Tantaran'i Madagasikara
Avy amin'i Wikipedia
[Ovay] Ny Fiavian'ny Anarana hoe : Madagasikara
I Marco Polo dia nanome ny anarana hoe: Madeigascar na. Mo gelaiso: nafangrony tamin'ny tanana any Somalia Mogadiscio. Sarintany eoropeana misy an'i Madagasikara ny toerany eo atsinanan'i Afrika. Ny "Portuguais" nanome ny anarana "Saint-Laurent", "l'île dauphine" hoy ny Frantasy. Nandroso ny taona, nipoitra ny hoe Madagasikara ka ny mponina tao Faradofay "Fort Dauphin " dia natao hoe "Madagascarois" na "les Madécasses". Mpandinika tantara no milaza fa ny teny madekasy dia avy amin'ny hoe Madagasy na Madegasy, teny malayziana (Malaysia) na afrikana navadika hoe Malagasy. Ireo Anglisy taty aoriana no nanaiky an'i Radama ho mpanjakan'i Madagasikara.
Araka ny fikarohana nataonay dia fahadisoana nataon'ireo eropeanina nanaraka ny feo heno ary voasoratr'ingahy Marco Polo, efa voalazan'ny namana etsy ambony io, no nahataonga ny anaran'i Madagasikara. Ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Milione, voadika amin'ny teny italianina ankehitriny dia marihiny fa misy fanjakana roa lehibe matanjaka any amin'ireo nosy roa ao atsinana'i Afrika dia i Madaghosho (Madeigascar na Mogelascio) sy i Zanzibar (Zanguebar); arak'izany ny teny hoe: "Madaghosh" izay ampiasain'i Marco Polo eto dia azo heverina fa mifandrika amin'ny teny hindi indianina hoe: "mad'hos"; koa noho izy nihaino fotsiny nefa tsy tena mahay ny teny hindi dia izay nahazoany azy no nanoratany azy; koa azo heverina fa io teny hindi io no fototry ny teny tena mahalaza ny anarana hoe Madagasikara sy Malagasy, satria miovaova ny fanononana ny teny araka ny fotoana sy ny tantara, ary tsy mitsaha-mivoatra izy. Ny teny hindi "mad'hos" moa dia midika hoe: ravoravo, mifalihavanja, velon'aina fa feno fanatenana; tsy lavitra an'izany ny fomban'ny Malagasy ary mahasarika vahiny maro, koa mety ho notondroin'ireto Indianina ho tanin'ireo olona falifaly na ravoravo ny Nosintsika. Raha dinihina izany dia ireo Indianina tonga taty amintsika voalohany no nanome io anarana io; ary raha ny fiovan'ny feo no zohina dia toy izao no azo andinihana io teny io: mad'hos mety ho voatonona ho mad'ghos, na mal'hos, na mal'ghos, saingy ny hoe "Madeigascar" voalazan'i Marco Polo dia noho izy nanao lalamahitsy fotsiny, ary nadahatra azy mora fotsiny amin'ny hoe "Zanguebar" na Zanzibar (marihina fa amin'ny fandrasan-teny ny fiovana dia ny "h" lasa "g"; ny "d" miova ho "l", koa azo halalinina akaiky izany). Jereo G. Treccani, Eciclopedia Italiana di scienze, lettere ed arti, vol. XXI, Milano 1934, p.808; J. Rabenirina, Dalla vita all'unità, Roma 2004, p.9-10.
Toy izao kosa ny hevitr'i Xhi sy M'aa, izay filôzôfy malagasy anisan'ny fanta-daza: Ny fanandroana malagasy dia mampiasa anaram-bolana, toy ny 'fanandroana' rehetra hita eran-tany. Alahamady, Adaoro, Adizaoza, Asorotany, Alahasaty, Asombola, Adimizana, Alakarabo, Alakaosy, Adijady, Adalo, Alohotsy. Amin'ireo anaram-bolana ireo dia ny volana Alahamady, Alakaosy ary Alakarabo no nivoahan'ny teny hoe Mady, Kaosy, Kara ka ireo hono no nahatonga ilay hoe Madagasikara rehefa atambatra.
[Ovay] Ny Fahavazimba (400 - 1500)
Araka ny volazan'i L. Ramaroson ao amin'ny Teto an'ivon'ny Riaka dia efa nisy olona nonina ihany teto Madagasikara tany amin'ny roarivo taona talohan'i Jesoa Kristy tany ho any, saingy mbola vitsy dia vitsy ny mponina teto tamin'izany. Ny vazimba no voalaza fa nonina teto amintsika voalohany indrindra, dia ny taranak'ireo olona ireo izany no tondroina amin'io anarana io voalohany, fa voatondro ho vazimba koa ireo aziatika na indonezianina efa nanomboka niori-mponenana teto Madagasikara hatramin'ny taonjato Voalaohany taorian'i Jesoa Kristy. Saingy nandritry ny taonjato faha-12 ka hatramin'ny faha-16 vao tena nisy fifindra-monina rodobe, ary notondroina ho vazimba ireo olona efa teo taloha. Tsy azo hadinoina koa anefa fa efa nivezivezy tamin'ny morotsiraka ny Arabo hatramin'ny taonjato faha-8 taorian'i Jesoa Kristy. Tsy dia misy zavatra fantatra firy momba ireo vazimba hatramin'izao, fa ny antsoin'ny olona ho vazimba koa dia ireo fasana efa tsy misy mpamoha sy tsy misy mpahatsiaro intsony. Koa aoka ho anjaran'ireo arkeologa ny manamarina izany raha misy sahy mamoha ireny fasana ireny ka hanao fanamarinana siantifika, fa tsy maintsy maro ny zavatra miara-milevina amin'izy ireo ka hanaporofo ny dingana tratran'izy ireo teo amin'ny haitao sy ny fomba amam-panao, izay mety ho re sy fantatra tokoa eo amin'ireo tantaran-drazana ny ny angano na tantara hafa nifandovana isam-paritra. Ny Taimbalimbaly no voalaza ho tompon'ny tany hoy ny tantara, ary fiompiana akoho sy voly saonjo ary fihazana mbamin'ny jono no foto-pivelomany, nivelona tamin'ny tavy kosa ireo olona tonga taty afara koa izany no nahafongotra ny ala teto amintsika.
[Ovay] Ireo Tatsambo sy ny Fanjakana Sakalava (1500 - 1700)
[Ovay] Ny Mpanjaka Malagasy (1700 - 1896)
[Ovay] Ny Fanjanahan-tany (1896 - 1960)
Vanim-potoana nidiran'ny frantsay tao Madagasikara, fotoana nanamarika ny fidirany tao amin'ny taon-jato faha 20. Azo lazaina hoe nitondra fandrosoana sy fivoaram-piainana ihany teo anivon'ny andavan'androny ihany raha ny fivoarana teo amin'izao tontolo izao no jerena.