Twitter]] ary indrindra ny Avaaz.org, ka nanangona sonia maherin'ny iray tapitrisa manerantany tamin'ny alalan'ny fanangonan-tsonia an-tserasera, notohanan'ny Avvaz sy ny Nation Media Group izay nanomboka antso ho an'ny fanomezana ho an'ny fitsaboana izay nilain'ilay niharam-boina. Nampitombo ny fifandraisany tamin'ireo fampitam-baovao izay nandrakotra ity fanentanana ity ihany koa izy tany Kenya, fa koa tany amin'ny sehatra iraisam-pirenena niaraka tamin'ny ''Jeune Afrique'',<ref>{{Cite journal |last=Mathieu Olivier |year=2013  |title=Kenya : Liz, adolescente violée à 16 ans, symbole de la lutte contre l’impunité |url=http://www.jeuneafrique.com/167574/politique/kenya-liz-adolescente-viol-e-16-ans-symbole-de-la-lutte-contre-l-impunit/ |journal=[[Jeune Afrique]] |language=fr}}</ref>,<ref>{{Cite journal |last=AFP |year=2013  |title=Kenya: des centaines de manifestants réclament justice pour les victimes de viols |url=http://www.jeuneafrique.com/depeches/28140/politique/kenya-des-centaines-de-manifestants-reclament-justice-pour-les-victimes-de-viols/ |journal=[[Jeune Afrique]] |language=fr}}</ref> ny ''[[BBC]]'',<ref>{{Cite journal |year=2013 |title=Kenyans demand gang-rape justice in police petition |url=https://www.bbc.com/news/world-africa-24755318 |journal=[[BBC]] |language=en}}</ref> ny ''New York Daily News'', ny fampielezam-peo finlandey ''Yle'',<ref>{{Cite journal |last=Lotte Ktrank-Van de Burgt |year=2013 |title=Våld vardag för kvinnor i Kenya |url=https://svenska.yle.fi/artikel/2013/11/06/vald-vardag-kvinnor-i-kenya |journal=[[Yle]] |language=sv}}</ref> sns. Naneho hevitra momba ity raharaha ity i Kimberly Brown avy amin'ny Equality Now « Manana lalàna tena tsara momba ny herisetra ara-nofo i Kenya. Ny fanamby dia mipetraka amin'ny fampiharana ity lalàna ity. Antenaina fa hanomboka hiova ny zava-drehetra, ho an'ity zazavavy ity sy ho an'ny olona an'arivony hafa. […] Tsy olana Kenyana na olana Afrikana fotsiny ity; olana manerantany ihany koa. ».<ref>{{Cite journal |last=Tracy McVeigh |year=2015 |title=Teenage victim in landmark Kenya rape case forced to leave village after threat |url=https://www.theguardian.com/society/2015/may/02/victim-kenya-rape-conviction-forced-leave-village-liz |journal=[[The Observer]] |language=en}}</ref> Tamin'ny alalan'ny fanerena ny manampahefana, dia nahazo ny fisamborana, fitsarana ary fanamelohana indray tamin'ny taona 2015 ho an'ny sasany tamin'ireo mpanafika izy, izay fantatra haingana saingy navotsotra avy tao amin'ny paositry ny polisy tamin'ny taona 2013 niaraka tamin'ny sazy ara-panoharana.<ref>{{Cite journal |last=Daniel Boese |year=2015 |title=Justice for Liz. Cutting the grass or jail? How people power got justice for a 16-year-old girl after she was brutally raped in Kenya |url=https://storify.com/danielboese/justice-for-liz |journal=Storify |language=en}}</ref> Nandritra io vanim-potoana io ihany, dia naka hevitra tamin'ny mpanao gazety momba ny olana isan-karazany izy, toy ny ''The Guardian'' tamin'ny juin 2015 momba ny fiantraikan'ny tanjona fampandrosoana maharitra napetraky ny firenena mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana, mba hampihenana ny tsy fitoviana eo amin'ny lahy sy ny vavy, ary ireo soso-kevitra azo atao.<ref>{{Cite journal |last=Anna Leach |year=2015 |title=21 ways the SDGs can have the best impact on girls |url=https://www.theguardian.com/global-development-professionals-network/2015/jun/02/21-ways-the-sdgs-can-have-the-best-impact-on-girls |journal=[[The Guardian]] |language=en}}</ref> Tamin'ny taona 2016, nandao [[Nairobi|an'i Nairobi]] sy ny andraikiny ho mpitantana ny fifandraisana tao amin'ny Femnet izy, ary niverina tany amin'ny tanàna niaviany, nanokan-tena tamin'ny fakana sary sy fanoratana tononkalo.<ref>{{Cite web |date=10 février 2016 |title=Nebila Abdulmelik |url=http://badilishapoetry.com/events/ |website=Badilishapoetry |language=en}}</ref> == References == {{Reflist}} == Jereo koa == === Lahatsoratra mifandraika === * Cissé Hadja Mariama Sow * [[Jeannine Mukanirwa]] * Mercy Akuot * Kagendo Murungi * Bibata Ouédraogo * [[Beatrice Mukansinga]] [[Sokajy:Teraka tamin'ny taona 1987]] 3qac6265rhcxtkqfdxy524pluio1zxl Tradescantia pallida 0 302242 1151847 1151842 2026-10-10T17:17:20Z Thelezifor 15140 1151847 wikitext text/x-wiki [[Sary:Trapoeraba-roxa (do tupi *tarapoeraba) em Bagé, RS, Brasil - 55378584901.jpg|vignette|428x428px|''Tradescantia pallida'' ]] Ny '''''Tradescantia pallida''''' dia karazana ahitra maniry mihoatra ny iray taona, ao amin' ny fianakaviana ''[[Commelinaceae]]'', izay avy any amin' ny faritra amorontsiraky ny [[Hoalan' i Meksika]]. Ny ovan-karazana ''Tradescantia'' ''pallida'' 'Purpurea', izay manana ravina miloko volomparasy, dia ambolena betsaka ao an-trano, eny an-tokontany, anaty tavy, na handrakofana ny tany. Zavamaniry afaka mivelona na dia ao anatin' ny toe-javatra sarotra izy io (tsy fahampian-drano, tany tsy mahavokatra, na hazavana kely). Mifandray akaiky amin' ny ''[[Tradescantia fluminensis]]'' sy ny ''[[Tradescantia zebrina]]'' izy io. ''Tradescantia pallida'' <small>(Rose) D.R.Hunt</small> no anarany ara-tsiana feno. == Fanasokajiana sy anarana == === Fanasokajiana === [[Sary:Tradescantia pallida Flower 1.jpg|vignette|276x276px|Vonin' ny ''Tradescantia pallida'']] Karazan-javamaniry ao amin' ny vondron-karazana ''[[Tradescantia]]'' sy ao amin' ny fianakaviana ''[[Commelinaceae]]'' ary ao amin' ny filaharana [[Commelinales]] ny ''Tradescantia pallida''. === Anarana hafa === Indreto ny anarana ara-tsiansa hafa nahafantarana ny ''Tradescantia pallida'': * ''Setcreasea pallida'' <small>Rose</small> * ''Setcreasea purpurea'' <small>B.M. Boom</small> * ''Tradescantia purpurea'' <small>Hort.</small> == Tsinjara toerana == Any [[Meksika]] no toerana niavian' ity karazana zavamaniry ity. Maniry manaraka ny morontsiraky ny [[Hoalan' i Meksika]] izy io, manomboka eo [[Tamaulipas]] ka hatrany [[Yucatán]]. Ambolena any amin' ny faritra maro maneran-tany izy. Any amin' ny faritra trôpikaly sy ny sobtrôpikaly dia ampiasaina handrakofana ny tany izy, saingy mety hivadika ho [[zavamaniry manafika]] sy miparitaka be loatra. == Famariparitana == Zavamaniry mandady na mihantona midina izy io, mirefy eo amin' ny 20 sm eo ho eo ny haavony, ary manana taho afaka mitombo hatramin' ny 50 sm na mihoatra. === Ravina sy taho === [[Sary:TradescantiaPurpurea3.jpg|vignette|214x214px|Ravin' ny ''Tradescantia pallida'']] Matevina sy misy volovolo ary lava sady tery ny raviny, mirefy 8 ka hatramin' ny 15 sm ny halavany, sady mamorona fono manodidina ny taho matevina sy mora tapaka. Ny ''Tradescantia pallida'' maniry hoazy dia manana ravina miloko maitso-volondavenona misy loko volomparasy somary manjavozavo. Ny ovan-karazany volena atao hoe 'Purpurea' kosa dia manana ravina sy taho miloko volomparasy, ka tena miharihary tsara izany loko izany rehefa mahazo tara-masoandro mivantana sy tanteraka ilay zavamaniry. Afaka mitombo ao amin' ny toerana misy alokaloka ihany koa io zavamaniry io, saingy tsy dia tena miharihary loatra ny lokony amin' izany. === Vony === [[Sary:T.pallida.jpg|vignette|208x208px|Vonin' ny ''Tradescantia pallida'']] Ny vony mavokely misy felany telo, izay manana savaivo 2 ka hatramin' ny 3 sm, dia mivondrona eo amin' ny tendron-taho. Maharitra vetivety ihany izy ireo: mivelatra amin' ny maraina ary tsy maharitra mihoatra ny 24 ora. Tena betsaka ny voniny mipoitra manomboka eo antenatenan' ny fahavaratra ka hatramin' ny fararano, fa mahalana kosa izany mandritra ny fotoana sisa amin' ny taona. === Voa === [[Sary:'ALB' T. pallida-frut-1.jpg|vignette|209x209px|Voan' ny ''Tradescantia pallida'']] == Fambolena == === Fepetra mety amin' ny fambolena azy === [[Sary:Tradeskansia.jpg|vignette|225x225px|''Tradescantia pallida'' volena anaty tavim-boninkazo ao anaty trano]] Mety amin' ity zavamaniry ity kokoa ny tany lonaka sy mando ary tsara tatatra (manary rano), na any amin' ny toerana tratran' ny masoandro tanteraka na somary misy alokaloka, sady mahazaka [[haintany]] ihany koa izy. Tsy dia mahazaka hatsiaka be loatra anefa izy. Sokajian' ny ''[[Royal Horticultural Society]]'' ho H3 (hafanana farany ambany eo anelanelan' ny -5 sy 1°C) ilay ovan-karazana 'Purpurea', raha toa kosa ka apetraky ny ''[[Missouri Botanical Garden]]'' ao amin' ny faritra USDA 10 ka hatramin' ny 11 izy. Any amin' ny faritra mangatsiaka kokoa dia maty ny ampahany amin' ilay zavamaniry hita ety ambonin' ny tany mandritra ny [[ririnina]], ary mitsimoka indray avy eo amin' ny fotony izy rehefa tonga ny [[lohataona]]. Mety hiharan' ny fanafihan' ny [[sifotra]] sy ny [[olitra]] ny tsimoka tanora ambolena eny ivelan' ny trano, raha toa kosa ka mora iharan' ny bibikely ao amin' ny renifianakaviana ''[[Aphidoidea]]'' sy ''[[Coccoidea]]'' ny zavamaniry volena ao an-trano. Nahazo ny loka "Award of Garden Merit" avy amin' ny Royal Horticultural Society ilay ovan-karazana antsoina hoe 'Purpurea'. Noho ny fahafahany miatrika toe-javatra sarotra (toy ny tsy fanondrahana azy ara-potoana sy ny fahafahany mivelona amin' ny karazan-tany sy hazavana samihafa) dia lasa zavamaniry famboly anaty trano tena be mpitia izy io satria azo lazaina fa "tsy mety maty" (izany hoe mahazaka fahadisoam-pikarakarana maro kokoa raha oharina amin' ny ankamaroan' ny zavamaniry hafa). === Fampitomboana taranaka === Tena tsotra ny mampitombo taranaka ny ''Tradescantia pallida'' amin' ny alalan' ny fanatsatohana ny tahony notapahina (fanaovana botira), ary tena ambony ny taham-pahombiazana amin' izany. Matetika dia amin' ny lohataona na fahavaratra no fanaovana izany, amin' ny alalan' ny fakana tendron-tahony mirefy 10 ka hatramin' ny 15 sm, izay tapahina eo ambanin' ny tonony. Rehefa avy nesorina ny ravina ambany ka avela ny eo amin' ny tendrony ihany, dia azo ambolena mivantana ao anaty zezitany mainty maivana sy mora manary rano ilay taho, na apetraka ao anaty fitoeran-drano. Mipoitra haingana ny faka vaovao, matetika latsaky ny herinandro. Rehefa tafavoaka tsara ireo faka ireo dia afindra ao anaty tavy na ambolena mivantana amin' ny tany ilay tsimoka, koa tsara raha apetraka amin' ny toerana mahazo hazavana tsara mba hitazonana ilay loko volomparasy mampiavaka ny raviny. == Fampiasana == === Haingo === Ny ovan-karazana ambolena atao hoe 'Purpurea' no tena fahita indrindra. Ampiasaina ho zavamaniry anaty trano izy io, ary ambolena ao anaty tavim-boninkazo, anaty harona mihantona, amin' ny sisin-jaridaina, ary anaty zaridaina misy nanaharana vato. Ovan-karazana ambolena hafa maro amin' ny ''Tradescantia pallida'' no vokarina sy amidy eny amin' ny toeram-pambolena sy fivarotana zavamanirin-jaridaina: * ny 'Pink Stripe' (na 'Variegata'): ovan-karazana volena misy loko mifangaro izay hita betsaka eny an-tsena, manana ravina miloko volomparasy misy tsipika mavokely sy loko mitovitovy amin' ny hero-dronono; * ny 'Pale Puma': ovan-karazana noforonina tamin' ny alalan' ny fanambaran-karazana avy amin' ny ''Tradescantia pallida'' sy ny ''[[Tradescantia sillamontana]]'', fantatra amin' ny raviny miloko volomparasy sady rakotra volovolo malefaka toy ny volon' ondry na ny landihazo; * ny 'Cartwheel': ovan-karazana volena hita eny an-tsena izay ahitana faritra misy loko mifangaro mivelatra kokoa, ka mirona amin' ny loko mavokely malefaka sy maitso ôliva arakaraka ny habetsahan' ny hazavana azon' ilay zavamaniry. === Fanaraha-maso biôlôjika sy fanadiovana ny tontolo iainana === Io karazana io dia nampiasaina tamin' ny fanaraha-maso biôlôjika ny fahafahan' ny [[metaly mavesatra]] sy ny [[metalôida]] avy amin' ny tobin-jiro mampiasa [[arintany]] hanimba ny fototarazo. Ny ''Tradescantia pallida'' dia voasokajy ho anisan' ny zavamaniry dimy tena mahomby indrindra amin' ny fanadiovana ny rivotra ao an-trano (miaraka amin' ny zavamaniry toy ny ''[[Hoya carnosa]]'' sy ny ''[[Hemigraphis alternata]]''), indrindra fa amin' ny fanesorana ny akora simika ôrganika mora miova ho [[etona]]. Nasehon' ny fanadihadiana iray nataon' ny Oniversiten' i Georgia ihany koa fa manana fahafahana mampihena ny tahan' ny karazana akora mandevona sy mandoto eny amin' ny rivotra, toy ny [[benzena]] sy ny [[tôloena]] ary [[triklôrôetilena]]. === Sakafo === Nanaovana fikarohana mba hampiasaina ho fandoko ho an' ny sakafo ny ravina, izay manana antôsianiaina betsaka. Na dia heverina ho tsy dia mampidi-doza loatra ho an' ny olombelona aza ilay zavamaniry dia ahitana kristalin' ôksalatan-kalsiôma sy akora mety hahatonga famaivain' ny hoditra na olana amin' ny fandevonan-kanina ho an' ny olona sy biby sasany ny ranon' ny karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana ''[[Commelinaceae]]''. == Jereo koa == * ''[[Setcreasea]]'' * ''[[Tradescantia]]'' nxx8y8j1h5z3qpnde22wcpe60ez5xqp Jihan Dimack 0 302243 1151852 2026-10-11T03:46:16Z BlackDadWhiteMom 41297 Pejy noforonina tamin'ny « [[File:Jihan Dimack - Miss Grand International 2026.png|thumb|right|250px|Jihan Dimack (2026)]] I '''Jihan Dimack''' (teraka tamin'ny 17 Jona 1996) dia modely sy mpanjakavavin'ny hatsaran-tarehy avy any Tanzania, izay nahazo ny satroboninahitry ny [[Miss Grand International 2026]]. == Reference == {{reflist}} == Rohy ivelany == * [https://www.instagram.com/jihandimack Jihan Dimack] - Instagram [[Sokajy:Vangovango]] » 1151852 wikitext text/x-wiki [[File:Jihan Dimack - Miss Grand International 2026.png|thumb|right|250px|Jihan Dimack (2026)]] I '''Jihan Dimack''' (teraka tamin'ny 17 Jona 1996) dia modely sy mpanjakavavin'ny hatsaran-tarehy avy any Tanzania, izay nahazo ny satroboninahitry ny [[Miss Grand International 2026]]. == Reference == {{reflist}} == Rohy ivelany == * [https://www.instagram.com/jihandimack Jihan Dimack] - Instagram [[Sokajy:Vangovango]] chdak74kztnwm7eqlpqai8bhej1nbjb 1151853 1151852 2026-10-11T03:46:34Z BlackDadWhiteMom 41297 1151853 wikitext text/x-wiki [[File:Jihan Dimack - Miss Grand International 2026.png|thumb|right|250px|Jihan Dimack (2026)]] I '''Jihan Dimack''' (teraka tamin'ny 17 Jona 1996) dia modely sy mpanjakavavin'ny hatsaran-tarehy avy any Tanzania, izay nahazo ny satroboninahitry ny [[Miss Grand International 2026]].<ref>{{cite web|url=https://philstarlife.com/news-and-views/900452-miss-grand-international-2026-winner-jihan-dimack|title=Tanzania's Jihan Dimack is Miss Grand International 2026|date=2026-10-11|accessdate=2026-10-11|language=en|publisher=Philstar Life}}</ref> == Reference == {{reflist}} == Rohy ivelany == * [https://www.instagram.com/jihandimack Jihan Dimack] - Instagram [[Sokajy:Vangovango]] 3te2mhiyg4qz7c8deg0zab3jbgbsyyj